"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

TAFITA IANAO MANANA TOE-PANAHY TAHAKA AN’NY ZAZA:

Narovan'ny Tompo t@ fombany i Mosesy zaza « Ary rehefa tsy azony nafenina intsony izy, dia nangalany fiara zozoro, ka nopetahany asfalta sy dity ny fiara, dia napetrany tao ny zaza; ary napetrany tao anaty zozoro teo amoron'i Neily ny fiara. » (Eksodosy 2:3)

Ho tafita tahaka an'i Mosesy koa ianao manaiky hanetry tena tahaka ny zaza hotarihan'ny Tompo « ka nanao hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Raha tsy miova* ianareo ka ho tonga tahaka ny zazakely, dia tsy hiditra @ fanjakan'ny lanitra mihitsy ianareo.[*Gr. mitodika]. Koa na zovy na zovy no hanetry tena tahaka ity zazakely ity, dia izy no ho lehibe indrindra @ fanjakan'ny lanitra. » (Matio 18:3-4)

MINOA! 

 


VAVAKA: RAY O! MANAVAO NY FANOLORANTENANAY IZAHAY! MANAIKY TAHAKA NY ZAZA HOTARIHANAO! @ ANARAN’I JESOSY KRISTY TOMPO AVY ANY NAZARETA AMEN! (Teny zaraina 4261).