"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

HO VOATAHY IZAY MANONONA FIADANANA HO AN’NY HAFA

Ankasitrahan'ny Tompo ianao raha miarahaba an'izay mampandroso anao
« Ary raha vao miditra ao amin'ny trano ianareo, dia miarahabà ny ao. » (Matio 10:12)
fa vao maika hitondra fitahiana raha manonona ny fiadanan'ny Tompo @izany 
« Koa raha mendrika ny ao an-trano, dia aoka ho ao aminy ny fiadanana tononinareo; fa raha tsy mendrika izy, dia aoka hiverina aminareo ny fiadanana voatononareo. » (Matio 10:13)

FIADANAN’NY TOMPO HO AMINAO E !!!!

FIDIO IZAY JEROSALEMA TIANAO


Hisy Jerosalema izay holevon'ny afo
« Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Toy ny tahom-boaloboka amin'ny hazo any an'ala, izay natolotro hataina, dia toy izany no hanolorako ny mponina any Jerosalema. » (Ezekiela 15:6)
 satria tsy mamoa ny tahom-boaloboka ao aminy
« Moa mba fangalan-kazo hatao zavatra akory va izy, na mba fangalana fihantonan-javatra? Indro, hatsipy any anaty afo hataina izy; ny laniny roa ho levon'ny afo, ary ny tenatenany ho may. Ka moa azo atao zavatra akory va izy? » (Ezekiela 15:3-4)
misy kosa mamoa satria miaraka @ Kristy
« Izaho no voaloboka, ianareo no sampany. Izay miray amiko, ary Izaho aminy, dia mamoa be izy; fa raha misaraka amiko kosa ianareo, dia tsy mahay manao na inona na inona. » (Jaona 15:5)
ANAO NY SAFIDY !
MINO AHO ANEFA FA TSY AMELANAO RAHA TSY HO LASAN’I KRISTY TANTERAKA NY TANANANAO E !

MINOA FA VOAVELA IANAO IZAY NIBEBAKA MARINA


Ny mpanota iray rehefa tena mibebaka an-dranomaso eo anatrehan'i Kristy
« ary nijanona teo ivohony tanilan'ny tongony izy ka nitomany, dia nahakotsa ny tongony tamin'ny ranomasony sy namaoka azy tamin'ny volon-dohany, dia nanoroka fatratra ny tongony ka nanosotra azy tamin'ny menaka manitra, » (Lioka 7:38)
dia voavela
« Dia hoy Izy tamin-dravehivavy: Voavela ny helokao. » (Lioka 7:48)
mila inoana anefa ny fandraisana ny famelan-keloka
« Ary hoy Izy tamin-dravehivavy: Ny finoanao efa namonjy anao; mandehana soa aman-tsara. » (Lioka 7:50)

AO @ KRISTY MANTSY REHEFA VOAVELA DIA VOAVELA !IAINO ARY ILAY FIAINAM-BAOVAO AO AMINY E !!!MAHEREZA !

HO TAHIANA IZAY MANKATO NY TENY


Antoka ho an'ny fitahiana anao sy ny ankohonanao eny hahatonga anao hasandratra ambonin'ny firenena rehetra ny fankatoavanao ny Tenin'Andriamanitra
« Raha mihaino tsara ny feon'i Jehovah Andriamanitrao ianao ka mitandrina hanaraka ny didiny rehetra, izay andidiako anao anio, dia hasandratr'i Jehovah Andriamanitrao ho ambonin'ny firenena rehetra amin'ny tany ianao; » (Deotoronomia 28:1)

MINOA !REHEFA HISAFIDY IHANY TSY ALEO VE  IZAY FOMBA AHAZOANA FIADANANA MANDRAKIZAY NO KATSAHINA E !!!

ANKALAZAO FA KRISTY IHANY NO VAHA-OLANA


Mila olona hendry sahy hijoro vavolombelon'i Kristy ny Tompo
« Iza no hendry mba hahafantatra izany zavatra izany? Na manan-tsaina mba hahalala izany? Fa mahitsy ny lalan'i Jehovah, ary ny marina no mizotra eny aminy; Fa ny mpanota kosa dia tafintohina eny aminy. » (Hosea 14:10)
ka sahy hilaza fa Kristy dia vonona hanavotra izay firenena mino Azy
« Ho tahaka ny ando Aho amin'ny Isiraely; Hamony tahaka ny lilia izy, ary hamaka tahaka an'i Libanona. » (Hosea 14:6)

IANAO IZANY!! 
IZAY VOASORATRA DIA TSY MAINTSY HO TANTERAKA TSY ALEO TANTERAHINA ETO @ FIRENENA ?

HIVOAKA TSY HO ELA NY LALANA FA KRISTY NO HATAHORAN’NY FIRENENA


Namoaka lalàna ny mpanjaka fa Andriamanitr'i Daniela no hatahorana eo @ fanjakany 
« Manao lalàna aho mba hangovitan'ny olona sy hatahorany eo anatrehan'Andriamanitr'i Daniela eran'ny fanjakako rehetra; fa Izy no Andriamanitra velona sady maharitra mandrakizay; ny fanjakany haharitra hatramin'ny farany. » (Daniela 6:27)
nanaporofo ny fahalehibeazany mantsy izy
« Izy no mamonjy sy manafaka ary manao famantarana sy fahagagana any an-danitra sy ety an-tany, ary Izy no namonjy an'i Daniela ho afaka tamin'ny herin'ny liona. » (Daniela 6:28)

ANJARANAO IZAO!! 
AZA AMELANA RAHA TSY RESY LAHATRA NY MPANAPAKA EO @ JEROSALEMANAO FA VELONA KRISTY ARY VONONA HANARINA NY TANANANAO !!

FOTOANA FAHATANTERAHAN’NY TENY FIKASANA IZAO


Kristy efa nampitondra ireo teny fikasana ho anao olony avy any @ Ray
« Ary, indro, Izaho mampitondra ny teny fikasan'ny Raiko ho anareo;… » (Lioka 24:49a)
raha misy roa mifanaky fa hitranga izany dia hivaly avy hatrany
« Ary lazaiko aminareo koa: Raha misy roa aminareo mifanaiky ety ambonin'ny tany na amin'inona na amin'inona ka hangataka izany, dia ho azony avy amin'ny Raiko Izay any an-danitra izany. » (Matio 18:19)

MINOA!FANTARO ARY DIA ZARAO @ NAMANA DIA HIETSIKA NY TONTOLON’NY LANITRA HANANTATERAKA AZY E !!

TSY IRERY IANAO


Kivy ianao satria toa ianao irery sisa no tena mpanara-dia an'i Kristy marina?
« Dia hoy izy: Nafana dia nafana ny foko noho ny fitiavako an'i Jehovah, Andriamanitry ny maro; fa ny Zanak'Isiraely efa nahafoy ny fanekenao; ny alitaranao noravany, ary ny mpaminaninao novonoiny tamin'ny sabatra, ary izaho dia izaho irery ihany no sisa. nefa mbola mitady hahafaty ny aiko koa izy. » (1 Mpanjaka 19:14)
diso anefa izany fa ny Tompo hampahafantatra anao ireo namanao
« Nefa hamela fito arivo ao amin'ny Isiraely Aho, dia ny lohalika rehetra izay tsy nandohalika tamin'i Bala sy ny vava rehetra izay tsy nanoroka azy. » (1 Mpanjaka 19:18)

FOTOANA FIOMBONANA IZAO !!
TSY TIANAO VE NY HIARA-HANDRESY AO @ KRISTY E !!!
VITA IZANY !
FA IANAO ALOHA NO TOKONY TSY HO KIVY VOALOHANY !
MAHEREZA !

ANJARA ASA TOKONY ATAO @ IZAO ANDRO FARANY IZAO


Mitory fa efa tena akaiky ny fanjakan'ny lanitra
« Ary raha mandeha ianareo, dia mitoria hœ: Efa mby akaiky ny fanjakan'ny lanitra. » (Matio 10:7)
mamonjy mampiasa ny herin'i Kristy ao anaty
« Sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovy ny boka, avoahy ny demonia; efa nahazo maimaimpoana ianareo, koa manomeza maimaimpoana. » (Matio 10:8)

MAHEREZA.VITANAO IZANY !!IZA INDRAY ARY NO ANDRASANA E !!!

HITARO NY VINANAO RY OLON'I KRISTY


FANAMBY HITRANGA TSY HO ELA!
Ny lohalika rehetra handohalika
« mba ho amin'ny anaran'i Jesosy no handohalehan'ny lohalika rehetra, na ny any an-danitra, na ny ety an-tany, na ny any ambanin'ny tany, » (Filipiana 2:10)
ny tany rehetra hiankohoka eo anatrehan'ny Tompo
« Ny tany rehetra hiankohoka eo anatrehanao ka hankalaza Anao; eny, hankalaza ny anaranao izy. » (Salamo 66:4)

MATOA TESTAMETA VOASORATRA DIA « POSSIBLE » ILAY IZY ,ATOMBOY AMINAO ARY AZA AMELANA RAHA TSY IZAO TONTOLO IZAO NO HIAIKY FA KRISTY NO MPANJAKAN’MPANJAKA E !!!

METY HAHITA FAHITANA IANAO OLON’I KRISTY


Daniela dia nanonofy sy nahita fahitana
« Tamin'ny taona voalohany nanjakan'i Belsazara, mpanjakan'i Babylona, dia nanonofy Daniela sady nahita fahitana tao am-pandriany, ary nosoratany ny nofy, ka nambarany ny fotopototry ny teny. » (Daniela 7:1),
@izao andro farany izao koa dia misy olona tendren'ny Tompo hahita fahitana
« Ary amin'ny andro farany, hoy Andriamanitra, No handatsahako ny Fanahiko amin'ny nofo rehetra; Ary ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo haminany, Ary ny zatovonareo hahita fahitana, Ary ny lahiantitrareo hanonofy; » (Asan'ny Apostoly 2:17)
sy maminany
« Ary ny mpanompoko, na lahy na vavy, Dia handatsahako ny Fanahiko amin'izany andro izany, Ka dia haminany izy; » (Asan'ny Apostoly 2:18)
AZA GAGA!TSY AZO FERANA NY FIASAN’NY TOMPO FA EFA MARIKY NY FAHATANTERAHAN’IZAY VOASORATRA IZANY!!!

MENDRIKA ANAO OLON’I KRISTY NY MIAINA AO @ FIAINANA MANDRAKIZAY AVY HATRANY


Ny fanajanao an'ilay Andriamanitra tokana Rain'i Jesoa Kristy dia efa mariky ny fiainanao ao @ fiainana mandrakkizay
« Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao. » (Jaona 17:3)
Hifaly ao anatinao Izy
« Jehovah Andriamanitrao no ao aminao, Mahery Izy ka hamonjy; Hiravoravo anao amin'ny fifaliana Izy; Ho sondriana amin'ny fitiavany Izy; Hifaly anao amin'ny fihobiana Izy. » (Zefania 3:17)

MINOA!
TENA HAVAHANY ANIE IANAO E!
MAHEREZA!

HISY VOKANY NY FANKATOAVANAO AN’I KRISTY


Hoy ny Tompo aminao:Manàna finoana!
« Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hœ: Manàna finoana an'Andriamanitra. » (Marka 11:22)
Ho mpihaino mpankato ianao ary hitsimbadika ny fiainanao dia hoy Izy aminao:Ny finoanao no efa namonjy anao!
« Ary hoy Jesosy taminy: Mandehana ianao, ny finoanao no efa namonjy anao. Dia nahiratra niaraka tamin'izay ny masony, ka nanaraka an'i Jesosy teny an-dalana izy. » (Marka 10:52)

HIAINO ILAY FIAINAM-BAOVAO MENDRIKA ANAO!!!

FANTARO TSARA NY TENANANAO


Fotoana fiambenana izao
« Koa amin'izany miambena ianareo; fa tsy fantatrareo izay andro hihavian'ny Tomponareo. » (Matio 24:42)
olom-boahosotr'Andriamanitra mantsy ianao olon'i Kristy
« Ary Samoela nitondra tavoara feno diloilo ka nanidina ny diloilo teo an-dohan'i Saoly, dia nanoroka azy ka nanao hœ: Tsy nanosotra anao va Jehovah mba ho mpanapaka ny lovany? » (1 Samoela 10:1)
dia tokony ho tsapanao ny fiovam-po anananao
« Ary raha vao nihodina niala tamin'i Samoela izy, dia nomen'Andriamanitra fo vaovao; ... » (1 Samoela 10:9a)

 MAHEREZA!IZAY MADIO FO IHANY MANTSY NO HAHITA AN’ANRIAMANITRA NO SADY HIAINA AO @ FANJAKANY DIENY ETY AN-TANY E!

ZAVA-MASINA IHANY NO TOKONY AFAKA AMBARANAO OLON’I KRISTY


Manamafy ny Tompo fa izay ambaranao olon'i Kristy dia izay asain'Andrmanaitra lazainao ihany
  « satria Izaho tsy niteny ho Ahy, fa ny Ray Izay naniraka Ahy, Izy no nandidy Ahy izay holazaiko sy izay hotoriko. » (Jaona 12:49)
zava-masina no ambaranao sady mitondra fiainana
« Ary fantatro fa fiainana mandrakizay ny didiny; koa izay lazaiko dia lazaiko araka izay nolazain'ny Ray tamiko. » (Jaona 12:50)

TSAPANAO VE FA MIADANA IANAO SATRIA MPIZARA FIAINANA ?
MAHEREZA !

FANALAHIDIN’NY VALIM-BAVAKA NY FINOANA SY NY FAMELAN-KELOKA


Rehefa mamela ny heloky ny hafa ianao na iza na iza dia ho voavela eo anatrehan'ny Ray
« Ary raha mitsangana mivavaka ianareo, ka misy olona anananareo alahelo, dia mamelà ny helony, mba havelan'ny Rainareo Izay any an-danitra kosa ny helokareo. » (Marka 11:25)
sady afaka mino avy hatrany fa hahazo valim-bavaka
« Koa lazaiko aminareo: Na inona na inona tononinareo amin'ny fivavahana sy angatahinareo, dia minoa fa efa nandray ianareo, dia ho azonareo izany. » (Marka 11:24)

MAHEREZA !
SAHIA MANOVA NY TOEM-PONAO FA TSY HANENENANAO MANDRAKIZAY IZANY !!!

LAKOLOSY FARANY HO AN’NY REHETRA IZAO


Fotoana fialan'Andriamanitra nenina farany izao aleo mifona sy mibebaka miverina Aminy 
« Fa aoka samy hisarona lamba fisaonana ny olona sy ny biby fiompy, ary aoka hitaraina mafy amin'Andriamanitra izy, ary aoka samy hahafoy ny lalany ratsy sy ny fandozana eny an-tanany avy izy rehetra. » (Jona 3:8)
aoka ny Tompo mihitsy no hahita ny fandresen-dahatrao
« Ary rehefa hitan'Andriamanitra ny nataon'ireo ny amin'ny nialany tamin'ny lalan-dratsiny, dia nanenina Izy ny amin'ny loza izay nolazainy hamelezany azy, ka tsy nataony izany. » (Jona 3:10)

SAHIA !ATAOVY AZO ANTOKA NY MANDRAKIZAINAO ARY AMPAFANTARO AN’IZANY KOA NY HAFA E ! 
MAHEREZA.

ALEO MIFIKITRA @ I KRISTY H@ FARANY


Ny olon'i Kristy marina dia arovan'Andriamanitra foana na dia mandalo ady sarotra aza
« Andriamanitro efa naniraka ny anjeliny ka nanakombona ny vavan'ny liona tsy handratra ahy, satria fahamarinana no hitany tamiko; ary teo anatrehanao koa, ry mpanjaka ô, tsy nanao ratsy aho. » (Daniela 6:23)
izay tsy manaja Azy kosa dia faiziny h@ vady aman-janany!
« Ary ny mpanjaka nandidy, ka nentina ireo lehilahy niampanga* an'i Daniela ireo, dia natsipy tao an-davaky ny liona izy mbamin'ny vadiny aman-janany, ary ny liona nanan-kery taminy ka nanapatapaka ny taolany, raha tsy mbola nipaka tamin'ny vodin'ny lavaka akory aza izy.[Ar. nihinana ny nofony] » (Daniela 6:25)

SAFIDY TSARA EFA MENDRIKA ANAO NY HO KRISTIANA MPAKATO!! 
MAHEREZA !

MILA MIASA HO AN’NY HAFA IANAO OLON’I KRISTY 2


Ampiasao izay fanomezam-pahasoavana anananao:
na mampiakatra finoana
« Fa hoy ny Tompo: Raha manana finoana na dia hoatra ny voan-tsinapy iray aza ianareo, dia azonareo lazaina amin'io vorihazo io hœ: Miongota, ary aoka hambolena ao anatin'ny ranomasina, dia hanaiky anareo izy. » (Lioka 17:6)
na faminaniana
« Ary ny mpanompoko, na lahy na vavy, Dia handatsahako ny Fanahiko amin'izany andro izany, Ka dia haminany izy; » (Asan'ny Apostoly 2:18)
na mampibebaka
« Koa mibebaha amin'izao haratsianao izao, ka mangataha amin'ny Tompo, andrao mba havelany izay noheverin'ny fonao. » (Asan'ny Apostoly 8:22)
na fahagagana
 « Ny famantarana mah'Apostoly ahy dia natao teo aminareo tokoa tamin'ny faharetana rehetra, tamin'ny famantarana sy ny fahagagana ary tamin'ny asa lehibe. » (2 Korintiana 12:12)
na hafa koa!

MANANA IANAO SATRIA AO ANATINAO KRISTY TOMPON’NY FAHAFENOANA!!!

MILA MIASA HO AN’NY HAFA IANAO OLON’I KRISTY


Ampiasao izay fanomezam-pahasoavana anananao:na fampaherezana
« Koa mifananara sy mifampahatanjaha, tahaka ny ataonareo ihany. » (1 Tesaloniana 5:11)
na fanasitranana marary sy fandroahana  demonia
« Ary nony hariva ny andro, dia nentin'ny olona tany aminy ny demoniaka maro; ary ny teniny ihany no namoahany ny fanahy ratsy, ary izay narary rehetra dia nositraniny avokoa, » (Matio 8:16)
na fanaovan-tsoa
« Fa aza manadino hanao soa sy hiantra; fa fanatitra toy izany no sitrak'Andriamanitra. »
(Hebreo 13:16)

hitohy!
MAREREZA.

JOSIA AO @ KRISTY IANAO


Modely @ fankatoava an'Andriamanitra
« Ary tsy nisy mpanjaka tahaka azy teo alohany, izay niverina ho amin'i Jehovah tamin'ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra sy ny heriny rehetra araka ny lalàn'i Mosesy rehetra; …. » 
(2 Mpanjaka 23:25a)
teny efa napetraky ny Tompo ho an'i olony mantsy izany
« Ary tiava an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny herinao rehetra. » (Deotoronomia 6:5)
Matahora Azy e!
« Matahora an'i Jehovah Andriamanitrao ianao, ka manompoa Azy, ary aoka ny anarany no hianiananao. » (Deotoronomia 6:13)
MAHEREZA.

MITADY MPANAPAKA MANANA TOETRA TAHAKA ANAO NY TOMPO!MANAIKY VE IANAO?

HIAIKY NY FIOVANA HISY AMINAO OLON’I KRISTY NY JENTILISA


Hamindra fo aminao olony Kristy
« Hamindra fo amintsika indray Izy Ka hanitsakitsaka ny fahotantsika, Eny, harianao ho any amin'ny ranomasina lalina ny fahotany rehetra. » (Mika 7:19)
haneho fahagagana sy fanovana eo @ ny fiainanao Izy
« Toy ny tamin'ny andro nivoahanao avy tany amin'ny tany Egypta No hanehoako azy zava-mahagaga. » (Mika 7:15)
hiaiky sady hitampim-bava ny jentilisa hahita izany
« Hahita izany ny jentilisa, Ka hahamenatra azy ny heriny rehetra; Hitampim-bava izy, Ho tonga marenina ny sofiny. » (Mika 7:16)

TESTAMETA TSY MIOVA EFA VOASORATRA HO ANAO IZANY!
MINOA!
MAHEREZA!

IANAO OLON'I KRISTY VE?


Andriamanitra no mandidy izay teny lazainao
« Izaho tsy niteny ho Ahy, fa ny Ray Izay naniraka Ahy, Izy no nandidy Ahy izay holazaiko sy izay hotoriko. » (Jaona 12:49)
izay mino izany dia tahaka ny mino sady mahita an'Andriamanitra
« Ary Jesosy niantso ka nanao hœ: Izay mino Ahy, dia tsy Izaho no inoany, fa Izay naniraka Ahy. Ary izay mahita Ahy dia mahita Izay naniraka Ahy. » (Jaona 12:44-45)
HAFA IANAO! HAMASINO ARY NY TENANANAO MBA HO FITOERANA MASIN’I KRISTY TOKOA E!



HIVADIKA KANANA NY TANY MISY ANAO OLON’I KRISTY


Izay tsy mivilivily fa mahitsy @ safidy hifikitra @ Kristy ihany
« Koa tandremo mba hanao araka izay efa nandidian'i Jehovah Andriamanitrareo anareo; aza mivily, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia; » (Deotoronomia 5:29)
dia hahita soa sady ho maro andro
« fa ny lalana rehetra izay nandidian'i Jehovah Andriamanitrareo anareo no halehanareo, mba ho velona ianareo ka hahita soa, ary ho maro andro any amin'ny tany izay holovanareo. » (Deotoronomia 5:30)
sady hipetraka eo tany voatahy manokana
« Koa mihainoa, ry Isiraely, ka mitandrema hanaraka izany, mba hahita soa ianao, ary mba hitomboanareo indrindra, araka izay nolazain'i Jehovah, Andriamanitry ny razanao, taminao, dia any amin'ny tany tondra-dronono sy tantely. » (Deotoronomia 6:3)
NY TOMPO EFA VONONA FA ANAO SISA NY SAFIDY!MAHEREZA!


HAHOMBY @ ASA FITORIANA IANAO OLON’I KRISTY


Hoy ny Tompo aminao olony:Mitsangàna ka mandehana torio ny teny izay nolazaiko taminao 
« Mitsangàna, ka mankanesa any Ninive, ilay tanàna lehibe; ary torio aminy ny teny izay lazaiko aminao. » (Jona 3:2)
Halaza manerana izay faritra handalovanao Kristy
« Ary ny lazany dia niely niaraka tamin'izay teny tontolo eny tamin'ny tany rehetra eran'i Galilia. » (Marka 1:28)

MATOKISA!MAHEREZA !

FAMAIZANA MANOKANA NO AZON’NY RATSY FANAHY


Hoy ianao hoe nahoana no velona sy toa voatahy ny ratsy fanahy?
« Nahoana no velona ny ratsy fanahy ka sady tratrantitra no be hery? Ny zanany koa mitomœtra tsara eo anatrehany, ary ny zafiny eo anoloany.Ny ankohonany miadana ka tsy manan-tahotra, ary ny tsorakazon'Andriamanitra tsy mamely azy. » (Joba 21:7-9)
Andriamanitra anefa manafay azy @ fombany izay tsy voatery hita mivantana
« Aoka ny masony ihany no hahita ny loza manjo azy, ary aoka ny tenany ihany no hisotro ny fahatezeran'ny Tsitoha. » (Joba 21:20)

 ’NDEHA HIFONA HO AZY IRENY KA MBA HIBEBAKA SY HIOVA FO IZY!!!!

POROFOY FA MANANA AN’I KRISTY IANAO


Mahafantatra izay fanahy ao anatinao ny fanahy ratsy
« Ary ny fanahy ratsy namaly ka nanao taminy hœ: Fantatro Jesosy, ary fantatro koa Paoly; fa mba iza kosa moa ianareo? » (Asan'ny Apostoly 19:15)
ianao koa mila manana antoka fa fanahin'i Kristy no ao anatinao sady porofoy @ asa izany!
« Ny Fanahin'i Jehovah no ato amiko, Satria nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin'ny malahelo Izy; Naniraka Ahy hitory fandefasana amin'ny mpifatotra Izy, Sy fampahiratana amin'ny jamba, Hanafaka izay nampahorina, » (Lioka 4:18)
FANAHIN’ILAY MPAMONJY NO AO ANATINAO!AMPIASAO!MAHEREZA!



MASINA IANAO OLON’I KRISTY


Mitoetra eo @fitoerana masina ianao olon'i Kristy
« Iza no hiakatra any an-tendrombohitr'i Jehovah? ary iza no hitœtra ao amin'ny fitoerany masina? » (Salamo 24:3)
raha madio tànana sy mahitsy fo ary tsy tia lainga
« Izay madio tanana sy mahitsy fo, izay tsy manandratra ny fanahiny ho amin'ny lainga, na mianiana hamitaka. » (Salamo 24:4)
Vitanao izany ary ho voatahy ianao
« Handray fitahiana avy amin'i Jehovah izy, ary fahamarinana avy amin'Andriamanitry ny famonjena azy. » (Salamo 24:5)

ARAHABAINA IANAO FA MANANA SEZA MENDRIKA ANAO ANY AN-DANITRA E!!!MIFALIA!AHEREZA!!

MILA MADIO EO ANATREHAN’ANDRIAMANITRA IANAO OLON’I KRISTY


An'Andriamanitra ny tontolo rehetra 
«  An'i Jehovah ny tany sy izay rehetra eo aminy. Izao rehetra izao sy ny mponina eo aminy. » (Salamo 24:1)
atolory Azy ny momba anao rehetra manomboka @ tenananao h@ fanananao ary aoka hadio eo anatrehany izany
« Ary aza lotoinareo ny tany onenanareo, izay itœrako; fa Izaho Jehovah mitœtra eo amin'ny Zanak'Isiraely. » (Nomery 35:34)

HAFA IANAO MADIO ARA-BATANA !ARA-TSAINA!ARA-PANAHY!!MADIO KOA NY ARA-BOLA!NY TRANO!NY FANANANAO REHETRA E!VITANAO IZANY!!!

MPIHAZAKAZAKA MIAVAKA IANAO OLON’I KRISTY


Mpihazakazaka ao @ Kristy ianao mikendry hahazo satroboninahitra avy any an-danitra
« Ary ny mpihazakazaka rehetra dia mahonon-tena amin'ny zavatra rehetra. Kanefa ireny dia mitady satro-boninahitra mety ho lò ihany, fa isika kosa ny tsy mety ho lò. » (1 Korintiana 9:25)
Aza mifidy olona hitoriana dia ho azonao izany
« efa tonga zavatra rehetra aho amin'ny olona rehetra, mba hamonjeko ny sasany na iza na iza. » (1 Korintiana 9:22b)

MATOKIA!VITANAO IZANY !!!HITONDRA SOKAJIN’OLONA MARO HO ANY AN-DANITRA IANAO !!!!