"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

FIAINANA MIAVAKA NO MENDRIKA ANAO ZANAK'ANDRIAMANITRA

Miaina eo ambanin'ny fahasoavan'Andriamanitra ianao olony
« Ary hoy rainy taminy: Anaka, ianao eto amiko mandrakariva, ary anao avokoa izay rehetra ananako. » (Lioka 15:31)
ny finoanao no mbola hanamarinany izany bebe kokoa hatrany
« Ary izay mahatoky amin'ny kely indrindra dia mahatoky koa amin'ny be; ... » (Lioka 16:10a)
Miavaka ianao
« Ary amin'izany ny Mpanjaka dia hilaza amin'izay eo amin'ny ankavanany hoe: Avia ianareo izay notahin'ny Raiko, mandovà ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo izao; » (Matio 25:34)
ROMBAHY NY ANJARANAO!!!
MATOKIA,
MAHEREZA.

HITOMBO NY FIADANANA AO ANATINAO SATRIA IANAO TIA MIZARA IZANY

Mendrika ny hizara ny fiadanan'Tompo ianao satria efa miaina ao anatin'izany
« Ary raha vao miditra ao amin'ny trano ianareo, dia miarahabà ny ao.Koa raha miendrika ny ao an-trano, dia aoka ho ao aminy ny fiadanana tononinareo; fa raha tsy miendrika izy, dia aoka hiverina aminareo ny fiadanana voatononareo. » (Matio 10:13)
Iraka ampanaoviny anao olony izay nanolo-tena ho Azy izany
« Ary nandre ny feon'ny Tompo aho nanao hoe: Iza no hirahiko, ary iza no handeha ho irakay? Dia hoy izaho: Inty aho, iraho aho. » (Isaia 6:8)
REHEFA MIARAKA AMIN'I KRISTY DIA TSY HISY ZAVA-POANA NY ZAVATRA ATAONAO REHETRA!!!
MAHEREZA.

FOTOANAN'NY FIJOROANA NY MAHA IRAY AO AMIN'I KRISTY IZAO


Ny olon'i Kristy rehetra na samihafa aza dia Iray ihany
« Fa tahaka ny tena iray ihany, anefa maro no momba ny tena, ary ireo rehetra momba ny tena ireo, na dia maro aza, dia tena iray ihany, dia tahaka izany koa Kristy. » (1 Korintiana 12:12)
satria Iray ilay Andriamanitra
« Ary zarazaraina ho samy hafa ny asa, nefa Andriamanitra dia iray ihany, Izay miasa ny zavatra rehetra amin'ny olona rehetra. » (1 Korintiana 12:6)
iray ny Fanahy
« Zarazaraina ho samy hafa ny fanomezam-pahasoavana, nefa ny Fanahy dia iray ihany. » (1 Korintiana 12:4)
mpanasoa
« Ary izy rehetra dia samy nomena ny fampisehoana ny Fanahy hahasoa.» (1 Korintiana 12:7)
ao aminy.

HANAFAINGANA NY FIVELARAN'NY FIFOHAZAM-PANAHY IZANY!!!
SA AHOANA?

HODY FIFALIANA IREO TEBITEBINAO OLON'I KRISTY

Mipetraka ao anatinao izay manetry tena sy manana fo torotoro Andriamanitra
« Fa izao no lazain'ny Iray avo sy manerinerina, izay monina mandrakizay, masina no anarany: Ao amin'ny fitoerana avo sy masina no onenako, ary ao amin'ny torotoro fo sy ny manetry tena, hamelombelona ny fanahin'ny manetry tena sy hamelombelona ny fon'ny torotoro fo; » (Isaia 57:15)
mba hampitony anao
« Fa tsy hifandahatra mandrakariva Aho ary tsy ho tezitra mandrakizay; Fandrao ho reraka eo anatrehako ny fanahy, dia ny aina* izay nataoko. [Heb. fofonaina] » (Isaia 57:16)
Derao Izy ho mariky ny finoanao izany
« Mihobia, ry lanitra! Ary mifalia, ry tany! Ka velomy ny hoby, ry tendrombohitra! Fa Jehovah efa nampionona ny olony sy mamindra fo amin'ny olony mahantra. » (Isaia 49:13)
HO TSAPANAO NY DIKAN'IZANY HOE "HASANDRATR'ANDRIAMANITRA"!!
MATOKIA.

ARAHINA ASA NY FINOANA AN'I KRISTY

Porofon'ny herin'i Kristy ao anatinao ny fahazotoanao miasa
« Fa fony mbola teo aminareo ihany aza izahay, dia nandidy anareo hoe: Raha misy tsy mety miasa, dia aoka tsy hihinana izy.Fa renay fa misy ny sasany eo aminareo tsy mitoetra tsara, ka tsy miasa akory, fa mivezivezy foana miraharaha ny an'olona.Ary izay manao toy izany no didianay sy anarinay ao amin'i Jesosy Kristy Tompo mba hiasa tsara amin'ny fiadanana ka hihinana izay azy ihany. » (2 Tesaloniana 3:10-12)
mangarahara sy am-pahamarinana
« Fa izay manao ny marina kosa dia manatona ny mazava, mba haseho ny asany, fa atao amin'Andriamanitra izany. » (Jaona 3:21)
Hahomby ianao ary satrinao hijoro @ izany
« Sitrako ny hanambara ny famantarana sy ny fahagagana izay nataon'Andriamanitra Avo Indrindra tamiko. » (Daniela 3:32)
ILAIN'ANDRIAMANITRA HITONDRA FANDROSOANA HO ANAO SY HO AN'NY HAFA IANAO!!!
MAZOTOA-MAHEREZA.

KRISTY NAHAVITA NY "MISSION"-NY TETY AN-TANY,NY ANJARANAO DIA NY MIJORO HO VAVOLOMBELONY

Kristy-Mpamela heloka sy be famindrampo
« Iza no Andriamanitra tahaka Anao, Izay mamela heloka Sady mandalo ny fahadisoan'ny sisa amin'ny lovany? Tsy mitana ny fahatezerany ho mandrakizay Izy, Fa tia famindram-po. » (Mika 7:18)
Mpamonjy
« Izy tokoa no vatolampiko sy famonjena ahy, dia fiarovana avo ho ahy ka tsy hangozohozo loatra aho. » (Salamo 62:2)
Ianao-Hiasa sy hitondra fanovana @ Anarany
« hamonjy anao amin'ny olona Isiraely sy ny jentilisa, izay anirahako anao,hampahiratra ny masony hialany amin'ny maizina ho amin'ny mazava, ary amin'ny fahefan'i Satana ho amin'Andriamanitra, mba hahazoany famelan-keloka sy lova eo amin'izay nohamasinina noho ny finoana Ahy. » (Asan'ny Apostoly 26:18)
Tany tsara hamoa avy 100 eny
« Ary ny sasany dia voafafy teny amin'ny tany tsara, ary raha naniry sy namoa, dia vokatra, fa namoa: ny sasany avy telo-polo heny, ary ny sasany avy enim-polo heny, ary ny sasany avy zato heny. » (Marka 4:8)
MIAVAKA IANAO OLONY EO ANATREHANY,NY ANJARANAO DIA NY MAMPIASA IZANY HO FANAVOTANA NY HAFA!!!
MAHEREZA.

NANDRESY NY SAKANA REHETRA KRISTY

Dradradradrao fa Mpandresy Kristy
« Fa Izy namaly ka nanao hoe: Lazaiko aminareo fa raha mangina ireo, dia ny vato no hiantsoantso. » (Lioka 19:40)
derao ny Anarany
« ... Isaorana anie ny Mpanjaka, Izay avy amin'ny anaran'i Jehovah. Fiadanana any an-danitra, ary voninahitra any amin'ny avo indrindra. » (Lioka 19:38)
Hitombo ny vahoaka hino Azy
« Ary vao mainka nisy olona maro koa na lahy na vavy izay nino ny Tompo nanampy ho isany; » (Asan'ny Apostoly 5:14)
satria ianao olony nanaiky nampiasainy
«  Ary ny tanan'ny Apostoly no nanaovana famantarana sy fahagagana maro teo amin'ny vahoaka; ... » (Asan'ny Apostoly 5:12a)
VANIM-POTOANA FANAPOROFOINA IZANY IZAO!!!
TRATRY NY PASKA E!!!

HANALA NY PETIPETINA REHETRA MBA HAHATONGA ANAO HO FENO HOSOTRA KRISTY

Fotoana fanadiovan'Kristy anao izao mba hahatonga anao ho hanitra ankasitrahan'Andriamanitra
« Ary hipetraka handrendrika sy hanadio volafotsy Izy; eny, hanadio ny taranak'i Levy Izy sy handrendrika azy toy ny fandrendrika volamena sy volafotsy, ka dia ho an'i Jehovah ireny ho mpanatitra fanatitra amim-pahamarinana.Dia ho mamin'i Jehovah ny fanatitry ny Joda sy Jerosalema toy ny tamin'ny andro fahiny sy toy ny tamin'ny taona taloha. » (Malakia 3:4)
sy hahazo fifaliana
« Ary hiposaka aminareo, izay matahotra ny anarako, ny Masoandron'ny fahamarinana, manana fanasitranana ao amin'ny tanany*; ary hivoaka ianareo ka hifalihavanja toy ny zanak'omby mifahy; [Heb. elany] » (Malakia 3:20)
ary fahefana manokana
« ary hohitsahinareo ny ratsy fanahy; fa ho lavenona eo ambanin'ny faladianareo izay amin'ny andro izay hotendreko, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. » (Malakia 3:21)
TOMBONY HO ANAO OLOM-BOAFIDINY IZANY!!!
MAHEREZA.

NAMOY NY AINY KRISTY MBA HAMPIOVA TANTERAKA NY MAHA-IZY ANAO


Maty ho anao Kristy hahatonga anao tsy ho kivy
« Ary hoy Izy taminy: Diniho izay teny renareo; araka ny ohatra anoharanareo ihany no hanoharana ho anareo, ary homena mihoatra aza ianareo.Fa izay manana no homena; ary ny amin'ny tsy manana, na dia izay ananany aza dia halaina aminy. »
(Marka 4:24-25)

ho voatahy
« Tsy varidimiventy* ihany va no vidin'ny tsintsina roa? nefa tsy misy na dia iray akory aza amin'ireny ho latsaka amin'ny tany, raha tsy avelan'ny Rainareo.[*Gr. asaria, izay ampahafolon'ny denaria]Fa na dia ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa.Koa aza matahotra; fa mihoatra noho ny tsintsina maro ianareo. » (Matio 10:29-31)
haheno sy hizara izay lazainy
« Izay lazaiko aminareo ao amin'ny maizina, dia ambarao eo amin'ny mazava, ary izay ren'ny sofinareo, dia torio eo ambonin'ny tampon-trano. » (Matio 10:27)
ho sahy hiatrika ady sarotra
« ary ho entiny eo anatrehan'ny mpanapaka sy ny mpanjaka ianareo noho ny amiko, ho vavolombelona aminy sy amin'ny jentilisa.Fa raha manolotra anareo izy, dia aza manahy ny amin'izay fomba hitenenanareo, na izay holazainareo; Fa homena anareo amin izany ora izany izay holazainareo.Fa tsy ianareo no miteny, fa ny Fanahin'ny Rainareo no miteny ao anatinareo. » (Matio 10:18-20)
RESEO NY SAKANA REHETRA!!!
MIFALIA DIA HITOMBO HATRANY NY FIAINAM-PAHASAMBARANA AO ANATINAO.

AZA TAITRA,MITONIA HATRANY NA BE AZA IREO MPANENJIKA ANAO


Na mandalo fotoan-tsarotra aza ianao dia ho Fahazanana ho anao foana Kristy
« Aza mifaly ahy, ry fahavaloko, Fa na dia lavo aza aho, mbola hiarina ihany; Raha mitoetra ao amin'ny maizina aho, Dia Jehovah no fahazavana ho ahy. » (Mika 7:8)
matokisa Azy
« Fa izaho kosa dia hanandrandra an'i Jehovah, Eny, hiandry an'Andriamanitry ny famonjena ahy aho; Andriamanitro no hihaino ahy. » (Mika 7:7)
dia ho talanjona @ fitahiana azonao ny hafa
« Toy ny tamin'ny andro nivoahanao avy tany amin'ny tany Egypta No hanehoako azy zava-mahagaga.Hahita izany ny jentilisa, Ka hahamenatra azy ny heriny rehetra; Hitampim-bava izy, Ho tonga marenina ny sofiny. » (Mika 7:15-16)
HO TSAPANAO ZANAK'ANDRIAMANITRA NY TENA DIKAN'IZANY HOE "FIADANANA !!!".
MATOKIA.

OLON'ANDRIAMANITRA IANAO-NOHO IZANY MENDRIKA NY HAHAVITA FAHAGAGANA AMIN'ANARANY


Andriamanitra mihintsy no hanamboatra ny fonao mba hahatonga anao hankafy hiaraka Aminy
« Ary homeko fo hahalalany Ahy ho Jehovah izy; dia ho oloko izy, ary Izaho kosa ho Andriamaniny; fa hiverina amiko amin'ny fony rehetra izy. » (Jeremia 24:7)
vokatr'izany dia hanao fahagagana ao anatinao Kristy
« Ary nony nahita Azy nitsangantsangana tambonin'ny ranomasina ny mpianatra, dia raiki-tahotra ka nanao hoe: Matoatoa io; dia niantso izy noho ny tahotra.Ary Jesosy niteny taminy niaraka tamin'izay hoe: Matokia, fa Izaho ihany, aza matahotra.Ary Petera namaly Azy ka nanao hoe: Tompoko, raha Hianao ihany, dia asaovy manatona Anao eny ambonin'ny rano aho.Ary hoy Izy: Manatona. Dia nidina niala tamin'ny sambokely Petera ka nandeha tambonin'ny rano hanatona an'i Jesosy. » (Matio 14:26-29)
MINOA!!!
MANEKE HO FITAOVANA MAHOMBY EO AM-PELATANANY.

IZAY VOAORINA ARAKA NY SITRAPON'ANDRIAMANITRA NO HAHARITRA MANDRAKIZAY


Ho mora rava izay voaorina akara ny herin'tenanao na betsaka sy tsara aza
« Na dia miakatra tahaka ny voromahery aza ianao Ka mametraka ny akaninao eny amin'ny kintana, Dia havariko avy eny ianao, hoy Jehovah. » (Obadia 4)
tsy hisy afaka handrombaka kosa izay haorin'Andriamanitra ho anao
« Ary hampodiko ny Isiraely avy amin'ny fahababoana, dia hanangana ny tanàna efa rava izy ka honina ao, ary hanao tanim-boaloboka izy ka hisotro ny divay avy aminy; Hanao saha koa izy ka hihinana ny vokatra.Eny, hamboleko ao amin'ny taniny izy, ka tsy hongotana amin'ny taniny izay nomeko azy intsony izy, Hoy Jehovah Andriamanitrao. » (Amosa 9:14-15)

SAHIA MIJORO HO MPIARA-MIASA AMINY MBA HAMPIROBOROBO NY FANJAKANY DIENY ETY AN-TANY!!!
MAHEREZA.

HIANARANA ISAN'ANDRO NY FAHATOKISANA AN'ANDRIAMANITRA


Indraindray ny fitsapana dia mitranga mba hahatonga anao hitady kokoa an'Andriamanitra
« Handeha hody any amin'ny fitoerako Aho ambara-piaikiny ny helony sy hitadiavany ny tavako. Rehefa azom-pahoriana izy, dia hitady Ahy fatratra. » (Hosea 5:15)
aza kivy mihintsy dia hihaino sy hitahy anao Izy
« Ary amin'izany andro izany dia hihaino* Aho, hoy Jehovah, eny, hihainoa ny lanitra Aho, ary izy kosa hihaino ny tany; [Na: hamaly] » (Hosea 2:23)
NY MPANOMPO TIANA HO AVOTANA NO AFAKA HANARINA!!!
SA AHOANA?
MATOKIA.

POROFOM-PITIAVANAO AN'I KRISTY NY FINIAVANAO HIVAVAKA HO AN'I HAFA


Mila mazoto mifampivavaka isika
« ary mivavaha mandrakariva ao amin'ny Fanahy amin'ny fivavahana rehetra sy ny fangatahana, ka miambena amin'izany amin'ny faharetana sy ny fangatahana rehetra ho an'ny olona masina rehetra, » (Efesiana 6:18)
fiadian'Andriamanitra mahomby ao anatin'ny ady sarotra io
« Ary noho izany, dia raiso avokoa ny fiadian'Andriamanitra, mba hahazoanareo hanohitra amin'ny andro mahory;... » (Efesiana 6:13a)
mba hiainantsika eo ambanin'ny fahasoavany
« Ny fahasoavana anie ho amin'izay rehetra tia an'i Jesosy Kristy Tompontsika amin'ny fitiavana tsy mety levona. Amena. » (Efesiana 6:24)

TSY HO TAMANA NY HERIN'NY RATSY SATRIA MAZOTO MIFAMPIAMBINA ISIKA!!!

HANOVA NY FIAINAN'IZAY MATAHOTRA AZY MARINA ANDRIAMANITRA


Matahora an'Andriamanitra
« Jehovah, Tompon'ny maro, no hasino; Ary aoka Izy ihany no hatahoranareo, Ary Izy ihany no hangovitanareo. » (Isaia 8:13)
dia havelany hiaina ao anatinao Kristy zanany ka hampiasa ireo hosotra 5 ananany mba hanavotany anao
« Fa Zaza no teraka ho antsika, Zazalahy no omena antsika; Ary ny fanapahana dia eo an-tsorony, ary ny anarany atao hoe Mahagaga, Mpanolo-tsaina*, Andriamanitra Mahery, Rain'ny mandrakizay Andrian'ny fiadanana.[Na: mpanolo-tsaina mahagaga] » (Isaia 9:5)
AMEN
« Ny handrosoan'ny fanapahana sy ny fiadanana dia tsy hanam-pahataperana Eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida sy ny fanjakany, mba hampiorenana sy hampitoerana azy amin'ny rariny sy ny hitsiny hatramin'izao ka ho mandrakizay; ny fahasaro-piaron'i Jehovah, Tompon'ny maro, no hahatanteraka izany. » (Isaia 9:6)

MINOA DIA HO TSAPANAO NY FIAINAM-BAOVAO TANTERAKA MIARAKA AMINY!!!
MAHEREZA.

AZA MISALASALA MIANTEHITRA AMIN'I KRISTY DIA HIADANA AM-PO MANDRAKIZAY IANAO


Miantso anao izay mila vonjy Kristy
« Ary tamin'ny andro farany, izay andro lehibe tamin'ny andro firavoravoana, dia nitsangana Jesosy ka niantso nanao hoe: Raha misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro. » (Jaona 7:37)
vonona Izy hamelona anao tsy misy fetra @ fombany
« Izay mino Ahy, dia hisy onin'ny rano velona miboiboika avy ao an-kibony, araka ny voalazan'ny Soratra Masina. » (Jaona 7:38)
Minoa dia handray fahatoniana mahagaga ianao
« Ary ny oloko hitoetra ao amin'ny fonenana mandry fahizay sy ao amin'ny fitoerana mahatoky ary ao amin'ny fialan-tsasatra feno fiadanam-po; » (Isaia 32:18)

TSY MISY POROFOM-PITIAVANA MIHOATRA AN'IZANY!!!
SA AHOANA?

INONA NY "TENY ZARAINA" ISAN'ANDRO

TANJONA
1. Fampaherezana ho an’izay mandray azy isan’andro
2. Tari-dalana mba hahafahana mamaky baiboly isan’andro
3. Fanaporofoana fa mana-kambara amin’ny olona rehetra isan’andro Andriamanitra
4. Mizara maimaimpoana ny fitaovana rehetra

ENDRIKY NY TENY ZARAINA


Fehezan-teny arahina tenin’Andriamanitra manamafy azy.

SEHATRA ANDEFASANA NY TENY ZARAINA:

SMS,Mail,Site…

FEPETRA HAFA


1. Tsy miankina amin’ny atokom-pinoana
2. Tsy fiangonana
3. Tsy manavaka finonana

IREO AFAKA ANDEFASANA NY "TENY ZARAINA":

Tsy an-kanavaka na iza na iza eny fa na ireo tsy kristiana aza raha manaiky mandray izy.

Isan’ny olona afaka mandray:

Tsy ferana na firy na firy fa miankina @ fitaovana :Daty ny 07/01/2011 – 20 000 eo ho eo
Ireo asa afaka tanterahana:

FOHY EZAKA:

1. Mandefa sms,mail,
2. Mitoriteny
3. Fihaonan’ny samy mpandray sms izay afaka isaky ny zoma atoandro amin’ny 12:30 h@ 2:00
4. Mandray dinika …

EZAKA HAFA:


1. Mamoaka boky teny zaraina sy toriteny
2. Mamoaka horonan-tsary toriteny
3. Manangana ivo-toerana hifandraisan’ny samy mpandray teny zaraina…

Mpiandraikitra:

Ratrema Xavier

ANTOKA EO NOHO EO NO HOMEN'I KRISTY ANAO IZAY MANAIKY HIASANY MARINA

Fiadiana mahery ao anatinao Kristy
« Raha ny mahery mivonona amin'ny fiadiany no miaro ny tranony, dia tsy haninona ny fananany. » (Lioka 11:21)
izay vonona handrava ny hery rehetra manakana anao tsy hiaina ao @ fanjakan'Andriamanitra izao dia izao
« Fa raha ny rantsan-tànan'Andriamanitra no amoahako ny demonia, dia tonga aminareo tokoa ny fanjakan'Andriamanitra. » (Lioka 11:20)

VONONA HANAO FANAMBY AMINAO NY AMIN'IZANY IZY RAHA MANAIKY IANAO!!!
NY FIADANANY NO MENDRIKA ANAO.


HIADANA MANDRAKIZAY IANAO SATRIA NAVELAN'ANDRIAMANITRA HIAINA MIARAKA AMIN'I KRISTY


Nahazo alalana tamin'Andriamanitra Kristy matoa miaina miaraka aminao
« Izay rehetra omen'ny Raiko Ahy no hanatona Ahy; ary izay manatona Ahy dia tsy mba holaviko mihitsy. » (Jaona 6:37)
ny fankatoavanao izany no hahatonga anao tsy ho noana mandrakizay
« Hoy Jesosy taminy: Izaho no mofon'aina; izay manatona Ahy tsy mba ho noana, ary izay mino Ahy tsy mba hangetaheta intsony. » (Jaona 6:35)
AVELAO KRISTY HANDRAY AN-TANANA TANTERAKA NY FIAINANAO E!
MATOKIA.

VANIM-POTOANA HITAHIANA ANAO ZANAK'ANDRIAMANITRA IZAO


Tonga ny fotoana ka Andriamanitra mihintsy no hanome voninahitra anao olony
« Fa Izaho no andrasan'ny nosy, ary ny sambon'i Tarsisy ho loha-lalana, Hitondra ny zanakao avy lavitra mbamin'ny volafotsiny sy ny volamenany, ho an'ny anaran'i Jehovah Andriamanitrao sy ho an'ny Iray Masin'ny Isiraely, Satria efa nanome voninahitra anao Izy. » (Isaia 60:9)
Hanome harena
« Hahatonga volamena Aho ho solom-barahina, ary hahatonga volafotsy ho solom-by, ary varahina ho solon-kazo, ary vy ho solom-bato; ny fiadanana no hataoko fanapahana anao, ary ny fahamarinana no ho mpampiasa anao*.[Na: Hataoko fiadanana ny fanapahana anao ary fahamarinana ny mpampiasa anao] » (Isaia 60:17)
hanangana fiainam-baovao ho anao Izy
« Koa hatsangana ny efa rava hatry ny fony fahagola, ary hamboarina ny efa lao hatramin'ny fahiny, dia hohavaozina indray ny tanàna rava, Izay efa lao hatramin'ny taranaka lasa ela. » (Isaia 61:4)
RAISO FA MENDRIKA ANAO IZANY!!!
MATOKIA.

MIANTEHERA AMIN'I KRISTY DIA TSY HO TRATRAN'NY FAHATEZARAN'ANDRIAMANITRA IANAO


Ny fitiavan-tena tafahoatra
« Toraka izay niderany tena sy nivelomany tamin'ny zava-mahafinaritra ny tena, dia omeo fanaintainana sy alahelo toraka izany koa izy, satria hoy izy anakampo: Mipetraka ho mpanjakavavy aho, fa tsy mpitondratena, ary tsy mba hahita alahelo mihitsy aho; » (Apokalypsy 18:7)
dia tsy ankasitrahan'i Tompo
« Fa ny fahotany efa nitehika tamin'ny lanitra, ary Andriamanitra efa nahatsiaro ny ratsy nataony. » (Apokalypsy 18:5)
ary mahatonga ny fahatezerany
« koa noho izany dia ho tonga indray andro monja izao loza hanjo azy izao, dia fahafatesana sy fisaonana ary mosary, ary ho levon'ny afo izy; fa mahery ny Tompo Andriamanitra, Izay nitsara azy. » (Apokalypsy 18:8)
Aleo manetry tena sy miantehatra Aminy
« Ary nisy vehivavy atao hoe Lydia, mpivarotra lamba volomparasy, avy any an-tanàna Tyatira, izay nivavaka tamin'Andriamanitra, dia nihaino izy, ary ny Tompo nanokatra ny fony hitandrina ny teny izay nolazain'i Paoly. » (Asan'ny Apostoly 16:14)
APETRAHO AMINY NY ASANAO DIA HO VOAARO AMIN'NY FANKAM-PANAHY REHETRA IANAO!!!
MATOKIA.

IZA NO AMBONY - HARENA SY VONINAHITRA VE SA ANDRIAMANITRA?


Izay manandratra ny voninahiny sy ny harenany ambony noho Andriamanitra
« Ry zanak'olona, lazao amin'ny mpanjakan'i Tyro hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Satria miavonavona ny fonao. ka hoy ianao: Mba Andriamanitra koa aho; eto amin'ny anankiray amin'ny fipetrahan'Andriamanitra no ipetrahako, dia eto ampovoan'ny ranomasina. Nefa olona ihany ianao, fa tsy Andriamanitra tsinona, Na dia nataonao toy ny fon'Andriamanitra aza ny fonao, » (Ezekiela 28:2)
dia horavana
« Ny harenao sy ny vidin'entanao, ny varotrao, ny matilonao sy ny mpitondra sambonao, ny mpanentsin-tsambonao sy ny mpividy ny entanao ary ny miaramilanao rehetra izay tao aminao mbamin'ny olona betsaka tafangona tao aminao dia nilentika tao amin'ny ranomasina tamin'ny andro nandravana anao. » (Ezekiela 27:27)
Ho tahiana mihoatra kosa izay manaja Azy
« Ary hoy izaho aminareo: Mangataha, dia homena ianareo; mitadiava, dia hahita ianareo; dondony, dia hovohana ianareo.Fa izay rehetra mangataka no mahazo; ary izay mitady no mahita; ary izay mandondòna no hovohana.Fa iza moa aminareo izay ray, raha angatahan'ny zanany mofo, no hanome azy vato? ary raha angatahany hazandrano, no hanome azy menarana ho solon'ny hazandrano?ary raha angatahany atody, no hanome azy maingoka?Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an'ny zanakareo, tsy mainka va ny Ray, Izay any an-danitra, no hanome ny Fanahy Masina ho an'izay mangataka aminy? » (Lioka 11:9-13)

FIDIO HO LOHA-LAHARANA EO @ FIAINANAO KRISTY DIA TSY HANA-JAVA-MAHORY IANAO!!!
MINOA.

HISY VOKANY TSARA HO ANAO NY FANEKENAO HO FOLAHIN'ANDRIAMANITRA


Sahia mangataka famelan-keloka @ Kristy
« Aza dia tezitra mafy loatra, Jehovah ô. Ary aza dia mahatsiaro heloka mandrakizay; masina Hianao, tsinjovy, fa olonao izahay rehetra. » (Isaia 64:8)
maneke hotefeny
« Fa ankehitriny, Jehovah ô, rainay Hianao; izahay dia tanimanga, ary Hianao no mpanefy anay, ary asan'ny tananao izahay rehetra. » (Isaia 64:7)
dia ho tsapanao ny famindrampony
« Ny famindram-pon'i Jehovah no hambarako, dia ny fiderana an'i Jehovah araka izay rehetra nataony tamintsika sy ny haben'ny fahasoavana tamin'ny taranak'Isiraely. Izay nomeny azy araka ny fiantrany sy araka ny haben'ny famindram-pony. » (Isaia 63:7)
sy ireo fahefana vao atolony anao
« Lazaiko aminareo marina tokoa: Na inona na inona fehezinareo ety ambonin'ny tany dia hofehezina any an-danitra; ary na inona na inona vahanareo ety ambonin'ny tany dia hovahana any an-danitra. » (Matio 18:18)
IZAY HAHASOA ANAO IHANY NO TSINJOVINY!!!
MATOKIA.
MAHEREZA.

FOTOANA FANOLORANAO HO AN'I KRISTY AN'NY JEREOSALEMANAO ANIO:


Tempolin'Andriamanitra ny tenanao ary mendrika ny hivavaka ho an'ny Jerosalemanao
« Dia nampianatra Izy ka nanao taminy hoe: Tsy voasoratra hoe va: Ny tranoko hatao hoe trano fivavahana ho an'ny firenena rehetra? ... » (Marka 11:17a)
ho tanteraka izay voatononao momba azy anio
« Koa lazaiko aminareo: Na inona na inona tononinareo amin'ny fivavahana sy angatahinareo, dia minoa fa efa nandray ianareo, dia ho azonareo izany. » (Marka 11:24)
Minoa
« Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Manàna finoana an'Andriamanitra. » (Marka 11:22)

HO FENO HOSOTRA NY VAVAKAO ARY HAMALY FAINGANA IZANY ANDRIAMANITRA!!!

MATOKIA.

HIAINA NY FIAINANA MANDRAKIZAY DIENY ETY AN-TANY IANAO OLON'ANDRIAMANITRA


Ry olon'i Kristy- raiso ny fanomezam-pahasoavana mendrika anao dia ny fiainana mandrakizay
« Fa fahafatesana no tambin'ny ota; ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika. » (Romana 6:23)
hiaina izany ianao ka hiaiky handray ny fahasoavany
« Nohamaroinao ny fahagaganao sy ny hevitrao izay nataonao ho anay, Jehovah Andriamanitra ô. Tsy misy azo ampitahaina aminao Raha tiako hambara sy holazaina ireny, dia, indro, maro loatra izy ka tsy tambo isaina. » (Salamo 40:5)

SANTIONANY IHANY IZAO FA MBOLA HO AMPITOMBOINY HATRANY IZANY!!
MATOKIA.

OLON'ANDRIAMANITRA IANAO? AZA MANAHY FA EO AN-TANANY NY HOAVINAO


Manao fanamby aminao olony Andriamanitra-hataony izay hahatafita anao
« Amin'izany andro izany no hitondrako anareo miditra, Eny, amin'izany andro izany no hanangonako anareo; Fa hataoko ho anarana sy ho fiderana any amin'ny firenena rehetra amin'ny tany ianareo, Raha hampodiko avy amin'ny fahababoana ianareo, ka ho hitan'ny masonareo izany, hoy Jehovah. » (Zefania 3:20)
ho raisiny an-tanana mandrakizay ny fiainanao
« Dia hanaovako fahatsiarovana sy anarana ao an-tranoko sy ao anatin'ny mandako izy, izay tsara lavitra noho ny an'ny zanakalahy sy ny zanakavavy; dia anarana mandrakizay izay tsy hesorina no homeko azy. » (Isaia 56:5)
ho arovany ianao
« ... Miaro ny fanahin'ny olony masina Izy Ary mamonjy azy amin'ny tanan'ny ratsy fanahy. » (Salamo 97:10)

AVELAO IZY HAMPITOBAKA NY FAHASOVANY AO ANATINAO!!!

SA AHOANA?

SAFIDY TSARA NO NIFIDIANANAO AN'I KRISTY HITONDRA NY FIAINANAO

Tsy azo atao ny manao tsinotsinona an'Andriamanitra
« Ry zanak'olona, lazao amin'ny mpanjakan'i Tyro hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Satria miavonavona ny fonao. ka hoy ianao: Mba Andriamanitra koa aho; eto amin'ny anankiray amin'ny fipetrahan'Andriamanitra no ipetrahako, dia eto ampovoan'ny ranomasina. Nefa olona ihany ianao, fa tsy Andriamanitra tsinona, Na dia nataonao toy ny fon'Andriamanitra aza ny fonao, » (Ezekiela 28:2)
tsy ho zaka mantsy ny fahatezerany
« Dia, indro, hitondra olona hafa firenena Aho hamely anao, dia izay masiaka indrindra amin'ny firenena, Ka hotsoahany ny sabany hamelezany ny fahendrenao tsara, ary hataony matroka ny famirapiratanao » (Ezekiela 28:7)
Aleo manaiky hotarihin'ny Fanahin'i Kristy
« Ary tamin'ny andro farany, izay andro lehibe tamin'ny andro firavoravoana, dia nitsangana Jesosy ka niantso nanao hoe: Raha misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro.Izay mino Ahy, dia hisy onin'ny rano velona miboiboika avy ao an-kibony, araka ny voalazan'ny Soratra Masina.Ary ny Fanahy, Izay efa horaisin'ny mino Azy, no nolazainy tamin'izany;... » (Jaona 7:37-39a)

TSY HANENINA MANDRAKIZAY IANAO!!!
MATOKIA.

AZO ANTOKA FA HANOVA ANAO KRISTY


Kristy no harenanao
« Fa ny Tsitoha no ho akoram-bolamenanao sy akoram-bolafotsinao, Ary ho volafotsy mamirapiratra* ho anao. » (Joba 22:25)
satria afaka hifonanao
« Raha mifona aminy ianao, dia hihaino anao Izy;... » (Joba 22:27a)
mamela ny helokao
« Avia ary hifandahatra isika, hoy Jehovah: Na dia tahaka ny jaky aza ny fahotanareo, Dia ho fotsy tahaka ny oram-panala, Na dia mangatrakatraka tahaka ny sily aza, Dia ho tahaka ny volon'ondry fotsy. » (Isaia 1:18)
hanefa ny voadinao sy izay kasainao
« ... Ary ny voadinao dia hefainao.Ary raha misy kasainao hatao, dia hotanterahina aminao, ary hamirapiratra amin'ny lalanao ny mazava. » (Joba 22:27b-28)
Izy.
Matokia Azy

« Jehovah no anjara lovako sy kapoakako; Hianao no mampaharitra ny anjarako. » (Salamo 16:5)

HAHASAMBATRA ANAO KOKOA HATRANY NY MIFIKITRA AMINY!!!
ANDRAMO ANIE E!
MAHEREZA.

FIAROVANA HO ANAO NY FANANANAO AN'I KRISTY


Raha tsy momba an'i Kristy ianao dia manohitra Azy no dikan'izay
« Izay tsy momba Ahy dia manohitra Ahy; ary izay tsy miara-mamory amiko dia manahaka. » (Matio 12:30)
Tsy hahasoa anao anefa izany satria lasa hanjakan'ny fanahy ratsy ianao
« Raha mivoaka amin'ny olona ny fanahy maloto, dia mandeha mitety ny tany tsy misy rano izy, mitady fitsaharana; ary rehefa tsy mahita, dia hoy izy: Hody any an-tranoko izay nivoahako aho.Ary nony tonga izy, dia hitany fa voafafa sy voavoatra ny trano.Ary dia mandeha izy ka mitondra fanahy fito hafa koa ratsy noho izy; dia miditra ireo ka mitoetra ao; ary ny faran'izany olona izany dia ratsy noho ny voalohany. » (Lioka 11:24-26)

TSY KELY LALANA NY RATSY !!!ALEO MITANDRINA.
SA AHOANA?


SAHIA MIFONA HO AN'I HAFA MBA HISIN'NY FAMINDRAM-PON'ANDRIAMANITRA


Tokana Andriamanitra ary ampahafantatra izany @ fombany Izy
« Moa mahay manao andriamanitra ho azy va ny olona? Tsy Andriamanitra ireny.Koa, indro, hampahafantariko azy amin'izao indray mandeha izao, eny, hampahafantariko azy ny tanako sy ny heriko, ka dia ho fantany fa Jehovah no anarako. » (Jeremia 16:20-21)
'ndeha hifona ho an'izay manda izany satria mafy raha hiaran'ny fahatezerany
« Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, hataoko mihatra amin'ity tanàna ity sy amin'ny zana-bohiny rehetra ny loza rehetra izay nolazaiko hatao aminy noho ny nanamafiany ny hatony tsy hihainoany ny teniko. » (Jeremia 19:15)

MANANA ADIDY AMIN'IZANY IANAO MBA HANAVOTANAO NY JEROSALEMANAO!!!

HOY NY TOMPO AMINAO:"MINOA AN'I KRISTY ZANAKO DIA HAHAY NY ZAVA-DREHETRA IANAO!"


Hitari-dalana anao Andriamanitra mba hahitanao an'Kristy
«..., indro, ilay kintana hitany teny atsinanana nialoha azy mandra-pijanony teo ambonin'izay nitoeran'ny Zazakely. » (Matio 2:9b)
ary amporisihany ianao mba hiaino sy hino Azy
« ... ary dia nisy feo avy tao amin'ny rahona nanao hoe: Ity no Zanako malalako, Izy no henoy. » (Marka 9:7b)
mba hahaizanao ny zavatra rehetra
« Fa hoy Jesosy taminy: Hainao hoe? Ny zavatra rehetra dia hain'ny mino. » (Marka 9:23)

TIANY HANDROSO ARAM-PANAHY FOANA IANAO!!

ARY IANAO VE MANAIKY HO TARIHINY?