"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

IZAO NO FOTOANA HANDRAISAN'I KRISTY AN-TANANA NY JEROSALEMANAO

Tsy hahare latsa na avy @ iza na avy @ iza intsony
« Ary hataoko tsy mahare ny latsan'ny jentilisa intsony ianao Sady tsy hitondra ny fanaratsian'olona intsony; Ary tsy hahalavo ny firenenao intsony ianao, hoy Jehovah Tompo. » (Ezekiela 36:15)
efa mitodika aminao Kristy izao
« Fa, indro, hitodika ho aminareo Aho ka hanatrika anareo; Dia hasaina sy hofafazana ianareo; » (Ezekiela 36:9)
ho famonjena hatrany @ faran'ny tany ianao ry taniko
« Eny, hoy Izy: Mbola zavatra kely foana, raha tonga Mpanompoko hanandratra ny firenen'i Jakoba Hianao sy hampody ny Isiraely sisa voaro; Fa homeko ho fanazavana ny jentilisa koa Hianao, mba ho famonjeko hatrany amin'ny faran'ny tany. » (Isaia 49:6)
NAHENO NY VAVAKAO IZY!!!
TOHIZO NY FIFIKIRANAO AMINY!!!
"DIA HO TANY SAMBATRA ILAY MADAGASIKARANAY"FIH.FFPM 734.

HANAPOROFO KRISTY FA VELONA SY MANJAKA IZY

Tsy maitsy hisy Jerosalema vaovao hanjakan'ny olon'i Kristy tanteraka
« Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Mbola hotadiavin'ny taranak'Isiraely Aho amin'ny hanaovako izao ho azy; hohamaroiko toy ny ondry ny olony.Toy ny ondry aman'osy masina, izay any Jerosalema amin'ny fotoam-pivavahana, dia toy izany no hahafenoan'ny tanànany efa lao amin'ny olona maro toy ny ondry aman'osy; ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah. »(Ezekiela 36:37-38)
Izy Tompo mihitsy no haneho ny fahamasinany ao
« Ary hohamasiniko ny anarako lehibe izay efa nolotoinareo tany amin'ny jentilisa, ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah, hoy Jehovah Tompo, rehefa miseho ho masina eo imasony Aho amin'ny ataoko aminareo. » (Ezekiela 36:23)
Tompo o! Irinay izany.
DIA HAMALY AMINAO IZY HOE:"IZAHO NO ANDRASAN'NY NOSY!!" Isa60:9a.
MIOMANA HAMPANDROSO AZY ARY E!!!

TSY HOE IANAO NO NITADY FA IZY ANDRIAMANITRA MIHITSY NO TE-HANAMASINA ANAO OLONY

Hoy ny Tompo:Honina hiaraka aminao Aho ary tsy hiala satria tiako hanana ny fahamasinako ny Jerosalemanao
« Izao no lazain'i Jehovah: Efa tafaverina ho eto Ziona Aho ka honina eto afovoan'i Jerosalema; ary Jerosalema dia hatao hoe Tanànan'ny fahamarinana, ary ny tendrombohitr'i Jehovah, Tompon'ny maro, dia hatao hoe Tendrombohitra masina. » (Zakaria 8:3)
hanana ny toetra araka ny sitrapoko
« Ary tonga tamin'i Zakaria ny tenin'i Jehovah nanao hoe:Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Manaova fitsarana marina, ary samia mifampiantra sy mifamindra fo amin'ny rahalahiny avy; » (Zakaria 7:8-9)
ADIDINY IZANY SATRIA AZY IANAO!!!
MANEKE HO TARIHINY DIA HO HAINGANA KOKOA NY FAHATANTERAHAN'IZANY!!!

HANDRAY AN-TANANA NY FIAINANAO KRISTY

Hoy ny Tompo:Hovelomiko ireo izay kivy
« Izao no lazain'i Jehovah Tompo amin'ireto taolana ireto: Indro, hasiako fofonaina ianareo ka ho velona; » (Ezekiela 37:5)
hofoanako ny fahalotoana ao aminy
« Dia hofafazako rano madio ianareo, ka hadio; ny mba ho afaka amin'ny fahalotoanareo rehetra sy ny sampinareo rehetra no hanadiovako anareo. » (Ezekiela 36:25)
hisolo fo nofo ny fony
« Ary homeko fo vaovao ianareo, ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo, ary hesoriko amin'ny nofonareo ny fo vato, ka homeko fo nofo ianareo. » (Ezekiela 36:26)
tsy maitsy hotahiko izy
« Ary ny Fanahiko no hataoko ao anatinareo, ka hahatonga anareo handeha araka ny lalàko sy hitandrina ny fitsipiko ka hanaraka azy.Ary honina any amin'ny tany izay nomeko ny razanareo ianareo, ka ho oloko ianareo, ary Izaho ho Andriamanitrareo.Ary hovonjeko ho afaka amin'ny fahalotoanareo rehetra ianareo, ary hantsoiko sy hataoko vokatra ny vary, ary tsy hanaterako mosary intsony ianareo;ary hataoko vokatra koa ny voankazo sy ny vokatry ny saha, mba tsy ho voalatsan'ny jentilisa amin'ny mosary intsony ianareo. » (Ezekiela 36:27-30)
NY ANJARANAO DIA NY MANAIKY HOTEFENY SY HOTARIHINY!!!
LAZAO MAFY HOE:"SAMBATRA AHO MANANA ANAO KRISTY!!"

FIHAVANANA VE?NY KRISTIANA NO TOKONY HO MODELY AMIN'IZANY

Na maro aza ny Kristiana dia tena iray ihany ao @ Kristy
« Ny kapoaky ny fisaorana izay isaorantsika, tsy firaisana amin*'ny ran'i Kristy va izany? Ny mofo izay vakintsika, tsy firaisana amin**'ny tenan'i Kristy va izany? [* sy **Na: fiombonana]Satria iray ihany ny mofo, dia tena iray ihany isika na dia maro aza; fa isika rehetra dia samy mandray amin'izany mofo iray izany avokoa. » (1 Korintiana 10:16-17)
ary tokony hifanasoa
« Aoka tsy hisy olona hitady ny hahasoa ny tenany, fa ny hahasoa ny namany. » (1 Korintiana 10:24)
hifamonjy
« dia tahaka ahy koa manao izay hahafinaritra ny olona rehetra amin'ny zavatra rehetra ka tsy mitady ny mahasoa ahy ihany, fa ny mahasoa ny maro mba hovonjena izy. » (1 Korintiana 10:33)
tsy hifanafintohina @ hafa
« Aza manao izay hahatafintohina ny Jiosy na ny jentilisa na ny fiangonan'Andriamanitra, » (1 Korintiana 10:32)
RAISO ARY NY ANDRAIKITRAO HO MARIKY NY MAHA-ZANAK'ANDRIAMANITRA ANAO!!!
MAHEREZA.

HANOVA NY FIAINANAO KRISTY

Hialoha lalana anao hatrany Andriamanitra
« Fa tsy tampoka no hivoahanareo, ary tsy lositra no handehananareo; fa Jehovah no hitarika anareo eo aloha, ary Andriamanitry ny Isiraely no ho vodi-lalanareo. » (Isaia 52:12)
hanandratra anao Izy
« [Ny amin'ny Mpanompon'i Jehovah, dia ny zava-mahagaga nataony, sy ny nandavan'ny maro Azy, sy ny fahoriana nentiny, sy ny avotra vitany, ary ny voninahitra homena Azy] Indro, ny Mpanompoko ho hita ho hendry*, hisandratra sy ho ambony Izy ka ho avo indrindra. [Heb. hambinina] » (Isaia 52:13)
satria efa noraisin'i Kristy zanany avokoa ny fahalemenao rehetra
« Nefa sitrak'i Jehovah ny hanorotoro sy hampangirifiry Azy; Rehefa manolotra fanati-panonerana Izy, dia hahita taranaka* sady ho maro andro, ary ny sitrapon'i Jehovah dia hambinina eo an-tànany. [Na: Rehefa ataonao fanati-panonerana ny ainy, dia hahita taranaka Izy] » (Isaia 53:10)
RAISO FA MENDRIKA ANAO IZANY!!
MAHEREZA!


BE FAHASOAVANA KRISTY AO ANATINAO

Raha vao mieritreritra zavatra ratsy isika(fifanaratsiana,tsy fahombiazana,olana,...)dia ho tonga izany
« Lozan'izay mamoron-keloka sy misaintsain-dratsy ao am-pandriany! Ary nony maraina ny andro, dia manatanteraka izany izy, Satria manan-kery ny tànany. » (Mika 2:1)
aleo mampiasa an'i Kristy be fahasoavana
« Ary ny Zaza dia nitombo ka nihahery sady feno fahendrena; ary ny fahasoavan'Andriamanitra no tao aminy. » (Lioka 2:40)
ALAVIRO ARY NY FAHAKIVIANA!!!
VONONA NY HANOME FAHATONIANA HO ANAO FOANA KRISTY!!!
MATOKIA.

HIAINA IREO VOKATRY NY FAMONJEN'I KRISTY IANAO OLONY

Hoy Kristy aminao:
Horoahiko ireo fahavalonao

"Jehovah efa nampitsahatra ny fitsarana anao ka nandroaka ny fahavalonao; Jehovah, Mpanjakan'ny Isiraely, no ao aminao; Tsy hahita loza intsony ianao." (Zefania 3:15)
aza matahotra
"Amin'izany andro izany dia holazaina amin'i Jerosalema hoe: Aza matahotra Ary aza miraviravy tanana, ry Ziona." (Zefania 3:16)
fa hamonjy anao Aho
"Jehovah Andriamanitrao no ao aminao, Mahery Izy ka hamonjy; Hiravoravo anao amin'ny fifaliana Izy; Ho sondriana amin'ny fitiavany Izy; Hifaly anao amin'ny fihobiana Izy." (Zefania 3:17)
Hahita ny vokatr'izany ianao
"Indro, hasiako amin'Izany andro izany izay rehetra nampahory anao; Hovonjeko ny mandringa, ary hovoriko ny noroahina, Eny, hataoko ho fiderana sy ho anarana ireny izay efa nitondra henatra tany amin'ny tany rehetra." (Zefania 3:19)
ary ho faly
"Amin'izany andro izany no hitondrako anareo miditra, Eny, amin'izany andro izany no hanangonako anareo; Fa hataoko ho anarana sy ho fiderana any amin'ny firenena rehetra amin'ny tany ianareo, Raha hampodiko avy amin'ny fahababoana ianareo, ka ho hitan'ny masonareo izany, hoy Jehovah." (Zefania 3:20)
MIFALIA,MIDERA FA TONGA NY FAHAZAVANAO!!!
AVELAO KRISTY HANAO IZAY TIANY HATAO EO @ FIAINANAO!!

MANANA ANJARA BIRIKY IALANA AMIN'NY FAHANTRANA IANAO KRISTIANA

Kristy nanolo harena ny alahelotsika
« Fa fantatrareo ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompontsika, fa na dia nanan-karena aza Izy, dia tonga malahelo noho ny aminareo, mba hampanan-karena anareo ny alahelony. » (2 Korintiana 8:9)
isika kosa mifampirary soa
« Ary, indro, Boaza tonga avy tany Betlehema ka niteny tamin'ny mpijinja hoe: Jehovah anie ho aminareo. Dia hoy kosa Ireo taminy: Hitahy anao anie Jehovah. » (Rota 2:4)
mifanampy
« Dia nanao izany ny Zanak'Isiraely, ka samy nanangona: ny sasany nanangona be, ary ny sasany kosa kely.Ary raha nafatrany tamin'ny vata omera izany, dia tsy nanana amby ny nanangona be, ary ny nanangona kely tsy nanana ny tsy ampy; samy nanangona araka izay fihinany avy izy. » (Eksodosy 16:17-18)
Izay mihoatra omeo ho an'izay manana ny tsy ampy
« fa ny mba hisy fitoviana, ka amin'izao ankehitriny izao ny haben'ny harenareo no hahafaka ny alahelon'ireo, ary ny haben'ny haren'ireo kosa no hahafaka ny alahelonareo, mba hisy fitoviana, » (2 Korintiana 8:14)
SAHIA SAMY MANAO DINGANA DIA HO AZO ANTOKA FA HISY NY FANDROSOANA !!!
KRISTY AO ANATINAO TE-HANAPOROFO IZANY!!!

ALA NENINA FARANY IZAO

Hoy ny Tompo:
Horavaiko tanteraka ny fanjakan'i satana ary ho tsapany ny heriko

« Ary horavan'ireo ny mandan'i Tyro, sady harodany ny tilikambony; Dia hofafako hiala aminy ny vovo-taniny, ka hataoko tahaka ny vatolampy mangadihady izy.Ho famelarana harato eo amin'ny ranomasina izy; Fa Izaho no niteny izany, hoy Jehovah Tompo, ka dia ho babon'ny-firenena izy.Ary ny zana-bohiny* eny an-tanety dia hovonoina amin'ny sabatra; ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah.[Heb. zananivavy] » (Ezekiela 26:4-6)
tsotra ny safidy:
na hiverina Amiko izy,na ho ringana

« Izao no lazain'i Jehovah ny amin'ireo ratsy fanahy rehetra mifanakaiky fonenena amiko ireo, dia izay mikasikasika ny tany nomeko ho lovan'ny Isiraely oloko: Indro, hongotako tsy ho amin'ny taniny ireo, ary ny taranak'i Joda koa dia hongotako tsy ho eo aminy.Nefa nony efa voaongotra izy, dia hamindra fo aminy indray Aho, ka samy ho entiko mody any amin'ny lovany sy ny taniny avy indray izy.Koa raha mba hianatra ny fanaon'ny oloko tokoa ireo ka hianiana amin'ny anarako hoe: Raha velona koa Jehovah, tahaka ny nampianaran'ireo ny oloko hianiana amin'i Bala, dia haorina ao amin'ny oloko izy;Fa raha tsy hankatò kosa izy, dia hongotako izany firenena izany, eny, hongotako sy haringako izy, hoy Jehovah. » (Jeremia 12:14-17)
RY KRISTIANA MALAGASY 'NDAO HIFONA MBA TSY HISY HO VERY NY MPIRAY TANINDRAZANA!!!
EFA MANORINA ETO NY JEROSALEMA VAOVAO MANTSY KRISTY!!!

MPANDRAY ANJARA MAVITRIKA AO @ FANJAKAN'ANDRIAMANITRA IANAO OLON'I KRISTY

Ireo isan'ny famatarana fa efa miaina miaraka @ Kristy ianao:
mahavoky anao ny Teniny

« Fa Izy kosa namaly ka nanao hoe: Voasoratra hoe: Tsy mofo ihany no hiveloman'ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan'Andriamanitra (Deo. 8. 3). » (Matio 4:4)
manana fanomezam-pahasoavana
« Ary satria samy manana fanomezam-pahasoavana samy hafa isika, araka ny fahasoavana izay nomena antsika: raha faminaniana, dia aoka hatao araka ny ohatry ny finoana;raha fanompoana amin'ny fiangonana, dia aoka ho amin'ny fanompoana; raha mampianatra, dia aoka ho amin'ny fampianarana;raha mananatra, dia aoka ho amin'ny fananarana; izay manome, dia aoka ho amin'ny fahatsoram-po; izay manapaka, dia aoka ho amin'ny fahazotoana; izay mamindra fo, dia aoka ho amin'ny fifaliana. » (Romana 12:6-8)
mahomby @ fitoriana
« Ary Jesosy niantso ny roa ambin'ny folo lahy hankeo aminy ka nanome azy hery sy fahefana hamoaka ny demonia rehetra sy hahasitrana aretina.Ary Izy naniraka ireo handeha hitory ny fanjakan'Andriamanitra sy hahasitrana ny marary. » (Lioka 9:1-2)
EFA RESY NY ASAN'NY MAIZINA SATRIA AMPIASAINAO IREO HOSOTRA MENDRIKA ANAO!!!
MAZOTOA HATRANY!!!
MAHEREZA.

RY KRISTIANA O!EFA VOASORATRA HATRAMIN'IZAY FA SAMBATRA NY MALAGASY

Kristy ao antinao dia iraka hitondra famonjena ialana @ maizina ho @ mazava eto Madagasikara
« Ny Fanahin'i Jehovah Tompo no ato amiko, satria Jehovah efa nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin'ny mpandefitra, efa naniraka Ahy hahasitrana* ny torotoro fo Izy, ary hitory fanafahana amin'ny babo sy hamoaka ny ao an-trano-maizina ho amin'ny mazava, [Heb. hamehy] » (Isaia 61:1)
taratry ny loko fotsy eo @ sainam-pirenena izany
« Tsy hilentika intsony ny masoandronao, ary ny volanao tsy hisoka; fa Jehovah no ho fanazavana anao mandrakizay, ary ho tapitra ny andro fahalahelovanao. » (Isaia 60:20)
KRISTY EFA VONONA,ARY IANAO IZAY AMPIASAINY AHOANA?
NY HOE: EH! SAMBATRA TOKOA IZAHAY,(tsy fotoana ho avy ilay fehezan-teny)
IZAO IO FA TSY HO AVY!!!

IRAKA SOLON'I KRISTY IANAO OLONY

Tena mafy raha sendra ho tratran'ny famaizan'Andriamanitra
« Havariny ho any an-davaka ianao, ka ho faty toy ny fahafatesan'izay voatrabaka ao amin'ny ranomasina. » (Ezekiela 28:8)
soa fa nisy anao olon'i Kristy efa voahiraka hitory ny momban'ny famelan-keloka
« Ary hoy indray Jesosy taminy: Fiadanana ho anareo; tahaka ny nanirahan'ny Ray Ahy no anirahako anareo kosa.Ary rehefa nilaza izany Izy, dia nanisy fofonaina, ka hoy Izy taminy; Raiso ny Fanahy Masina;na helok'iza na helok'iza no avelanareo, dia voavela izany;... » (Jaona 20:21-23a)
FOTOANA FANDRAISANA ANDRAIKITRA IZAO!
POROFOY ARY FA TE-HAMONJY NY OLONA REHETRA KRISTY AO ANATINAO!!
MAHEREZA.

HO VOAPOROFO FA MPANDRESY KRISTY NOHO NY FIFIKIRANAO TAMINY HATRAMIN'NY FARANY

Ho resy ny herin'ny maizina
« Havariny ho any an-davaka ianao, ka ho faty toy ny fahafatesan'izay voatrabaka ao amin'ny ranomasina. » (Ezekiela 28:8)
ho rava ny fanahin'ny famitahana
« Ary ny mpanjaka nandidy, ka nentina ireo lehilahy niampanga* an'i Daniela ireo, dia natsipy tao an-davaky ny liona izy mbamin'ny vadiny aman-janany, ary ny liona nanan-kery taminy ka nanapatapaka ny taolany, raha tsy mbola nipaka tamin'ny vodin'ny lavaka akory aza izy.[Ar. nihinana ny nofony] » (Daniela 6:25)
hatahotra an'Andriamanitra ny mpitondra
« Manao lalàna aho mba hangovitan'ny olona sy hatahorany eo anatrehan'Andriamanitr'i Daniela eran'ny fanjakako rehetra; fa Izy no Andriamanitra velona sady maharitra mandrakizay; ny fanjakany haharitra hatramin'ny farany. » (Daniela 6:27)
satria ianao sahy nijoro
« Andriamanitro efa naniraka ny anjeliny ka nanakombona ny vavan'ny liona tsy handratra ahy, satria fahamarinana no hitany tamiko; ary teo anatrehanao koa, ry mpanjaka ô, tsy nanao ratsy aho. » (Daniela 6:23)
SATRIA FINOANA MAHASOA AO ANATINAO IZANY DIA TSY MAITSY HO TANTERAKA!!
HANOATRA NOHON'NY MPANDRESY KRISTY!!
MINOA.

KRISTY IRERY IHANY NO NAMANA AZO ANTOKA INDRINDRA

Tsy azo atao ny matoky olona
« Aza matoky namana ianareo, Aza mahazo am-po izay sakaiza mahazatra; Fa ambeno ny varavaran'ny vavanao na dia amin'izay andefimandrinao aza. » (Mika 7:5)
na mirehareha
« Izao no lazain'i Jehovah: Aoka ny hendry tsy hirehareha amin'ny fahendreny, ary aoka ny mahery tsy hirehareha amin'ny heriny, ary aoka ny manan-karena tsy hirehareha amin'ny hareny; » (Jeremia 9:22)
fa aleo Andriamanitra ihany no hasandratra
« Fa izaho kosa dia hanandrandra an'i Jehovah, Eny, hiandry an'Andriamanitry ny famonjena ahy aho; Andriamanitro no hihaino ahy. » (Mika 7:7)
sy omena voninahitra sady izany no sitrany
« Fa izay te-hirehareha dia aoka hirehareha amin'izao: Dia ny fahendreny sy ny fahalalany Ahy ho Jehovah, Izay manao famindram-po sy fitsarana marina ary fahamarinana ety ambonin'ny tany; fa izany no sitrako, hoy Jehovah. » (Jeremia 9:23)
RY KRISTIANA 'NDEHA TSY HIJANONA HIVAVAKA RAHA TSY VELONA TSARA ILAY KRISTY AO ANATITSIKA AMIN'IZAY TENA HIFANKATIA ISIKA E!!!
VITA IO!!!
MINOA.

HO SAMBATRA NY TANINAO SATRIA NANGATAKA IZANY AM-PINOANA T@ KRISTY IANAO

Manàna finoana mamindra tendrombohitra
« Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Raha manam-pinoana ianareo ka tsy miahanahana, dia tsy izao natao tamin'ny aviavy izao ihany no ho vitanareo, fa raha hiteny amin'ity tendrombohitra ity aza ianareo ka hanao hoe: Mifindrà ianao, ka mianjerà any an-dranomasina, dia ho tonga izany. » (Matio 21:21)
sahia manonona fa hiaro
« Hitahy anao anie Jehovah ka hiaro anao; » (Nomery 6:24)
hamindra fo
« Hampamirapiratra ny tavany aminao anie Jehovah ka hamindra fo aminao; » (Nomery 6:25)
ary hampiadana ny taninao Kristy
« Hanandratra ny tavany aminao anie Jehovah ka hanome anao fiadanana. » (Nomery 6:26)
dia hataony izany!!
DIA HO TANY SAMBATRA ILAY MADAGASIKARANAY!!!
AMEN!

TSY MAITSY HISY TANY HANAPOROFOIN'ANDRIAMANITRA NY FAHATANTERAHAN'NY TENINY

Hanendry tany hiveloman'ny olony Andriamanitra
« Kanefa, na dia izany aza, ny isan'ny Zanak'Isiraely dia ho betsaka toy ny fasika amin'ny ranomasina, izay tsy azo afatra sady tsy tambo isaina; ary any amin'ny tany izay nilazana taminy hoe: Tsy oloko ianareo, dia any no hanaovana aminy hoe: Zanak'Andriamanitra velona ianareo. » (Hosea 2:1)
ao no ho tambatambazany
« Koa, indro, Izaho dia hitaona azy ka hitondra azy ho any an-efitra ary hanao teny malefaka hahafinaritra azy.Ary hatrany dia homeko azy ny tanim-boalobony sy ny lohasaha Akora ho varavaram-panantenana; Ary any no hamaliany toy ny tamin'ny andro fahatanorany, dia toy ny tamin'ny andro niakarany avy tany amin'ny tany Egypta.» (Hosea 2:16-17)
ho arovany akaiky
« Ary raha mby amin'izany andro izany, hoy Jehovah, dia hataonao hoe Aho Vadiko, fa tsy hataonao intsony hoe Balako.Fa hesoriko amin'ny vavany ny anaran'ireo Bala, ka tsy hotsarovana amin'ny anarany intsony ireo.Ary raha mby amin'izany andro izany, Izaho dia hanao fanekena ho azy amin'ny bibidia sy amin'ny voro-manidina ary amin'ny biby mandady sy mikisaka amin'ny tany; Ary hotapatapahiko tsy hisy amin'ny tany intsony ny tsipìka sy ny sabatra ary ny fiadiana, dia hataoko mandry fahizay izy; » (Hosea 2:18-20)
Sahia milaza hoe:MADAGASIKARA no anarany!
DIA HAMALY ANAO KRISTY HOE:"IZAHO NO ANDRASAN'NY NOSY..."ISA60:9a.
DIA AMPIANY HOE:"TONGAVA AMINAO ARAK'IZAY NINOANAO!"

HIRA 39and1(FFPM)
Faingàna, ry Mpanjaka !
Handray ny lovanao ;
Faingàna re mba haka
Ny tany ho Anao ;
Avia hampifaly
Ny malahelo fo ;
Afaho ny mijaly
Sy azon’ny manjo.
HIRA545and2(FFPM)
Ny Tanindrazanay malala,
Ry Jeso Tompo, anjakao
Hiorina eto, tsy hiala,
Ny fiadanana entinao !
Ny aizin’ota anie hisava,
Ny fahantrana koa handao
Fa ho tarafin’ny Mazava
Hanjary tany vaovao.

HOY KRISTY AMINAO OLONY:AMPIASAO NY HERIKO!!

Kristy ao anatinao dia manana:
fifaliana sy fiadanana

« Fa ny fanjakan'Andriamanitra dia tsy amin'ny fihinanana sy ny fisotroana, fa fahamarinana sy fiadanana ary fifaliana ao amin'ny Fanahy Masina. » (Romana 14:17)
fahazavana tsy tantin'ny aizina
« Ary izao no teny renay taminy ka ambaranay aminareo: Andriamanitra dia mazava, ary tsy misy maizina akory ao aminy. » (1 Jaona 1:5)
fahamasinana
« fa araka ny fahamasinan'ilay niantso anareo, dia aoka mba ho masina koa ianareo amin'ny fitondran-tena rehetra, » (1 Petera 1:15)
« satria voasoratra hoe: "Ho masina ianareo, satria masina Aho" (Lev. 11.44). »
(1 Petera 1:16)
fahefana lehibe
« fa ny filazantsaranay tsy tonga teo aminareo tamin'ny teny ihany, fa tamin'ny hery koa sy ny Fanahy Masina ary ny fahatokiana be, araka ny ahafantaranareo izay toetry ny fitondran-tenanay teo aminareo noho ny aminareo. » (1 Tesaloniana 1:5)
HIOVA NY TANTARA "RESY SATANA" SATRIA NANAIKY IANAO!!!
MINOA.

RY KRISTIANA!!REHEFA VOAVELA HELOKA DIA VOAVELA HELOKA

Olon'i Kristy ianao:Izy no hiaro anao ka lasa tsy hana-tsiny ianao na eo @ hafa na eo anatrehany
« Amin'izany andro izany sy amin'izany fotoana izany, hoy Jehovah, dia hotadiavina izay heloky ny Isiraely, fa tsy hisy; Ary izay fahotan'ny Joda, fa tsy ho hita; Satria havelako ny helok'izay sisa narovako. » (Jeremia 50:20)
hotahiany @ fombany koa ianao
« Ary hampodiko ho any amin'ny saha fiandrasana azy indray ny Isiraely, ka hihinana ao Karmela sy Basana izy; Ary any an-tany havoan'i Daima sy Gileada no hahavoky azy. » (Jeremia 50:19)
AFAKA IANAO E!!!
MINOA!!
MITRAKA!

HANAPOROFO NY HERIN'NY VONINAHINY ANDRIAMANITRA

Saro-piaro @ voninahiny Andriamanitra ka hanaporofo fa afaka hanjaka sy hampiadana ny olony Izy
« Ny handrosoan'ny fanapahana sy ny fiadanana dia tsy hanam-pahataperana Eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida sy ny fanjakany, mba hampiorenana sy hampitoerana azy amin'ny rariny sy ny hitsiny hatramin'izao ka ho mandrakizay; ny fahasaro-piaron'i Jehovah, Tompon'ny maro, no hahatanteraka izany. » (Isaia 9:6)
sy hampiatra ireo fahefana 5 hananan'i Kristy
« Fa Zaza no teraka ho antsika, Zazalahy no omena antsika; Ary ny fanapahana dia eo an-tsorony, ary ny anarany atao hoe Mahagaga, Mpanolo-tsaina*, Andriamanitra Mahery, Rain'ny mandrakizay Andrian'ny fiadanana.[Na: mpanolo-tsaina mahagaga] » (Isaia 9:5)
ANKALAZAO AM-PASAHIANA ARY FA EFA AN'I KRISTY NY JEROSALEMANAO ARY NY FIADANANY NO HATOBANY AO!!!
MINOA.

ADIDY MASINA TOKONY HATAONAO OLON'I KRISTY NY MANANATRA NY HAFA MBA TSY HO VERY IZY

Notendren'i Kristy ho mpananatra ianao
« Koa ianao, ry zanak'olona, dia efa notendreko ho mpitily ho an'ny taranak'Isiraely, ka raha mandre ny teny aloaky ny vavako ianao, dia izany no ho entinao mananatra azy. » (Ezekiela 33:7)
aza mitsahatra mizara fa tsy sitrak'Andriamanitra ny hahafatesan'ny ratsy fanahy fa ny hialany @ ratsy
« Lazao aminy hoe: Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, dia tsy sitrako ny hahafatesan'ny ratsy fanahy, fa ny hialan'ny ratsy fanahy amin'ny lalany, mba ho velona izy. Mialà, mialà amin'ny lalan-dratsinareo, fa nahoana moa no te-ho faty ianareo, ry taranak'Isiraely? » (Ezekiela 33:11)
AZA KIVY!!!
ARAHO VAVAKA FIFONANA DIA HO HIATANAO FA TSY MAITSY HIOVA IZY!!!
MINOA!!!
MAHEREZA.

IZAY NANGAHATANAO DIA HO AZONAO OLON'I KRISTY

Fangatahana hotanteraka:
hamonjy anao Kristy

« Andriamanitra ô, aza manalavitra ahy; Andriamanitro ô, faingana hamonjy ahy. » (Salamo 71:12)
tsy hahafoy anao Izy
« Koa mandra-pahantitro sy fotsy volo, dia aza mahafoy ahy, Andriamanitra ô, mandra-pilazako ny sandrinao amin'ny taranaka sy ny asanao lehibe amin'izay rehetra mbola ho avy. » (Salamo 71:18)
ho menatra izay manenjika anao
« Aoka ho menatra sy ho levona ny mpanohitra ny fanahiko; aoka hitafy henatra sy fahafaham-baraka izay mitady hanisy ratsy ahy. » (Salamo 71:13)
ary handray fitahiana ianao
« Hahavoka-bary betsaka ny tany na dia any an-tampon'ny tendrombohitra aza; hirondrona tahaka ny any Libanona ny fahavokarany; ary ny ao an-tanàna hidokadoka tahaka ny ahitra amin'ny tany. » (Salamo 72:16)
TSY NIHANAHANA IANAO NANGATAKA,TSY HISALASALA IZY HAMALY!!!
FANAMBY APETRANY AMINAO IZANY!!!
MATOKIA.

RY KRISTIANA!! AZA MITSAHATRA MAMPAHAFANTATRA NY MARINA

Misy fanamby apetrak'i Kristy:
na miala @ ratsy

« Misasà ianareo, diovy ny tenanareo, Esory tsy ho eo anoloan'ny masoko ny ratsy fanaonareo; Mitsahara, fa aza manao ratsy;Mianara hanao ny tsara, Diniho izay rariny, anaro ny mpampahory, Omeo rariny ny kamboty, tsarao ny adin'ny mpitondratena. » (Isaia 1:16-17)
dia omeny famelan-keloka
« Avia ary hifandahatra isika, hoy Jehovah: Na dia tahaka ny jaky aza ny fahotanareo, Dia ho fotsy tahaka ny oram-panala, Na dia mangatrakatraka tahaka ny sily aza, Dia ho tahaka ny volon'ondry fotsy. » (Isaia 1:18)
sy hampiadaniny
« Raha manaiky sy mankatò ianareo, dia hihinana ny voka-tsoa amin'ny tany; » (Isaia 1:19)
na ho faiziny
« Fa raha mbola mandà sy miodina ihany ianareo, Dia ho lanin'ny sabatra: Fa ny vavan'i Jehovah no efa niteny. » (Isaia 1:20)
tsy misy safidy hafa!!!
AZA KIVY MIHITSY,HENON'ANDRIAMANITRA NY FIFONANAO ISAN'ANDRO!!!
MATOKIA!!
MAHEREZA.

HIADANANA IANAO SATRIA EFA RAISIN'I KRISTY AN-TANANA NY TANANANAO

Antsoy Kristy fa hamaly anao Izy
« Ary hiantso Ahy ianareo ka handeha sy hivavaka amiko, dia hihaino anareo Aho. » (Jeremia 29:12)
tadiavo fa ho hitanao
« Ary hitady Ahy ianareo, dia ho hitanareo Aho, raha katsahinareo amin'ny fonareo rehetra. » (Jeremia 29:13)
ary angataho Aminy izay hiadanan'ny tanananao dia minoa fa hiadana koa ianao
« Ary katsaho izay hiadanan'ny tanàna izay nampandehanako anareo ho babo, ary mivavaha amin'i Jehovah ho azy; fa raha miadana izy, dia mba hiadana koa ianareo. » (Jeremia 29:7)
MITSIKIA FA EFA MANANGANA IZANY IZAO DIA IZAO IZY ARAKA NY FANIRIANAO!!!
SA AHOANA???
MAHEREZA.

HIVADIKA FITAHIANA IREO OLANAO OLON'I KRISTY

Hosoloin'Kristy harem-pahasoavana ny alahelonao rehetra
« Fa fantatrareo ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompontsika, fa na dia nanan-karena aza Izy, dia tonga malahelo noho ny aminareo, mba hampanan-karena anareo ny alahelony. » (2 Korintiana 8:9)
satria manana fahasahiana mitory @ anarany ianao
« Ary tamin'ny hery be no nanambaran'ny Apostoly ny nitsanganan'i Jesosy Tompo; ary fahasoavana be no tao amin'izy rehetra. » (Asan'ny Apostoly 4:33)
Tsy hisy afaka hanakana izany
« Fa Jehovah, Tompon'ny maro, no efa nikasa, ka iza indray no hahafoana izany? Ary ny tànany dia voahinjitra, ka iza no hampihemotra izany? » (Isaia 14:27)
HITSIMBADIKA TANTERAKA NY FIAINANAO SATRIA NANAIKY HO MPANOMPO MAHATOKY EO AM-PELATANANY IANAO!!!
MATOKIA.

HANDRAY NY ANDRAIKINY AO AMIN'NY TANANANY ANDRIAMANITRA

Hanafay izay nangoron-karena t@ tsy rariny ny Tompo
« Ry zanak'olona, manaova hira fahalahelovana ny amin'ny mpanjakan'i Tyro, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ry ilay mahatanteraka ny rafitra tsara tarehy tonga marika sady feno fahendrena no tena tsara tarehy,» (Ezekiela 28:12)
indrindra raha tsy mibebaka izy noho ny fahotany
« Noho ny haben'ny helokao tamin'ny tsi-fahamarinan'ny varotrao, dia voalotonao ny fitoeranao masina; Koa izany no hamoahako afo avy ao aminao handevona anao, ary hataoko tonga lavenona eny ambonin'ny tany ianao eo imason'izay rehetra mijery anao.Ny firenena rehetra izay mahalala anao dia ho gaga anao; Ho tonga fampitahorana ianao ary tsy ho ao intsony mandrakizay. » (Ezekiela 28:18-19)
satria efa Azy ny tanananao
« Haringako isa-maraina ny ratsy fanahy rehetra amin'ny tany, Mba hofongorako ny mpanao ratsy rehetra tsy ho ao an-tanànan'i Jehovah. » (Salamo 101:8)
VOKATRY NY VAVAKA AM-PINOANA IZAY EFA NASANDRATRAO OLON'I KRISTY IZANY!!!
TOHIZO NY FIAMBENANAO!!!
VAO MANOMBOKA IZAO FA MBOLA HO BE NY SISA!!!
MATOKIA.

MISY AKONY EO ANATREHAN'ANDRIAMANITRA NY ASA FANOMPOANA IZAY ATAONAO OLONY

Hampiseho ny heriny eo anoloan'ny mpanapaka Kristy izay tompoinao
« Dia talanjona Nebokadnezara mpanjaka ary nitsangana faingana izy ka niteny tamin'ny mpanolo- tsainy hoe: Moa tsy telo lahy mifatotra va no natsipintsika tao anatin'ny afo? Dia namaly ny mpanjaka ireo ka nanao hoe: Marina izany, ry mpanjaka ô.Ary hoy izy: Ka no indro aho mahita efa-dahy tsy mifatotra, mandehandeha eo anaty afo, nefa tsy maninona tsy maninona akory izy; ary ny fijery ilay fahefatra dia toa zanak'ireo andriamanitra. » (Daniela 3:24-25)
satria isan'ireo manaja Azy
« Ary rehefa re izany rehetra izany, dia izao no faran'ny teny: Andriamanitra no atahory, ary ny didiny no tandremo, fa izany no tokony hataon'ny olona rehetra. » (Mpitoriteny 12:13)
sady mpamafy voa eo @ sahany
« Amin'ny maraina dia afafazo ny voanao, ary amin'ny hariva dia aza atsahatra ny tananao; fa tsy fantatrao izay ho vanona, na ny teo aloha, na ny teo aoriana, na angamba samy ho vanona avokoa izy roa tonta. » (Mpitoriteny 11:6)
ianao.
KATSAHO HATRANY NY FANJAKANY DIA AZO ANTOKA FA HO VOATAHY IANAO!!!
MATOKIA.

IZAY HOSOTRA AMPIASAINAO IHANY NO AFAKA HITOMBO

Arakaraky ny ampiasanao ny herin'i Kristy mba hahatonga anao ho sahy hiteny
« Koa ankehitriny, dia mandehana, fa Izaho no homba ny vavanao ka hanoro anao izay holazainao. » (Eksodosy 4:12)
hanasitrana
« Ary Jesosy niantso ny mpianany roa ambin'ny folo lahy hankeo aminy ka nanome azy fahefana hamoaka fanahy maloto sy hahasitrana ny aretina rehetra mbamin'ny rofy rehetra. » (Matio 10:1)
hanonona fiadanana
« Ary izao no holazainareo aminy: trarantitra ianao, fiadanana anie ho anao, ary fiadanana ho amin'ny ankohonanao, ary fiadanana ho amin'izay anananao rehetra. » (1 Samoela 25:6)
no hitombony
« Fa izay rehetra manana dia homena, ka hanam-be izy; fa izay tsy manana kosa, na dia izay ananany aza dia halaina aminy. » (Matio 25:29)
AMPITOMBOY ARY FAHASAHIANAO AMIN'NY MAHA-OLON'I KRISTY ANAO FA HITERA-BOKATSOA HATRANY IZANY!!!
MINOA.

MANANA FAHEFANA AZO ANTOKA FA HITONDRA FANOVANA IANAO OLON'I KRISTY

Ry Kristiana!Aza menatra mijoro @ finoanao
« Fa tsy menatra ny filazantsara aho; fa herin'Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino izany, amin'ny Jiosy aloha, dia vao amin'ny jentilisa* koa.Fa amin'izany no anehoana fahamarinana avy amin'Andriamanitra avy amin'ny finoana sy ho amin'ny finoana, araka ny voasoratra hoe: Ny marina amin'ny finoana no ho velona* (Hab. 2. 4). [*Na: Ny marina ho velon'ny finoana] » (Romana 1:16-17)
sahia mitaky hatrany ny zonao ka miteny hoe:
"Kristy O!aza ela ianao,raiso an-tanana ny firenenay!"

« Tompo ô, mandrenesa, Tompo ô, mamelà heloka; Tompo ô, mihainoa, ka miasà; aza ela Hianao, ry Andriamanitro ô noho ny aminao; fa ny tanànanao sy ny olonao dia nantsoina amin'ny anaranao. » (Daniela 9:19)
HIAIKY IZANY FINOANAO IZANY IZY KA HAMALY FAINGANA!!!
MATOKIA!
MAHEREZA.

HAMINDRA FO ANDRIAMANITRA

Mety nisy olona tsy nahatsiaro ny fisian'Andriamanitra
« Ary iza no nahinao sy natahoranao, no dia nandainga ianao ka tsy nahatsiaro ahy na nandatsaka am-po? Moa tsy efa nangina va Aho hatrizay hatrizay? Ka dia tsy natahotra Ahy ianao. » (Isaia 57:11)
minoa anefa ianao fa ireny mihitsy no hokitiany @ fombany ka hiova,ho sitrana
« Efa nahita ny lalany Aho, nefa hahasitrana azy ihany, dia hitari-dalana azy Aho ka hampody ny fiononana ho aminy sy ho amin'ny malahelo ao aminy,Dia Izaho Izay mahary ny vokatry ny molotra: Fiadanana, fiadanana ho an'izay lavitra sy ho an'izay akaiky! hoy Jehovah, ka dia hahasitrana azy Aho. » (Isaia 57:18-19)
HIVALY NY VAVAKAO IZAY NIFONA HO AZY IRENY!!!
MATOKIA.