"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

LALANA IDIRANAO ANY AN-DANITRA NY FAMELAN-KELOKA


Na iza na iza manenjika anao,eny na mihevitra ny hamono anao aza izy dia angataho @ ny Tompo mba havelany heloka
« Ary ny olona nitora-bato an'i Stefana, izay niantso hoe: Ry Jesosy Tompo ô, raiso ny fanahiko.Dia nandohalika izy ka niantso tamin'ny feo mahery hoe Tompo ô, aza atao ho helony anie izao ota izao. Ary rehefa nilaza izany izy, dia nodi-mandry. » (Asan'ny Apostoly 7:59-60)
ianao rahateo hamela azy
« Fa raha mamela ny fahadisoan'ny olona ianareo, dia mba hamela ny anareo kosa ny Rainareo Izay any an-danitra.Fa raha tsy mamela ny fahadisoan'ny olona ianareo, dia tsy hamela ny fahadisoanareo ny Rainareo. » (Matio 6:14-15)
SAHIA ARY SAMY MANAO DINGANA E!
MAHEREZA.

MITONDRA FITAHIANA NY FANOMEZANA


Izay manome dia hohatavezina
« Izay manisy soa olona hohatavezina; Ary izay mandena dia mba holemana kosa. » (Ohabolana 11:25)
tohany ary ny Teny zaraina
« Ary Izay manome voa ho an'ny mpamafy sy mofo hohanina dia hanome sy hahabe ny voa afafinareo ary hampitombo ny vokatry ny fahamarinanareo, » (2 Korintiana 9:10)
izay foinao isam-bolana
« Aoka ny olona rehetra samy hanao araka izay inian'ny fony avy, tsy amin'ny alahelo, na amin'ny faneriterena; fa ny mpanome amin'ny fifaliana no tian'Andriamanitra . » (2 Korintiana 9:7)
fa hitahian'ny Tompo anao izany
« Nefa tsy toy ny mitady ny fanomezana no izany; fa mitady ny vokatra izay hitombo ho voninahitrareo aho. » (Filipiana 4:17)
RAHA RESY LAHATRA IANAO DIA AZA MISALASALA MANORATRA ATY AMINAY.
@ tenyzarainaisanandro@gmail.com
MISAOTRA TOMPOKO!

ATAOVY IZAY ASAIN’ANDRIAMANITRA ATAONAO



Ho voatahy manokana ianao manomboka anio
« ...hatramin'izao andro anio izao no hitahiako anareo. » (Hagay 2:19)
satria izay asain'ny Tompo atao ihany no ataonao
« Ary araho ny didiko, ary tandremo ny fitsipiko, ka araho izy; dia handry fahizay amin'ny tany ianareo. » (Levitikosy 25:18)
ho voatahy ny ankohonanao h@ taranakao
« Fa hohaninao tokoa ny asan'ny tananao; Sambatra sady ambinina ianao.Ny vadinao dia tahaka ny voaloboka mahavokatra Ao anatin'ny tranonao; Ny zanakao dia tahaka ny zanak'oliva Manodidina ny latabatrao.Indro, fa toy izany no hitahiana Izay lehilahy matahotra an'i Jehovah.Hitahy anao avy any Ziona anie Jehovah; Ary ho faly hahita ny fahasoavan'i Jerosalema anie ianao Amin'ny andro rehetra hiainanao.Eny, hahita ny zafinao anie ianao; Fiadanana anie ho amin'ny Isiraely. » (Salamo 128:2-6)
HIOVA IANAO!!
HIOVA NY TARANAKAO!!!
HIOVA NY TANANANAO!!!
HIOVA NY FIRENENAO!!!
MINOA.

ZEROBABELA VAOVAO AO @ KRISTY IANAO


Nofidian'Andriamanitra manokana
« Amin'izany andro izany, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, dia horaisiko ianao, ry Zerobabela mpanompoko, zanak'i Sealtiela, hoy Jehovah, ka hataoko toy ny fanombohan-kase ianao; fa efa nifidy anao Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. » (Hagay 2:23)
hiaina araka ny herin'ny Fanahy Masina
« Dia namaly izy ka nanao tamiko hoe: Izao no tenin'i Jehovah amin'i Zerobabela: Tsy amin-kery na amim-pahatanjahana, fa amin'ny Fanahiko, hoy Jehovah, Tompon'ny maro . » (Zakaria 4:6)
mba hitovy fijery Aminy
« Fa iza no nanamavo ny andron'ny zava-madinika? Ho faly mahita ny pilao eny an-tànan'i Zerobabela ireo fito ireo, dia ny mason'i Jehovah, izay mijery eny tontolo eny eran'ny tany rehetra » (Zakaria 4:10)
MANEKE HO IRAKA HANAO NY IMPOSSIBLE HO LASA POSSIBLE.

MIFAMENO NY FANOMEZAM-PAHASOAVANA REHETRA

Samy manana ny fanomezam-pahasoavany ny olon'i Kristy
« Fa toy ny ananantsika zavatra maro momba ny tena iray, nefa tsy mitovy asa izay rehetra momba ny tena, » (Romana 12:4)
nefa iray ihany ao Aminy
>« dia toy izany koa isika, na dia maro aza, dia tena iray ihany ao amin'i Kristy, ary samy miara-momba ny tena isika rehetra. » (Romana 12:5)
Ampiasao izay anananao ary eto am-bavaka ny an'ny hafa
« Ary satria samy manana fanomezam-pahasoavana samy hafa isika, araka ny fahasoavana izay nomena antsika: raha faminaniana, dia aoka hatao araka ny ohatry ny finoana;raha fanompoana amin'ny fiangonana, dia aoka ho amin'ny fanompoana; raha mampianatra, dia aoka ho amin'ny fampianarana;raha mananatra, dia aoka ho amin'ny fananarana; izay manome, dia aoka ho amin'ny fahatsoram-po; izay manapaka, dia aoka ho amin'ny fahazotoana; izay mamindra fo, dia aoka ho amin'ny fifaliana. » (Romana 12:6-8)
AZA MIAHOTRA MANAMBATRA NY HERY ,FANTARO TSARA KOA IZAY TENA ANJARANAO DIA HITOMBO AVY 1000000 HENY IZANY E!!!
MINOA.

POROFOY @ NAMANAO FA ZANAK’ANDRIAMANITRA MARINA IANAO


Ny samy olon'i Kristy dia tena tokony hifankatia
« Ary Jonatana nampianiana an'i Davida indray noho ny fitiavany azy; fa tiany toy ny tenany izy. » (1 Samoela 20:17)
hifanampy
« Dia hoy Jonatana tamin'i Davida: Na inona na inona no angatahinao, dia hatàoko aminao izany. » (1 Samoela 20:4)
sy hifampirary soa
« Ary hoy Jonatana tamin'i Davida: Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, anie ho vavolombelona! Rehefa fotorako tsara rahampitso na afaka ampitso toy izao ny hevitry ny raiko, ka hitako fa misy soa ho an'i Davida, ka tsy maniraka any aminao aho sy manambara izany aminao,dia hataon'i Jehovah toy izany anie Jonatana, eny, mihoatra noho izany aza; fa raha kasain'ny raiko kosa ny hanisy ratsy anao, dia hambarako aminao izany, ka halefako ianao mba handehananao soa aman-tsara; ary homba anao tahaka ny tamin'ny raiko anie Jehovah. » (1 Samoela 20:12-13)
ary hitazona ny fanekana nifanaovana
« Ary hoy Davida taminy: Aza matahotra, fa hasiako soa tokoa ianao noho ny amin'i Jonatana rainao, ary hampodiko ho anao ny tany rehetra izay an'i Saoly rainao, ary ianao hihinana eo amin'ny latabatro mandrakariva. » (2 Samoela 9:7)
SAHIA MIJORO MBA HANAFAINGANAN’ANDRIAMANITRA HANATANTERAKA NY PLANINA TSARA HO AN’NY JEROSALEMANAO!!!
MAHEREZA.

JAKOBA AO @ KRISTY IANAO


Tsy irery intsony fa misy anjely miakatra sy midina eo amboninao izay mampifandray tsy tapaka anao @ Andriamanitra
« Ary nanonofy izy, ka, indro, nisy tohatra niorina tamin'ny tany, ka nipaka tamin'ny lanitra ny lohany; ary, indreo, nisy anjelin'Andriamanitra niakatra sy nidina teo aminy. » (Genesisy 28:12)
« Ary hoy koa Izy taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Ho hitanareo ny lanitra misokatra sy ny anjelin'Andriamanitra miakatra sy midina eo ambonin'ny Zanak'olona. » (Jaona 1:51)
MINOA ARY MITONIA MIATRIKA NY ZAVATRA REHETRA DIA HIKARAKARA ANAO NY FANJAKAN’NY LANITRA E!!!

MILA MPANOLON-TSAINA MAHATOKY IANAO


Raha te hahomby ao @ Kristy ianao dia mila mpanolon-tsaina akaiky izay matahotra an'Andriamanitra
« Ary Joasy nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah tamin'ny androny rehetra izay nanoloran'i Joiada mpisorona saina azy. » (2 Mpanjaka 12:3)
ireo mpitondra teny fa ianao mpanatanteraka
« Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany; tsy tonga Aho handrava, fa hanatanteraka. » (Matio 5:17)
FIDIO TSARA ARY IREO EKIPA MIARAKA AMINAO!!!

MANEKE HITETY TANY HIARAKA @ KRISTY


Tsy hitoetra @ maizina intsony ianao satria ao anatinao Kristy fahazavana
« Izaho tonga amin'izao tontolo izao ho fahazavana, mba tsy hitoetra ao amin'ny maizina izay rehetra mino Ahy. » (Jaona 12:46)
hitory
« Ary fantatro fa fiainana mandrakizay ny didiny; koa izay lazaiko dia lazaiko araka izay nolazain'ny Ray tamiko. » (Jaona 12:50)
mba hitondra fitahiana ho an'izao tontolo izao
« Ary raha misy mandre ny teniko ka tsy mitandrina, Izaho tsy mitsara azy; fa tsy tonga hitsara izao tontolo izao Aho, fa hamonjy izao tontolo izao. » (Jaona 12:47)
MINOA!!!
MIVONONA HANDEHA FA HAHAVITA MIHOATRA LAVITRA NOHO I PAOLY IANAO!!!

TSY HANENENANAO MANDRAKIZAY NY FIFIDIANANAO AN’I KRISTY HO LOHAN’NY FIAINANAO


Fidio izay tompoinao ny vola sa Andriamanitra fa tsy misy mahay manompo tompo roa
« Tsy misy mpanompo mahay manompo tompo roa; fa ny anankiray ho halany, ary anankiray ho tiany; na ny anankiray hombany, ary ny anankiray hohamavoiny. Tsy mahay manompo an'Andriamanitra sy mamôna ianareo. » (Lioka 16:13)
Matokia an'i Kristy ary ampiasao izay finoana kely anananao
« Fa hoy ny Tompo: Raha manana finoana na dia hoatra ny voan-tsinapy iray aza ianareo, dia azonareo lazaina amin'io vorihazo io hoe: Miongota, ary aoka hambolena ao anatin'ny ranomasina, dia hanaiky anareo izy. » (Lioka 17:6)
MINOA DIA HO TSAPANAO NY FIAINANA FENO FAHASAMBARANA MIARAKA AMINY!!!

MADIO EO ANATREHAN’ANDRIAMANITRA IANAO OLON’I KRISTY


Tsy hanan-tsiny eo anatrehan'Andriamanitra ianao
« Ary tsy nisy lainga hita teo am-bavany, sady tsy manan-tsiny izy. » (Apokalypsy 14:5)
satria tena nibebaka
« Mamindrà fo amiko, Andriamanitra ô, araka ny fahasoavanao; araka ny haben'ny fiantranao vonoy ny fahadisoako.Sasao madio aho mba ho afa-keloka, ary diovy aho mba ho afa-pahotana. » (Salamo 51:1-2)
voavela heloka
« Fa mba ho fantatrareo fa ny Zanak'olona manana fahefana eto ambonin'ny tany hamela heloka (dia hoy Izy tamin'ilay mararin'ny paralysisa): Mitsangàna, betao ny fandrianao, ka modia any an-tranonao. » (Matio 9:6)
ary nanaiky hanaraka an'i Kristy tanteraka
« Ary nantsoiny hanatona Azy ny vahoaka mbamin'ny mpianany, dia hoy Izy taminy: Raha misy ta-hanaraka Ahy, dia aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazo fijaliany ka hanaraka Ahy. » (Marka 8:34)
TOHIZO NY ASA NIANTSOANA ANAO ARY MATOKIA FA EFA MIANDRY NY LAPANAO ANY AN-DANITRA.

FANALAHIDIN’NY FAHOMBIAZANA NY FANKAZARANA @ TSITOHA

Hahazo zava-tsoa ianao satria nifankazatra t@ Andriamanitra
« Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao, dia hiadana; Izany no hahatongavan'ny soa aminao. » (Joba 22:21)
hihalehibe ao @ Aminy tahaka an'i Davida
« Koa dia nandroso nihalehibe Davida; fa Jehovah, Tompon'ny maro, no nomba azy. » (1 Tantara 11:9)
sady hanangana ekipa mahery
«Ary izao no lohan'ny lehilahy maherin'i Davida izay nifikitra mafy taminy tamin'ny fanjakany, mbamin'ny Isiraely rehetra hampanjaka azy araka ny tenin'i Jehovah ny amin'ny Isiraely. » (1 Tantara 11:10)
MINOA DIA HITOMBO HATRANY NY FAMATORANAO MIARAKA AMINY!!!

ADAMA AO @ KRISTY IANAO OLONY


Hahazo valim-bavaka izay manana fifandraisana tsy miato @ Andriamanitra
« Fa Andriamanitra tsy hanome rariny ny olom-boafidiny va, izay mitaraina aminy andro aman'alina, ary moa hitaredretra va Izy?,Lazaiko aminareo fa homeny rariny faingana izy. ... » (Lioka 18:7-8a)
ho porofo fa ao aminy Kristy izay hanapotika ny sakana rehetra
« Ary dia haseho ilay tena mpandika lalàna, izay holevonin'i Jesosy Tompo* amin'ny fofonain'ny vavany ary hofoanany amin'ny fisehoan'ny fihaviany; [* Na:(holevonin'ny Tompo)] » (2 Tesaloniana 2:8)
MINOA.
TSY MILA CREDIT IO ARY TENA HAHOMBY MANDRAKIZAY E!

TSY HANAIKY RESIN’I SATANA MANDRAKIZAY KRISTY


Fatatr'i satana hoe manana an'i Kristy ny olona iray na tsia
« Ary ny fanahy ratsy namaly ka nanao taminy hoe: Fantatro Jesosy, ary fantatro koa Paoly; fa mba iza kosa moa ianareo? » (Asan'ny Apostoly 19:15)
noho izany sahia miady ary aza amelana raha tsy betsaka ny hiova fo @ alalanao
« Ary maro izay nino dia tonga ka niaiky sy nilaza ny asany.Ary maro ny mpanao ody no nanangona ny bokiny ka nandoro azy teo imason'ny olona rehetra; ary nony voatontaly ny tokom-bidiny, dia hita fa volafotsy dimy alina izany.Fatratra toy izany no fandroson'ny tenin'Andriamanitra sy ny heriny. » (Asan'ny Apostoly 19:18-20)
AZA MISALASALA!!!
MANDROSOA MBA HO TENA MPANDRESY E!!!

TABERNAKELY NY TENANAO OLON’I KRISTY EO ANATREHAN’ANNDRIAMANITRA:


Teo @ zanak'Israely dia nametraka famantarana ny Tompo fa eo foana Izy t@ izay nandehanany rehetra

« Fa ny rahon'i Jehovah dia teo ambonin'ny tabernakely nony andro, ary nisy afo teo aminy nony alina, teo imason'ny taranak'Isiraely rehetra, tamin'ny nandehanany rehetra. » (Eksodosy 40:38)
ho anao kosa tsy lavitra Izy fa ao anatinao
« Tsy fantatrareo va fa tempolin'Andriamanitra ianareo, ary ny Fanahin'Andriamanitra mitoetra no anatinareo? » (1 Korintiana 3:16)
HAFA!!
TENA HAFA IANAO!!!
TSAPANAO VE IZANY!!
MAHEREZA.

HISOKATRA HO ANAO OLON’I KRISTY NY LANITRA


Izay mino fa zanak'Andriamanitra sady Mpanjaka no mitoetra ao anatiny
« Dia namaly Natanaela ka nanao hoe: Raby ô, Hianao no Zanak'Andriamanitra; Hianao no Mpanjakan'ny Isiraely. » (Jaona 1:49)
dia hiaina ny vokatry ny fisokafan'ny lanitra sy ny fiarovan'ny anjely
« Ary hoy koa Izy taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Ho hitanareo ny lanitra misokatra sy ny anjelin'Andriamanitra miakatra sy midina eo ambonin'ny Zanak'olona. » (Jaona 1:51)
TSY HO IRERY MANDRAKIZAY IANAO!!!
MIFALIA FA HANDRAY FITAHIANA E!
MAHEREZA.

HAMETRAKA SONIA EO @ TANTARANAO OLONY KRISTY

@ fomban'Andriamanitra no hitahiany anao olony izay ampahoriana
« Hanolotra ho an'ny malahelo ao Ziona, eny, hanome azy namama ho solon'ny lavenona, sy diloilo fifaliana ho solon'ny fahalahelovana, ary fitafiana fiderana ho solon'ny fanahy reradreraka, mba hanaovana azy hoe Hazon'ny fahamarinana, nambolen'i Jehovah ho fampisehoam-boninahitra. » (Isaia 61:3)
hanangana ny rava Izy
« Koa hatsangana ny efa rava hatry ny fony fahagola, ary hamboarina ny efa lao hatramin'ny fahiny, dia hohavaozina indray ny tanàna rava, Izay efa lao hatramin'ny taranaka lasa ela. » (Isaia 61:4)
TESTAMETA TSY MAINTSY HO TANTERAKA IZANY
« Ny fampahoriana tsy ho re eo amin'ny taninao intsony, na ny fandravana sy ny fandringanana ao anatin'ny fari-taninao; ny mandanao dia hataonao hoe Famonjena, ary ny vavahadinao hataonao hoe Fiderana. » (Isaia 60:18)
MIFALIALALANDAVA HO MARIKY NY FINOANAO SY Y FIAINANAO IZANY DIENY IZAO E!!!
MAHEREZA.

MARIKY NY FINOANA NY FAHATANTERAHANA NY FIDERANA

Derao!derao Andriamanitra satria nanome toky fa hamonjy anao sy ny jerosalemanao Izy « Indro, hasiako amin'Izany andro izany izay rehetra nampahory anao; Hovonjeko ny mandringa, ary hovoriko ny noroahina, Eny, hataoko ho fiderana sy ho anarana ireny izay efa nitondra henatra tany amin'ny tany rehetra*. [*Na: any amin'ny tany rehetra izay efa nitondrany henatra] » (Zefania 3:19)
eny ho hitan'ny masonao sy ny firenena rehetra izany « Amin'izany andro izany no hitondrako anareo miditra, Eny, amin'izany andro izany no hanangonako anareo; Fa hataoko ho anarana sy ho fiderana any amin'ny firenena rehetra amin'ny tany ianareo, Raha hampodiko avy amin'ny fahababoana ianareo, ka ho hitan'ny masonareo izany, hoy Jehovah. » (Zefania 3:20)
MINOA.DIA TENA SAHIA MIDERA E!!!

TSY NY FAHALEMENAO NO JEREN’I KRISTY FA NY FAHAVONONANAO

Hisy vokany lehibe ny asan'Andriamanitra ataonao olon'i Kristy satria nataonao am-pitiavana sy am-paharetana izany
« Ny famantarana mah'Apostoly ahy dia natao teo aminareo tokoa tamin'ny faharetana rehetra, tamin'ny famantarana sy ny fahagagana ary tamin'ny asa lehibe. » (2 Korintiana 12:12)
na teo aza ny fahalemenao
« Nefa hoy Izy tamiko; Ampy ho anao ny fahasoavako; fa ny heriko. dia tanterahina amin'ny fahalemena. Koa mainka sitrako ny hirehareha amin'ny fahalemeko, mba hitoeran'ny herin'i Kristy amiko. » (2 Korintiana 12:9)
SAHIA HO AMPIASAINY HITONDRA FANOVANA MAHAGAGA E!!!
MAZOTOA !!
MAHEREZA.

HO SITRANA IZAY MANANTONA AN’I KRISTY

Aleo Kristy no hiaiky ny finoanao Azy bebe kokoa anio dia ho sitrana ianao
« Dia namaly Jesosy ka nanao taminy hoe: Ravehivavy, lehibe ny finoanao; tongava aminao araka izay irinao. Dia sitrana ny zananivavy tamin'izay ora izay. » (Matio 15:28)
izay rehetra namanao hiara hitady Azy koa dia ho sitrana
« ary nisy vahoaka betsaka nankeo aminy nitondra ny mandringa, ny jamba, ny moana, ny kilemaina, ary ny maro hafa koa, ka nametraka azy teo akaikin'ny tongotr'i Jesosy; dia nahasitrana azy Izy;ka dia talanjona ny vahoaka, raha nahita ny moana miteny, ny kilemaina sitrana, ny mandringa afaka, ary ny jamba mahiratra; dia nankalaza an'Andriamanitry ny Isiraely izy. » (Matio 15:30-31)
MINOA!!
TENA HANEHO NY VONINAHINY IZY!!!
MATOKIA!!!

HAMINDRA FO AO AN-TANANANAO OLONY KRISTY

Ho lasa tendrimbohitra masina ny jerosalemanao
« Ary izao no ho tonga any am-parany: Ny tendrombohitra misy ny tranon'i Jehovah dia haorina eo an-tampon'ny tendrombohitra Ary hasandratra ho avo noho ny havoana; Ary ny firenena hitanjozotra hankany. » (Mika 4:1)
toerana izay hanjakan'i Kristy manomboka izao ka ho mandrakizay
« Ary ny mandringa no hapetrako ho sisa, Ary izay noroahina lavitra ho firenena mahery; Ary Jehovah hanjaka aminy ao an-tendrombohitra Ziona Hatramin'izany ka ho mandrakizay. » (Mika 4:7)
satria monina ao ianao olony « Fa izaho kosa dia feno hery, dia* ny Fanahin'i Jehovah, ... » (Mika 3:8)
MISY DIKANY NY FISIANAO!!
TSAPANAO VE IZANY?
TOHIZO ARY NY FIAMBENANAO!!
MAHEREZA.

MISY TANY IRIN’ANDRIAMANITRA MBA HANAJA AZY MANOMBOKA ANY @ MPITONDRA KA H@ VAHOAKA REHETRA

Tonga ny fotoana tokony haneken'ny mpanapaka h@ vahoaka @ fony sy ny fanahiny ny fankatoavana tanteraka an'Andrimanitra sy ny Teniny
« Ary ny mpanjaka nitsangana teo amin'ny fitoeran'andriana, dia nanao fanekena teo anatrehan'i Jehovah hanaraka Azy sy hitandrina ny lalàny sy ny teni-vavolombelony ary ny didiny amin'ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra, hankatò ny tenin'ny fanekena sy izay voasoratra ao amin'izany boky izany. Ary ny vahoaka rehetra koa dia mba nanaiky ny fanekena. » (2 Mpanjaka 23:3)
ISAN'IZANY VE IANAO?MINO AHO FA ENY NY VALITENINAO ARY IANAO MIHITSY NO HILAZA FA MADAGASIKARA IO FIRENENA TADIAVIN’ANDRIAMANITRA IO!!!
SA AHOANA E?

EFA NIBEBAKA IANAO! AZA AMELANA ANEFA RAHA TSY HIBEBAKA KOA NY HAFA

Malahelo ny Tompo raha tsy mibebaka ny olona iray tao aorinan'ny nitoriana filazantsara taminy « Ary tamin'izany dia vao niteny mafy ny tanàna izay nanaovany ny ankamaroan'ny asany lehibe Izy, satria tsy nibebaka ireo, ... » (Matio 11:20)
loza no hahazo azy « Fa lazaiko aminareo fa ho moramora kokoa ny ho amin'ny tany Sodoma amin'ny andro fitsarana noho ny ho aminao. » (Matio 11:24)
TSY IZANY IANAO « Ary amin'izany na zovy na zovy no hanaiky Ahy eo anatrehan'ny olona, dia hekeko kosa izy eo anatrehan'ny Raiko Izay any an-danitra. » (Matio 10:32)
TOHIZO NY ASA TSARA EFA NIATSOANA ANAO!!!
MAHEREZA.

TSY MORA NEFA TENA MAHASOA NY MIARAKA @ I KRISTY


Ry Kristiana!Hidiro ny vavahady maka any @ fiainana
« Midira amin'ny vavahady èty ianareo; fa lehibe ny vavahady, ary malalaka ny lalana izay mankany amin'ny fahaverezana, ka maro ny miditra any. » (Matio 7:13)
aza amelana raha tsy anisan'ireo vitsy mahita izany ianao
« Fa èty ny vavahady, ary tery ny lalana izay mankany amin'ny fiainana, ka vitsy ny mahita azy. » (Matio 7:14)
mahareta fa hanana ny soa
« Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an'ny zanakareo, tsy mainka va ny Rainareo Izay any an-danitra no hanome zava-tsoa ho an'izay mangataka aminy? » (Matio 7:11)
IZAY TENA MANAIKY HAHITSY AO @ KRISTY DIA AZO ANTOKA FA HO TAFITA SOA ARY E!!!
MAHEREZA.

RAISO NY ANTSO MASINA ILAIN’I KRISTY ANAO OLONY


Levita ao @ Kristy ianao,voatokana hanompo Azy
« ary Arona dia hanatitra ny Levita eo anatrehan'i Jehovah ho fanatitra ahevaheva avy amin'ny Zanak'Isiraely, mba hanao ny fanompoana an'i Jehovah izy. » (Nomery 8:11)
indrindra ho anao izay mihoatra ny 25 taona
« Ny amin'ny Levita dia izao: Hatramin'ny dimy amby roa-polo taona no ho miakatra izy no hanatona hilatsaka amin'ny antokony hanao ny fanompoana ao amin'ny trano-lay fihaonana; » (Nomery 8:24)
ho hery fiarovana ny jerosalemanao
« Ary nomeko ho an'i Arona sy ny zanany mihitsy ny Levita, avy amin'ny Zanak'Isiraely, hanao ny fanompoan'ny Zanak'Isiraely ao amin'ny trano-lay fihaonana sy hanao fanavotana ho an'ny Zanak'Isiraely, mba tsy hisy areti-mandringana hanjo azy, raha manakaiky ny fitoerana masina izy. » (Nomery 8:19)
SAHIA!!
SADY TSY EFA TSAPANAO VE IZANY E!!!
MAHEREZA.

HO ANAO OLON’I KRISTY DIA ASA HO AZY NY ASANAO REHETRA


N'aiza n'aiza sehatra iasanao dia tahaka ny asan'Andriamanitra izany ka ataovy am-pifaliana
« Ary aoka tsy himonomonona ianareo tahaka ny sasany tamin'ireny, izay matin'ny mpandringana. » (1 Korintiana 10:10)
mba ho endrika hitoriana sy hitahiana anao
« Toy izany koa no nandidian'ny Tompo, fa izay mitory ny filazantsara dia hahazo fivelomana amin'ny filazantsara. » (1 Korintiana 9:14)
MAZOTOA ARY MANOMPO E!
MAHEREZA.

EFA VOVONA HAMONJY NY VERY KRISTY ARY IANAO?


Ilaina ny mifampivavaka
« Ary mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny amin'i Jesosy Kristy Tompontsika sy ny fitiavana avy amin'ny Fanahy, mba hiarahanareo miezaka amiko amin'ny fivavahanareo amin'Andriamanitra ho ahy, » (Romana 15:30)
mba ho saina sy fanahy iray ao @ Kristy no entina mitory
« Fa Andriamanitry ny faharetana sy ny fiononana anie hampiray hevitra anareo araka an 'i Kristy Jesosy,mba ho saina iray sy vava iray no hiarahanareo mankalaza an'Andriamanitra, Rain'i Jesosy Kristy Tompontsika. » (Romana 15:5-6)
ary hampiaiky ny jentilisa no tanjona
« Fa tsy sahiko lazaina izay zavatra tsy nampanaovin'i Kristy ahy, na tamin'ny teny, na tamin'ny asa, mba hampanaiky ny jentilisa, » (Romana 15:18)
VITANAO IZANY!!
MAHEREZA.

MAMPIADY AN-TRANO NY FAHAVALO NY HIRA FIDERANA

Voataendry hiteny ao @ jerosalemanao ianao hoe mila miantehitra @ ny Tompo izy ireo
« Ary nifoha maraina koa izy, dia niainga nankany an-efitr'i Tekoa; ary nony nivoaka izy, dia nitsangana teo Josafata ka nanao hoe: Mihainoa ahy, ry Joda, sy ianareo, ry mponina eto Jerosalema: Minoa an'i Jehovah Andriamanitrareo, dia ho tafatoetra ianareo; minoa ny mpaminaniny, dia hambinina ianareo. » (2 Tantara 20:20)
hino izany izy ka hidera dia ho resy ny fahavalony
« Ary raha vao nanomboka nihoby sy nidera ireo, dia nasian'i Jehovah otrika hamely ny taranak'i Amona sy Moaba sy ny avy any an-tendrombohitra Seira, izay avy hamely ny Joda, ka dia resy ireo. » (2 Tantara 20:22)
SAHIA!!!
SATRIA RAHA IZAY NO TESTAMETA VOASORATRA DIA IZAY NO HITRANGA!!!
ANKAFIZO NY FIDERANA E!!!

TRANDRAO ILAY TENA FIAINANA

Ao @ Kristy ihany no misy ny fiainana sy toe-panahy arak'Anandriamanitra
« Efa nomen'ny herin'Andriamanitra ho antsika ny zavatra rehetra momba ny fiainana sy ny toe-panahy araka an'Andriamanitra amin'ny fahalalana Ilay niantso antsika tamin'ny voninahiny sy ny fahatsarany*;  » (2 Petera 1:3)
ka ahafahanao miala @ fatotr'izao tontolo izao
« ary izany no nahatanterahany amintsika ireo teny fikasana sady soa no lehibe indrindra, mba ho tonga mpiray amin'ny fomban'Andriamanitra amin'izany ianareo, rehefa afa-nandositra ny fahalotoana izay eo amin'izao tontolo izao noho ny filàna; » (2 Petera 1:4)
FIKIRO IZANY
« Ary amin'izany dia mazotoa kokoa, ry rahalahy, hampitoetra ny fiantsoana sy ny fifidianana anareo; fa raha manao izany zavatra izany ianareo, dia tsy ho tafintohina akory mandrakizay; » (2 Petera 1:10)
NA DIA MBOLA ETY AN-TANY AZA IANAO DIA AZONAO ATAO NY MISANTATRA NY FIAINAN-DANITRA !!!
ANDRAMO FA MAMY !!!
TSARA !!!
MAMPIADANA ANATY !!!
TSY ANGANO FA TENA IZY A !!!
SA AHOANA RY ZAREO ??
MAHEREZA.

MILA MANANA CONNEXION ILLIMITE @ KRISTY IANAO OLONY

Aza mba reraky ny mivavaka
« Ary Jesosy nilaza fanoharana taminy, fa tsy mety raha tsy mivavaka mandrakariva izy ka tsy reraka, » (Lioka 18:1)
mariky ny fiankinanao @ Kristy izany ary tsy hitaredretra Izy hamaly
« Fa Andriamanitra tsy hanome rariny ny olom-boafidiny va, izay mitaraina aminy andro aman'alina, ary moa hitaredretra va Izy?Lazaiko aminareo fa homeny rariny faingana izy. Kanefa, raha avy ny Zanak'olona,  » (Lioka 18:7-8a)
MINOA FA HO ANAO NY TENY FIKASANA Asa2:39.
MAHEREZA.