"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

TAOM-PANAFAHANA NY TAONA 2014


« Ary hataoko manda varahina mirova ho amin'ity firenena ity ianao: Hiady aminao izy, nefa tsy hahaleo anao; Fa momba anao hamonjy sy hanafaka anao Aho, hoy Jehovah; » (Jeremia 15:20)
hanafaka anao @ fomba mahagaga i Kristy
« Izy no mamonjy sy manafaka ary manao famantarana sy fahagagana any an-danitra sy ety an-tany, ary Izy no namonjy an'i Daniela ho afaka tamin'ny herin'ny liona. » (Daniela 6:28)
Miarahaba antsika nahatratra ny taom-panafahana.Ratrema Xavier 7 mianaka.
TRATRY NY TAONA E !!!


AOKA HANANA FO MADIO LALANDAVA IANAO OLON’I KRISTY



Tsy sitrak'Andriamanitra ny manao zavatra na inona na inona nefa tsy manana fo madio
« Ary hoy Jesosy taminy: Hianareo dia mpanamarin-tena eo anatrehan'ny olona, nefa Andriamanitra mahalala ny fonareo; fa izay zavatra heverin'ny olona ho ambony dia fahavetavetana eo anatrehan'Andriamanitra. » (Lioka 16:15)
Sahia ary milaza hoe:AMORONY FO MADIO AHO TOMPO O!
« Amorony fo madio aho, Andriamanitra ô; ary havaozy hiorina marina ny fanahiko ato anatiko. » (Salamo 51:10)

MAHEREZA HATRANY SATRIA TSY HISARAKA AMINAO IZAY MANANA TOE-PO ANKASITRAHANY NY TOMPO !

MAHERY NY FAHEFAN’I KRISTY AO ANATINAO OLONY



Manam-pahefana hamonjy sy hamela heloka ary hanasitrana Kristy ao anatinao 
« Fa mba ho fantatrareo fa ny Zanak'olona manana fahefana ety ambonin'ny tany hamela heloka - dia hoy Izy tamin'ilay mararin'ny paralysisa: Izaho milaza aminao hoe: Mitsangàna, dia betao ny fandrianao, ary modia any an-tranonao. » (Lioka 5:24)
ampiasao fa hiseho ny fahagagana
« Ary tamin'izay dia nitsangana teo anatrehan'ny olona izy ka nambeta ny fandriany, dia lasa nody sady nankalaza an'Andriamanitra. » (Lioka 5:25)
ary ho talanjona ny hafa
« Ary talanjona avokoa ny olona rehetra, dia nankalaza an'Andriamanitra sady raiki-tahotra indrindra ka nanao hoe: Efa nahita zavatra mahagaga isika androany. » (Lioka 5:26)
SAHIA!IZY VONONA HANEHO !
ARY IANAO VE VONONA HAMPIASA ?

HAFATRY NY KRISMASY 2013


Ho famonjena ny olona rehetra no nahatongavan'i Kristy
« Ary hoy ny anjely taminy: Aza matahotra; fa, indro, milaza teny soa mahafaly aminareo aho, dia fifaliana lehibe izay ho an'ny olona rehetra;fa Mpamonjy no teraka ho anareo anie ao an-tanànan'i Davida, dia Kristy Tompo. » (Lioka 2:10-11)
anjaranao ny mikatsaka izay hitoeran'ny olona rehetra any Aminy
« Koa raha niara-natsangana tamin'i Kristy ianareo, dia katsaho ny zavatra any ambony, any amin'ny itœran'i Kristy, Izay mipetraka eo an-tanana ankavanan'Andriamanitra. » (Kolosiana 3:1)

TRATRY NY KRISMASY E!MAZOTOA MANOMPO AZY H@ FARANY !

MANEKE HO MPITORY FILAZANTSARA



Hanokatra ny sainao hahalala ny hevim-panahin'ny Soratra Masina Kristy
« Dia nanokatra ny sain'ireo Izy hahalala ny Soratra Masina. » (Lioka 24:45)
mba hahatonga anao hazoto hampibebaka ny Jerosalemanao h@ firenenao 
« ary mba hotorina amin'ny anarany ny fibebahana sy ny famelan-keloka amin'ny firenena rehetra, manomboka eto Jerosalema. » (Lioka 24:47)

MIVONONA HO FITAOVANA HAMPIFOHA NY FIRENENA E !
MAZOTOA !
MAHEREZA !

« CONNEXION » MIAVAKA NO ANANANAO OLON’I KRISTY

Ajouter une légende

Hisokatra ho anao ny lanitra ary hifandray aminao ireo anjely satria Kristy ao anatinao olony efa manana izany fifandraisana miavaka izany
« Ary hoy koa Izy taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Ho hitanareo ny lanitra misokatra sy ny anjelin'Andriamanitra miakatra sy midina eo ambonin'ny Zanak'olona. » (Jaona 1:51)
IAINO!ANKAFIZO !TRANDRAO DIA HIAINA NY FIAINAN-DANITRA DIENY ETY AN-TANY TANTERAKA IANAO !!!



HAJAO KRISTY TOMPONAO



Aoka ho lehibe aminao ny fanajana ny Tomponao ho mariky ny fahatokisanao ny fanekena nataony fa hanome fiainana sy fiadanana ho anao olony Izy
« Ny fanekeko taminy dia fiainana sy fiadanana; ary nomeko azy ho fahatahorana izany, ka dia natahotra Ahy sy nangovitra teo anatrehan'ny anarako izy. » (Malakia 2:5)

MAHEREZA!HITERA-BOKATSOA HATRANY @ HOAVINAO IZANY !!!

MASINA IANAO OLON’I KRISTY


Izay olona tia mitokana ho an'ny Tompo dia ho masina eo anatrehany
« Amin'ny andro fitokanany rehetra dia ho masina ho an'i Jehovah izy. » (Nomery 6:8)
sy hanana finoana masina indrindra
« Fa ianareo kosa, ry malala, dia ataovy izay handrosoanareo amin'ny finoanareo masina indrindra, ka mivavaha ao amin'ny Fanahy Masina; » (Joda 20)
MIFALIA FA VITANAO OLON'I KRISTY IZANY!
« Ary ho an'izay maharo anareo mba tsy ho tafintohina, ary hametraka anareo tsy hanan-tsiny eo anoloan'ny voninahiny amin'ny firavoravoana, » (Joda 24)

SAHIA MAMPIASA NY HERIN’NY FAHAMASINAN’ILAY TOMPONAO !!

FANTARO MARINA NY TOE-PANAHINAO OLON’I KRISTY



Mila mahazo alàlana avy @ ny Tompo alohan'ny hiatrehana ady sao ho irery ianao ka ho resy « Dia hoy Jehovah tamiko: Lazao aminy hoe: Aza miakatra ianareo, ary aza miady, fa tsy eo aminareo Aho; fandrao ho resy eo anoloan'ny fahavalonareo ianareo. » (Deotoronomia 1:42)
diniho koa sao tsy mitoetra tsara ao anatinao Kristy
« Diniho ny tenanareo, na mitoetra amin'ny finoana ianareo, na tsia; izahao tœtra ny tenanareo. Moa tsy fantatrareo va ny amin'ny tenanareo, fa ao anatinareo Jesosy Kristy, raha tsy olona nolavina ianareo ? » (2 Korintiana 13:5)

ALEO MISOROKA TOY IZAY MITSABO E !MAHEREZA !


MADAGASIKARA HO AN’I KRISTY TANTERAKA


Ho afaka @ taranaka maditra izay olon'i Kristy
« Ary nanambara sy nananatra azy tamin'ny teny maro hafa koa izy ka nanao hoe: Aoka hovonjena ho afaka amin'ity taranaka maditra ity ianareo. » (Asan'ny Apostoly 2:40)
ka lasa ho taranaka voatahy handray ireo teny fikasana
« fa ny teny fikasana dia ho anareo sy ny zanakareo ary ho an'izay rehetra lavitra, na iza na iza hantsoin'i Jehovah Andriamanitsika hanatona Azy. » (Asan'ny Apostoly 2:39)

MIVAVAHA MBA HO ISAN'IZANY I MADAGASIKARA!

AOKA IANAO HO MPAMPAHERY MANDRAKARIVA


Mazotoa mitondra teny fampaherezana ao @ i Kristy ho an'ny olona rehetra
« Aoka ny fiteninareo ho amin'ny fahasoavana mandrakariva, ho mamy sira, mba ho fantatrareo izay tokony havalinareo ny olona rehetra. » (Kolosiana 4:6)
aza amelana raha tsy hisy hijoro vavolombelona hiaiky an'izany ataonao izany
« Fa vavolombelony aho fa mikely aina fatratra ho anareo sy ho an'ny any Laodikia ary ho an'ny any Hierapolia izy. » (Kolosiana 4:13)
SOA HO ANAO IZANY SADY HO FAHASOAVANA HO AN’IZAY MANDRAY AZY !MAHEREZA !

IRAY NO MPIANDRY DIA I KRISTY IZANY

 

Tsy maintsy ho avy ny fotoana ka havondron'i Kristy ireo olony ary ho porofoiny fa Izy tokana ihany no Mpiandry azy:
« Manana ondry hafa izay tsy amin'ity vala ity Aho; ary ireny koa dia tsy maintsy ho entiko ka hihaino ny feoko; ary ho tonga andiany iray izy, sady iray ihany ny Mpiandry. » (Jaona 10:16)
TSY ALEO VE IZAO DIA MIFANATONA E!

MARINA IZAY VOASORATRA


Voasoratra fa:Ny Tompo dia hamonjy ny mahantra
« Fa hamonjy ny mahantra mitaraina izy sy ny ory tsy manan-kamonjy; » (Salamo 72:12) 
hiantra izay reraka sy malahelo
« Hiantra ny reraka sy ny malahelo izy ary hamonjy ny fanahin'ny malahelo. » (Salamo 72:13)
hanavotra izay ampahoriana
« Hanavotra ny fanahiny amin'ny fampahoriana sy ny fanaovana an-keriny izy; ary ho zava-dehibe eo imasony ny ràny. » (Salamo 72:14)
hampamokatra ny Tany
« Hahavoka-bary betsaka ny tany na dia any an-tampon'ny tendrombohitra aza; hirondrona tahaka ny any Libanona ny fahavokarany; ary ny ao an-tanàna hidokadoka tahaka ny ahitra amin'ny tany. » (Salamo 72:16)
ANJARANAO SISA NO MISAFIDY HOE IZA MARINA NO TOKONY IANTEHERANA SY TOKONY ANKATOAVINA TANTERAKA !MAHEREZA !

HANANA NY ANJARA LOVA ETY AN-TANY HATRANY AN-DANITRA IANAO OLON’I KRISTY


Andriamanitra dia hanome anjara lova ho anao olony dieny ety an-tany tahaka ireo zanak'Israely
« Mandidia ny Zanak'Isiraely hœ: Raha tonga any amin'ny tany Kanana ianareo, dia izao no tany izay ho azonareo ho lova, dia ny tany Kanana araka izay fari-taniny. » (Nomery 34:2)
Izy no milaza fa tsy ho very mandrakizay ianao
« ary Izaho manome azy fiainana mandrakizay, ka tsy ho very izy mandrakizay, ary tsy hisy handrombaka azy amin'ny tanako. » (Jaona 10:28)
MATOKIA !MIFALIA HO MARIKY NY FINOANAO SY NY FIAINANAO IZANY DIENY IZAO !!MAHEREZA !!!

HANAFAY IREO IZAY MAMPAHORY ANAO OLONY NY TOMPO:


Mangataha famelan-keloka 
« Vonjeo izahay, ry Andriamanitry ny famonjena anay ô, noho ny voninahitry ny anaranao; ary afaho izahay, ka mamelà ny helokay, noho ny anaranao. » (Salamo 79:9)
sy famirapiratan' ny Tavan'ny Tompo aminao olony
« Andriamanitra ô, ampodio izahay, ka ampamirapirato ny Tavanao, ary aoka hovonjena izahay. » (Salamo 80:3)
Ho voa izay manaratsy ny Anarany
« Ary valio impito heny ho ao an-tratran'ny mifanila fonenana aminay ny fanaratsiana izay nanaratsiany Anao, Tompo ô. » (Salamo 79:12)
ianao kosa hidera Azy
« Fa izahay, olonao sy ondry fiandrinao, dia hisaotra Anao mandrakizay; hatramin'ny taranaka fara mandimby no hilazanay ny fideràna Anao. » (Salamo 79:13)
AZA KIVY FA TOHIZO NY ANDRAIKITRA NOMENA ANAO!NY TOMPO HOMBA ANAO!!!

HIGOKA FIFALIANA IANAO SY NY MANODIDINA ANAO OLON’I KRISTY


Ho faly ny hafa hahita anao satria ho hitany sy ho tsapany ny herin'i Kristy @ alalanao mpanompony
« Ary rehefa nanakaiky Izy ka tonga teo am-pidinana amin'ny tendrombohitra Oliva, dia nifaly avokoa ny mpianatra maro be ka nidera an'Andriamanitra tamin'ny feo mahery noho ny asa lehibe rehetra izay efa hitany » (Lioka 19:37)
ho talanjona mihitsy ka hidera ny Tompo e!
« ka dia talanjona ny vahoaka, raha nahita ny moana miteny, ny kilemaina sitrana, ny mandringa afaka, ary ny jamba mahiratra; dia nankalaza an'Andriamanitry ny Isiraely izy. » (Matio 15:31)

MIVONONA !MIOMANA FA HIAKATRA E !!!SAHIA MAMPIASA NY ANARAN’ILAY KRISTY MPANDRESY !!

HAMPAHOMBY NY ASANAO OLONY @ FOMBANY NY TOMPO


Tanteraho ny asa izay niantsoana anao ary aza mijery ireo mpanenjika
« Ary nampianatra isan'andro teo an-kianjan'ny tempoly Izy. Fa ny lohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona nitady hahafaty Azy; » (Lioka 19:47)
Tsy afa-manoatra ireo satria ny Tompo no hiaro sy hampahomby anao
« nefa tsy hitany izay hataony, satria ny vahoaka rehetra nazoto dia nazoto hihaino Azy. » (Lioka 19:48)

MATOKIA ! HO TSAPANAO KOKOA IZANY HOE MPIARA-MIASA @ KRISTY E !MAZOTOA !MAHEREZA !

IZAY SAHAZA DIA OMEN’ILAY ANDRIAMANITRAO ANAO ISAN’ANDRO


Ny voro-manidina aza velomin'Ilay Tomponao maika fa ianao olony?
« Tsinjovy ny voro-manidina, fa tsy mba mamafy, na mijinja, na mitaona ho any an-tsompitra ireny; ary ny Rainareo Izay any an-danitra mamelona azy. Moa tsy mihoatra lavitra noho ireny va ianareo? » (Matio 6:26)
Tsarovy fa Mpanome hanina ho an'ny nofo rehetra Izy
« Izay manome hanina ny nofo rehetra (Fa mandrakizay ny famindram-pony); » (Salamo 136:25)
ANGATAHO FA OMENY
« Omeo anay isan'andro izay hanina sahaza ho anay. » (Lioka 11:3)

AZA MIAHOTRA MANGATAKA NY ZONAO DIA HO HITANAO NY VONINAHITR’ANDRIAMANITRA E !SAHIA !MAHEREZA !

HAJAO KRISTY IZAY EFA NEKENAO HO TOMPONAO


Feno fahendrena Solomona teo aloha nefa tsy voatanany h@ farany izany
« Ary Solomona nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah, ka tsy mba tanteraka tamin'ny fanarahana Azy tahaka an'i Davida rainy. » (1 Mpanjaka 11:6)
lasa tezitra taminy ny Tompo
« Ary Jehovah tezitra tamin'i Solomona noho ny nivilian'ny fony niala tamin'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izay efa niseho taminy indroa » (1 Mpanjaka 11:9)

SAHIA MITENY HOE:TSY HO TRATRAN'IZANY AHO!!MATOKIA DIA HO VOAARO @ FOMBA MAHAGAGA IANAO !!

EFAO IZAY ANJARA TANDRIFY ANAO


Mitaraina ianao fa toa tsy mamaly vavaka ilay Andriamanitrao
« Ry Fanantenan'ny Isiraely ô, Mpamonjy azy amin'ny andro fahoriana! Nahoana Hianao no dia toy ny vahiny amin'ny tany ary toy ny mpandeha izay manorin-day handry indray alina monja? » (Jeremia 14:8)
Aoka ianao aloha ho mpanompo mahatoky
« Iza moa no mpanompo mahatoky sy manan-tsaina, izay notendren'ny tompony hifehy ny mpanompony mba hanome azy hanina amin'ny fotoana? Sambatra izany mpanompo izany, raha avy ny tompony ka hahita azy manao izany. Lazaiko aminareo marina tokoa: Hotendreny ho mpanapaka ny fananany rehetra izy. » (Matio 24:45-47)
sy ho vonona hatrany @ fihaviany
« Koa amin'izany miambena ianareo; fa tsy fantatrareo izay andro hihavian'ny Tomponareo. » (Matio 24:42)

AZA MIJERY FAHITANA FA MATOKIA AN’I KRISTY MPAMONJY ANAO !!

IAINO DIENY IZAO ILAY FANDRESENA AO @ KRISTY


Mirona makany @ fandresena hatrany ianao olon'i Kristy
« Ary naharitra ela ny adin'ny tamingan'i Saoly sy ny tamingan'i Davida, nefa Davida nihahery, fa ny tamingan'i Saoly kosa nihahosa. » (2 Samoela 3:1)
ny taninao dia ho tany hitondra fitahiana ho anao
« Ary hampodiko ho any amin'ny saha fiandrasana azy indray ny Isiraely, ka hihinana ao Karmela sy Basana izy; Ary any an-tany havoan'i Daima sy Gileada no hahavoky azy. » (Jeremia 50:19)
ATSANGANO NY FANEVAN'I KRISTY
« Ambaraonareo, eny, torio any amin'ny firenena, ary manangàna faneva, torio, fa aza afenina, ataovy hœ: Afaka Babylona! Mangaihay Bela, raiki-tahotra Merodaka! Eny, mangaihay ny sampiny, Raiki-tahotra ny sarin-javatra! » (Jeremia 50:2)

HIADANA SY HO FINARITRA !HE SAMBATRA TOKOA IZAHAY !!!

MISY HASINY IREO TENY AMBARANAO OLON’I KRISTY



Ry olon'i Kristy:Mazotoa manao asa soa
« Mandehana amin'ny fahendrena amin'izay ao ivelany, hararaoty ny andro azo anaovan-tsoa. » (Kolosiana 4:5)
aoka mba ho zavatra tsara sy hitondra fahasoavana ny teny rehetra izay alaoky ny vavanao « Aoka ny fiteninareo ho amin'ny fahasoavana mandrakariva, ho mamy sira, mba ho fantatrareo izay tokony havalinareo ny olona rehetra. » (Kolosiana 4:6)

VITANAO IZANY!MAHEREZA !

ROMBAHO NY FANJAKAN’ANDRIAMANITRA


Ny 1/3 tany ihany no hovonjen'Andriamanitra
« Ary amin'ny tany rehetra, hoy Jehovah, ny androatokony dia haringana ho faty ao; fa ny ampahatelony sisa no havela ao kosa. » (Zakaria 13:8),
ary na ireo ho voavonjy aza dia handalo fizaha toetra
« Ary ho entiko miditra amin'ny afo ny ampahatelony, ary harendrika toy ny fandrendrika volafotsy izy, ary hizahako tœtra toy ny fizaha tœtra ny volamena izy; hiantso ny anarako izy, ary Izaho hamaly azy; Izaho hanao hœ: Oloko izy ary izy hanao hœ: Jehovah no Andriamanitro. » (Zakaria 13:9)

SAHIA MILAZA FA HO ISAN'NY VOAVONJY NY NOSINAO!SA AHOANA E !

OLOM-BOAFIDY MANOKANA IANAO OLON’I KRITY



Voafidin'Andriamanitra ho masina sy tsy misy tsiny eo anatrehany ianao olon'i Kristy
« araka ny nifidianany antsika tao aminy, fony tsy mbola ary ny fanorenan'izao tontolo izao, mba ho masina sady tsy misy tsiny eo anatrehany isika, » (Efesiana 1:4)
sady efa voatendry hanangana taranaka vaovao ho Azy koa 
« rehefa notendreny rahateo amin'ny fitiavana isika mba ho Azy amin'ny fananganan'anaka amin'ny alalan'i Jesosy Kristy, araka izay ankasitrahan'ny fony,» (Efesiana 1:5)
MAHEREZA !
HAMASINO KOKOA HATRANY ARY NY TENANAO ARY MAZOTOA MIASA @ ANARANY E !


HANDRESY LAHATRA NY HAFA HO MPITAONA OLONA HO AN’I KRISTY IANAO


Hanangana olona hitaona ny hafa hihaino an'i Kristy ianao
« Andeha hizaha izaroa Lehilahy izaroana, Izay nilaza tamiko ny nataoko rehetra; Izao angaha no Kristy? » (Jaona 4:29)
vitanao izany satria tsy misy fetra ny fanomezam-pahasoavana afaka anananao 
« Fa Izay nirahin'Andriamanitra dia milaza ny teniny; fa tsy misy fetra ny fanomezan'Andriamanitra ny Fanahy. » (Jaona 3:34)
MATOKIA!!
TSAROVY FA MISY FAHEFANA NY TENY IZAY AMBARANAO !!

MITONDRA NY FAHALEMEN’NY HAFA IANAO OLON’I KRISTY



Ianao izay matanjaka ao @ Kristy dia mila mitondra ny fahalemen'ny hafa
« Fa isika izay matanjaka dia tokony hitondra ny fahalemen'ny malemy ka tsy hitady izay hahafaly ny tenantsika ihany. » (Romana 15:1)
avoty izy ireo
« Aoka isika rehetra samy hitady izay hahafaly ny namantsika amin'izay hahasoa sy hampandroso azy. » (Romana 15:2)
Mijoroa ho mpanangana ny fanjakan'ny mazava
« Fa mitsangàna, ka mijoroa amin'ny tongotrao; fa izao no nisehoako taminao, dia ny hanendry anao ho mpanompo sy ho vavolombelona ny amin'izay efa nahitanao Ahy sy izay hisehoako aminao, hamonjy anao amin'ny olona Isiraely sy ny jentilisa, izay anirahako anao, hampahiratra ny masony hialany amin'ny maizina ho amin'ny mazava, ary amin'ny fahefan'i Satana ho amin'Andriamanitra, mba hahazoany famelan-keloka sy lova eo amin'izay nohamasinina noho ny finoana Ahy. » (Asan'ny Apostoly 26:16-18)

MILA ANAO NY TOMPO ARY IANAO VE MANAIKY HO AMPIASAINY ?

AOKA HANETRY TENA HATRANY IANAO OLON’I KRISTY

Ry olon'i Kristy tsy azo atao ny mirehareha ka sanatria maka ny toeran'Andriamanitra
« Moa mbola hitompo teny fantatra va ianao eo imason'izay mamono anao hoe mba Andriamanitra koa aho? Nefa olona ihany ianao, fa tsy Andriamanitra tsinona,.. » (Ezekiela 28:9)
fa matoa mahery dia Kristy ao anaty no hery enti-miasa
« Fa voahombo tamin'ny hazo fijaliana Izy noho ny fahalemena, nefa velona kosa noho ny herin'Andriamanitra. Fa izahay koa dia malemy ao aminy, nefa hiara-belona aminy ho anareo izahay noho ny herin'Andriamanitra. » (2 Korintiana 13:4)
ASANDRATRA HATRANY IANAO SATRIA NANKATOA IZANY !!!
MATOKIA !



ANKALAZAO NY TOMPONAO


Derao ny Tompo
« Hidera Anao amin'ny foko rehetra aho; Eo anatrehan'ireo andriamanitra no hankalazako Anao. » (Salamo 138:1)
satria hamaly ny fitarainanao Izy ka lasa sahy hijoro ho vavolombelony ianao 
« Tamin'ny andro nitarainako dia namaly ahy Hianao; Nomenao fahasahiana aho ka nisy hery ny fanahiko. » (Salamo 138:3)
Hanokatra fiainam-baovao ho anao Kristy
« Ary hoy Jesosy taminy: Mandehana ianao, ny finoanao no efa namonjy anao. Dia nahiratra niaraka tamin'izay ny masony, ka nanaraka an'i Jesosy teny an-dalana izy. » (Marka 10:52)

JAMBA IANAO TEO ALOHA FA HAHIRATRA AO @ KRISTY IANAO ANKEHITRINY !!
MIFALIA E !