"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

HANANGANA TONTOLO VAOVAO HO ANAO OLONY KRISTY

Sambatra ianao tsy menatra mijoro ho olon'i Kristy
« Ary sambatra izay tsy ho tafintohina noho ny amiko. » (Lioka 7:23)
Hanome tontolo entiny hitahiany anao olony ankasitrahany Izy @ ity taona ity
« Ary nampanirin'i Jehovah Andriamanitra teo amin'ny tany ny hazo rehetra izay maha-te-hizaha sady tsara ho fihinana, .... » (Genesisy 2:9a)
MATOKIA !
TRATRY NY TAONA 2013!

HAFATRA HO ANAO

Hameno fahendrena sy fahiratan-tsaina ho anao olony Kristy « ka efa nofenoiny fanahin'Andriamanitra, dia fahendrena sy fahiratan-tsaina sy fahalalana ny amin'ny tao-zavatra samy hafa, » (Eksodosy 35:31)
ekeo ary izany @ izao faran'ny taona izao dia hataony hamirapiratra ianao
« Ary hitan'ny Zanak'Isiraely ny tavan'i Mosesy, fa, indro, namirapiratra ny hoditry ny tavany;... » (Eksodosy 34:35a)
MATOKIA!
TRATRY NY FARANY E !!!

IZAY HENDRY IHANY NO AFAKA TENA HANDRAY FANANARANA

Ry olon'i Kristy-Tandremo sao manome modely ratsy an'Andriamanitra eo anatrehan'ny jentilisa
« Fa araka ny voasoratra, dia ianareo no itenenana ratsy ny anaran'Andriamanitra any amin'ny jentilisa (Isa. 52. 5). » (Romana 2:24)
aleo mitandrina ny Teniny dia higoka fahasambarana
« Fa Izy nanao hoe: Eny tokoa, kanefa mainka sambatra aza ny mihaino ny tenin'Andriamanitra ka mitandrina izany. » (Lioka 11:28)
HO TSAPANAO IZANY HAMAMIN’NY FIADANANA ANATY MIARAKA AMINY !!
MATOKIA !!
MAHEREZA.

VOATENDRY HANAMBARA NY TENA FAMONJENA IANAO OLON’I KRISTY

Ry olon'i Kristy ambarao fa izay tsy manao ny sitrapon'Andriamanitra dia tsy ambinina
« Ary Zakaria, zanak'i Joiada mpisorona, notsindrian'ny Fanahin'Andriamanitra, dia nitsangana teo amin'ny avoavo teo anatrehan'ny vahoaka izy ka nanao taminy hoe: Izao no lazain'Andriamanitra: Nahoana ianareo no mandika ny didin'i Jehovah ka tsy mahita fanambinana? Satria efa nahafoy an'i Jehovah ianareo, dia nahafoy anareo kosa Izy. » (2 Tantara 24:20).
ary na iza na iza mibebaka dia hahazo famonjena
« Koa raha mba homen'Andriamanitra azy ny fanomezana, tahaka antsika fony isika vao nino an'i Jesosy Kristy Tompo dia iza moa aho no hahasakana an'Andriamanitra?Ary rehefa nandre izany ireo, dia nangina sady nankalaza an'Andriamanitra ka nanao hoe: Efa nomen'Andriamanitra ny jentilisa koa ny fibebahana hahazoany fiainana. » (Asan'ny Apostoly 11:17-18)
SAHIA!
MATOKIA FA HO MARO NO HIOVA FO @ IZAO FARAN’NY TAONA IZAO !!!

MANANA KINTANA MPITARI-DALANA IANAO OLON’I KRISTY

Ny Fanahy Masina dia tahaka ny kintana hitari-dalana anao hanakaiky kokoa hatrany an'i Kristy
« ...; ary, indro, ilay kintana hitany teny atsinanana nialoha azy mandra-pijanony teo ambonin'izay nitoeran'ny Zazakely. » (Matio 2:9b)
sady hampitombo ny fanoloran-tenananao ho Azy izany
« Ary rehefa tafiditra tao an-trano izy, dia nahita ny Zazakely sy Maria reniny ka niankohoka teo anatrehany; ary nony efa nosokafany ny fitehirizan-drakiny, dia nanolotra zavatra ho Azy izy, dia volamena sy zava-manitra ary miora. » (Matio 2:11)
HO TSAPANAO MANTSY NY TOMBOM-PIADANANA ANATY HANANANAO REHEFA EO ANILANAO ILAY MPAMONJINAO !!
MATOKIA !
MAHEREZA !

AZA VARIANA MANDRAY FITAHIANA FA MAZOTOA MITORY HO AN’NY HAFA

Hihaino anao olony ny Tompo
« Ary amin'izany andro izany dia hihaino* Aho, hoy Jehovah, eny, hihainoa ny lanitra Aho, ary izy kosa hihaino ny tany; [Na: hamaly] » (Hosea 2:23)
hovoatahy @ lafiny rehetra ianao
« Ary ny tany kosa hihaino ny vary sy ny ranom-boaloboka ary ny diloilo; Ary ireo kosa dia hihaino an'i Jezirela, Dia hafafiko ho Ahy amin'ny tany izy; Ary hamindra fo amin'i Lò-rohama* Aho sady hanao amin'i Lò-amy hoe: Oloko ianao; Ary izy kosa hanao hoe: Andriamanitro Hianao.[Izahao i. 6] » (Hosea 2:24-25)
Ho setrin'izany anefa dia mila mitory mba tsy ho very izay tsy mahalala Azy
« Ringana ny oloko noho ny tsi-fisian'ny fahalalana. Satria ianao efa nandà ny fahalalana, dia mba holaviko kosa tsy ho mpisoroko intsony; Ary efa nanadino ny lalan'Andriamanitrao ianao, ka dia mba hohadinoiko kosa ny zanakao. » (Hosea 4:6)
MILA ANAO OLONY NY TOMPO !
NY HAMONJY NY REHETRA MANTSY NO NAHATONGAVAN’I KRISTY TETO AN-TANY !!!
MAZOTOA !
MAHEREZA !

KRISTY VE?

Tonga teto an-tany mba hanao ny asa izay nanirahan'ny Tompo Azy
« Isika tsy maintsy manao ny asan'izay naniraka Ahy, raha mbola antoandro; .... » (Jaona 9:4a),
ho fahazavan'izao tontolo izao
« Raha amin'izao tontolo izao Aho, dia fahazavan'izao tontolo izao. » (Jaona 9:5)
sy hampahiratra ny fiainanao
« Ary hoy Izy taminy: Andeha, sasao ny masonao any amin'ny farihy Siloama (izay atao hoe, raha adika, Nirahina). Dia lasa izy ka nanasa, dia niverina nahiratra. » (Jaona 9:7)
HITSIMBADIKA HO ANY @ TSARA KOKOA HATRANY NY FIAINAM-PANAHINAO SATRIA NEKENAO HOTANTANAN’I KRISTY E !
SA AHOANA ?
MAHEREZA !!

HAFATRY NY KRISMASY 2012 5

Nanao fety lehibe ny anjely fa teraka Kristy
« Ary nisy anjely maro be avy any an-danitra niseho tampoka niaraka tamin'ilay anjely teo ka nidera an'Andriamanitra nanao hoe: Voninahitra any amin'ny avo Indrindra ho an'Andriamanitra! Ary fiadanana ho ety ambonin'ny tany amin'ny olona ankasitrahany. » (Lioka 2:13-14)
efa nahazo grady hidera an'Andriamanitra koa ny mponin'ny Nosy
< « Hianareo izay midina any amin'ny ranomasina sy ny ao aminy rehetra, dia ianareo nosy sy ny mponina ao aminy, samia mihira fihiram-baovao ho an'i Jehovah, dia ny fiderana Azy hatramin'ny faran'ny tany. » (Isaia 42:10)
MIFALIA !
TRATRY NY KRISMASY E !!!

HAFATRY NY KRISMASY 2012 4

Nanaiky hanatanteraka ny teny nolazain'ny Anjely Maria
« Dia hoy Maria: Inty ny ankizivavin'ny Tompo; aoka anie ho tonga amiko araka ny teninao. Dia nandao azy ilay anjely. » (Lioka 1:38)
asain'ny Tompo hihaino Azy koa ny Nosy
« Mangina hihaino ahy ianareo, ry nosy, ary aoka handroso hery ny firenena;.... » (Isaia 41:1a)
ary hivaly izany
« Fa Izaho no andrasan'ny nosy, .... » (Isaia 60:9a)
EFA VOASORATRA FA HO NOSY MIAVAKA ISIKA RAHA MANAIKY HIHAINO !!!
ATOMBOY AMINAO ARY NY HILAZA HOE :MANAIKY AHO KRISTY O !!!
MAHEREZA !

HAFATRY NY KRISMASY 2012 3

@ fomban'Andriamanitra no hahatanteraka ny planiny na ho an'i Maria
« Fa tsy hisy tsy ho tanteraka ny teny rehetra ataon'Andriamanitra. » (Lioka 1:37)
na ho an' ny Nosy izay miendrika vehivavy bevohoka
« Izaho moa hahatonga ho eo amin'ny fiterahana ka tsy hampiteraka va? hoy Jehovah; Izaho hampiteraka, nefa hampikombona indray va? hoy Andriamanitrao. »(Isaia 66:9)
MISAOTRA ANAO TOMPO O !!!
NANAVAKA NY FIRENENAY !!!

HAFATRY NY KRISMASY 2012 2

Nilaza t@ Maria ny anjely fa hiteraka an''ilay Mpamonjy izy
« Ary, indro, hitoe-jaza ianao ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany dia hataonao hoe Jesosy. » (Lioka 1:31)
MADAGASIKARA koa hataon'Andriamanitra indray miteraka
« Fony mbola tsy nihetsi-jaza aza izy, dia niteraka; Fony mbola tsy nanaintaina aza izy, dia velon-jazalahy. Iza akory no efa nandre zavatra toy izany? Iza no efa nahita zavatra toy izany? Hisy tany hateraka indray andro va, Na firenena azo atao indray miteraka? Fa raha vao narary hiteraka Ziona, dia velon-jaza izy. » (Isaia 66:7-8)
ENY VOASORATRA FA HISY FIRENENA HATAO INDRAY MITERAKA !
TONONY AM-PINOANA ARY FA MADAGASIKARA NO ANARANY E !!!

HAFATRY NY KRISMASY 2012 1

Tonga namangy an'i Maria ny anjely nilaza fa ny Tompo homba azy
« Ary nony niditra tao aminy ilay anjely, dia nanao hoe: Arahaba, ry ilay nohasoavina, ny Tompo momba anao*.[*Ampio hoe: voatahy samy vehivavy ianao] » (Lioka 1:28)
mamangy ny firenena(avy@RENY)hilaza izany koa ny Tompo
« Miva­hinia eto amin'ity tany ity ianao, dia homba anao sy hitahy anao Aho; fa ianao sy ny taranakao no homeko ireto tany rehetra ireto, ka hotoviko ny fianianana izay nataoko tamin'i Abrahama rainao; » (Genesisy 26:3)
MIFALIA FA EFA EO AMBANIN’NY FAHASOAVAN’ANDRIAMANITRA IANAO RY MALAGASY !!!

BE VONINAHITRA I KRISTY AO ANATINAO

Tokana Andriamanitra ary Izy irery ihany no tena manam-boninahitra mandrakizay
< « Ary ho an'ny Mpanjaka tsy manan-taloha, tsy mety maty, tsy hita, dia ho an'Andriamanitra tokana ihany anie ny laza sy ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena. » (1 Timoty 1:17)
Izy no namindra fo sy mitoetra ao anatinao olon'i Kristy
« Kanefa izao no namindrana fo tamiko, dia ny mba hasehon'i Jesosy Kristy eo amiko, izay lohany, ny fahari-po rehetra ho fianarana ho an'izay hino Azy hahazoana fiainana mandrakizay. » (1 Timoty 1:16)
MIFALIA!
MITRAKA SATRIA ILAY MAHERY INDRINDRA NO AO ANATINAO !!!

MANAN-KERY NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Sahia mampiely fa ny Tenin'Andriamanitra dia tsy natao ho renesina fa natao hampiarina
« Fa tsy ny mpandre ny lalàna no marina eo anatrehan'Andriamanitra, fa ny mpankatò ny lalàna no hohamarinina; » (Romana 2:13)
Tsy hisy hahasakana anao olon'i Kristy hanao izany
« Ary nampianatra isan'andro teo an-kianjan'ny tempoly Izy. Fa ny lohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona nitady hahafaty Azy; nefa tsy hitany izay hataony, satria ny vahoaka rehetra nazoto dia nazoto hihaino Azy. » (Lioka 19:47-48)
TOMBOTSOA RO SOSONA NO HO AZONAO !SATRIA SADY HAHAZO VOKA-TSOA IANAO NO HAHAZO KOA IZANY HIHAINO ANAO !!!
MAHEREZA !

TOETRAN'NY VEHIVAHY MENDRIKA TOKONY HALAIN'NY OLON'I KRISTY TAHAKA

Matahotra an'Andrinariamanitra
« Fitaka ny fahatsaram-bika, ary zava-poana ny fahatsaran-tarehy; Fa ny vehivavy matahotra an'i Jehovah ihany no hoderaina. » (Ohabolana 31:30)
tia miantra
« Manatsotra ny tànany amin'ny ory izy, Eny, mamelatra ny tànany amin'ny mahantra. » (Ohabolana 31:20)
mitandrina izay lazaina
« Manokatra ny vavany amin'ny fahendrena izy; Ary ny lalàn'ny famindram-po no eo amin'ny lelany. » (Ohabolana 31:26)
SAHIA MILAZA HOE : « VITAKO IZANY KRISTY O ! ».
MAHEREZA !

SEDRA HAFA !SEDRA HAHASOA ! HO ANAO OLON’I KRISTY

Ianao olon'Kristy dia mila manaiky hodiovina
« Ary hipetraka handrendrika sy hanadio volafotsy Izy; eny, hanadio ny taranak'i Levy Izy sy handrendrika azy toy ny fandrendrika volamena sy volafotsy, ka dia ho an'i Jehovah ireny ho mpanatitra fanatitra amim-pahamarinana. » (Malakia 3:3)
mba tsy ho isan'ireo ho faizina
« Ary hanatona anareo ho fitsarana Aho ka ho vavolombelona faingana hanameloka ny mpanana ody sy ny mpijangajanga sy ny mpianian-tsy tò sy ny mpampahory ny mpikarama amin'ny karamany mbamin'ny mpitondratena sy ny kamboty ary izay mampahory ny vahiny; fa tsy matahotra Ahy izy, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. » (Malakia 3:5)
satria ho avy izany
« Fa, indro, avy ny andro, mandoro toy na fatana fandoroana izy; ary ny mpirehareha rehetra sy ny mpanao ratsy rehetra dia ho vodivary; ka dia handoro azy ny andro izay ho avy, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, ka tsy hasiany miangana, na ny fakany na ny sampany. » (Malakia 3:19)
fa ianao ho tafavoaka sy ho voatahy
« Ary hiposaka aminareo, izay matahotra ny anarako, ny Masoandron'ny fahamarinana, manana fanasitranana ao amin'ny tanany*; ary hivoaka ianareo ka hifalihavanja toy ny zanak'omby mifahy; [Heb. elany] » (Malakia 3:20)
MITRAKA !
MAHEREZA !
SATRIA MANANA ILAY MPIAHY AZO ANTOKA !!

HAHAVITA FAHAGAGANA IANAO OLON’I KRISTY

Nisy vavolombelona maro nahita ny fahagagana nataon'i Elia « Ary nisy dimam-polo lahy, zanaky ny mpaminany, nandeha, dia nijanona tandrifiny teny lavitra eny; fa izy roa lahy kosa nitsangana teo amoron'i Jordana. Ary Elia nandray ny kapôtiny ka namalona azy, dia nikapoka ny rano, ary nisaraka roa ny rano, ka dia nita tamin'ny tany maina izy roa lahy. » (2 Mpanjaka 2:7-8)
nisy maro koa nahita ny fahagagana nataon'i Elisa
« Dia noraisin'i Elisa ny kapôtin'i Elia, ilay latsaka avy teny aminy, ka nakapony ny rano, dia hoy izy: Aiza Jehovah, Andriamanitr'i Elia? Eny, Elisa koa nikapoka ny rano, dia nisaraka roa izany, ka dia nita izy.Ary raha nahita azy ireo ny zanaky ny mpaminany izay nanandrify azy teo Jeriko, dia nanao hoe: Ny fanahin'i Elia efa mipetraka amin'i Elisa. Ary nandeha nitsena azy ireo ka niankohoka tamin'ny tany teo anatrehany. » (2 Mpanjaka 2:14-15)
ANJARANAO IZAO Asa1:8.MINOA!MANOMBOHA MIASA @ ANARANY FA HO HITANAO NY VONINAHITR’ANDRIAMANITRA !!!
SAHIA !!!

AMBARAO !AMBARAO ! IZAY AO ANATINAO

Aza miahotra miteny izay asain'Andriamanitra lazainao
« Ary ny Tompo niteny tamin'i Paoly tamin'ny fahitana nony alina ka nanao hoe: Aza matahotra, fa mitenena ihany, ka aza mangina; » (Asan'ny Apostoly 18:9)
homba anao hatrany@ fombany ny Tompo
« fa Izaho momba anao, ary tsy hisy olona hihazona anao hanisy ratsy anao;.... » (Asan'ny Apostoly 18:10a)
ny Fanahin'i Kristy no mampiteny anao
« Ary rehefa nasandratry ny tanana ankavanan'Andriamanitra* Izy, ary nandray tamin'ny Ray ny Fanahy Masina Izay nokasainy, dia efa nampilatsaka izao hitanareo sy renareo izao Izy. [* Na: ho eo an-tanana ankavanan'Andriamanitra] » (Asan'ny Apostoly 2:33)
SAHIA !!!
TSY TSAPANAO VE FA TAHAKA NY LAKOLOSY MANAITRA ANAO IZAO ?
MAHEREZA !

MISY HERY TSY TAKATRY NY SAINA NY MASONAO OLON’I KRISTY

Izay olona mitady hanakana tsy hitorianao ny filazantsara
« Fa Elyma, mpanao ody (fa izany no anarany, raha adika), nanohitra azy roa lahy sady nitady hampivily ny governora tsy hanaiky ny finoana. » (Asan'ny Apostoly 13:8)
dia banjino
« Fa Saoly kosa, izay atao hoe koa Paoly, feno ny Fanahy Masina, dia nibanjina azy » (Asan'ny Apostoly 13:9)
ary sakano ny fanahy ratsy ao aminy fa hahomby izany
« ka nanao hoe: Ialahy feno ny fitaka rehetra sy ny fahafetsena rehetra, ialahy zanaky ny devoly sady fahavalon'ny fahamarinana rehetra, tsy hitsahatra tsy hamily ny lala-mahitsin'ny Tompo va ialahy? Ary, indro, ankehitriny ny tanan'ny Tompo hamely an'ialahy, dia ho jamba ialahy ka tsy hahita masoandro aloha. Dia latsaka tao aminy niaraka tamin'izay ny mampanjambena sy ny aizina, ary niraparapa nitady olona hitantana azy izy.Ary ny governora, nony nahita izay efa natao, dia nino sady talanjona tamin'ny fampianaran'ny Tompo. » (Asan'ny Apostoly 13:10-12)
SAHIA!!
TE HAMPANDROSO HAINGANA KOKOA HATRANY NY FANJAKANY @ ALALANAO MANTSY NY TOMPO !!
MAHEREZA !

GIDEONA AO @ KRISTY IANAO

Haharesy ny fahavalo ary maro ireo te hanome voninahitra anao
« Dia hoy ny lehilahy amin'ny Isiraely tamin'i Gideona: Manapaha anay ianao sy ny zanakao ary ny zafinao; fa efa namonjy anay tamin'ny tanan'ny Midiana ianao. » (Mpitsara 8:22)
nefa hoy ianao:Ny Tompo ihany no homena voninahitra
« Fa hoy Gideona taminy: Tsy hanapaka anareo aho, ary tsy hanapaka anareo koa ny zanako; Jehovah ihany no hanapaka anareo. » (Mpitsara 8:23)
HITOMBO NY HOSOTRA HORAISINAO SATRIA NANAIKY NANETRY TENA IANAO !!!
MAHEREZA !

MARINA DIA MARINA TOKOA FA IANAO OLON'I KRISTY DIA

Irak'Andriamanitra
« Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mandray izay hirahiko dia mandray Ahy; ary izay mandray Ahy dia mandray izay naniraka Ahy. » (Jaona 13:20)
Mahazo izay angatahinao @ anarany
« Ary amin'izany andro izany dia tsy hanontany Ahy na inona na inona ianareo; lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa na inona na inona hangatahinareo amin'ny Ray dia homeny anareo amin'ny anarako izany. » (Jaona 16:23)
Hanao asa lehibe noho Izy
« Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mino Ahy, ny asa ataoko no hataony koa; ary hanao asa lehibe noho izany aza izy, satria Izaho mankany amin'ny Ray. » (Jaona 14:12)
MIAHOTRA ARY MAMPIASA NY HERIN’NY FAHAMARINAN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA E !
MAHEREZA !

HITONDRA « TRANSFORMATION » NY VAVAKA HASANDRATRAO :

Antsoin'i Kristy ianao olony hivavaka mba hampiasain'ny olona eo @ tanàna misy anao ny Fanahy Masina
« Nony tafidina tany izy roa lahy, dia nivavaka ho an'ny olona mba handraisany ny Fanahy Masina. » (Asan'ny Apostoly 8:15)
hivaly izany sady hisy vokany mahagaga
« Dia gaga ny olona rehetra ka nifanontany hoe: Manao ahoana re izao zavatra izao? Fampianarana vaovao misy fahefana izao! fa ny fanahy maloto aza no didiany, ka dia manaiky Azy.Ary ny lazany dia niely niaraka tamin'izay teny tontolo eny tamin'ny tany rehetra eran'i Galilia. » (Marka 1:27-28)
MAHERY INDRINDRA ANIE IO VAVAKA TONONINAO OLON’I KRISTY IO E !!
MAZOTOA ARY MAMPIASA IZANY HERY MAHAGAGA IZANY !!!

OLON'I KRISTY IANAO

Miaina eo ambanin'ny fiahian'Andriamanitra dieny ety an-tany hatrany an-danitra na fiainana ao @ Tompo anio,ampitso,ary mandrakizay
« Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mino no manana fiainana mandrakizay. » (Jaona 6:47)
MPONIN’NY LANITRA DIENY ETY AN-TANY IANAO !!!
ANKAFIZO FA AZA AVELA MANDALO ARY NY 24 ORA OMENY ANAO ISAN’ANDRO E !
MAHEREZA !

TSY HO NOFY FA HO TANTERAKA IREO TENY FIKASANA VOARAINAO

Raha tonga aminao ny Tenin'Andriamanitra iray dia efa filazana mialoha izay hitranga izany
< « Tsy manao na inona na inona tokoa Jehovah Tompo, raha tsy milaza ny heviny amin'ny mpaminany mpanompony. » (Amosa 3:7)
mpitondra teny fikasana mantsy ianao olon'i Kristy
« Ary, indro, Izaho mampitondra ny teny fikasan'ny Raiko ho anareo; fa mitoera eto an-tanàna mandra-panafiana anareo amin'ny hery avy any amin'ny avo. » (Lioka 24:49)
ZARAO AM-PINOANA ARY IZANY !!
MAZOTOA !!
tMAHEREZA !

ELISA AO @ KRISTY IANAO

Ny Mpanapaka mahatsapa fa tena misokatra eo @ fiainanao ny lanitra
« Fa namaly ny lehilahin'Andriamanitra ilay mpanafika malaza izay nitehenan'ny mpanjaka tamin'ny tànany ka nanao hoe: Indro, na dia hanao varavarankely amin'ny lanitra aza Jehovah, dia hisy izany zavatra izany va? Ary hoy Elisa: Indro, ho hitan'ny masonao indrindra izany, nefa tsy mba hihinananao. » (2 Mpanjaka 7:2)
ho porofoin'i Kristy fa hamaly ny hetahetanao Izy
« Dia nidina nankany aminy ireo, ary Elisa nivavaka tamin'i Jehovah ka nanao hoe: Mifona aminao aho, ataovy manjambena ireto olona ireto. Ary dia nataony manjambena ireo araka ny tenin'i Elisa. » (2 Mpanjaka 6:18)
ILAY HETAHETA IMPOSSIBLE NO HO LASA POSSIBLE !!!
MINOA !!!

TSY HISY AFAKA HANAKANA NY MISSION-NAO OLON’I KRISTY

Tian'Andriamanitra hanana fahasahiana tanteraka hanao ny asany ianao olony
« Fa ianao kosa dia misikìna, ary miomàna, ka lazao aminy izao rehetra andidiako anao izao; aza matahotra ireo, fandrao dia hataoko raiki-tahotra eo anatrehany ianao. » (Jeremia 1:17)
satria efa nomeny teo-panahy tena mahery ianao hiatrehana izany
« Indro, Izaho hanao anao ho tanàna mimanda sy andry vy ary manda varahina mba tsy ho leon'ny tany rehetra, na ny mpanjakan'ny Joda, na ny lehibeny, na ny mpisorony, na ny vahoaka. » (Jeremia 1:18)
MATOKIA !
DIA HITSIRY AO AMINAO ILAY FAHASAHIANA MAHAGAGA ARY HANARAKA IZANY ILAY HERIN’ANDRIAMANITRA MAHAGAGA !!!

MAHARETA AO @ KRISTY FA HANANA NY SOA :

Sambatra ianao izay miantehitra @ Kristy foana na mandalo fitsapana aza
« Koa Jehovah dia mbola hiandry mandra-pamindrany fo aminareo, ary mbola hitoetra any amin'ny avo Izy mandra-piantrany anareo, fa Andriamanitry ny fahamarinana Jehovah; Sambatra izay rehetra miandry Azy. » (Isaia 30:18)
hivaly ny fitarainanao Aminy
« Fa ianao, ry firenena mitoetra ao Ziona any Jerosalema, dia tsy hitomany intsony; Fa hamindra fo aminao tokoa Izy, raha reny ny fitarainanao; Eny, raha vao reny izany, dia hamaly anao Izy. » (Isaia 30:19)
< hisy vokany ny asan'ny tananao< « Ary dia hanome ranonorana ho an'ny voa nafafinao any an-tsaha Izy, sy mofo vokatry ny tany sady tsara no vokatra; Ary amin'izany andro izany ny ombinao dia hihinana eny amin'ny tany malalaka; » (Isaia 30:23)
MIFALIA FA AZO HO AZO ANTOKA FA HAMIRAPIRATRA NY HOAVINAO !!!
MATOKIA !
MAHEREZA !

MANANA FAHEFANA HAMPIASA NY HERIN’NY ANARAN’I KRISTY IANAO OLONY

Ampasao ny anaran'i Kristy @ maha-olony anao fa misy fahefana mahery vaika
« Fa hoy Petera: Tsy manana volafotsy na volamena aho, fa izay ananako no omeko anao: Amin'ny anaran'i Jesosy Kristy avy any Nazareta, mitsangantsangàna.Ary noraisiny tamin'ny tànany ankavanana ralehilahy ka natsangany; dia natanjaka niaraka tamin'izay ny tongony sy ny kitrokeliny. » (Asan'ny Apostoly 3:6-7)
ho mariky ny fahatanterahan'ny teny fikasana @ izay iantefany
« fa ny teny fikasana dia ho anareo sy ny zanakareo ary ho an'izay rehetra lavitra, na iza na iza hantsoin'i Jehovah Andriamanitsika hanatona Azy. » (Asan'ny Apostoly 2:39)
SAHIA!
DIA TSY IANAO IHANY NO HO TALANJONA VOKATR’IZANY FA NY HAFA KOA E !
MATOKIA !
MAHEREZA !

HO VOATAHY TAHAKA AN’I JOBA IANAO OLON’I KRISTY

Izay mahitsy sy marina ary matahotra an'Andriamanitra
«ary marina sy mahitsy izany lehilahy izany sady natahotra an'Andriamanitra ka nifady ny ratsy. » (Joba 1:1b)
, dia ho voatahy @ fomba tsy takatry ny saina sady @ fomban'ny Tompo
« Ary niteraka fito lahy sy vavy telo izy.Ary ny fananany dia ondry aman'osy fito arivo sy rameva telo arivo sy omby arivo sy borikivavy diman-jato ary mpanompo maro be; ka dia nanan-karena be mihoatra noho ny zanaky ny atsinanana rehetra izany lehilahy izany. » (Joba 1:2-3)
MENDRIKA ANAO IZANY!!!
ANDROANY IO VAKINAO !!!
TSY HO ELA DIA HIAINANAO !!!
MIFALIA DIA HIAINO DIENY IZAO AM-PINOANA E!!!

HANOMPO ANAO OLON’I KRISTY IREO ANJELY

Hisokatra ary tsy hihidy intsony ny lanitra ary hisy ireo anjely hanompo an'i Kristy ao anatinao olony
« Ary hoy koa Izy taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Ho hitanareo ny lanitra misokatra sy ny anjelin'Andriamanitra miakatra sy midina eo ambonin'ny Zanak'olona. » (Jaona 1:51)
ary be no ho talanjona @ vokatry ny asanao
« Ary talanjona avokoa ny olona rehetra, dia nankalaza an'Andriamanitra sady raiki-tahotra indrindra ka nanao hoe: Efa nahita zavatra mahagaga isika androany. » (Lioka 5:26)
HITONDRA VOKATRA VAOVAO HO AN’NY FANJAKAN’ANDRIAMANITRA IANAO !!!
AMPIASAO ILAY HERY MIAFINA @ MAHA ZANAKY NY TENY FIKASANA ANAO E !
SAHIA !!

MENDRIKA HO ANAO OLON’I KRISTY NY MIFALY AO AMINY MANDRAKIZAY

Ataovy izay hahatamana an'Kristy ao anatinao dia ho lasa tempoliny ny tenanao ary hifaly eo ambanin'ny fahasoavany ety an-tany hatrany an-danitra ianao
« Zavatra iray loha no nangatahiko tamin'i Jehovah, izany no hotadiaviko, dia ny hitoetra ao an-tranon'i Jehovah amin'ny andro rehetra hiainako, mba ho faly mijery ny fahasoavan'i Jehovah sy mandinika ny tempoliny. »(Salamo 27:4)
MINO AHO FA HO TAMANA MANDRAKIZAY AO ANATINAO ILAY MPAMONJINAO !!
!MAHEREZA !

HIASA-HANAO FAHAGAGANA KRISTY AO ANATINAO

Kristy ao anatinao dia hanao asa mahagaga izay tsy ho takatry ny sainao
« Ary tamin'izany ora izany Jesosy dia nahasitrana olona maro tamin'ny rofy sy ny aretina sy ny fanahy ratsy sady nampahiratra ny jamba maro. » (Lioka 7:21)
ireo izay hiantefan'izany dia hizara ny soa izay voarainy
« Dia namaly Izy ka nanao taminy hoe: Mandehana ianareo, ambarao amin'i Jaona izao hitanareo sy renareo izao; mahiratra ny jamba, afaka ny mandringa, diovina ny boka, malady ny marenina, atsangana ny maty, ary ny malahelo dia itoriana ny filazantsara.Ary sambatra izay tsy ho tafintohina noho ny amiko. » (Lioka 7:22-23)
MIVONONA!!MANEKE HO OLOM-BAOVAO !!!

AMPIASAO NEFA LANJALANJAO NY FANOMEZAM-PAHASOAVANA ANANANAO

Ilaina ny fampiasana ny fanomezam-pahasoavana samihafa fa kendrena kosa mba hampandroso izany
« Ahoana ary no izy, ry rahalahy? Raha miangona ianareo, misy ta-hanao hira ianareo, misy ta-hanao fampianarana, misy manana fanambarana, misy manana fiteny tsy fantatra, misy manana fandikan-teny. Aoka ny zavatra rehetra hatao ho fampandrosoana. » (1 Korintiana 14:26)
mba hitondra fiadanana fa tsy fikorontanana
« Fa Andriamanitra tsy tompon'ny fikotronana, fa tompon'ny fiadanana. Araka ny fanaon'ny fiangonan*ny olona masina rehetra, » (1 Korintiana 14:33)
TE HAMPANDROSO ANAO ARAM-PANAHY @ FOMBANY NY TOMPO RAHA MANAIKY IANAO !!!
MAHEREZA!

HOY NY TOMPO AMINAO

AZA MATAHOTRA!fa ataon'ny Tompo resy eo anoloanao ny fahavalo
« Dia hoy Jehovah tamin'i Josoa: Aza matahotra azy; fa rahampitso toy izao Izaho dia hanolotra azy rehetra ho faty eo anatrehan'ny Isiraely; traingoy ny soavaliny,. » (Josoa 11:6ab)
ampafantaro ao an-tanàna Kristy fa tena ho be ny vokatra
« Ary raha nandeha nitety ny tanàna tao izy, dia natolony hotandreman'ny olona ireo didy navoaky ny Apostoly sy ny loholona tany Jerosalema.Ary nihanahery finoana ny fiangonana sady nihamaro isan'andro. » (Asan'ny Apostoly 16:4-5)
MANAMAFY NY TOMPO FA IANAO NO HO FITAOVANY MBA HAMPIFOHA NY TANANANAO !!!
MANAIKY VE IANAO ?

FITAOVANA HANOVA TANTARA IANAO OLON’I KRISTY

Ianao no Josoa ao @ Kristy hampandry tany satria @ alalanao no haharesy ny fahavalo
« Dia lasan'i Josoa avokoa ny tany rehetra, araka izay rehetra nolazain'i Jehovah tamin'i Mosesy; ary nomen'i Josoa ho lovan'ny Isiraely izany, araka ny fizaran'ny fireneny. Dia nitsahatra ny ady ka nandry ny tany. » (Josoa 11:23)
Petera ao @ Kristy hilaza teny hitondra famonjena
« izy hilaza teny aminao, izay hamonjena anao sy ny ankohonanao rehetra. » (Asan'ny Apostoly 11:14)
SAHIA!!
KRISTY EFA VONONA ! ARY IANAO ?

KRISTY VE ? VONONA HAMETRAKA FANAMBY VAOVAO EO @ FIAINANAO

Mpiandry azo antoka Kristy ao anatinao
« Ary hitsangana Izy hiandry ny ondriny amin'ny herin'i Jehovah. Sy amin'ny voninahitry ny anaran'i Jehovah Andriamaniny, Ka handry fahizay ireny, Fa izao dia ho lehibe hatrany amin'ny faran'ny tany Izy. » (Mika 5:3)
hialoha lalana anao Izy
« Ny mpanabanga miakatra eo alohany, Manabanga izy ka mandroso ho eo amin'ny vavahady, Dia mivoaka eo aminy; Ny mpanjakany mandroso eo alohany, Ary Jehovah no mitarika azy. » (Mika 2:13)
ka lasa ho fitaovana mahery eo am-pelantanany ary hitondra fitahiana ianao
« Mitsangàna, ka miveleza, ry Ziona zanakavavy, Fa ny tandrokao hataoko vy, Ary ny kitronao hataoko varahina, Ka hanorotoro firenena maro ianao; Dia hatolotrao ho an'i Jehovah ny hareny, Ary ho an'ny Tompon'ny tany rehetra ny fananany. » (Mika 4:13).
MANEKE ARY HO FITAOVANY !SAHIA !
MAHEREZA !

ITAFIO KRISTY

Mametraha famantarana fa Kristiana ianao
« Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely, ka asaovy asiany somotraviavy ny sisin'ny fitafiany hatramin'ny taranany fara mandimby, ary aoka hasiany kofehy manga eo amin'ny somotraviaviny. » (Nomery 15:38)
sady hitarika anao handeha @ fankatoavana izany no hiaro anao @ fankam-panahy
« Ary ho somotraviavy ho anareo izany, ka raha jerenareo, dia hotsarovanareo sy hankatoavinareo ny didin'i Jehovah rehetra; ary tsy handeha araka ny fonareo ianareo, na araka ny masonareo, izay andehananareo hijangajangana, » (Nomery 15:39)
HAFA IANAO!
« mba hotsarovanareo sy hankatoavinareo ny didiko rehetra, ka dia ho masina ho an'Andriamanitrareo ianareo. » (Nomery 15:40)
HO FALY NY TOMPO KA HIAHY ANAO @ FOMBA MAHAGAGA SATRIA TSY MENATRA NY MIJORO FA AZY IANAO !!
MATOKIA !

MANANA ADIDY @ TARANAKA HOAVY IANAO OLON’I KRISTY

Manana lanja eo anatrehan'Andriamanitra ny ankizy
« Nefa Jesosy kosa nanao hoe: Avelao ny zaza, ary aza raràna tsy hanatona Ahy; fa an'ny toa azy ny fanjakan'ny lanitra. » (Matio 19:14)
vitanao olon''i Kristy ny mandray anjara ao anatin'izany
« Ary Jesosy nijery azy ka nanao taminy hoe: Tsy hain'ny olona izany, fa hain'Andriamanitra ny zavatra rehetra. » (Matio 19:26)
SAHIA MANANGANA TARANAKA MENDRIKA!

FANOMEZANA HAFA!FANOMEZANA MIAVAKA NO MENDRIKA ANAO OLON’I KRISTY

Manamafy aminao olony Kristy anio fa zonao ny mangataka Aminy
« Ary hoy izaho aminareo: Mangataha, dia homena ianareo; mitadiava, dia hahita ianareo; dondony, dia hovohana ianareo.Fa izay rehetra mangataka no mahazo; ary izay mitady no mahita; ary izay mandondòna no hovohana. » (Lioka 11:9-10)
ary hanome anao fanomezana avy any an-danitra Izy dia ny Fanahy Masina
« Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an'ny zanakareo, tsy mainka va ny Ray, Izay any an-danitra, no hanome ny Fanahy Masina ho an'izay mangataka aminy? » (Lioka 11:13)
MINOA!
DIA HIGOGA FIAINANA IZAY MBOLA TSY NIAINANAO MIHITSY IANAO !!!
MATOKIA !!!
MAHEREZA !

MILA MIFANTOKA @ IZAY ANTSO NIANTSOANA IANAO OLON’I KRISTY

Raha misy olona hitady vonjy aminao olon'i Kristy
« Dia lasa ravehivavy nankany amin'ny lehilahin'Andriamanitra tany an-tendrombohitra Karmela. Ary raha vao tazan'ny lehilahin'Andriamanitra avy ery izy, dia hoy izy tamin'i Gehazy zatovony: Ilay Sonemita lahy iry; masìna ianao, mihazakazaha hitsena azy, ka ataovy aminy hœ: Tsara ihany va ianao: Tsara ihany va ny vadinao? Tsara ihany va ny zazalahy? Ary hoy ny famaliny: Tsara ihany. » (2 Mpanjaka 4:25-26)
dia aoka ianao tsy hierikerika fa ataovy
« Ary hoy izy tamin'i Gehazy: Misikina, ary ento eny an-tananao ny tehiko, ka mandehana, raha mifanena amin'olona ianao, aza miarahaba azy; ary raha misy miarahaba anao, aza mamaly azy akory; ary apetraho eo amin'ny tavan'ny zazalahy ny tehiko. » (2 Mpanjaka 4:29)
dia ho fitaovana hahomby ianao
« Ary rehefa tonga tao an-trano Elisa, indro, maty ny zazalahy sady nampandrina teo am-pandriany.Ary niditra izy, ka nirindrim-baravarana tao izy roa lahy, ary Elisa nivavaka tamin'i Jehovah.Ary niakatra izy ka nandry niampatra tambonin'ny zazalahy, ka ny vavany nataony tamin'ny vavany, ary ny masony tamin'ny masony, ary ny tànany tamin'ny tànany, ka dia nafana ny tenan'ny zazalahy.Dia niasa-dia tao an-trano izy ary niverina niampatra taminy indray; dia nievina impito ny zazalahy, ary nihiratra ny masony. » (2 Mpanjaka 4:32-35)
SAHIA !NA TSY AZON’NY SASANY AZA IZANY !
MATOKIA DIA HO FITAOVAM-PITAHIANA IANAO!!!

HO RESY IREO FAHAVALONAO

Nanantena fiafarana tsara ireo fahavalonao
« Ary ianao efa nanao anakampo hœ: Any an-danitra no hiakarako, ary ambonin'ny kintan'Andriamanitra no hanandratako ny seza fiandrianako; Dia hipetraka eo an-tendrombohitra; fivoriana any am-parany avaratra aho; » (Isaia 14:13)
< nefa ho resy tanteraka izy
« Kanjo hampidinina hatrany amin'ny fiainan-tsi-hita* ho any ampara-vodilavaka ianao. » (Isaia 14:15)
satria ny Tompo no hamely azy
« Fa hitsangana hamely azy aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, ary hofoanako ny anaran'i Babylona sy izay sisa ao mbamin'ny zanany sy ny taranany, hoy Jehovah. » (Isaia 14:22)
ary tsy hisy hahasakana
« Fa Jehovah, Tompon'ny maro, no efa nikasa, ka iza indray no hahafoana izany? Ary ny tànany dia voahinjitra, ka iza no hampihemotra izany? » (Isaia 14:27)
TOHIZO IREO ASA TSARA NANIRAHANA ANAO SATRIA AZO ANTOKA FA KRISTY HOMBA SY HIARO ANAO HATRANY!!!
MATOKIA!
MAHEREZA!

MPAMAHA OLANA AZO ANTOKA I KRISTY

Aoka isika tsy hitahiry fahatezerana
« Fa Izaho kosa milaza aminareo hœ: Izay rehetra tezitra* amin'ny rahalahiny dia miendrika hohelohina amin'ny fitsarana; ary na zovy na zovy no hanao amin'ny rahalahiny hœ: Olom-poana ianao, dia miendrika hohelohina amin'ny Synedriona; ary na zovy na zovy no hanao hœ: Foka ialahy, dia miendrika ho ao amin'ny helo mirehitra afo. [*Na: tezitra foana] » (Matio 5:22)
apetraho @ Tompo ny olanao rehetra eo anatrehan'ny fahavalonao
« Omeo rariny aho, Andriamanitra ô, ary alaharo ny teniko haharesy ny firenena tsy misy famindram-po; Vonjeo aho ho afaka amin'ny lehilahy mpamitaka sy mpanao meloka. » (Salamo 43:1)
dia hamonjy anao @ fombany Izy
« Nahoana no mitanondrika ianao, ry fanahiko? ary nahoana no mitoloko ato anatiko ianao? Manantenà an'Andriamanitra, fa mbola hidera Azy ihany aho, Izy no famonjena ny tavako sady Andriamanitro. » (Salamo 42:11)
< MATOKIA !!!
DIA HO TSAPANAO NY FIADANANA ANATY NA MIATRIKA ZAVA-TSAROTRA AZA IANAO !!!
ARY HO VOAVAHA HAINGANA IZANY !!!

TSY HISARAKA @ TENIN’ANDRIAMANITRA IANAO OLON’I KRISTY

Rehefa manambara zavatra ianao olon'i Kristy dia asio Tenin'Andriamanitra mameno azy ho fanamafisana fa irany ianao
« Fa Izay nirahin'Andriamanitra dia milaza ny teniny; fa tsy misy fetra ny fanomezan'Andriamanitra ny Fanahy. » (Jaona 3:34)
dia hahomby be izany
« sady Andriamanitra koa no niara-nanambara taminy tamin'ny famantarana sy ny fahagagana ary tamin'ny asa lehibe samy hafa sy ny fanomezana ny Fanahy Masina nozarazarainy araka ny sitrapony. » (Hebreo 2:4)
MATOKIA!
DIA HO FITAOVANA HILAZA ZAVA-DALINA HATRANY IANAO !!!
MAHEREZA.

HANAPOROFO NY FITIAVANY AMINAO NY TOMPO

Tia anao mihoatra noho ny fitiavan'ny reny ny zanany Andriamanitra ary te-hanaporofo izany eo @ fiananao Izy
« Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an'ny zanakareo, tsy mainka va ny Rainareo Izay any an-danitra no hanome zava-tsoa ho an'izay mangataka aminy? » (Matio 7:11)
Aza misalasala ary mangataka Aminy
« Mangataha, dia homena ianareo; mitadiava, dia hahita ianareo; dondony, dia hovohana ianareo. Fa izay rehetra mangataka no mahazo; ary izay mitady no mahita; ary izay mandondòna no hovohana. » (Matio 7:7-8)
TSY IRERY IANAO FA MANANA MPIAHY !!!
MATOKIA !!
MAHEREZA.

TSY METY AMINAO OLON’I KRISTY NY MISOTRO TOAKA

Mpitarika ianao olon'i Kristy ka tokony tsy hisotro toaka na divay
« Tsy mety amin'ny mpanjaka, ry Lemoela, Eny; tsy mety amin'ny mpanjaka ny misotro divay, Na amin'ny mpanapaka ny ho fatra-paniry toaka; » (Ohabolana 31:4)
mamandrika izy ireny
« Aza mijery ny divay noho ny hamenany Sy ny fanganohanony eo anaty gilasy* Ary ny fikoriany mahafinaritra;[Heb. kapoaka]Fa amin'ny farany dia hanaikitra toy ny bibilava izy Ary hanindrona toy ny menarana. » (Ohabolana 23:31-32)
ka hahatonga anao haka fanapaha-kevitra diso
« Fandrao, raha misotro izy, dia manadino ny lalàna Ka mamily ny fitsarana ny zanaky ny fahoriana. » (Ohabolana 31:5)
MODELY MANTSY IANAO IZAY MPITARIKA NY OLONA HO ANY AN-DANITRA E !!

ETO AM-BAVAKA ISAN’ANDRO NY TANANA MISY ANAO

Mivavaha ho an'ny tanananao satria rehefa hiadana izy dia hiadana koa ianao sy ny mponina ao aminy
« Ary katsaho izay hiadanan'ny tanàna izay nampandehanako anareo ho babo, ary mivavaha amin'i Jehovah ho azy; fa raha miadana izy, dia mba hiadana koa ianareo. » (Jeremia 29:7),
MINOA SATRIA FANDRAISANA VALIM-BAVAKA IZAO
« Ary hiantso Ahy ianareo ka handeha sy hivavaka amiko, dia hihaino anareo Aho.Ary hitady Ahy ianareo, dia ho hitanareo Aho, raha katsahinareo amin'ny fonareo rehetra. » (Jeremia 29:12-13)
MIVONONA HIATRIKA FIFOHAZAM-PANAHY TANTERAKA NA « TRANSFORMATION » E !

FANAMBY MAZAVA NO APETRAK'I KRISTY @ OLONY

Hialoha lalana sy hiahy Izy
« lehibe amin'ny fisainana sy mahery amin'ny atao; fa ny masonao mibanjina ny alehan'ny zanak'olombelona rehetra mba hanome azy rehetra araka ny lalany avy sy araka ny vokatry ny asany, » (Jeremia 32:19)
,hanao famantarana sy fahagagana
« dia Ilay nanisy famantarana sy fahagagana tany amin'ny tany Egypta ka mandraka androany koa, na ao amin'ny Isiraely, na ao amin'ny olona hafa koa, ka dia nanao anarana ho Anao tahaka ny amin'izao anio izao. » (Jeremia 32:20)
ary hampiray saina azy ireo
« mba ho saina iray sy vava iray no hiarahanareo mankalaza an'Andriamanitra, Rain'i Jesosy Kristy Tompontsika. » (Romana 15:6)
MINOA !
VITANY IZANY FA IANAO VE HANARAKA AZY ?

MANANA ANJARA ADIDY AO @ FANJAKAN’ANDRIAMANITRA ETY AN-TANY IANAO OLON’I KRISTY

Izay asain'Andriamanitra atao no tokony ataonao olon'i Kristy
« Ary rehefa niarahaba azy Paoly, dia nilaza tsirairay ny zavatra rehetra izay efa nampanaovin'Andriamanitra azy tany amin'ny jentilisa izy. » (Asan'ny Apostoly 21:19)
dia hahita fahombiazana @ izany ianao
« Ary rehefa nandre izany ireo, dia nankalaza an'Andriamanitra; ary hoy koa izy tamin'i Paoly: Hitanao, rahalahy, fa tsy omby alinalina ny Jiosy izay efa mino; ..., » (Asan'ny Apostoly 21:20ab)
ataovy am-pinoana ary izany!
« Koa lazaiko aminareo: Na inona na inona tononinareo amin'ny fivavahana sy angatahinareo, dia minoa fa efa nandray ianareo, dia ho azonareo izany. » (Marka 11:24)
SAHIA !
DIA HO TSAPANAO MIVAINGANA IZANY HOE AVAHANY IANAO IZAY MPANARA-DIA AZY !!

ARARAOTY !RAVAO ! FA EFA MANAO FITSIPAKY NY MIALA AINA SATANA

Vanim-potoana fandravana ny herin'ny ratsy
« Tonga ankehitriny ny fitsarana izao tontolo izao; ankehitriny ny andrianan'izao tontolo izao no horoahina. » (Jaona 12:31)
sy fanafoanana ireo toetra tsy mendrika
« Fa ankehitriny, esory koa izao rehetra izao, dia fahatezerana, fiafonafonana, lolompo, fitenenan-dratsy, teny mahamenatra avy amin'ny vavanareo. Aza mifandainga ianareo, fa efa narianareo ny toetra taloha mbamin'ny asany; » (Kolosiana 3:8-9)
ary fanandratana ny herin'ny Kristy ao anatinao izao
« Raha hiseho Kristy fiainantsika, dia hiara-miseho aminy koa amin'ny voninahitra ianareo. » (Kolosiana 3:4).
AZA MIAHOTRA MANDROAKA FA TENA MATAHOTRA AN’ILAY KRISTY AO ANATINAO IZY E !!!
SAHIA !!
VITANAO IZANY !!!