"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

MIAVAKA ILAY ANDRIAMANITR'ELIA


Niantso ny andriamaniny ireo mpaminanin'i bala 450 fa tsy nisy valiny,

<< Dia naka ny vantotr'ombilahy izay nomeny azy ireo ka namboatra azy,
dia niantso ny anaran'i Bala hatramin'ny maraina ka
mandra-pitataovovonan'ny andro izy nanao hoe: Ry Bala ô. henoy izahay!
Kanjo tsy nisy nanoina na namaly akory. Ary nihinjakinjaka tamin'ny
alitara izay nataony izy. >> (1 Mpanjaka 18:26),
Elia kosa raha niantso
 << Mihainoa ahy mihainoa ahy, Jehovah ô, mba hahafantaran'ireto
olona ireto fa Hianao Jehovah no Andriamanitra, ary Hianao no
mampiverina ny fony indray. >> (1 Mpanjaka 18:37) 
dia nahazo 
<< Dia latsaka ny afon'i Jehovah ka nandevona ny fanatitra dorana sy ny kitay
hazo sy ny vato ary ny vovoka sady nandritra ny rano tao amin'ny hady
kely. >> (1 Mpanjaka 18:38).
FIDIO ILAY ANDRIAMANITR'ELIA!
VAVAKA: RAY O! IANAO ILAY ANDRIAMANITR'I ABRAHAMA SY ISAKA ARY ISRAELY
NO ANDRIAMANITRO AO @ KRISTY ZANAKAO!FANTATRO FA HOMBA AHY IANAO AMEN!

AZA MAMALY RATSY NY RATSY


Aza manana lolom-po t@ izay nanao ratsy anao
 « Aza mamaly ratsy na manao lolompo amin'izay iray firenena aminao: fa tiava ny namanao tahaka ny tenanao: Izaho no Jehovah. » (Levitikosy 19:18)
Andriamanitra no hanafay azy 
« Ry malala, aza mamaly ratsy, fa omeo lalana ny fahatezerana; fa voasoratra hoe: Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly, hoy Jehovah . » (Romana 12:19),
sahia misaotra na voa aza fa ho voatahy ianao
 « tsy mamaly ratsy ny ratsy, na fanaratsiana ny fanaratsiana; fa aoka hisaotra kosa, satria ho amin'izany no niantsoana anareo mba handova fitahiana. » (1 Petera 3:9).
MATOKIA!
VAVAKA: RAY O! 
MAFY IZANY HOE VOAMBAKA NA VOAROBA  NEFA AMPIANARINAO HITONY FOANA IZAHAY! MISAOTRA ANAO HIAHY ANAY @ FOMBANAO!@ ANARAN’I JESOSY KRISTY AVY ANY NAZARETA AMEN!

MIVONONA HIHAONA @ ILAY TOMPONAO:


Zava-dehibe ny fitomboana aram-panahy ao anatinao
 « Ary tsy ketraka izahay; fa na dia mihalevona aza ny toetray ivelany, dia havaozina isan'andro isan'andro kosa ny toetray anatiny. » (2 Korintiana 4:16),
mila vonona hihaona @i Kristy foana mantsy ianao satria tsy misy miafina Aminy ny momba anao
 « Fa isika rehetra dia samy tsy maintsy ho hita toetra miharihary eo amin'ny fitsaran'i Kristy, mba handraisan'ny olona rehetra izay zavatra nataon'ny tenany, dia araka izay nataony, na tsara na ratsy. » (2 Korintiana 5:10).
MIAMBENA!MIAMBENA!
VAVAKA:KRISTY O! 
MISAOTRA ANAO MAMPATSIAHY AHY FA IZAY MAHARITRA H@ FARANY IHANY NO HOVONJENA!
AMEN!

MIJOROA HO ESTERA


Nitetika handripaka ny Jiosy Hamana,
 « Ary hoy Hamana tamin'i Ahasœrosy mpanjaka: Misy firenena iray efa miely sy mihahaka eny amin'ny firenena samy hafa isan-tokony eran'ny fanjakanao; ary hafa lalàna noho ny firenena rehetra ireny sady tsy mba mankatò ny lalàn'ny mpanjaka; ary tsy mendrika amin'ny mpanjaka ny hamela azy ho eny; » (Estera 3:8),
efa nanaiky ny mpanjaka,
 « Dia nesorin'ny mpanjaka tamin'ny tànany ny peratra fanombohany ka nomeny an'i Hamana, zanak'i Hamedota Agagita, fahavalon'ny Jiosy. » (Estera 3:10),
nijoro Estera niaro ny fireneny,
 « Ary hoy indray ny mpanjaka tamin'i Estera teo am-pisotroan-divay tamin'ny andro faharoa inona no angatahinao, ry Estera, vadin'ny mpanjaka? Fa homena anao izany. Ary inona ange no tadiavinao? Fa na dia hatramin'ny antsasaky ny fanjakana aza dia hotovina izany. » (Estera 7:2),
dia nahantona Hamana,
« Ary Hamana dia nahantony tamin'ilay hazo efa natsangany hanantonana an'i Mordekay. Dia vao izay no nionona ny hatezeran'ny mpanjaka. » (Estera 7:10).

SAHIA MANOLOTRA NY FIRENENA HO AN’I KRISTY!

VAVAKA: RAY O! RAISO AN-TANANA TANTERAKA NY FIRENENAY!@ ANARAN’I JESOA KRISTY VELONA AVY ANY NAZARETA AMEN!

MAHITSY NY TENIN’ANDRIAMANITRA:


Kristy dia mofo avy any an-danitra ary izay mihinana azy ho velona mandrakizay,

« Izaho no mofo velona izay nidina avy tany an-danitra; raha misy mihinana ity mofo ity, dia ho velona mandrakizay izy; ary ny mofo izay homeko dia ny nofoko ho fiainan'izao tontolo izao. » (Jaona 6:51).
Izay mahafantatra izany nefa tsy miraharaha dia mpandainga,

 « Izay manao hœ: Fantatro Izy, nefa tsy mitandrina ny didiny, dia mpandainga, ary ny marina tsy ao anatiny. » (1 Jaona 2:4).

IAINO SY ANKATOAVY ARY NY TENIN’NY TOMPO!
VAVAKA: RAY O! TEZAO IZAHAY MBA HO MPIHAINO MPANKATO! @ ANARAN’I JESOSY KRISTY VELONA AVY ANY NAZARETA AMEN!