"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

HANDRAY AN-TANANA ANAO OLONY KRISTY

Afaka hanova anao mba tsy hiantehitra afatsy Aminy Kristy
« Fa hesoriko amin'ny vavany ny anaran'ireo Bala, ka tsy hotsarovana amin'ny anarany intsony ireo. » (Hosea 2:19)
mba hahatonga anao handresy eo anatrehan'ny ady sy hanam-piadanana hiatrika izany
« Ary raha mby amin'izany andro izany, Izaho dia hanao fanekena ho azy amin'ny bibidia sy amin'ny voro-manidina ary amin'ny biby mandady sy mikisaka amin'ny tany; Ary hotapatapahiko tsy hisy amin'ny tany intsony ny tsipìka sy ny sabatra ary ny fiadiana, dia hataoko mandry fahizay izy; » (Hosea 2:20)
MINOA !!!
DIA HANAPOROFO IZANY @ FOMBANY IZY !!
MAHEREZA.

TARATRY NY FAHEFAN'I KRISTY NY KAPOTIN'I ELIA

Image du Blog ecouteisrael.centerblog.net
Source : ecouteisrael.centerblog.net
Raha tafiana dia mariky ny fanendrena anao
« Ary niala teo Elia ka nahita an'i Elisa, zanak'i Safata, ...; ary Elia nandroso nanatona azy, dia nanipy ny kapôtiny hanarona azy. » (1 Mpanjaka 19:19)
raha nahavita fahagagana
« Ary Elia nandray ny kapôtiny ka namalona azy, dia nikapoka ny rano, ary nisaraka roa ny rano, ka dia nita tamin'ny tany maina izy roa lahy. » (2 Mpanjaka 2:8)
dia hahavitanao koa
« Dia noraisin'i Elisa ny kapôtin'i Elia, ilay latsaka avy teny aminy, ka nakapony ny rano, dia hoy izy: Aiza Jehovah, Andriamanitr'i Elia? Eny, Elisa koa nikapoka ny rano, dia nisaraka roa izany, ka dia nita izy. » (2 Mpanjaka 2:14)
HAMPIOVA TANTERAKA NY FIAINANAO KRISTY IZAY EFA NEKENAO HITOETRA AO ANATINAO !!!
MINOA !!
AMPIASAO !!!
SAHIA !!!

TSY VOAFETRA NY TENY METY AMPITENENIN’NY FANAHY MASINA ANAO OLON’I KRISTY

Aza gaga raha ampitenenin'ny Fanahy Masina teny izay tsy fantatrao ianao
« Ary samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra, ka dia niteny tamin'ny fiteny maro samy hafa, araka ny nampitenenan'ny Fanahy Masina azy. » (Asan'ny Apostoly 2:4)
satria vitan'ny Tompo ny hanao izany ary haniraka mpadika ho anao Izy
« Koa ahoana no andrenesantsika amin'ny fitenintsika avy izay nahabe antsika - dia Partiana sy Mediana sy Elamita, ary mponina any Mesopotamia, sy Jodia sy Kapadokia sy Ponto sy Asia sy Frygia sy Pamfylia, sy Egypta sy ny tany Libya izay manodidina an'i Kyrena, ary vahiny avy any Roma, na Jiosy na proselyta,Kretana sy Arabo - koa ahoana no andrenesantsika ireo miteny amin'ny fitenintsika avy ny asa lehibe ataon'Andriamanitra? » (Asan'ny Apostoly 2:7-11)
MARIKA IRAY HAMANTARANAO NY TANY TIAN’NY TOMPO HANIRAHANA ANAO IZANY !!!
TSARA IZY ARY TSY MISY ZAVA-MAHAGAGA IZAY TSY VITANY E !

HAMANGY ANAO @ ALALAN’NY NOFY NY TOMPO


Ny magy nifandray t@ Andriamanitra t@ alalan'ny nofy
« Ary rehefa notoroan'Andriamanitra hevitra tamin'ny nofy izy tsy hiverina any amin'i Heroda, dia lalana hafa no nalehany nody ho any amin'ny fonenany. » (Matio 2:12)
i Josefa koa torak'izany
« Ary nony efa lasa nandeha ireo, indro, nisy anjelin'ny Tompo niseho tamin'i Josefa tamin'ny nofy ka nanan hoe: Mifohaza ianao, ka ento ny Zazakely sy ny reniny, dia mandosira any Egypta, ary mitoera any ambara-pilazako aminao; fa Heroda efa hitady ny Zazakely hovonoiny. » (Matio 2:13)
ary lasa tari-dalana ho azy ireo izany
« Ary rehefa maty Heroda, indro, nisy anjelin'ny Tompo niseho tamin'i Josefa tany Egypta tamin'ny nofy ka nanao hoe:Mifohaza ianao, ka ento ny Zazakely sy ny reniny, dia mankanesa any amin'ny tanin'ny Isiraely; fa efa maty izay nitady ny ain'ny Zazakely. » (Matio 2:19-20)
ANJARANAO IZAO !!
AZA TAITRA FA MARIKY NY FANKASITRAHANY ANAO OLON’I KRISTY IZANY.
MATOKIA.

BENAIA AO @ KRISTY IANAO


Resinao ny fahavalo na mandrahona tahaka ny Liona
« Ary Benaia, ... koa no nidina namono ny liona tao anatin'ny lavaka fantsakana tamin'ilay andro nisy oram-panala iny... » (1 Tantara 11:22b)
na 2,5m sy ngeza aza
« Ary izy koa no namono ilay Egyptiana makadiry, izay dimy hakiho ny halavany, nefa teny an-tànan'ilay Egyptiana nisy lefona tahaka ny vodi-tenon'ny mpanenona; nefa namorotsahan'i Benaia tamin'ny tehiny ihany izy, dia nosarihany ny lefona teny an-tànan'ilay Egyptiana, ka iny lefony iny ihany no namonoany azy. » (1 Tantara 11:23)
noho ny herin'ny Fanahy ao anatinao « Indro ny Mpanompoko, Izay nofidiko, Ny Malalako, Izay sitraky ny foko indrindra; Hapetrako ao aminy ny Fanahiko,...; » (Matio 12:18a)
HERY HAFA !!!
HERY MAHAGAGA NO AO ANATINAO !!!
MINOA DIA HO HITANAO NY VONINAHITR’ANDRIAMANITRA.
MAHEREZA.

AZA KIVY !!! AZA KIVY

Samy manana ny fotoanany ny zavatra rehetra
« Ny zavatra rehetra samy manana ny fotoany avy, ary samy manana ny androny avy ny raharaha rehetra aty ambanin'ny lanitra » (Mpitoriteny 3:1)
mitrakà na mandalo zava-tsarotra aza
« Voageja manodidina izahay, nefa tsy tery; very hevitra, nefa tsy mamoy fo;enjehina, nefa tsy nafoy, potraka, nefa tsy maty; » (2 Korintiana 4:8-9)
dia hiseho ny herin'ny Fanahin'i Kristy ao anatinao
« Dia namaly izy ka nanao tamiko hoe: Izao no tenin'i Jehovah amin'i Zerobabela: Tsy amin-kery na amim-pahatanjahana, fa amin'ny Fanahiko, hoy Jehovah, Tompon'ny maro . » (Zakaria 4:6)
ASEHOY NY FIFALIANAO HO MARIKY NY FINOANAO IZANY !!!
MAHEREZA !!!

ANKALAZAO IZAY MAHASOA


Iraky ny Tompo hilaza ny planiny ianao
« Tsy manao na inona na inona tokoa Jehovah Tompo, raha tsy milaza ny heviny amin'ny mpaminany mpanompony. » (Amosa 3:7)
ankalazao ary fa izay mitady an'i Kristy @ fony rehetra ihany no ho velona
« Fa izao no lazain'i Jehovah amin'ny taranak'Isiraely; Tadiavo Aho, dia ho velona ianareo; » (Amosa 5:4)
sy hahazo famindram-po
« Ny tsara no tadiavo, fa aza ny ratsy, mba ho velona ianareo; Ka dia homba anareo Jehovah, Andriamanitry ny maro, araka izay efa nolazainareo.Ankahalao ny ratsy, ka tiavo ny tsara, ary aoreno eo am-pitsarana ny rariny; Angamba Jehovah, Andriamanitry ny maro, hamindra fo amin'izay sisa amin'i Josefa.  » (Amosa 5:14-15)
ARAKARAKY NY FAHASAHIANAO SY NY FAHAZOTOANAO NO HITOMBON’NY OLONA HATAHOTRA SY HANOMPO AN’I KRISTY IZAY EFA NOFIDINAO !!!
MAZOTOA ARY MITORY E !!!

SAROBIDY NY FIEKEN-KELOKA


Tsy misy marina na dia iray aza
« Raha hoy isika: Tsy manana ota isika, dia mamita-tena, ary ny marina tsy ato anatintsika. » (1 Jaona 1:8)
izay miaiky izany eo anatrehan'i Kristy dia ho voavela
« Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin'ny tsi-fahamarinana rehetra. » (1 Jaona 1:9)
sady hifandray Aminy
« Fa raha mandeha eo amin'ny mazava isika, tahaka Azy eo amin'ny mazava, dia manana firaisana isika, ary ny ran'i Jesosy Zanany no manadio antsika ho afaka amin'ny ota rehetra. » (1 Jaona 1:7)
no hovonjeny
« Ary hovonjen'i Jehovah Andriamaniny ireny amin'izany andro izany Toy ny olona izay ondriny; Fa ho toy ny vaton-tsatro-boninahitra Mamirapiratra eny amin'ny taniny ireny. » (Zakaria 9:16)
TENA MPAMINDRA FO NY TOMPONTSIKA !
MATOKIA !

IRAK’ANDRIAMANITRA IANAO OLONY

Ho maro mpitady ianao olon'i Kristy
« Ary nahita Azy izy, dia nanao taminy hoe: Ny olona rehetra mitady Anao. » (Marka 1:37)
satria afaka manavotra ny hafa
« Ary nahasitrana olona maro izay nararin'ny aretina samy hafa Izy sady namoaka demonia maro; ary tsy navelany hiteny ny demonia, satria nahafantatra Azy ireny. » (Marka 1:34)
nefa mitokàna mivavaka
« Ary nifoha maraina alina koa Izy, dia nivoaka nankany an-tany foana ka nivavaka tany. » (Marka 1:35)
dia izay iraka lazain'ny Ray atao
« Fa hoy kosa Izy taminy: Andeha isika hiala hankany amin'ny tanàna akaiky, mba hitoriako teny any koa; fa izay no nahatongavako. » (Marka 1:38)
SAHIA MIJORO @ IZAY ANJARA FANOMPOANA NOMENA ANAO NA METY TSY HAHAFAPO NY HAFA AZA IZANY.
MAHEREZA.

STEFANA AO @ KRISTY IANAO

Feno Fanahy masina
« ... nifidy an'i Stefana izy, lehilahy feno finoana sy ny Fanahy Masina, ... » (Asan'ny Apostoly 6:5)
manana hosotra manokana
«  Ary Stefana, feno fahasoavana sy hery, dia nanao fahagagana sy famantarana lehibe teo amin'ny vahoaka. » (Asan'ny Apostoly 6:8)
miova lasa manana tarehin'anjely
« Ary izay rehetra nipetraka teo amin'ny Synedriona, raha nandinika an'i Stefana, dia nahita ny tarehiny tahaka ny tarehin'anjely. » (Asan'ny Apostoly 6:15)
EKEO DIA HO HITANAO NY FITOMBON’NY HERIN’I KRISTY AO ANATINAO !!!
MATOKIA.

IZAY HENDRY IHANY NO ANARINA


Ho anao Kristiana izahao toetra ny finoanao
« Diniho ny tenanareo, na mitoetra amin'ny finoana ianareo, na tsia; izahao toetra ny tenanareo. Moa tsy fantatrareo va ny amin'ny tenanareo, fa ao anatinareo Jesosy Kristy, raha tsy olona nolavina ianareo ? » (2 Korintiana 13:5)
sao sanatria mbola tsy nibebaka marina
« eny, fandrao, rehefa tonga indray aho, dia hampietry ahy eo anatrehanareo Andriamanitro, ary izaho hanana alahelo amin'ny maro izay nanota teo aloha ka tsy mbola nibebaka tamin'ny fahalotoana sy ny fijangajangana ary ny fijejojejoana nataony. » (2 Korintiana 12:21)
na mitondra fanafitionana ho an'ny hafa
« ...fandrao hisy fifandirana, fialonana, fiafonafonana, fifampiandaniana, fanaratsiana, fibitsibitsihana, fieboeboana, fikotranana,  » (2 Korintiana 12:20b)
MAHEREZA FA TENA FIAKARANA GRADY NY FIZAHA-TOETRA !!!

AZA MIERIKERKA !!! KRISTY IHANY FIKIRINA

Na misy aza manao tsinotsinona an'ny Tompo
« Kanefa anie ireo no manao amin'Andriamanitra hoe: Mialà aminay! Fa tsy mba irinay ny hahalala ny lalanao.Zinona izay Tsitoha, no hotompoinay? Ary inona no soa ho azonay, raha mivavaka aminy? » (Joba 21:14-15)
nefa toa miadana
« Nahoana no velona ny ratsy fanahy ka sady tratrantitra no be hery?Ny zanany koa mitomoetra tsara eo anatrehany, ary ny zafiny eo anoloany.Ny ankohonany miadana ka tsy manan-tahotra, ary ny tsorakazon'Andriamanitra tsy mamely azy.Ny ombilahiny mampiteraka ka mahavanona; Ny ombivaviny miteraka ka tsy mamotsotra.Mamoaka ny zanany madinika toy ny ondry aman'osy izy, ka mikoriana ny zanany.Mihoby mitondra ampongatapaka sy lokanga izy ary mifaly amin'ny feon-tsodina. » (Joba 21:7-12)
dia ho faizina ireny
« Maty ny anankiray, raha tsy mbola mihena ny fahatanjahany, sady miadana tokoa ka tsy manana ahiahy;Feno ronono ny fitoeran-drononony*, ary vonton-tsoka ny taolany.Ary ny anankiray maty amin'ny fahorian'ny fanahiny kosa ka tsy mba nanandrana soa akory.Samy mandry ao amin'ny vovoka izy roa tonta, ka feno olitra ny tenany. » (Joba 21:23-26)
fa Kristy ihany fikirina
« Fa, izaho, dia ny ho akaikin'Andriamanitra no mahatsara ahy; Hianao, Jehovah Tompo ô, no nataoko aroko, mba hilaza ny asanao rehetra aho. » (Salamo 73:28)
MATOKIA ,MAHEREZA FA TENA AZO ANTOKA NY SAFIDINAO !!!

POROFOY AMIN’NY ASA FA TSY KRISTIANA ANARANA IANAO

Tsy ny fanononana hoe kristiana no hidirana any an-danitra fa ny fankatoavana ny sitrapon'ny Tompo
« Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra. » (Matio 7:21)
mamoaza voa tsara
« Dia toy izany, ny hazo tsara rehetra dia mamoa voa tsara; fa ny hazo ratsy rehetra dia mamoa voa ratsy. » (Matio 7:17)
'ndeha hifanampy « Koa amin'izany na inona na inona tianareo hataon'ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa tahaka izany; fa izany no lalàna sy mpaminany. » (Matio 7:12)
AZA AMELANA RAHA TSY HIAIKY NY ASA TSARA ATAONAO KRISTY E !!!
VITANAO IZANY !!
MATOKIA.

TSY AZO IANTEHERANA NY ZAVATRA ETY AN-TANY

Aza kivy raha sendra very na rava na potika ny fanananao ety an-tany satria ianao efa manana ny anjaranao any an-danitra izay haharitra mandrakizay
« Fa fantatsika fa raha ravana ny trano-laintsika ety an-tany, dia manana izay voarafitr'Andriamanitra isika, dia trano tsy nataon-tanana izay maharitra mandrakizay any an-danitra. » (2 Korintiana 5:1)
MAHEREZA!!!
KRISTY NO IANTEHERO DIA TSY HANAN-JAVA-MAHORY IANAO !!!

IZAY MITADY MARINA AN’I KRISTY DIA HAHAZO FAMINDRAM-PO N’INONA N’INONA HELOKA VITANY

Fotoana tsy fahalalana an'i Kristy fotsiny izao fa tena vanim-potoana fikatsahana ny fanjakany
« Mitadiava an'i Jehovah, dieny mbola hita Izy, Miantsoa Azy, dieny mbola akaiky Izy. » (Isaia 55:6)
izay olona hanao izany dia hahazo famindram-po
« Aoka ny ratsy fanahy hahafoy ny lalany, ary ny tsy marina hahafoy ny heviny; ary aoka hiverina ho amin'i Jehovah ireny, fa hamindra fo aminy Izy, Eny, ho amin'Andriamanitsika, fa hamela heloka dia hamela heloka tokoa Izy. » (Isaia 55:7)
ARARAOTY MBOLA TSY TARA IZAO !!!

MIHAINOA RY NOSY

Izay mihaino tsara sady mankato ny feon'Andriamanitra dia ho azo antoka fa ho voatahy manokana
« Raha mihaino tsara ny feon'i Jehovah Andriamanitrao ianao ka mitandrina hanaraka ny didiny rehetra, izay andidiako anao anio, dia hasandratr'i Jehovah Andriamanitrao ho ambonin'ny firenena rehetra amin'ny tany ianao; » (Deotoronomia 28:1)
takin'ny Tompo ho toy izany ny nosy Madagasikara
« Mangina hihaino ahy ianareo, ry nosy, ary aoka handroso hery ny firenena;.. » (Isaia 41:1)
EFA DODONA ANDRIAMANITRA !!!
MINO AHO VA DODONA TAHAKA IZANY KOA IANAO OLONY !!!

AOKA HO AZO ANTOKA NY FIAINANAO MANDRAKIZAY

Tsy maintsy handalo ny fitsaran'i Kristy ny tsirairay
« Fa isika rehetra dia samy tsy maintsy ho hita toetra miharihary eo amin'ny fitsaran'i Kristy, mba handraisan'ny olona rehetra izay zavatra nataon'ny tenany, dia araka izay nataony, na tsara na ratsy. » (2 Korintiana 5:10)
koa mazotoa manompo Azy
« Fa tsy ny tenanay no torinay, Fa Kristy Jesosy Tompo, ary izahay mpanomponareo noho ny amin'i Jesosy. » (2 Korintiana 4:5)
mba hanananao antoka ny fiainana mandrakizay
« Ary tsy ketraka izahay; fa na dia mihalevona aza ny toetray ivelany, dia havaozina isan'andro isan'andro kosa ny toetray* anatiny.Fa ny fahorianay maivana, izay vetivety foana, dia mainka miasa fatratra indrindra ka mahatanteraka voninahitra mavesatra maharitra mandrakariva ho anay, » (2 Korintiana 4:16-17)
MAHEREZA.

EFA VOASORATRA FA HO FIRENENA MIAVAKA AO @ KRISTY NY NOSY MADAGASIKARA

Ao aminao ny fahazavan'i Kristy
« Mitsangàna, mihazavà, fa tonga ny fahazavanao, ary ny voninahitr'i Jehovah efa miposaka aminao. » (Isaia 60:1)
Izy no hitoetra ao aminao sy ny taranakao
« Raha Izaho, dia izao no fanekeko aminy, hoy Jehovah: Ny Fanahiko Izay ao aminao sy ny teniko izay nataoko teo am-bavanao dia tsy hiala amin'ny vavanao, na amin'ny vavan'ny taranakao, na amin'ny vavan'ny taranaky ny taranakao, hatramin'izao ka ho mandrakizay, hoy Jehovah. » (Isaia 59:21)
h@ firenena
« Fa Izaho no andrasan'ny nosy, ary ny sambon'i Tarsisy ho loha-lalana, Hitondra ny zanakao avy lavitra mbamin'ny volafotsiny sy ny volamenany, ho an'ny anaran'i Jehovah Andriamanitrao sy ho an'ny Iray Masin'ny Isiraely, Satria efa nanome voninahitra anao Izy. » (Isaia 60:9)
sady hanome vahiny hanompo anao
« Ary ny hafa firenena no hanangana ny mandanao, ary ny mpanjakany hanompo anao; fa tamin'ny fahatezerako no namelezako anao. Ary amin'ny fitiavako kosa no amindrako fo aminao, » (Isaia 60:10)
« Ary ny vahiny honina ao ka hiandry ny ondry aman'osinareo, ary ny hafa firenena ho mpiasa tany sy ho mpamboatra tanim-boaloboka ho anareo, » (Isaia 61:5)
MINOA !!!
ARY MIJOROA HO MPONINA MENDRIK’ILAY TANY VOAHOSOTRA !!!

SAROBIDY NY HARENAN’ANDRIAMANITRA

Tsy tokony lanilaniana @ fahafinarentana ny harena
« Nisy lehilahy manan-karena anankiray niakanjo volomparasy sy rongony fotsy madinika sady nanaram-po fatratra isan'andro tamin'ny fahafinaretana. » (Lioka 16:19)
sao ho voaroaka tsy ho mpitadrina ny fananan'ny Tompo
« Ary hoy koa Jesosy tamin'ny mpianatra: Nisy olona manan-karena anankiray nanana mpitandrina ny fananany; ary ilehiny dia nampangain'olona taminy fa mandany ny fananany.Ary nampaka azy izy ka nanao taminy hoe: Ahoana izao fandrenesako anao izao? Mamoaha ny amin'ny fitandremanao ny fananako; fa tsy mahazo mitandrina ny fananako intsony ianao. » (Lioka 16:1-2)
sady ho ratsy fiafara
« ... ary maty koa ilay manan-karena, dia nalevina;ary nijaly tao amin'ny fiainan-tsi-hita izy ... » (Lioka 16:22b,23a)
MINO AHO FA MPITANDRINA ATOKISANA IANAO SADY HAHAY HAMPITANDRINA NY HAFA !!!

TSY MISY OLONA AZO IANTEHERANA

Aza miantehitra @ olona
« Mitsahara, fa aza mitoky amin'ny olona; Fa fofonaina foana no eo am-bavorony, Ka hatao zinona izy? » (Isaia 2:22)
fa @ Andriamanitra ihany tahaka ny taranak'i Jakoba ao @ Kristy
« Ry taranak'i Jakoba, Avia, ary aoka isika handeha amin'ny fahazavan'i Jehovah. » (Isaia 2:5)
Torio izany fahamarinana izany fa hitahiana anao
« Lazaonareo ny amin'ny marina fa hahita soa izy, Fa ny vokatry ny asany no hohaniny. » (Isaia 3:10)
ANKALAZAO FA KRISTY IRERY IHANY NO AZO ANTOKA HITONDRA FAMONJENA !!!

ONY HAFA,ONY MAVAKA NY AO ANATINAO OLON’I KRISTY


Misy ony ao anatinao
« Izay mino Ahy, dia hisy onin'ny rano velona miboiboika avy ao an-kibony, araka ny voalazan'ny Soratra Masina. » (Jaona 7:38)
avy @ ny Tompo
« Ary izy naneho ahy onin'ny ranon'aina, manganohano tahaka ny vato krystaly, nivoaka avy teo amin'ny seza fiandrianan'Andriamanitra sy ny Zanak'ondry » (Apokalypsy 22:1)
izay hitondra fitahiana ho anao
« Ary Jehovah hitari-dalana anao mandrakariva sady hahavoky ny fanahinao ao amin'ny tany karankaina aza sy hampahatanjaka ny taolanao; dia ho tahaka ny saha vonton-drano ianao sy ho tahaka ny loharanao miboiboika izay tsy mety ritra. » (Isaia 58:11)
ho an'ny hafa
« Ary eny amoron'ny ony, eny an-daniny roa, no anirian'ny hazo rehetra fihinam-boa; tsy halazo ny raviny, na ho lany ny voany; fa hamoa voa vaovao isam-bolana izy, satria mivoaka avy ao amin'ny fitoerana masina ny ranony; ary ho fihinana ny voany, ary ho fanafody ny raviny. » (Ezekiela 47:12)
ho an'ny firenena tahaka ny tao Edena « Ary nisy ony nivoaka avy tao Edena handena ny saha; hatreo izy dia nizara ka nisampana efatra:Ny anaran'ny voalohany dia Pisona; io no mandeha manodidina ny tany Havila rehetra, izay misy ny volamena;ary tsara ny volamena amin'izany tany izany; any ny bedola sy ny vato beryla.Ary ny anaran'ny ony faha dia Gihona; io no mandeha manodidina ny tany Kosy rehetra.Ary ny anaran'ny ony fahatelo dia Hidekela; io no mandeha tandrifin'i Asyria. Ary ny ony fahefatra dia Eofrata. » (Genesisy 2:10-14)
AMPIASAO HA HAMPIADANA ANAO,NY ANKOHONANAO,NY TANANANANAO,NY FIRENENANO,ENY IZAO TOLONTOLO IZAO MIHITSY E !!
SAHIA !
MAHEREZA.

LOVA MIAVAKA NO MENDRIKA ANAO OLON’I KRISTY

Zanaky ny teny fikasana ianao olon'i Kristy
« Fa isika, ry rahalahy, dia zanaky ny teny fikasana tahaka an'isaka. » (Galatiana 4:28)
manana Fanahy miavaka
« Ary satria zanaka ianareo, dia nirahin'Andriamanitra ho ato am-pontsika ny Fanahin'ny Zanany, miantso hoe: Aba, Ray ô. » (Galatiana 4:6)
sady omen'Andriamanitra lova manomboka ety an-tany hatrany an-danitra
« Ka dia tsy mpanompo intsony ianao, fa zanaka: ary raha zanaka, dia mpandova koa noho ny ataon'Andriamanitra. » (Galatiana 4:7)
MINOA !
MATOKIA !
AZA KIVY FA MANANA ILAY DADA RAY IZAY TSY MAHAFOY ANAO MANDRAKIZAY IANAO !!!

DAVIDA AO @ KRISTY IANAO

Afaka mangataka mba hihalehibe eo @ fiainanao sy ny taranakao hatrany ny Tompo
« Ary aoka hohalehibiazina mandrakizay ny anaranao ka hatao hoe; Jehovah, Tompon'ny maro, no Andriamanitry ny Isiraely; ka dia hampitoerina eo anatrehanao ny taranak'i Davida mpanomponao. » (2 Samoela 7:26)
mba ho voatahy mandrakizay izy ireo
« dia aoka ho sitrakao ny hitahy ny taranaky ny mpanomponao haharitra mandrakizay eo anatrehanao; fa Hianao, Jehovah Tompo ô, efa niteny izany; eny, aoka ny fitahianao no hitahianao ny taranaky ny mpanomponao mandrakizay. » (2 Samoela 7:29)
ANJARANAO NY MIJORO HO FATSINJOVANA NY HO AVY !!
SAHIA.

MPITANTANA TAHAKA NY MPANJAKA IANAO OLON’I KRISTY

Hanjaka @ fananan'ny Tompo no antom-pisian'ny olona
« Ary Andriamanitra nanao hoe: Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika ; ary aoka izy hanjaka amin'ny hazandrano ao amin'ny ranomasina sy ny voro-manidina sy ny biby fiompy sy ny tany rehetra ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany. » (Genesisy 1:26)
mendrika izany ianao mpanompon'i Kristy
« Iza moa no mpanompo mahatoky sy manan-tsaina, izay notendren'ny tompony hifehy ny mpanompony mba hanome azy hanina amin'ny fotoana?Sambatra izany mpanompo izany, raha avy ny tompony ka hahita azy manao izany.Lazaiko aminareo marina tokoa: Hotendreny ho mpanapaka ny fananany rehetra izy. » (Matio 24:45-47)
MPANJAKA IANAO ARY KRISTY NO MPANJAKANAO
« Ireo dia hiady amin'ny Zanak'ondry, ary ny Zanak'ondry haharesy azy, satria Tompon'ny tompo sy Mpanjakan'ny mpanjaka Izy, ary haharesy azy koa izay momba Azy, dia olona voantso sy voafidy ary mahatoky. » (Apokalypsy 17:14).
TSAPANAO VE IREO ANDRAIKITRA MASINA MIANDRY ANAO ?

FANTARO DIA AMPIASAO IZAY FANOMEZAM-PAHASOAVANA ANANANAO

Ny fankatoavanao ny Tenin'ny Tompo dia hitondra fitahiana h@ taranakao
« Tandremo, ka henoy izao teny rehetra izao, izay andidiako anao, mba hahita soa ianao sy ny taranakao mandimby anao mandrakizay, raha manao izay tsara sy mahitsy eo imason'i Jehovah Andriamanitrao ianao. » (Deotoronomia 12:28)
anisan'izany ny fampiasana ny fanomezam-pahasoavana izay anananao
« Fa ny anankiray nomen'ny Fanahy teny fahendrena, ary ny anankiray teny fahalalana, araka izany Fanahy izany ihany,ary ny anankiray finoana, amin'izany Fanahy izany ihany, ary ny anankiray fanomezam-pahasoavana ho enti-mahasitrana, amin'izany Fanahy iray izany ihany,ary ny anankiray ny manao fahagagana*, ary ny anankiray ny maminany, ary ny anankiray ny mahafantatra fanahy samy hafa, ary ny anankiray ny miteny amin'ny fiteny samy hafa tsy fantatra, ary ny anankiray ny mandika fiteny tsy fantatra. [* Gr. hery] » (1 Korintiana 12:8-10)
MANEKE HO FANTSOM-PITAHIANA HO AN’NY HAFA E !!!
MAHEREZA.

OLON’I KRISTY VOAHOSOTRA MANOKANA NY MALAGASY

Hentin'ny Fanahy masina handeha hitety toerana hitory ny filazantsara ianao olon'i Kristy Malagasy
« Ary rehefa niakatra avy teo amin'ny rano izy roa lahy, dia nentin'ny Fanahin'ny Tompo Filipo ka tsy hitan'ilay tandapa intsony; fa nandeha tamin'ny nalehany izy sady nifaly.Fa Filipo hita tany Azota, dia nitory ny filazantsara tany amin'ny tanàna rehetra izay nalehany ambara-pahatongany tany Kaisaria. » (Asan'ny Apostoly 8:39-40)
satria mponin'ilay nosy voahosotra
« Mangina hihaino ahy ianareo, ry nosy, ary aoka handroso hery ny firenena;... » (Isaia 41:1)
MINOA.
> SAHIA MIJORO HO FAHAZAVAN’IZAO TONTOLO IZAO.

MISY FAHEFANA IANAO OLON’I KRISTY MITORITENY

Ho talanjona ny hafa haheno ny fampianan'i Kristy ao anatinao
« Dia talanjona ny olona tamin'ny fampianarany, satria nampianatra azy tahaka izay manana fahefana Izy, fa tsy mba tahaka ny mpanora-dalàna. » (Marka 1:22)
satria fampianarana misy fahefana izay tsy zakan'ny herin'ny maizina
« Dia gaga ny olona rehetra ka nifanontany hoe: Manao ahoana re izao zavatra izao? Fampianarana vaovao misy fahefana izao! fa ny fanahy maloto aza no didiany, ka dia manaiky Azy. » (Marka 1:27)
MATOKIA!!!
ARY AZA GAGA RAHA HAHENO FIJOROANA VAVOLOMBELON’IZANY IANAO !!!
MAHEREZA.

HANANGANA TANY ANKASITRAHANY ANDRIAMANITRA


Hanangana tany hisy mponina hiova ho Kristiana tanteraka ny Tompo
« Amin'izany andro izany dia hatsangako indray ny trano-bongon'i Davida izay efa nianjera, ary hotampenako ny efa banga ao; Ary hamboariko izay efa rava aminy, ka hataoko tahaka ny taloha izy,Mba hananany izay sisa amin'i Edoma sy amin'ny jentilisa rehetra, izay hantsoina amin'ny anarako, hoy Jehovah, Izay manao izany. » (Amosa 9:11-12)
ho tany voatahy ilay tany
« Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay hahatraran'ny mpiasa tany ny mpijinja, ary ny mpanosihosy voaloboka hahatratra ny mpamafy; Ny tendrombohitra hipoipoitra ranom-boaloboka, ary ny havoana rehetra hiempo.Ary hampodiko ny Isiraely avy amin'ny fahababoana, dia hanangana ny tanàna efa rava izy ka honina ao, ary hanao tanim-boaloboka izy ka hisotro ny divay avy aminy; Hanao saha koa izy ka hihinana ny vokatra.Eny, hamboleko ao amin'ny taniny izy, ka tsy hongotana amin'ny taniny izay nomeko azy intsony izy, Hoy Jehovah Andriamanitrao. » (Amosa 9:13-15)
SAHIA MILAZA FA MADAGASIKARA NO ANARANY.
MINOA !!

« Ary ny finoana no fahatokiana ny amin'ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita. » (Hebreo 11:1)
MAHEREZA !!

ESORY NY FISALASALANA


Aza misalasala
« Fa izay miahanahana dia meloka raha homana, satria tsy avy amin'ny finoana izany; fa ota izay rehetra tsy avy amin'ny finoana. » (Romana 14:23)
hazony ny herin'ny finoana an'i Kristy izay anananao
« Ny finoana izay anananao dia hazòny ho anao eo anatrehan'Andriamanitra. Sambatra izay tsy manameloka ny tenany amin'izay zavatra ekeny. » (Romana 14:22)
dia tena ho mora aminao ny hitombo ao Aminy sady hanampy ny hafa
« Fa isika izay matanjaka dia tokony hitondra ny fahalemen'ny malemy ka tsy hitady izay hahafaly ny tenantsika ihany.Aoka isika rehetra samy hitady izay hahafaly ny namantsika amin'izay hahasoa sy hampandroso azy. » (Romana 15:1-2)
COMMANDO AO @ KRISTY IANAO E !!!
SA AHOANA ?
SAHIA !
MAHEREZA !

KRISTY IRERY IHANY NO VAHA-OLANA


Aza amelana raha tsy lasa Kristiana ny manodidina anao
« Ary hoy Paoly: Mangataka amin'Andriamanitra aho, fa na amin'ny mora, na amin'ny sarotra, tsy ianao ihany, fa izay rehetra mandre ahy anio, dia hitovy amiko, afa-tsy amin'ireto gadra ireto ihany. » (Asan'ny Apostoly 26:29)
hahakasika ny fon'Andriamanitra izany ka hitahiany anao sy ny jerosalemanao
« Ary amin'izany andro izany dia hihaino Aho, hoy Jehovah, eny, hihainoa ny lanitra Aho, ary izy kosa hihaino ny tany;Ary ny tany kosa hihaino ny vary sy ny ranom-boaloboka ary ny diloilo; Ary ireo kosa dia hihaino an'i Jezirela, » (Hosea 2:23-24)
MATOKIA.ARY FIKIRO NY SAFIDINAO DIA HO SAMBATRA TOKONA NY FIRENENAO!!!
”HIADANA SY HO FINARITRA!HE SAMBATRA TOKOA IZAHAY”

HAFA IANAO TEMPOLIN’NY FANAHY MASINA



Tempolin'Andriamanitra ny tenanao noho izany hiaiana eo ambanin'ny fahasoavany
« Zavatra iray loha no nangatahiko tamin'i Jehovah, izany no hotadiaviko, dia ny hitoetra ao an-tranon'i Jehovah amin'ny andro rehetra hiainako, mba ho faly mijery ny fahasoavan'i Jehovah sy mandinika ny tempoliny. » (Salamo 27:4)
afaka hitaraina Aminy
« Mihainoa, Jehovah ô, fa mitaraina mafy aho; ary mamindrà fo amiko, ka valio aho. » (Salamo 27:7)
handresy ny sakana rehetra
« Fa hanafina ahy ao an-trano fialofany amin'ny andro fahoriana Izy; hampiery ahy amin'ny fierena ao an-dainy Izy; hanandratra ahy ho eny ambony vatolampy Izy.Koa dia hisandratra ambonin'ny fahavaloko manodidina ahy ny lohako, ka hanatitra fanatitra hihobiana ao an-dainy aho; hihira sy hankalaza an'i Jehovah aho. » (Salamo 27:5-6)
ianao.
TEMPOLY HAFA!
TEMPOLY MENDRIKA IANAO!!!
SA AHOANA?