"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

HAMASINO NY TENANAO OLON'I KRISTY



Masina sy marina ary maharitra mandrakizay ny fanekena nifanaovan'Andriamanitra taminao olony
« Ny fanekeko taminy dia fiainana sy fiadanana; ary nomeko azy ho fahatahorana izany, ka dia natahotra Ahy sy nangovitra teo anatrehan'ny anarako izy. Ny lalàn'ny fahamarinana no teo am-bavany, ary tsy mba nisy tsi-fahamarinana teo amin'ny molony; tamin'ny fiadanana sy ny fahitsiana no niarahany nandeha tamiko, ary maro no nampialainy tamin'ny heloka. » (Malakia 2:5-6)
Raha tsy tandrovana anefa izany dia hivadika ozona!
« Raha tsy hihaino na handatsaka am-po ka hanome voninahitra ny anarako ianareo, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, dia halefako hamely anareo ny ozona, ka hozoniko ny tso-drano ataonareo » (Malakia 2:2a)
HAJAO NY TEMPOLINY DIA HANJAKA AO ANATINAO @ FOMBA MAHAGAGA KRISTY! MAHEREZA

MIAVAKA NY FIAINANA ANATIN'NY OLON'I KRISTY



Mendrika ny ho feno hery sy fahasoavana ianao olon'i Kristy 
«Ary Stefana, feno fahasoavana sy hery, dia nanao fahagagana sy famantarana lehibe teo amin'ny vahoaka. » (Asan'ny Apostoly 6:8)
ambonin'izay ny fahasambarana anaty satria olona voavela heloka 
« Nataon'i Davida. Maskila. Sambatra ny olona izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany. » (Salamo 32:1)
MIFALIA! « Mifalia mandrakariva amin'ny Tompo; hoy izaho indray: Mifalia.» (Filipiana 4:4) 
SAHIA MIZARA SY MAMPIASA IZANY FA TENA HAHOMBY! MAHEREZA!

POROFOY AMIN'NY ASA FA VOAVELA HELOKA IANAO!



Manehoa fitiavana ho an'ny mpanompon'Andriamanitra mba ho mariky ny fahalehibeazan'ny fahatsapanao ny famelan-keloka nataon'i Kristy taminao ,
« Ary amin'izany dia lazaiko aminao: Voavela ny helony be, fa be fitiavana izy; fa izay voavela tamin'ny kely dia kely fitiavana. » (Lioka 7:47)
MAHEREZA! HO LEHIBE NY VALIM-PITAIANAO ANY AN-DANITRA!

FANAHY HITONDRA FANOVANA NA "TRANSFORMATION" NY FANAHIN'I KRISTY AO ANATINAO OLONY



Ny Fanahin'Andriamanitra no nanomba voalohany ny tontolo rehetra
« Ary ny tany dia tsy nisy endrika sady foana; ary aizina no tambonin'ny lalina. Ary ny fanahin'Andriamanitra nanomba tambonin'ny rano. » (Genesisy 1:2)
Ny Fanahin'i Kristy ao anatinao koa dia mbola fitaovana hanova ny fiainanao
« Fa Andriamanitra tsy hanome rariny ny olom-boafidiny va, izay mitaraina aminy andro aman'alina, ary moa hitaredretra va Izy? Lazaiko aminareo fa homeny rariny faingana izy. » (Lioka 18:8)
 AMPIASAO!!! MAZOTOA! MAHEREZA

ANDRIAMANITRA RAIN'I JESOA KRISTY NO MPITONDRA AZO ANTOKA MANDRAKIZAY



Jehovah Tompo no tompom-pahefana mandrakizay @ taranaka izay hifandimby rehetra.
« Jehovah ô, ianao no mipetraka mandrakizay, eny, ny seza fiandriananao no maharitra hatramin'ny taranaka fara mandimby. » (Fitomaniana 5:19)
Noho izany aleo miverina Aminy mba hampirindra ny hoavy Fito5:21.
« Jehovah ô, ampivereno aminao izahay, mba hiverenanay; Havaozy ho toy ny fahiny ny andronay. » (Fitomaniana 5:21)
SAHIA! TSY ALEO VE MISAFIDY DIENY ETY AN-TANY FA HO MPONIN'NY LANITRA NY JEROSALEMANAO E!!!

TIA MIDERA MARINA VE IANAO?



Ny fiderana dia vokatry ny fahatsapana ny fahalehibeazan'Andriamanitra eo @ fiainanao.
« ka nanao hoe: Isaorana anie ny Mpanjaka, Izay avy amin'ny anaran'i Jehovah. Fiadanana any an-danitra, ary voninahitra any amin'ny avo indrindra. » (Lioka 19:38)
 Anjaranao ary no mandanjalanja hoe hatraiza ny hanaovanao izany!! SAO SANATRIA KA NY VATO HIDERA AN! 
« Fa ny Fariseo sasany, izay teo amin'ny vahoaka, nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, rarao ny mpianatrao. » (Lioka 19:39)
MAHEREZA!

ASEHOY FA MAHERY KRISTY AO ANATINAO OLONY

Fotoana fisehoan'ny famantaran'ny herin'i Kristy izao.
« Dia raiki-tahotra ny olona rehetra teo, ary fahagagana sy famantarana maro no nataon'ny Apostoly. » (Asan'ny Apostoly 2:43)
Fa ho maro ny olona ho voataonanao hiova fo sy ho tia midera.
« Ary dia niray saina isan'andro izy ka nazoto nankeo an-kianjan'ny tempoly ary namaky mofo tao an-trano ka nihinan-kanina tamin'ny fifaliana sy ny fahatsaram-po, nidera an'Andriamanitra sady nahita fitia tamin'ny vahoaka rehetra. Ary ny olom-bonjena dia nanampin'ny Tompo isan'andro ho isan'ireo. » (Asan'ny Apostoly 2:46-47)
MATOKIA!!! IALAO NY FISALASALANA! AVELAO HIAKATRA NY FINOANA DIA ARAHO ASA E! MAHEREZA!!!