"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

ASEHOY FA MAHERY KRISTY AO ANATINAO OLONY

Fotoana fisehoan'ny famantaran'ny herin'i Kristy izao.
« Dia raiki-tahotra ny olona rehetra teo, ary fahagagana sy famantarana maro no nataon'ny Apostoly. » (Asan'ny Apostoly 2:43)
Fa ho maro ny olona ho voataonanao hiova fo sy ho tia midera.
« Ary dia niray saina isan'andro izy ka nazoto nankeo an-kianjan'ny tempoly ary namaky mofo tao an-trano ka nihinan-kanina tamin'ny fifaliana sy ny fahatsaram-po, nidera an'Andriamanitra sady nahita fitia tamin'ny vahoaka rehetra. Ary ny olom-bonjena dia nanampin'ny Tompo isan'andro ho isan'ireo. » (Asan'ny Apostoly 2:46-47)
MATOKIA!!! IALAO NY FISALASALANA! AVELAO HIAKATRA NY FINOANA DIA ARAHO ASA E! MAHEREZA!!!