"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

AROVAN'I KRISTY @ FOMBA MAHAGAGA IANAO OLONY IZAY MPANKATO AZY

Izay eken'i Kristy ihany atao
« Fa Petera sy ny Apostoly namaly ka nanao hoe: Andriamanitra no tokony hekena mihoatra noho ny olona. » (Asan'ny Apostoly 5:29)
raha misy manenjika ny @ izany ianao
« dia nisambotra ny Apostoly izy ka nanao azy tao an-tranomaizina. » (Asan'ny Apostoly 5:18)
AZA MANAHY fa hisy hiaro
« Fa nisy anjelin'ny Tompo namoha ny varavaran'ny tranomaizina nony alina, dia nitondra azy nivoaka ... » (Asan'ny Apostoly 5:19)
ary ho talanjona na ny mpanapaka aza
« Ary hoy izy: Ka no indro aho mahita efa-dahy tsy mifatotra, mandehandeha eo anaty afo, nefa tsy maninona tsy maninona akory izy; ary ny fijery ilay fahefatra dia toa zanak'ireo andriamanitra. » (Daniela 3:25)
MIROSOA AZA MISALASALA MANAO NY ASANY FA MENDRIKA NY HANOVA TANTARA IANAO!
MAHEREZA.

HOROAHIN'I KRISTY TSY MISY INDRAFO IREO FANAHY RATSY REHETRA EO AN-TANANANAO

Na firy na firy ny fanahy ratsy eo an-tanananao ka mitady hitokona tsy hiala
« Ary nifona mafy taminy izy mba tsy horoahiny hiala amin'izany tany izany. » (Marka 5:10)
dia horoahin'i Kristy ao anatinao hivalona any an-dranomasina
« Ary nifona taminy ireo ka nanao hoe: Alefaso izahay ho any anatin'ny kisoa mba hiditra any aminy.Dia neken'i Jesosy. Ary ny fanahy maloto, rehefa nivoaka, dia niditra tao anatin'ny kisoa; ary ireo kisoa andiany ireo nitratrevatreva teny amin'ny hantsana ho any amin'ny ranomasina (tokony ho roa arivo no isany), ka dia maty* tany amin'ny ranomasina izy.[*Gr. kenda] » (Marka 5:13)
SAHIA MIHIKA MAFY @ ANARAN'I JESOA KRISTY HOE:"MIALA IANAREO RY SATANA SY NY FORONGONY!!!"

HANANA HOAVY MAMIRAPIRATRA IZAY MATAHOTRA AN'I TOMPO

Mariky ny fahatahorana an'Andriamanitra ny fankahalana ny ratsy
« Ny fankahalana ny ratsy no fahatahorana an'i Jehovah. Ny fiavonavonana sy ny fireharehana sy ny lalana ratsy Ary ny vava fandainga dia samy halako avokoa. » (Ohabolana 8:13)
Ho voatahy tahaka an'i Mpanjaka Solomona ianao satria iainanao izany
« Ary na izay tsy nangatahinao aza dia efa nomeko anao koa, dia harena sy voninahitra, ka tsy hisy* mpanjaka tahaka anao amin'ny andronao rehetra.[Na: nisy] » (1 Mpanjaka 3:13)
FANAMBY EFA VITA IO FA MANANGANA FOTSINY IANAO SISA!!
MATOKIA.

HAMOAKA HARENA MIAFINA HO ANAO OLONY KRISTY

Hisy harena miafina havoak'Andriamanitra hamahana ny olanao sady hiteraka fiadanana ho anao
« Hahatonga volamena Aho ho solom-barahina, ary hahatonga volafotsy ho solom-by, ary varahina ho solon-kazo, ary vy ho solom-bato; ny fiadanana no hataoko fanapahana anao, ary ny fahamarinana no ho mpampiasa anao*.[Na: Hataoko fiadanana ny fanapahana anao ary fahamarinana ny mpampiasa anao] » (Isaia 60:17)
eny havotan'i Kristy @ fombany ianao olony
« Ary hinono amin'ny jentilisa ianao sady hinono amin'ny mpanjaka; ka dia ho fantatrao fa Izaho Jehovah no Mpamonjy anao, ary Ilay Maherin'i Jakoba no Mpanavotra anao. » (Isaia 60:16)
MINOA!
MATOKIA DIA HOAMARININY AVY HATRANY NY TENINY.

MANDRAY NY FIFONANAO KRISTY

Endrika maro no afaka hikasianao ny fon'i Tompo
« Ary rehefa hitan'Andriamanitra ny nataon'ireo ny amin'ny nialany tamin'ny lalan-dratsiny, dia nanenina Izy ny amin'ny loza izay nolazainy hamelezany azy, ka tsy nataony izany. » (Jona 3:10)
fiderana Azy
« Fa izaho, dia feo midera no entiko mamono zavatra hatao fanatitra ho Anao, Ary izay nivoadiako dia hefaiko; An'i Jehovah ny famonjena. » (Jona 2:10)
fahafoizana ny toetra ratsy
« Fa aoka samy hisarona lamba fisaonana ny olona sy ny biby fiompy, ary aoka hitaraina mafy amin'Andriamanitra izy, ary aoka samy hahafoy ny lalany ratsy sy ny fandozana eny an-tanany avy izy rehetra. » (Jona 3:8)
fibebahana arahina fifadian-kanina
« Dia nino an'Andriamanitra ny mponina tao Ninive ka niantso fifadian-kanina sady nitafy lamba fisaonana hatramin'ny lehibe ka hatramin'ny kely. » (Jona 3:5)
HAHASOA ANTSIKA NY FANAOVANA DINGANA HANAO IZANY!
MATOKIA.

HOAVY TONGA LAFATRA NO HOVANTANINAO OLON'I KRISTY

Ampahatoniana no iainanao ny hoavinao olon'i Kristy satria efa mialoha lalana Izy
« Fa tsy tampoka no hivoahanareo, ary tsy lositra no handehananareo; fa Jehovah no hitarika anareo eo aloha, ary Andriamanitry ny Isiraely no ho vodi-lalanareo. » (Isaia 52:12)
ary hitarika anao @ fomba mahagaga koa ny Fanahiny Masina
« ..., dia nentin'ny Fanahin'ny Tompo Filipo ka tsy hitan'ilay tandapa intsony;... » (Asan'ny Apostoly 8:39)
SAHIA HO AMPIASAINY ARY MINOA DIA HAHATSAPA ZAVA-BAOVAO FOANA IANAO!
MAHEREZA!!

MILA OLONA SAROPIARO @ VONINAHINY ANDRIAMANITRA

Meteza ho isan'ireo olona onena mahita ireo toe-javatra tsy mendrika ny voninahitry ny Tompo
« Ary hoy Jehovah taminy: Mandehana mamaky ny tanàna, dia Jerosalema, ka asio marika ny handrin'ny olona izay misento sy mitaraina noho ny fahavetavetana rehetra atao eo aminy. » (Ezekiela 9:4)
satria tahaka ny manisy ratsy an'i Kristy izany
« Dia nororany ny tavany, ka nasiany totohondry Izy; ary ny sasany namely tahamaina Azy. » (Matio 26:67)
HAMINDRA FO HO AN'I FIRENENAO NY TOMPO SATRIA MISY IANAO IZAY MANAIKY HATRANY HIFONA EO ANATREHANY!

AZA MANAHY RY MALAGASY O! FA I KRISTY EFA VONONA HANAVOTRA ANAO

Hoy ny Tompo ho an'i Firenenao:
Aza matahotra

« Amin'izany andro izany dia holazaina amin'i Jerosalema hoe: Aza matahotra Ary aza miraviravy tanana, ry Ziona. » (Zefania 3:16)
fa efa eto Aho hamonjy anao sady hataoko am-pifaliana izany
« Jehovah Andriamanitrao no ao aminao, Mahery Izy ka hamonjy; Hiravoravo anao amin'ny fifaliana Izy; Ho sondriana amin'ny fitiavany Izy; Hifaly anao amin'ny fihobiana Izy. » (Zefania 3:17)
ary ho firenena miavaka ianao
« Amin'izany andro izany no hitondrako anareo miditra, Eny, amin'izany andro izany no hanangonako anareo; Fa hataoko ho anarana sy ho fiderana any amin'ny firenena rehetra amin'ny tany ianareo, Raha hampodiko avy amin'ny fahababoana ianareo, ka ho hitan'ny masonareo izany, hoy Jehovah. » (Zefania 3:20)
MANEKE ARY IANAO HO AMPIASAINY MBA HANAFAINGANA IZANY!
MAHEREZA.

MIVONONA HAHITA FANOVANA HATAON'I KRISTY ETO MADAGASIKARA

Hahita ny vokatry ny herin'i Kristy eto @ firenenao (izay ivelan'i Isiraely) ianao
« Ary ny masonareo no hahita, ka dia hiteny ianareo hanao hoe: Jehovah dia lehibe any an-koatry ny tanin'ny Isiraely. » (Malakia 1:5)
ary na dia ireo mpanejika Azy aza havotany @ fombany
« Ary raha nandeha aho ka mby teo akaiky an'i Damaskosy, tamin'ilay antoandrobe iny, dia nisy mazava lehibe nanelatrelatra tampoka avy tany an-danitra manodidina ahy;dia lavo tamin'ny tany aho ka nandre feo nilaza tamiko hoe: Saoly, Saoly, nahoana ianao no manenjika Ahy? Ary izaho namaly hoe: Iza moa Hianao, Tompoko? Dia hoy Izy tamiko: Izaho no Jesosy avy any Nazareta, Izay enjehinao. » (Asan'ny Apostoly 22:6-8)
MINOA!
ARY AZA TAITRA MANDRAY VALIM-BAVAKA HAMPITOLAGAGA.

TSY MISY FETRA NY FAMINDRAMPON'ANDRIAMANITRA

Na dia olona tsy natahotra an'i Tompo
« Ny ota milaza ato am-poko ny amin'ny ratsy fanahy hoe: tsy misy fahatahorana an'Andriamanitra ao aminy. » (Salamo 36:1)
nisain-dratsy foana aza
« Faharatsiana no saintsaininy eo am-pandriany; mitsangana eo amin'ny lalana tsy mety izy; ny ratsy tsy mba laviny akory. » (Salamo 36:4)
dia hahazo famondrampo
« Endrey ny hatsaran'ny famindram-ponao, Andriamanitra ô! ka mialoka eo amin'ny aloky ny elatrao ny zanak'olombelona.Voky ny matavy ao an-tranonao izy; ary ny ony fampifalianao no ampisotroanao azy.Fa ao aminao no misy loharanon'aina; ny fahazavanao no hahitanay fahazavana. » (Salamo 36:7-9)
rehefa hanaiky hiverina Aminy
« Ampahareto amin'izay mahalala Anao ny famindram-ponao, ary ny fahamarinanao amin'ny mahitsy fo. » (Salamo 36:10)

MINOA,ARY AZA KETRAKA MAMPAHAFANTATRA IZANY!
MAHEREZA.

AMPIASAO NY FAHEFANAO OLON'I KRISTY HANDRAVA NY ASAN'NY MAIZINA

Voairaka mba hanoitra ny fanahy ratsy ianao
«... Nahare filazana avy tamin'i Jehovah izahay, Ary nisy iraka nalefa ho any amin'ny jentilisa hanao hoe: Mitsangàna, aoka isika hitsangana hanafika azy! » (Obadia 1)
hanongotra azy mba tsy hanankery intsony
« Noho ny fampahoriana an'i Jakoba rahalahinao dia ho voasaron-kenatra ianao Ka ho fongotra mandrakizay. » (Obadia 10)
ary hanampy anao ireo anjelin'i Tompo tsy hita isa
« Ary ataonao va fa tsy mahazo mangataka amin'ny Raiko Aho, dia haniraka anjely tsy omby roa ambin'ny folo legiona ho ety amiko Izy ankehitriny? » (Matio 26:53)
EFA RESY SATANA ARY HOPOROFOIN'I KRISTY @ ALALANAO IZANY!!
SAHIA!
MATOKIA.

HANDRAY AN-TANANA NY ANKOHONANAO OLONY KRISTY

Hahita fitia @ Andriamanitra ny ankohonanao
« Amin'izany andro izany, hoy Jehovah, dia ho Andriamanitry ny isam-pianakavian'ny Isiraely Aho, ary izy ho oloko. » (Jeremia 31:1)
hositraniny
« Fa hotanterahiko ny fanasitranana anao, eny, hositraniko ny faharatranao, hoy Jehovah, ...» (Jeremia 30:17)
harovany
« Fa momba anao hamonjy anao Aho, hoy Jehovah; Koa na dia levoniko aza ny firenena rehetra izay nampielezako anao, Hianao tsy mba holevoniko; Nefa kosa mba hanariko araka ny antonony ihany ianao, fa tsy dia havelako fotsiny. » (Jeremia 30:11)
ho ampiadaniny
« Fa Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, hoy Jehovah, dia hevitra hahatonga fiadanana, fa tsy loza, mba hanome anareo fanantenana ny amin'ny farany*.[Heb. farany sy fanantenana] » (Jeremia 29:11)
Derao Izy fa mendrika Azy izany
« Hihoby ny molotro raha mankalaza Anao; ny fanahiko koa izay efa navotanao;Ary ny lelako hitory ny fahamarinanao mandrakariva; fa efa menatra sy mangaihay izay mitady hanisy ratsy ahy. » (Salamo 71:23-24)
MINOA DIA HO TSAPANAO AVY HATRANY IZANY!!
MAHEREZA.

RAISO NY VALIM-BAVAKA MENDRIKA ANAO OLON'I KRISTY

Ambarao!ankalazao fa taona ankasitrahan'i Tompo izao
« Hitory taona ankasitrahan'i Jehovah sy andro famalian'Andriamanitsika, hampionona ny malahelo rehetra, » (Isaia 61:2)
hitsimbadika ny tantara ka ny vahiny indray no hanompo anao
« Ary ny vahiny honina ao ka hiandry ny ondry aman'osinareo, ary ny hafa firenena ho mpiasa tany sy ho mpamboatra tanim-boaloboka ho anareo, » (Isaia 61:5)
ary ho voatahy ianao
« Hanolotra ho an'ny malahelo ao Ziona, eny, hanome azy namama ho solon'ny lavenona, sy diloilo fifaliana ho solon'ny fahalahelovana, ary fitafiana fiderana ho solon'ny fanahy reradreraka, mba hanaovana azy hoe Hazon'ny fahamarinana, nambolen'i Jehovah ho fampisehoam-boninahitra. » (Isaia 61:3)
AZA MIERIKERIKA FA FIKIRO NY TENY FIKASANA EFA VOASORATRA HO ANAO!
MATOKIA!
MAHEREZA.

KRISTY HIADY HO ANAO OLONY FA IANAO KOSA HANGINA

Hitan'i Kristy io ianao be mpanenjika io
« Mamindrà fo aminay, Jehovah ô, mamindrà fo aminay; Fa tototry ny fanamavoana loatra izahay;Eny, tototry ny famingavingan'ny miadana ny fanahinay, Sy tototry ny fanamavoan'ny mpiavonavona. » (Salamo 123:3-4)
mitokisa fa tsy hahomby ireny
« Isaorana anie Jehovah, Izay tsy nanolotra antsika ho rembin'ny nifiny.Ny fanahintsika dia efa afaka tahaka ny vorona afaka tamin'ny fandriky ny mpihaza: Tapaka ny fandrika, ka afaka isika. » (Salamo 124:6-7)
ary katsaho hatrany izay hanavotana ny Jerosalemanao
« Mangataha fiadanana ho an'i Jerosalema; Hambinina anie izay tia anao;Fiadanana anie ho ao anatin'ny mandanao; Fanambinana anie ho ao an-dapanao » (Salamo 122:6-7)
MITRAKA TOHIZO NY LALANA TSARA EFA NOFIDINAO!
MAHEREZA.

MANEKE HO MPAMINANY HITONDRA HAFATRA AVY AMIN'I TOMPO IANAO OLONY

Voairaka hanomana ny fiavian'i Kristy eo an-tanananao ianao
« Indro, Izaho haniraka an'i Elia mpaminany ho aminareo, dieny tsy mbola tonga ny andron'i Jehovah, ilay lehibe sady mahatahotra; » (Malakia 3:23)
satria na ho voatahy io tanananao io
« Fa na firy na firy ny teny fikasan'Andriamanitra, dia ao aminy ny eny, ary amin'ny alalany koa ny Amena, ho voninahitr'Andriamanitra amin'ny ataonay. » (2 Korintiana 1:20)
na ho rava sy ho potika tanteraka
« fa Esao no halako, ka nataoko tany lao ny tendrombohiny, ary ny lovany natolotro ho an'ny amboadia any an-efitra. » (Malakia 1:3)
AZA AMELANA RAHA TSY LASAN'I KRISTY TANTERAKA I MADAGASIKARA E!
MAHEREZA.

IZAY ERITRERETINAO NO HITRANGA EO @ FIAINANAO

Izay misain-dratsy dia lasa izany no hitranga eo @ fiainany
« Faharatsiana no saintsaininy eo am-pandriany; mitsangana eo amin'ny lalana tsy mety izy; ny ratsy tsy mba laviny akory. » (Salamo 36:4)
izay mino ny famindrampon'Andriamanitra kosa dia miaina eo ambanin'ny fitahiany
« Endrey ny hatsaran'ny famindram-ponao, Andriamanitra ô! ka mialoka eo amin'ny aloky ny elatrao ny zanak'olombelona.Voky ny matavy ao an-tranonao izy; ary ny ony fampifalianao no ampisotroanao azy.Fa ao aminao no misy loharanon'aina; ny fahazavanao no hahitanay fahazavana. » (Salamo 36:7-9)
MANIRIA ZAVA-TSOA HATRANY ARY E!!!
MAHEREZA.

HANDRAY AN-TANANA NY FIAINANAO OLONY ANDRIAMANITRA

Tsy mitana fahatezerana Andriamanitra
« Iza no Andriamanitra tahaka Anao, Izay mamela heloka Sady mandalo ny fahadisoan'ny sisa amin'ny lovany? Tsy mitana ny fahatezerany ho mandrakizay Izy, Fa tia famindram-po. » (Mika 7:18)
ary tena mamela heloka
« Hamindra fo amintsika indray Izy Ka hanitsakitsaka ny fahotantsika, Eny, harianao ho any amin'ny ranomasina lalina ny fahotany rehetra. » (Mika 7:19)
satria efa noraisin'i Kristy zanany izany
« Isika rehetra dia samy efa nania tahaka ny ondry, samy efa nivily ho amin'ny lalantsika avy isika rehetra; ary nataon'i Jehovah nihatra taminy avokoa ny helotsika rehetra. » (Isaia 53:6)
Te-hamaha ny olanao Izy
« Koa ny oloko dia hahalala ny anarako; Eny, amin'izany andro izany dia ho fantany fa Izaho no miteny hoe: Inty Aho.» (Isaia 52:6)
RAISO IZANY,IAINO NY FIAINAM-PITSAHARANA MIARAKA AMINY ARY SAHIA KOA MAMELA NY HAFA!

FIKIRO KRISTY FA TSY MAITSY HANOME HOAVY MAMIRAPIRATRA HO ANAO OLONY IZY

Honeran'Andriamanitra avokoa izay fahavoazana nahazo anao olony
« Ary honerako ho anareo ilay taona nohanin'ny valala, dia ny koraika sy ny sompanga ary ny kijeja, izay miaramilako betsaka nalefako hamely anareo. » (Joela 2:25)
tsy ho menatra mandrakizay ianao
« Ary hihinana ianareo ka ho voky dia hidera ny anaran'i Jehovah Andriamanitrareo, fa mahagaga ny fitondrany anareo; Ary tsy ho menatra mandrakizay oloko. » (Joela 2:26)
ary satrinao hidera Azy dieny izao
« Ary ianareo, ry zanak'i Ziona, miravoravoa sy mifalia amin'i Jehovah Andriamanitrareo; Fa hanome anareo ny loha-orana onony Izy*, dia handatsaka ranonorana mivatravatra ho anareo, eny, ny loha-orana sy ny fara-orana aloha. [Na: Homeny mpampianatra ny fahamarinana ianareo] » (Joela 2:23)
MIVONONA HANDRAY IZANY!!
MAHEREZA.

FANTARO NY HASIN'NY TENANAO KRISTIANA

Aza manamaivana ny hasin'i Kristy ao anatinao ianao
« Aza omena ny alika izay masina; ary aza atsipy eo anoloan'ny kisoa ny vato soanareo*, fandrao hanitsaka azy izy, dia hifotitra ka hamiravira anareo. [*perilanareo] » (Matio 7:6)
satria te-hamoa voa tsara avy ao anatinao Izy
« ...ny hazo tsara rehetra dia mamoa voa tsara;... » (Matio 7:17)
Angataho fa hekeny ho olony ianao
« Koa ankehitriny mitsangàna, ry Jehovah Andriamanitra ô, ho amin'ny fitsaharanao, dia Hianao sy ny fiaran'ny herinao; aoka ny mpisoronao hitafy famonjena, Jehovah Andriamanitra ô. ary aoka ny olonao masina hifaly amin'ny soa.Ry Jehovah Andriamanitra ô, aza lavinao ny voahosotrao; tsarovy ny famindram-po nampanantenaina an'i Davida mpanomponao. » (2 Tantara 6:41-42)
TSAROVY LALANDAVA FA MIAVAKA IANAO EO ANATREHANY!!!
MAHEREZA.


..

HANOME MIHOATRA NOHO IZAY ERITRERETINAO NY TOMPO

Avy @ Andriamanitra ny fitahiana anao
« Ary niteraka zazalahy ravehivavy, ka ny anarany nataony hoe Samsona; dia nitombo ny zaza, ary Jehovah nitahy azy. » (Mpitsara 13:24)
ny tanjakao
« Dia nilatsaka tamin'i Samsona ny Fanahin'i Jehovah, ary ilay liona tanora dia nosamatsamahiny hoatra ny fanasamaka zanak'osy, nefa tsy nisy na inona na inona teny an-tànany; ary tsy nambarany tamin'ny rainy na tamin'ny reniny izay efa nataony. » (Mpitsara 14:6)
ny fikatsahana izay hahasoa anao
« Ary hoy Josefa taminy: Aza matahotra; fa moa solon'Andriamanitra va aho? Hianareo no nisaina hanisy ratsy ahy; fa Andriamanitra kosa nisaina izany ho soa, hanao tahaka ny amin'izao anio izao, hamelona olona betsaka. » (Genesisy 50:19-20)
ny fahafahanao miady @ ratsy
« Raha ny mahery mivonona amin'ny fiadiany no miaro ny tranony, dia tsy haninona ny fananany. » (Lioka 11:21)
NY ANJARANAO DIA NY MANDRAY SY MAMPIASA IZANY HO ANAO SY HO AN’NY HAFA !
MATOKIA

EFAO NY ADIDINAO @ MAHA-ZANAK'ANDRIAMANITRA ANAO

Maniraka anao ny Tompo mba hilaza
« Ary Jehovah naniraka ny mpaminany mpanompony rehetra ho any aminareo, .. » (Jeremia 25:4a)
fa tokony hialana ny ratsy
« Samia miala amin'ny lalan-dratsinareo avy ianareo sy amin'ny ratsy fanaonareo, ka dia honina any amin'ny tany izay nomen'i Jehovah anareo sy ny razanareo hatrizay ka ho mandrakizay. » (Jeremia 25:5)
ary Kristy ihany no Tompoina
« Ary aza manaraka andriamani-kafa hanompo azy sy hiankohoka eo anatrehany, ary aza mampahatezitra Ahy amin'ny asan'ny tananareo, fandrao hahatonga loza aminareo Aho. » (Jeremia 25:6)
Izay manaiky izany dia ho voatahy
« Fa hojeren'ny masoko izy mba hanasoavako azy ka hampodiko ho amin'ity tany ity; ary haoriko izy, ka tsy horavako; ary hamboleko izy, fa tsy hongotako.Ary homeko fo hahalalany Ahy ho Jehovah izy; dia ho oloko izy, ary Izaho kosa ho Andriamaniny; fa hiverina amiko amin'ny fony rehetra izy. » (Jeremia 24:6-7)
HITOMBO HATRANY IREO OLOM-BOAVONJY @ ALALANAO!!!
MATOKIA!
MAHEREZA.

MANANA PLANINA LAFATRA HO ANAO OLONY KRISTY

Aza miala @ Kristy satria Izy mihitsy no te-hifandray aminao
« Ary honina any amin'ny tany izay nomeko ny razanareo ianareo, ka ho oloko ianareo, ary Izaho ho Andriamanitrareo. » (Ezekiela 36:28)
sy te-hamonjy
« Ary hovonjeko ho afaka amin'ny fahalotoanareo rehetra ianareo, ary hantsoiko sy hataoko vokatra ny vary, ary tsy hanaterako mosary intsony ianareo; » (Ezekiela 36:29)
ary te-hitahy anao mba hahatonga anao tsy ho voalatsa
« ary hataoko vokatra koa ny voankazo sy ny vokatry ny saha, mba tsy ho voalatsan'ny jentilisa amin'ny mosary intsony ianareo. » (Ezekiela 36:30)
MITRAKA!
AVELAO IZY HAMITA IZANY EO @ JEROSALEMANAO!!
MAHEREZA.

TSY MAHAZAKA NY HERIN'I KRISTY AO ANATINAO SATANA

Ny olon'i Kristy dia olom-boahosotra
« Ny Fanahin'i Jehovah no ato amiko, Satria nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin'ny malahelo Izy; Naniraka Ahy hitory fandefasana amin'ny mpifatotra Izy, Sy fampahiratana amin'ny jamba, Hanafaka izay nampahorina, » (Lioka 4:18)
hiaro ny voninahitr'Andriamanitra
« fa tendreo izy hitandrina ny tabernakelin'ny Vavolombelona sy ny fanaka rehetra ary ny zavatra rehetra izay momba azy; fa izy no hitondra ny tabernakely sy ny zavatra rehetra momba azy sady hanao fanompoam-pivavahana ao; ary manodidina ny tabernakely no hitobiany. » (Nomery 1:50)
ho vavolombelony maneran-tany
« Fa hahazo hery ianareo amin'ny hilatsahan'ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran'i Jodia sy Samaria ary hatramin'ny faran'ny tany. » (Asan'ny Apostoly 1:8)
handavo ny fahavalo
« Ny tehin'ny herinao Havoak'i Jehovah avy ao Ziona; Manapaha eo amin'ny fahavalonao Hianao. » (Salamo 110:2)
HIVOAKA MPANDRESY FOANA IANAO @ IZAY ZAVATRA HATAONAO!!
MATOKIA.

IRAKA HITONDRA FANOVANA IANAO ZANAK'ANDRIAMANITRA



Irak'i Kristy hitondra ny hafany ianao
« Ary hoy Andriamanitra tamin'i Mosesy: IZAHO, IZAY IZY HATRIZAY HATRIZAY KA HO MANDRAKIZAY. Ary hoy koa Izy: Izao no holazainao amin'ny Zanak'Isiraely: IZAHO IZAY Izy no efa naniraka ahy ho aty aminareo. » (Eksodosy 3:14)
mba hamahany ny olana eo @ Jerosalemanao
« Ary hoy Jehovah: Efa hitako tokoa ny fahorian'ny oloko izay any Egypta, ary efa reko ny fitarainany noho ny ataon'ny mpampiasa azy; eny, fantatro ny alahelony;dia efa nidina Aho izao hamonjy azy amin'ny tanan'ny Egyptiana ka hitondra azy hiakatra hiala amin'izany tany izany ho any amin'izay tany soa sy malalaka, dia any amin'izay tany tondra-dronono sy tantely, any amin'ny tanin'ny Kananita sy ny Hetita sy ny Amorita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita. » (Eksodosy 3:7-8)
Homeny famantarana manokana mba hinoanao izany ianao
« Ary namaly Mosesy ka nanao hoe: Indro, tsy hino ahy na hihaino ny feoko izy, fa hanao hoe: Tsy niseho taminao Jehovah.Ary hoy Jehovah taminy: Inona moa iny an-tananao? Dia novaliany hoe: Tehina ity.Ary hoy Izy: Atsipazo amin'ny tany iny. Dia natsipiny tamin'ny tany ka tonga menarana, dia nandositra azy Mosesy.Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Ahinjiro ny tananao, ka raiso amin'ny rambony iny, dia naninjitra ny tànany izy ka nandray azy; dia tonga tehina teo an-tànany indray izy mba hinoan'ireo fa efa niseho taminao Jehovah, Andriamanitry ny razany, dia Andriamanitr'i Abrahama sy Andriamanitr'Isaka ary Andriamanitr'i Jakoba. » (Eksodosy 4:1-5)
AZA MIAHOTRA FA VITANAO IO!MILA ANAO KRISTY!
MAHEREZA.

HITODIKA AMINAO ZANAK'ANDRIAMANITRA IZAO TONTOLO IZAO

Hampatanjaka ny fiainam-panahinao Kristy
« Ary Jehovah hitari-dalana anao mandrakariva sady hahavoky ny fanahinao ao amin'ny tany karankaina aza sy hampahatanjaka ny taolanao; dia ho tahaka ny saha vonton-drano ianao sy ho tahaka ny loharanao miboiboika izay tsy mety ritra. » (Isaia 58:11)
hahatonga h@ taranakao hazoto hanangana ny fanjakany
« Ary izay taranakao no hanangana ny efa rava ela, ary ny naorina hatry ny fony fahagola no hamboarinao; ary ianao dia hatao hoe mpamboatra ny rava, mpamelon-dalana honenana amin'ny tany. » (Isaia 58:12)
izay hahaliana ny maro maneran-tany
« Ary izay lavitra dia ho avy ka hanao ao amin'ny tempolin'i Jehovah, ka dia ho fantatrareo fa Jehovah, Tompon'ny maro, no naniraka ahy ho aminareo. Dia ho tonga izany, raha hazoto hihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitrareo ianareo. » (Zakaria 6:15)
MINOA FA HITONDRA RIVOM-BAOVAO EO @ TONTOLO ARAM-PANAHY IANAO!!!
MAHEREZA.

AZO ANTOKA FA HOTAHIAN'ANDRIAMANITRA IZAY TENA MANAIKY HO ZANANY

Homen'Andriamanitra voninahitra @ fombany ianao zanany
« Dia nitenenany soa izy, ka ny seza fiandrianany dia nataony ambony noho ny seza fiandrianan'ireo mpanjaka namany tao Babylona. » (Jeremia 52:32)
homeny fofon'aina vaovao
« Ary rehefa nilaza izany Izy, dia nanisy fofonaina, ka hoy Izy taminy; Raiso ny Fanahy Masina; » (Jaona 20:22)
ary hokarakarainy @ fombany @ lafiny rehetra
« Ka dia novan'i Joiakina ny fitafiany fony izy mbola tao an-trano-maizina; ary nihinan-kanina teo anatrehany mandrakariva izy tamin'ny andro niainany rehetra.Ary ny hanina nohaniny dia hanina homena avy amin'ny mpanjakan'i Babylona, araka ny tokony ho anjarany isan'andro isan'andro tamin'ny andro rehetra niainany mandra-pahafatiny.» (Jeremia 52:33-34)
EFAO IZAY ANJARA ANIRAHANY ANAO DIA AZY NY SISA!!!
MINOA.

HOAVY MAMIRAPIRATRA NO MIANDRY NY JEROSALEMANAO OLON'I KRISTY

Voahosotra mba hamaha ny olana rehetra izay hiteraka fanovana eo @ fiainan'izay mandray azy
« Ny Fanahin'i Jehovah Tompo no ato amiko, satria Jehovah efa nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin'ny mpandefitra, efa naniraka Ahy hahasitrana ny torotoro fo Izy, ary hitory fanafahana amin'ny babo sy hamoaka ny ao an-trano-maizina ho amin'ny mazava,Hitory taona ankasitrahan'i Jehovah sy andro famalian'Andriamanitsika, hampionona ny malahelo rehetra,Hanolotra ho an'ny malahelo ao Ziona, eny, hanome azy namama ho solon'ny lavenona, sy diloilo fifaliana ho solon'ny fahalahelovana, ary fitafiana fiderana ho solon'ny fanahy reradreraka, mba hanaovana azy hoe Hazon'ny fahamarinana, nambolen'i Jehovah ho fampisehoam-boninahitra. » (Isaia 61:1-3)
ary hanangana hoavy azo antoka Kristy ao anatinao
« Koa hatsangana ny efa rava hatry ny fony fahagola, ary hamboarina ny efa lao hatramin'ny fahiny, dia hohavaozina indray ny tanàna rava, Izay efa lao hatramin'ny taranaka lasa ela. » (Isaia 61:4)
EFA MANANGANA IZY IZAO ARY TSY HIJANONA INTSONY MANDRAMPAHAVITANY!!
MATOKIA.

KRISTY ILAY ONY MAHAGAGA

Kristy dia ony mitondra fitahiana
« Ary ny zava-manan'aina rehetra sesehena na aiza na aiza alehan'ny ony tondraka dia ho velona, ka hisy hazandrano sesehena; fa nony tonga ao ity rano ity, dia ho sitrana izy, ary ho velona izay rehetra hidiran'ny ony.» (Ezekiela 47:9)
ho anao
« Izay mino Ahy, dia hisy onin'ny rano velona miboiboika avy ao an-kibony, araka ny voalazan'ny Soratra Masina. » (Jaona 7:38)
ho an'i Jerosalemanao
« Ary amin'izany andro izany dia hisy rano velona hivoaka avy any Jerosalema, ka ny antsasany hankany amin'ny ranomasina atsinanana, ary ny antsasany hankany amin'ny ranomasina andrefana, na amin'ny fahavaratra na amin'ny ririnina dia samy hisian'izany. » (Zakaria 14:8)
izay hiova toy ny saha Edena
« Ary nisy ony nivoaka avy tao Edena handena ny saha; hatreo izy dia nizara ka nisampana efatra: » (Genesisy 2:10)
ho an'izao tontolo izao
« Ary izy naneho ahy onin'ny ranon'aina, manganohano tahaka ny vato krystaly, nivoaka avy teo amin'ny seza fiandrianan'Andriamanitra sy ny Zanak'ondry teo afovoan'ny lalambeny. Ary teny andaniny roa amin'ny ony nisy hazon'aina mamoa voa roa ambin'ny folo samy hafa sady mamoa isam-bolana; ary ny ravin'ny hazo dia ho fanasitranana ny firenena maro. » (Apokalypsy 22:1-2)
HANAFAINGANA NY FAHATANTERAHAN'IZANY NY FAHAZOTOANAO MIARA-MIASA AMINY!!!
MATOKIA!
MAHEREZA.

AFA-DOZA IZAY MIBEBAKA MARINA

Aleo mibebaka
« Koa ataovy amin'ny taranak'Isiraely hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Mibebaha, dia miambohoa ny sampinareo sy ny fahavetavetanareo rehetra; eny, miambohoa ireny. » (Ezekiela 14:6)
fa tsy ho zaka raha tratran'ny fahatezeran'Andriamanitra
« Fa na iza na iza amin'ny taranak'Isiraely, na amin'ny vahiny izay mivahiny eo amin'ny Isiraely, no misaraka amiko ka mampiorina ny sampiny ao am-pony ary mametraka ny fahatafintohinana mahameloka azy eo anoloany sady manatona ny mpaminany hanontany amiko, dia Izaho Jehovah ihany no hamaly azy araka izay toetro;ary hanandrina izany olona izany ny tavako, ka hataoko mahita loza izy mba ho famantarana sy ho ohabolana, ary hofongorako tsy ho eo amin'ny oloko izy; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah. » (Ezekiela 14:7-8)
na hitranga ary anefa izany izay ankasitrahany avotra foana
« na dia ao aza ireto telo lahy ireto, dia Noa sy Daniela ary Joba, dia ny tenany ihany no ho voavonjiny noho ny fahamarinany, hoy Jehovah Tompo. » (Ezekiela 14:14)
MAZOTOA ARY MAMPAHAFANTATRA IZANY,
MINOA FA HAHAVITA MIHOATRA NOHO I JAONA MPANAO BATISA IANAO!!!

TADIAVO KRISTY DIA HITADY ANAO KOA IZY

Tadiavo @ fonao rehetra Kristy dia hahita Azy ianao
« Ary hitady Ahy ianareo, dia ho hitanareo Aho, raha katsahinareo amin'ny fonareo rehetra. » (Jeremia 29:13)
ary manomboka eo dia ho tsapanao fa afaka resahanao
« Ary hiantso Ahy ianareo ka handeha sy hivavaka amiko, dia hihaino anareo Aho. » (Jeremia 29:12)
sy hampiadana anao
« Fa Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, hoy Jehovah, dia hevitra hahatonga fiadanana, fa tsy loza, mba hanome anareo fanantenana ny amin'ny farany*.[Heb. farany sy fanantenana] » (Jeremia 29:11)
Izy,
HAHAZO HERY IANAO SADY HO SAHY HANITATRA HAINGANA NY FANJAKANY!!
MINOA.

MILA OLONA AFAKA AMPIASAINY KRISTY

Tsy maitsy ho tanteraka ireo Teny voasoratra
« Fa ho moramora kokoa ny hahafoanan'ny lanitra sy ny tany noho ny hahafoanan'ny tendron-tsoratra iray monja aza amin'ny lalàna. » (Lioka 16:17)
Kristy ao anatinao vonona hanaporofo izany
« Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany; tsy tonga Aho handrava, fa hanatanteraka. » (Matio 5:17)
Sambatra ianao izay manaiky ampiasainy
« Sambatra ianareo, raha haratsin'ny olona sy enjehiny ary asiany izay teny ratsy rehetra hitenenany lainga anareo noho ny amiko.Mifalia sy miravoravoa ianareo, fa lehibe ny valim-pitianareo any an-danitra; fa toy izany ihany no nanenjehany ny mpaminany izay talohanareo. » (Matio 5:11-12)
TSY HANENENANAO MANDRAKIZAY RAHA HANAIKY HO ISAN'IZANY IANAO!!!
MAHEREZA.