"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

HAHERY VAIKA AO ANATINAO OLON’I KRISTY NY FANAHY MASINA


Ny Fanahy Masina dia herin'Andriamanitra madiodio fa tsy miankina @ fahaiza-miteny
« ary ny teniko sy ny toriteniko dia tsy tamin'ny teny fahendrena mahataona, fa tamin'ny fanehoan'ny Fanahy sy ny hery, » (1 Korintiana 2:4)
na fahendren'olombelona
« mba tsy niorenan'ny finoanareo amin'ny fahendren'ny olona, fa amin'ny herin'Andriamanitra ihany. » (1 Korintiana 2:5)
AMPIASAO fa hitondra anao lavitra
« Fa hahazo hery ianareo amin'ny hilatsahan'ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran'i Jodia sy Samaria ary hatramin'ny faran'ny tany. » (Asan'ny Apostoly 1:8)
FOANY NY MAHA-OLONA ANAO DIA HAMPITSIMBADIKA NY FIAINANAO IZANY ARY HITONDRA “TRANSFORMATION “IANAO!!!
MINOA!!

MITONIA,HATREO MIARAKA @ KRISTY NY ZAVATRA REHETRA

Tsy hanadino anao olony ny Tompo
« Mety manadino ny zanany minono va ny vehivavy ka tsy hamindra fo amin'ny zanaka naloaky ny kibony? Eny, mety manadino ihany izy, Fa Izaho kosa tsy mba manadino anao. » (Isaia 49:15)
n'inona n'inona toe-javatra manodidina dia manome antoka Izy fa hiahy anao
« ka hanao amin'ny mpifatotra hoe: Mivoaha, Ary amin'izay ao amin'ny maizina hoe: Misehoa; hihinana eny an-dalana izy, ary na dia any an-tendrombohitra mangadihady aza dia hisy ahitra ho azy ihany; . » (Isaia 49:9)
MIFALIA HO MARIKY NY FINOANA
« Mihobia, ry lanitra! Ary mifalia, ry tany! Ka velomy ny hoby, ry tendrombohitra! Fa Jehovah efa nampionona ny olony sy mamindra fo amin'ny olony mahantra. » (Isaia 49:13)
MAHEREZA.

AZA AVOTOTRA IREO TENY FIKASANA MENDRIKA ANAO OLON’I KRISTY


Mila mifanompo ny samy kristiana
« Koa raha Izaho, Tompo sy Mpampianatra aza, no nanasa ny tongotrareo, ianareo kosa mba tokony hifanasa tongotra. » (Jaona 13:14)
mifanitsy koa mba ho tanteraka ireo teny fikasana mendrika azy
« Ny fanekeko taminy dia fiainana sy fiadanana; ary nomeko azy ho fahatahorana izany, ka dia natahotra Ahy sy nangovitra teo anatrehan'ny anarako izy.Ny lalàn'ny fahamarinana no teo am-bavany, ary tsy mba nisy tsi-fahamarinana teo amin'ny molony; tamin'ny fiadanana sy ny fahitsiana no niarahany nandeha tamiko, ary maro no nampialainy tamin'ny heloka. » (Malakia 2:5-6)
sao vototra ka loza no hitranga
« Raha tsy hihaino na handatsaka am-po ka hanome voninahitra ny anarako ianareo, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, dia halefako hamely anareo ny ozona, ka hozoniko ny tso-drano ataonareo; eny, efa voaozoko sahady izany, satria tsy nandatsaka am-po ianareo. » (Malakia 2:2)
SAHIA!!
ANDEHA HANAPOROFO FA IAINANTSIKA IREO TESTAMETA VOASOTRA HO ANTSIKA E!!!

ANA AO @ KRISTY IANAO

Na dia tahaka ny any an-tany efitra aza ny manodidina dia hahita rano mafana ianao ho taratry ny vaha-olana mahagaga
« Ary izao no zanakalahin'i Zibona: Aia sy Ana (izany Ana izany ilay nahita ny ranomafana tany an-efitra, raha niandry ny borikin'i Zibona rainy izy). » (Genesisy 36:24)
MINOA
« Indro, Izaho no Jehovah, Andriamanitry ny nofo rehetra; moa misy zava-mahagaga izay tsy haiko va? » (Jeremia 32:27)

ARARAOTY!


Hinoy ny Tenin'Andriamanitra izay voarainao h@ izay fa hisy vokatra mihoatra lavitra noho izay eritreretinao
« Ary hoy Izy taminy: Diniho izay teny renareo; araka ny ohatra anoharanareo ihany no hanoharana ho anareo, ary homena mihoatra aza ianareo. » (Marka 4:24)
aza atao ho very fotsiny
« Fa izay manana no homena; ary ny amin'ny tsy manana, na dia izay ananany aza dia halaina aminy. » (Marka 4:25)
IZAO NO FOTOANA ANAVAHAN’ANDRIAMANITRA ANAO OLONY E!!!
MAHEREZA.

ELISA AO @ KRISTY IANAO

Nety nanana ny andraikitra natao no voaantso « Ary niala teo Elia ka nahita an'i Elisa, zanak'i Safata, izay nampiasa omby efatra amby roa-polo mikambana tsiroaroa avy, fa izy teo amin'ny roa farany indrindra; ary Elia nandroso nanatona azy, dia nanipy ny kapôtiny hanarona azy. » (1 Mpanjaka 19:19)
dia nanaiky ka namela izany ary vonona hanaraka izay tari-dalana vaovao
« Dia niverina niala taminy indray izy ka naka ny omby roa mikambana, dia namono azy, ary nandrahoiny* tamin'ny hazo fiasàn'ny omby ny henany ka nomeny ny olona, dia nihinana ireo; ary niainga izy ka nanaraka an'i Elia, dia nanompo azy.[Na: natonony] » (1 Mpanjaka 19:21)
MIVONONA HIOVA MBA HITONDRA FANOVANA!!!!
TRATRY NY FETY E!!!

AZA MENATRA MILAZA NY SAFIDINAO


Ny olon'i Kristy dia sahy mijoro @ finoany « Voahombo miaraka amin'i Kristy amin'ny hazo fijaliana aho, ary tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko; fa izay ivelomako ankehitriny eo amin'ny nofo dia ivelomako amin'ny finoana ny Zanak'Andriamanitra, Izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy. » (Galatiana 2:20)
ny olon'izao tontolo izao na mino aza dia tsy sahy mijoro fa sao mihena ny voninahiny
« Kanefa maro tamin'ny mpanapaka aza no nino Azy; nefa noho ny Fariseo dia tsy nanaiky ireo, fandrao havoaka hiala amin'ny synagoga.Fa tia ny voninahitra avy amin'ny olona izy ireo, fa tsy ny voninahitra avy amin'Andriamanitra. » (Jaona 12:42-43)
SAHIA MILAZA HOE IZA IANAO?
MAHEREZA!!!

TAHAKA NY TABERNAKELY AO @ KRISTY IANAO

Hametraka famantarana @ fombany Kristy fa ho eo foana hiara-hiatrika ny zavatra rehetra aminao na andro na alina
« Ary tamin'ny andro izay nananganana ny tabernakely ny rahona dia nanarona ny tabernakely, dia ny trano-lain'ny Vavolombelona; ary nony hariva dia niseho teo ambonin'ny tabernakely tahaka ny afo izy mandra-pahamarain'ny andro. » (Nomery 9:15)
HOMBA ANAO @ LAFINY REHETRA NY TOMPO!!!
MINOA!!!
MAHEREZA.

AZA MATAHOTRA!

Na hisy aza ny fandringanana dia tsy ho azon'izany ianao izay mifikitra @ Kristy nefa mila manaiky hotefeny kosa
« Aza matahotra ianao, ry Jakoba mpanompoko, hoy Jehovah, fa momba anao Aho; Fa na dia levoniko aza ny firenena rehetra izay nandroahako anao, ianao tsy mba holevoniko, nefa kosa mba hanariko araka ny antonony ihany ianao, fa tsy dia havelako fotsiny. » (Jeremia 46:28)
vao hiadana
« Fa aza matahotra ianao, ry Jakoba mpanompoko, ary aza mivadi-po, ry Isiraely; Fa, indro, hovonjeko avy any amin'ny lavitra ianao, ary ny taranakao avy any amin'ny tany nahababo azy; Dia hiverina Jakoba ka hiadana, eny, handry fahizay izy, ka tsy hisy hanaitaitra azy. » (Jeremia 46:27)
SAHIA MIHIAKA MAFY HOE:”MAHATOKY ANAO AHO KRISTY O!!!” MAHEREZA.

OLON’NY SAHA EDENA IZAY OLON’I KRISTY MANAJA NY ASANY


Sahia miaina tahaka ny ao @ saha edena mazoto miasa sy mitandrina ny fananan'Andriamanitra izay nampaindraketany anao
« Ary Jehovah Andriamanitra nitondra an-dralehilahy ka namponina azy tao amin'ny saha Edena hiasa sy hitandrina azy. » (Genesisy 2:15)
satria ianao miasa ho Azy
« ary na inona na inona no ataonareo, dia ataovy amin'ny fo, tahaka ny ho an'ny Tompo, fa tsy ho an'olona, » (Kolosiana 3:23)
ANDEHA SAMY HIFANDROMBAKA HILAZA HOE:IZAHO IZANY KRSTY O!!!
SA AHOANA E?

HOMANY NY LALANA HIVANTANAN’I KRISTY


Hahita ny vokatry ny herin'i Kristy ny nofo rehetra
« Ary ny nofo rehetra hahita ny famonjen'Andriamanitra. » (Lioka 3:6)
voatendry ianao olony hanomana ny lalana hahatongavana @ izany
« ... Injany! misy feon'ny miantso mafy any an-efitra hoe: Amboary ny lalan'i Jehovah, Ataovy mahitsy ny lalan-kalehany.Ny lohasaha rehetra hototofana, Ary ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra haetry, Ary ny meloka hahitsy, Ary ny lalana mikitoantoana hohamarinina; » (Lioka 3:4-5)
Efa akaiky ilay kanana « Tsy ho noana na hangetaheta izy, ary tsy hamely azy ny hainandro migaingaina na ny masoandro; fa Izay mamindra fo aminy no hitarika azy, ary any amin'ny loharano miboiboika no hitondrany azy. » (Isaia 49:10)
TSY HO ELA DIA HANJAKA TANTERAKA @ LAFINY REHETRA NY TOMPO SATRIA NISY IANAO NINO SADY MBOLA MIASA MANOMANA IZANY @ ANARANY!!!
TOHIZO!!!

IZAY ZAVA-TSOA AO ANATINAO AMBARAO


Metenena an'izay teny faminaniana asain'ny Tompo ambaranao
« Mpaminany no hatsangako ho azy avy amin'ny rahalahiny, tahaka anao, ka hataoko ao am-bavany ny teniko, ary holazainy aminy izay rehetra handidiako azy. » (Deotoronomia 18:18)
zava-tsoa izany ka ny anajaranao dia ny milaza fa an'Andriamanitra ny sisa
« Ary izay rehetra tsy mihaino ny teniko, izay holazainy amin'ny anarako, dia Izaho no hitsara azy. » (Deotoronomia 18:19)
SAHIA.
TSY ALEO VE NY FILAZAN-TSARA NO HALAZA MIHOATRA NY ZAVATRA REHETRA E!!!
MILA ANAO!!!MILA ANAO HIZARA NY TOMPO!!!
TSAPANAO VE IZANY!!!
MAHEREZA!!!

IZAY MAHASOA ANAO HATRANY NO KATSAHAN’ANDRIAMANITRA


Mpananatra mahatoky ny Tompo
« Ary tandremo izay asain'i Jehovah Andriamanitrao hotandremana handehananao amin'ny lalany hitandremanao ny lalàny sy ny didiny sy ny fitsipiny ary ny teni-vavolombelony, araka ny voasoratra ao amin'ny lalan'i Mosesy, mba hataonao lavorary avokoa izay rehetra hataonao sy izay rehetra halehanao, » (1 Mpanjaka 2:3)
raha mangataka Aminy ianao dia homeny
« dia, indro, efa nanao araka ny teninao Aho, ka indro, efa nanome anao saina hendry sady mahiratra, ka tsy nisy tahaka anao ny teo alohanao, ary tsy hisy ho tahaka anao ny ato aorianao. » (1 Mpanjaka 3:12)
homeny mihoatra aza
« Ary na izay tsy nangatahinao aza dia efa nomeko anao koa, dia harena sy voninahitra, ka tsy hisy* mpanjaka tahaka anao amin'ny andronao rehetra.[Na: nisy] » (1 Mpanjaka 3:13)
raha mivadika Aminy kosa dia ho faiziny
« Ka dia hoy Jehovah tamin'i Solomona: Satria efa tonga ao am-ponao izao, ka tsy notandremanao ny fanekeko sy ny didiko izay nandidiako anao, dia hendahako ho afaka aminao tokoa ny fanjakana ka homeko ny mpanomponao. » (1 Mpanjaka 11:11)
TSY TIANY HO VERY IANAO!!!
ANAO NY SISA!!!
MAHEREZA!!!

HAMETRAKA ANAO HO LOHANY NY TOMPO


Hanavotra anao @ fombany avy eo @ toeraka nanahirana anao ny Tompo
« Manangana ny malahelo hiala amin'ny vovoka Izy Ary manandratra ny mahantra ho afaka eo amin'ny zezika, » (Salamo 113:7)
mihoatra noho izany aza ho lasa mpanapaka ianao raha manaiky ho volavolainy
« Mba hametraka azy ho naman'ny mpanapaka ny olony. » (Salamo 113:8)
MANEKE HO TEFENY FA TSY MAITSY HO TAFITA IANAO E!
MAHEREZA.

MISAORA @ ZAVATRA REHETRA


Rehefa noana isika mahay mangataka nefa manafatra ny Tompo anio hoe rehefa voky dia aoka mba hisaotra Azy
« Ary rehefa nihinana ianao ka voky ary misaotra an'i Jehovah Andriamanitrao noho ny tany soa izay nomeny anao, » (Deotoronomia 8:10)
dia hajao Izy izay namindra fo taminao
« dia mitandrema, fandrao hadinoinao Jehovah Andriamanitrao, ka tsy tandremanao ny didiny sy ny fitsipiny ary ny lalàny, izay andidiako anao anio; » (Deotoronomia 8:11)
HITONDRA FITAHIANA FANAMPINY HO ANAO NY FANAOVANA IZANY!!!
MAHEREZA!!!

RAISO NY ANDRAIKITRA RY OLON’NY KRISTY


Mpandrava ny fanahy rehetra manohitra ny sitrapon'Andriamanitra ianao olon'i Kristy
« fa mandrava ny fisainana sy ny zavatra avo rehetra izay atsangana hanohitra ny fahalalana an'Andriamanitra izahay ka mamabo ny hevitra rehetra hanaiky an'i Kristy, » (2 Korintiana 10:5)
hahomby ianao satria ny herin'ny fanahy masina no hanao izany
« Ny fiandranandran'ny mason'ny zanak'olombelona dia haetry, Ary ny fiavonavonan'ny olona hatao mitanondrika; Fa Jehovah ihany no hisandratra amin'izany andro izany. » (Isaia 2:11)
FOTOANA FANAPOROFOINA NY MAHA-ZANAKIN’NY MAZAVA ANAO IZAO !!!
SAHIA !!!
FAHAVALO EFA RESY SATANA SY NY FOROGONY !!!
SA AHOANA E !

MIFANAMPIA RY MPIANAKAVIN’NY FINOANA


Izay afafy no jinjaina
« Aza mety hofitahina ianareo; Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin'ny olona no hojinjany. » (Galatiana 6:7)
noho izany manaova soa fa tsy hanenenanao izany
« Ary aza mba ketraka amin'ny fanaovan-tsoa isika; fa amin'ny fotoan'andro no hijinjantsika, raha tsy reraka isika. » (Galatiana 6:9)
jereo ny mpanompon'Andriamanitra
« Koa araka ny ananantsika andro hanaovana, dia aoka isika hanao soa amin'ny olona rehetra, indrindra fa amin'ny mpianakavin'ny finoana. » (Galatiana 6:10)
mifanompoa @ fitiavana
« Fa efa nantsoina ho amin'ny fahafahana ianareo, ry rahalahy; kanefa aoka tsy ho entinareo hanaraka ny nofo izany fahafahana izany, fa mifampanompoa amin'ny fitiavana.Fa tanteraka amin'ny teny iray ihany ny lalàna rehetra, dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao  » (Galatiana 5:13-14)

MIORENA ,AZA MIOVA


Satria nijoro tsara tahaka an'i Finehasa ianao dia hihena ny fahatezeran'Andriamanitra
« Finehasa, zanak'i Eleazara, zanak'i Arona mpisorona, nampiala ny fahatezerako tamin'ny Zanak'Isiraely, raha firehitra noho ny fitiavany Ahy izy; ka dia tsy nataoko lany ringana ny Zanak'Isiraely tamin'ny firehetan'ny fahatezerako. » (Nomery 25:11)
ary hihavana @ ny Tompo ianao
« Ary noho izany dia lazao hoe: Indro, omeko azy ny faneken'ny fihavanako; » (Nomery 25:12)
sy ny taranakao
« ary izy sy ny zanany mandimby azy no hanana izany ho faneken'ny fisoronana mandrakizay, satria nirehitra noho ny fitiavany an'Andriamaniny izy ka nanao fanavotana ho an'ny Zanak'Isiraely. » (Nomery 25:13)
HITONDRA FANOVANA IANAO !!!
MIVONONA !!!
MAHEREZA !!!

HISY AKONY H@ TARANAKAO NY FAHASOAVANA ZARAINAO OLON’I KRISTY


Fikiro ny finoanao ary manaova soa @ alalan'ilay fanahy maherin'i Kristy ao anatinao fa hahomby izany
« Ary rehefa nahita azy Jesosy, dia niantso azy ka nanao taminy hoe: Ravehivavy, afaka amin'ny rofinao ianao.Dia nametraka ny tànany taminy Izy; ary niaraka tamin'izay dia nitraka ravehivavy sady nankalaza an'Andriamanitra. » (Lioka 13:12-13)
ary hisy akony aminao sy ny taranakao
« Ary hoy Davida taminy: Aza matahotra, fa hasiako soa tokoa ianao noho ny amin'i Jonatana rainao, ary hampodiko ho anao ny tany rehetra izay an'i Saoly rainao, ary ianao hihinana eo amin'ny latabatro mandrakariva. » (2 Samoela 9:7)
MARO NY OLONA KIVY @ IZAO VANIM-POTOANA IZAO,MILA ANAO IZY IRENY !!!
MIVONONA HAMPAHERY NY HAFA !!!
SAHIA.

MAHERY TENA MAHERY NY HERIN’I KRISTY AO ANATINAO OLONY


Manana ny herin'i Kristy ianao mba ahafahanao miatrika ny zavatra rehetra araka ny toem-panahy araka an'Andriamanitra
« Efa nomen'ny herin'Andriamanitra ho antsika ny zavatra rehetra momba ny fiainana sy ny toe-panahy araka an'Andriamanitra amin'ny fahalalana Ilay niantso antsika tamin'ny voninahiny sy ny fahatsarany*; [* Na: [tamin'ny voninahitra sy ny fahatsarana] » (2 Petera 1:3)
sy mpiray fomba Aminy
« ary izany no nahatanterahany amintsika ireo teny fikasana sady soa no lehibe indrindra, mba ho tonga mpiray amin'ny fomban'Andriamanitra amin'izany ianareo, rehefa afa-nandositra ny fahalotoana izay eo amin'izao tontolo izao noho ny filàna; » (2 Petera 1:4)
MINOA !
DIA TENA HIAINA AO @ FANJAKAN’ANDRIAMANITRA DIENY ETY AN-TANY @ LAFINY REHETRA IANAO !!!

HANANGANA SY HISAFIDY EKIPA HIARA-HIASA AMINAO HANAO NY PLANINY NY TOMPO


Mandram-pahatintrao dia homban'ny Tompo tahaka an'i Davida ianao
« Koa dia nandroso nihalehibe Davida; fa Jehovah, Tompon'ny maro, no nomba azy. » (1 Tantara 11:9)
hisy olona hafa hilaza an'izany mba ho famantarana fa hiara-hiasa aminao izy
« Ary Amasay, lehiben'ny mpanafika malaza*, dia nampitenenin'ny Fanahy hoe: Anao izahay, ry Davida ô, fa miandany aminao, ry zanak'i Jese; fiadanana, eny, fiadanana anie ho anao, ary fiadanana anie ho an'ny manampy anao; fa Andriamanitrao no manampy anao. Dia noraisin'i Davida ireo ka notendreny ho mpifehy ny miaramila.[Na: ny telo-polo lahy] » (1 Tantara 12:18)
MIVONONA HANANGANA NY FANJAKANY DIENY ETY AN-TANY E !!!
SAHIA !!
MAHEREZA.

RY OLON'I KRISTY12


Afaka mitahy be lavitra nohon' ny ray aman-dreninao ny Tompo
« Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an'ny zanakareo, tsy mainka va ny Rainareo Izay any an-danitra no hanome zava-tsoa ho an'izay mangataka aminy? » (Matio 7:11)
ambonin'izay manomeza dia hahazo ianao
« Koa amin'izany na inona na inona tianareo hataon'ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa tahaka izany; fa izany no lalàna sy mpaminany. » (Matio 7:12)
MAMOAZA VOA TSARA
« Dia toy izany, ny hazo tsara rehetra dia mamoa voa tsara; ... » (Matio 7:17)
TSY HO FOANA NY FIKELEZANAO AINA AO @ TOMPO E !!!
MAHEREZA !!!

RY OLON'I KRISTY 11


Vanim-potoana fanantonana an'ny Tompo amin-kovitra izao
« Rehefa afaka izany, dia hiverina ny Zanak'Isiraely ka hitady an'i Jehovah Andriamaniny sy Davida mpanjakany; ary nandeha amin-kovitra hanatona an'i Jehovah sy ny fahasoavany izy, raha mby any amparany. » (Hosea 3:5)
hamaly ny fitarainanao Izy
« Ary amin'izany andro izany dia hihaino* Aho, hoy Jehovah, eny, hihainoa ny lanitra Aho, ary izy kosa hihaino ny tany; [Na: hamaly] » (Hosea 2:23)
ao anaty fihavanana ombam-pitahiana « Dia hafafiko ho Ahy amin'ny tany izy; Ary hamindra fo amin'i Lò-rohama* Aho sady hanao amin'i Lò-amy hoe: Oloko ianao; Ary izy kosa hanao hoe: Andriamanitro Hianao.[Izahao i. 6] » (Hosea 2:25)
ATSANGANO NY PLANINA TSARA EFA ASAIN’I TOMPO ATAONAO !!!
SAHIA ARY MAZOTOA !!!

RY OLON'I KRISTY10


Tena misy ny famaizana ho an'izay tsy mibebaka
« Ary hatsingeriny aminareo ny fahavetavetanareo, ary ho entinareo ny heloka noho ny sampinareo; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Tompo. » (Ezekiela 23:49)
soa fa teo ianao nampahafantatra ny famonjena ary ho maro no hino izany
« Dia nandroso ny tenin'Andriamanitra; ary nihamaro indrindra ny isan'ny mpianatra tany Jerosalema; ary maro be kosa ny mpisorona nanaiky ny finoana. » (Asan'ny Apostoly 6:7)
ARARAOTY FA FARARANON’NY FAMONJENA IZAO !!!
SAHIA MITORY NY FILAZAN-TSARA !!!

RY OLON'I KRISTY 9


Fanahy miavaka sy feno fahendrena no ao anatinao
« Ary ny fanahin'i Jehovah hitoetra ao aminy, dia ny Fanahin'ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina; Ny Fanahin'ny fanoloran-tsaina sy ny faherezana; Ny Fanahin'ny fahalalana sy ny fahatahorana an'i Jehovah; » (Isaia 11:2)
ka hahatonga anao ho fitaovan'i Tompo hahay hamaha olana saro-bahana izany
« Fa hotsarainy amin'ny fahamarinana ny malahelo; Ary homeny rariny ny mpandefitra amin'ny tany; hamely ny tany amin'ny tsorakazon'ny vavany Izy, ary ny fofonain'ny molony no hamonoany ny ratsy fanahy. » (Isaia 11:4)
MATOKIA !!
SAHIA MANDRAY ANDRAIKITRA FA VITANAO IZANY !!!
NY TOMPO HOMBA ANAO !!!
MAHEREZA.

RY OLON'I KRISTY8


Vakio ny Tenin'ny Tompo fa tahaka anao mihaino Azy izany
« Ary Josoa nanao tamin'ny Zanak'Isiraely hoe: Mankanesa aty, ka mihainoa ny tenin'i Jehovah Andriamanitrareo. » (Josoa 3:9) ny Teny mantsy dia Andriamanitra
« Tamin'ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin'Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra. » (Jaona 1:1)
hitondra fahasalamana ho anao
« Fa aina ho an'ny mahazo azy izy Ary fahasalamana ho an'ny nofony rehetra. » (Ohabolana 4:22)
ATAOVY ISAN’ANDRO ARY IZANY FA TENA HAHAZO AINA IANAO ARY TENA HO SITRANA !!!
MINOA !

RY OLON'I KRISTY7


Manàna fanantenana fa hijinja ny soa nafafinao ianao
« Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay hahatraran'ny mpiasa tany ny mpijinja, ary ny mpanosihosy voaloboka hahatratra ny mpamafy; Ny tendrombohitra hipoipoitra ranom-boaloboka, ary ny havoana rehetra hiempo. » (Amosa 9:13)
mialoha izany anefa sahia mifona @ fahalemenao
« Ary ny eritreritr'i Davida namely azy, rehefa voaisany ny olona. Ka dia hoy Davida tamin'i Jehovah: Efa nanota indrindra aho tamin'izao nataoko izao; koa ankehitriny mifona aminao aho, Jehovah ô, esory ny heloky ny mpanomponao, fa efa nanao fahadalana lehibe aho. » (2 Samoela 24:10)
fa hamonjy Izy
« Hoy Jesosy taminy: Izaho no mofon'aina; izay manatona Ahy tsy mba ho noana, ary izay mino Ahy tsy mba hangetaheta intsony. » (Jaona 6:35)
TEFENA MBA HAHOMBY BE BE KOKOA IANAO !!!
HITSIMBADIKA TSY HO ELA MANTSY NY TANTARA KA HASANDRATRA NY TENA ZANAK’ANDRIAMANITRA !!!
MIOMANA FA HIAKATRA !!!

RY OLON'I KRISTY 6


Manao fanekena aminao ny Tompo fa hampiadana anao @ fombany fa ny anjaranao dia ny manaja sy matahotra Azy ary mankato ny antsony
« Ny fanekeko taminy dia fiainana sy fiadanana; ary nomeko azy ho fahatahorana izany, ka dia natahotra Ahy sy nangovitra teo anatrehan'ny anarako izy.Ny lalàn'ny fahamarinana no teo am-bavany, ary tsy mba nisy tsi-fahamarinana teo amin'ny molony; tamin'ny fiadanana sy ny fahitsiana no niarahany nandeha tamiko, ary maro no nampialainy tamin'ny heloka. » (Malakia 2:5-6)
TSY HIVADIKA @ FANEKENY MANDRAKIZAY NY TOMPO !!!
ARY IANAO ?
MAZOTOA ARY MANOMPO @ FIFALIANA E !!!
MAHEREZA.

RY OLON'I KRISTY 5



Na nisy nanaratsy,nanapepo,nanozona aza ianao
« Ary Jabeza dia nalaza noho ny rahalahiny; ary ny reniny nanao ny anarany hoe Jabeza, fa hoy izy: Ory aho, raha niteraka azy. » (1 Tantara 4:9)
dia azonao angahina @ ny Tompo ny hitahiany sy hiarovany anao fa hataony izany
« Ary Jabeza niantso an'Andriamanitry ny Isiraely hoe: Enga anie ka hotahinao tokoa aho, ka hohalalahinao ny fari-taniko, ary ho amiko ny tananao, ka harovanao amin'ny ratsy aho, mba tsy hampahory ahy izany. Ary dia nomen'Andriamanitra azy ny nangatahiny. » (1 Tantara 4:10)
MITRAKA!!
TAKIO NY ZO- NAO!!
SATRIA IZAY MANGATAKA IHANY ANIE NO HOMENA E!
FIADANAN’NY TOMPO HO AMINAO!!

RY OLON'I KRISTY 4


Manana sakafo manokana izay tena mahavoky nefa tsy ananan'izao tontolo izao ianao
« Dia nampanetry tena anao Izy ka namela anao ho noana, dia nanome anao ny mana hohaninao, izay tsy fantatrao na ny razanao, hampahafantarany anao fa tsy mofo ihany no iveloman'ny olona; fa izay rehetra aloaky ny vavan'i Jehovah no iveloman'ny olona. » (Deotoronomia 8:3)
ary ho voatahy tahaka ny zanak'Andriamanitra
« Ny fitafianao teny aminao tsy rovitra, ary ny tongotrao tsy nivonto izao efa-polo taona izao.Koa aoka ho fantatrao amin'ny fonao, fa tahaka ny fananaran'ny olona ny zanany no fananaran'i Jehovah Andriamanitrao anao. » (Deotoronomia 8:4-5)
TSAPANAO VE FA HAFA TENA HAFA IANAO!!!