"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

RY OLON'I KRISTY 3


Mamangy anao Izy ka milaza hoe:Fiadanana ho anao
« Ary hoy indray Jesosy taminy: Fiadanana ho anareo; tahaka ny nanirahan'ny Ray Ahy no anirahako anareo kosa. » (Jaona 20:21)
iaino ny fofon'aina vaovao
« Ary rehefa nilaza izany Izy, dia nanisy fofonaina, ka hoy Izy taminy; Raiso ny Fanahy Masina; » (Jaona 20:22)
sy ny fahefana vaovao
« na helok'iza na helok'iza no avelanareo, dia voavela izany; ary na an'iza na an'iza kosa no tsy avelanareo, dia tsy voavela izany. » (Jaona 20:23)
omeny anao.
MINOA !
ARY SAHIA HO MPANOMPO MITAONA OLONA MARO HO ANY AN-DANITRA E !!!

RY OLON'I KRISTY 2


Misy fahazavana ao anatinao
« Izaho tonga amin'izao tontolo izao ho fahazavana, mba tsy hitoetra ao amin'ny maizina izay rehetra mino Ahy. » (Jaona 12:46)
ary Izay mampandroso anao dia mampandroso ny fahazavan'Andriamanitra
« Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mandray izay hirahiko dia mandray Ahy; ary izay mandray Ahy dia mandray izay naniraka Ahy. » (Jaona 13:20)
FIKIRO IZANY
« Raha mbola manana ny mazava ianareo, dia minoa ny mazava, mba ho tonga zanaky ny mazava. .. » (Jaona 12:36)
MAHEREZA !
ARY AZA AMELANA RAHA TSY MAHATSAPA IZANY FAHAZAVANA IZANY KOA NY HAFA.

HAFATRA VOKATRY NY FIROTSAHAN’NY FANAHY VAOVAO


RY OLON'I KRISTY-N'inona n'inona fahalemenao teo aloha dia efa voasasa ary lasa masina eo anatrehany ianao
« Ary efa mba toy izany ihany ny sasany aminareo, saingy efa voasasa* ianareo, efa nohamasinina ianareo, efa nohamarinina ianareo, tamin'ny anaran'i Jesosy Kristy Tompo sy tamin'ny Fanahin'Andriamanitsika. [* Gr. efa nanasa tena] » (1 Korintiana 6:11)
HITONDRA FANOVANA KRISTY AO ANATINAO
« Ary Jesosy nandeha eran'i Galilia ka nampianatra tao amin'ny synagogan'ny olona teo sy nitory ny filazantsaran'ny fanjakana ary nahasitrana ny aretina rehetra mbamin'ny rofy rehetra tamin'ny olona. » (Matio 4:23)
AMPIASAO NY MAHA-OLOM-BAOVAO FENO HOSOTRA VAOVAO ANAO !!!
SAHIA !!!
MAHEREZA.

FOTOANAN’NY TOMPO IZAO SATRIA NANGATAKA IZANY IANAO OLONY


Nitaraina t@ Kristy ianao olony hoe:aoka hiverina Aminao ny firenenay
« Jehovah ô, ampivereno aminao izahay, mba hiverenanay; Havaozy ho toy ny fahiny ny andronay. » (Fitomaniana 5:21)
hamaly sy hanafaingana izany Izy ary hitombo ny hijoro ho mpanompony
« Ny kely ho tonga arivo, ary ny malemy ho tonga firenena mahery; Izaho Jehovah no hanafaingana izany amin'ny fotoany. » (Isaia 60:22)
MINOA.
ARY MIOMANA HANOMPO BEBE KOKOA !!!

RAISO NY FANAHY VAOVAO MENDRIKA ANAO


Naniraka ny zanany ny Tompo mba hamonjy anao
« Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka ho amin'izao tontolo izao hanameloka* izao tontolo izao, fa mba hamonjeny izao tontolo izao. [*Gr. hitsara] » (Jaona 3:17)
ary nanome fanahy vaovao mba hahatonga anao ho olona naterany indray
« Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha tsy ateraka indray* ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakan'Andriamanitra. [*Na: ateraka avy ambony] » (Jaona 3:3)
Minoa ry olon'afaka
« Izay mino Azy dia tsy helohina*; » (Jaona 3:18a)
HIATRIKA FIAINAM-BAOVAO TANTERAKA IANAO !!!
> AZA GAGA FA ANKAFIZO FONTSINY !!
MAHEREZA.

NDEHA HIARA-HIVAVAKA @ FEO TOKANA


GDOP Palais des Sports

miaraka @ ireo firenena 200 mahery maneran-tany
« Ary nony tonga ny Andro Pentekosta, dia teo amin'ny fitoerana iray izy rehetra. » (Asan'ny Apostoly 2:1)
hiara-haiky ny fahalehibeazan'ny Tompo
« Fa rehefa nandre izany izy ireo, dia niara-nanandratra ny feony ho amin'Andriamanitra ka nanao hoe: Tompo ô, Hianao no nanao ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina mbamin'izay rehetra ao anatiny, » (Asan'ny Apostoly 4:24)
HANOME FANAHY MASINA MAHERY HO ENTINA HAMPANDRESY NY ZANAK’ANDRIAMANITRA REHETRA NY TOMPO ANIO !!!
RAISO FA MENDRIKA ANAO IZANY !!

MANDEHANA @ IZAO TONTOLO IZAO KA MITORIA


J-1 GDOP Palais des Sports
Mivavaha mba ankato ny antson'ny Fanahy masina ny fiangonana ka ho maro ny vokatra
« Ary raha nanao fanompoam-pivavahana ho an'ny Tompo sy nifady hanina ireo, dia hoy ny Fanahy Masina: Atokàny ho Ahy Barnabasy sy Saoly hanao ny asa izay efa niantsoako azy. » (Asan'ny Apostoly 13:2)
SOKAFY @ FOMBANAO TOMPO O NY VARAVARANAN’NY FIRENENA REHETRA HANDRAY NY FILAZANTSARANAO !!!
MINO IZAHAY FA VITANAO IZANY !!!
MANATANTERAKA SISA NO HATAON’NY OLONAO !!!

AOKA HO TRANO FIVAVAHANA IANAREO


J-2 GDOP Palais des Sports

Mivavaha mba hino ny fiangonana fa IRAY NY TOMPO IVAVAHANA sady mpamaly vavaka @ fombany
« Fa Andriamanitra tsy hanome rariny ny olom-boafidiny va, izay mitaraina aminy andro aman'alina, ary moa hitaredretra va Izy? » (Lioka 18:7)
MIHOROHORO NY FANAHY RATSY SATRIA MIRAY SAINA NY KRISTIANA MIVAVAKA MBA HANJAKAN’I KRISTY TANTERAKA !!!

SOKAFY NY MASON'IZY IREO


J-3 GDOP Palais des Sports

SOKAFY NY MASON'IZY IREO:
Mivavaha mba ho sahy ambara fa efa resin'i Kristy ny fahefan'i satana,ny sampy,ny fanahin'ny maty

« hampahiratra ny masony hialany amin'ny maizina ho amin'ny mazava, ary amin'ny fahefan'i Satana ho amin'Andriamanitra, mba hahazoany famelan-keloka sy lova eo amin'izay nohamasinina noho ny finoana Ahy. » (Asan'ny Apostoly 26:18)
FAHAVALO EFA RESY IANAO SATANA !!!
ARY TSY AMELANAY RAHA TSY MIALA ANY @ FARIHY MIREHITR’AFO !!

AOKA HO IRAY IANAREO MBA HINOAN’IZAO TONTOLO IZAO


J-4 GDOP Palais des Sports

AOKA HO IRAY IANAREO MBA HINOAN’IZAO TONTOLO IZAO
Mivavaha mba hifanohana am-pitiavana ny fiangonana ,mba hihavana ny mpino
« mba ho iray ihany izy rehetra, tahaka Anao Ray ato amiko, ary Izaho koa ao aminao, mba ho ao amintsika koa izy; mba hinoan'izao tontolo izao fa Hianao no naniraka Ahy. » (Jaona 17:21)
TONGA NY FOTOANA HIRAISAN’NY MPINO AO ANATY FAHASAMIHAFANA !!!
HO TANTERAKA NY FANIRIN’ANDRIAMANITRA SATRIA FANAHY IRAY NO MIBAIKO !!!!
MINOA !!!

MAHEREZA IANAREO,EFA NAHARESY AHO


J-5 GDOP Palais des Sports

Mivavaha mba hahery ny Kristiana iaran'ny olana sy fanenjehana,mba hiova fo h@ ny mpanenjika
« Ary Izaho hangataka amin'ny Ray, ary Izy hanome anareo Mpananatra hafa mba ho eo aminareo mandrakizay, » (Jaona 14:16)
RAHA AFAKA NISEHO NIVANTANA T@ PAOLY IANAO KRISTY O !
MBOLA VITANAO NY HISEHO MIVANTANA @ IREO IZAY MANENJIKA NY OLONAO !!!
MINO IZANY IZAHAY !!!

MIBEBAHA IANAREO KA MINOA


J-6 GDOP Palais des Sports

Mivavaha mba ho feno hosotrin'Fanahy ny toriteny ka maro ny hibebaka sy hiaiky ny herin'i Kristy
« Ary raha tonga Izy, dia hampiaiky izao tontolo izao ny fahotana sy ny fahamarinana ary ny fitsarana: » (Jaona 16:8)
NANJAKA ,MANJAKA ARY MBOLA HANJAKA KRISTY ARY HANDOHALIKA EO HANATREHANY IZAO TONTOLO IZAO !!!

FANTARONAREO NY MARINA


J-7 GDOP Palais des sports
Mivavaha mba ho iray feo ny fiangonana fa @ anaran'i Kristy tsy misy fangarony no ahazoana famonjena
« Fa raha tonga ny Fanahin'ny fahamarinana, dia Izy no hitari-dalana anareo ho amin'ny marina rehetra; fa tsy hiteny ho Azy Izy, fa izay ho reny dia holazainy avokoa; ary ny zavatra ho avy aza dia hambarany aminareo. » (Jaona 16:13)
TSY MISY MAKA ANY @ RAY AFATSY @ ALALAN’I KRISTY !!!
TOKANA NY LALANA !!
TOKANA NY FIAINANA !!!
TOKANA NY FAHAMARINANA !!!

AOKA HO MASINA IANAREO SATRIA MASINA AHO


J-8 GDOP Palais des sports

AOKA HO MASINA IANAREO SATRIA MASINA AHO:
Mivavaha mba ho feno fahamasinana ny fiangonana ary hamoa voa tsara ny Kristiana

« Tsy ianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo ka nanendry anareo mba handeha sy hamoa, ary mba haharetan'ny vokatrareo, mba homen'ny Ray anareo izay rehetra hangatahinareo amin'ny anarako na inona na inona. » (Jaona 15:16)
HITONDRA NY FAHAZAVAN’I KRISTY EO @ IZAO TONTOLO IZAO NA NY FIANGONANA NA NY KRISTIANA !!! MINOA !!

AOKA HO VAVOLOMBELOKO IANAREO


J-9 GDOP Palais de Sport

Mivavaha mba ho vavolombelon'ny famonjena ny Kristiana,mba haneho ny herin'i Kristy ny fiangonana « Fa hahazo hery ianareo amin'ny hilatsahan'ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran'i Jodia sy Samaria ary hatramin'ny faran'ny tany. » (Asan'ny Apostoly 1:8)
HO POTIKA NY HERY TSY MAMPIFOHA NY FIANGONANA !
MINOA !

FANAHY MAHERY! FANAHY VAOVAO NO HIANDRY ANAO


Ho fanomanana ny pantekosta sy ny androm-bavaka eran-tany na Global Day Of Prayer(GDOP)dia hifantoka @ izay ny teny zaraina ato ho ato:
HANADIO NY TOMPO

« Fa amin'izany dia hovako ho madio ny molotry ny firenena, Hiantsoan'izy rehetra ny anaran'i Jehovah, hanompoany Azy amin'ny firaisan-kina*. [*Heb. soroka iray] » (Zefania 3:9)
HIRAY SAINA HIVAVAKA ISIKA!
MAHEREZA.

HO VOATAHY IANAO OLON’I KRISTY IZAY MANAJA AZY


Tandrovy ny sitrapon'Andriamanitra dia handova fitahiana
« Ny lalàna rehetra izay andidiako anao anio dia tandremo harahinareo, mba ho velona ianareo ka hihamaro ary hiditra sady handova ny tany izay nianianan'i Jehovah tamin'ny razanareo homena azy. » (Deotoronomia 8:1)
ho hitanao maso izany
« Fa Jehovah Andriamanitrao efa hampiditra anao any amin'ny tany soa, dia tany misy renirano sy loharano ary rano lalina eny amin'ny lohasaha sy ny tendrombohitra,tany misy vary tritika sy vary hordea sy voaloboka sy aviavy ary ampongaben-danitra, tany misy hazo oliva sy tantely,tany izay hihinananao hanina amin'ny fanaranam-po, sady tsy hanan-java-mahory akory eo ianao, tany misy vy ny vato ao aminy, ary ao amin'ny tendrombohiny no hihadianao varahina. » (Deotoronomia 8:7-9)
tsy noho ny herinao
« ary andrao ianao hanao anakampo hoe: Ny tanjako sy ny herin'ny tanako no nahavoriako izao harena izao; » (Deotoronomia 8:17)
fa ny heriny ao anatinao
« fa tsarovy Jehovah Andriamanitrao, fa Izy no manome anao hery hahavory harena, mba haoriny ny fanekeny, izay nianianany tamin'ny razanao, tahaka ny amin'izao anio izao. » (Deotoronomia 8:18)
FIKIRO KRISTY DIA HAMIRAPIRATRA EO @ FIAINANAO NY VONINAHINY.
MINOA !

TSY AZO JERENA FOTSINY IREO TOETRA TSY MENDRIKA


Misy ireo manana an'i Kristy nefa tsy manaja Azy
« fa na dia nahalala an'Andriamanitra aza izy, dia tsy mba nankalaza Azy toy izay miendrika ho an'Andriamanitra, na nisaotra Azy, fa tonga zava-poana izy tamin'ny fisainany, ary tonga maizina ny fony donto. » (Romana 1:21)
ka lasa miaraka ny samy vehivavy
«... fa ny vehivavy tao aminy nanova ny fanaony ho amin'izay tsy fanaony; » (Romana 1:26)
na ny samy lehilahy
« ary tahaka izany koa ny lehilahy, fa namela ny fanao amin'ny vehivavy izy ka maimay tamin'ny fifampilany samy lehilahy nifanao izay mahamenatra, dia nandray tao amin'ny tenany ny valiny izay tokony ho azy noho ny fiviliany. » (Romana 1:27)
tsy maintsy hifonana izany
« dia olona mahalala tsara ny fitsipika nomen'Andriamanitra fa izay manao izany zavatra izany no miendrika ho faty, nefa tsy manao izany ihany izy, fa mankasitraka ny manao koa. » (Romana 1:32)
KRISTY O !!
TONONINAY @ ANARANAO HO FOANA IZANY ETO @ FIRENENAY !!!

HIAIKY ILAY ANDRIAMANITRAO NY MPANAPAKA


Noho ny fatokisanao an'i Kristy dia ho lasa taranaka voafidy ianao ary ho gaga @ fitahiana ho azonao ny mpanapaka ka ho lasa hiankohoka Aminy koa
« Izao no lazain'i Jehovah, Mpanavotra ny Isiraely, dia ny Iray Masiny, Amin'Ilay hamavoin'ny olona sy halan'ny firenena ka tonga mpanompon'ny mpanapaka: Ny mpanjaka hahita ka hitsangana, ary ny mpanapaka koa, ka dia hiankohoka noho ny amin'i Jehovah, Izay mahatoky dia ny Iray Masin'ny Isiraely, izay efa nifidy Anao. » (Isaia 49:7)
MINOA

MIANTSO ANAO OLONY KRISTY HANOHY IREO ASA NATAONY


mandoa adidy ao @ tempoly
« ... ary raiso izay hazandrano azo voalohany, ka rehefa sokafanao ny vavany, dia hahita vola sekely eo ianao; dia raiso izany, ka omeo azy ho avy amiko sy ianao. » (Matio 17:27b)
mampahery ny mpiara-manompo
« Izany teny izany efa nolazaiko taminareo mba hanananareo fiadanana amiko. Aty amin'izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao. » (Jaona 16:33)
mandray tsara ny ankizy
« Nefa Jesosy kosa nanao hoe: Avelao ny zaza, ary aza raràna tsy hanatona Ahy; fa an'ny toa azy ny fanjakan'ny lanitra. » (Matio 19:14)
MAZOTOA !!!
MAHEREZA.

TSY MAINTSY MISAFIDY IANAO


Fotoana fanapotehan'i Kristy an'i satana sy ny miaramilany izao
« Fa hitsangana hamely azy aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, ary hofoanako ny anaran'i Babylona sy izay sisa ao mbamin'ny zanany sy ny taranany, hoy Jehovah. » (Isaia 14:22)
tezitra i satana ka hoy koa izy vonona hiady @ Kristiana aho
« Dia tezitra tamin'ilay vehivavy ny dragona ka lasa nandeha hiady tamin'ny zanany sisa, izay mitandrina ny didin'Andriamanitra sy mitana ny filazana an'i Jesosy. Ary nitsangana teo ambonin'ny fasiky ny ranomasina izy. » (Apokalypsy 12:17)
AIZA NO MISY ANAO ?
HANAPOTIKA SA HANAIKY HOPOTEHINA ?
TSY MISY SAFIDY HAFA !!!
MIANTSO ANAO KRISTY !!!

FAHAGAGANA NATAON’I KRISTY SY NY APOSTOLY DIA HO VITANAO OLON’I KRISTY ANKEHITRINY


Nanasitrana ny paralysisa Kristy
« Ary, indro, nisy lehilahy anankiray mararin'ny paralysisa nandry tamin'ny fandriana nentin'ny olona teo aminy; ary Jesosy, nony nahita ny finoan'ireo, dia nanao tamin'ilay mararin'ny paralysisa hoe: Matokia, anaka; voavela ny helokao. » (Matio 9:2)
nahavita izany koa i petera
« Ary izy nahita lehilahy anankiray teo, atao hoe Enea, izay efa nandry valo taona teo am-parafara, fa mararin'ny paralysisa.Ary hoy Petera taminy: Ry Enea, manasitrana anao Jesosy Kristy; mitsangàna, ka amboary ny fandrianao. Dia nitsangana niaraka tamin'izay izy. » (Asan'ny Apostoly 9:33-34)
nanangana ny maty Kristy
« Dia nivoaka ny maty nisy fehim-paty ny tànany sy ny tongony, sady voafehy mosara koa ny tavany. Hoy Jesosy tamin'ny olona: Vahao izy, ka avelao handeha. » (Jaona 11:44)
nanao izany koa i paoly
« Ary nisy zatovo anankiray atao hoe Eotyka nipetraka teo am-baravarankely ka sondrian-tory; ary raha naharitra ela ny toritenin'i Paoly, dia niraika noho ny torimaso ilay zatovo ka nianjera tamin'ny tany avy eny amin'ny rihana intelo mifanongoa, ary nony narenina izy, dia indro fa efa maty.Ary Paoly nidina, dia niankohoka taminy sy nanohona azy ka nanao hoe: Aza mihorikorika ianareo, fa mbola misy aina ihany izy.Ary niakatra Paoly, dia namaky ny mofo, ary rehefa nihinana sy niresaka ela ambara-pahamarain'ny andro izy, dia lasa nandeha.Ary nitondra ilay zatovo efa velona izy ireo ka faly dia faly. » (Asan'ny Apostoly 20:9-12)
ANJARANAO IZAO!
MINOA !!
FA TSY MIOVA OMALY SY ANIO ARY MANDRAKIZAY NY TOMPONTSIKA !!!
MAHEREZA.

MPAMELONA KRISTY AO ANATINAO OLONY


Hanontany anao ny Tompo hoe mahavita miracle ve ianao?dia valio Aminy hoe miankina aminao izany
« Ary hoy Jebovah tamiko: Ry zanak'olona, moa mety ho velona ihany va ireto taolana ireto? Ary hoy izaho: Jehovah Tompo ô, Hianao no mahalala. » (Ezekiela 37:3)
dia haniraka anao hamelona ny efa maty Izy
« Dia hoy indray Izy tamiko: Maminania amin'ireto taolana ireto, ka ataovy aminy hoe: Ry taola-maina, mihainoa ny tenin'i Jehovah!Izao no lazain'i Jehovah Tompo amin'ireto taolana ireto: Indro, hasiako fofonaina ianareo ka ho velona; » (Ezekiela 37:4-5)
MINOA ARY AZA MIAHOTRA MIASA @ ANARANY !!!
SAHIA !!!
MAHEREZA.

RY OLON’I KRISTY SAHIA


1) milaza fa ny Tompo no niteny taminao fa zanany ianao
« "Hilaza zava-boatendry Aho; Jehovah nilaza tamiko hoe: Zanako Hianao, Izaho niteraka anao androany. » (Salamo 2:7)
2) mananatra ny mpanapaka
« Ary amin'izany dia hendre ianareo, ry mpanjaka; minoa anatra ianareo, ry mpitsaran'ny tany. » (Salamo 2:10)
3) miresaka Aminy fa hamaly Izy
« Amin'ny feoko no iantsoako an'i Jehovah, ary any an-tendrombohiny masina no mamaly ahy Izy. » (Salamo 3:4)
MATOKIA FA HIAHY ARY TSY HANARY ANAO MANDRAKIZAY NY TOMPO !
MAHEREZA.

SAMBATRA IANAO OLON’I KRISTY MPAMPIHAVANA


Tsy tsara ny mifanaratsy
« Aza mandehandeha manaratsy eo amin'ny firenenao; aza mitsangana handatsaka ny ran'ny namanao: Izaho no Jehovah. » (Levitikosy 19:16)
na mamaly ratsy ny mpiray firenena aminao
« Aza mamaly ratsy na manao lolompo amin'izay iray firenena aminao: fa tiava ny namanao tahaka ny tenanao: Izaho no Jehovah. » (Levitikosy 19:18)
fa aleo mifananatra mba tsy hahazoanao heloka noho ny aminy
« Aza mankahala ny rahalahinao amin'ny fonao; mananara dia mananara ny namanao, mba tsy hahazoanao heloka noho ny aminy. » (Levitikosy 19:17)
MIJOROA @ MAHA ZANAK’ANDRIAMANITRA ANAO E ! MAHEREZA.

MANA-KAMBARA EO @ FIAINANAO OLONY KRISTY


Matoa velona ianao dia afaka hanana fanantenana
« Fa izay rehetra isan'ny velona dia mbola hantenaina; fa ny amboa velona no tsara noho ny liona maty.» (Mpitoriteny 9:4)
mbola zoanao ny mametraka @ Kristy an'ireo tebiteby rehetra ary hovahany @ fombany izany
« Mangataha, dia homena ianareo; mitadiava, dia hahita ianareo; dondony, dia hovohana ianareo.Fa izay rehetra mangataka no mahazo; ary izay mitady no mahita; ary izay mandondòna no hovohana. » (Matio 7:7-8)
MINOA !
ARY VOKATR’IZANY DIA MITRAKA ARY HATREO DIENY IZAO NY HOAVY MAMIRAPIRATRA EFA MIANDRY ANAO !!
MAHEREZA

TSY TAKATRY NY SAINA NY


fahamarinana sy ny herin'ny famonjena
« Ny fahamarinanao dia tahaka ny tendrombohitra avo dia avo; ny fitsaranao dia toy ny lalina indrindra; ny olona sy ny biby dia samy vonjenao, Jehovah ô, » (Salamo 36:6)
famindrampo
« Endrey ny hatsaran'ny famindram-ponao, Andriamanitra ô! ka mialoka eo amin'ny aloky ny elatrao ny zanak'olombelona. » (Salamo 36:7)
fitahiana
« Voky ny matavy ao an-tranonao izy; ary ny ony fampifalianao no ampisotroanao azy. » (Salamo 36:8)
fahazavana
« Fa ao aminao no misy loharanon'aina; ny fahazavanao no hahitanay fahazavana. » (Salamo 36:9)
ananan’i Kristy ao anatinao!!
IAINO DIA ZARAO ILAY FAHATONIANA MAHAGAGA ANANANAO VOKATR’IZANY MIATRIKA NY ZAVATRA REHETRA NA HO MORA NA HO SAROTRA !!
MAHEREZA.

TSY MISY FETRA NY HERIN’NY KRISTY AO ANATINAO OLONY


Mety tahaka ny voatsinapy ve Kristy ao anatinao?
« Tahaka ny voantsinapy izy, izay kely noho ny voa rehetra, raha vao afafy amin'ny tany; » (Marka 4:31)
Isaory an'ny Tompo izany ary ampiasao fa hitombo avy 1000 000 heny ka hitondra fitahiana be.
« Fa rehefa voafafy kosa izy, dia maniry ka tonga lehibe noho ny anana rehetra, ary mandrantsana vaventy, ka azon'ny voro-manidina itoerana ny alokalony. » (Marka 4:32)
ARAKARAKY NY AMPIASANAO AZY NO HAMOAZANY HO ANAO SY HO AN’NY HAFA !
MINOA !
MAZOTOA !

HO VOATAHY MANDRAKIZAY IANAO SY NY TARANAKAO NANAIKY NY HOSOTRA NOMEN’I KRISTY


Manao fianianana aminao olony Kristy fa tsy hiala aminao sy ny taranakao mandrakizay
« Efa nanao fanekena tamin'ny voafidiko Aho; Eny, efa nianiana tamin'i Davida mpanompoko Aho hoe:Hampitoetra ny taranakao ho mandrakizay Aho Ka hanangana ny seza fiandriananao hatramin'ny taranaka fara mandimby. » (Salamo 89:3-4)
ianao sy ny taranakao kosa hogoka ny vokatr'izany « Ary ny lanitra hidera ny fahagagana ataonao, Jehovah ô, Ary ny fahamarinanao koa ao amin'ny fiangonan'ny olo-masina. » (Salamo 89:5)
MINOA !!! ARY MAZOTOAHATRANY MANOMPO AZY !!! MAHEREZA.

SAHIA HO ESTERA AO @ KRISTY


Tsy nahazaka ny fahavoazan'ny mpiray fiaviana aminy
« fa hataoko ahoana no fijery ny loza hanjo ny fireneko? Ary hataoko ahoana no fijery ny fandringanana ny havako? » (Estera 8:6)
naka hery t@ Andriamanitra « Mandehana ary, vorio ny Jiosy rehetra izay mba ato Sosana ary mifadia hanina noho ny amiko, ka aza mihinana na misotro hateloana na andro na alina; ary izaho sy ny ankizivaviko hifady toy izany koa, ary amin'izany no hidirako ao amin'ny mpanjaka, na dia tsy araka ny lalàna aza; koa raha tàhiny maty aho, dia maty. » (Estera 4:16)
sahy niatrika olana
« Raha sitraky ny mpanjaka, ary mahita fitia eto imasony aho, sady ataon'ny mpanjaka ho mety izany, ka mahita sitraka eto imasony aho, dia aoka hisy soratra hanova ireny taratasy voahevitr'i Hamana, zanak'i Hamedota Agagita, ireny izay nosoratany hampandringana ny Jiosy amin'ny isan-tokony eran'ny fanjakan'ny mpanjaka; » (Estera 8:5)
dia naharesy
« Ny Jiosy dia nahazo fahazavana sy faharavoravoana sy fifaliana ary voninahitra. » (Estera 8:16) MIVONONA HITONDRA FANOVANA MBA HO AN’I KRISTY NY JEROSALEMANAO !!!
MAHEREZA.

TSY HANENENANAO OLON’I KRISTY NY FANAOVAN-TSOA SY NY FITIAVANA MIDERA


Hisy akony @ taranakao ny fanaovanao soa
« Ary hoy Davida: Mbola misy sisa ihany va ny tamingan'i Saoly mba hasiako soa noho ny amin'i Jonatana? » (2 Samoela 9:1)
ankafizo koa ny midera ny Tompo satria efa taratry fiainan-danitra izay hivantananao Kristiana izany
« Ary nisy anjely maro be avy any an-danitra niseho tampoka niaraka tamin'ilay anjely teo ka nidera an'Andriamanitra nanao hoe:Voninahitra any amin'ny avo Indrindra ho an'Andriamanitra! Ary fiadanana ho ety ambonin'ny tany amin'ny olona ankasitrahany. » (Lioka 2:14)
ENDRIKA IRAY ENTINAO ANKASITRAHANA AN’NY TOMPO KOA IZANY E ! MAHEREZA.