"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

ARAHO ASA NY FINOANA ANANANAO

Hoy ny Tompo aminao:Izay kely anananao no ampiasao
« Fa hoy kosa ny mpanompony: Hataoko ahoana no fametraka ity eo anoloan'ny zato lahy? Ary hoy indray Elisa: Omeo ihany ny olona hohaniny; fa izao no lazain'i Jehovah: Hihinana izy, ary mbola hisy sisa tsy lany. » (2 Mpanjaka 4:43)
dia anjaran'Andriamanitra no hampitombo izany @ fombany ary hanana ambim-bava aza ianao
« Dia narosony teo anoloany, ka dia nihinana izy, ary mbola nisy sisa tsy lany aza araka ny tenin'i Jehovah. » (2 Mpanjaka 4:44)
HITRANGA NY FAHAGAGANA SATRIA NITANA NY FAHATOKISANA AN’ANDRIAMANITRA IANAO !
MINOA !

MANAMPIA MPANOMPON’ANDRIAMANITRA

Mazotoa mikarakara mpanompon'Andriamanitra
« Masìna ianao, andeha isika hanao efi-trano kely ambony rihana; ary hasiantsika fandriana sy latabatra sy seza ary fanaovan-jiro ho azy ao; ary raha tonga eto amintsika izy, dia ao no hipetraka. » (2 Mpanjaka 4:10)
satria hanonona fitahiana izay ho tanteraka aminao izy ireny
« Dia hoy izy: Raha mby amin'ny fotoana, raha avy ny taona toy izao, dia hitrotro zazalahy ianao. Ary hoy ravehivavy: Tsia, ry tompoko, lehilahin'Andriamanitra, aza mandainga amin'ny ankizivavinao.Koa nefa nanan'anaka tokoa ravehivavy, ka nony niherina ny taona, dia tera-dahy izy tamin'ilay fotoana nolazain'i Elisa taminy. » (2 Mpanjaka 4:16-17)
sady hamaha ny vesatrao
« Ary rehefa tonga tao an-trano Elisa, indro, maty ny zazalahy sady nampandrina teo am-pandriany.Ary niditra izy, ka nirindrim-baravarana tao izy roa lahy, ary Elisa nivavaka tamin'i Jehovah. Ary niakatra izy ka nandry niampatra tambonin'ny zazalahy, ka ny vavany nataony tamin'ny vavany, ary ny masony tamin'ny masony, ary ny tànany tamin'ny tànany, ka dia nafana ny tenan'ny zazalahy.Dia niasa-dia tao an-trano izy ary niverina niampatra taminy indray; dia nievina impito ny zazalahy, ary nihiratra ny masony. » (2 Mpanjaka 4:32-35)
TSY MISY MANANA NY AMPY FA TSARA RAHA MIFANAMPY E !!!
MAHEREZA !

MPITONDRA FIAINAM-BAOVAO HO AN’NY HAFA IANAO OLON’I KRISTY

Mahatalanjona ny hafa ny mihaino an'i Kristy ao anatinao
« Dia talanjona ny olona tamin'ny fampianarany, satria nampianatra azy tahaka izay manana fahefana Izy, fa tsy mba tahaka ny mpanora-dalàna. » (Marka 1:22)
sady mahavita mampinony tafio-drivotra koa
« Ary nanatona izy, dia namoha Azy ka nanao hoe: Tompoko, Tompoko, maty izahay! Dia nitsangana Izy, ka noteneniny mafy ny rivotra sy ny onjan-drano. Ary dia nitsahatra izany, ka tonga tony tsara ny andro. » (Lioka 8:24)
ampiasao dia ho maro ireo hiova fo
« Ary maro ny mpanao ody no nanangona ny bokiny ka nandoro azy teo imason'ny olona rehetra; ary nony voatontaly ny tokom-bidiny, dia hita fa volafotsy dimy alina izany. » (Asan'ny Apostoly 19:19)
MIANDRY ANAO NY TOMPONAO !!
SAHIA !!
MAHEREZA.

FIDIO IZAY TOMPOINAO ;

Raha firenena tsy ankasitrahan'Andriamanitra dia vitany ny mandrava azy
« Raha hataoko lao ny tany Egypta, ka hofoanako tsy hisy na inona na inona izay nahafeno azy teo; Ary haringako ny monina rehetra ao aminy, dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah. » (Ezekiela 32:15)
rehefa ankasitrahany kosa dia manao fahagagana Izy
« dia nijanona ny rano izay nidina avy tany ambony ka tonga toy ny antontan-javatra tery lavitra ery, dia tery amin'ny tanàna Adama, izay eo anilan'i Zaretana; eny, tapaka tokoa ny rano izay nidina ho any amin'ny ranomasin'ny tani-hay*, dia ny Ranomasin-tsira; ary ny olona dia nita tandrifin'i Jeriko. Ary ny mpisorona izay nitondra ny fiaran'ny faneken'i Jehovah dia nijoro tsara tamin'ny tany maina teo afovoan'i Jordana, ary ny Isiraely rehetra nandeha tamin'ny tany maina mandra-pahatafitan'izy rehetra an'i Jordana. » (Josoa 3:16-17)
ANAO NY SAFIDY!!!
TSY ALEO VE ATOLOTRA HO AN’I KRISTY NY FIRENENA E !!

HANAM-FIAINAM-PITSAHARANA IZAY MIBABOKA NOHO NY FAHOTANY

Miandry anao hibaboka eo anatrehany ny Tompo
« Handeha hody any amin'ny fitoerako Aho ambara-piaikiny ny helony sy hitadiavany ny tavako. Rehefa azom-pahoriana izy, dia hitady Ahy fatratra. » (Hosea 5:15)
dia hamindrafo
« Izay manafina ny fahotany tsy hambinina; Fa izay mitsotra ka mahafoy azy no hahazo famindram-po. » (Ohabolana 28:13)
satria tsapanao
« Fa ny heloko no hambarako; matahotra* aho noho ny fahotako. » (Salamo 38:18)
fa zava-dehibe ny fahazoana famelan-keloka
« Sasao madio aho mba ho afa-keloka, ary diovy aho mba ho afa-pahotana. » (Salamo 51:2)
SAHIA!
DIA HO TSAPANAO ILAY FIADANANA ANATY MAHAGAGA HIANDRY @ FIAINANAO HOAVY REHETRA !!!

DAVIDA AO @ KRISTY IANAO

zanak'Andrimanitra manana tongotra mana-pahefana hanitsaka ny fahavalo
« Salamo nataon'i Davida. Izao no lazain'i Jehovah amin'ny Tompoko: Mipetraha eo an-tanako ankavanana Ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao. » (Salamo 110:1)
ary manana ny fanalahidin'ny fanjakan'ny lanitra
« Ny handrosoan'ny fanapahana sy ny fiadanana dia tsy hanam-pahataperana Eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida sy ny fanjakany, mba hampiorenana sy hampitoerana azy amin'ny rariny sy ny hitsiny hatramin'izao ka ho mandrakizay; ny fahasaro-piaron'i Jehovah, Tompon'ny maro, no hahatanteraka izany. » (Isaia 9:6)
AZA MIAHOTRA !!!
DIA AMPIASAO AM-PANETRE-TENA IZANY E !!!

MPIVADY MIAVAKA NY MPIVADY AO @ KRISTY

Ny mpivady ao @ Kristy dia mpivady mifampatoky sy mifanambina
« Matoky azy ny fon'ny lahy, Ary tsy mitsahatra ny fanambinana azy. » (Ohabolana 31:11)
sady irak'Andriamanitra hitondra teny ho entina hamonjena ny ankohonana hafa
« izy hilaza teny aminao, izay hamonjena anao sy ny ankohonanao rehetra. » (Asan'ny Apostoly 11:14)
DIA AMPIASAO NY FAHEFANA MANOKANA MENDRIKA ANAREO E !!

HAHOMBY NY FAMPIASANAO NY HERIN’I KRISTY AO ANATINAO

Mahafaly ny fo,mampahazava ny maso ny manaradia an'i Kristy
« Mahitsy ny fandidian'i Jehovah, mahafaly ny fo; madio ny didin'i Jehovah, mampahazava ny maso. » (Salamo 19:8)
Mandavo ny fahavalo ny mampiasa ny heriny
« Ho levona tahaka izany anie ny fahavalonao rehetra, Jehovah ô; Fa aoka izay tia Azy kosa ho tahaka ny masoandro, raha miposaka amin'ny heriny izy. Dia nandry ny tany efa-polo taona. » (Mpitsara 5:31)
izay hiteraka fitombon'ny mpino
« Ary nihanahery finoana ny fiangonana sady nihamaro isan'andro. » (Asan'ny Apostoly 16:5)
MINOA !!
ARY MAZOTOA MAMPIASA E !

MANGATAHA MPITARKA MAHOMBY

Ianao olon'i Kristy dia afaka mangataka mpitantana mahomby
« Aoka Jehovah, Andriamanitry ny fanahin'ny nofo rehetra, hanendry lehilahy izay hitandrina ny fiangonana ka hivoaka sy hiditra eo alohany ary hitarika azy hivoaka sy hiditra, mba tsy ho tahaka ny ondry tsy misy mpiandry ny fiangonan'i Jehovah. » (Nomery 27:16-17)
sy manome tso-drano ho an'izay voafidiny
« Dia anomezo azy ny voninahitrao, mba hihainoan'ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra azy. » (Nomery 27:20)
Hanafy hery azy ny Tompo
« Ary, indro, Izaho mampitondra ny teny fikasan'ny Raiko ho anareo; fa mitoera eto an-tanàna mandra-panafiana anareo amin'ny hery avy any amin'ny avo. » (Lioka 24:49)
MINOA !!!
SATRIA IZAY MANGATAKA NO HOMENA E !

HAMAHA NY SAKANA REHETRA EO @ FIAINANAO OLONY KRISTY

400 taona tao anatin'ny fanandevozana ny zanak'israely nefa hain'Andriamanitra ny namaha izany!
Noho izany MATOKIA FA VITANY NY HAMAHA NY OLANAO

« Toy ny tamin'ny andro nivoahanao avy tany amin'ny tany Egypta No hanehoako azy zava-mahagaga. » (Mika 7:15)
MINOA FA HANOVA NY TANTARANAO IZY !!!
MAHEREZA.

HO AVY NY FIFOHAZAM-PANAHY AO @ JEROSALEMANAO

Ho avy ny fotoana hoe hanana an'i Krsty ny mponina rehetra ao @ Jerosalemanao
« Ary samy tsy hampianatra ny namany sy ny rahalahiny avy intsony izy hoe: Mahalalà an'i Jehovah; Fa samy hahalala Ahy avokoa izy rehetra. Hatramin'ny kely indrindra ka hatramin'ny lehibe indrindra, hoy Jehovah; Fa havelako ny helony, ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany. » (Jeremia 31:34)
satria Izy no hiandry
« Izaho no Mpiandry Tsara; ny Mpiandry Tsara manolotra ny ainy hamonjy ny ondry. » (Jaona 10:11)
sy hifandray akaiky aminy
« Ary rehefa mamoaka ireo rehetra ireo izy, dia mialoha azy; ary ny ondriny manaraka azy, satria mahalala ny feony ireo. » (Jaona 10:4)
MINOA!!
ARY SANTARO DIENY IZAO IZANY SATRIA NY FINOANA ANIE KA FANEHOANA NY ZAVATRA TSY HITA E !!!
SAHIA !

FIFALIANA HAFA ,FIFALIANA MIAVAKA NO MENDRIKA ANAO

Ho sondriana@ fitiavan'Andriamanitra ianao olon'i Kristy
« Jehovah Andriamanitrao no ao aminao, Mahery Izy ka hamonjy; Hiravoravo anao amin'ny fifaliana Izy; Ho sondriana amin'ny fitiavany Izy; Hifaly anao amin'ny fihobiana Izy.  » (Zefania 3:17)
satria hanamafy hiteny aminao Izy fa irany hitondra ny hafa ao @ fanjakany ianao
« Fa mitsangàna, ka mijoroa amin'ny tongotrao; fa izao no nisehoako taminao, dia ny hanendry anao ho mpanompo sy ho vavolombelona ny amin'izay efa nahitanao Ahy sy izay hisehoako aminao,hamonjy anao amin'ny olona Isiraely sy ny jentilisa, izay anirahako anao, hampahiratra ny masony hialany amin'ny maizina ho amin'ny mazava, ary amin'ny fahefan'i Satana ho amin'Andriamanitra, mba hahazoany famelan-keloka sy lova eo amin'izay nohamasinina noho ny finoana Ahy. » (Asan'ny Apostoly 26:16-18) MAHEREZA NA METY TSY AZON’NY HAFA AZA IZANY FIFALIANA ANATY ANANANAO IZANY !!!

MANAFAY @ FOMBANY NY TOMPO

Vitan'Andriamanitra ny managana fahavalo ho an'izay tsy mankato Azy
« Ary Jehovah nanangana fahavalo hanohitra an'i Solomona, ... » (1 Mpanjaka 11:14a)
santionan'izany ny tsy fanajana ny hafa
« Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Izay rehetra tezitra* amin'ny rahalahiny dia miendrika hohelohina amin'ny fitsarana; ary na zovy na zovy no hanao amin'ny rahalahiny hoe: Olom-poana ianao, dia miendrika hohelohina amin'ny Synedriona; ary na zovy na zovy no hanao hoe: Foka ialahy, dia miendrika ho ao amin'ny helo mirehitra afo. [*Na: tezitra foana] » (Matio 5:22)
sy ny teny nolazaina
« Fa aoka ny teninareo ho Eny, eny; Tsia, tsia; fa izay mihoatra noho izany dia avy amin'ny ratsy*.[*Na amin'ilay ratsy] » (Matio 5:37)
MINOA !
NOHO IZANY HIFAMPIVAVAKA HIFAMPAHERY HATRANY ISIKA MBA SAMY HIJORO H@ FARANY KA SAMY HIHAONA ANY AN-DANITRA E !!!

MANDRAISA ANDRAIKITRA RY OLON’NY KRISTY

Mitondra fanambinana ny rakitra
« Amin'ny andro voalohany isan-kerinandro dia samia manokana ao aminy avy ho rakitra na amin'inona na amin'inona no anambinana azy, » (1 Korintiana 16:2)
ary mitondra fampandrosoana ny fampiasana ireo fanomezam-pahasoavana avy @ Fanahy
« Ahoana ary no izy, ry rahalahy? Raha miangona ianareo, misy ta-hanao hira ianareo, misy ta-hanao fampianarana, misy manana fanambarana, misy manana fiteny tsy fantatra, misy manana fandikan-teny. Aoka ny zavatra rehetra hatao ho fampandrosoana. » (1 Korintiana 14:26)
MANAOVA IZAY TANDRIFY ANAO !
MAZOTOA !
MAHEREZA.

SAINA HAFA NY SAINAO OLON’I KRISTY

Tsy voatery ho azon'izao tontolo izao eo noho eo ny zavatra ambaranao olon'i Kristy
« Fa ny olona izay araka ny nofo ihany dia tsy mba mandray izay an'ny Fanahin'Andriamanitra; fa fahadalana aminy izany sady tsy azony, satria araka ny Fanahy no amantarana izany. » (1 Korintiana 2:14)
ny anjaranao dia ny mizara ny tolon-tsaina izay omeny
« Fa ny olona araka ny Fanahy kosa dia mahafantatra ny zavatra rehetra, kanefa izy tsy fantarin'olona.Fa iza no nahafantatra ny sain'ny Tompo mba hampianatra Azy? (Isa. 40. 13). Fa izahay manana ny sain'i Kristy. » (1 Korintiana 2:15-16)
EKEO AM-PANETRE-TENA NY TOERANA AMETRAHAN’I KRISTY ANAO DIA HASANDRANY HATRANY IANAO !
MATOKIA !
MAHEREZA.

OLON’I KRISTY-VOATENDRY HANANGANA NY TARANANY IANAO

Hafa ianao sy ny taranakao
« Fa ianareo kosa dia taranaka voafidy, "fanjaka-mpisorona, firenena masina" (Eks. 19.6), olona nalain'Andriamanitra ho an'ny tenany mba hilazanareo ny hatsaran'ilay niantso anareo hiala tamin'ny maizina ho amin'ny fahazavany mahagaga; » (1 Petera 2:9)
ary voafidy hanangana an'io taranaka vaovao io ianao
« Dia hiara-mivory ny taranak'i Joda sy ny taranak'Isiraely ka hifidy anankiray ho lohany izy, .... » (Hosea 2:2a)
Maneke dia ho vitanao ny fanaganana firenena vaovao
« dia ianareo izay tsy firenena akory fahiny, fa ankehitriny efa olon'Andriamanitra; izay tsy namindrana fo, fa ankehitriny efa namindrana fo (Hos. 2.25). » (1 Petera 2:10)
MINOA !

FITIAVANA LEHIBE NO MENDRIKA AN’I KRISTY IZAY TOMPOINAO

Mila manam-pitiavana an'i Kristy mihoatra noho ny fitiavam-bady na zanaka ianao olony
« Izay tia ray na reny mihoatra noho ny fitiavany Ahy dia tsy miendrika ho Ahy, ary izay tia ny zananilahy na ny zananivavy mihoatra noho ny fitiavany Ahy dia tsy miendrika ho Ahy. » (Matio 10:37)
mety hisy faharetana izany
« Ary izay tsy mitondra ny hazo fijaliany ka tsy manaraka Ahy dia tsy miendrika ho Ahy. » (Matio 10:38)
fa hahavonjy ny ainao
« Izay mamonjy ny ainy no hamery azy; ary izay mamery ny ainy noho ny amiko dia hahazo azy. » (Matio 10:39)
TSY HANENENANAO MANDRAKIZAY IZANY !!
MATOKIA !

VONONA HITONDRA FANOVANA KRISTY AO ANATINAO

Feno fanahy sady vonona hifanandrina @ ireo herin'ny ratsy rehetra Kristy ao anatinao sy ny anjeliny
« Ary niaraka tamin'izay dia nampandehanin*'ny Fanahy ho any an-efitra Izy.Ary tany an-efitra efa-polo andro Izy ka nalain'i Satana fanahy; ary teo amin'ny bibi-dia Izy, ary ny anjely nanompo Azy. » (Marka 1:12-13)
vonona koa Izy ny hampibebaka ny hafa
« ka nanao hoe: Efa tonga ny fotoana, ka efa akaiky ny fanjakan'Andriamanitra; mibebaha ianareo ka minoa ny filazantsara. » (Marka 1:15)
NY ANJARANAO DIA NY MANAIKY HO FITAOVANY !!!
MENEKE DIA HO TONGA HAINGANA KOKOA NY FIFOHAZAM-PANAHY E !!!
SA AHOANA ?
MAHEREZA !

KATSAHO HATRANY NY FANJAKAN’ANDRIAMANITRA

Na eo aza ny olana
« Ary nisy zatovo anankiray atao hoe Eotyka nipetraka teo am-baravarankely ka sondrian-tory; ary raha naharitra ela ny toritenin'i Paoly, dia niraika noho ny torimaso ilay zatovo ka nianjera tamin'ny tany avy eny amin'ny rihana intelo mifanongoa, ary nony narenina izy, dia indro fa efa maty. » (Asan'ny Apostoly 20:9)
dia aza mierikerika fa mifantoha @ asa fanompoana niantsoana anao
« Ary niakatra Paoly, dia namaky ny mofo, ary rehefa nihinana sy niresaka ela ambara-pahamarain'ny andro izy, dia lasa nandeha. » (Asan'ny Apostoly 20:11)
dia hamaha izany @ fomba mahagaga Kristy
« Ary nitondra ilay zatovo efa velona izy ireo ka faly dia faly. » (Asan'ny Apostoly 20:12)
MINOA !
DIA HO TSAPANAO BEBE KOKOA HATRANY NY HAMAMIN’NY FIARAHANAO AMINY !
MATOKIA !
MAHEREZA.

HISY VAVAHADIM-PAHASOAVANA HISOKATRA HO ANAO OLON’I KRISTY

Hisy masom-panahy hisokatra vaovao eo @ fiainanao olon'i Kristy
« Ary hoy Jesosy taminy: Mandehana ianao, ny finoanao no efa namonjy anao. Dia nahiratra niaraka tamin'izay ny masony, ka nanaraka an'i Jesosy teny an-dalana izy. » (Marka 10:52)
hidera Azy ianao satria mahatsapa fa efa miaina sahady ao @ fanjakany
« Ary izay nandeha teo alohany sy izay nanaraka teo aoriany dia samy niantso hoe: Hosana! Isaorana anie Izay avy amin'ny anaran'i Jehovah!Hotahina anie ny fanjakana izay avy, dia ny an'i Davida raintsika! Hosana any amin'ny avo indrindra. » (Marka 11:9-10)
MIFALIA !
AZA GAGA FA ANKAFIZO E !

HIARO ANAO @ FOMBA MAHAGAGA NY TOMPO

Hahita ny herin'i Kristy Tompoinao ny Mpanapaka
« Dia faly indrindra ny mpanjaka, ka nasainy nakarina avy ao an-davaka Daniela. Dia nakarina avy tao an-davaka Daniela, ary tsy hita nisy naratra izy, satria nino an'Andriamaniny. » (Daniela 6:24)
satria sahy nijoro t@ fahamarinana sy t@ fahamasinana ianao
« Andriamanitro efa naniraka ny anjeliny ka nanakombona ny vavan'ny liona tsy handratra ahy, satria fahamarinana no hitany tamiko; ary teo anatrehanao koa, ry mpanjaka ô, tsy nanao ratsy aho. » (Daniela 6:23)
ary ho resy h@ fahavalonao
« Ary ny mpanjaka nandidy, ka nentina ireo lehilahy niampanga* an'i Daniela ireo, dia natsipy tao an-davaky ny liona izy mbamin'ny vadiny aman-janany, ary ny liona nanan-kery taminy ka nanapatapaka ny taolany, raha tsy mbola nipaka tamin'ny vodin'ny lavaka akory aza izy.[Ar. nihinana ny nofony] » (Daniela 6:25)
MITONIA REHEFA MIATRIKA OLANA DIA HIVAHA IZANY !
MATOKIA !

HIASA @ FOMBA MAHAGAGA IANAO OLON’I KRISTY

Efa nomen'Andriamanitra ho anao olony ny zavatra rehetra
« Ny Ray tia ny Zanaka ka efa nanolotra ny zavatra rehetra ho eo an-tànany. » (Jaona 3:35)
aza miahotra ary miasa @ anarany satria tsy hisy fetra ny herin'ny Fanahiny ao anatinao
« Fa Izay nirahin'Andriamanitra dia milaza ny teniny; fa tsy misy fetra ny fanomezan'Andriamanitra ny Fanahy. » (Jaona 3:34)
AMPITOMBOY NY FINOANA DIA HITOMBO ARAK’IZANY KOA IREO HOSOTRA HO VOARAINAO !!!
MATOKIA.

TIAVA MANOME

Tsara ny manome ho an'ny zanaka
« Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Raha manome zavatra ho an'ny anankiray amin'ny zanany ny mpanjaka, dia ho lovan'ny zanany izany; eny, ho zara-lovany izany. » (Ezekiela 46:16)
fa tsy hanenenanao ny manome ho an'ny hafa
« Fa raha manome zavatra avy amin'ny lovany ho an'ny anankiray amin'ny mpanompony kosa izy, dia ho azy mandra-pahatongan'ny taona fanafahana ihany izany; dia hiverina ho amin'ny mpanjaka indray izany ka ho lova ho an'ny zanany ihany. » (Ezekiela 46:17)
Izahao toetra ny tenanao ary mazotoa manompo @ fitiavana
« koa noho izany dia manaova izay zotom-po rehetra kosa ianareo, ka amin'ny finoanareo dia manehoa fahatanjahan-tsaina, ary amin'ny fahatanjahan-tsainareo dia fahalalana,ary amin'ny fahalalanareo dia fahononam-po, ary amin'ny fahononam-ponareo dia faharetana, ary amin'ny faharetanareo dia toe-panahy araka an'Andriamanitra,ary amin'ny toe-panahinareo araka an'Andriamanitra dia fitiavana ny rahalahy,ary amin'ny fitiavanareo ny rahalahy dia fitiavana ny olona rehetra. » (2 Petera 1:5-7)
HITONDRA DINGANA ARAM-PANAHY VAOVAO HO ANAO HATRANY IZANY!
MATOKIA!
MAHEREZA.

OLON'NY FANAHY IANAO OLON' KRISTY

Tia mampibebaka
« Mibebaha ianareo; fa efa akaiky ny fanjakan'ny lanitra. » (Matio 3:2)
manana ireo toetra vokatry ny Fanahy
« Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana,fahalemem-panahy, fahononam-po; tsy misy lalàna manohitra izany. » (Galatiana 5:22-23)
fahazavana
« Fa raha mandeha eo amin'ny mazava isika, tahaka Azy eo amin'ny mazava, dia manana firaisana isika, ary ny ran'i Jesosy Zanany no manadio antsika ho afaka amin'ny ota rehetra. » (1 Jaona 1:7)
vavombelona isehoan'ny fiainana
« fa efa naseho ny fiainana, ary efa nahita azy izahay, dia tonga vavolombelona ka manambara aminareo ny fiainana mandrakizay, izay tao amin'ny Ray ka efa naseho taminay » (1 Jaona 1:2)
MAMPIASA SISA NO ANJARANAO!!!
KA VONONA VE?

AKAIKY TENA AKAIKY ANAO KRISTY

Ho anao izay mitady ho kivy antsoy ny Tompo ary lazao Izy hoe:
VELOMY AHO

« Noho ny anaranao, Jehovah ô, velomy aho; Araka ny fahamarinanao avoahy ny fanahiko ho afaka amin'ny fahoriana. » (Salamo 143:11)
FONGORY NY FAHAVALOKO
« Ary araka ny famindram-ponao fongory ny fahavaloko, Ka aringano izay rehetra mampahory ny fanahiko; Fa mpanomponao aho. » (Salamo 143:12)
Minoa fa HAMALY SY HAMONJY anao Izy
« Hanefa ny irin'izay matahotra Azy Izy Ary hihaino ny fitarainany ka hamonjy azy. » (Salamo 145:19)
MINOA!
DIA HANANA FAHATONIANA MAHAGAGA IANAO!
MAHEREZA.

FANAHY AVY ANY AN-DANITRA NO MAMPIAIKY ANAO FA ZANAK’ANDRIAMANITRA KRISTY:

Ekeo fa zanak'Andriamanitra Kristy
« Ary namaly Simona Petera ka nanao hoe: Hianao no Kristy, Zanak'Andriamanitra velona. » (Matio 16:16)
sy mahavita fahagagana
« Tsy mbola mahafantatra va ianareo, ary tsy tsaroanareo va ny mofo dimy ho an'ny dimy arivo, ka firy harona moa no nangoninareo?na ny mofo fito ho an'ny efatra arivo, ka firy sobiky moa no nangoninareo? » (Matio 16:9-10)
dia hiara-hiasa @ tontolon'ny lanitra
« Homeko anao ny fanalahidin'ny fanjakan'ny lanitra; ka na inona na inona fehezinao eto ambonin'ny tany dia hofehezina any an-danitra; ary na inona na inona vahanao ety ambonin'ny tany dia hovahana any an-danitra. » (Matio 16:19)
sy ho sahy hananatra ianao
« Nefa ny mpaminany rehetra sy ny mpahita rehetra dia nasain'i Jehovah nananatra ny Isiraely sy ny Joda hoe: Mialà amin'ny lalanareo ratsy, ary tandremo ny lalàko sy ny didiko, araka ny lalàna rehetra izay nandidiako ny razanareo sy izay nanirahako ny mpaminany mpanompoko ho aminareo. » (2 Mpanjaka 17:13)
MPONIN’NY LANITRA DIENY ETY AN-TANY IANAO!!! MATOKIA!!!

MITADY OLONA HIHAINO AZY NY TOMPO

Mangataka ny Tompo mba hiverina hihaino Azy kokoa ianao olony
« Miverena ianareo hihaino ny fananarako; Indro, haidiko aminareo ny fanahiko, Ary hampahafantariko anareo ny teniko. » (Ohabolana 1:23)
tahaka ny mitady harena miafina
« Raha mitady azy toy ny fitady volafotsy ianao Ary mikatsaka azy toy ny fikatsaka harena afenina: » (Ohabolana 2:4)
mba hahatonga anao tsy hanana ahiahy intsony
« Fa izay mihaino Ahy kosa hitoetra tsy manana ahiahy, Eny, handry fahizay izy ka tsy hatahotra ny ratsy. » (Ohabolana 1:33)
EKEO!
DIA HO AZO ANTOKA FA HO FITAOVAM-PITAHIANA HO AN’NY HAFA IANAO!!!
MAHEREZA!!

SAHIA MIFONA @ FAHADISOANA NATAO

Sahia mifona @ olona izay tsy nahefanao t@ teny naloaky ny vavanao
« Ka voafandriky ny teny naloaky ny vavanao ianao Sady voasingotry ny teny naloaky ny vavanao,Dia izao no ataovy, anaka, ka afaho ny tenanao (Satria efa mby eo an-tanan'ny namanao ianao): Andeha mihohoka sy mifona mafy amin'ny namanao. » (Ohabolana 6:2-3)
dia ho afaka ianao ary hihaino
« Raha tsy mbola miantso aza izy dia hamaly Aho; Ary raha mbola miteny izy, dia hihaino Aho. » (Isaia 65:24)
sy hanome fitahiana ho anao ny Tompo
« Fa izao no lazain'i Jehovah: Indro, hitarihako fiadanana tahaka ny ony izy, Ary ny voninahitry ny firenena tahaka ny renirano tondraka, Ka hinono ianareo; Ary hosakalehina ianareo sady hohindrahindraina eo ambony lohalika. » (Isaia 66:12)
HAMPIOVA NY FIAINANAO TANTERAKA IZANY!!
MINOA!!!