"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

HO RAVA SY POTIKA NY FANAHY RATSY AO ANATINAO OLON’I KRISTY

Mampatsiahy anao Kristy fa fanahy mahery hanapotika ny fanahy hafa rehetra ao anatinao Izy
« Raha ny mahery mivonona amin'ny fiadiany no miaro ny tranony, dia tsy haninona ny fananany.Fa raha avy kosa izay mahery noho izy ka mandresy azy, dia alainy ny fiadiany rehetra izay nitokiany, ary izay azony ho babo dia zarainy. » (Lioka 11:21-22)
MINOA ary iaino ny fanjakany dieny ety an-tany
« Fa raha ny rantsan-tànan'Andriamanitra no amoahako ny demonia, dia tonga aminareo tokoa ny fanjakan'Andriamanitra. » (Lioka 11:20)

HIATRIKA ADY IANAO NEFA TSAROVY FA FOMBA HANEHOAN’I KRISTY NY FANDRESENY IZANY!!!
MATOKIA!!!
MAHEREZA.

-

MANGATAHA DIA HO SITRANA IANAO OLON’I KRISTY

Aza miahotra mangataka Aminy fa hanasitrana anao Kristy
« Ary raha tao an-tanàna anankiray Jesosy, indro, nisy lehilahy heniky ny habokana: ary nony nahita Azy io, dia niankohoka ka nitaraina taminy hoe: Tompoko, raha mety Hianao, dia mahay manadio ahy.Ary Jesosy naninjitra ny tanany, dia nanendry azy ka nanao hoe: Mety Aho; madiova ianao. ry ny habokany niala taminy niaraka tamin'izay. » (Lioka 5:12-13)
olom-boafidiny ianao dia hamindrany fo
« Manao famonjen-dehibe ho an'ny mpanjaka voatendriny Izy ary mamindra fo amin'ny voahosony, dia amin'i Davida sy ny taranany mandrakizay. » (2 Samoela 22:51)
sady hiaiky fa velona Izy
« Velona Jehovah; isaorana anie ny Vatolampiko; Asandratra anie Andriamanitry ny vatolampy famonjena ahy, » (2 Samoela 22:47)

MINOA!
DIA HO HITANAO NY VONINAHINY E!

MANàNA FISAINANA “+” FOANA

Fadio ny mieritreri-dratsy
« Lozan'izay mamoron-keloka sy misaintsain-dratsy ao am-pandriany! Ary nony maraina ny andro, dia manatanteraka izany izy, Satria manan-kery ny tànany. » (Mika 2:1)
fa aoka hahery foana ianao olon'i Kristy n'inona n'inona mitranga
« Fa raha velona isika, dia velona ho an'ny Tompo; ary raha maty isika, dia maty ho an'ny Tompo; koa amin'izany, na velona na maty isika, dia an'ny Tompo ihany. » (Romana 14:8)
izay hampandroso foana no hatsaho
« Koa dia aoka isika hiezaka hitady ny momba ny fiadanana sy ny momba ny fifampandrosoana. » (Romana 14:19)

MINOA FA HIASA HAINGANA DIA HAINGANA KRISTY MPAMONJY AO ANATINAO E!!!
MATOKIA!!!!

MAHEREZA.

MILA ANAO HANAM-PINOANA KRISTY

Hitady an'i Kristy ianao dia hahita
« Ary hitady Ahy ianareo, dia ho hitanareo Aho, raha katsahinareo amin'ny fonareo rehetra. » (Jeremia 29:13)
hamaly ny vavakao Izy
« Ary hiantso Ahy ianareo ka handeha sy hivavaka amiko, dia hihaino anareo Aho. » (Jeremia 29:12)
MINOA ary manàna fanantenana fa hampiadana anao @ fombany sy @ fotoanany Izy
« Fa Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, hoy Jehovah, dia hevitra hahatonga fiadanana, fa tsy loza, mba hanome anareo fanantenana ny amin'ny farany. » (Jeremia 29:11)
VONONA HANAPOROFO IZANY @ IZAY MATOKY AZY H@ FARANY IZY!!!
RAHA METY IANAO DIA IANAO ILAY IZANY E!!!
MAHEREZA.

HAFA TENA HAFA IANAO OLON’I KRISTY

Olon'i kristy ianao:manana fahendrena sy fahiratan-tsaina be
« Ary Andriamanitra nanome an'i Solomona fahendrena sy fahiratan-tsaina be indrindra ary fahalalana betsaka tahaka ny fasika amoron-dranomasina. » (1 Mpanjaka 5:9)
tsara fihavanana @ manodidina
«...ary izy dia tsara fihavanana tamin'ireny rehetra manodidina nanoa azy ireny. » (1 Mpanjaka 5:4b)
hajain'ny hafa satria mahay mamaha ny olany
« Ary raha ren'ny Isiraely rehetra izany fitsarana nataon'ny mpanjaka izany, dia natahotra ny mpanjaka izy, satria hitany fa misy fahendren'Andriamanitra ao am-pony ho entiny mitsara. » (1 Mpanjaka 3:28)
VITANAO IZANY!!!
MATOKIA!!!
SAHIA MANAO DINGANA HATRANY!!!
MAHEREZA.

HANDRINGANA TANTERAKA NY FANAHY RATSY NY HERIN’NY FANAHIN’I KRISTY AO ANATINAO OLONY

Nitady an'ny Tompo t@ herinao rehetra ianao
« Mitadiava an'i Jehovah sy ny heriny Katsaho mandrakariva ny tavany. » (Salamo 105:4)
nampiasa ny herin'ny Fanahiny Masina
« Maniraka ny Fanahinao Hianao, dia ary izy,... » (Salamo 104:30a)
ho ringana ny herin'ny ratsy vokatr'izany
« Ho lany ringana tsy ho ety amin'ny tany ny mpanota, Ary ny ratsy fanahy tsy ho ety intsony. Misaora an'i Jehovah, ry fanahiko. Haleloia. » (Salamo 104:35)
EFA RESY SATANA FA MANDRAVA FOTSINY IANAO SISA!!!!
MATOKIA!!!
MAHEREZA.

FANTARO HOE IZA IANAO MALAGASY EO ANATREHAN'ANDRIAMANITRA

AZA FERANA FA RAISO ARY HO TANTERAKA IZAY FANIRIANA TSARA VOARAINAO

Hisy faniriana tsara ho voarainao
« Ary hoy Izy: Hiverina aminao tokoa Aho raha avy ny taona toy izao; ary, indro hanana zazalahy Saraha vadinao. Ary Saraha nandre izany teo am-baravaran'ny lay, izay teo ivohon'Ilay niteny. » (Genesisy 18:10)
ka na ho sarotra aza ny hahatanteraka azy
« Ary Abrahama sy Saraha dia samy efa zoki-olona ka nandroso fahanterana, ary efa nitsahatra tamin'ny fombam-behivavy Saraha. » (Genesisy 18:11)
dia MINOA fa Kristy no nanome sy hanampy anao hamita izany
« Fa moa misy zavatra mahagaga izay tsy hain'i Jehovah va? Amin'ny fotoan'andro raha avy ny taona toy izao dia hiverina aminao Aho, ary Saraha hanana zazalahy. » (Genesisy 18:14)
MANEKE HO FITAOVANY DIA HO TSAPANAO FA TSY MISY NY IMPOSSIBLE AO @ KRISTY E!!!
MAHEREZA.

FANTARO NY MISTERIN'NY ISA 12 AO AMIN'NY BAIBOLY



BOKY HAFA TSARA HO FANTATRA

FALY KRISTY SATRIA MANKATO AZY IANAO OLONY

Hifaly ao anatinao olony Kristy
« Jehovah Andriamanitrao no ao aminao, Mahery Izy ka hamonjy; Hiravoravo anao amin'ny fifaliana Izy; Ho sondriana amin'ny fitiavany Izy; Hifaly anao amin'ny fihobiana Izy. » (Zefania 3:17)
satria ianao nanaiky hampiatra ny fahefany hamonjena
« Sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovy ny boka, avoahy ny demonia;... » (Matio 10:8a)
sy hanala ny hafa eo ambanin'ny jiogan'i satana
« hampahiratra ny masony hialany amin'ny maizina ho amin'ny mazava, ary amin'ny fahefan'i Satana ho amin'Andriamanitra, mba hahazoany famelan-keloka sy lova eo amin'izay nohamasinina noho ny finoana Ahy. » (Asan'ny Apostoly 26:18)
VOKATR’IZANY DIA HANAFAINGANA NY FANOVANA EO @ JEROSALEMANAO IZY!!!
MINOA!!!
MAHEREZA.

TSY IZAY TIANAO OLON’I KRISTY ATAO NO TIAN’ANDRIAMANITRA FA IZAY ASAINY HATAONAO

Fantaro ny tena sitrapon'Andriamanitra
« Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra. » (Matio 7:21)
Ankatoavy izany dia ho fitaovany hahavita fahagagana ianao
« Ary raha niala tamin'ny lainy hita an'i Jordana ny olona, ary ny mpisorona nitondra ny fiaran'ny fanekena eo alohan'ny olona,ka tonga teo Jordana izay nitondra ny fiara, ary naroboky ny mpisorona izay nitondra ny fiara tamin'ny sisin-drano ny tongony (fa tondraka mihoatra ny morony rehetra Jordana mandritra ny fararano),dia nijanona ny rano izay nidina avy tany ambony ka tonga toy ny antontan-javatra tery lavitra ery, dia tery amin'ny tanàna Adama, izay eo anilan'i Zaretana; eny, tapaka tokoa ny rano izay nidina ho any amin'ny ranomasin'ny tani-hay, dia ny Ranomasin-tsira; ary ny olona dia nita tandrifin'i Jeriko.» (Josoa 3:14-16)
Nanao soa ianao dia hahazo soa
« Koa amin'izany na inona na inona tianareo hataon'ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa tahaka izany;... » (Matio 7:12a)

MINOA!
DIA HO TSAPANAO KOKOA FA TENA VELONA AO ANATINAO KRISTY!!!
MAHEREZA.

MPAMAHA OLANA KRISTY AO ANATINAO

Kristy ao anatinao:tsy mpitsara fa mpamonjy
« Ary raha misy mandre ny teniko ka tsy mitandrina, Izaho tsy mitsara azy; fa tsy tonga hitsara izao tontolo izao Aho, fa hamonjy izao tontolo izao. » (Jaona 12:47)
mampitoetra ny toe-javatra ao @ maizina ho @ mazava
« Izaho tonga amin'izao tontolo izao ho fahazavana, mba tsy hitoetra ao amin'ny maizina izay rehetra mino Ahy. » (Jaona 12:46)
mpisolovava an'Andriamanitra
« satria Izaho tsy niteny ho Ahy, fa ny Ray Izay naniraka Ahy, Izy no nandidy Ahy izay holazaiko sy izay hotoriko. » (Jaona 12:49)
MATOKIA.DIA AMPIASAO MBA HAHATSAPANAO NY TSIRONY @ MAHA-OLOM-BAOVAO AO @ KRISTY ANAO E!
MAHEREZA.

IZAY MANKATO DIA HO VOATAHY

Tahaka ny fifandraisan'ny ray sy ny zanaka ny fifandraisanao @ ny
Tompo

"Koa aoka ho fantatrao amin'ny fonao, fa tahaka ny fananaran'ny olona ny zanany no fananaran'i Jehovah Andriamanitrao anao." (Deotronomia 8:5)
raha Hendry
"Ary tandremo ny didin'i Jehovah Andriamanitrao, mba handehananao amin'ny lalany sy hatahoranao Azy."(Deotronomia 8:6)
dia ho voatahy
"Fa Jehovah Andriamanitrao efa hampiditra anao any amin'ny tany soa, dia tany misy renirano sy loharano ary rano lalina eny amin'ny lohasaha sy ny tendrombohitra,tany misy vary tritika sy vary hordea sy voaloboka sy aviavy ary ampongaben-danitra, tany misy hazo oliva sy tantely,tany izay hihinananao hanina amin'ny fanaranam-po, sady tsy hanan-java-mahory akory eo ianao, tany misy vy ny vato ao aminy, ary ao amin'ny tendrombohiny no hihadianao varahina." (Deotronomia 8:7-9)
nefa aza hirehareharena izany
"ary andrao ianao hanao anakampo hoe: Ny tanjako sy ny herin'ny tanako no nahavoriako izao harena izao;fa tsarovy Jehovah Andriamanitrao, fa Izy no manome anao hery hahavory harena, mba haoriny ny fanekeny, izay nianianany tamin'ny razanao, tahaka ny amin'izao anio izao."(Deotronomia 8:17-18)
MINO AHO FA HO ISAN’IZANY IANAO!!!!
AZA AMELANA MIHITSY E!!!
ALEO MIFONA RAHA ILAINA!!!
MAHEREZA.

AOKA SAMY HANAJA NY ANJARA FANOMPONY NY OLON’KRISTY REHETRA

Tsy misy ahatakatra tanteraka ny toe-javatra izay ataon'Andriamanitra
« dia hitako avokoa ny asan'Andriamanitra, fa tsy takatry ny sain'ny olona ny asa atao aty ambanin'ny masoandro; koa na dia mikely aina hitady izany aza ny olona, tsy ho hitany; eny, na ny hendry aza no manao hahafantatra izany, dia tsy ho azony fantarina akory. » (Mpitoriteny 8:17)
ny anjara fanopoana nomeny anao no ataovy tsara
« Izay rehetra azon'ny tananao atao dia ataovy amin'ny herinao; fa tsy misy asa, na hevitra, na fahalalana, na fahendrena, any amin'ny fiainan-tsi-hita izay alehanao.» (Mpitoriteny 9:10)
tahaka ny ho Azy
« ary na inona na inona no ataonareo, dia ataovy amin'ny fo, tahaka ny ho an'ny Tompo, fa tsy ho an'olona, » (Kolosiana 3:23)
TANDROVY IZANY DIA HO LEHIBE NY VALIM-PITIA HO AZONAO!!!
MATOKIA!
MAHEREZA.

TONTOLO HAFA NO IAINANAO OLON’I KRISTY

Zava-dehibe ny fanoloran-tenanao ho an'i Kristy
« Koa amin'izany mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindram-pon'Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, sitrak'Andriamanitra, dia fanompoam-panahy* mety hataonareo izany.  » (Romana 12:1)
satria hiteraka fomba fiarahana @ Andriamanitra izay tsy ho voatery ho azon'izao tontolo izao
« Ary aza manaraka ny fanaon'izao tontolo izao; fa miovà amin'ny fanavaozana ny saina, hamantaranareo ny sitrapon'Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no marina*. [* Gr. tanteraka]. » (Romana 12:2)
MARIKA IRAY EFA IAINANAO NY AMPAHAN’NY FIAINAN-DANITRA DIENY ETY AN-TANY IZANY.
SAHIA MIJORO DIA HO SAMBATRA IANAO!!
MAHEREZA.

NY JEROSALEMANAO MANONTOLO MIHITSY NO EFA AN’I KRISTY

An'i Kristy ny tanànanao,irany ianao hanefa sy hamita izany.Vokany!hilamina ny hoavin'ny jerosalemanao
« Dia lasan'i Josoa avokoa ny tany rehetra, araka izay rehetra nolazain'i Jehovah tamin'i Mosesy; ary nomen'i Josoa ho lovan'ny Isiraely izany, araka ny fizaran'ny fireneny. Dia nitsahatra ny ady ka nandry ny tany. » (Josoa 11:23)
Ny Tompo no hanendry izay hiaraka aminao
« Dia nasain'ny Fanahy hiaraka tamin'ireo aho ka tsy hizaha tavan'olona na dia kely akory aza..... » (Asan'ny Apostoly 11:12a)

EKEO IZAY TIANY HIARAKA AMINAO MBA HAHATANTERAKA IZANY HAINGANA !
MPANDRESY IANAO!!
MINOA.

FANTARO ARY TANTERAHO IZAY ANDRAIKITRA IANTSON’ANDRIAMANITRA ANAO OLONY

Alohan'ny handraisanao andraikitra!mangataha famantarana @ ny Tompo raha avelany
« Ary hoy koa Gideona tamin'Andriamanitra: Aoka tsy hirehitra amiko ny fahatezeranao, fa hiteny izao indray mandeha izao monja aho; aoka mba hizahako izao indray mandeha izao monja amin'ny volon'ondry: aoka ny volon'ondry ihany no ho maina, fa ny tany rehetra kosa no ho lenan'ny ando.Dia nataon'Andriamanitra izany tamin'ny alin'iny, ka ny volon'ondry ihany no maina, fa ny tany rehetra kosa dia lenan'ny ando. » (Mpitsara 6:39-40)
rehefa azo izany dia sahia milaza fa Irany ianao
« Dia namaly ilay namany ka nanao hoe: Tsy zavatra hafa izany, fa ny sabatr'i Gideona, zanak'i Joasy, lehilahy Isiraelita, mihitsy: efa natolotr'Andriamanitra eo an-tànany ny Midiana sy ny toby rehetra. » (Mpitsara 7:14)

REHEFA IZY NO MANIRAKA TSY HISY HAHASAKANA ARY HO VITANAO IZANY!!!
MATOKIA!
MAHEREZA.

TSY VOATERY HO MORA FOANA NY FIARAHANA @ KRISTY ETY AN-TANY

Ny olon'i Kristy dia tokony mitondra ny hazofijaliany
« Ary izay tsy mitondra* ny hazo fijaliany ka tsy manaraka Ahy dia tsy miendrika ho Ahy.[*Gr. mandray] » (Matio 10:38)
aza atao mahakivy anefa izany satria ny fankatoavana no antoka hidirana any an-danitra
« Ary amin'izany na zovy na zovy no hanaiky Ahy eo anatrehan'ny olona, dia hekeko kosa izy eo anatrehan'ny Raiko Izay any an-danitra. » (Matio 10:32)

MITRAKA!!!
MATOKIA !MAHEREZA.

ANKASITRAHAN’ANDRIAMANITRA IZAY TIA MANOMPO SY MANOME VONINAHITRA AZY

Ny zavatra izay mampandroso ny fanjakan'Andriamanitra no ankasitrahany
« Ny zavatra rehetra azo atao, nefa tsy ny zavatra rehetra no mahasoa; ny zavatra rehetra azo atao, nefa tsy ny zavatra rehetra no mampandroso. » (1 Korintiana 10:23)
katsaho ny hanomeza voninahitra Azy
« Koa amin'izany, na mihinana na misotro ianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr'Andriamanitra izany rehetra izany. » (1 Korintiana 10:31)
sy izay hamonjena ny hafa
« dia tahaka ahy koa manao izay hahafinaritra ny olona rehetra amin'ny zavatra rehetra ka tsy mitady ny mahasoa ahy ihany, fa ny mahasoa ny maro mba hovonjena izy. » (1 Korintiana 10:33)
TANTERAHO ARY IZANY MBA HANANANAO FIADANANA ANATY MANDRAKIZAY E!
MATOKIA MAHEREZA.

TOHIZO NY ASA TSARA IZAY EFA NIANTSOANA ANAO OLON’I KRISTY

Aza taitra raha misy feo miteny aminao hoe:"AZA MATAHOTRA!"
« Fa nisy anjelin'Andriamanitra, Izay Tompoko sady tompoiko, nitsangana teo anilako halina ka nanao hoe: Aza matahotra, ry Paoly; ... » (Asan'ny Apostoly 27:23-24a)
tohizo ny asa ho fanasoavana ny hafa
« Ary nararin'ny tazo sady nivalan-drà ny rain'i Popilo; ary Paoly niditra teo aminy ka nivavaka sady nametra-tanana taminy, dia nahasitrana azy.Ary rehefa vita izany, dia tonga koa ny sasany izay narary teo amin'ny nosy, ka dia sitrana. » (Asan'ny Apostoly 28:8-9)
fa ho voatahy @ izany ianao
« Ary voninahitra be no nomen'ny olona anay; ary rehefa handeha izahay, dia novatsiany tsara. » (Asan'ny Apostoly 28:10)
KATSAHO HATRANY NY FANJAKANY DIA HANAMPY ANAO @ LAFINY REHETRA KRISTY.
MINOA!

HOY NY TOMPO AMINAO OLONY:”ITOKISO NY FITIAVAKO !”

Tsy voatery @ izay eritreretinao no fomba hanaporofoin'Andriamanitra ny fitiavany anao olony
« Efa tia anareo Aho, hoy Jehovah; nefa hoy ianareo: Inona no nentinao nitia anay? ... » (Malakia 1:2)
ankatoavy Izy dia ho voatahy mandrakizay ianao
« Dia tandremo ny lalàny sy ny didiny izay andidiako anao anio, mba hahita soa ianao sy ny taranakao mandimby anao, ary mba ho maro andro ianao any amin'ny tany, izay omen'i Jehovah Andriamanitrao ho anao mandrakizay. » (Deotoronomia 4:40)

MINOA.

MAHERY IANAO SATRIA TENA MAHERY KRISTY AO ANATINAO

Hanome famatarana ny fahalehibeazany eo @ fiainanao olony Kristy ary satrinao hankalaza izany
« Sitrako ny hanambara ny famantarana sy ny fahagagana izay nataon'Andriamanitra Avo Indrindra tamiko.Akory ny halehiben'ny famantarany! Ny fanjakany dia fanjakana mandrakizay, ary ny fanapahany dia hahatratra ny taranaka fara mandimby. » (Daniela 3:32-33)
satria toa mihamahery ianao na be fahavalo aza
« Ary naharitra ela ny adin'ny tamingan'i Saoly sy ny tamingan'i Davida, nefa Davida nihahery, fa ny tamingan'i Saoly kosa nihahosa. » (2 Samoela 3:1)

HO RESY TANTERAKA SATANA SY NY FORONGONY SATRIA TSY NETY KIVY IANAO E!
MAHEREZA!!!

HAFA IANAO OLON’IKRISTY

Ny hafa no hahatsapa anao olon'i Kristy hoe olona navahany ianao
« Ary nony hitan'i Arona sy ny Zanak'Isiraely rehetra Mosesy, ka, indro, namirapiratra ny hoditry ny tavany, dia natahotra azy izy. » (Eksodosy 34:30)
vonona hiatrika zava-tsarotra
« Mandehana; indro, Izaho maniraka anareo tahaka ny zanak'ondry eo ampovoan'ny amboadia. » (Lioka 10:3)
ary ankasitrahany ireo vavaka ataonao
« Hivavaka amin'Andriamanitra izy ka hankasitrahany ary hahita ny havany amin'ny hafaliana, fa hampodiny amin'ny zanak'olombelona ny fahamarinany*.[Na: hamaly ny olona araka ny fahamarinany Izy] » (Joba 33:26)
AZA MIAHOTRA FA AMPIASAO IREO FAHEFANA NOMENA ANAO!
MATOKIA!
MAHEREZA.

MIANKINA @ TOETRAN’NY MPONINA NO HANAOVAN’ANDRIAMANITRA NY TOETRAN’NY TANY

Raha ny tsy fahamarinana no manjaka
« Fa fianianana sy lainga sy vonoana sy halatra sy fijangajangana kosa, eny, manao an-keriny izy* ka mifanontona ny fandatsahan-drà.[Na: Fa ny fianianana sy ny lainga sy ny vonoana sy ny halatra ary ny fijangajangana no mihabetsaka] » (Hosea 4:2)
na fifandirana
« Kanefa aza misy mandahatra, na mananatra; Fa ny oloko dia efa tahaka ny mifanditra amin'ny mpisorona. » (Hosea 4:4)
dia hitondra loza ho an'ny Tany izany
« Ary noho izany dia mitomany ny tany ary reraka izay rehetra mitoetra ao aminy, dia* ny bibi-dia sy ny voro-manidina; Eny, na dia ny hazandrano any anaty ranomasina aza dia ringana koa.[Na: Mbamin'] » (Hosea 4:3)
Aleo miverina @ Tompo
« Rehefa afaka izany, dia hiverina ny Zanak'Isiraely ka hitady an'i Jehovah Andriamaniny sy Davida mpanjakany; ary nandeha amin-kovitra hanatona an'i Jehovah sy ny fahasoavany izy, raha mby any amparany. » (Hosea 3:5)
dia ho voatahy
« Ary ny tany kosa hihaino ny vary sy ny ranom-boaloboka ary ny diloilo;..., » (Hosea 2:24a)
MITOHY NY VAVAKA !
AZA AMELANA RAHA TSY HO VOATAHY NY JEROSALEMANAO!

TSY HANAN-JAVA-MAHORY IANAO OLON’I KRISTY

Zanak'Andriamanitra ianao olon'i Kristy
"Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery* ho tonga zanak'Andriamanitra, dia izay mino ny anarany,"(Jaona1:12)[*Na: anarana, na fahefana]
afaka miantso an'ny Tompo hoe:Ray o!
"Ary satria zanaka ianareo, dia nirahin'Andriamanitra ho ato am-pontsika ny Fanahin'ny Zanany, miantso hoe: Aba, Ray ô."(Galatiana4:6)
mpandova an'Andriamanitra
"Ka dia tsy mpanompo intsony ianao, fa zanaka: ary raha zanaka, dia mpandova koa noho ny ataon'Andriamanitra." (Galatiana4:7)
zanaky ny teny fikasana
"Fa isika, ry rahalahy, dia zanaky ny teny fikasana tahaka an'isaka."(Galatiana 4:28)
MINOA!
DIA IAINO AM-PANENTRETENA ARY IZANY E!!!

HAMAHA IREO OLANAO KRISTY MPAMONJY

Mety mafy ny adim-piainana iainanao
« Ary ny ranomasina nanonja, fa mafy ny fifofofofon'ny rivotra. » (Jaona 6:18)
nefa hoy Kristy aminao:AZA MATAHOTRA!
« Fa hoy Jesosy taminy: Izaho ihany; aza matahotra. » (Jaona 6:20)
hiara-hiatrika aminao @ zava-drehetra Izy ary hivaha izany
« Dia ta-handray Azy ho eo an-tsambokely izy; ary niaraka tamin'izay ny sambokely dia tonga tamin'ny tany izay nalehany. » (Jaona 6:21)
AVELAO IZY HANDRAY AN-TANANA @ FOMBANY !!!
MINOA!
DIA HAHITA NY VONINAHINY IANAO.

MANEKE HO AMPIASAIN’ANDRIAMANITRA @ FOMBANY

Torio fa efa akaiky ny fanjakan'ny lanitra
« Ary raha mandeha ianareo, dia mitoria hoe: Efa mby akaiky ny fanjakan'ny lanitra. » (Matio 10:7)
mitady olona tiany ampiasainy @ fombany Kristy fa mitady tsy hahita
« Nahoana no tsy nisy olona, fony tonga Aho, ary tsy nisy namaly, fony niantso Aho? Moa fohy tokoa va ny tanako ka tsy mahavonjy, ary moa tsy manan-kery ho enti-manafaka va Aho? Indro, amin'ny teny mafy ataoko no andritako ny ranomasina sy anaovako ny ony ho efitra; ary maimbo ny hazandranony noho ny tsi-fisian'ny rano sady matin-ketaheta. » (Isaia 50:2)
valio ny antsony henoy Izy
« Mihainoa Ahy, ry vahoakako, ary atongilano amiko ny sofinareo, ry oloko; fa hisy lalàna hivoaka avy amiko, ary ny fitsipiko dia hampitoeriko ho fanazavana ny firenena. » (Isaia 51:4)
HISY NY FIOVANA SATRIA NANAIKY IANAO !
MATOKIA.

MAMONJE FANAHIN’OLONA IRAY ISAN’ANDRO FARAFAHAKELINY DIA HIFALY FOANA IANAO

Mifalia raha mahavonjy fanahin'olona na dia iray aza
"Fa mety ny mifaly sy miravoravo; fa ity rahalahinao ity efa maty, fa velona indray, ary efa very, fa hita indray."(Lioka 15:32)
satria miaram-paly @ mponin'ny lanitra ianao
Lazaiko aminareo fa hisy fifaliana toy izany any an-danitra ny amin'ny mpanota iray izay mibebaka noho ny amin'ny olona marina sivy amby sivi-folo, izay tsy misy tokony hibebahany. (Lioka 15:7)
ary lasa ho voasoratra ao @ boky izy
"Ary tamin'izany izay natahotra an'i Jehovah dia samy niresaka tamin'ny namany avy; ary Jehovah nihaino ka nandre izany; ary nisy boky nosoratana teo anatrehany ho fahatsiarovana izay matahotra an'i Jehovah sy mihevitra ny anarany."(Malakia3:16 )
VITANAO IZANY !
MATOKIA .

POROFOY FA MANANA AN’I KRISTY MPAMELONA IANAO OLONY

Manana an'i Kristy mpamelona ianao olony
« Ary raha ny Fanahin'izay nanangana an'i Jesosy tamin'ny maty no mitoetra ao anatinareo, dia Izay nanangana an'i Kristy Jesosy tamin'ny maty no hamelona ny tenanareo mety maty amin'ny Fanahiny, Izay mitoetra ao anatinareo. » (Romana 8:11)
noho izany lasa sahy mangataka Aminy
« Mangataha, dia homena ianareo; mitadiava, dia hahita ianareo; dondony, dia hovohana ianareo.Fa izay rehetra mangataka no mahazo; ary izay mitady no mahita; ary izay mandondòna no hovohana. » (Matio 7:7-8)
sady tsy misalasala mijoro vavolombelona manampy ny hafa
« Koa amin'izany na inona na inona tianareo hataon'ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa tahaka izany; fa izany no lalàna sy mpaminany. » (Matio 7:12)
MAHASAMBATRA NY MANOME E !

MISY HERY NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Tahaka ny sabatra maranitra ny Tenin'ny Tompo
« Fa velona sy mahery ny tenin'Andriamanitra ka maranitra noho ny sabatra roa lela, ka manindrona hatramin'ny fampisarahana ny aina sy ny fanahy ary ny tonona sy ny tsoka, ka mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan'ny fo. » (Hebreo 4:12)
ka raha voasoratra hoe:"Avia miankohofa eo anatrehan'ilay Mpahary!"
« Avia, ka aoka hiondrika sy hiankohoka isika; Aoka isika handohalika eo anatrehan'i Jehovah, Mpanao antsika; » (Salamo 95:6)
dia aza manamafy fo
« Fa Izy no Andriamanitsika; Ary olona fiandriny sy ondry tandremany isika. Enga anie ka hohenoinareo anio ny feony manao hoe:Aza manamafy ny fonareo tahaka ny tao Meriba, Sy tahaka ny tamin'ny andro tao Masa fony tany an-efitra,Izay nakan'ny razanareo fanahy Ahy, Sy nizahany toetra Ahy, na dia efa hitany aza ny asako. » (Salamo 95:7-9)
’NDEHA HIVAVAKA TSY HIATO ISIKA MBA HO TSAPAN’NY FIRENANA MANONTOLO IZANY E!

HO FAIZINA IZAY MIJANGAJANGA

Hanafay an'ireo mpijangajanga tsy mety miova ny Tompo
« Ary hatsingeriny aminareo ny fahavetavetanareo, ary ho entinareo ny heloka noho ny sampinareo; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Tompo. » (Ezekiela 23:49)
satria nirehareha sy nanamafy fo ireo
« Ny avonavon'ny fonao no namitaka anao, Ry ilay monina ao an-tsefatsefaky ny harambato, Any amin'ny fonenana avo, Sady manao anakampo hoe: Iza no hampivarina ahy ho eny an-tany?Na dia miakatra tahaka ny voromahery aza ianao Ka mametraka ny akaninao eny amin'ny kintana, Dia havariko avy eny ianao, hoy Jehovah. » (Obadia 3-4)
mba hitandreman'ny hafa tsy hanao izany
« Toy izany no hampitsaharako ny fahavetavetana amin'ny tany, mba hahazo anatra ny vehivavy rehetra tsy hanao araka ny fahavetavetanareo. » (Ezekiela 23:48)
TOHIZO!
AZA ANJANONA NY VAVAKA FIFONANA HO AZY IREO !!!
MAHEREZA .