"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

IALAO NY FIREHAREHANA



Izay mpitarika mirehareha dia hahetry
« Ry zanak'olona, manaova hira fahalahelovana ny amin'i Farao, mpanjakan'i Egypta, ka ataovy aminy hoe: Nanao ny tenanao ho tahaka ny liona tanora tamin'ny firenena ianao, kanjo tahaka ny dragona* ao anatin'ny rano be; Ary nitsoriaka teny amin'ny oninao ianao dia nanakobankobana ny rano tamin'ny tongotrao ka nahaloto ny ony.[Na. mamba] » (Ezekiela 32:2)
ary tsy hisy fahazavana ny tontolo iainany
« Eny, ireny fanazavana eny amin'ny lanitra ireny dia hotafiako lamba fisaonana avokoa noho ny aminao, ary hosaronako aizina ny taninao, hoy Jehovah Tompo. » (Ezekiela 32:8)
fa ianao tsy izany
« Fa ianareo kosa, dia tsy mba toy izany no nianaranareo an'i Kristy, » (Efesiana 4:20)
satria ho tarihin'ny Fanahy 
« Ary aza mampalahelo ny Fanahy Masin'Andriamanitra, Izay nanisiana tombo-kase anareo ho amin'ny andro fanavotana. » (Efesiana 4:30)
MASINA IANAO SATRIA MASINA KRISTY AO ANATINAO!!
MAHEREZA.

FANTARO IZAY HIAFARANAO?


Mivonona fa efa akaiky ny farany

« Koa amin'izany miambena ianareo; fa tsy fantatrareo izay andro
hihavian'ny Tomponareo. » (Matio 24:42)
Iza ianao?
Ilay mpanompo mahatoky ve?

« Iza moa no mpanompo mahatoky sy manan-tsaina, izay notendren'ny
tompony hifehy ny mpanompony mba hanome azy hanina amin'ny fotoana?
Sambatra izany mpanompo izany, raha avy ny tompony ka hahita azy manao
izany. » (Matio 24:45-46),
sa ilay mpanompo mpihatsaravelatsihy?
« Fa raha manao anakampo izany mpanompo ratsy fanahy izany hoe:
Maharitra ela ny tompoko,ka dia mikapoka ny mpanompo namany izy ary
mihinana sy misotro amin'ny mpimamo,dia ho avy ny tompon'izany
mpanompo izany amin'ny andro izay tsy ampoiziny sy amin'ny ora izay
tsy fantany,dia hotapahiny roa* izy ka homeny anjara any amin'ny
mpihatsaravelatsihy; any no hisy ny fitomaniana sy ny
fikitroha-nify.[*Na: hokapohiny mafy] » (Matio 24:48-51)
Anjaranao ny mamaly?
TSY MISY ZAVA-MIAFINA EO ANATREHAN’ANDRIAMANITRA!!!
MAHEREZA!

IDIRAN’I KRISTY IZAY MAHATERY ANAO SATRIA HIDIRANAO IZAY MAHATERY AZY


Izay olana itarainanao mafy eo anatrehan'i Kristy
 « Ary nisy boka nanatona Azy ka nitaraina taminy sady nandohalika teo anatrehany ka nanao taminy hoe: Raha mety Hianao, dia mahay manadio ahy. » (Marka 1:40),
dia hovaliany satria onena anao Izy 
« Ary Jesosy dia onena azy ka naninjitra ny tànany, dia nanendry azy ka nanao taminy hoe: Mety Aho; madiova ianao. » (Marka 1:41).
Ataony izany satria mikatsaka ny zava-panahy ianao
 « Fa izay araka ny nofo dia mihevitra izay zavatry ny nofo; fa izay araka ny Fanahy kosa mihevitra izay zavatry ny Fanahy. » (Romana 8:5).
TOHIZO NY ASA TSARA AO @ KRISTY NIATSOANA ANAO!!!
HOMBA ANAO NY TOMPO!
MINOA!!

HAMOKATRA AO @ FANJAKAN’ANDRIAMANITRA IANAO OLON’I KRISTY


Hovonjena ianao olom-boahosotr'i Kristy 
« Mivoaka hamonjy ny olonao Hianao, dia hamonjy ny voahosotrao;... » (Habakoka 3:13a)
,ary hamoa voa tsara  hitondra fiainam-baovao ho an'ny izay iantefany Izy loharano ao anatinao 
« Ary eny amoron'ny ony, eny an-daniny roa, no anirian'ny hazo rehetra fihinam-boa; tsy halazo ny raviny, na ho lany ny voany; fa hamoa voa vaovao isam-bolana izy, satria mivoaka avy ao amin'ny fitoerana masina ny ranony; ary ho fihinana ny voany, ary ho fanafody ny raviny. » (Ezekiela 47:12)
MATOKIA!

TADIAVO KRISTY DIA HITADY ANAO IZY


Ny fikatsahana  @ fonao ny fahalalana an'i Kristy
« Ny mpanjakavavy avy tany atsimo dia hiara-mitsangana amin'ny lehilahy amin'ity taranaka ity amin'ny andro fitsarana ka hanameloka azy; fa avy tany amin'ny faran'ny tany izy hihaino ny fahendren'i Solomona; nefa, indro, misy lehibe noho Solomona eto. » (Lioka 11:31)
,sy ny fahazoana antoka fa nibebaka
« Ny olona tany Ninive hiara-mitsangana amin'ity taranaka ity amin'ny andro fitsarana ka hanameloka azy, fa izy nibebaka tamin'ny nitorian'i Jona teny; nefa, indro, misy lehibe noho Jona eto. » (Lioka 11:32)
,dia fepetra ahatonga anao hahazo valim-bavaka
 « Ary hoy izaho aminareo: Mangataha, dia homena ianareo; mitadiava, dia hahita ianareo; dondony, dia hovohana ianareo.Fa izay rehetra mangataka no mahazo; ary izay mitady no mahita; ary izay mandondòna no hovohana. » (Lioka 11:9-10)
NY TOMPO EFA MANAO FIFANEKENA AMINAO!
IZY HANAJA!
ARY IANAO?
MAHEREZA.

MANANA VAHA-OLANA HO ANAO OLONY KRISTY


Mety hoy ianao hoe tsy hitanao intsony izay atao noho ireo olana maro,nefa hoy ny Tompo aminao mitrakà hatreo izany 
« Raha hoy isika: Hankato an-tanàna isika, dia misy mosary ao an-tanàna, ka ho faty ao isika; ary raha hipetraka eto isika, dia ho faty ihany koa. Koa andeha isika hankany amin-ny tobin'ny Syriana; ka raha mamelona antsika moa izy, dia ho velona isika; fa raha mamono antsika kosa izy, dia ho faty ihany isika. » (2 Mpanjaka 7:4),
dia hamaha izany@ fombany Izy 
« Ary rehefa tonga teny an-tsisin'ny toby ireo boka ireo, dia niditra tao amin'ny lay anankiray Izy ka nihinana sy nisotro, dia naka volafotsy sy volamena ary fitafiana, dia nandeha ka nanafina izany; ary nandeha indray izy ka niditra tao amin'ny lay anankiray koa sady naka avy tao, dia nandeha ka nanafina izany koa. » (2 Mpanjaka 7:8).
ADIDINY IANAO,NY ANJARANAO DIA NY MANATANTERAKA TSARA IZAY TANDRIFY NANENDRENY ANAO!!
MAZOTOA!

HANENIKA AN’I MADAGASIKARA ILAY ONY MAHAGAGA




Misy rano mahagaga 
« Dia hoy izy tamiko: Ity rano ity dia mivoaka hankany amin'ny tany atsinanana, dia midina any amin'ny tani-hay ka miditra eo amin'ny ranomasina; ary rehefa tonga eo an-dranomasina izy, dia sitrana ny rano.» (Ezekiela 47:8),
mitondra fitahiana sy fahasitranana ary fahavelomana
« Ary ny zava-manan'aina rehetra sesehena na aiza na aiza alehan'ny ony tondraka* dia ho velona, ka hisy hazandrano sesehena; fa nony tonga ao ity rano ity, dia ho sitrana izy, ary ho velona izay rehetra hidiran'ny ony. » (Ezekiela 47:9),
hanenika an'ny Nositsika izany ary ny Malagasy no higoga ny vokany
« Ary hisy mpaka hazandrano hitsangana eny amorony hatrany En-jedy ka hatrany En-eglaima; ho famelarana harato izany; ary ny hazandranony ho maro karazana, tahaka ny hazandrano betsaka dia betsaka any amin'ny Ranomasina Lehibe. » (Ezekiela 47:10).
MINOA!
MBA HAMALIN’I KRISTY AMINAO HOE:”TONGAVA AMINAO ARAK’IZAY HINOANAO” 
SA AHOANA E?

VALIO NY ANTSON’NY TOMPO



Miantso anao olony hiara-hiasa Aminy Kristy 
« Ary hoy Jesosy taminy: Andeha hanaraka Ahy, fa hataoko mpanarato olona ianareo. » (Marka 1:17),
hamaly eny ianao
« Dia nandao ny harato niaraka tamin'izay izy ka nanaraka Azy. » (Marka 1:18) ,
hiray Aminy sy ho velona ao Aminy 
« Ary tahaka ny nanirahan'ny Ray velona Ahy, ary Izaho koa velona amin'ny Ray, dia tahaka izany koa izay mihinana Ahy no ho velona amiko. » (Jaona 6:57),
ary hanana fiainana mandrakizay 
« Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mino no manana fiainana mandrakizay. » (Jaona 6:47).
TSY FANGATAHANA IO FA BAIKO!!!
NA IZANY AZA TSY ANENENANAO NY MANAIKY!!
SAHIA.

KATSAHO LALANDAVA NY FAHAMARINAN’ANDRIAMANITRA



Marina Kristy
 « Hoy Jesosy taminy: Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin'ny Ray, afa-tsy amin'ny alalako. » (Jaona 14:6),
mangataha mba ho marina tahaka Azy koa ianao olony 
« Tariho amin'ny fahamarinanao aho, ka ampianaro; fa Hianao no Andriamanitry ny famonjena ahy; Hianao no andrasako mandritra ny andro. » (Salamo 25:5),
mba hadio tànana sy hahitsy fo 
« Izay madio tanana sy mahitsy fo, izay tsy manandratra ny fanahiny ho amin'ny lainga, na mianiana hamitaka. » (Salamo 24:4),
satria te-handray fitahiana 
« Handray fitahiana avy amin'i Jehovah izy, ary fahamarinana avy amin'Andriamanitry ny famonjena azy. » (Salamo 24:5).
RAHA SENDRA TSY IZANY IANAO ALEO MIFONA SY MIBEBAKA FA TSY MISY ZAVA-MIAFINA AMINY ANIE!!!
SADY TSY HO TIANAO KOA VE NY HANDRAY FITAHIANA?
MAHEREZA!

MODELY IANAO OLON’I KRISTY


Zanaky ny teny fikasana ianao olon'i Kristy
« Fa isika, ry rahalahy, dia zanaky ny teny fikasana tahaka an'isaka. » (Galatiana 4:28)
manana an'Andriamanitra Ray 
« Ary satria zanaka ianareo, dia nirahin'Andriamanitra ho ato am-pontsika ny Fanahin'ny Zanany, miantso hoe: Aba, Ray ô. » (Galatiana 4:6)
mpandova ny fananany
 « Ka dia tsy mpanompo intsony ianao, fa zanaka: ary raha zanaka, dia mpandova koa noho ny ataon'Andriamanitra. » (Galatiana 4:7)
ary manana toetra mendrika ho tahafina 
« Ry rahalahy, mangataka aminareo aho, aoka ho tonga tahaka ahy ianareo, fa izaho kosa mba efa tonga tahaka anareo. .. » (Galatiana 4:12a)
MIJOROA HO MPONIN’NY LANITRA DIENY ETY AN-TANY!!
SAHIA!!
MAHEREZA!

NY FANJAKAN’I KRISTY NO MAHARITRA MANDRAKIZAY


 Ho rava foana ny fanjakana izay tsy manaja an'Andriamanitra
« Ary hoy Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely; Indro, hovaliako Amona avy any Nô Ary Farao sy Egypta mbamin'ny andriamaniny sy ny mpanjakany, dia Farao sy izay rehetra matoky azy; » (Jeremia 46:25),
fa ho anao olon'i Kristy kosa na mandalo fitsapana aza
 « Aza matahotra ianao, ry Jakoba mpanompoko, hoy Jehovah, fa momba anao Aho; Fa na dia levoniko aza ny firenena rehetra izay nandroahako anao, ianao tsy mba holevoniko, nefa kosa mba hanariko araka ny antonony ihany ianao, fa tsy dia havelako fotsiny. » (Jeremia 46:28),
dia ho tafarina
« Fa aza matahotra ianao, ry Jakoba mpanompoko, ary aza mivadi-po, ry Isiraely; Fa, indro, hovonjeko avy any amin'ny lavitra ianao, ary ny taranakao avy any amin'ny tany nahababo azy; Dia hiverina Jakoba ka hiadana, eny, handry fahizay izy, ka tsy hisy hanaitaitra azy. » (Jeremia 46:27).
MINOA!

HIVALY N FITARAINANANAO


Hitaraina ianao 
« Jehovah ô, ampivereno aminao izahay, mba hiverenanay; Havaozy ho toy ny fahiny ny andronay. » (Fitomaniana 5:21)
,dia hampiratra ny hoavinao Kristy 
« Tsy hilentika intsony ny masoandronao, ary ny volanao tsy hisoka; fa Jehovah no ho fanazavana anao mandrakizay, ary ho tapitra ny andro fahalahelovanao. » (Isaia 60:20)
,satria ianao nanaiky ho tany tsara
 « Ary ireto no ilay voafafy teny amin'ny tany tsara, dia izay mandre ny teny ka mandray azy dia mamoa: ny sasany avy telo-polo heny, ny sasany avy enim-polo heny, ary ny sasany avy zato heny. » (Marka 4:20)
,sady hazo tsara na dia mandalo fitsapana aza 
« Ny hazo tsara tsy mety mamoa voa ratsy, ary ny hazo ratsy tsy mety mamoa voa tsara. » (Matio 7:18)
.RAISO ILAY FANAHY HITONDRA FANOVANA HO ANAO!TRATRY NY PANTEKOSTA!!

IZAY VOAVELA HELOKA NO HAHAZO VALIM-BAVAKA



Mila mamela ny hafa ianao izay vao hamela anao ny Tompo 
« Fa raha mamela ny fahadisoan'ny olona ianareo, dia mba hamela ny anareo kosa ny Rainareo Izay any an-danitra. » (Matio 6:14)
,vokany hadio am-po ianao sady afaka hifandray Aminy 
« Sambatra ny madio am-po; fa izy no hahita an'Andriamanitra, » (Matio 5:8)
,ary afaka hangataka Aminy
 « Ary hoy izaho aminareo: Mangataha, dia homena ianareo; mitadiava, dia hahita ianareo; dondony, dia hovohana ianareo. » (Lioka 11:9)
SAHIA MITENY HOE:”HANAIKY HAMELA KRISTY O!!! SATRIA TE-HO VOAVELA”.MAHEREZA.

MIAHY IREO OLONA ANKASITRAHANY NY TOMPO


Hotahiana  izay manao ny marina
« Lazaonareo ny amin'ny marina fa hahita soa izy, Fa ny vokatry ny asany no hohaniny. » (Isaia 3:10)
,ny Tompo mihitsy no hiahy azy @ fombany
 « Ary Jehovah hamorona rahona sy setroka raha antoandro Sy fahazavan'ny afo midedadeda nony alina Ho eny ambonin'ny fitoerana rehetra any an-tendrombohitra Ziona Sy ho eny ambonin'ny fivoriany rehetra; Ary eny ambonin'ny voninahitra rehetra dia hisy eloelo Ka hisy trano-lay ho fialokalofana amin'ny hainandro raha antoandro Ary ho fialofana sy fierena amin'ny tafio-drivotra sy ny ranonorana. » (Isaia 4:5-6)
Tany tsara eo anatrehany mantsy izy ka hataony mamoa avy 100 eny 
« Ary ny sasany dia voafafy teny amin'ny tany tsara, dia naniry ka namoa zato heny...  » (Lioka 8:8A)
SAHIA MITENY HOE:”SATRIKO HO OLONAO HATRANY KRISTY O!!!”MAHEREZA.

TSY MISY MARINA AFATSY KRISTY IHANY



Mila manana fahamarianana mihoatra noho ny mpanora-dalàna sy ny fariseo ianao vao ho tafiditra @ fanjakan'ny lanitra 
« Fa lazaiko aminareo: Raha tsy mihoatra noho ny an'ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ny fahamarinanareo, dia tsy hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra mihitsy ianareo. » (Matio 5:20)
,ao @ Kristy no fahamarinana
« Ary fantatsika fa tonga ny Zanak'Andriamanitra ka efa nanome antsika ny fahazavan-tsaina, mba ho fantatsika ilay marina; ary isika ao amin'ilay marina, dia ao amin'i Jesosy Kristy Zanany. Izy no Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay. » (1 Jaona 5:20)
SAHIA MITENY HOE:INTY AHO KRISTY O!!!ATOLOTRO HO ANAO NY MOMBA AHY REHETRA!!!

SORATY IREO PLANINA TSARA AO ANATINAO OLON’I KRISTY FA HO TANTERAKA



 Izay mirehareha tsy miraharaha an'Andrimanitra dia ho faiziny 
« Ny avonavon'ny fonao no namitaka anao, Ry ilay monina ao an-tsefatsefaky ny harambato, Any amin'ny fonenana avo, Sady manao anakampo hoe: Iza no hampivarina ahy ho eny an-tany? Na dia miakatra tahaka ny voromahery aza ianao Ka mametraka ny akaninao eny amin'ny kintana, Dia havariko avy eny ianao, hoy Jehovah. » (Obadia 3-4),
ho anao olon'i Kristy kosa manàna fanantenana fa tsy maintsy ho tafita ianao
 « Dia namaly ahy Jehovah ka nanao hoe: Soraty ny fahitana, ka ataovy velona tsara ny soratra eo amin'ny fàfana, Mba ho azon'ny mihazakazaka hovakina aza.Fa ny fahitana dia mbola ho amin'ny fotoan'andro, Ary mikendry ny farany izy ka tsy ho diso; Eny, na dia mitaredretra aza izy, andraso ihany, Fa ho avy tokoa izy ka tsy hijanona. » (Habakoka 2:2-3).
TONGA NY FOTOANA HANAVAHAN’NY TOMPO AN’IZAY TENA MATOKY AZY MARINA!
MINOA!
MAHEREZA.

HITSIMBADIKA NY FIAINAN’IZAY VOAVELA HELOKA


:

 Manana fahefana hamela heloka dieny ety an-tany Kristy
« Fa mba ho fantatrareo fa ny Zanak'olona manana fahefana ety ambonin'ny tany hamela heloka - dia hoy Izy tamin'ilay mararin'ny paralysisa: Izaho milaza aminao hoe: Mitsangàna, dia betao ny fandrianao, ary modia any an-tranonao. » (Lioka 5:24)
,izay mino dia hahazo izany
 « Ary raha hitan'i Jesosy ny finoan'ireo, dia hoy Izy: Ralehilahy, voavela ny helokao. » (Lioka 5:20),
ary maro no ho gaga satria hiova eo no eo ny fiainany
 « Ary talanjona avokoa ny olona rehetra, dia nankalaza an'Andriamanitra sady raiki-tahotra indrindra ka nanao hoe: Efa nahita zavatra mahagaga isika androany. » (Lioka 5:26).
SAHIA MILAZA HOE:”MINO ANAO AHO KRISTY O!”

HERIM-PANAHY MAHAGAGA NO AO ANATINAO OLON’I KRISTY

:

Hidera an'Andriamanitra ianao olon'i Kristy
 «  Hidera Anao amin'ny foko rehetra aho; Eo anatrehan'ireo andriamanitra no hankalazako Anao. »
 (Salamo 138:1),
satria hamaly ny fitarainanao Izy mba hahazoanao herim-panahy tsy takatry ny saina avy Aminy 
« Tamin'ny andro nitarainako dia namaly ahy Hianao; Nomenao fahasahiana aho ka nisy hery ny fanahiko. » (Salamo 138:3).
MIFALIA FA OLON’AFAKA IANAO!
AMPIASAO ILAY HERY MIAFINA AO ANATINAO!
MAHEREZA!

MANEKE HO VOLAVOLAIN’ANDRIAMANITRA


Volavolain'Andriamanitra toy ny tanimanga ny momba anao
 « Moa tsy mahazo manao aminareo toy ny ataon'ity mpanefy tanimanga ity va Aho, ry taranak'i Isiraely? hoy Jehovah. Indro, toy ny tanimanga eo an-tanan'ny mpanefy azy, dia toy izany ianareo eo an-tanako, ry taranak'Isiraely. » (Jeremia 18:6)
raha tsy mankato ianao dia mandrava Izy 
« Vetivety* Aho dia milaza firenena sy fanjakana hongotako sy hazerako ary horavako;[Heb. indray mipi-maso] » (Jeremia 18:7)
raha manaja Azy kosa dia mamonjy Izy
 « Nefa raha miala amin'ny ratsy izany firenena noteneniko izany, dia hanenenako kosa ny loza izay nokasaiko hamelezako azy.Ary vetivety kosa Aho dia milaza firenena sy fanjakana haoriko sy hamboleko; » (Jeremia 18:8-9)
ALEO MIERA AMINY VAO MANAO ZAVATRA IRAY @ IZAY HO VOATAHY E!
MAHEREZA!!

NA MISY FIFIDIANANA NA TSY MISY FIFIDIANANA IANAO EFA VOAFIDY


Ianao olon'i Kristy dia efa voafidy avy hatrany hitondra fanovana eo @ jerosalemanao 
« Hatry ny fahiny ihany koa, fony Saoly mbola nanjaka aza, dia ianao ihany no mpitarika ny Isiraely nivoaka sy niditra; ary hoy Jehovah Andriamanitrao taminao; Hianao no ho mpiandry ny Isiraely oloko, ary ianao no ho mpanapaka azy. » (1 Tantara 11:2)
maro no hidera ny Tompo noho ny fahitany ny vokatr'izany 
« Ary izay nandeha teo alohany sy izay nanaraka teo aoriany dia samy niantso hoe: Hosana! Isaorana anie Izay avy amin'ny anaran'i Jehovah! Hotahina anie ny fanjakana izay avy, dia ny an'i Davida raintsika! Hosana any amin'ny avo indrindra (Sal. 118. 26). » (Marka 11:9-10)
MIASA AM-PANETRE-TENA DIA HASANDRATR’I KRISTY HATRANY E!!

HITONDRA FAHASOAVANA HO AN’NY HAFA IANAO OLON’I KRISTY



Hizara fahasambarana ho an'i hafa ianao olon'i Kristy
« Ary sambatra izay tsy ho tafintohina noho ny amiko. » (Lioka 7:23),
satria naharitra niaraka Taminy
« Fa ireo teny amin'ny tany tsara kosa dia izay mandre ny teny amin'ny fo sady marina no tsara, dia mitana azy ka mamoa amin'ny faharetana. » (Lioka 8:15)
ka hahomby @ fampiasana ireo fahefany ao anatinao
« Ary tamin'izany ora izany Jesosy dia nahasitrana olona maro tamin'ny rofy sy ny aretina sy ny fanahy ratsy sady nampahiratra ny jamba maro. » (Lioka 7:21)
MIJOROA HATRANY HO VAVOLOMBELONA HITONDRA FITAHIANA HO AN’NY HAFA E!!!

MITADY TANY SY OLONA TENA MATAHOTRA AZY NY TOMPO



Tsy ny olona rehetra ihany fa ny tany rehetra koa dia tokony hatahotra sy hanaja an'Andriamanitra Mpahary Azy 
« Aoka hatahotra an'i Jehovah ny tany rehetra; aoka hangovitra eo anatrehany ny mponina rehetra amin'izao tontolo izao. » (Salamo 33:8)
Hotsinjoviny izay manao izany
« Indro, ny mason'i Jehovah mitsinjo izay matahotra Azy, .. » (Salamo 33:18a) 
SAHIA MIJORO  FA NY JEROSALEMANAO  IZANY DIA HANDRAY AN-TANANA  @ FOMBA MAHAGAGA NY TANANANAO KRISTY!!!
MATOKIA!
MAHEREZA!

HANEHO NY FIFALIANY HO ANAO SAHY MAMELA HELOKA NY TOMPO



Aoka ianao olon'i Kristy ho modely @famelan-keloka 
« Ary mamelà ny helokay; fa izahay koa mamela izay rehetra meloka aminay. Ary aza mitondra anay ho amin'ny fakam-panahy. *Ampio hoe: [fa manafaha anay amin'ny ratsy]. » (Lioka 11:4), 
dia hahazo valisoa lehibe avy @ny Tompo satria homeny fahendrena tahaka an'i Solomona 
« Ary Andriamanitra nanome an'i Solomona fahendrena sy fahiratan-tsaina be indrindra ary fahalalana betsaka tahaka ny fasika amoron-dranomasina. Ary ny fahendren'i Solomona nihoatra noho ny fahendren'ny zanaky ny atsinanana rehetra sy ny fahendren'ny Egyptiana rehetra. » (1 Mpanjaka 5:9-10)
MINOA!
ATAOVY NY DINGANA DIA HANAO NY ANAJARANY IZY!!

AMPIASAO NY MAHA-OLOM-BOAHOSOTR’I KRISTY ANAO



Olom-boahosotr'Andriamanitra ianao olon'i Kristy ka mahatonga anao feno Fanahy Masina sy Hery mitondra fanovana aminao sy @ izay sehatra iasanao izany 

« Izay nohosoran'Andriamanitra tamin'ny Fanahy Masina sy ny hery sady nandehandeha nanao soa sy nahasitrana izay rehetra azon'ny herin'ny devoly, satria Andriamanitra nomba Azy. » (Asan'ny Apostoly 10:38)

MILA ANAO HAMPIASA IZANY ISAN’ANDRO NY TOMPO!ATOLORY AZY ARY NY FOTOANANAO REHETRA E!

AZA KETRAKA MIVAVAKA HO AN’I JEROSALEMANAO


:
Andriamanitra dia mitady tena mpivavaka tahaka anao olon'i Kristy
« Fa avy ny andro, sady tonga ankehitriny, raha ny tena mpivavaka hivavaka amin'ny Ray amin'ny fanahy sy ny fahamarinana; fa ny Ray koa mitady ny mpivavaka aminy ho tahaka izany.  » (Jaona 4:23),
izay mivavaka @fanahy sy ny fahamarinana
« Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin'ny fanahy 
sy ny fahamarinana. » (Jaona 4:24),
hijoro eo @ banga tsy miato 
« Ary nitady olona teo aminy Aho hanao manda sy hijanona eo amin'ny banga eo anatrehako hifona ho an'ny tany mba tsy handravako azy, ...; » (Ezekiela 22:30a).
HOY NY TOMPO AMINAO:”SOA FA TEO IANAO! MATOKY FA MISY AHO ILAY TOMPO MPAMONJY!”.

MORDEKAY AO AMIN'I KRISTY IANAO



Na ho tezitra aza ny hafa dia tsy hiankohoka eo anatrehan'ny olona na sampy na inona na inona fa eo anatrehan'i Kristy ihany!
« Ary rehefa hitan'i Hamana fa Mordekay tsy mba nety nandohalika na niankohoka teo anatrehany, dia tezitra loatra izy. » (Estera 3:5)
IZY RAHATEO EFA AO ANATINAO SADY HIAHY ANAO HATRANY! MAHEREZA!

MILA FAHARETANA NY FIARAHANA AMIN'I KRISTY



Na mety haharitra aza ny ady atrehanao AZA KIVY fa tsy maintsy mandresy ianao olon'i Kristy.
« Ary naharitra ela ny adin'ny tamingan'i Saoly sy ny tamingan'i Davida, nefa Davida nihahery, fa ny tamingan'i Saoly kosa nihahosa. » (2 Samoela 3:1)
Mijoroa tohizo ny asa niantsoana anao fa hisy vokany.
« Fa Mordekay dia lehibe tao an-tranon'ny mpanjaka, ary ny lazany niely tany amin'ny isan-tokony eran'ny fanjakana; fa nitombo sy nisandratra ihany io lehilahy Mordekay io. » (Estera 9:4)
AOKA IANAO SAHY HILAZA HOE: "TSY MIHEMBOTRA AHO KRISTY Ô!" "FANTATRO FA HOMBA AHY IANAO!"

TONGA NY FOTOANA FANANGANANA NY FANJAKAN'ANDRIAMANITRA



Vonjeo ireo ondry very
« fa aleo mankany amin'ny ondry very amin'ny taranak'isiraely. » (Matio 10:6)
Torio fa hanangana ny fanjakany Kristy
« Ary raha mandeha ianareo, dia mitoria hœ: Efa mby akaiky ny fanjakan'ny lanitra. » (Matio 10:7)
Hampiasao am-pitiavana ireo fahefana manasitrana anananao olony
« Sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovy ny boka, avoahy ny demonia; efa nahazo maimaimpoana ianareo, koa manomeza maimaimpoana. » (Matio 10:8)
SAHIA! VITANAO IZANY! MAHEREZA.