"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

HO VOATAHY MANOKANA IANAO IZAY TSY MAMALY RATSY NY RATSY

Nohon'ny tsy namelezanao ny lehibe anao na dia nanenjika anao aza izy
« Ary hoy Davida tamin'i Saoly: Nahoana ianao no maka vavan'olona hoe: Indro, Davida mitady hanisy ratsy anao? Indro, hitan'ny masonao androany ny nanoloran'i Jehovah anao ho eo an-tanako tao an-johy; ary nisy nilaza hevitra hamonoana anao, saingy niantra anao ny masoko, ka hoy izaho: Tsy haninjitra ny tanako amin'ny tompoko aho, fa voahosotr'i Jehovah izy. » (1 Samoela 24:10-11)
dia ho tsapany izany ka hivaly zava-tsoa eo @ fiainanao
« Ary ianao dia naneho androany ny nanaovanao soa tamiko, fa na dia natolotr'i Jehovah teo an-tananao aza aho, dia tsy nahafaty ahy ianao.Fa moa raha misy olona mahazo ny fahavalony, havelany handeha soa aman-tsara va izy? Koa hovalian'i Jehovah soa anie ianao noho ny nataonao tamiko androany.Ary, indro, ankehitriny fantatro fa ho mpanjaka tokoa ianao, ary ny fanjakan'ny Isiraely ho tafatoetra tsara eo an-tananao. » (1 Samoela 24:19-21)
AZA ASIANA FISALASALANA MIHINTSY FA HAMARININ'ANDRIAMANITRA IZANY!!!
MATOKIA.

SATRIN'ANDRIAMANITRA FOANA HANEHO FAHAGAGANA EO AMIN'NY FIAINANAO SATRIA MINO IZANY IANAO OLONY

Haniraka ny anjeliny Andriamanitra mba hilaza fa hanome fitahiana @ fomba mahagaga eo @ fiainanao Izy
« Ary Ilay Anjelin'i Jehovah niseho tamin-dravehivavy ka nanao taminy hoe: Indro, momba ianao ka tsy niteraka; nefa hanan'anaka ianao ka hiteraka zazalahy. » (Mpitsara 13:3)
nino ianao dia ho tanterahiny izany
« Ary niteraka zazalahy ravehivavy, ka ny anarany nataony hoe Samsona; dia nitombo ny zaza, ary Jehovah nitahy azy. » (Mpitsara 13:24)
NY ANJARANAO DIA NY MANDRAY AM-PAHATOKIANA E!!!
MIFALIA!!!
MAHEREZA.

AFAKA NY HO OLOM-BOAHOSOTR'ANDRIAMANITRA AVOKOA IZAY OLONY MANKATO AZY

Manana hosotra manokana eo anatrehan'Andriamanitra ny voalohan-teraka rehetra
« Fa Ahy ny voalohan-teraka rehetra amin'ny Zanak'Isiraely, na olona na biby fiompy; tamin'ilay andro namelezako ny voalohan-teraka rehetra tany amin'ny tany Egypta no nanamasinako azy ho Ahy. » (Nomery 8:17)
raha tsy izay anefa ianao manopoa tahaka ny Levitan'i Tompo
« Ary efa nalaiko ny Levita ho solon'ny lahimatoa rehetra amin'ny Zanak'Isiraely. » (Nomery 8:18)
AZA AVELA HO VOTSOTRA NY ANJARA TSARA MENDRIKA ANAO!!!
MAHEREZA.

HOY NY TOMPO AMINAO OLONY:"HATSANGAKO NY FANJAKAKO SATRIA NINO NY TENIKO IANAO!!!"

Kristy mihintsy no manentana antsika hilaza isan'andro fa ho avy ny fanjakany dieny ety an-tany
« Ary hoy Izy taminy: Raha mivavaka ianareo, dia ataovy hoe: Ray ô* hohamasinina anie ny anaranao. Ho tonga anie ny fanjakanao**. [* Na: Rainay Izay any an-danitra] [** Ampio hoe: (Hatao anie ny sitraponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra)] » (Lioka 11:2)
satria nino ianao dia ho tanterahiny izany
« Hamory anareo rehetra tokoa Aho, ry Jakoba, Ary hanangona ny sisa amin'ny Isiraely tokoa, Hakambako toy ny ondry any amin'ny vala izy, Toy ny ondry andiany ao amin'ny tany fiandrasana; Hitabataba izy noho ny hamaroan'ny olona.Ny mpanabanga miakatra eo alohany, Manabanga izy ka mandroso ho eo amin'ny vavahady, Dia mivoaka eo aminy; Ny mpanjakany mandroso eo alohany, Ary Jehovah no mitarika azy. » (Mika 2:12-13)
MITOHY NY VAVAKA,MITOMBO NY FINOANA,MIHA-MAZOTO KOA MANOMPO AZY E!!!!
TSY MAINTSY MANDRESY KRISTY!!!
MAHEREZA.

HAHOMBY FOANA NY HERIN'NY FANAHIN'I KRISTY AO ANATINAO IZAY AMPIASAINAO AM-PANETRE-TENA SY AM-PAHENDRENA

Alohan'ny handraisana fanampahan-kevitra dia tsara foana miera @ i Tompo
« Fa hoy Mosesy taminy: Andraso aloha, fa hanontaniako izay handidian'i Jehovah ny aminareo. » (Nomery 9:8)
@ izay mantsy tena hahomby ny herin'ny Fanahy Masina ao anatintsika
« Ary izy rehetra dia samy nomena ny fampisehoana ny Fanahy hahasoa.Fa ny anankiray nomen'ny Fanahy teny fahendrena, ary ny anankiray teny fahalalana, araka izany Fanahy izany ihany,ary ny anankiray finoana, amin'izany Fanahy izany ihany, ary ny anankiray fanomezam-pahasoavana ho enti-mahasitrana, amin'izany Fanahy iray izany ihany,ary ny anankiray ny manao fahagagana*, ary ny anankiray ny maminany, ary ny anankiray ny mahafantatra fanahy samy hafa, ary ny anankiray ny miteny amin'ny fiteny samy hafa tsy fantatra, ary ny anankiray ny mandika fiteny tsy fantatra.Ireo rehetra ireo dia asan'ny Fanahy iray ihany, zarazarainy ho azy rehetra avy araka ny sitrapony. » (1 Korintiana 12:7-11)
MIAVAKA IANAO OLON'I KRISTY!!!
TSAPANAO VE IZANY!!!
MISAORA AZY.

LAFATRA,TSY HO TAKATRY NY SAINAO NY FITAHIANA MIANDRY ANAO OLOM-BOAVONJIN'I KRISTY

Noho ny fahendrenao dia hampiasa olona Andriamanitra hanampy hamaha ireo olanao
« Koa ankehitriny anaka, aza matahotra; hataoko aminao izay rehetra angatahinao; fa fantatr'izay rehetra ao an-tanànan'ny fireneko fa vehivavy tsara ianao. » (Rota 3:11)
Havotan'i Kristy @ fombany ianao
« Fa hoy iraho taminy: Tompoko, ianao no mahalala. Dia hoy iry tamiko: Ireo no avy tamin'ny fahoriana lehibe, ary ny akanjony nosasany sy nofotsiany tamin'ny ran'ny Zanak'ondry.Ary noho izany ny akanjony nosasany sy mitoetra eo anoloan'ny seza fiandrianan'Andriamanitra izy ka manompo Azy andro aman'alina eo amin'ny tempoliny; ary Ilay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana dia hamelatra ny trano-lainy handrakotra ary.Tsy ho noana na hangetaheta intsony ireo; ary tsy haninona azy ny masoandro na izay hafanana akory.Fa ny Zanak'ondry Izay eo afovoan'ny seza fiandrianana no ho Mpiandry azy ka hitondra azy ho amin'ny loharanon'ny ranon'aina; ary hofafan'Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin'ny masony. » (Apokalypsy 7:14-17)
misaora Azy
« ... Amena! Ny saotra sy ny voninahitra sy ny fahendrena sy ny fisaorana sy ny haja sy ny hery ary ny faherezana anie Ho an'Andriamanitsika mandrakizay mandrakizay. Amena. » (Apokalypsy 7:12)

HIOVA,HIOVA,ENY TENA HIOVA BE NY FIAINANAO!!!!
MATOKIA.

ENDRE IREO FAHASOAVANA MENDRIKA ANAO OLON'I KRISTY

Zanak'Andriamanitra ianao:
- manam-pahefana satria tia fihavanana

« Fa nanapaka ny tany rehetra aty an-dafin'ny Ony hatrany Tifsa ka hatrany Gaza izy, dia tamin'ny mpanjaka rehetra ety an-dafin'ny Ony; ary izy dia tsara fihavanana tamin'ireny rehetra manodidina nanoa azy ireny.» (1 Mpanjaka 5:4)
- manam-pahendrena manokana
« Ary Andriamanitra nanome an'i Solomona fahendrena sy fahiratan-tsaina be indrindra ary fahalalana betsaka tahaka ny fasika amoron-dranomasina. » (1 Mpanjaka 5:9)
- liana te hihaino ny zava-tsoa lazainao ny hafa
« Ary dia nisy tonga avy tany amin'ny firenena rehetra mba hihaino ny fahendren'i Solomona, dia avy amin'ny mpanjakan'ny tany rehetra izay efa nahare ny amin'ny fahendreny. » (1 Mpanjaka 5:14)
RAISO,AMPIASAO FA NATOLONY ANAO AM-PITIAVANA IZANY!!!
MATOKIA.
MAHEREZA.

MARIKY NY FANKASITRAHANAO AN'I KRISTY NY FIDERANAO AZY

Mihira ho an'i Tompo satria nanisy soa anao Izy
« Hihira ho an'i Jehovah aho, satria nanisy soa ahy Izy; » (Salamo 13:6)
asehoy Aminy fa faly ny fonao miaraka Aminy
« Fa raha izaho kosa, dia ny famindram-ponao no itokiako; ho faly amin'ny famonjenao ny foko. » (Salamo 13:5)
Ho voatahy ianao ary maneke hanariny
« Fa aza matahotra ianao, ry Jakoba mpanompoko, ary aza mivadi-po, ry Isiraely; Fa, indro, hovonjeko avy any amin'ny lavitra ianao, ary ny taranakao avy any amin'ny tany nahababo azy; Dia hiverina Jakoba ka hiadana, eny, handry fahizay izy, ka tsy hisy hanaitaitra azy.Aza matahotra ianao, ry Jakoba mpanompoko, hoy Jehovah, fa momba anao Aho; Fa na dia levoniko aza ny firenena rehetra izay nandroahako anao, ianao tsy mba holevoniko, nefa kosa mba hanariko araka ny antonony ihany ianao, fa tsy dia havelako fotsiny. » (Jeremia 46:27-28)
ANKALAZAO NY ANARANY FA MENDRIKA IZANY IZY!!!!
SA AHOANA E!!!

HAMETRAKA MARIKA MANOKANA AMIN'NY MAHA-OLONY ANAO KRISTY

Hanaporofo aminao Kristy fa voavela heloka ianao olony
« Hamindra fo amintsika indray Izy Ka hanitsakitsaka ny fahotantsika, Eny, harianao ho any amin'ny ranomasina lalina ny fahotany rehetra. » (Mika 7:19)
ary mendrika ny hivavaka ho an'ny hafa mba hanaiky hotarihin'ny Fanahiny tahaka anao
« Nony tafidina tany izy roa lahy, dia nivavaka ho an'ny olona mba handraisany ny Fanahy Masina. » (Asan'ny Apostoly 8:15)
MPANARATO OLONA HO ANY AN-DANITRA IANAO E!!!
MAHEREZA.

SAMBATRA NY MADIO AM-PO

Fadio ny manamaivana ny hafa
« Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Izay rehetra tezitra* amin'ny rahalahiny dia miendrika hohelohina amin'ny fitsarana; ary na zovy na zovy no hanao amin'ny rahalahiny hoe: Olom-poana ianao, dia miendrika hohelohina amin'ny Synedriona; ary na zovy na zovy no hanao hoe: Foka ialahy, dia miendrika ho ao amin'ny helo mirehitra afo. » (Matio 5:22)
tahaka ny managadra ny tenanao ianao raha mitahiry alahelo na @ iza na @ iza
« Mihavàna faingana amin'ilay manana ady aminao, raha mbola miara-dia aminy ianao, fandrao ilay manana ady aminao hanolotra anao amin'ny mpitsara, ary ny mpitsara kosa hanolotra anao amin'ny mpamatotra, ka hatao ao an-tranomaizina ianao.Lazaiko aminao marina tokoa: Tsy ho afaka ao mihitsy ianao, ambara-pandoanao ny variraiventy farany indrindra. » (Matio 5:25-26)
Sahia ary manova toetra
« Fa lazaiko aminareo: Raha tsy mihoatra noho ny an'ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ny fahamarinanareo, dia tsy hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra mihitsy ianareo. » (Matio 5:20)
VITAN'I KRISTY AO ANATINAO IZANY!!!
MATOKIA.
MAHEREZA.

TSY MAINTSY HANDRESY KRISTY SATRIA NAHATOKY IZANY IANAO OLONY

Milefitra eo anatrehan'i Kristy ny tontolo rehetra
« Jehovah dia ao amin'ny tempoliny masina; Mangina eo anatrehany, ry tany rehetra! » (Habakoka 2:20)
valim-bavaka noho ny fijoroanao teo @ banga izany
« Hitsangana eo ambonin'ny fitazanako aho Ary hijoro eo ambonin'ny manda, Hiandry hahitako izay holazainy amiko Sy izay havaliko amin'ny fitarainako. » (Habakoka 2:1)
hanjaka eo @ Jerosalemanao Izy
« Fa ny tany ho feno ny fahalalana ny voninahitr'i Jehovah, Toy ny fanaron'ny rano ny fanambanin'ny ranomasina. » (Habakoka 2:14)
HITAN'ANDRIAMANITRA NY HERIN'NY FINOANAO AZY!!!
MATOKIA.

HANOVA ZAVATRA ANDRIAMANITRA AMIN'NY ALALANAO IZAY SAHY MIASA AMIN'NY ANARANY

Aza menatra mijoro ho Kristiana
« Fa tsy menatra ny filazantsara aho; fa herin'Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino izany, amin'ny Jiosy aloha, dia vao amin'ny jentilisa* koa.» (Romana 1:16)
mariky ny finoanao an'i Kristy izany
« Fa amin'izany no anehoana fahamarinana avy amin'Andriamanitra avy amin'ny finoana sy ho amin'ny finoana, araka ny voasoratra hoe: Ny marina amin'ny finoana no ho velona. » (Romana 1:17)
mazotoa ary satria Andriamanitra efa nanendry anao ho mpanompony
« Paoly, mpanompon'i Jesosy Kristy, voantso ho Apostoly, voatokana ho amin'ny filazantsaran'Andriamanitra, » (Romana 1:1)
ARAKARAKY NY FITOMBON'NY FAHASAHIANAO NO HITOMBON'NY HOSOTRA HO RAISINAO!!!
MATOKIA.
MAHEREZA.

VOATENDRY MBA HIFAMONJY,HIFAMPAHERY,HIFAMPIV AVAKA ISIKA SAMY KRISTIANA

Any @ ireo olona mahalala an'i Kristy nefa tsy tena miara-miaina Aminy no hanirahana anao aloha mba hanaitra
« fa aleo mankany amin'ny ondry very amin'ny taranak'isiraely.Ary raha mandeha ianareo, dia mitoria hoe: Efa mby akaiky ny fanjakan'ny lanitra. » (Matio 10:6-7)
sy hamaha ny olan'izy ireo
« Sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovy ny boka, avoahy ny demonia; .... » (Matio 10:8a)
IZAY SENDRA LAVO TENA MILA HARENINA E!!!
IZAY MAHERY KOSA MILA MIZARA HATRANY!!!
MAHEREZA.

TSY TAKATRY NY SAINA NY FITAHIANA MENDRIKA ANAO ZANAK'ANDRIAMANITRA

Mendrika ny hisaorana Andriamanitra
« .... Mitsangana, ka misaora an'i Jehovah Andriamanitrareo mandrakizay mandrakizay. Ary isaorana anie ny anaranao malaza, izay voasandratra ambonin'ny fisaorana sy ny fiderana rehetra. » (Nehemia 9:5)
satria fahazavana ho anao na andro na alina
« Andri-rahona no nitondranao azy raha antoandro, ary andri-afo nony alina, mba hampahazava azy hahitany izay lalana tokony halehany. » (Nehemia 9:12)
hiaro anao @ fomba mahagaga
« Ary ny ranomasina dia nosarahinao teo anoloany, ka nandeha namaky teo afovoan'ny ranomasina nandia ny tany maina izy; ary ireo nanenjika azy dia natsipinao hilentika amin'ny lalina tahaka ny vato amin'ny rano manonja. » (Nehemia 9:11)
hiahy anao
« ary mofo avy tany an-danitra no nomenao azy, raha noana izy; ary rano avy tamin'ny vatolampy no navoakanao hosotroiny, raha nangetaheta izy; ary nilaza taminy Hianao fa hiditra ka handova ny tany izay nanangananao tanàna homena azy izy. » (Nehemia 9:15)
Izy.
MANDRAKIZAY DIA HISAOTRA AZY TOKOA ISIKA E!!!!
MAHEREZA.

HITARI-DALANA ANAO OLONY HO ANY AMIN'NY FANDRESENA KRISTY

Vita an'Andriamanitra ny mandresy ireo fahavalonao na dia miseho ho mafy sy mirehareha aza izy
« Nefa Izaho no nandringana ny Amorita teo anoloany, dia olona izay lava tsanganana toy ny hazo sedera sy natanjaka toy ny ôka; Eny, nosimbako ny voany teny ambony sy ny fatany tao ambany. » (Amosa 2:9)
aza manahy fa ampandovainy anao h@ taniny
« Ary Izaho no nitondra anareo niakatra avy tany amin'ny tany Egypta sady nitari-dalana anareo efa-polo taona tany an-efitra, mba handovanareo ny tanin'ny Amorita, » (Amosa 2:10)
HATREO ARY NY TOE-JAVATRA REHETRA FA HAMPANDROSO NY FINOANAO IZANY!!!!
MATOKIA.

HO FENO HOSOTRA IZAY LAZAINAO ZANAK'ANDRIAMANITRA

Aza misalasala milaza zava-tsoa satria ny Tompo no milaza izany avy ao anatinao
« Fa tsy ianareo no miteny, fa ny Fanahin'ny Rainareo no miteny ao anatinareo. » (Matio 10:20)
ary hiaiky ny toetranao sy ny fomba fisainanao ny hafa
« Ary raha ren'ny Isiraely rehetra izany fitsarana nataon'ny mpanjaka izany, dia natahotra ny mpanjaka izy, satria hitany fa misy fahendren'Andriamanitra ao am-pony ho entiny mitsara. » (1 Mpanjaka 3:28)
ARARAOTY ARY NY FOTOANA AHAVELOMANAO AMPIASANAO IZANY!!!
MATOKIA.

SAHIA MANOME HO AN'I TOMPO DIA HO AZO ANTOKA FA HO SAMBATRA IANAO OLONY

Hanome famatarana ny Tompo fa eo anilanao sady hiteny aminao Izy
« Fa izao no nolazain'i Jehovah tamiko, raha nanindry ahy mafy ny tànany,... » (Isaia 8:11)
ny anjaranao dia ny manolon-tena ho Azy @ fanananao dia ho sambatra ianao
« Entonareo ny fahafolon-karena rehetra ho ao amin'ny trano firaketako, mba hasian-kanina ao an-tranoko, ary izahao toetra amin'izany Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, raha tsy hovohako ny varavaran'ny lanitra ho anareo ka hampidinako fitahiana manana amby ampy ho anareo.Ary hasiako teny mafy ny valala* noho ny aminareo, ka tsy hanimba ny vokatry ny tany intsony ireny, ka dia hahavanom-boa ny voalobokareo any an-tsaha, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.Ary ianareo hataon'ny firenena rehetra hoe sambatra; fa ho tany mahafinaritra ianareo, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. » (Malakia 3:10-12)
FIFANEKENA MASINA IO ARY TSY MAINTSY HO TANTERAKA!!!
MATOKIA.

HANAO NY "IMPOSSIBLE" HO LASA "POSSIBLE" EO AMIN'NY FIAINANAO OLONY KRISTY

Hanao fahagagana eo @ fiainanao Andriamanitra
« Ary Ilay Anjelin'i Jehovah niseho tamin-dravehivavy ka nanao taminy hoe: Indro, momba ianao ka tsy niteraka; nefa hanan'anaka ianao ka hiteraka zazalahy. » (Mpitsara 13:3)
mba hahatanteraka izany anefa dia fadio ny toaka
« Koa mitandrema ianao ankehitriny, ka aza misotro divay na toaka, ... » (Mpitsara 13:4a)
Tsy hitsanga-menatra ianao
« Fa hoy ny Soratra Masina: Tsy ho menatra izay rehetra mino Azy.Fa tsy misy hafa, na Jiosy na jentilisa, fa iray ihany no Tompon'izy rehetra, sady manan-karena homeny izay rehetra miantso Ary Izy.» (Romana 10:11-12)
MINOA!MINOA!MINOA!!!

MENDRIKA NY HO MPANANGANA NY FANJAKAN'I KRISTY DIENY ETY AN-TANY IANAO OLONY

Mahareta miaraka @ Kristy dia ho voavonjy ianao
« ...; fa izay maharitra hatramin'ny farany no hovonjena. » (Matio 10:22)
ary ho lasa mpanangana ny fanjakany
« Ary Joiada nampanao fanekena ny mpanjaka sy ny vahoaka tamin'i Jehovah, mba ho olon'i Jehovah izy, ary nampifanaiky ny mpanjaka sy ny vahoaka koa. » (2 Mpanjaka 11:17)
tsarovy fa afaka hiantso anjely Izy hiaro anao
« Ary ataonao va fa tsy mahazo mangataka amin'ny Raiko Aho, dia haniraka anjely tsy omby roa ambin'ny folo legiona ho ety amiko Izy ankehitriny? » (Matio 26:53)
ASEHOY AMINY ARY FA VITANAO IZANY E!!!
MAHEREZA.

OLON'AFAKA IANAO OLON'I KRISTY

Raha tena Kristy no ao anatinao dia tsy hahita izay hiampangana anao ny hafa
« Ary ny lohan'ny mpisorona mbamin'ny Synedriona rehetra nitady teny ho entiny hiampanga lainga an'i Jesosy mba hamonoany Azy;fa tsy nahita izy, na dia maro aza ny vavolombelona mandainga tonga teo...» (Matio 26:59-60a)
ho voaporofo ny maha-lasa zanak'Andriamanitra anao
« Nefa tsy niteny Jesosy. Dia hoy ny mpisoronabe taminy: Ampianianiko amin'Andriamanitra velona Hianao hilaza aminay, raha Hianao no Kristy, Zanak'Andriamanitra.Hoy Jesosy taminy: Voalazanao;... » (Matio 26:63-64a)
ANKAFIZO,TADIAVO,KATSAHO HATRANY ARY NY HIFIKITRA AMINY DIA HIADANA AM-PO MANDRAKIZAY IANAO!!!
MATOKIA.

AFAKA NY HO MODELY EO ANATREHAN'ANDRIAMANITRA IANAO OLONY

Aza amelana raha tsy miaiky satana fa arovan'Andriamanitra sy notahiny ianao
« Tsy Hianao va no nanao fefy manodidina azy sy manodidina ny tranony ary manodidina izay ananany rehetra? Notahinao ny asan'ny tànany ka manenika ny tany ny omby aman'ondriny. » (Joba 1:10)
ambonin'izany ny Tompo mihintsy no mandoka anao eo anatrehany
« Dia hoy Jehovah tamin'i Satana: Efa nandinika an'i Joba mpanompoko va ianao? Fa tsy misy tahaka azy eny ambonin'ny tany, fa olona marina sy mahitsy izy sady matahotra an'Andriamanitra ka mifady ny ratsy. » (Joba 1:8)
MATOA VOASORATRA DIA TSY MAINTSY HO TANTERAKA!!!
MATOKIA.
MAHEREZA.

ZAVA-MAHERY NY TSO-DRANO

Zava-masina loatra ny tso-drano
« .... Dia niteny ny mpanjaka ka nanao tamin'i Daniela hoe: Andriamanitrao Izay tompoinao mandrakariva anie hamonjy anao. » (Daniela 6:17)
zarao ary aza ferana mihintsy izany
« Dia nanatona izy ka nanoroka azy; ary Isaka nandre ny fofon'ny fitafiany, dia nitso-drano azy ka nanao hoe: E! ny fofon'ny zanako. Dia tahaka ny fofon'ny saha izay notahin'i Jehovah.Ary hanomezan'Andriamanitra anao anie ny andon'ny lanitra sy ny tsiron'ny tany, ary vary sy ranom-boaloboka betsaka.Hanompo anao anie ny firenena maro, Ary hiankohoka eo anatrehanao ny firenena samy hafa. Ho tompon'ny rahalahinao anie ianao, ary aoka hiankohoka eo anatrehanao ny zanaky ny reninao. Ho voaozona anie izay rehetra manozona anao, ary hohasoavina anie izay manisy soa anao. » (Genesisy 27:27-29)
satria tsy maintsy ho tanteraka raha mino ilay iantefany
« Andriamanitro efa naniraka ny anjeliny ka nanakombona ny vavan'ny liona tsy handratra ahy, satria fahamarinana no hitany tamiko; ary teo anatrehanao koa, ry mpanjaka ô, tsy nanao ratsy aho. » (Daniela 6:23)
VOAHIRAKA HANONONA FITAHIANA TSY MISY FETRA IANAO OLON'I KRISTY!!!!AMPIASAO ARY IZANY !!!
MAHEREZA.

OLON'I KRISTY IANAO? AZA MANAHY FA IZY MIHINTSY NO HANANTONA ANAO MBA HAMAHA IREO OLANAO

Raha misy tafio-drivotra ny fiainanao
« Ary ny ranomasina nanonja, fa mafy ny fifofofofon'ny rivotra. » (Jaona 6:18)
aza taitra raha ho avy @ fomba mahagaga Kristy hamonjy anao
« Ary rehefa nivoy tokony ho dimy amby roa-polo na telo-polo stadio* izy, dia nahita an'i Jesosy nitsangantsangana eny ambonin'ny ranomasina ka nanakaiky ny sambokely; dia natahotra izy. [*Na: dimy na enina kilometatra]Fa hoy Jesosy taminy: Izaho ihany; aza matahotra. » (Jaona 6:20)
eny tsy maintsy hovahany ny olanao
« Dia ta-handray Azy ho eo an-tsambokely izy; ary niaraka tamin'izay ny sambokely dia tonga tamin'ny tany izay nalehany. » (Jaona 6:21)
POROFOM-PITIAVANY ANAO IZANY E!!!
MAHEREZA.

MANAN-KAMBARA I KRISTY AO ANATINAO

Ho talanjona ny hafa haheno ny hafatr'i Kristy avy ao anatinao
« Ary talanjona izay rehetra nandre Azy noho ny fahalalany sy ny famaliany. » (Lioka 2:47)
nokolokoloinao izany ka hivoatra ary tsy ho azom-pahoriana ny fanahinao
« Izay miambina ny vavany sy ny lelany Dia miaro ny fanahiny tsy ho azom-pahoriana. » (Ohabolana 21:23)
MPITONDRA NY HAFANY IANAO OLONY,AZA MISALASALA ARY MIZARA IZANY!!!
MATOKIA.

AZA MANAHY MIHINTSY FA KRISTY AO ANATINAO VONONA HAMPANDRESY ANAO

Aza mitaraina fa ilay Amdriamanitra mahery no ao anatinao
« Koa nahoana no mitaraina mafy ianao? Moa tsy misy mpanjaka va ao aminao, Sa lany ringana avokoa ny mpanolotsainao, No dia azon'ny fanaintainana ianao, toy ny vehivavy raha miteraka? » (Mika 4:9)
mitraka hatreo ny olana rehetra fa handresy ianao ary ho azonao h@ haren'ny fahavalonao
« Mitsangàna, ka miveleza, ry Ziona zanakavavy, Fa ny tandrokao hataoko vy, Ary ny kitronao hataoko varahina, Ka hanorotoro firenena maro ianao; Dia hatolotrao ho an'i Jehovah ny hareny, Ary ho an'ny Tompon'ny tany rehetra ny fananany. » (Mika 4:13)
FANDRESENA MIEZINEZINA NO MIANDRY ANAO!!!!
MATOKIA.

MAHAKASIKA NY FON'ANDRIAMANITRA NY FISAORANAO AZY AMIN'NY ZAVATRA REHETRA

Mila mampiasa ilay toetran'i Kristy misaotra @ izay ananatsika isika dia ho ampitomboin'Andriamanitra avo 5000 heny @ fombany izany avy eo
« Misy zazalahy manana mofo vary hordea dimy sy hazandrano madinika roa, fa ho ampy inona moa izany amin'izao olona betsaka izao? Fa hoy Jesosy: Asaovy mipetraka ny olona. Ary nisy ahitra be teo. Ka dia nipetraka ny lehilahy, tokony ho dimy arivo no isany.Dia nandray ny mofo Jesosy; ary rehefa nisaotra, dia nizara izany tamin'izay nipetraka hihinana Izy; ary ny hazandrano koa araka izay nilainy. » (Jaona 6:11)
HIVADIKA FITAHIANA TSY TAKATRY NY SAINA NY FAHATOKISANAO AZY E!!!
MATOKIA,MAHEREZA.

AVELAO KRISTY HANANGANA NY HOAVINAO OLONY

Hanangana fiainam-baovao ho anao Kristy izay efa nekenao hitantana ny fiainanao
« Amin'izany andro izany dia hatsangako indray ny trano-bongon'i Davida izay efa nianjera, ary hotampenako ny efa banga ao; Ary hamboariko izay efa rava aminy, ka hataoko tahaka ny taloha izy, » (Amosa 9:11)
lasa ho voatahy ny asanao
« Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay hahatraran'ny mpiasa tany ny mpijinja, ary ny mpanosihosy voaloboka hahatratra ny mpamafy; Ny tendrombohitra hipoipoitra ranom-boaloboka, ary ny havoana rehetra hiempo. » (Amosa 9:13)
handry fahizay mihintsy e!
« Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Raha angoniko avy any amin'ny firenena izay nampielezana azy ny taranak'Isiraely, dia hiseho ho masina eo imason'ny firenena Aho amin'ny ataoko aminy, ka honina any aminy taniny izay nomeko an'i Jakoba mpanompoko izy.Dia handry fahizay any izy ka hanorina trano sy hanao tanim-boaloboka; eny, handry fahizay izy amin'ny anatanterahako ny fitsarana ireo rehetra manodidina azy izay manao tsinontsinona azy; ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah Andriamaniny. » (Ezekiela 28:26)
NY ANJARANAO DIA NY MAZOTO MIASA AM-PINOANA AMIN'NY ANARANY,NY AZY KOSA NO MAMPAMOA IZANY MIHOATRA LAVITRA NOHO IZAY ERITRERETINAO!!!

TADIAVO KRISTY FA IZY NO HANDRAY AN-TANANA ANAO

Fotoana fitadiavana an'Andriamanitra izao
« Amin'izany andro izany sy amin'izany fotoana izany, hoy Jehovah, dia ho avy ny Zanak'Isirsely, dia izy mbamin'ny taranak'i Joda, eny, handeha izy sady hitomany eny am-pandehanana ka hitady an'i Jehovah Andriamaniny. » (Jeremia 50:4)
ary azo antoka fa hamaly vavaka Izy
« Ary hampodiko ho any amin'ny saha fiandrasana azy indray ny Isiraely, ka hihinana ao Karmela sy Basana izy; Ary any an-tany havoan'i Daima sy Gileada no hahavoky azy. » (Jeremia 50:19)
eny tena havotany izay mifikitra Aminy
« Amin'izany andro izany sy amin'izany fotoana izany, hoy Jehovah, dia hotadiavina izay heloky ny Isiraely, fa tsy hisy; Ary izay fahotan'ny Joda, fa tsy ho hita; Satria havelako ny helok'izay sisa narovako. » (Jeremia 50:20)
matokia
« Ary hatrany dia homeko azy ny tanim-boalobony sy ny lohasaha Akora ho varavaram-panantenana; Ary any no hamaliany toy ny tamin'ny andro fahatanorany, dia toy ny tamin'ny andro niakarany avy tany amin'ny tany Egypta.» (Hosea 2:17)
TSY MAINTSY HANANTATERAKA IREO FANIRIANA TSARA AO ANATINAO IZY!!!
HAMAHA NY OLANAO REHETRA E!!!
MINOA,MIJOROA.

MANANGANA EKIPA HITONDRA NY FANEVAN'I KRISTY

Manendre olona mahatoky 2 farafahakeliny hiara-hiasa aminao
«Izao no lazain'i Jehovah: Andeha mividy tavoara tanimanga, ary makà anti-panahy amin'ny vahoaka sy anti-panahy amin'ny mpisorona,dia mivoaha ho any amin'ny Lohasahan'ny taranak'i Hinoma, izay eo anoloan'ny vavahady Harsota, ary torio eo ny teny izay holazaiko aminao,» (Jeremia 19:1-2)
rehefa avy nifandini-tena teo anatrehan'i Kristy ianareo
« Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny andry eo amin'ny masonao, ary amin'izay vao ho hitanao tsara ny hanesoranao ny sombin-kazo eo amin'ny mason'ny rahalahinao. » (Matio 7:5)
dia hahomby be
« Ary nony hariva ny andro, dia nentin'ny olona tany aminy ny demoniaka maro; ary ny teniny ihany no namoahany ny fanahy ratsy, ary izay narary rehetra dia nositraniny avokoa, » (Matio 8:16)
AZA MANGATAKA ANDRO FA FOTOANA FANAPOROFOINA NY HERIN'I KRISTY IZAO!!!
MAHEREZA.

MIFANDRAY TSY TAPAKA AMIN'NY MPONIN'NY LANITRA KRISTY AO ANATINAO OLONY

Mifalia fa Kristy mihintsy no milaza fa olony ianao
« Jesosy nahita an'i Natanaela avy manatona Azy, dia nilaza azy hoe: Indro ny tena Isiraelita tsy misy fitaka. » (Jaona 1:47)
satria afaka miasa sy mifandray @ mponin'ny lanitra avy ao anatinao Izy
« Ary hoy koa Izy taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Ho hitanareo ny lanitra misokatra sy ny anjelin'Andriamanitra miakatra sy midina eo ambonin'ny Zanak'olona. » (Jaona 1:51)
matokia
« Fa tsy tampoka no hivoahanareo, ary tsy lositra no handehananareo; fa Jehovah no hitarika anareo eo aloha, ary Andriamanitry ny Isiraely no ho vodi-lalanareo. » (Isaia 52:12)
HITERAKA FAHATONIAN-TSAINA LEHIBE HO ANAO IZANY!!!
AVAHANY IANAO E!!!!
MAHEREZA.