"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

VONONA HITONDRA ANAO OLONY HITETY TANY KRISTY

Sahia manohitra ny asan'ny devoly
« Ka dia maneke an Andriamanitra ianareo; ary manohera ny devoly, dia handositra anareo izy. » (Jakoba 4:7)
dia hanompo anao ny anjelin'ny lanitra
« Dia nandao Azy ny devoly, ary indreo, nisy anjely tonga ka nanompo Azy. » (Matio 4:11)
ary lasa hitety tany mba ho vavolombelon'i Kristy ianao
« Fa hahazo hery ianareo amin'ny hilatsahan'ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran'i Jodia sy Samaria ary hatramin'ny faran'ny tany. » (Asan'ny Apostoly 1:8)
METY HO NOFY AMINAO IZANY IZAO FA MINOA FA AM-PIFALIANA NO HANATANTERAHANY IZANY HO ANAO!!!
MATOKIA.

AZA MISALASALA FA FOTOANA FANEHOAN'I KRISTY FAHAGAGANA IZAO


Mety mieritreritra ianao hoe tsy fotoana hanampian'i Kristy anao izao
« Hoy Jesosy taminy: Ravehivavy, moa mifaninona akory Izaho sy ianao? tsy mbola tonga ny fotoako. » (Jaona 2:4)
angataho ihany fa noho ny finoanao dia hanao fahagagana ho anao Izy
« Ary raha nanandrana ny rano tonga divay ny mpandahatra ny fanasana, nefa tsy nahalala izay nihaviany (fa ny mpanompo izay nanovo ny rano no nahalala), dia niantso ny mpampakatra izy ka nanao taminy hoe: Araka ny fanaon'ny olona dia ny divay tsara no arosony aloha; ary rehefa nisotro be ny olona, dia vao izay ratsiratsy kokoa; fa ianao kosa dia efa nitahiry ny divay tsara ambaraka ankehitriny.Izany no nataon'i Jesosy tao Kana any Galilia ho voaloham-pamantarana, ka nasehony ny voninahiny; ary nino Azy ny mpianany. » (Jaona 2:9-11)
TONONY NY TENIM-PITAHIANA REHETRA IZAY AO AN-TSAINAO FA HO TANTERAHIN'I KRISTY AMIN'NY FOMBANY IZANY!!!
MATOKIA.
MAHEREZA.

IZAY NAHITA FANOVANA NOHON'NY FIARAHANA AMIN'I KRISTY DIA VOATENDRY HITONDRA FANOVANA HO AN'NY HAFA

Voairaka hampahiratra ny masom-panahin'ny hafa ianao
« hampahiratra ny masony hialany amin'ny maizina ho amin'ny mazava, ary amin'ny fahefan'i Satana ho amin'Andriamanitra, mba hahazoany famelan-keloka sy lova eo amin'izay nohamasinina noho ny finoana Ahy. » (Asan'ny Apostoly 26:18)
satria efa nahita zava-tsoa t@ fiarahanao @ Kristy sady efa notendreny ho mpanompony
« Fa mitsangàna, ka mijoroa amin'ny tongotrao; fa izao no nisehoako taminao, dia ny hanendry anao ho mpanompo sy ho vavolombelona ny amin'izay efa nahitanao Ahy* sy izay hisehoako aminao, [*Na: (izay efa hitanao)] » (Asan'ny Apostoly 26:16)
ANKALAZAO ARAK'IZAY AZONAO ATAO KRISTY DIA HO AVY FAINGANA NY FANJAKANY DIENY ETY AN-TANY E!!!
MAHEREZA.

HO VOATAHY MANOKANA IANAO SATRIA NIANTEHATRA TAMIN'I KRISTY IRERY IHANY

Andriamanitra ihany no iankohofy
« Ary ny mpanompon'ny mpanjaka rehetra izay teo am-bavahadin'ny mpanjaka dia nandohalika sy niankohoka teo anatrehan'i Hamana; fa izany no didin'ny mpanjaka. Fa Mordekay kosa tsy mba nety nandohalika na niankohoka. » (Estera 3:2)
Izy ilay tsy miova
« Izaho no Alfa sy Omega, hoy ny Tompo Andriamanitra, Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy, dia ny Tsitoha. » (Apokalypsy 1:8)
Miverena Aminy dia hikarakara anao @ fombany Izy
« Fa rainy kosa nanao tamin'ny ankizilahiny hoe: Alao haingana ny akanjo tsara indrindra ka ampiakanjoy azy; ary asio peratra ny tànany sy kapa ny tongony;ary ento ny zanak'omby nafahy, ka vonoy; ary aoka isika hihinana sy hifaly; » (Lioka 15:22-23)
FIKIRO NY SAFIDINAO FA LALA-TOKANA HAHASAMBATRA ANAO IZANY!!!
MATOKIA.

TSIAMBARATELON'NY FANDRESENA NY FAHATAHORANA AN'ANDRIAMANITRA

Handray fahasoavana ianao satria nitady an'Andriamanitra sady nitombo ny fahatahoranao Azy
« Rehefa afaka izany, dia hiverina ny Zanak'Isiraely ka hitady an'i Jehovah Andriamaniny sy Davida mpanjakany; ary nandeha amin-kovitra hanatona an'i Jehovah sy ny fahasoavany izy, raha mby any amparany. » (Hosea 3:5)
Ho resin'i Kristy ireo fahavalonao izay saika nirehareha
« Na dia miakatra tahaka ny voromahery aza ianao Ka mametraka ny akaninao eny amin'ny kintana, Dia havariko avy eny ianao, hoy Jehovah. » (Obadia 4)
ALEO KRISTY NO HANJAKA NA AO ANATINAO NA EO AMIN'NY MANODIDINA ANAO DIA HO AZO ANTOKA NY FAMIRAPIRATAN'NY HOAVINAO!!!
MATOKIA.

SATRIA NINO IANAO FA I MADAGASIKARA DIA HO AN'I KRISTY DIA TSY MAINTSY HO TANTERAKA IZANY

Ianao olon'Andriamanitra dia afaka mangataka ny hirotsahan'ny Fanahy Masina ho an'ny Malagasy
« Nony tafidina tany izy roa lahy, dia nivavaka ho an'ny olona mba handraisany ny Fanahy Masina. » (Asan'ny Apostoly 8:15)
hivaly izany ka hazoto hiaino an'i Kristy izy ireo
« Ary nony maraina koa dia nankeo an-kianjan'ny tempoly indray Jesosy, ary ny vahoaka rehetra nanatona Azy, dia nipetraka Izy ka nampianatra azy » (Jaona 8:2)
AZONAO VE HOE HATRAIZA NO ILAN'ANDRIAMANITRA ANAO???
TRATRY NY FETY E!!!!

SAFIDY TSARA NO NIFIDIANANAO HANAO NY ZAVATRA REHETRA HO VONINAHITR'ANDRIAMANITRA

Niseho nirehareha satana
« Ary ianao efa nanao anakampo hoe: Any an-danitra no hiakarako, ary ambonin'ny kintan'Andriamanitra no hanandratako ny seza fiandrianako; Dia hipetraka eo an-tendrombohitra; fivoriana any am-parany avaratra aho;Hiakatra ho any ambonin'ny havoan'ny rahona aho ka ho tahaka ny Avo Indrindra; » (Isaia 14:14)
kanjo resy
« Kanjo hampidinina hatrany amin'ny fiainan-tsi-hita ho any ampara-vodilavaka ianao.» (Isaia 14:15)
afa-baraka tanteraka
« Efa navarina ho ety amin'ny fiainan-tsi-hita ny tabihanao mbamin'ny feon'ny valihanao; Kankana no ilafihanao, ary olitra no mandrakotra anao.» (Isaia 14:11)
satria nataonao ho voninahitr'i Kristy no antony ivelomanao
« Koa amin'izany, na mihinana na misotro ianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr'Andriamanitra izany rehetra izany. » (1 Korintiana 10:31)
NA MBOLA ETY AN-TANY AZA IANAO DIA MINOA FA EFA MIAINA NY FIAINAN-DANITRA!!!
LAVO ILAY FAHAVALO NANELINGELINA E!!!!

MAMPITANDRINA FOANA ANDRIAMANITRA VAO MANAFAY RAHA ILAINA

'Ndeha hiara hifona
«Miangona, eny, mivoria ianareo Ry firenena tsy manan-kenatra, » (Zefania 2:1)
dieny mbola tsy tonga ny fahatezeran'Andriamanitra
« Dieny tsy mbola mihatra ny didy (Mihelina toy ny akofa ny andro!), Dieny tsy mbola tonga aminareo ny fahatezerana mafin'i Jehovah, Eny, dieny tsy mbola tonga aminareo ny andro firehetan'ny fahatezeran'i Jehovah. » (Zefania 2:2)
tsy misy takona eo anatrehany
« ....; fa tsy misy afenina izay tsy haseho, na takona izay tsy ho fantatra. »(Matio 10:26)
ary ho mafy ny fitsarana
« Lazaiko aminareo marina tokoa fa ho moramora kokoa ny ho amin'ny tany Sodoma sy Gomora amin'ny andro fitsarana noho ny ho amin'izany tanàna izany. »(Matio 10:15)
TSY HANENENANA NY MIJORO EO AMIN'NY BANGA MIFONA HO ANAO SY NY JEROSALEMANAO E!!!
ALEO MISOROKA TOY IZAY .....
MAHEREZA.

HIRAY FEO HIARA-HIBEBAKA ISIKA ARY HO LAVO TANTERAKA SATANA

Fotoana hiraisam-peo izao hibebahana sy handresena ny herin'ny maizina
« Tonga ankehitriny ny fitsarana izao tontolo izao; ankehitriny ny andrianan'izao tontolo izao no horoahina. » (Jaona 12:31)
te-hanavotra anao olony mantsy Andriamanitra
« Ary amin'izany andro izany ny Tompo dia mbola haninjitra ny tànany fanindroany hanavotra ny olony, izay mbola sisa, avy any Syria sy Egypta sy Patrosa sy Etiopia sy Elama sy Sinara sy Hamata Ary ny avy any amin'ny moron-dranomasina. » (Isaia 11:11)
HAFA MIHINTSY IZANY HOE MIARA-MIBEBAKA E!!!
ANJARAN'I KRISTY IZAO NO MANJAKA!!!
SA AHOANA?

HIRAY FEO ISIKA ARY HIAIKY IZANY NY ANY AN-DANITRA

Hiara-hifehy ny fotoana amintsika ny any an-danitra
« Lazaiko aminareo marina tokoa: Na inona na inona fehezinareo ety ambonin'ny tany dia hofehezina any an-danitra; ary na inona na inona vahanareo ety ambonin'ny tany dia hovahana any an-danitra. » (Matio 18:18)
avy mibebaka isika dia tena hahazo ny famindram-pony
« Ary lazaiko aminareo koa: Raha misy roa aminareo mifanaiky ety ambonin'ny tany na amin'inona na amin'inona ka hangataka izany, dia ho azony avy amin'ny Raiko Izay any an-danitra izany. » (Matio 18:19)
'NDEHA TSY AMELANA RAHA TSY HO VOAVELA HELOKA NY FIRENENA E!!
SA AHOANA??

'NDEHA HIARA-HITADY AN'ANDRIAMANITRA

Hitalaho @ Andriamanitra isika ka tsy amelana raha tsy hibebaka hiverina Aminy ny Malagasy rehetra
« Jehovah ô, ampivereno aminao izahay, mba hiverenanay; Havaozy ho toy ny fahiny ny andronay. » (Fitomaniana 5:21)
'ndeha hiray saina hanao izany
« Mitadiava an'i Jehovah, ianareo mpandefitra rehetra amin'ny tany, Izay efa nanaraka ny fitsipiny: Tadiavo ny fahamarinana, Tadiavo ny fandeferana; Angamba ho voafina ianareo amin'ny andro fahatezeran'i Jehovah. » (Zefania 2:3)
MILA MANAPOROFO EO ANATREHANY ISIKA FA IZAY IHANY NO VAHA-OLANA E!!!
SA AHOANA?
AMPITAO.

AZA MIAHOTRA MANDRAY FAHEFANA FA MENDRIKA ANAO ZANAK'ANDRIAMANITRA IZANY

Talanjona ny hafa hahita ny herin'ny Kristy ao anatinao
« Ny mpanjaka namaly an'i Daniela ka nanao hoe: Marina tokoa fa Andriamanitrareo dia Andriamanitry ny andriamanitra sy Tompon'ny mpanjaka ary Mampiseho zava-miafina, ka dia nahay nampiseho izany zava-miafina izany ianao. » (Daniela 2:47)
hitarika anao hahazo fahefana lehibe izany
« Ary tamin'izany ny mpanjaka dia nanandratra an'i Daniela ho lehibe, ka nanome azy zavatra maro sady lehibe ary nanendry azy ho mpanapaka any Babylona sy ny fehiny rehetra, sy ho lehiben'ny mpanapaka ny olon-kendrin'i Babylona rehetra. » (Daniela 2:48)
sady hitondra fitahiana ho anao
« Toy izany koa no nandidian'ny Tompo, fa izay mitory ny filazantsara dia hahazo fivelomana amin'ny filazantsara. » (1 Korintiana 9:14)
TE-HANAO ASA LEHIBE SADY MIAVAKA AMIN'NY ALALANAO KRISTY!!!!
SAHIA ARY MAHEREZA ARY MIJORO HO VAVOLOMBELONY.

HO BABON'NY FIOVAN'NY TOETRANAO ANDRIAMANITRA

Hanaiky Andriamanitra hoe Olony ianao
« Dia hafafiko ho Ahy amin'ny tany izy; Ary hamindra fo amin'i Lò-rohama Aho sady hanao amin'i Lò-amy hoe: Oloko ianao; Ary izy kosa hanao hoe: Andriamanitro Hianao.» (Hosea 2:25)
satria manana toe-panahy tahaka an' i zaza
« Lazaiko aminareo marina tokoa: Na zovy na zovy no tsy handray ny fanjakan'Andriamanitra tahaka ny zaza, dia tsy ho tafiditra aminy akory. » (Marka 10:15)
sady nanaiky ny didiny mba hialana @ ratsy fanao
« Lazao aminy hoe: Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, dia tsy sitrako ny hahafatesan'ny ratsy fanahy, fa ny hialan'ny ratsy fanahy amin'ny lalany, mba ho velona izy. Mialà, mialà amin'ny lalan-dratsinareo, fa nahoana moa no te-ho faty ianareo, ry taranak'Isiraely? » (Ezekiela 33:11)
ILAY RAY IZAY ANY AN-DANITRA MIHITSY NO HIFALY AMINAO!!!
MIFALIA MIHOBIA.

HANAO FAHAGAGANA NY FANAHIN'I KRISTY AO ANATINAO ANIO

Aza misalasala na @ fangatahana na @ finoana fahazoana valim-bavaka @ Andriamanitra
« Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an'ny zanakareo, tsy mainka va ny Ray, Izay any an-danitra, no hanome ny Fanahy Masina ho an'izay mangataka aminy? » (Lioka 11:13)
zanany ianao ary afaka hampiasainy hanao fahagagana
« Ary ny tanan'ny Apostoly no nanaovana famantarana sy fahagagana maro teo amin'ny vahoaka;... » (Asan'ny Apostoly 5:12)
TIAN'ANDRIAMANITRA HANEHO NY VONINAHINY IANAO!!!!
MATOKIA.

TSY MISY FATOTRA TSY VOAVAHAN'I KRISTY

Mivavaha sy midera an'Andriamanitra rehefa tena ao anaty olana
« Ary nony mamatonalina, dia nivavaka sy nihira fiderana an'Andriamanitra Paoly sy Silasy; ary nihaino azy ny mpifatotra. » (Asan'ny Apostoly 16:25)
ary lasa tsy hatahotra ny hotsarainy ianao
« Ary nisy horohorontany mafy dia mafy avy tampoka, ka nihozongozona ny fanorenan'ny tranomaizina; dia nivoha niaraka tamin'izay ny varavarana rehetra, ary nivaha avokoa ny fatoran'izy rehetra. » (Asan'ny Apostoly 16:26)
SAHIA ARY MIATRIKA NY ZAVATRA REHETRA MBA HITOMBON'NY FIASAN'I KRISTY AO ANATINAO!!!
MAHEREZA.

VONONA NY HANOMPO ANAO IREO ANJELIN'I KRISTY RAHA SITRAKAO

Sahia mandroaka izay fanahy hafa mety hanakana anao tsy hankafy hiaraka @ Andriamanitra
« Fa hoy Jesosy taminy: Mandehana ianao, ry Satana: fa voasoratra hoe; Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao (Deo. 6. 13). » (Matio 4:10)
rehefa afaka ireo dia ho avy ny anjely hanompo anao
« Dia nandao Azy ny devoly, ary indreo, nisy anjely tonga ka nanompo Azy. » (Matio 4:11)
HIATRIKA FAHAGAGANA VAOVAO INDRAY IANAO E!!!
MINOA.

HIAIKY NY FINOANAO ANDRIAMANITRA ARY HANDRAY AN-TANANA NY JEROSALEMANAO:

Tsy hijanona hivavaka isika raha tsy lasan'i Kristy ny firenena
« Ary hoy Izy taminy: Raha mivavaka ianareo, dia ataovy hoe: Ray ô* hohamasinina anie ny anaranao. Ho tonga anie ny fanjakanao.» (Lioka 11:2)
ary hiariary ny faharesen'i satana
« Misitrisitra anao ny mpandranto amin'ny firenena; tonga fampitahorana ianao ary tsy ho ao intsony mandrakizay » (Ezekiela 27:36)
Aoka hiaiky ny finoantsika Kristy e!
« Ary nony nahare izany Jesosy, dia gaga ka niteny tamin'izay nanaraka Azy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy mbola nahita finoana lehibe toy izany Aho na dia tamin'ny Isiraely aza. » (Matio 8:10)
HANAFAINGA NY PLANINY IZY NOHO NY FINIAVANAO MANOMPO AZY!!!
MATOKIA.

HANDRAY NY ANDRAIKINY AMIN'NY FOMBANY KRISTY

Hisy fomba fijery nihidy h@ izay hosokafan'i Kristy ho anao mpanompony
« Ary hoy Jesosy taminy: Mandehana ianao, ny finoanao no efa namonjy anao. Dia nahiratra niaraka tamin'izay ny masony, ka nanaraka an'i Jesosy teny an-dalana izy. » (Marka 10:52)
hampihaona ny olony @ fombany koa Izy
« Hamory anareo rehetra tokoa Aho, ry Jakoba, Ary hanangona ny sisa amin'ny Isiraely tokoa, Hakambako toy ny ondry any amin'ny vala izy, Toy ny ondry andiany ao amin'ny tany fiandrasana; Hitabataba izy noho ny hamaroan'ny olona.» (Mika 2:12)
An'i Kristy izao ny fahefana
« Ary nomena fanapahana sy voninahitra ary fanjakana Izy, mba hanompoan'ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra Azy; ny fanapahany dia fanapahana mandrakizay ka tsy ho tapaka, ary ny fanjakany tsy ho rava. » (Daniela 7:14)
HANOVA NY FIAINANAO IZY!!!
MATOKIA.

FOTOANA FANOVAN'ANDRIAMANITRA NY JENTILISA MBA HO LASA KRISTIANA IZAO

Na mpanenjika Kristiana aza ny olona iray
« Ary izaho efa nihevitra tao am-poko tokoa fa tsy mety raha tsy manao zavatra maro hanohitra ny anaran'i Jesosy avy any Nazareta,sady nataoko tany Jerosalema izany, ka maro ny olona masina no nohidiako tao an-tranomaizina, rehefa nahazo fahefana tamin'ny lohan'ny mpisorona aho; ary raha hovonoina ireny, dia mba nandatsa-bato nanaiky izany koa aho.Ary nampijaly azy matetika teo amin'ny synagoga rehetra aho ka nanery azy hiteny ratsy; ary satria very saina tamin'ny fahatezerako taminy aho, dia nanenjika azy hatramin'ny tanàna any ivelany koa aza.» (Asan'ny Apostoly 26:9-11)
aza manahy fa i Kristy mivantana no hiteny aminy
« Ary rehefa lavo tamin'ny tany izahay rehetra, dia nandre feo nilaza tamiko aho nanao tamin'ny teny Hebreo hoe: Saoly Saoly, nahoana ianao no manenjika Ahy? Zavatra sarotra aminao ny hanipaka ny fanindronana.Dia hoy izaho: Iza moa Hianao, Tompoko? Ary hoy ny Tompo: Izaho no Jesosy Izay enjehinao. » (Asan'ny Apostoly 26:14-15)
ka haniraka azy hitory ny teniny
« Fa mitsangàna, ka mijoroa amin'ny tongotrao; fa izao no nisehoako taminao, dia ny hanendry anao ho mpanompo sy ho vavolombelona ny amin'izay efa nahitanao Ahy sy izay hisehoako aminao,hamonjy anao amin'ny olona Isiraely sy ny jentilisa, izay anirahako anao,hampahiratra ny masony hialany amin'ny maizina ho amin'ny mazava, ary amin'ny fahefan'i Satana ho amin'Andriamanitra, mba hahazoany famelan-keloka sy lova eo amin'izay nohamasinina noho ny finoana Ahy. » (Asan'ny Apostoly 26:16-18)
ILAIN'I KRISTY IANAO MBA HO MPIARA-MIASA AMINY AMIN'IZANY!!!
MANAIKY VE IANAO?

FIRENENA 220 NO MIARA-MIFONA MIVAVAKA ANIO

Manentana anao hiara-hivavaka miaraka amin'ireo kristiana an-tapitrisany maneran-tany anio,azo antoka fa hisy akony eo @ tontolon'ny Fanahy ny vavaka izay hasandratrao.Porofoy ary fa mino izany ianao!!!
« Raha ny oloko izay nantsoina amin'ny anarako ho avy hanetry tena ka hivavaka sy hitady ny tavako ary hiala amin'ny ratsy fanaony, dia hihaino any an-danitra Aho ka hamela ny helony ary hahasitrana ny taniny. » (2 Tantara 7:14)

HITONDRA HOSOTRA VAOVAO HO ANAO NY ANDRON'NY PANTEKOSTA

Mahatalanjona ny herin'ny Fanahin'i Kristy ao anatinao
« Fa Jesosy niteny mafy azy ka nanao hoe: Mangina ianao, ka mivoaha aminy. Ary ny demonia, nony namotraka azy teo afovoan'ny olona, dia nivoaka taminy, nefa tsy naharatra azy.Ary talanjona avokoa izy rehetra ka niresaka hoe: Manao ahoana izao teny izao! fa amin'ny fahefana sy ny hery no andidiany ny fanahy maloto, dia mivoaka ireo. » (Lioka 4:35-36)
sady handoro ireo toetra mety hanimba anao
« Fa, indro, avy ny andro, mandoro toy na fatana fandoroana izy; ary ny mpirehareha rehetra sy ny mpanao ratsy rehetra dia ho vodivary; ka dia handoro azy ny andro izay ho avy, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, ka tsy hasiany miangana, na ny fakany na ny sampany. » (Malakia 3:19)
Pantekosta mamiratra ho anao ity
« Ary hiposaka aminareo, izay matahotra ny anarako, ny Masoandron'ny fahamarinana, manana fanasitranana ao amin'ny tanany*; ary hivoaka ianareo ka hifalihavanja toy ny zanak'omby mifahy;ary hohitsahinareo ny ratsy fanahy; fa ho lavenona eo ambanin'ny faladianareo izay amin'ny andro izay hotendreko, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. » (Malakia 3:20-21)
HO DIBOK'AFALIANA IANAO HANDRAY IZANY FANAHY MASINA INDRINDRA IZANY!!!
MATOKIA.

EFA VONONA NY HAMONJY ANAO KRISTY,IANAO NO ANDRASANY HAMALY NY ANTSONY:

Fotoana fibebahana izao mba tsy hiteraka fahafintohinana ho an'Andriamanitra
« Koa samy hotsaraiko araka ny ataonareo avy ianareo, ry taranak'Isiraely, hoy Jehovah Tompo. Mitodiha, ka mibebaha amin'ny fahadisoanareo rehetra, dia tsy ho tonga fahatafintohinana mahameloka anareo intsony izany. » (Ezekiela 18:30)
izay sahy mamboraka eo anatrehany dia azo antoka fa hovonjeny
« Esory ho afaka aminareo ny fahadisoanareo rehetra izay nataonareo, ka manaova fo vaovao sy fanahy vaovao ho anareo; fa nahoana no ho faty ianareo, ry taranak'Isiraely?Fa tsy sitrako ny fahafatesan'izay maty, hoy Jehovah Tompo. Koa mibebaha ianareo mba ho velona. Hira fahalahelovana ny amin'ireo lehiben'ny Isiraely. » (Ezekiela 18:31-32)
SAHIA MIFONA HO ANAO SY NY JEROSALEMANAO DIA AZO ANTOKA FA HAMOLAKA NY MANODIDINA ANAO HO LASA MENDRIKY NY VONINAHINY KRISTY!!!
MATOKIA.

NOVAIN'I KRISTY TANTERAKA VE NY FIAINANANAO? ANJARANAO NO MANDRESY LAHATRA NY HAFA NY HATSARAN'IZANY

Ianao izay mahalala ny herin'ny famonjena ihany no afaka hizara izany @ hafa
« Ary raha mandeha ianareo, dia mitoria hoe: Efa mby akaiky ny fanjakan'ny lanitra.Sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovy ny boka, avoahy ny demonia; efa nahazo maimaimpoana ianareo, koa manomeza maimaimpoana. » (Matio 10:7-8)
hiverina @ Andriamanitra izy ireo ka ho raisiny am-pifaliana
« Ary ilay zanany nanao taminy hoe: Raiko ô, efa nanota tamin'ny lanitra sy teo anatrehanao aho ka tsy miendrika hatao hoe zanakao intsony.Fa rainy kosa nanao tamin'ny ankizilahiny hoe: Alao haingana ny akanjo tsara indrindra ka ampiakanjoy azy; ary asio peratra ny tànany sy kapa ny tongony;ary ento ny zanak'omby nafahy, ka vonoy; ary aoka isika hihinana sy hifaly;fa ity zanako ity efa maty, fa velona indray, ary efa very, fa hita indray. Dia nifaly izy. » (Lioka 15:21-24)
HISY LANONAM-BE ANY AN-DANITRA ISAKY NY OLONA IRAY VOAVONJY AMIN'NY ALALANAO!!!
TSY MAHAFALY ANAO VE IZANY?
MAHEREZA.

IZAY FAHALALANA MITONDRA FAMPANDROSOANA AO AMIN'NY FANJAKAN'ANDRIAMANITRA DIENY ETY AN-TANY IHANY NO MAHASOA

Aza mitady mpampianatra araka ny filana
« Fa ho avy ny andro izay tsy hahazakan'ny olona ny fampianarana tsy misy kilema; fa hangidihidy sofina izy, dia hamory mpampianatra ho azy araka ny filany; » (2 Timoty 4:3)
fa tian'Andriamanitra ianao hiasa araka ny tolon-tsaina omeny
« Fa Andriamanitra no miasa ao anatinareo na ny fikasana na ny fanaovana hahatanteraka ny sitrapony.Ataovy ny zavatra rehetra amin'ny tsi-fimonomononana sy ny tsi-fisalasalana, » (Filipiana 2:13-14)
dia hahazo satroboninahitra
« hatrizao dia tehirizina ho ahy ny satro-boninahitry ny fahamarinana, izay homen ny Tompo, Mpitsara marina, ho ahy amin izay andro izay; ary tsy ho ahy ihany, fa ho an'izay rehetra tia ny fisehoany koa. » (2 Timoty 4:8)
'NDEHA ARY HO RAISIN'NY ZANAK'ANDRIAMANITRA NY LAFIN-JAVATRA REHETRA MBA HAHATANTERAKA IZANY E!!!
MIVONONA HANDRAY ANDRAIKITRA!!!
MAHEREZA.

NY OLON'I KRISTY DIA SAHY MANOME SATRIA MANANA AN'ILAY ANDRIAMANITRA MANANA NY ZAVATRA REHETRA

Mangataha am-pinoana izay zava-tsoa tadiavinao an'i Kristy fa ho tanteraka izany
« Ary hoy izaho aminareo: Mangataha, dia homena ianareo; mitadiava, dia hahita ianareo; dondony, dia hovohana ianareo.Fa izay rehetra mangataka no mahazo; ary izay mitady no mahita; ary izay mandondòna no hovohana. » (Lioka 11:9-10)
ary izay omenao ho an'ny hafa dia honerany be lavitra
« Fa hoy Amazia tamin'ilay lehilahin'Andriamanitra: Ka hataontsika ahoana ny amin'ny talenta zato nomeko ny miaramilan'ny Isiraely? Asy hoy ilay lehilahin'Andriamanitra taminy: Jehovah mahay manome anao mihoatra lavitra noho izany. » (2 Tantara 25:9)
HO VOATAHY AMIN'NY FOMBA TSY TAKATRY NY SAINAO IANAO IZAY MAHATANTERAKA IZANY!!!
MATOKIA.

HITARI-DALANA ANAO OLON'I KRISTY HO ANY AMIN'NY FAHOMBIAZANA ANDRIAMANITRA

Ny olon'ny Kristy marina dia efa voatendry hanao izay asain'Andriamanitra atao ihany
« Fa tsy nidina avy tany an-danitra Aho mba hanao ny sitrapoko, fa ny sitrapon'izay naniraka Ahy. » (Jaona 6:38)
satria Izy no hitari-dalana sady hitondra anao @ fandresena
« Ary Izaho no nitondra anareo niakatra avy tany amin'ny tany Egypta sady nitari-dalana anareo efa-polo taona tany an-efitra, mba handovanareo ny tanin'ny Amorita, » (Amosa 2:10)
EKEO ARY IZANY NA DIA SAROTRA AZA INDRAINDRAY FA TSY MAINTSY HO TAFITA IANAO!!!
MATOKIA.

HANAO FAHAGAGANA EO AMIN'NY FIAINANAO KRISTY

Satrinao foana hidera an'i Kristy
« Miderà an'i Jehovah, miantsoa ny anarany; Ataovy fantatra any amin'ny firenena ny asany. » (Salamo 105:1)
satria hanao fahagagana eo @ fiainanao Izy
« Mihirà ho Azy, mankalazà Azy; Saintsaino ny fahagagana rehetra ataony. » (Salamo 105:2)
Hiteraka fifaliam-be ho anao sy ny Jerosalemanao izany
« Ary rehefa nanakaiky Izy ka tonga teo am-pidinana amin'ny tendrombohitra Oliva, dia nifaly avokoa ny mpianatra maro be ka nidera an'Andriamanitra tamin'ny feo mahery noho ny asa lehibe rehetra izay efa hitany » (Lioka 19:37)
MINOA DIA HAHITA NY VONINAHINY IANAO!!!
MATOKIA,MAHEREZA.

TE-HANAPOROFO AMINAO OLONY FOANA KRISTY HOE EO AMBANIN'NY FAHASOAVANY IANAO

Zoantsika ny miantso vonjeo @ Kristy
« Vonjeo izahay, ry Andriamanitry ny famonjena anay ô, noho ny voninahitry ny anaranao; ary afaho izahay, ka mamelà ny helokay, noho ny anaranao. » (Salamo 79:9)
mialoha izany anefa tsy azo adino ny misaotra Azy
« Fa izahay, olonao sy ondry fiandrinao, dia hisaotra Anao mandrakizay; hatramin'ny taranaka fara mandimby no hilazanay ny fideràna Anao. » (Salamo 79:13)
dia hitombo hery sy fahasoavana ao anatinao Izy
« Ary ny Zaza dia nitombo ka nihahery sady feno fahendrena; ary ny fahasoavan'Andriamanitra no tao aminy. » (Lioka 2:40)
HANDRAY NY FIAINANAO MANONTOLO IZY!!!
MATOKIA.

MIAVAKA AO ANATIN'NY FANJAKAN'ANDRIAMANITRA DIENY ETY AN-TANY IANAO OLON'I KRISTY

Rehefa ao aminao Kristy dia azo antoka fa hiara-hiasa aminao tsy tapaka ny anjelin'Andriamanitra
« Ary hoy koa Izy taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Ho hitanareo ny lanitra misokatra sy ny anjelin'Andriamanitra miakatra sy midina eo ambonin'ny Zanak'olona. » (Jaona 1:51)
ary hahazo fahefana hanasoa ny hafa ianao
« Ary Jesosy niantso ny mpianany roa ambin'ny folo lahy hankeo aminy ka nanome azy fahefana hamoaka fanahy maloto sy hahasitrana ny aretina rehetra mbamin'ny rofy rehetra. » (Matio 10:1)
AMPIASAO ARY IZANY FA HITERAKA FIADANAM-PO HO ANAO!!!
MAHEREZA.

ANKAFIZO NY FIAINANAO NY FANJAKAN'ANDRIAMANITRA DIENY ETY AN-TANY

Ry olon'i Kristy arahabaina ianao fa efa miaina ao @ fanjakan'Andriamanitra dieny ety an-tany ary efa vonona hiady @ olana rehetra Kristy ao anatinao
« Fa raha ny rantsan-tànan'Andriamanitra no amoahako ny demonia, dia tonga aminareo tokoa ny fanjakan'Andriamanitra. » (Lioka 11:20)

ALEO TSY VOTSORINA INTSONY IZANY GRADY MASINA OMEN'ANDRIAMANITRA ANAO IZANY E!
SA AHOANA?
MAHEREZA.

ANJARANAO KRISTIANA NO MIZARA NY HASAROBIDIN'NY FAMONJENA

Sahia milaza fa izay mandika ny sitrapon'Andriamanitra dia tsy hahita fanambinana
« Ary Zakaria, zanak'i Joiada mpisorona, notsindrian'ny Fanahin'Andriamanitra, dia nitsangana teo amin'ny avoavo teo anatrehan'ny vahoaka izy ka nanao taminy hoe: Izao no lazain'Andriamanitra: Nahoana ianareo no mandika ny didin'i Jehovah ka tsy mahita fanambinana? Satria efa nahafoy an'i Jehovah ianareo, dia nahafoy anareo kosa Izy. » (2 Tantara 24:20)
noho izany tokony hibebaka mba hahazo ny famindram-pony
« Ary ny fonareo no triatriaro, fa aza ny fitafianareo, ary miverena amin'i Jehovah Andriamanitrareo; Fa mamindra fo sy miantra Izy, mahari-po sady be famindram-po ary manenina ny amin'ny loza, » (Joela 2:13)
AMBARAO ARY FA AZA AFENINA MBA HITOMBON'NY OLONA HO ANY AN-DANITRA AMIN'NY ALALANAO!!!
MAHEREZA.