"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

FIRENENA VOAFIDY VE NY NOSINAO ?


Hanenina izay firenena tsy manana an'i Kristy
« Ary amin'izany andro izany dia hiseho eo amin'ny lanitra ny famantarana ny Zanak'olona, ka dia hitomany ny firenena rehetra ambonin'ny tany, ary hahita ny Zanak'olona avy amin-kery sy voninahitra lehibe eo amin'ny rahon'ny lanitra izy. » (Matio 24:30)
hisy firenena iray kosa izay hanangon'ny Tompo ny olony
« Ary amin'ny ampanenoana mafy ny trompetra dia haniraka ny anjeliny Izy, ary hangonin'ireo ny olom-boafidy avy amin'ny vazan-tany efatra hatramin'ny faravodilanitra rehetra. » (Matio 24:31)

MIVAVAHA MBA HO MENDRIK'IZANY I MADAGASIKARA !EFA VOASORATRA AO @ FIHIRANA FFPM 312 ANDININY FAHA 5  IO !

HANANGANA ANAO KRISTY


 Ianao olon'i Kristy mitady ho ketraka io mihitsy no hataon'Andriamanitra hahery tahaka an'i Davida « Amin'izany andro izany dia harovan'i Jehovah ny mponina any Jerosalema; ary izay mila ho reraka ao aminy aza amin'izany andro izany dia ho tahaka an'i Davida; ary ny taranak'i Davida ho tahaka an'Andriamanitra, dia tahaka Ilay Anjelin'i Jehovah eo anoloany. » (Zakaria 12:8)
Izy no handringana izay mitady hamely anao
« Amin'izany andro izany dia hitady handringana ny jentilisa rehetra izay avy hamely an'i Jerosalema Aho. » (Zakaria 12:9)

MITSANGANA MIAZAVAHA FA TONGA NY FAHAZAVANAO !!!
MAHEREZA !

ZARAO IZAY FITAHIANA VOARAINAO OLON’I KRISTY


Ireo fitahiana voarainao dia aza laniana ho an'ny ankohonanao irery fa asio zara ho an'izay tsy manana koa
« Ary raha mijinja ny vokatry ny tanimbarinareo ianareo, dia aza jinjana avokoa ny eny an-tsisiny, ary aza tsimponina izay latsaka avy amin'ny vokatrao, fa avelao ho an'ny malahelo sy ny vahiny izany: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. » (Levitikosy 23:22)
ampahany @ asan'ny Tompo ataonao izany  
« Dia nandray ny mofo Jesosy; ary rehefa nisaotra, dia nizara izany tamin'izay nipetraka hihinana Izy; ary ny hazandrano koa araka izay nilainy. » (Jaona 6:11)

HAHAKASIKA NY FON’ANDRIAMANITRA IZANY !!MATOKIA !

SABATA ISAN’ANDRO NY FIAINANAO OLON’I KRISTY


Kristy no tompon'ny sabata
« Ary hoy Izy taminy: Tompon'ny Sabata ny Zanak'olona. » (Lioka 6:5)
sabata isan'andro ny fiainanao miaraka Aminy ary mazotoa manao soa,mampahery,mamonjy ny hafa ao antin'izany
« Ary hoy Jesosy tamin'ireo: Manontany anareo Aho: Moa ny manao soa va no mety hatao amin'ny Sabata, sa ny manao ratsy? ny mamonjy aina va, sa ny mahavery aina? » (Lioka 6:9)
MAHEREZA MIZARA NY FAHASOAVAN’NY TOMPO E !

VOAIRAKA HAMPIBEBAKA IANAO OLON’I KRISTY




Hafatra napetraky ny Tompo ny Fampibebahana ny firenana rehetra manomboka @ Jerosalemanao
ary ianao olony no voairaka hanatanteraka izany"
"Ary ianareo no vavolombelon'izany. "Lio24:48,

MAHEREZA MITAONA NY OLONA MAKA ANY AN-DANITRA E !!



ROAHY NY FANAHY RATSY EO @ FIRENENAO



Mpianatr’i Kristy ianao ary efa nomeny fahefana hamoaka ny asan’ny maizina rehetra manomboka ao @ jerosalemanao hatrany @ firenenao
« Ary Jesosy niantso ny mpianany roa ambin'ny folo lahy hankeo aminy ka nanome azy fahefana hamoaka fanahy maloto sy hahasitrana ny aretina rehetra mbamin'ny rofy rehetra. » (Matio 10:1)

SAHIA ARY MAMPIASA E !

HANJAKA EO @ FIAINANAO SY NY FIRENENAO KRISTY


An'i Kristy ianao olony ary handray an-tanana ny fiainanao  Izy
« Amin'izany andro izany, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, dia horaisiko ianao, ry Zerobabela mpanompoko, zanak'i Sealtiela, hoy Jehovah, ka hataoko toy ny fanombohan-kase ianao; fa efa nifidy anao Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. » (Hagay 2:23)
tsy ianao ihany fa ny fanjakan'izao tontolo izao mihitsy no ho raisiny
«Ary ny anjely fahafito nitsoka, dia nisy feo mafy tany an-danitra nanao hœ: Ny fanjakana amin'izao tontolo izao dia efa lasan'ny ny Tompontsika sy ny Kristiny; ary Izy no hanjaka mandrakizay mandrakizay. » (Apokalypsy 11:15)
MINOA!!!
DIA HAMALY ANAO NY TOMPO HOE : « TONGAVA AMINAO ARAK’IZAY HINOANAO E !! »
ROMBAO ILAY FANJAKAN’ANDRIAMANITRA E !!!


NOHO IANAO KRISTY O! NO MAHA-TOY IZAO AHY


Raha misy rehareha dia tsy noho ny fahendrena na hery na harenan'ny tena
« Izao no lazain'i Jehovah: Aoka ny hendry tsy hirehareha amin'ny fahendreny, ary aoka ny mahery tsy hirehareha amin'ny heriny, ary aoka ny manan-karena tsy hirehareha amin'ny hareny; » (Jeremia 9:22)
fa noho ny fahalalana sy famindram-po ary ny fahamarinan'Andriamanitra
« Fa izay te-hirehareha dia aoka hirehareha amin'izao: Dia ny fahendreny sy ny fahalalany Ahy ho Jehovah, Izay manao famindram-po sy fitsarana marina ary fahamarinana ety ambonin'ny tany; fa izany no sitrako, hoy Jehovah. » (Jeremia 9:23)
AMPIANARO AHO HAHAY HANETRY TENA HATRANY!




FILIPO AO @ KRISTY IANAO


Sahy mitory ao @ tanàna misy anao
« Ary Filipo nidina tany an-tanàna any Samaria ka nitory an'i Kristy tamin'ny olona tao. » (Asan'ny Apostoly 8:5)
Ho maro ny vahoaka no hino
« Ary ny vahoaka betsaka dia niray hevitra nihaino izay nolazain'i Filipo, raha nandre azy sy nahita ny fahagagana nataony. » (Asan'ny Apostoly 8:6)
sady ho faly hahita ireo vokatry ny fitorianao
« Fa ny fanahy maloto niantso tamin'ny feo mahery, dia nivoaka tamin'ny maro izay nanana azy; ary maro ny mararin'ny paralysisa sy ny mandringa no nositraniny.Dia nisy fifaliana lehibe tao amin'izany tanàna izany. » (Asan'ny Apostoly 8:7-8).

MINOA!

AOKA HO SAROBIDY AMINAO NY MANAO NY SITRAPON’NY TOMPO


 Safidy tsara ny manakaiky sy mitory an'i Kristy
« Fa, izaho, dia ny ho akaikin'Andriamanitra no mahatsara ahy; Hianao, Jehovah Tompo ô, no nataoko aroko, mba hilaza ny asanao rehetra aho. » (Salamo 73:28)
tsy manao ny fanaon'izao tontolo izao
« Aza tia izao tontolo izao, na izay zavatra eo amin'izao tontolo izao. Raha misy olona tia izao tontolo izao dia tsy ao anatiny ny fitiavana ny Ray. » (1 Jaona 2:15)
fa mikatsaka hatrany ny sitrapon'Andriamanitra
« Ary mandalo izao fiainana izao sy ny filany; fa izay manao ny sitrapon'Andriamanitra no maharitra mandrakizay. » (1 Jaona 2:17)
TSY HANENENANAO MANDRAKIZAY  IZANY!
MATOKIA!

MAHEREZA!

MANANA NY HEVINY @ ALALANAO OLONY KRISTY


Miteny aminao olony vina @ fombany Kristy ary izao no fotoana hilazanao izany
« Izay lazaiko aminareo ao amin'ny maizina, dia ambarao eo amin'ny mazava, ary izay ren'ny sofinareo, dia torio eo ambonin'ny tampon-trano. » (Matio 10:27)
aza miahotra ianao @ fomba ampitana azy fa Izy no hampiteny anao
« Fa tsy ianareo no miteny, fa ny Fanahin'ny Rainareo no miteny ao anatinareo. »
(Matio 10:20)
SAHIA DIA HANOKATRA LALAM-BAOVAO EO @ FIAINANAO IZY!
MATOKIA!
MAHEREZA!



FANTARO MARINA NY TENANAO


Hafa ny mandray tenin'ny Tompo
« Ary nony ren'ny Apostoly tany Jerosalema fa Samaria efa nandray ny tenin'Andriamanitra, dia naniraka an'i Petera sy Jaona izy hankany aminy. » (Asan'ny Apostoly 8:14)
sy ny mandray ny fanahy masina
« Nony tafidina tany izy roa lahy, dia nivavaka ho an'ny olona mba handraisany ny Fanahy Masina. » (Asan'ny Apostoly 8:15)
rehefa feno fanahy dia manana hery hijoro vavolombelon'i Kristy
« Fa hahazo hery ianareo amin'ny hilatsahan'ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran'i Jodia sy Samaria ary hatramin'ny faran'ny tany. » (Asan'ny Apostoly 1:8)
IZA IANAO?

HO TAFITA IZAY MIFIKITRA @ KRISTY


Manafatra ny Tompo fa mila manao ny sitrapony hatrany isika dia azo antoka fa hanana hoavy mamirapiratra
« Ny lalàna rehetra izay andidiako anao anio dia tandremo harahinareo, mba ho velona ianareo ka hihamaro ary hiditra sady handova ny tany izay nianianan'i Jehovah tamin'ny razanareo homena azy. » (Deotoronomia 8:1)
eny na mandalo fotoan-tsarotra aza
« Dia nampanetry tena anao Izy ka namela anao ho noana, dia nanome anao ny mana hohaninao, izay tsy fantatrao na ny razanao, hampahafantarany anao fa tsy mofo ihany no iveloman'ny olona; fa izay rehetra aloaky ny vavan'i Jehovah no iveloman'ny olona. » (Deotoronomia 8:3)
MATOKIA!
FOTOANA FANAVAHANA IZAO!

SAHIA MIEZAKA MBA HO VARY FA TSY HO TSIPARIFARY SANATRIA!!!

KATSAHO HATRANY IZAY HIADANAN’NY TANANANAO


Mahatsiaro ho resy ve ianao tahaka ny olona babo aram-panahy?
« Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, amin'ny babo rehetra izay natolotro ho babo avy tany Jerosalema ho any Babylona: » (Jeremia 29:4)
AZA KIVY!
Ento am-bavaka mba hiadana ny tanànanao dia hiadana ianao
« Ary katsaho izay hiadanan'ny tanàna izay nampandehanako anareo ho babo, ary mivavaha amin'i Jehovah ho azy; fa raha miadana izy, dia mba hiadana koa ianareo. » (Jeremia 29:7)
MINOA
« Fa Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, hoy Jehovah, dia hevitra hahatonga fiadanana, fa tsy loza, mba hanome anareo fanantenana ny amin'ny farany » (Jeremia 29:11)

TSY IANAO IRERY MANTSY NO TIAN’ANDRIAMANITRA AVOTANA FA NY FIRENENAO MIHITSY!
MILA MANANA TOE-TSAINA TAHAKA IZANY KOA IANAO OLONY!!!

MITADY OLONA ANDRIAMANITRA

:
Mitady mpitarika matahotra Azy marina ny Tompo
« Ary mizaha eo amin'ny olona rehetra izay lehilahy mahay sy matahotra an'Andriamanitra, dia lehilahy marina izay tsy tia kolikoly; » (Eksodosy 18:21a)
 hijoro ho Mosesy ao @ Kristy mba hampahery ireo olony
« Ary raha nasandratr'i Mosesy ny tànany, dia nahery ny Isiraely; » (Eksodosy 17:11a)
satria tiany handroso ny fanjakany

« Dia nandroso ny tenin'Andriamanitra; ary nihamaro indrindra ny isan'ny mpianatra tany Jerosalema; ary maro be kosa ny mpisorona nanaiky ny finoana. » (Asan'ny Apostoly 6:7)
SAHIA MILAZA:INTY AHO IRAHO AHO TOMPO O!!

ZARAO NY FIADANAN’NY TOMPO EFA AOA ANATINAO OLON’I KRISTY


Tonony any @ izay alehanao ny fiadanan'ny Tompo satria hitera-boka-tsoa foana iny na ho anao na ho an'izay mandray azy
« Koa raha miendrika ny ao an-trano, dia aoka ho ao aminy ny fiadanana tononinareo; fa raha tsy miendrika izy, dia aoka hiverina aminareo ny fiadanana voatononareo. » (Matio 10:13)
Mazotoa miasa ho Azy e!
« Mazotoa manolotra ny tenanao amin'Andriamanitra ho olona voazaha tœtra, dia mpiasa tsy mahazo henatra, mizara tsara ny teny fahamarinana. » (2 Timoty 2:15)
ARAKARAKY NY HAMAFAZANAO NO HIJINJANAO FIADANANA!
MATOKIA!

MAHEREZA!

NY FAHASOAVANAO NO MAHA TOY IZAO AHY


Sahia milaza hoe:Ampy ho ahy ny fahasoavanao Tompo o!mba hampihena ny herin'ny tenanao fa ampitombo hatrany kosa ny herin'i Kristy ao anatinao
« Nefa hoy Izy tamiko; Ampy ho anao ny fahasoavako; fa ny heriko. dia tanterahina amin'ny fahalemena. Koa mainka sitrako ny hirehareha amin'ny fahalemeko, mba hitœran'ny herin'i Kristy amiko. » (2 Korintiana 12:9)
HISANDRATRA AO ANATINAO KRISTY!
MATOKIA!
MAHEREZA.

KRISTY IHANY NO FIKIRO H@ FARANY


Aza odiana tsy hita ireo fahasoava efa voaray t@ Kristy
« Fa nahoana no manamafy ny fonareo ianareo, toy ny nanamafian'ny Egyptiana sy Farao ny fony? Raha nanao fahagagana namelezany azy Izy, moa tsy nalefany handeha va ny olona, ka dia lasa? » 
(1 Samoela 6:6)
aza mierikerika fa aoka Izy Tompo irery ihany no ianteherana dia ho voavonjy ianao
« Ary hoy Samoela tamin'ny taranak'Isiraely rehetra: Raha miverina amin'i Jehovah amin'ny fonareo rehetra tokoa ary ianareo, dia ario hiala aminareo ny andriamani-kafa sy ireo Astarta, ka ampiomany ny fonareo ho an'i Jehovah, ary aoka Izy ihany no hotompoinareo, dia hamonjy anareo amin'ny tanan'ny Filistina Izy. » (1 Samoela 7:3).
MINOA!
TESTAMETA EFA VOASORATRA IZANY!
TSY MAINTSY HO TANTERAKA!



HIGOKA FIALIANA MIAVAKA IANAO OLON’I KRISTY


Hifaly ao anatinao olony Kristy
« Jehovah Andriamanitrao no ao aminao, Mahery Izy ka hamonjy; Hiravoravo anao amin'ny fifaliana Izy; Ho sondriana amin'ny fitiavany Izy; Hifaly anao amin'ny fihobiana Izy. » (Zefania 3:17)
ho faiziny @fombany izay nampahory anao
« Indro, hasiako amin'Izany andro izany izay rehetra nampahory anao; Hovonjeko ny mandringa, ary hovoriko ny noroahina, Eny, hataoko ho fiderana sy ho anarana ireny izay efa nitondra henatra tany amin'ny tany rehetra. » (Zefania 3:19)
Tehirizo ary izany fiadanana anaty izany dia manàna fanantenana
« Ary Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo amin'ny fifaliana sy ny fiadanana rehetra amin'ny finoanareo, mba hitomboanareo amin'ny fanantenana noho ny herin'ny Fanahy Masina. » (Romana 15:13)
SAHIA MLAZA HOE:”SAMBATRA AHO JESO! MANANA ANAO TOMPON’NY HERY!”


AZO ANTOKA FA HO VOATAHY IZAY MANAO NY FAHAMARINANA AO @ KRISTY


Ialao ny fanaon'izao tontolo izao dia ho mpandresy ao @ Kristy ianao
« Izany teny izany efa nolazaiko taminareo mba hanananareo fiadanana amiko. Aty amin'izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao. » (Jaona 16:33)
hahazo valim-bavaka satria Kristy mivantana no hangataka izany any @ Ray
« Amin'izany andro izany dia hangataka amin'ny anarako ianareo; ary tsy milaza aminareo Aho fa Izaho no hangataka amin'ny Ray ho anareo; » (Jaona 16:26)

TSY ALEO VE HO RAISIN’I KRISTY AN-TANANA NY HOAVINAO E!

LOHARANO HAMPIOVA NY FIAINANAO OLONY KRISTY


Efa voasoratra mialoha fa hisy loharano izay hitondra fanafahana ny fahotana
« Amin'izany andro izany dia hisy loharano voasokatra ho an'ny taranak'i Davida sy ho an'ny mponina any Jerosalema hanafaka fahotana sy fahalotoana. » (Zakaria 13:1)
dia i Kristy izany
« fa na iza na iza no misotro ny rano izay homeko azy dia tsy hangetaheta mandrakizay; fa ny rano izay homeko azy dia ho loharano miboiboika ao anatiny ho fiainana mandrakizay. » (Jaona 4:14)
rehefa miaiky ny fahotany ny olona iray
« Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin'ny tsi-fahamarinana rehetra. » (1 Jaona 1:9)

IO NO VAHA-OLANA ANJARANAO SISA NO MANAPA-KEVITRA.

AOKA HO MODELY AO @ KRISTY IANAO OLONY


Hoy ny Tompo:Mifamindra fo
« Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Manaova fitsarana marina, ary samia mifampiantra sy mifamindra fo amin'ny rahalahiny avy; » (Zakaria 7:9)
aza mampahory ny hafa indrindra ireo sahirana aram-pivelomana
« ary aza mampahory ny mpitondratena na ny kamboty, na ny vahiny, na ny mahantra; ary aza misy mihevitra ao am-ponareo hanisy ratsy ny rahalahinareo ianareo. » (Zakaria 7:10)
vonoy ny momba ny tenanaoizay ety an-tany

« Koa vonoy ny momba ny tenanareo izay ety an-tany, dia fijangajangana, fahalotoana, firehetam-po, fanirian-dratsy ary fieremana, dia fanompoan-tsampy izany; » (Kolosiana 3:5) 
SAHIA!!

MITADY TANY MENDRIKA HO AZY NY TOMPO


Saro-piaro ny taniny izay misy ny olony ny Tompo
« Ary Jehovah dia saro-piaro ny taniny sady niantra ny olony. » (Joela 2:18)
Izy milaza aminy hoe AZA MATAHOTRA RY TANY FAMBOLENA
« Aza matahotra, ry tany fambolena, miravoravoa sy mifalia; Fa manao zava-dehibe Jehovah. Aza matahotra, ry biby any an-tsaha, fa mihamaitso ny kijana any an-efitra, mamoa ny hazo, ary vokatra ny aviavy sy ny voaloboka. » (Joela 2:21-22)
SAHIA MILAZA FA MADAGASIKARA NO ANARANY!
DIA HAMALY ANAO IZY HOE :TONGAVA AMINAO ARAK’IZAY HINOANAO!!!



MIAVAKA NY AKANINAO OLON’I KRISTY


Ny akaninao olon'i Kristy ve?
Toerana voaaro ka izay tonga ao dia tsy ho tratran'ny fampahoriana 
« Aoka hitœtra ao aminao izay oloko voaroaka; Ary aoka ho fieren'i Moaba ianao, mba tsy ho azon'ny mpandringana izy; Fa tsy misy intsony ny mpampahory, tapitra ny loza, tsy misy amin'ny tany intsony ny mpanosihosy. » (Isaia 16:4)
satria ao aminao no mitoetra ilay mpamonjy
« Ary hisy seza fiandrianana hampitœrina amin'ny famindram-po, ka hisy hipetraka eo aminy amin'ny fahamarinana ao an-dain'i Davida, ary hitsara sy handinika izay marina izy, sady ho faingam-pamoaka ny rariny. » (Isaia 16:5)
MINOA!
DIA HIARIARY NY VONINAHITR’ANDRIAMANITRA AO AN-TRANONAO!


MAHOMBY LAVITRA RAHA SAMY KRISTIANA NO MIFAMPIVAVAKA


Zarao @ mpino iray hafa ny fanirianao dia ho eo afovoany Kristy @ izay hanolon-tsaina kokoa « Fa na aiza na aiza no iangonan'ny roa na telo amin'ny anarako, dia ao afovoany Aho. » 
(Matio 18:20)
sady ho azo antoka ny valim-bavaka hiarana manao
« Ary lazaiko aminareo koa: Raha misy roa aminareo mifanaiky ety ambonin'ny tany na amin'inona na amin'inona ka hangataka izany, dia ho azony avy amin'ny Raiko Izay any an-danitra izany. » (Matio 18:19)

AOKA HO SAINA IRAY SY VAVA IRAY NO ENTINA EO @ TOMPO E!