"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

ANJARANAO OLON’I KRISTY IZAO NO MANJAKA

Vanim-potoana hisandratan'ny olon'i Kristy izao ka izay reraka dia HAHERY TAHAKA AN'I DAVIDA
« Amin'izany andro izany dia harovan'i Jehovah ny mponina any Jerosalema; ary izay mila ho reraka ao aminy aza amin'izany andro izany dia ho tahaka an'i Davida; ary ny taranak'i Davida ho tahaka an'Andriamanitra, dia tahaka Ilay Anjelin'i Jehovah eo anoloany. » (Zakaria 12:8),
ary ny Tompo mihitsy no handringana ny fahavalony
« Amin'izany andro izany dia hitady handringana ny jentilisa rehetra izay avy hamely an'i Jerosalema Aho. » (Zakaria 12:9).
SAHIA MIJORO HO VAVOLOMBELONY !!!

MITONIA SATRIA EFA NANOMANA ANAO OLON’I KRISTY H@ IZAY NY TOMPO

Tsy hatrahotra na inona na inona ianao satria efa vonona noho ianao efa mitafy ireo fiadian'Andriamanitra
« Tafio avokoa ny fiadian'Andriamanitra, mba hahazoanareo hifahatra amin'ny fanangolen'ny devoly. Fa isika tsy mitolona amin'ny nofo aman-drà, fa amin'ny fanapahana sy amin'ny fanjakana sy amin'ny mpanjakan'izao fahamaizinana izao, dia amin'ny fanahy ratsy eny amin'ny rivotra. » (Efesiana 6:11-12)
@ tenanao manontolo
« Mifahara ary, ka sikino fahamarinana ny valahanareo, ary mitafia ny rariny ho fiarovan-tratra,ary kiraroy ny fahavononam-panahy avy amin'ny filazantsaran'ny fihavanana ny tongotrareo; ary ho fanampin'izany rehetra izany dia tano ny finoana ho ampinga, izay hahazoanareo hamono ny zana-tsipìka mirehitra rehetra izay alefan'ilay ratsy.Ary raiso ny famonjena ho fiarovan-doha sy ny tenin'Andriamanitra ho sabatry ny Fanahy; » (Efesiana 6:14-17)
MINOA
« ary mivavaha mandrakariva ao amin'ny Fanahy amin'ny fivavahana rehetra sy ny fangatahana, ka miambena amin'izany amin'ny faharetana sy ny fangatahana rehetra ho an'ny olona masina rehetra, » (Efesiana 6:18)
TONGA NY FOTOANA HAMPIASANAO NY FIADIANA REHETRA !!!
MPANDRESY IANAO !!!

HITETY TANY @ FOMBAN’ANDRIAMANITRA IANAO OLON’I KRISTY

Hampibebaka ny jerosalemanao hatrany am-paran'ny tany @ anaran'i Kristy no tanjon'ny Tompo aminao
« ary mba hotorina amin'ny anarany ny fibebahana sy ny famelan-keloka amin'ny firenena rehetra, manomboka eto Jerosalema. » (Lioka 24:47)
Hisy fiomanam-panahy manokana hataony @izany
« Ary, indro, Izaho mampitondra ny teny fikasan'ny Raiko ho anareo; fa mitoera eto an-tanàna mandra-panafiana anareo amin'ny hery avy any amin'ny avo. » (Lioka 24:49)
MIOMANA HANAO MISSION IZAY AZO ANTOKA FA NA MAFY AZA DIA TENA AMPAZOTO ANAO !!
MAHEREZA !

MENDRIKA NY HIGOKA VALIM-BAVAKA IANAO OLON’I KRISTY

Hisaotra sy hidera an'i Kristy ianao
« Ary izay nandeha teo alohany sy izay nanaraka teo aoriany dia samy niantso hoe: Hosana! Isaorana anie Izay avy amin'ny anaran'i Jehovah! » (Marka 11:9),
satria hamaly ny vavakao Izy sady hanokatra fiainam-baovao noho ny fahatsapany ny halehiben'ny finoanao Azy
« Ary hoy Jesosy taminy: Mandehana ianao, ny finoanao no efa namonjy anao. Dia nahiratra niaraka tamin'izay ny masony, ka nanaraka an'i Jesosy teny an-dalana izy. » (Marka 10:52).
HANOKATRA VARAVARANA VAOVAO HO ANAO HATRANY IZY E !
AZA GAGA FA IAINO AM-PIFALIANA DIA HITOMBO HATRANY ILAY FIADANANY AO ANATINAO !

HAFA IANAO RY TANIKO

Fitoeran-tongotr'Andriamanitra
« Dia hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, eto no hitoeran'ny seza fiandrianako sy hitoeran'ny faladiako, izay honenako mandrakizay eto amin'ny zanak'Isiraely; ary tsy holotoin'ny taranak'Isiraely, na izy na ny mpanjakany, amin'ny fijangajangany sy amin'ny sampin'ny mpanjakany ao amin'ny fitoerany avo intsony ny anarako masina, » (Ezekiela 43:7)
izay tahaka ny andry afo
«Ary hitako fa, indro, nisy anjely mahery anankiray koa, nidina ary tany an-danitra sady nitafy rahona; ary ny avana dia teo amin'ny lohany, ary ny tavany dia tahaka ny masoandro, ary ny tongony tahaka ny andry afo, » (Apokalypsy 10:1)
miendrika tongotra ankavia
« ...; ary nabahany ny tongony, ka ny ankavanany tamin'ny ranomasina, ary ny ankaviany tamin'ny tany; » (Apokalypsy 10:2) i MADAGASIKARA,
TANY SAROBIDY SY MASINA TOKOA

« Fa firenena masina ho an'i Jehovah Andriamanitrao ianao; fa ianao efa nofidin'i Jehovah Andriamanitrao ho firenena rakitra soa ho Azy mihoatra noho ny firenena rehetra ambonin'ny tany. » (Deotoronomia 7:6)
HO TANTERAKA ETO ILAY FANJAKANA ETY AN-TANY TAHAKA NY ANY AN-DANITRA
« Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra. » (Matio 6:10)
ANDRIAMANITRA EFA VONONA !
ARY IANAO MALAGASY VE MANAIKY ?

ZARAO IREO HARENA MIAFINA AO ANATINAO OLON’I KRISTY

Raha hivavaka na hidera na hisaotra an'Andriamanitra ianao dia ataovy ho tsapan'ny eo akaikinao izany
« Ahoana ary no izy? Sady hivavaka am-panahy no hivavaka an-tsaina koa aho; sady hihira am-panahy no hihira an-tsaina koa aho.Fa raha misaotra am-panahy fotsiny ihany ianao, hataon'izay tsy mahay ahoana no hanao Amena, raha misaotra ianao? satria tsy mahalala izay lazainao Izy. » (1 Korintiana 14:15-16)
Efa voairaka hizara fitahiana ianao
« Mandehana; indro, Izaho maniraka anareo tahaka ny zanak'ondry eo ampovoan'ny amboadia. » (Lioka 10:3)
MAZOTOA NA HO MORA NA HO SAROTRA FA HO LEHIBE NY VALIM-PITIA E !!
SAHIA !

MIVONONA HO LASA MODELY TSARA EO ANATREHAN’I JENTILISA

Voasoratra fa misy fomba ataon'ny olon'i Kristy lasa itenenan'ny jetilisa ratsy ny anaran'ny Tompo
« Fa araka ny voasoratra, dia ianareo no itenenana ratsy ny anaran'Andriamanitra any amin'ny jentilisa. » (Romana 2:24)
n'deha hivavaka am-pinoana mba ho foana izany
« Koa lazaiko aminareo: Na inona na inona tononinareo amin'ny fivavahana sy angatahinareo, dia minoa fa efa nandray ianareo, dia ho azonareo izany. » (Marka 11:24)
HIVALY NY VAVAKA KA HITSIMBADIKA NY TANTARA ARY MARO IREO JENTILISA NO HIOVA FO TAHAKA ANAO !!
MATOKIA !
MAHEREZA !

IZAY SEHATRA REHETRA MISY ANAO DIA AFAKA HITORIANAO OLON’I KRISTY

Hanao ilay Iraka lehibe ho an'ny olona rehetra maneran-tany no antom-pisianao olon'i Kristy
« Ary hoy Izy taminy: Mandehana any amin'izao tontolo izao ianareo, ka mitoria ny filazantsara amin'ny olombelona rehetra » (Marka 16:15),
ary efa nomena anao ny fahefana hahavitana izany
« Ary izao famantarana izao no hanaraka izay mino: hamoaka demonia amin'ny anarako izy; hiteny amin'ny fiteny izay tsy mbola hainy izy;handray menarana izy; ary na dia misotro zava-mahafaty aza izy, dia tsy hampaninona azy izany; hametra-tanana amin'ny marary izy, dia ho sitrana ireny » (Marka 16:17-18)
AZA GAGA IANAO RAHA HOENTIN’ANDRIAMANITRA HITETY TANY HANAO NY MISSION-NY !
MIVONONA !
MAHEREZA !

HO FONGOTRA MANDRAKIZAY IREO FAHAVALONAO OLON’I KRISTY

Ny tanjon'Andriamanitra dia ny hanongotra ireo fahavalonao mandrakizay « Noho ny fampahoriana an'i Jakoba rahalahinao dia ho voasaron-kenatra ianao Ka ho fongotra mandrakizay. » (Obadia 10)
satria ianao nanao sady nahomby t@ iraka nampanaoviny @ anaran'i Kristy
« dia tamin'ny herin'ny famantarana sy ny fahagagana, ary tamin'ny herin'ny Fanahy Masina, dia hatrany Jerosalema ka manodidina hatrany Ilyrikiona, no nahatanterahako ny fitoriako ny filazantsaran'i Kristy. » (Romana 15:19).
NY ANJARANAO DIA NY MAMITA MISSION MBA HAMONJENA IZAY TANDRIFY ANAO NA AIZA NA AIZA !
MATOKIA !
MAHEREZA !

HAMPIFOHA JENTILISA MARO IANAO OLON’I KRISTY

Hamindra fo
« Hamindra fo amintsika indray Izy Ka hanitsakitsaka ny fahotantsika, Eny, harianao ho any amin'ny ranomasina lalina ny fahotany rehetra. » (Mika 7:19),
sy hamela heloka anao olony ny Tompo
« Iza no Andriamanitra tahaka Anao, Izay mamela heloka Sady mandalo ny fahadisoan'ny sisa amin'ny lovany? Tsy mitana ny fahatezerany ho mandrakizay Izy, Fa tia famindram-po. » (Mika 7:18),
ho sahy hampiasa an'i Kristy ao anatinao ianao ka ho maro ny jentilisa no hiova fo
« Hahita izany ny jentilisa, Ka hahamenatra azy ny heriny rehetra; Hitampim-bava izy, Ho tonga marenina ny sofiny. Hilelaka ny vovoka toy ny menarana izy; Hiala amin-kovitra avy ao amin'ny fiarovany mafy tahaka ny biby mikisaka amin'ny tany izy; Jehovah Andriamanitsika dia hohatoniny amin-kovitra, Eny, hatahotra Anao izy. » (Mika 7:16-17).
FANAMBY APETRAKY NY TOMPO AMINAO IZANY !
MATOKIA !
MAHEREZA !

MISY FAHEFANA MAHERY VAIKA FONOSIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Sahia mampiasa ny herin'ny Tenin'Andriamanitra fa hanampy anao @ izany avy hatrany ny tontolon'ny lanitra
« Lazaiko aminareo marina tokoa: Na inona na inona fehezinareo ety ambonin'ny tany dia hofehezina any an-danitra; ary na inona na inona vahanareo ety ambonin'ny tany dia hovahana any an-danitra. » (Matio 18:18)
mitadiava olona iray hiray feo aminao
« Ary lazaiko aminareo koa: Raha misy roa aminareo mifanaiky ety ambonin'ny tany na amin'inona na amin'inona ka hangataka izany, dia ho azony avy amin'ny Raiko Izay any an-danitra izany. » (Matio 18:19)
KRISTY AO ANATINAO EFA VONONA HAMPIASA NY FAHEFANY !
ARY IANAO IZAY ITOERANY VE VONONA ?

MITADY MPITANTANA MATOTRA NY FANANANY NY TOMPO

Anao olon'i Kristy ny fananan'Andriamanitra rehetra
« Ary hoy rainy taminy: Anaka, ianao eto amiko mandrakariva, ary anao avokoa izay rehetra ananako. » (Lioka 15:31)
satria Rainao Izy
« Ary satria zanaka ianareo, dia nirahin'Andriamanitra ho ato am-pontsika ny Fanahin'ny Zanany, miantso hoe: Aba, Ray ô. » (Galatiana 4:6)
ary zanaka mpandova ianao
« Ka dia tsy mpanompo intsony ianao, fa zanaka: ary raha zanaka, dia mpandova koa noho ny ataon'Andriamanitra. » (Galatiana 4:7)
Mila fahaiza-mitantana anefa izany
« Koa mitafia famindram-po sy fiantrana,, fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, fandeferana, araka ny olom-boafidin'Andriamanitra sady masina no malala. » (Kolosiana 3:12)
VITANAO OLON’I KRISTY IZANY !!!
MIVONONA HANDRAY HANDRAIKITRA NGEZA HO AN’ILAY TOMPONAO E !

HITOMBO GRADY AO @ KRISTY IZAY MANAIKY HOSEDRAINY

Na mandalo fizaha-toetra mafy aza ianao AZA KIVY fa fomba iray hianteheranao Aminy kokoa izany
« Ary ho entiko miditra amin'ny afo ny ampahatelony, ary harendrika toy ny fandrendrika volafotsy izy, ary hizahako toetra toy ny fizaha toetra ny volamena izy; hiantso ny anarako izy, ary Izaho hamaly azy; Izaho hanao hoe: Oloko izy ary izy hanao hoe: Jehovah no Andriamanitro. » (Zakaria 13:9),
fadio ny hamaly ratsy ny fahavalonao
« Tandremo mba tsy hisy hamaly ratsy olona; fa miezaha mandrakariva hitady izay tsara, na amin'ny namanareo na amin'ny olona rehetra. » (1 Tesaloniana 5:15),
MAHEREZA
« Misaora amin'ny zavatra rehetra; fa izany no sitrapon'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy ho anareo. » (1 Tesaloniana 5:18)
MATOKIA !
DIA HANANA FIFALIANA ANATY FOANA IANAO !

VOAFIDY HANATANTERAKA BAIKO AVY @ KRISTY IANAO OLONY

Alohan'ny hanatanterahan'i Kristy izay tiany hatao dia ilazany mialoha ireo mpanompony
« Tsy manao na inona na inona tokoa Jehovah Tompo, raha tsy milaza ny heviny amin'ny mpaminany mpanompony. » (Amosa 3:7)
izay tiany hiray saina hanao asa tsara mandram-pihaviny
« noho ny firaisanareo hampandroso ny filazantsara hatramin'ny andro voalohany ka mandraka ankehitriny;ary matoky indrindra aho fa Izay nanomboka asa tsara ao anatinareo no hahatanteraka izany mandra-pihavin'ny andron'i Jesosy Kristy; » (Filipiana 1:5-6)
MILA MANAO FANEKENA HANATANTERAKA ANEFA IANAO SATRIA EFA VONONA HANAO FANOVANA NA « TRANSFORMATION » IZY !!

TSY AMIDY NY HERIN’NY FANAHY MASINA

Tsy vidiam-bola ny fanomezan'Andriamanitra
« Fa hoy Petera taminy: Aoka ho very mbamin'ny tenanao ny volanao, satria nataonao fa azo vidim-bola ny fanomezan'Andriamanitra. » (Asan'ny Apostoly 8:20)
, fa mila mibebaka dia hahazo fanomezana lehibe dia ny famelan-keloka sy ny fitarihan'ny Fanahy Masina
« Ary hoy Petera taminy: Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin'ny anaran'i Jesosy Kristy ianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary ianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina; » (Asan'ny Apostoly 2:38).
’NDEHA ARY ISIKA HANENTANA NY REHETRA HIBEBAKA MA HIAINAN’NY REHETRA TSY AN-KANAVAKA NY FIAINAM-BAOVAO AO @ KRISTY !!!

RAISO NY SAFIDINAO

Sambatra izay manao ho loha-laharana ny hahazoana fiainana mandrakizay
« Izay tia ny ainy no mahavery izany; fa izay mankahala ny ainy amin'izao fiainana izao no hiaro izany ho amin'ny fiainana mandrakizay. » (Jaona 12:25)
satria Andriamanitra mihitsy no ho tia azy
« Raha misy olona manompo Ahy, dia aoka izy hanaraka Ahy, ary izay itoerako, dia ao koa no hitoeran'ny mpanompoko; raha misy olona manompo Ahy, dia hankalaza azy ny Ray. » (Jaona 12:26)
SAHIA MILAZA HOE IZAHO IZAY!

HISY VOKANY NY FAHARETANAO MIARAKA @ KRISTY

Manamafy ny Tompo fa na mirehareha aza ny fahavalonao aza taitra
« Na dia miakatra tahaka ny voromahery aza ianao Ka mametraka ny akaninao eny amin'ny kintana, Dia havariko avy eny ianao, hoy Jehovah. » (Obadia 4)
mijoroa am-paharentana miaraka @ Kristy
« Fehezo ny teni-vavolombelona, Ary asio tombo-kase ny lalàna eo amin'ny mpianatro.Ary hiandry an'i Jehovah aho Izay manafina ny tavany amin'ny taranak'i Jakoba, Ka hanantena Azy ihany aho. » (Isaia 8:16-17)
dia hiadana sy hahery ianao
« Ny handrosoan'ny fanapahana sy ny fiadanana dia tsy hanam-pahataperana Eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida sy ny fanjakany, mba hampiorenana sy hampitoerana azy amin'ny rariny sy ny hitsiny hatramin'izao ka ho mandrakizay; ny fahasaro-piaron'i Jehovah, Tompon'ny maro, no hahatanteraka izany. » (Isaia 9:6)
MINOA !
IAINO NY FIFALIANA ANATY MENDRIKA ANAO !

ANTSO HO ANAO

Asain'Andriamanitra tsy hizaha tavan'olona ny olon'i Kristy
« Dia nasain'ny Fanahy hiaraka tamin'ireo aho ka tsy hizaha tavan'olona na dia kely akory aza. .. » (Asan'ny Apostoly 11:12a)
toetran'Izy Tompo izany
« Koa raha mba homen'Andriamanitra azy ny fanomezana, tahaka antsika fony isika vao nino an'i Jesosy Kristy Tompo dia iza moa aho no hahasakana an'Andriamanitra? » (Asan'ny Apostoly 11:17)
Te hampitombo ireo olony hotantanany mantsy Izy
« Ary tamin'ny andro izay nananganana ny tabernakely ny rahona dia nanarona ny tabernakely, dia ny trano-lain'ny Vavolombelona; ary nony hariva dia niseho teo ambonin'ny tabernakely tahaka ny afo izy mandra-pahamarain'ny andro.Dia toy izany mandrakariva izy: ny rahona nanarona azy, nefa niseho tahaka ny afo izy nony alina. » (Nomery 9:15-16)
METEZA HO FITAOVANY MBA HANAPOROFOINY FA FAHAZAVAN’IZAO TONTOLO IZAO IANAO !!!
MAZOTOA !
MAHEREZA !

AMPIASAO ILAY KRISTY MPAMPIHAVANA

Ho rava izay miady an-trano na ankohonana na fanjakana
« Fa Izy nahalala ny heviny, dia nanao taminy hoe: Ho foana ny fanjakana rehetra izay miady an-trano; ary ho rava ny ankohonana izay miady an-trano. » (Lioka 11:17)
,noho izany mila mifanentana isika mba hihavana indrindra hihavana @ Andriamanitra
« Ary ilay zanany nanao taminy hoe: Raiko ô, efa nanota tamin'ny lanitra sy teo anatrehanao aho ka tsy miendrika hatao hoe zanakao intsony.Fa rainy kosa nanao tamin'ny ankizilahiny hoe: Alao haingana ny akanjo tsara indrindra ka ampiakanjoy azy; ary asio peratra ny tànany sy kapa ny tongony; » (Lioka 15:21-22)
SAHIA !
HO SAMBATRA IANAO SADY HANAPOROFO NY TENA MAHA-ZANAK’ANDRIAMANITRA ANAO E !!!

HITAHY ANAO OLONY MANDRITRY NY TAONA KRISTY

Kristy dia rano velona hitondra fitahiana ho anao
« Ary izy naneho ahy onin'ny ranon'aina, manganohano tahaka ny vato krystaly, nivoaka avy teo amin'ny seza fiandrianan'Andriamanitra sy ny Zanak'ondry teo afovoan'ny lalambeny. Ary teny andaniny roa amin'ny ony nisy hazon'aina mamoa voa roa ambin'ny folo samy hafa sady mamoa isam-bolana; ary ny ravin'ny hazo dia ho fanasitranana ny firenena maro. » (Apokalypsy 22:1-2)
sy ho an'ny hafa
« Ary eny amoron'ny ony, eny an-daniny roa, no anirian'ny hazo rehetra fihinam-boa; tsy halazo ny raviny, na ho lany ny voany; fa hamoa voa vaovao isam-bolana izy, satria mivoaka avy ao amin'ny fitoerana masina ny ranony; ary ho fihinana ny voany, ary ho fanafody ny raviny. » (Ezekiela 47:12)
mandritry ity taona ity,satria nekenao ho tanànany ny tenanao
« Misy ony, koa ny sampany dia mampifaly ny tanànan'Andriamanitra, Fonena-masin'ny Avo Indrindra. » (Salamo 46:4)
TSY METY HO RITRA NY FAHASOAVANY !
MINOA !

HO AFA-BARAKA EO IMASOANAO SATANA

Aza taitra raha himenomenona ny fahavalonao olon'i Kristy satria resy tanteraka izy
« Havariny ho any an-davaka ianao, ka ho faty toy ny fahafatesan'izay voatrabaka ao amin'ny ranomasina.Moa mbola hitompo teny fantatra va ianao eo imason'izay mamono anao hoe mba Andriamanitra koa aho? Nefa olona ihany ianao, fa tsy Andriamanitra tsinona, raha mby eo an-tànan'izay manatrabaka anao » (Ezekiela 28:8-9)
ho valim-bavaka ho anao niady famonjena t@ Andriamanitra
« Ary na zovy na zovy no hiantso ny anaran'i Jehovah dia hovonjena .» (Asan'ny Apostoly 2:21)
AZA HENOINA IZY FA ANDRIAMANITRA NO DERAO !!!
MIFALIA !

MANEKE NY FANDRENA MASINA MENDRIKA ANAO RY MALAGASY

Hoy ny Tompo-Ity taona ity no taona ankasitrahany
« Izao no lazain'i Jehovah: Tamin'ny taona fankasitrahana no nihainoako Anao. Ary tamin'ny andro famonjena no namonjeko Anao; Dia hiaro Anao Aho ka hanome Anao ho fanekena ho an'ny olona, mba hanangana ny tany indray sy hampandova ny lova izay efa rava » (Isaia 49:8)
ka hamindrany fo ny Malagasy
« [Ny amin'ny Mpanompon'i Jehovah, Izay voatendry hamory sy hamonjy ny Isiraely sy ny firenena rehetra] Mihainoa Ahy, ry nosy, ary atongilano ny sofinareo, ry firenena lavitra; Jehovah efa niantso Ahy hatrany am-bohoka; Hatry ny fony Aho mbola tao an-kibon'ineny no efa nankalazainy ny anarako. » (Isaia 49:1)
hiaingan'ny fitahiam-be
« ka hanao amin'ny mpifatotra hoe: Mivoaha, Ary amin'izay ao amin'ny maizina hoe: Misehoa; hihinana eny an-dalana izy, ary na dia any an-tendrombohitra mangadihady aza dia hisy ahitra ho azy ihany; Tsy ho noana na hangetaheta izy, ary tsy hamely azy ny hainandro migaingaina na ny masoandro; fa Izay mamindra fo aminy no hitarika azy, ary any amin'ny loharano miboiboika no hitondrany azy. » (Isaia 49:9-10)
raha manaiky hirahiny
« Eny, hoy Izy: Mbola zavatra kely foana, raha tonga Mpanompoko hanandratra ny firenen'i Jakoba Hianao sy hampody ny Isiraely sisa voaro; Fa homeko ho fanazavana ny jentilisa koa Hianao, mba ho famonjeko hatrany amin'ny faran'ny tany. » (Isaia 49:6)
AZA VARIANA MIADY HEVITRA FA EKEO NY TOERANA MISY ANAO DIA HITONDRA FITAHIANA HO AN’IZAO TONTOLO IZAO IANAO !!!MINOA RY MPONIN’NY NOSY VOAHOSOTRA HO OLON’I KRISTY!!

HOY NY TOMPO - MIRAISA SAINA MANAMBARA NY HAFATRO

Mivondrona ry olon'i Kristy
«Izao no lazain'i Jehovah: Andeha mividy tavoara tanimanga, ary makà anti-panahy amin'ny vahoaka sy anti-panahy amin'ny mpisorona, » (Jeremia 19:1)
,sahia miara-manambara ilay hafatra tian'ny Tompo holazaina
« dia mivoaha ho any amin'ny Lohasahan'ny taranak'i Hinoma, izay eo anoloan'ny vavahady Harsota*, ary torio eo ny teny izay holazaiko aminao » (Jeremia 19:2)
hoe: KRISTY IHANY NO MAHARESY NY ASAN'NY MAIZINA
« hampahiratra ny masony hialany amin'ny maizina ho amin'ny mazava, ary amin'ny fahefan'i Satana ho amin'Andriamanitra, mba hahazoany famelan-keloka sy lova eo amin'izay nohamasinina noho ny finoana Ahy. » (Asan'ny Apostoly 26:18)
.VOKANY :HOHAMARININY MIVANTANA EO NOHO EO NY TENINY !
MATOKIA !

HANOMBOKA HANAVAKA NY AZY MARINA KRISTY

Na hisy aza ny famaizana dia ianao tsy ho tratra satria mitaiza tena mba ho masina eo anatrehan'Andriamanitra
« Ary amin'izany andro izany ny Isiraely sisa, izay tsy ringana amin'ny taranak'i Jakoba, dia tsy hiankina amin'izay namely azy intsony; Fa Jehovah, Iray Masin'ny Isiraely, ihany no hiankinany marina tokoa. » (Isaia 10:20)
manaiky hiankina @ herin'i Kristy
« Ary izay sisa amin'i Jakoba dia hiverina ho amin'Andriamanitra Mahery. » (Isaia 10:21)
IAINO HATRANY IZANY HOE MASINA IANAO SATRIA MASINA ILAY KRISTY AO ANATINAO !!
MAHEREZA !

MIANTSO ANAO OLON’I KRISTY HIARA-HIASA AMINY NY TOMPO

Valio ny antson'ny Ray izay mitady mpivavaka @ fahamarinana
« Fa avy ny andro*, sady tonga ankehitriny, raha ny tena mpivavaka hivavaka amin'ny Ray amin'ny fanahy sy ny fahamarinana; fa ny Ray koa mitady ny mpivavaka aminy ho tahaka izany. [*Gr. ora] » (Jaona 4:23)
fa hahatsapa ny herin' izany ny olona izay manana fanahy ratsy
« Ary ny fanahy ratsy namaly ka nanao taminy hoe: Fantatro Jesosy, ary fantatro koa Paoly;... » (Asan'ny Apostoly 19:15a)
dia hiova fo
« Ary maro ny mpanao ody no nanangona ny bokiny ka nandoro azy teo imason'ny olona rehetra; ary nony voatontaly ny tokom-bidiny, dia hita fa volafotsy dimy alina izany. » (Asan'ny Apostoly 19:19)
MAIKA HAMONJY NY TOMPO !!
ANAO SISA NY SAFIDY !!

HAMOHA NY JEROSALEMANAO @ FOMBANY KRISTY @ ITY TAONA ITY

Taom-pifohazana,taona ankasitrahan'Andriamanitra ho an'izay miverina Aminy ity taona 2013 ity
« Izao no lazain'i Jehovah: Tamin'ny taona fankasitrahana no nihainoako Anao. Ary tamin'ny andro famonjena no namonjeko Anao; Dia hiaro Anao Aho ka hanome Anao ho fanekena ho an'ny olona, mba hanangana ny tany indray sy hampandova ny lova izay efa rava » (Isaia 49:8)
mifalia fa tena hamindra fo aminao olony Izy
« Mihobia, ry lanitra! Ary mifalia, ry tany! Ka velomy ny hoby, ry tendrombohitra! Fa Jehovah efa nampionona ny olony sy mamindra fo amin'ny olony mahantra. » (Isaia 49:13)
FOTOANA FARANY HIANDRASAN’ANDRIAMANITRA MBA HIRAISAN’NY MINO IZAO !!
ATOMBOY AMINAO ARY E !!
SAHIA !
MAHEREZA.

HIOVA TOETRA TANTERAKA IANAO OLON’I KRISTY

Tian'Andriamanitra hahitsy eo imasony tahaka an'i Davida ianao olon'i Kristy
« satria Davida nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah ka tsy nivily niala tamin'izay nandidiany azy tamin'ny andro rehetra niainany, ... » (1 Mpanjaka 15:5a)
vitanao izany satria olom-boavonjy ianao,sady tia mizara fitiavana
« Fa satria an'ny andro isika, dia aoka hahonon-tena ka hitafy ny finoana sy ny fitiavana ho fiarovan-tratra, ary ny fanantenana ny famonjena ho fiarovan-doha. » (1 Tesaloniana 5:8)
MIOMANA FA HIATRIKA DINGANA VAOVAO ARAM-PANAHY IANAO !
MAHEREZA !

VONINAHITR'ANDRIAMANITRA VE?

Lohany sady Lehibe indrindra ety an-tany hatrany an-danitra
« Anao, Jehovah ô, ny fahalehibiazana sy ny hery sy ny voninahitra sy ny famirapiratana ary ny fiandrianana, dia izay rehetra any an-danitra sy ety an-tany; Anao ny fanjakana, Jehovah ô, ary Anao ny fisandratana ho Lohany ambonin'izy rehetra. » (1 Tantara 29:11)
manaraka anao na andro na alina
« Ary Jehovah nandeha teo alohany tamin'ny andri-rahona raha antoandro hitari-dalana azy, ary tamin'ny andri-afo nony alina ho fahazavana ho azy, handehanany andro aman'alina. » (Eksodosy 13:21)
ao anatinao
« Ary izay Ahy rehetra dia Anao; ary izay Anao dia Ahy; ary efa ankalazaina eo aminy Aho. » (Jaona 17:10)
ANKAFIZO RY OLON’I KRISTY NY MIAINA MIARAKA AMINY!
MAHEREZA !

FANAMBY APETRAKY NY TOMPO AMINAO OLONY

Hihaino ny fitarainanao
« Fony azom-pahoriana aho, dia niantso an'i Jehovah, eny, Andriamanitro no nitarainako; nihaino ny feoko tao an-tempoliny Izy, ary ny fitarainako dia efa tonga eo an-tsofiny. » (2 Samoela 22:7)
@ fombany no hanafiany ny fahavalonao
« Dia nandefa zana-tsipìka Izy ka nampiely ny fahavaloko, ary nampandeha helatra ka nampifanaritaka azy. » (2 Samoela 22:15)
AMPITOMBOY HATRANY ARY NY FATOKISANAO AZY!

TE-HAMPIASANA ANAO OLONY KRISTY

Te-hiizara famelombelomana,fiainana,fampaherezana Kristy ao anatinao
« ... Izaho tsy niteny ho Ahy, fa ny Ray Izay naniraka Ahy, Izy no nandidy Ahy izay holazaiko sy izay hotoriko.Ary fantatro fa fiainana mandrakizay ny didiny; koa izay lazaiko dia lazaiko araka izay nolazain'ny Ray tamiko. » (Jaona 12:49-50)
te-hikarakara sy hiandry ny hafa koa Izy
« Izaho no Mpiandry Tsara; ary fantatro ny Ahy, sady fantany Aho,dia tahaka ny ahafantaran'ny Ray Ahy sy ny ahafantarako ny Ray; ary Izaho manolotra ny aiko hamonjy ny ondry. » (Jaona 10:14-15)
IANAO ITOERANY VE MANAIKY?