"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

MARINA NY SAFIDINAO

Hoy ny hafa:ny vola no zava-dehibe noho i Kristy
« … Homenareo hoatrinona aho hanolorako Azy aminareo? Ary izy nandanja sekely volafotsy telo-polo homena azy. » (Matio 26:15)
hoy kosa ianao olony:Kristy no lehibe indrindra ary tsy ho ela dia hanjakany izao tontolo izao
« Ary ny anjely fahafito nitsoka, dia nisy feo mafy tany an-danitra nanao hœ: Ny fanjakana amin'izao tontolo izao dia efa lasan'ny ny Tompontsika sy ny Kristiny; ary Izy no hanjaka mandrakizay mandrakizay. » (Apokalypsy 11:15)
EFA AN-DALANA ILAY FANIRIANA TSARA AO ANATINAO !!!
MINOA !!
MAHEREZA.



FENO FOANA NY FANAHY AO ANATINAO


Mivoaka avy ao aminao olon'i Kristy ny fanahy maloto dia mila fenoina fanahy masina tsy miato « Raha mivoaka amin'ny olona ny fanahy maloto, dia mandeha mitety ny tany tsy misy rano izy, mitady fitsaharana; ... » (Lioka 11:24)
zava-doza mantsy raha hiverenany
« Ary dia mandeha izy ka mitondra fanahy fito hafa koa ratsy noho izy; dia miditra ireo ka mitœtra ao; ary ny faran'izany olona izany dia ratsy noho ny voalohany. » (Lioka 11:26)

ANAO NY SAFIDY HOE FANAHY INONA NO HAMENOKO NY TENAKO REHEFA TSY MAINTSY HO FENO IHANY!!!

ZAVA-DEHIBE NY MIHAINO AN’I KRISTY ISAN’ANDRO


Tandremo sao be herehina
« Fa ny Tompo namaly ka nanao taminy hœ: Marta, Marta, maro ahina sy maro herehina ianao; » (Lioka 10:41)
ka tsy ataonao ho loha-laharana ny mihaino an'i Kristy @ alalan'ny Teniny
« Ary izy nanana rahavavy atao hœ Maria, izay nipetraka teo anilan'ny tongotry ny Tompo ka nihaino ny teniny. » (Lioka 10:39)
izay mitondra aina sy fahasalamana
« Fa aina ho an'ny mahazo azy izy Ary fahasalamana ho an'ny nofony rehetra. » (Ohabolana 4:22)
MINO AHO FA TSY HO DISO ANJARA @ IZANY IANAO!!
MAHEREZA!!



HAMAHA NY OLANAO MPAMELA HELOKA KRISTY


Na ao anaty ady aza ianao dia sahia milaza fa hihaino ny fitarainanao ny Tompo
« .. Niantso an'i Jehovah tamin'ny fahoriako aho, Ka dia namaly ahy Izy; Tao anatin'ny fiainan-tsi-hita* no nitarainako, Dia nihaino ny feoko Hianao. » (Jona 2:3)
hamela ny helokao Izy nefa ianao kosa takiany mba hamela ny hafa
« Ary mamelà ny helokay; fa izahay koa mamela izay rehetra meloka aminay... »
(Lioka 11:4a)

HAHITA NY VONINAHINY IANAO!!!
MINOA!!!
MAHEREZA.

MPANOMPO HITONDRA VOKA-TSOA HO AN’NY HAFA IANAO OLON’I KRISTY


Mpiandry tsara Kristy ao anatinao:manana fo te hamonjy
« Izaho no Mpiandry Tsara; ny Mpiandry Tsara manolotra ny ainy hamonjy ny ondry. » (Jaona 10:11)
ho fitaovam-pitahiana ho an'ny hafa
« Fa izao no lazain'i Jehovah: Indro, hitarihako fiadanana tahaka ny ony izy, Ary ny voninahitry ny firenena tahaka ny renirano tondraka, Ka hinono ianareo; Ary hosakalehina ianareo sady hohindrahindraina eo ambony lohalika. » (Isaia 66:12)
ary maro no hahita ny vokatr'izany
« Dia hahita izany ianareo, ka ho faly ny fonareo, Ary ny taolanareo ho tsara fitombo tahaka ny ahi-matiso; Ary ny tànan'i Jehovah dia ataony fantatry ny mpanompony, Fa ho tezitra amin'ny fahavalony kosa Izy. » (Isaia 66:14)
MAZOTOA!HANOVA TANTARA IANAO!!!

MAHEREZA!

ANDROANY IANAO MITOMANY..


Mitomany Kristy ao anatinao mahita an'ny Jerosalemanao mbola tsy mifoha
« Ary raha nanakaiky Izy ka nahita ny tanàna, dia nitomany azy » (Lioka 19:41)
nefa efa maro ny Kristiana izay tokony hiaina  sy hizara fiadanana ao
« ka nanao hoe: Raha mba nahafantatra mantsy ianao na dia amin'ity andro ity aza izay momba ny fiadanana! - fa ankehitriny miafina amin'ny masonao izany. » (Lioka 19:42).

TSY HO ELA IANAO DIA HIFALY SATRIA HIVALY NY FITARAINANAO!!!HO JEROSALEMA VAOVAO AN’I KRISTY NY TANANANAO!
MATOKIA!

MASINA IANAO OLON’I KRISTY


Manokana eo anatrehan'Andriamanitra ny lahy matoa
« Indro, Izaho efa naka ny Levita avy tamin'ny Zanak'Isiraely ho solon'ny lahimatoa rehetra izay voalohan-teraka eo amin'ny Zanak'Isiraely: dia Ahy ny Levita, » (Nomery 3:12)
Izy mihitsy no manamasina azy
« Fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, dia manamasina ny tenanareo, ka dia ho masina ianareo, satria masina Aho; ... » (Levitikosy 11:44a)
Masina koa Kristy lahimatoan'ny Tompo ao anatinao
« fa araka ny fahamasinan'ilay niantso anareo, dia aoka mba ho masina koa ianareo amin'ny fitondran-tena rehetra, satria voasoratra hœ: "Ho masina ianareo, satria masina Aho". »
(1 Petera 1:15-16)

AROVY ILAY FAHAMASINANAO!!!

TSY AZO ATAO NY MISARAM-PANAMBADIANA


Halan' ny Tompo ny fisaram-panambadiana
« Fa halako ny fisaoram-bady, hoy Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, sy ny fanosenana fampahoriana amin'ny fitafiany, hoy Jehovah, Tompon'ny maro; koa tandremo ny fanahinareo, ary aza mamitaka ianareo. » (Malakia 2:16)
,satria Izy no nanambatra azy
« ary ho nofo iray izy roroa; ka dia tsy ho roa intsony izy, fa ho nofo iray ihany. »
(Marka 10:8)
dia tsy tokony hampisarahan'olona
« Koa izay nakamban'Andriamanitra dia aoka tsy hampisarahin'olona. » (Marka 10:9)
afa-tsy noho ny fijangajangana
« Fa Izaho kosa milaza aminareo hœ: Izay rehetra misaotra ny vadiny afa-tsy noho ny fijangajangana ihany dia mampijangajanga azy; …. » (Matio 5:32a)
MASINA NY FANAMBADIANAN’NY OLON’I KRISTY!
AROVY ARY NY FAHAMASINANY E!

MAHEREZA!!

IZAY NANENJIKA ANAO OLON’I KRISTY INDRAY NO HIOVA FO


Na mafana aza ny fanenjehana anao olon'i Kristy
« Ary Saoly mbola nifofofofo fandrahonana sy famonoana tamin'ny mpianatry ny Tompo ihany, …» (Asan'ny Apostoly 9:1a),
AZA MANAHY! fa izy ireo no mbola hisehon'ny Tompo
« Ary hoy izy: Iza moa ianao, Tompoko? Dia hoy Izy: Izaho no Jesosy Izay enjehinao; » 
(Asan'ny Apostoly 9:5),
sady hazoto hitory ny filazantsara
« Ary Saoly mainka nihahery, dia nandresy lahatra ny Jiosy izay nonina tany Damaskosy ka naneho marimarina fa Jesosy no Kristy. » (Asan'ny Apostoly 9:22)
MINOA!
TSY HO ELA DIA HITSIMBADIKA NY TANTARA!
MATOKIA!

MAHEREZA!


MILA MIFONA HO AN’NY FIRENENA NY OLON’I KRISTY


Mila manokana andro hanaovana fifonana
« Manamasina andro fifadian-kanina, miantsoa fivoriana masina, angòny ny loholona sy ny mponina rehetra amin'ny tany ho ao an-tranon'i Jehovah Andriamanitrareo, koa andeha mitaraina amin'i Jehovah. » (Joela 1:14)
mba hialan'ny fahatezeran'Andriamanitra
« Hositraniko ny fiodinany, ho tia azy tsy vozonana Aho; Fa efa niala taminy ny fahatezerako. » (Hosea 14:5)
ka hahafahany hanagana fiainam-baovao ho an'ny olony
« Ho tahaka ny ando Aho amin'ny Isiraely; Hamony tahaka ny lilia izy, ary hamaka tahaka an'i Libanona. » (Hosea 14:6)
SAHIA!

FOTOANAN’IZANY IZAO!

FANAHY MAHERY NO AO ANATINAO OLON’I KRISTY


Hiseho aminao olon'i Kristy @ fombany Andriamanitra ary hitoetra ao aminao ny fanahiny 
« Ary tsy hafeniko aminy intsony ny tavako; fa haidiko ao amin'ny taranak'Isiraely ny Fanahiko, hoy Jehovah Tompo. » (Ezekiela 39:29)
hampahery
« Fa izaho kosa dia feno hery, dia ny Fanahin'i Jehovah, .. ..» (Mika 3:8a)
sady tena hampiova toetra anao izany

« Ary ny fanahin'i Jehovah hitœtra ao aminy, dia ny Fanahin'ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina; Ny Fanahin'ny fanoloran-tsaina sy ny faherezana; Ny Fanahin'ny fahalalana sy ny fahatahorana an'i Jehovah; » (Isaia 11:2) .
HIGOGA FIAINAM-BAOVAO IANAO!
ANKAFIZO E!

IZAY NAMBARANAO OLON’I KRISTY DIA MILA TANTERAHINA


Hentitra ny tenin'ny Tompo aminao olony
« Ary Mosesy niteny tamin'ireo lohan'ny firenen'ny Zanak'Isiraely ka nanao hœ: Izao no teny izay nandidian'i Jehovah: » (Nomery 30:2)
tsy mahazo mivadika @fanekena nataonao teo anatrehany ianao
« Raha misy lehilahy mivoady amin'i Jehovah, na mianiana hamehy ny fanahiny hifady, dia tsy hitsoa-teny izy; araka izay rehetra naloaky ny vavany no hataony. » (Nomery 30:3)
Masina ianao ary masina izay nambaranao
« Ary ataonareo va fa miteny foana ny Soratra Masina? Ny fanahy, izay nampitoeriny ato anatintsika dia iriny amin'ny fahasaro-piaro. » (Jakoba 4:5)
MINOA FA HANAMPY ANAO IZY HO FANATANTERAHANA IZANY!!!
MATOKIA!

MAHEREZA!

HOSOTRA MANOKANA NY ZAVATRA AMBARANAO OLON’I KRISTY


Iraky ny Tompo hizara fahalalàna tsara momba Azy ianao olon'i Kristy
« Fa ny molotry ny mpisorona tokony hitahiry fahalalana, ary ny lalàna hotadiavina eo am-bavany, satria irak'i Jehovah, Tompon'ny maro, izy. » (Malakia 2:7)
mba hifehy ny fanjakany
« Lazaiko aminareo marina tokoa: Na inona na inona fehezinareo ety ambonin'ny tany dia hofehezina any an-danitra; ary na inona na inona vahanareo ety ambonin'ny tany dia hovahana any an-danitra. » (Matio 18:18)
sady efa nanaovany fanekena fa ho ampiadaniny
« Ny fanekeko taminy dia fiainana sy fiadanana; ary nomeko azy ho fahatahorana izany, ka dia natahotra Ahy sy nangovitra teo anatrehan'ny anarako izy. » (Malakia 2:5)
ZARAO ILAY HARENA MIAFINA AO ANATINAO!
MAZOTOA!
MAHEREZA!!

HANJAKA IANAO OLON’I KRISTY SATRIA MANAM-PINOANA


Kristy mihitsy no ho resy lahatra @ finoanao Azy
« Dia namaly Jesosy ka nanao taminy hoe: Ravehivavy, lehibe ny finoanao; tongava aminao araka izay irinao. Dia sitrana ny zananivavy tamin'izay ora izay. » (Matio 15:28)
ka hilaza aminao Izy fa ao aminao ny fanahin'ny Rainy
« Dia namaly Jesosy ka nanao taminy hœ: Sambatra ianao, ry Simona Bar-jona; fa tsy nofo aman-drà no naneho anao izany, fa ny Raiko Izay any an-danitra. » (Matio 16:17)
ary hiara hanjaka Aminy ianao

« Homeko anao ny fanalahidin'ny fanjakan'ny lanitra; ka na inona na inona fehezinao eto ambonin'ny tany dia hofehezina any an-danitra; ary na inona na inona vahanao ety ambonin'ny tany dia hovahana any an-danitra. » (Matio 16:19).
MIOMANA HANDRAY FAHEFANA  HANDRAY FAHEFANA AVY ANY AN-DANITRA E!!!



HIARO ANAO @ FOMBANY NY TOMPO


Ho voaaro @fomban'Andriamanitra ianao olon'i Kristy
« Ary ny sasany nitady hisambotra Azy; kanefa tsy nisy naninji-tanana taminy. » (Jaona 7:44) 
satria Izy no hialoha sy ho vodi-lalanao
« Fa tsy tampoka no hivoahanareo, ary tsy lositra no handehananareo; fa Jehovah no hitarika anareo eo aloha, ary Andriamanitry ny Isiraely no ho vodi-lalanareo. » (Isaia 52:12)
ary ireo mpanenjika indray no hifona aminao
« Ny zanak'izay nampahory anao dia handeha hiondrika eo anatrehanao, ary hiankohoka amin'ny faladianao izay rehetra nanamavo anao; ary izy hanao anao hœ Tanànan'i Jehovah, Zionan'ny Iray Masin'ny Isiraely. » (Isaia 60:14)
ALAVIRO NY FANAHIANA!!
HOMBA ANAO NY TOMPO!
MATOKIA!

MAHEREZA!

HO VOATAHY MANOKANA IANAO OLON’I KRISTY


Haneho fankasitrahana manokana @ fombany ho anao olony ny Tompo
« Ary nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Hianao no Zanako malalako, Hianao no sitrako. » (Marka 1:11)
hotahiany ny asan'ny tananao
« ary efa nofenoiko fanahin'Andriamanitra izy, dia fahendrena sy fahiratan-tsaina sy fahalalana ny amin'ny tao-zavatra samy hafa: » (Eksodosy 31:3)
ary tsy hitsanga-menatra mandrakizay ianao
« Dia ho fantatrareo fa ao afovoan'Isiraely Aho, ary Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, fa tsy misy hafa; Ary tsy ho menatra mandrakizay ny oloko. » (Joela 2:27)
MINOA!!!
DIA HITSIMBADIKA ANY @ LAFINY TSARA KOKOA HATRANY NY FIAINANAO!




HANANGANA NY FANJAKANY NY TOMPO


Andriamanitra mihitsy no hampiray @ fombany ireo olony
« Hamory anareo rehetra tokoa Aho, ry Jakoba, Ary hanangona ny sisa amin'ny Isiraely tokoa, Hakambako toy ny ondry any amin'ny vala izy, Toy ny ondry andiany ao amin'ny tany fiandrasana; Hitabataba izy noho ny hamaroan'ny olona. » (Mika 2:12) .
Hanendry mpanapaka Izy mba hanatanterahana izany fa Izy ihany no hitarika azy
 « Ny mpanabanga miakatra eo alohany, Manabanga izy ka mandroso ho eo amin'ny vavahady, Dia mivoaka eo aminy; Ny mpanjakany mandroso eo alohany, Ary Jehovah no mitarika azy. » 
(Mika 2:13)

MIVONONA!!
HIATRIKA FIFOHAZAM-PANAHY!

HO VOATAHY IANAO MPAKATO AN’I KRISTY


Te-hahita soa avy @ Andriamanitra ve ianao?ho azonao izany raha matahotra Azy ianao ka mazoto manompo Azy @ fonao rehetra araka ny tari-dalana omeny
« Ary ankehitriny, ry Isiraely ô, inona moa no ilain'i Jehovah Andriamanitrao aminao, afa-tsy ny hatahotra an'i Jehovah Andriamanitrao sy ny handeha amin'ny lalany rehetra ary ny ho tia Azy sy hanompo an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra, hitandrina ny didin'i Jehovah sy ny lalàny izay andidiany anao anio, mba hahita soa ianao? » 
(Deotoronomia 10:12-13)

MAZOTOA MAMITA NY ANJARANAO DIA HO AZO ANTOKA FA HANAO NY ANJARANY NY TOMPO!
MAHEREZA!

MIANDRY ANAO KRISTY


Tampi-dalan-kaleha ve ianao ka tsy manan-kianteherana intsony?
« Fa andro maro no hitœran'ny Zanak'Isiraely tsy hanana mpanjaka, na mpanapaka, na fanatitra, na tsangam-bato, na efoda, na terafima. » (Hosea 3:4)
tadiavo @ fonao rehetra Kristy
« Rehefa afaka izany, dia hiverina ny Zanak'Isiraely ka hitady an'i Jehovah Andriamaniny sy Davida mpanjakany; ary nandeha amin-kovitra hanatona an'i Jehovah sy ny fahasoavany izy, raha mby any amparany. » (Hosea 3:5)
dia hamaly anao
« Ary amin'izany andro izany dia hihaino* Aho, hoy Jehovah, eny, hihainoa ny lanitra Aho, ary izy kosa hihaino ny tany; [Na: hamaly] » (Hosea 2:23)
sy hamaha ny olanao
« Dia hafafiko ho Ahy amin'ny tany izy; Ary hamindra fo amin'i Lò-rohama* Aho sady hanao amin'i Lò-amy hœ: Oloko ianao; Ary izy kosa hanao hœ: Andriamanitro Hianao. » (Hosea 2:25)

TSY MISY NY “IMPOSSIBLE” EO ANATREHANY!!MINOA!

HERY LEHIBE RAHA MISY OLON’I KRISTY 2 MIFANAIKY HIVAVAKA


Valim-bavaka ho anareo Kristiana 2 nifanaiky
« Ary lazaiko aminareo koa: Raha misy roa aminareo mifanaiky ety ambonin'ny tany na amin'inona na amin'inona ka hangataka izany, dia ho azony avy amin'ny Raiko Izay any an-danitra izany. » (Matio 18:19)
Tsy maintsy ho resy ireo fahavalonareo
« Jehovah nilaza tamin'ny Tompoko hœ: Mipetraha eo an-tanako ankavanana Ambara-panaoko ny fahavalonao ho eo ambanin'ny tongotrao »Mat22:44
misaora Azy noho izany toky homeny anareo izany
« ka nanao hoe: Isaorana anie ny Mpanjaka, Izay avy amin'ny anaran'i Jehovah. Fiadanana any an-danitra, ary voninahitra any amin'ny avo indrindra. » (Lioka 19:38)!

MIRAISA SAINA RY KRISTIANA O!
DIA  HIFOHA VETIVETY NY FIRENENA!

HANJAKA ETO MADAGASIKARA KRISTY


Madagasikara Jerosalemanao ve?Hisy loharano hanafaka ny fahotana
« Amin'izany andro izany dia hisy loharano voasokatra ho an'ny taranak'i Davida sy ho an'ny mponina any Jerosalema hanafaka fahotana sy fahalotoana. » (Zakaria 13:1)
izay hiparitaka @ faritra rehetra
« Ary amin'izany andro izany dia hisy rano velona hivoaka avy any Jerosalema, ka ny antsasany hankany amin'ny ranomasina atsinanana, ary ny antsasany hankany amin'ny ranomasina andrefana, na amin'ny fahavaratra na amin'ny ririnina dia samy hisian'izany. » (Zakaria 14:8)
ary ho faizina ireo izay nampijaly azy
« Ary izao no areti-mandringana hamelezan'i Jehovah ny firenena rehetra izay efa nanafika an'i Jerosalema: Hataony mihalevona am-pitsanganana ny nofony, ary hihalevona eo amin'ny itœrany ny masony, ary ny lelany koa hihalevona ao am-bavany. » (Zakaria 14:12)
MIVONONA DIENY IZAO IANAO RY MALAGASY FA HO FAHAZAVAN’IZAO TONTOLO IZAO!
MATOKIA!

TORIO FA I KRISTY IHANY NO AZO IANTEHERANA


Mifidiana olon-tsotra sy mpisorona manana an'i Kristy,
« Izao no lazain'i Jehovah: Andeha mividy tavoara tanimanga, ary makà anti-panahy amin'ny vahoaka sy anti-panahy amin'ny mpisorona, » (Jeremia 19:1)
hiara hanambara aminao ny hafatry ny Tompo
« dia mivoaha ho any amin'ny Lohasahan'ny taranak'i Hinoma, izay eo anoloan'ny vavahady Harsota, ary torio eo ny teny izay holazaiko aminao» (Jeremia 19:2)
hoe:Kristy ihany no mpiaro azo antoka
« Raha ny mahery mivonona amin'ny fiadiany no miaro ny tranony, dia tsy haninona ny fananany. » (Lioka 11:21)
HO TSAPANAO IZANY HOE MANOATRA NOHON’NY MPANDRESY!!!
MATOKIA!!
MAHEREZA!


AVY @ ANDRIAMANITRA NY MPITONDRA IRAY


Ny Mpanapaka iray dia ny Tompo no manendry azy
« Ary rehefa tapitra ny andronao, ka hodi-mandry any amin'ny razanao ianao, dia hatsangako handimby anao ny zanakao izay haterakao, ary hampitoeriko ny fanjakany; »
(2 Samoela 7:12)
raisiny tahaka ny zanany izy nefa koa mampiasa vahoaka hananatra raha ilaina
« Izaho ho rainy, ary izy ho zanako. Raha manao izay meloka izy, dia hanariko amin'ny tsorakazon'ny olona sy ny kapoky ny zanak'olombelona; » (2 Samoela 7:14)
mila vavaka
« Ary ankehitriny, Jehovah Andriamanitra ô, ilay teny nolazainao ny amin'ny mpanomponao sy ny taranany dia ampitoero ho mandrakizay, ary ataovy araka izay nolazainao. »
(2 Samoela 7:25)

VOASORATRA NY ZAVATRA REHETRA.TSY ALEO VE MIANKINA @ ILAY NAHARY NAMPANORATRA E!MAHEREZA!

Kristy ve?


Mpiandry tsara sady mifankahazo @olona tarihiny
« Izaho no Mpiandry Tsara; ary fantatro ny Ahy, sady fantany Aho, » (Jaona 10:14)
,manana fo te-hamonjy hatrany
« dia tahaka ny ahafantaran'ny Ray Ahy sy ny ahafantarako ny Ray; ary Izaho manolotra ny aiko hamonjy ny ondry. » (Jaona 10:15)
mampiray ny samy Kristiana
« Manana ondry hafa izay tsy amin'ity vala ity Aho; ary ireny koa dia tsy maintsy ho entiko ka hihaino ny feoko; ary ho tonga andiany iray izy, sady iray ihany ny Mpiandry. » (Jaona 10:16)

ARY IANAO  ITOERANY?

FAMANTARANA FA NOSY MIAVAKA NY NOSITSIKA


Tany @faritra atsinanana dia:
-          nametrahan'ny Tompo an'i Adama tao Edena
« Ary Jehovah Andriamanitra nanao saha tao Edena tany atsinanana, ka napetrany tao ralehilahy izay noforoniny. » (Genesisy 2:8)
-          nipoiran'ilay ony mahagaga
« Dia hoy izy tamiko: Ity rano ity dia mivoaka hankany amin'ny tany atsinanana, dia midina any amin'ny tani-hay ka miditra eo amin'ny ranomasina; ary rehefa tonga eo an-dranomasina izy, dia sitrana ny rano. » (Ezekiela 47:8)
-          nidiran'ny misionera voalohany teto @nositsika!

MENDRIKA HO EDENA VAOVAO I MADAGASIKARA!!





ROMBAHO NY FANJAKAN’ANDRIAMANITRA


Efa notoriana h@ izay ny fanjakan'Andriamanitra
« Ny lalàna sy ny mpaminany dia hatramin'i Jaona; ary hatramin'izany no efa nitoriana ny filazantsaran'ny fanjakan'Andriamanitra, ary misesika izay rehetra miditra eo. » (Lioka 16:16) 
Kristy tonga hanatanteraka izany
« Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany; tsy tonga Aho handrava, fa hanatanteraka. » (Matio 5:17)
,ianao izay hitoerany kosa dia mila mandrombaka azy
« Ary hatramin'ny andron'i Jaona Mpanao-batisa ka mandraka ankehitriny ny fanjakan'ny lanitra dia rombahina, ary ny mpandrombaka maka azy an-keriny. » (Matio 11:12)

SAHIA!
VITANAO IZANY!!!
IZA INDRAY ARY NO ANDRASANA E!
MAHEREZA!

HAVAHANA IANAO OLON’I KRISTY


Mendrika ho anao olon'i Kristy ny tso-drano azon'i Solomona:
Hambinina @ zavatra atao 
« Koa ankehitriny, anaka, ho aminao anie Jehovah, ka hambinina anie ianao, fa ataovy ny tranon'i Jehovah Andriamanitrao araka izay nilazany anao. » (1 Tantara 22:11)
,hanan-tsaina sy fahendrena
« Ary homen'i Jehovah saina sy fahendrena anie ianao ka hatsangany ho mpanapaka ny Isiraely, mba hitandremanao ny lalan'i Jehovah Andriamanitrao. » (1 Tantara 22:12)
,tsy hatahotra
« Ary amin'izany dia hambinina ianao, raha mitandrina hankatò ny lalàna sy ny fitsipika izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy ho an'ny Isiraely; mahereza sy matanjaha; aza matahotra na mivadi-po. »
(1 Tantara 22:13)
MINOA!
HAJAO NY DIDINY FA IZY VONONA HANANDRATRA ANAO!