"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

HAZONY NY MAHA-MALAGASY AN'I KRISTY ANAO SATRIA @ IZAY FOMBA IZAY NO HITAHIANY ANAO SY NY TANINAO

Hitohy ny fampizarana Tenin'Andriamanitra
« Dia hoy Jeremia mpaminany taminy: Efa reko izany; koa, indro, hivavaka amin'i Jehovah Andriamanitrareo ary aho araka ny teninareo; ary ny teny rehetra Izay havalin'i Jehovah anareo dia hambarako anareo, fa tsy hisy hafeniko. » (Jeremia 42:4)
Hoy Izy aminao:Eo @ tany izay efa nisy anao no hitahiany anao
« Raha mbola honina amin'ity tany ity ihany ianareo, dia haoriko ianareo, fa tsy horavako, ary hamboleko ianareo, fa tsy hongotako, fa manenina Aho ny amin'ny loza namelezako anareo. » (Jeremia 42:10)
AZA MANAHY fa handresy ianao
« Aza matahotra ny mpanjakan'i Babylona izay atahoranareo; eny, aza matahotra azy, hoy Jehovah, fa momba anareo Aho hamonjy sy hanafaka anareo amin'ny tànany. » (Jeremia 42:11)
HO TAOM-PITAHIANA NY TAONA 2012!!
TRATRY NY TAONA E!!

TSY IANAO IHANY FA NY JEROSALEMANAO MIHITSY NO EFA HOKARAKARAIN'I KRISTY

AZA MATAHOTRA!
« Amin'izany andro izany dia holazaina amin'i Jerosalema hoe: Aza matahotra Ary aza miraviravy tanana, ry Ziona. » (Zefania 3:16)
fa hovonjen'i Kristy @ heriny rehetra ianao sy ny Jerosalemanao
« Jehovah Andriamanitrao no ao aminao, Mahery Izy ka hamonjy; Hiravoravo anao amin'ny fifaliana Izy; Ho sondriana* amin'ny fitiavany Izy; Hifaly anao amin'ny fihobiana Izy. [*Heb. hangina] » (Zefania 3:17)
efa resy ireo fahavalonao (aretina,fahatrana,adi-tsaina...)
« Jehovah efa nampitsahatra ny fitsarana anao ka nandroaka ny fahavalonao; Jehovah, Mpanjakan'ny Isiraely, no ao aminao; Tsy hahita loza intsony ianao. » (Zefania 3:15)
RAHA MBOLA MISY NY FARANY DIA TSY HO FOANA NY FANANTENANA!
TRATRY NY FARANY !

MANAMAFY KRISTY FA EFA RAISINY AN-TANANA NY HOAVIN'NY FIRENENAO OLONY

Kristy no ho fahazavana ao anatinao,ao an-tanananao,ao @ firenenao olony
"Tsy ny masoandro intsony no ho fanazavana anao nony andro; ary tsy ny fangarangaran'ny volana no hanazava anao; fa Jehovah no ho fanazavana anao mandrakizay, ary Andriamanitrao no ho voninahitrao.Tsy hilentika intsony ny masoandronao, ary ny volanao tsy hisoka; fa Jehovah no ho fanazavana anao mandrakizay, ary ho tapitra ny andro fahalahelovanao."ISAIA60:19-20
MIJOROA!SAHIA!Vanim-potoana hanaporofony izany izao
"Hitory taona ankasitrahan'i Jehovah sy andro famalian'Andriamanitsika, hampionona ny malahelo rehetra," ISAIA61:2
MATOKIA!
FA HO TANTERAKA ILAY HOE:"DIA HO TANY SAMBATRA ILAY MADAGASIKARANAY!!!"

MATOA IANAO OLON'I KRISTY DIA MANANA ANDRAIKITRA LEHIBE AO @ FANJAKANY DIENY ETY AN-TANY

Ny olon'i Kristy tsirairay avy dia manana ny Fanahiny izay mitondra fahasoavana
"Ary izy rehetra dia samy nomena ny fampisehoana ny Fanahy hahasoa." 1Korintiana12:7
mifameno ireo
"Ahoana ary no izy, ry rahalahy? Raha miangona ianareo, misy ta-hanao hira ianareo, misy ta-hanao fampianarana, misy manana fanambarana, misy manana fiteny tsy fantatra, misy manana fandikan-teny. Aoka ny zavatra rehetra hatao ho fampandrosoana."1Korintiana14:26
ary samy azo ampiasaina am-pilaminana
"kanefa aoka ny zavatra rehetra hatao amin'ny fahamendrehana sy ny filaminana."1Korintiana14:40
EFA AN'I KRISTY NY FIRENENA !!
ATAMBARO ARY NY HERY HANAPOROFOINY IZANY E!

MANANA ANDRAIKITRA HITONDRA FANOVANA IANAO OLON'I KRISTY

Voafidy ho olon'i Kristy ianao
« Dia sitraky ny olona rehetra ny teniny, ka nifidy an'i Stefana izy, lehilahy feno finoana sy ny Fanahy Masina, ary Filipo sy Prokoro sy Nikanora sy Timona sy Parmena ary Nikoleo (proselyta avy any Antiokia), » (Asan'ny Apostoly 6:5)
noho izany mendrika anao ny ho feno hery sy fahasoavana hahavita zava-mahagaga ho an'ny jerosalemanao
« Ary Stefana, feno fahasoavana sy hery, dia nanao fahagagana sy famantarana lehibe teo amin'ny vahoaka. » (Asan'ny Apostoly 6:8)
MINOA DIA HO VITANAO IZANY!!

MASINA KRISTY,MILA ANAO OLONY ANEFA IZY HAMPISEHO IZANY FAHAMASINANY IZANY HO AN'NY HAFA

Andraikitra omen'i Tompo ho anao olony ny ho vavolombelon'ny fahamasinany tsy @ fitondran-tena fontsiny fa h@ fitoriana ny fahasoavan'i Kristy
« fa tendreo izy hitandrina ny tabernakelin'ny Vavolombelona sy ny fanaka rehetra ary ny zavatra rehetra izay momba azy; fa izy no hitondra ny tabernakely sy ny zavatra rehetra momba azy sady hanao fanompoam-pivavahana ao; ary manodidina ny tabernakely no hitobiany. » (Nomery 1:50)
HAFA IANAO EO ANATREHANY MATOA VOAFIDY HANAO IZANY!
MAHEREZA!

ZONAO NY MANGATAKA @ ANDRIAMANITRA RAINAO

Ataovy mazava ny fangatahanao am-bavaka @ Kristy fa hamaly anao mihoatra mba hanaporofoiny aminao fa Andriamanitra tia sy miahy ny olony Izy
« Ary iza moa aminareo, raha angatahan'ny zanany mofo, no hanome azy vato?ary raha angatahany hazandrano, no hanome azy menarana?Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an'ny zanakareo, tsy mainka va ny Rainareo Izay any an-danitra no hanome zava-tsoa ho an'izay mangataka aminy? » (Matio 7:9-11)
MINOA!
ARY SAHIA MIAINA AM-PIFALIANA SY AM-PAHATONIANA TAHAKA NY EFA MANDRAY VALIM-BAVAKA E!!
MATOKIA!
MAHEREZA.

KRISMASY 2011-MARIKA IRAY HANAPOROFOIN'KRISTY FA TIANY IANAO

Hanome famantarana ho anao Kristy fa efa ao aminao Izy
« Ary noho izany dia ny Tompo no hanome famantarana ho anareo: Indro, hanan'anaka ny virijina* ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany hataony hoe Imanoela**. [*Na: zazavavy][**Na: Imanoela = Amintsika Andriamanitra] » (Isaia 7:14)
ary Andriamanitra Rainy koa hanamafy fa zanany ianao izay manaiky hitoerany
« Izaho ho rainy, ary izy ho zanako. Raha manao izay meloka izy, dia hanariko amin'ny tsorakazon'ny olona sy ny kapoky ny zanak'olombelona;nefa ny famindram-poko tsy mba hiala aminy, tahaka ny nanesorako izany tamin'i Saoly, izay nesoriko teo alohanao.Ary ny taranakao sy ny fanjakanao hitoetra eo anatrehanao mandrakizay; ny seza fiandriananao hitoetra mandrakizay. » (2 Samoela 7:14-16)
HANAVAO NY FANDRAISANY AN-TANANA NY HOAVINAO IZY!
MATOKIA!
TRATRY NY KRISMASY E!!!

VOAIRAKA HANAPOROFO NY HERIN'I KRISTY AO ANATINAO IANAO OLONY


Fahazavan'i Kristy ianao olony
« Hianareo no fahazavan'izao tontolo izao. Tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra. » (Matio 5:14)
porofoy @ zavatra rehetra ataonao izany
« Aoka hazava eo imason'ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra. » (Matio 5:16)
taratry ny herin'ny fanjakany mantsy ianao ka tsy tokony ho kivy
« Hianareo no fanasin'ny tany; fa raha ny fanasina no tonga matsatso, inona indray no hahasira azy? Tsy misy heriny hanaovana na inona na inona intsony izy, fa hariana any ivelany ka hohitsahin'ny olona. » (Matio 5:13)
AVELAO KRISTY HAMPIASA ANAO HAHATONGA NY IMPOSSIBLE HO LASA POSSIBLE E!

HAFA!TENA HAFA IANAO OLONY EO ANATREHAN'I KRISTY

Anjaran'i Kristy no manova anao ho lasa olo-mendrika eo anatrehany
« dia zatovo izay tsy nisy kilema, fa tsara tarehy sady kanto amin'ny fahendrena rehetra sy manam-pahalalana ary mazava saina ka miendrika hitoetra ao an-dapan'ny mpanjaka... » (Daniela 1:4)
ny anjaranao dia ny manaja Azy
« Masìna ianao, izahao toetra hafoloana izahay mpanomponao, ary aoka homena hanin-kotrana hohaninay sy rano hosotroinay.Dia aoka hizahana eo anatrehanao ny tarehinay sy ny tarehin'ny zatovo izay mihinana ny anjara avy amin'ny hanin'ny mpanjaka, ary araka izay hitanao no ataovy amin'ny mpanomponao. » (Daniela 1:12-13)
Hiteraka fiainam-baovao ho anao izany
« Ary ireo zatovo efa-dahy ireo dia nomen'Andriamanitra fahalalana sy saina ny amin'ny taratasy sy ny fahendrena rehetra; ary Daniela nahafantatra ny amin'ny fahitana sy ny nofy rehetra. » (Daniela 1:17)
AZA MANAHY FA VITANY NO MANAFINA NY FAHALEMENAO REHETRA!!
IAINO ARY NY FIAINAM-PAMONJENA E!!

HAMONJY NY FIRENENA AMIN'NY FOMBANY KRISTY

Ho lavo ireo mpampahory
« Hitsara ny olona ory izy sy hamonjy ny zanaky ny mahantra ary hanorotoro ny mpampahory. » (Salamo 72:4)
ho voavonjy ny mahantra
« Fa hamonjy ny mahantra mitaraina izy sy ny ory tsy manan-kamonjy;Hiantra ny reraka sy ny malahelo izy ary hamonjy ny fanahin'ny malahelo. » (Salamo 72:12-13)
hahavokatra ny tany
« Hahavoka-bary betsaka ny tany na dia any an-tampon'ny tendrombohitra aza; hirondrona tahaka ny any Libanona ny fahavokarany; ary ny ao an-tanàna hidokadoka tahaka ny ahitra amin'ny tany. » (Salamo 72:16)
hitranga izany ary hiaiky ianao hoe:Mahagaga Kristy
« Isaorana anie Jehovah Andriamanitra, Andriamanitry ny Isiraely; Izy irery ihany no manao fahagagana; » (Salamo 72:18)
TSY TONGATONGA HO AZY NY KRISMASY FA HITONDRA FIAINGANA VAOVAO HAMPAHIRATRA NY HOAVINAO!!!
MINOA.

POROFOY FA MPAMONJY MORA AZO INDRINDRA KRISTY AO ANATINAO

Mila mifamonjy isika ho mariky ny fisian'i Kristy Mpamonjy ao anatintsika
« Tomoera ety amiko, ka aza matahotra; fa izay mikatsaka ny aiko no mikatsaka ny ainao koa; fa eto amiko no hahavoavonjy anao. » (1 Samoela 22:23)
marika iray eo anatrehany izany hoe olona niova fo isika
« Ary homeko fo vaovao ianareo, ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo, ary hesoriko amin'ny nofonareo ny fo vato, ka homeko fo nofo ianareo.Ary ny Fanahiko no hataoko ao anatinareo, ka hahatonga anareo handeha araka ny lalàko sy hitandrina ny fitsipiko ka hanaraka azy. » (Ezekiela 36:26-27)
SAHIA !
FA TSY HANENENANAO MANDRAKIZAY IZANY !

HO VOAVONJY NY FIRENENAO SATRIA NANGATAKA IZANY TSY NIATO IANAO

Angataho ary aza amelana
« Fa izay rehetra mangataka no mahazo; ary izay mitady no mahita; ary izay mandondòna no hovohana. » (Matio 7:8)
fa na tery aza ny lalana mankany @ fiainana dia hilahatra ho any manomboka @ ankohonanao h@ firenena manontolo
« Midira amin'ny vavahady èty ianareo; fa lehibe ny vavahady, ary malalaka ny lalana izay mankany amin'ny fahaverezana, ka maro ny miditra any.Fa èty ny vavahady, ary tery ny lalana izay mankany amin'ny fiainana, ka vitsy ny mahita azy. » (Matio 7:13-14)
SAHIA!
ALEO KRISTY HAHATSAPA FA MILA AZY ISIKA E!

HITOMBO TSY MISY FETRA NY HERIN'NY FANAHY MASINA AO AMINAO OLON'I KRISTY

Maherivaika ny herin'ny Fanahin'Andriamanitra ao anatinao olony
« ... Tsy amin-kery na amim-pahatanjahana, fa amin'ny Fanahiko, hoy Jehovah, Tompon'ny maro . » (Zakaria 4:6b)
ka tena mahavita mandevona ireo fanahy ratsy eny @ izay sehatra ampiasanao izany
« Ho entiko mivoaka izany, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, ka hiditra ao an-tranon'ny mpangalatra sy ao an-tranon'izay mianian-tsy tò amin'ny anarako ary hitoetra ao amin'ny tranony ka handevona azy mbamin'ny hazony sy ny vatony. » (Zakaria 5:4)
MINOA!MINOA!MINOA!
DIA AMPIASAO! AMPIASAO!AMPIASAO!
VITANAO IZANY!

AZA GAGA FA RAISO NY FIAINAM-PITAHIANA HOMEN'I KRISTY HO ANAO OLONY IZAY ANKASITRAHANY

Hisy fifaliana miavaka hihatra @ fiainanao olon'i Kristy
« dia araka ny andro nahafahan'ny Jiosy tamin'ny fahavalony, sy ny volana izay nampodiana ny alahelony ho fifaliana ary ny fitomaniany ho andro mahafaly, mba hatao ho andro fanasana sy fifaliana sy fifanateran-javatra ary fanomezan-javatra ho an'ny mahantra izany. » (Estera 9:22)
ho voakarakara manokana
« Ary nahafaly azy razazavavy ka nahita fitia teo imasony; dia nomeny faingana an-drazazavavy ny zavatra fidiovany sy ny anjara-haniny ary ny ankizivavy fito izay voafantina homena azy avy tao an-tranon'ny mpanjaka; ary nafindrany ho ao amin'ny fitoerana tsara indrindra ao an-tranom-behivavy izy sy ny ankizivaviny. » (Estera 2:9)
h@ ny sakafo
« Ary ny hanina nohaniny dia hanina nomena avy amin'ny mpanjaka araka ny tokony ho anjarany isan'andro isan'andro tamin'ny andro rehetra niainany. » (2 Mpanjaka 25:30)
hiarahan'ny ankohonanao aza
« Ary samy nitondrana anjara-hanina avy teo anoloan'i Josefa izy mirahalahy avy;  » (Genesisy 43:34a)
HANAMARIKA NY ANARANY EO @ FIAINANAO IZY!
MINOA.

LES MAINS

La balle de basket dans mes mains coûte Ar 20 000.
Dans les mains de Tony Parker elle vaut peut être 100 000 Euro.
Dans les mains de Michael Jordan, elle vaut environ 33 millions de dollars.
Tout dépend des mains qui la tiennent.

Un stylo dans mes mains vaut à peu près Ar 100.
Un stylo dans les mains d'un écrivain vaut un best-seller des millions.
Tout dépend des mains qui le tiennent.

Une raquette de tennis dans mes mains ne vaut rien.
Dans les mains de Vénus Williams, c'est une formule gagnante.
Tout dépend des mains qui la tiennent.

Un bâton dans mes mains me servira à chasser l'animal sauvage.
Dans les mains de Moïse elle fera des miracles et fendra la mer en deux.
Tout dépend des mains qui le tiennent.

Une fronde dans mes mains est un jouet d'enfant.
Dans les mains de David c'est une arme redoutable.
Tout dépend des mains qui l'utilisent.

Deux petits poissons et 5 morceaux de pain dans mes mains nourriront peut être ma famille.
Dans les mains de Dieu des milliers mangeront et seront rassasiés.

Des clous dans mes mains serviront à faire un banc ou une chaise.
Des clous dans les mains de Jésus Christ produiront le salut pour le monde entier.
Tout** dépend des mains dans lesquelles ils se trouvent*.

Comme tu peux le voir maintenant, tout dépend des mains qui se chargent du travail.
Mets donc tes inquiétudes , tes peurs, tes blocages, ta famille, tes relations, tes ambitions et ta vie dans les mains de Dieu car tout dépend des mains dans lesquelles tout se trouve.

Maintenant que ce message est dans tes mains
qu'en feras tu? N'oublies pas, tout dépend des mains
qui détiennent ce message!!

*Que la bénédiction de Dieu sois sur ta vie*

TSY HAMELA ANAO HO RESY KRISTY:

Na misy aza ny tafio-drivotra
« Ary raha nandeha faingana nanara-morona ny nosy atao hoe Kaoda nihazo ny ilany takon-drivotra izahay, dia saiky tsy nahazo ny salopy; » (Asan'ny Apostoly 27:16)
mety tsy mahita masoandro mihiratra aza ianao
« fa rehefa tsy hita ny masoandro na ny kintana hatramin'ny andro maro, ary tsy kely ny rivotra izay namely, dia tsy nanantena ho voavonjy intsony izahay. » (Asan'ny Apostoly 27:20)
AZA KIVY fa haniraka Anjely mba hamonjy anao Kristy
« Fa nisy anjelin'Andriamanitra, Izay Tompoko sady tompoiko, nitsangana teo anilako halina ka nanao hoe: Aza matahotra, ry Paoly; fa tsy maintsy hitsangana eo anatrehan'i Kaisara ianao; ary, indro, efa nomen'Andriamanitra anao ny olona rehetra izay miaraka aminao. Koa matokia, ry tompokolahy ô, fa mino an'Andriamanitra aho fa ho tonga araka ny voalazany tamiko izany. » (Asan'ny Apostoly 27:23-25)
MINOA FA INDRAINDRAY MITONDRA SOA NY FANEFEN'ANDRIAMANITRA!
MAHEREZA.

TSY HANDALO FONTSINY NY KRISMASY 2011

Na dia efa hifarana aza ity taona ity dia haneho fankasitraha an'izany ny Tompo
« Izao no lazain'i Jehovah: Tamin'ny taona fankasitrahana no nihainoako Anao. Ary tamin'ny andro famonjena no namonjeko Anao; Dia hiaro Anao Aho ka hanome Anao ho fanekena ho an'ny olona, mba hanangana ny tany indray sy hampandova ny lova izay efa rava » (Isaia 49:8)
hamindra fo Izy ka hiteraka fifaliana ho an'ny rehetra izany
« Mihobia, ry lanitra! Ary mifalia, ry tany! Ka velomy ny hoby, ry tendrombohitra! Fa Jehovah efa nampionona ny olony sy mamindra fo amin'ny olony mahantra. » (Isaia 49:13)
FETIN'I KRISTY NY KRISMASY!!
HANAPOROFO AN'IZANY AMINAO IZY!!
MINOA.

MANDEHANA AMiN'IZAO HERINAO IZAO

Tsy misy tanteraka eo anatrehan'i Tompo
« Koa izay manao azy fa efa mijoro tsara, dia aoka izy hitandrina, fandrao ho lavo. » (1 Korintiana 10:12)
nefa tsy mahasakana ny fitoriana ny filazan-tsara izany
« Fa raha mitory ny filazantsara aho, dia tsy misy ho reharehako, satria tsy maintsy manao izany; fa lozako, raha tsy mitory ny filazantsara aho! » (1 Korintiana 9:16)
SAHIA!dia ho voatahy manokana ianao
« Ny fanekeko taminy dia fiainana sy fiadanana; ary nomeko azy ho fahatahorana izany, ka dia natahotra Ahy sy nangovitra teo anatrehan'ny anarako izy.Ny lalàn'ny fahamarinana no teo am-bavany, ary tsy mba nisy tsi-fahamarinana teo amin'ny molony; tamin'ny fiadanana sy ny fahitsiana no niarahany nandeha tamiko, ary maro no nampialainy tamin'ny heloka. » (Malakia 2:5-6)
HIALOHA LALANA ANAO OLONY FOANA KRISTY!
MATOKIA.

HO KRISMASIM-PAMONJENA MANOKANA HO ANAO ITY KRISMASY ITY

Aza mierikerika!Matokia an'i Kristy h@ farany
« Ny saina tsy miovaova dia harovanao ao amin'ny fiadanana tanteraka, satria matoky Anao izy. Matokia an'i Jehovah mandrakizay, fa Jehovah Tompo no Vatolampy mandrakizay. »(Isaia 26:3-4)
sahia mamboraka Aminy
« Ary noho izany, Jehovah Tompo ô, satria Hianao no Andriamanitra, ary marina ny teninao, ary Hianao efa nilaza izany zava-tsoa izany ny amin'ny mpanomponao, dia aoka ho sitrakao ny hitahy ny taranaky ny mpanomponao haharitra mandrakizay eo anatrehanao; fa Hianao, Jehovah Tompo ô, efa niteny izany; eny, aoka ny fitahianao no hitahianao ny taranaky ny mpanomponao mandrakizay. » (2 Samoela 7:28-29)
dia hiaiky sy hifaly ianao satria hamonjy anao @ fombany Izy
« Ary holazaina amin'izany andro izany hoe: Indro Andriamanitsika, izay nandrasantsika hamonjy antsika; Indro Jehovah, Izay nandrasan-tsika, koa dia aoka ho faly sy ho ravoravo amin'ny famonjeny isika. » (Isaia 25:9)
ASEHOY AMINY FA MINO IZANY IANAO!
MITRAKA!
MAHEREZA.

HISY FIAINGANA VAOVAO TANTERAKA NY FIAINAN'IZAY MINO AN'I KRISTY

Ny Finoan'ny olona iray an'i Kristy dia ampy hanokafany fiainam-baovao tanteraka ho azy
« Dia hoy ny olona taminy: Ahoana no nahiratan'ny masonao?Ary izy namaly ka nanao hoe: Ilay Lehilahy atao hoe Jesosy no nanao feta, dia nanosotra ny masoko ka nanao tamiko hoe: Mankanesa any Siloama, ka sasao ny masonao; koa nandeha aho, dia nanasa azy, ka dia nahiratra.Ary hoy ny olona taminy: Aiza moa izany Lehilahy izany? Hoy ralehilahy: Tsy fantatro. » (Jaona 9:10-12)
na dia niaina tao anaty aizina h@ izay aza izy
« Ary raha nandalo Jesosy, dia nahita lehilahy jamba hatry ny fony vao teraka. » (Jaona 9:1)
TONGA HO AN'IZAY REHETRA MITADY AZY KRISTY!
MATOKIA.

IZAY RESY DIA TENA HO RESY,IANAO OLON'I KRISTY KOSA HANDRESY ARY HO TENA MPANDRESY

Ho levona ireo harena nangonin'ny ratsy fanahy
« Ho lasa ny harena tafiditra ao an-tranony; Eny, ho levona izany amin'ny andro fahatezerany.Izany no anjaran'ny ratsy fanahy avy amin'Andriamanitra, sy lova voatendrin'Andriamanitra ho azy. » (Joba 20:28-29)
ho anao izay olon'i Kristy kosa AZA MANAHY fa handresy @ lafiny rehetra ianao
« Ary hiposaka aminareo, izay matahotra ny anarako, ny Masoandron'ny fahamarinana, manana fanasitranana ao amin'ny tanany; ary hivoaka ianareo ka hifalihavanja toy ny zanak'omby mifahy; ary hohitsahinareo ny ratsy fanahy; fa ho lavenona eo ambanin'ny faladianareo izay amin'ny andro izay hotendreko, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. » (Malakia 3:21)
HANATOBAKA NY VOKATRY NY FINOANAO AZY KRISTY!
MATOKIA.
MAHEREZA.

TSY HAHOMBY IZAY TIAN'NY FAHAVALONAO HATAO EO @ JEROSALEMANAO OLON'I KRISTY

Na hirehareha aza ireo fahavalonao
« Na dia miakatra tahaka ny voromahery aza ianao Ka mametraka ny akaninao eny amin'ny kintana, Dia havariko avy eny ianao, hoy Jehovah. » (Obadia 4)
AZA MANAHY fa hataon'Andriamanitra ho zava-poana ny tetika hataony aminao sy ny Jerosalemanao olony
« Indro, hataoko tsinontsinona eo amin'ny firenena ianao, Eny, ho fanazimbazimba indrindra ianao. » (Obadia 2)
MAHERY KRISTY MPIARO ANAO!!!
MATOKIA!
MAHEREZA.

FAHASOAVANA MAHAGAGA NO VOKATRY NY FANKATOAVANA

Katsaho hatrany ny hanomezana voninahitra ho an'i Tompo dia ho voasarona ny fahalemenao rehetra
« Izay miteny ho azy dia mitady ny voninahitry ny tenany; fa izay mitady ny voninahitr'izay naniraka azy no marina, ary tsy misy tsi-fahamarinana ao aminy. » (Jaona 7:18)
hiteraka fiainam-pitahiana ho anao izany
« Fa hoy Izy tamiko: Indro, hanan'anaka ianao ka hiteraka zazalahy; koa ankehitriny aza misotro divay na toaka ianao, ary aza mihinana akory izay zava-padina; fa ho Nazirita ho an'Andriamanitra ny zaza hatrany an-kibo ka ambara-pahafatiny » (Mpitsara 13:7)
KRISMASY VAOVAO!
HO AVY VAOVAO NO MIANDRY ANAO!
MINOA.

MILA OLONA SAHY MANATANTERAKA NY BAIKONY TSY MISY FEPETRA NY TOMPO

Tandremo sao ny voninahitra avy @ olona no lehibe noho ny avy @ i Tompo
« Fa tia ny voninahitra avy amin'ny olona izy ireo, fa tsy ny voninahitra avy amin'Andriamanitra. » (Jaona 12:43)
sahia mijoro @ izay mission anirahan'i Kristy ao anatinao
« satria Izaho tsy niteny ho Ahy, fa ny Ray Izay naniraka Ahy, Izy no nandidy Ahy izay holazaiko sy izay hotoriko. » (Jaona 12:49)
VITANAO IZANY!
MATOKIA.

RAHA AVELANAO HIORIANA LALINA AO ANATINAO OLON'I KRISTY NY RANY DIA HITSIMBADIKA NY FIAINANAO SY NY JEROSALEMANAO

Tahaka ny ony mikoriana lalina ao anatinao olon'i Kristy ny rany izay hiteraka fanasitranana ny @ lafiny rehetra eo @ fiainanao
« Ary ny zava-manan'aina rehetra sesehena na aiza na aiza alehan'ny ony tondraka dia ho velona, ka hisy hazandrano sesehena; fa nony tonga ao ity rano ity, dia ho sitrana izy, ary ho velona izay rehetra hidiran'ny ony. » (Ezekiela 47:9)
sy ho an'ny hafa
« Ary eny amoron'ny ony, eny an-daniny roa, no anirian'ny hazo rehetra fihinam-boa; tsy halazo ny raviny, na ho lany ny voany; fa hamoa voa vaovao isam-bolana izy, satria mivoaka avy ao amin'ny fitoerana masina ny ranony; ary ho fihinana ny voany, ary ho fanafody ny raviny. » (Ezekiela 47:12)
MINOA!
DIA HIHATRA AVY HATRANY IZANY.

FANDRESENA MIEZINEZINA NO VOKATRY NY FIRAISAN-TSAINAN'NY SAMY OLON'I KRISTY

Tsy misy ambony sy ambany eo anatrehan'i Kristy ary mila tena mifanompo ny samy Kristiana
« Koa raha Izaho, Tompo sy Mpampianatra aza, no nanasa ny tongotrareo, ianareo kosa mba tokony hifanasa tongotra.Fianarana no nomeko anareo, mba hanaovanareo araka izay nataoko taminareo. » (Jaona 13:14-15)
hiteraka fahasahiana hiatrika ady mafy izany
« ... ary izy nampaka an'i Barnabasy sy Saoly hankao aminy ka naniry mba hahare ny tenin'Andriamanitra.Fa Elyma, mpanao ody (fa izany no anarany, raha adika), nanohitra azy roa lahy sady nitady hampivily ny governora tsy hanaiky ny finoana.Fa Saoly kosa, izay atao hoe koa Paoly, feno ny Fanahy Masina, dia nibanjina azy ka nanao hoe: Ialahy feno ny fitaka rehetra sy ny fahafetsena rehetra, ialahy zanaky ny devoly sady fahavalon'ny fahamarinana rehetra, tsy hitsahatra tsy hamily ny lala-mahitsin'ny Tompo va ialahy? Ary, indro, ankehitriny ny tanan'ny Tompo hamely an'ialahy, dia ho jamba ialahy ka tsy hahita masoandro aloha. Dia latsaka tao aminy niaraka tamin'izay ny mampanjambena sy ny aizina, ary niraparapa nitady olona hitantana azy izy.Ary ny governora, nony nahita izay efa natao, dia nino sady talanjona tamin'ny fampianaran'ny Tompo. » (Asan'ny Apostoly 13:7-12)
VOKATR'IZANY DIA HO RESY NY MPANOMPO SAMPY ARY HIOVA FO NY MPITONDRA!!
MINOA.

TSY MISY SARO-PIARO NY MOMBA ANAO OLONY MIHOATRA AN'I KRISTY

Raha misy mahazo anao sy ny jerosalemanao olon'i Kristy dia voakasika izany koa Izy
« Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Saro-piaro dia saro-piaro an'i Ziona Aho, eny, saro-piaro azy amin'ny fahatezerana mafy Aho. » (Zakaria 8:2)
ho eo Izy
« Fa tsy tampoka no hivoahanareo, ary tsy lositra no handehananareo; fa Jehovah no hitarika anareo eo aloha, ary Andriamanitry ny Isiraely no ho vodi-lalanareo. » (Isaia 52:12)
ary tsy amelany raha tsy hivaha izany
« Izao no lazain'i Jehovah: Efa tafaverina ho eto Ziona Aho ka honina eto afovoan'i Jerosalema; ary Jerosalema dia hatao hoe Tanànan'ny fahamarinana, ary ny tendrombohitr'i Jehovah, Tompon'ny maro, dia hatao hoe Tendrombohitra masina. » (Zakaria 8:3)
MINOA!
MATOKIA!
MAHEREZA.

MASINA IANAO OLON'I KRISTY ARY MENDRIKA NY AMPAHALALANA "SECRETS" MARO

Ry Kristiana o!hafa ny teo aloha
« tahaka ny zanaka manoa, tsy mitondra tena araka ny filanareo fahiny tamin'ny tsi-fahalalanareo; » (1 Petera 1:14)
fa ankehitriny hamasino ny tenanao
« fa araka ny fahamasinan'ilay niantso anareo, dia aoka mba ho masina koa ianareo amin'ny fitondran-tena rehetra,satria voasoratra hoe: "Ho masina ianareo, satria masina Aho" (Lev. 11.44). » (1 Petera 1:16)
dia ho hitanao fa hahalala zava-miafina maro ianao
« izay nanaovana ahy ho mpanompo araka ny fitondran'Andriamanitra nomena ahy ho anareo, hahatanteraka ny fitoriana ny tenin'Andriamanitra,dia ny zava-miafina, ilay voàfina hatramin'ny fahagola sy ny taranaka maro, fa voaseho ankehitriny amin'ny olony masina, » (Kolosiana 1:25-26)
MATOKIA!
ARY MIVONONA HANDRAY HOSOTRA HITONDRA FANOVANA!!!

FOTOANA FIOMBONAN'NY MPINO MBA HANDRAVANA HAINGANA DIA HAINGANA NY FANJAKAN'NY MAIZINA IZAO

Iray ny Fanahy
« Zarazaraina ho samy hafa ny fanomezam-pahasoavana, nefa ny Fanahy dia iray ihany. » (1 Korintiana 12:4)
Iray ny Tompo hivavahana
« Ary zarazaraina ho samy hafa ny asa, nefa Andriamanitra dia iray ihany, Izay miasa ny zavatra rehetra amin'ny olona rehetra. » (1 Korintiana 12:6)
na dia samihafa aza ny anjara fanompoana
« Ary izy rehetra dia samy nomena ny fampisehoana ny Fanahy hahasoa.Fa ny anankiray nomen'ny Fanahy teny fahendrena, ary ny anankiray teny fahalalana, araka izany Fanahy izany ihany,ary ny anankiray finoana, amin'izany Fanahy izany ihany, ary ny anankiray fanomezam-pahasoavana ho enti-mahasitrana, amin'izany Fanahy iray izany ihany,ary ny anankiray ny manao fahagagana*, ary ny anankiray ny maminany, ary ny anankiray ny mahafantatra fanahy samy hafa, ary ny anankiray ny miteny amin'ny fiteny samy hafa tsy fantatra, ary ny anankiray ny mandika fiteny tsy fantatra. [* Gr. hery] » (1 Korintiana 12:7-10)
Atambaro ny hery dia ho resy avy hatrany satana!!
HITA NY VAHA-OLANA!!
ANJARATSIKA SISA NO MANATANTERAKA!!
VITA IO E!
ATOMBOY AMINAO!!!
MAHEREZA.

MPAMPIHAVANA KRISTY AO ANATINAO

Tsy azo atao ny mitahiry fahatezerana
« Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Izay rehetra tezitra* amin'ny rahalahiny dia miendrika hohelohina amin'ny fitsarana; ary na zovy na zovy no hanao amin'ny rahalahiny hoe: Olom-poana ianao, dia miendrika hohelohina amin'ny Synedriona; ary na zovy na zovy no hanao hoe: Foka ialahy, dia miendrika ho ao amin'ny helo mirehitra afo. [*Na: tezitra foana] » (Matio 5:22)
aleo mikatsaka izay hiavanana
« Mihavàna faingana amin'ilay manana ady aminao, raha mbola miara-dia aminy ianao, fandrao ilay manana ady aminao hanolotra anao amin'ny mpitsara, ary ny mpitsara kosa hanolotra anao amin'ny mpamatotra, ka hatao ao an-tranomaizina ianao.Lazaiko aminao marina tokoa: Tsy ho afaka ao mihitsy ianao, ambara-pandoanao ny variraiventy farany indrindra. » (Matio 5:25-26)
Kristy ao anatinao mantsy te-hanatanteraka ny sitrapon'ny Rainy
« Fa tsy nidina avy tany an-danitra Aho mba hanao ny sitrapoko, fa ny sitrapon'izay naniraka Ahy. » (Jaona 6:38)
IANAO KOA!
SAHIA MIJORO HO VAVOLOMBELONY!!
VITANAO IZANY!
MATOKIA!
MAHEREZA.

HANDRAY AN-TANANA TANTERAKA NY FIAINANAO OLONY KRISTY

Miaraka aminao olony Kristy:Izy no manana ny fiadiana hiarovana anao
« Raha ny mahery mivonona amin'ny fiadiany no miaro ny tranony, dia tsy haninona ny fananany. » (Lioka 11:21)
@ anarany no handroahanao ny fanahy ratsy
« Fa raha ny rantsan-tànan'Andriamanitra no amoahako ny demonia, dia tonga aminareo tokoa ny fanjakan'Andriamanitra. » (Lioka 11:20)
ho sambatra ianao
« Fa Izy nanao hoe: Eny tokoa, kanefa mainka sambatra aza ny mihaino ny tenin'Andriamanitra ka mitandrina izany. » (Lioka 11:28)
MINOA!
DIA HISANTATRA NY FIAINAN-DANITRA DIENY ETY AN-TANY IANAO!!!

AROVAN'I KRISTY @ FOMBA MAHAGAGA IANAO OLONY IZAY MPANKATO AZY

Izay eken'i Kristy ihany atao
« Fa Petera sy ny Apostoly namaly ka nanao hoe: Andriamanitra no tokony hekena mihoatra noho ny olona. » (Asan'ny Apostoly 5:29)
raha misy manenjika ny @ izany ianao
« dia nisambotra ny Apostoly izy ka nanao azy tao an-tranomaizina. » (Asan'ny Apostoly 5:18)
AZA MANAHY fa hisy hiaro
« Fa nisy anjelin'ny Tompo namoha ny varavaran'ny tranomaizina nony alina, dia nitondra azy nivoaka ... » (Asan'ny Apostoly 5:19)
ary ho talanjona na ny mpanapaka aza
« Ary hoy izy: Ka no indro aho mahita efa-dahy tsy mifatotra, mandehandeha eo anaty afo, nefa tsy maninona tsy maninona akory izy; ary ny fijery ilay fahefatra dia toa zanak'ireo andriamanitra. » (Daniela 3:25)
MIROSOA AZA MISALASALA MANAO NY ASANY FA MENDRIKA NY HANOVA TANTARA IANAO!
MAHEREZA.

HOROAHIN'I KRISTY TSY MISY INDRAFO IREO FANAHY RATSY REHETRA EO AN-TANANANAO

Na firy na firy ny fanahy ratsy eo an-tanananao ka mitady hitokona tsy hiala
« Ary nifona mafy taminy izy mba tsy horoahiny hiala amin'izany tany izany. » (Marka 5:10)
dia horoahin'i Kristy ao anatinao hivalona any an-dranomasina
« Ary nifona taminy ireo ka nanao hoe: Alefaso izahay ho any anatin'ny kisoa mba hiditra any aminy.Dia neken'i Jesosy. Ary ny fanahy maloto, rehefa nivoaka, dia niditra tao anatin'ny kisoa; ary ireo kisoa andiany ireo nitratrevatreva teny amin'ny hantsana ho any amin'ny ranomasina (tokony ho roa arivo no isany), ka dia maty* tany amin'ny ranomasina izy.[*Gr. kenda] » (Marka 5:13)
SAHIA MIHIKA MAFY @ ANARAN'I JESOA KRISTY HOE:"MIALA IANAREO RY SATANA SY NY FORONGONY!!!"

HANANA HOAVY MAMIRAPIRATRA IZAY MATAHOTRA AN'I TOMPO

Mariky ny fahatahorana an'Andriamanitra ny fankahalana ny ratsy
« Ny fankahalana ny ratsy no fahatahorana an'i Jehovah. Ny fiavonavonana sy ny fireharehana sy ny lalana ratsy Ary ny vava fandainga dia samy halako avokoa. » (Ohabolana 8:13)
Ho voatahy tahaka an'i Mpanjaka Solomona ianao satria iainanao izany
« Ary na izay tsy nangatahinao aza dia efa nomeko anao koa, dia harena sy voninahitra, ka tsy hisy* mpanjaka tahaka anao amin'ny andronao rehetra.[Na: nisy] » (1 Mpanjaka 3:13)
FANAMBY EFA VITA IO FA MANANGANA FOTSINY IANAO SISA!!
MATOKIA.

HAMOAKA HARENA MIAFINA HO ANAO OLONY KRISTY

Hisy harena miafina havoak'Andriamanitra hamahana ny olanao sady hiteraka fiadanana ho anao
« Hahatonga volamena Aho ho solom-barahina, ary hahatonga volafotsy ho solom-by, ary varahina ho solon-kazo, ary vy ho solom-bato; ny fiadanana no hataoko fanapahana anao, ary ny fahamarinana no ho mpampiasa anao*.[Na: Hataoko fiadanana ny fanapahana anao ary fahamarinana ny mpampiasa anao] » (Isaia 60:17)
eny havotan'i Kristy @ fombany ianao olony
« Ary hinono amin'ny jentilisa ianao sady hinono amin'ny mpanjaka; ka dia ho fantatrao fa Izaho Jehovah no Mpamonjy anao, ary Ilay Maherin'i Jakoba no Mpanavotra anao. » (Isaia 60:16)
MINOA!
MATOKIA DIA HOAMARININY AVY HATRANY NY TENINY.

MANDRAY NY FIFONANAO KRISTY

Endrika maro no afaka hikasianao ny fon'i Tompo
« Ary rehefa hitan'Andriamanitra ny nataon'ireo ny amin'ny nialany tamin'ny lalan-dratsiny, dia nanenina Izy ny amin'ny loza izay nolazainy hamelezany azy, ka tsy nataony izany. » (Jona 3:10)
fiderana Azy
« Fa izaho, dia feo midera no entiko mamono zavatra hatao fanatitra ho Anao, Ary izay nivoadiako dia hefaiko; An'i Jehovah ny famonjena. » (Jona 2:10)
fahafoizana ny toetra ratsy
« Fa aoka samy hisarona lamba fisaonana ny olona sy ny biby fiompy, ary aoka hitaraina mafy amin'Andriamanitra izy, ary aoka samy hahafoy ny lalany ratsy sy ny fandozana eny an-tanany avy izy rehetra. » (Jona 3:8)
fibebahana arahina fifadian-kanina
« Dia nino an'Andriamanitra ny mponina tao Ninive ka niantso fifadian-kanina sady nitafy lamba fisaonana hatramin'ny lehibe ka hatramin'ny kely. » (Jona 3:5)
HAHASOA ANTSIKA NY FANAOVANA DINGANA HANAO IZANY!
MATOKIA.

HOAVY TONGA LAFATRA NO HOVANTANINAO OLON'I KRISTY

Ampahatoniana no iainanao ny hoavinao olon'i Kristy satria efa mialoha lalana Izy
« Fa tsy tampoka no hivoahanareo, ary tsy lositra no handehananareo; fa Jehovah no hitarika anareo eo aloha, ary Andriamanitry ny Isiraely no ho vodi-lalanareo. » (Isaia 52:12)
ary hitarika anao @ fomba mahagaga koa ny Fanahiny Masina
« ..., dia nentin'ny Fanahin'ny Tompo Filipo ka tsy hitan'ilay tandapa intsony;... » (Asan'ny Apostoly 8:39)
SAHIA HO AMPIASAINY ARY MINOA DIA HAHATSAPA ZAVA-BAOVAO FOANA IANAO!
MAHEREZA!!

MILA OLONA SAROPIARO @ VONINAHINY ANDRIAMANITRA

Meteza ho isan'ireo olona onena mahita ireo toe-javatra tsy mendrika ny voninahitry ny Tompo
« Ary hoy Jehovah taminy: Mandehana mamaky ny tanàna, dia Jerosalema, ka asio marika ny handrin'ny olona izay misento sy mitaraina noho ny fahavetavetana rehetra atao eo aminy. » (Ezekiela 9:4)
satria tahaka ny manisy ratsy an'i Kristy izany
« Dia nororany ny tavany, ka nasiany totohondry Izy; ary ny sasany namely tahamaina Azy. » (Matio 26:67)
HAMINDRA FO HO AN'I FIRENENAO NY TOMPO SATRIA MISY IANAO IZAY MANAIKY HATRANY HIFONA EO ANATREHANY!

AZA MANAHY RY MALAGASY O! FA I KRISTY EFA VONONA HANAVOTRA ANAO

Hoy ny Tompo ho an'i Firenenao:
Aza matahotra

« Amin'izany andro izany dia holazaina amin'i Jerosalema hoe: Aza matahotra Ary aza miraviravy tanana, ry Ziona. » (Zefania 3:16)
fa efa eto Aho hamonjy anao sady hataoko am-pifaliana izany
« Jehovah Andriamanitrao no ao aminao, Mahery Izy ka hamonjy; Hiravoravo anao amin'ny fifaliana Izy; Ho sondriana amin'ny fitiavany Izy; Hifaly anao amin'ny fihobiana Izy. » (Zefania 3:17)
ary ho firenena miavaka ianao
« Amin'izany andro izany no hitondrako anareo miditra, Eny, amin'izany andro izany no hanangonako anareo; Fa hataoko ho anarana sy ho fiderana any amin'ny firenena rehetra amin'ny tany ianareo, Raha hampodiko avy amin'ny fahababoana ianareo, ka ho hitan'ny masonareo izany, hoy Jehovah. » (Zefania 3:20)
MANEKE ARY IANAO HO AMPIASAINY MBA HANAFAINGANA IZANY!
MAHEREZA.

MIVONONA HAHITA FANOVANA HATAON'I KRISTY ETO MADAGASIKARA

Hahita ny vokatry ny herin'i Kristy eto @ firenenao (izay ivelan'i Isiraely) ianao
« Ary ny masonareo no hahita, ka dia hiteny ianareo hanao hoe: Jehovah dia lehibe any an-koatry ny tanin'ny Isiraely. » (Malakia 1:5)
ary na dia ireo mpanejika Azy aza havotany @ fombany
« Ary raha nandeha aho ka mby teo akaiky an'i Damaskosy, tamin'ilay antoandrobe iny, dia nisy mazava lehibe nanelatrelatra tampoka avy tany an-danitra manodidina ahy;dia lavo tamin'ny tany aho ka nandre feo nilaza tamiko hoe: Saoly, Saoly, nahoana ianao no manenjika Ahy? Ary izaho namaly hoe: Iza moa Hianao, Tompoko? Dia hoy Izy tamiko: Izaho no Jesosy avy any Nazareta, Izay enjehinao. » (Asan'ny Apostoly 22:6-8)
MINOA!
ARY AZA TAITRA MANDRAY VALIM-BAVAKA HAMPITOLAGAGA.

TSY MISY FETRA NY FAMINDRAMPON'ANDRIAMANITRA

Na dia olona tsy natahotra an'i Tompo
« Ny ota milaza ato am-poko ny amin'ny ratsy fanahy hoe: tsy misy fahatahorana an'Andriamanitra ao aminy. » (Salamo 36:1)
nisain-dratsy foana aza
« Faharatsiana no saintsaininy eo am-pandriany; mitsangana eo amin'ny lalana tsy mety izy; ny ratsy tsy mba laviny akory. » (Salamo 36:4)
dia hahazo famondrampo
« Endrey ny hatsaran'ny famindram-ponao, Andriamanitra ô! ka mialoka eo amin'ny aloky ny elatrao ny zanak'olombelona.Voky ny matavy ao an-tranonao izy; ary ny ony fampifalianao no ampisotroanao azy.Fa ao aminao no misy loharanon'aina; ny fahazavanao no hahitanay fahazavana. » (Salamo 36:7-9)
rehefa hanaiky hiverina Aminy
« Ampahareto amin'izay mahalala Anao ny famindram-ponao, ary ny fahamarinanao amin'ny mahitsy fo. » (Salamo 36:10)

MINOA,ARY AZA KETRAKA MAMPAHAFANTATRA IZANY!
MAHEREZA.

AMPIASAO NY FAHEFANAO OLON'I KRISTY HANDRAVA NY ASAN'NY MAIZINA

Voairaka mba hanoitra ny fanahy ratsy ianao
«... Nahare filazana avy tamin'i Jehovah izahay, Ary nisy iraka nalefa ho any amin'ny jentilisa hanao hoe: Mitsangàna, aoka isika hitsangana hanafika azy! » (Obadia 1)
hanongotra azy mba tsy hanankery intsony
« Noho ny fampahoriana an'i Jakoba rahalahinao dia ho voasaron-kenatra ianao Ka ho fongotra mandrakizay. » (Obadia 10)
ary hanampy anao ireo anjelin'i Tompo tsy hita isa
« Ary ataonao va fa tsy mahazo mangataka amin'ny Raiko Aho, dia haniraka anjely tsy omby roa ambin'ny folo legiona ho ety amiko Izy ankehitriny? » (Matio 26:53)
EFA RESY SATANA ARY HOPOROFOIN'I KRISTY @ ALALANAO IZANY!!
SAHIA!
MATOKIA.

HANDRAY AN-TANANA NY ANKOHONANAO OLONY KRISTY

Hahita fitia @ Andriamanitra ny ankohonanao
« Amin'izany andro izany, hoy Jehovah, dia ho Andriamanitry ny isam-pianakavian'ny Isiraely Aho, ary izy ho oloko. » (Jeremia 31:1)
hositraniny
« Fa hotanterahiko ny fanasitranana anao, eny, hositraniko ny faharatranao, hoy Jehovah, ...» (Jeremia 30:17)
harovany
« Fa momba anao hamonjy anao Aho, hoy Jehovah; Koa na dia levoniko aza ny firenena rehetra izay nampielezako anao, Hianao tsy mba holevoniko; Nefa kosa mba hanariko araka ny antonony ihany ianao, fa tsy dia havelako fotsiny. » (Jeremia 30:11)
ho ampiadaniny
« Fa Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, hoy Jehovah, dia hevitra hahatonga fiadanana, fa tsy loza, mba hanome anareo fanantenana ny amin'ny farany*.[Heb. farany sy fanantenana] » (Jeremia 29:11)
Derao Izy fa mendrika Azy izany
« Hihoby ny molotro raha mankalaza Anao; ny fanahiko koa izay efa navotanao;Ary ny lelako hitory ny fahamarinanao mandrakariva; fa efa menatra sy mangaihay izay mitady hanisy ratsy ahy. » (Salamo 71:23-24)
MINOA DIA HO TSAPANAO AVY HATRANY IZANY!!
MAHEREZA.

RAISO NY VALIM-BAVAKA MENDRIKA ANAO OLON'I KRISTY

Ambarao!ankalazao fa taona ankasitrahan'i Tompo izao
« Hitory taona ankasitrahan'i Jehovah sy andro famalian'Andriamanitsika, hampionona ny malahelo rehetra, » (Isaia 61:2)
hitsimbadika ny tantara ka ny vahiny indray no hanompo anao
« Ary ny vahiny honina ao ka hiandry ny ondry aman'osinareo, ary ny hafa firenena ho mpiasa tany sy ho mpamboatra tanim-boaloboka ho anareo, » (Isaia 61:5)
ary ho voatahy ianao
« Hanolotra ho an'ny malahelo ao Ziona, eny, hanome azy namama ho solon'ny lavenona, sy diloilo fifaliana ho solon'ny fahalahelovana, ary fitafiana fiderana ho solon'ny fanahy reradreraka, mba hanaovana azy hoe Hazon'ny fahamarinana, nambolen'i Jehovah ho fampisehoam-boninahitra. » (Isaia 61:3)
AZA MIERIKERIKA FA FIKIRO NY TENY FIKASANA EFA VOASORATRA HO ANAO!
MATOKIA!
MAHEREZA.