"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

HANOVA TANTARA HATRANY AM-PARAN'NY TANY KRISTY AO ANATINAO

Tsy ho iraka hitondra fanavotana azo antoka ho an'i Jerosalemanao fotsiny Kristy ao anatinao fa hitondra anao hitety tany ho famonjena ny hafa koa Izy
« Eny, hoy Izy: Mbola zavatra kely foana, raha tonga Mpanompoko hanandratra ny firenen'i Jakoba Hianao sy hampody ny Isiraely sisa voaro; Fa homeko ho fanazavana ny jentilisa koa Hianao, mba ho famonjeko hatrany amin'ny faran'ny tany. » (Isaia 49:6)
MITSIKIA ARY MANEKE ARY HO IRAKA MAHAGAGA!!!
EFA VITA IO FA MANANGANA FONTSINY IANAO SISA!!!
MATOKIA.

SAHIA HO ISAN'IREO MINO NY FAHATANTERAHAN'NY TENIN'ANDRIAMANITRA DIENY IZAO

Tsy teny fikasana ny fiainam-piadanana atolotr'i Kristy ho anao olony aminao fa efa miaina an'izany dieny izao ianao dia minoa fa hoamarininy izany
« Endrey ny hatsaran'ny lainao, ry Jakoba ô! sy ny lasinao, ry Isiraely ô!Tahaka ny lohasaha malalaka, tahaka ny saha ao amoron'ony, tahaka ny hazo manitra nambolen'i Jehovah, tahaka ny hazo sedera ao amoron-drano.Hisy rano mandeha avy eo amin'ny sininy, ary ny taranany ho any amoron'ny renirano maro. Hisandratra noho Agaga ny mpanjakany, ary handroso voninahitra ny fanjakany. » (Nomery 24:5-7)
HANAO IZAY TIANY HATAO HO ANAO IZAY NAHATOKY AZY NY MPONIN'NY LANITRA!!!
MATOKIA.

FANAMBINANA NO VOKATRY NY FANKATOAVANA

Ny fanambinana dia azo avy @ fankatoavana ny sitrapon'Andriamanitra
« Ary Zakaria, zanak'i Joiada mpisorona, notsindrian'ny Fanahin'Andriamanitra, dia nitsangana teo amin'ny avoavo teo anatrehan'ny vahoaka izy ka nanao taminy hoe: Izao no lazain'Andriamanitra: Nahoana ianareo no mandika ny didin'i Jehovah ka tsy mahita fanambinana? Satria efa nahafoy an'i Jehovah ianareo, dia nahafoy anareo kosa Izy. » (2 Tantara 24:20)
@ izay dia Kristy mihitsy no hilaza fa havany (mpiray lova Aminy)ianao
« Fa na iza na iza no manao ny sitrapon'Andriamanitra, dia izy no rahalahiko sy anabaviko ary reniko. » (Marka 3:35)
FANAMBY APETRANY AMINAO OLONY IZANY!!!
MATOKIA!
MAHEREZA.

ASA MASINA NY ASANAO OLON'I KRISTY

Solotenan'i Kristy ety an-tany ianao olony:Izay mihaino anao dia tahaka ny mihaino Azy
« Izay mihaino anareo dia mihaino Ahy; ary izay mandà anareo dia mandà Ahy; ary izay mandà Ahy dia mandà Izay naniraka Ahy. » (Lioka 10:16)
izay ataonao dia tahaka ny manao ny Asany,mihoatra aza
« Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mino Ahy, ny asa ataoko no hataony koa; ary hanao asa lehibe noho izany aza izy, satria Izaho mankany amin'ny Ray. » (Jaona 14:12)
MAZOTOA ARY FA MILANAO HANAPOROFO NY HERINY KRISTY!!!
MAHEREZA.

MPIAMBINA MAHAVITA AZY IANAO OLON'I KRISTY

Zonao Olon'i Kristy no mangataka tsy miato mba hahatonga ny Jerosalemanao hanompo Azy
« Jehovah ô, ampivereno aminao izahay, mba hiverenanay; Havaozy ho toy ny fahiny ny andronay. » (Fitomaniana 5:21)
sy hanaiky hotarihiny h@ taranaka faramandimby
« Jehovah ô, ianao no mipetraka mandrakizay, eny, ny seza fiandriananao no maharitra hatramin'ny taranaka fara mandimby. » (Fitomaniana 5:19)
Vitanao izany.
SATRIA MINO IANAO DIA HAMALY ANAO AVY HATRANY NY TOMPO!!!
MATOKIA!!!
MAHEREZA.

HIAIKY AN'I KRISTY IZAY TOMPOINAO NY MPANAPAKA

Ry Olon'i Kristy!miomana fa ny mpanapaka no hilaza fa mpanompon'Andriamanitra Avo indrindra ianao
« Dia nanatona ny varavaran'ny lafaoro nisy afo mirehitra Nebokadnezara ka niantso hoe: Ry Sadraka sy Mesaka sy Abednego, mpanompon'Andriamanitra Avo Indrindra, mivoaha, ka avia aty. Dia nivoaka avy teo anatin'ny afo Sadraka sy Mesaka ary Abednego. » (Daniela 3:26)
ary lasa hijoro sy hanara-dia anao koa Izy
« Nebokadnezara mpanjaka nampitondra teny ho any amin'ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra, izay monina amin'ny tany rehetra, nanao hoe: Hitombo anie ny fiadananareo.Sitrako ny hanambara ny famantarana sy ny fahagagana izay nataon'Andriamanitra Avo Indrindra tamiko.Akory ny halehiben'ny famantarany! Ny fanjakany dia fanjakana mandrakizay, ary ny fanapahany dia hahatratra ny taranaka fara mandimby. » (Daniela 3:31-33)

HO TANTERAKA NY TENY FIKASANA:

"HO TONGA NY FANJAKANAO,HATAO NY SITRAPONAO,ETY AN-TANY TAHAKA NY ANY AN-DANITRA!!!"

MINOA!!!

TSY MAINTSY HISANDRATRA NY VONINAHITR'ANDRIAMANITRA

Mahasoa anao olon'i Kristy ny fanaparitahanao ny momban'ny fahamarinany
« Lazaonareo ny amin'ny marina fa hahita soa izy, Fa ny vokatry ny asany no hohaniny. » (Isaia 3:10)
ambarao ary fa tsy tokony hahatoky olona
« Mitsahara, fa aza mitoky amin'ny olona; Fa fofonaina foana no eo am-bavorony, Ka hatao zinona izy? » (Isaia 2:22)
fa an'i Jehovah ihany
« Ary ny fireharehan'ny zanak'olombelona hatao mitanondrika, Ary ny fiavonavonan'ny olona haetry; Fa Jehovah ihany no hisandratra amin'izany andro izany. » (Isaia 2:17)
HO TONGA FAINGANA IZANY SATRIA NANAIKY HIJORO HO VAVOLOMBELONA HANAPOROFO IZANY FOANA IANAO!!!
MAHEREZA.

METY KELY IANAO OLON'I KRISTY EO ANATREHAN'NY HAFA FA LEHIBE KOSA EO ANATREHAN'ANDRIAMANITRA

Na maro mpanamavo aza ianao olon'i Kristy,mijoroa fa efa nofidin'i Tompo hitondra fanovana
« Izao no lazain'i Jehovah, Mpanavotra ny Isiraely, dia ny Iray Masiny, Amin'Ilay hamavoin'ny olona sy halan'ny firenena ka tonga mpanompon'ny mpanapaka: Ny mpanjaka hahita ka hitsangana, ary ny mpanapaka koa, ka dia hiankohoka noho ny amin'i Jehovah, Izay mahatoky dia ny Iray Masin'ny Isiraely, izay efa nifidy Anao. » (Isaia 49:7)
hatrany @ faran'ny tany
« Eny, hoy Izy: Mbola zavatra kely foana, raha tonga Mpanompoko hanandratra ny firenen'i Jakoba Hianao sy hampody ny Isiraely sisa voaro; Fa homeko ho fanazavana ny jentilisa koa Hianao, mba ho famonjeko hatrany amin'ny faran'ny tany. » (Isaia 49:6)
sady ho voatahy
« Tsy ho noana na hangetaheta izy, ary tsy hamely azy ny hainandro migaingaina na ny masoandro; fa Izay mamindra fo aminy no hitarika azy, ary any amin'ny loharano miboiboika no hitondrany azy. » (Isaia 49:10)
MINOA!!!
MANEKE HO IRAKA HANOVA TANTARA!!!
MAHEREZA.

HANAPOROFO AMINAO OLONY ANDRIAMANITRA FA MPAMONJY MORA AZO INDRINDRA IZY

Hamonjy anao @ fombany ny Tompo
« Nefa hovonjeko ianao amin'izany andro izany, hoy Jehovah, fa tsy mba hatolotra eo an-tànan'ny olona izay atahoranao. » (Jeremia 39:17)
eny na ny ankohonanao aza ho voavonjy satria ianao mino an'i Kristy zanany
« ... Minoa an'i Jesosy Tompo, dia hovonjena ianao sy ny ankohonanao. » (Asan'ny Apostoly 16:31)
Aza manahy!Vitany izany
« Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an'ny zanakareo, tsy mainka va ny Rainareo Izay any an-danitra no hanome zava-tsoa ho an'izay mangataka aminy? » (Matio 7:11)
MINOA!!!
MATOKIA!
MAHEREZA.

HIFALY AMINAO NY LANITRA SATRIA IANAO MAHARITRA MIVAVAKA HO AN'NY HAFA

Tahaka ny mpiandry ondry mitandrina ny ondriny ianao Kristiana tia mivavaka ho an'ny hafa
« Ary nisy mpiandry ondry tamin'izany tany izany nitoetra tany an-tsaha nitandrina ny ondriny tamin'ny alina. » (Lioka 2:8)
Hiadana ianao satria ankasitrahan'i Tompo izany
« Ary nisy anjely maro be avy any an-danitra niseho tampoka niaraka tamin'ilay anjely teo ka nidera an'Andriamanitra nanao hoe:Voninahitra any amin'ny avo Indrindra ho an'Andriamanitra! Ary fiadanana ho ety ambonin'ny tany amin'ny olona ankasitrahany*. [*Na: Fankasitrahana ho amin'ny olona] » (Lioka 2:13-14)
FANTARO ARY FA TSY IRERY IANAO FA HIARAKA AMINAO HATRANY NY MPONIN'NY LANITRA!!!
MATOKIA!
MAHEREZA.

HAFA EO ANATREHAN'I KRISTY IANAO SATRIA MIHINANA NY TENINY ISAN'ANDRO

Ankasitrahan'Andriamanitra ny famakiana sy fandalinana ary ny fankatoavanao ny teniny isan'andro
« Ary ny toe-panahin'ireo dia tsara noho ny tao Tesalonika; satria nandray ny teny tamin'ny zotom-po indrindra ireo ka nandinika ny Soratra Masina isan'andro, na marina izany, na tsia. » (Asan'ny Apostoly 17:11)
Matokia satria Kristy mihitsy no handoka anao
« Jesosy nahita an'i Natanaela avy manatona Azy, dia nilaza azy hoe: Indro ny tena Isiraelita tsy misy fitaka. » (Jaona 1:47)
HO VOATAHY MANOKANA IANAO!!!
MINOA!!
MAHEREZA.

AZA AVELA HANGINA NY FEON'NY FANAHY MASINA AO ANATINAO OLON'I KRISTY

Ry Kristiana,tsy sitraky ny Tompo raha tsy hilaza izay teny ambaran'ny Fanahy Masina aminao ianao
« ..., ary ny mpaminany noraranareo hoe: Aza maminany. » (Amosa 2:12b)
Lazao!dia ho tsapanao fa hanaja izany ny hafa
« Ary izay nandeha teo alohany sy izay nanaraka teo aoriany dia samy niantso hoe: Hosana! Isaorana anie Izay avy amin'ny anaran'i Jehovah!Hotahina anie ny fanjakana izay avy, dia ny an'i Davida raintsika! Hosana any amin'ny avo indrindra. » (Marka 11:9-10)
MINOA FA HAHITA TSIRONY AO AMIN'NY FANJAKAN'ANDRIAMANITRA DIENY ETY AN-TANY IANAO!!!
MAHEREZA.

FOTOANA FITOMBON'NY HOSOTRA AMIN'NY MAHA-ZANAK'ANDRIAMANITRA ANAO IZAO

Raha zanak'Andriamanitra tahaka an'i Elia ianao ary efa nahavita fahagagana
« Ary Elia nandray ny kapôtiny ka namalona azy, dia nikapoka ny rano, ary nisaraka roa ny rano, ka dia nita tamin'ny tany maina izy roa lahy. » (2 Mpanjaka 2:8)
mangataha ho tonga tahaka an'i Elisa dia hitombo avo roa heny
« Ary nony efa tafita izy roa lahy, dia hoy Elia tamin'i Elisa: Angataho izay hataoko ho anao, dieny tsy mbola misaraka aminao aho. Ary hoy Elisa: Masìna ianao, aoka ny anjaran-droa amin'ny fanahinao mba ho ahy. » (2 Mpanjaka 2:9)
IZAY MANGATAKA NO HOMENA!!!
MATOKIA.

IZAY ATAONAO AMIN'NY HAFA NO HATAONY AMINAO

Izay tianao hataon'ny hafa aminao dia ataovy aminy aloha
« Koa amin'izany na inona na inona tianareo hataon'ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa tahaka izany; fa izany no lalàna sy mpaminany. » (Matio 7:12)
aza mitsara mba tsy hotsaraina
« Ary aza mitsara, dia tsy hotsaraina ianareo; aza manameloka, dia tsy hohelohina ianareo; mamelà, dia mba havela ianareo; » (Lioka 6:37)
aza mitsikera mba tsy hotsikeraina
« Ary ahoana no ilazanao amin'ny rahalahinao hoe: Ry rahalahy, aoka hesoriko ny sombin-kazo eo amin'ny masonao, nefa tsy mba hitanao ny andry eo amin'ny masonao? Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny andry eo amin'ny masonao, ary amin'izany dia ho hitanao tsara ny hanesoranao ny sombin-kazo eo amin'ny maso'ny rahalahinao. » (Lioka 6:42)
izay manome no hahazo
« omeo, dia mba homena ianareo; fatra tsara sady ahintsana no afatratra ka mihoatra no homeny ho ao am-pofoanareo. Fa izay fatra ataonareo no hamarana ho anareo kosa. » (Lioka 6:38)
AOKA ARY HO MODELY AMIN'IZANY IANAO E!!!
MAHEREZA.

AZA KIVY NA MARO MPANENJIKA AZA IANAO OLON'I KRISTY

Na maro aza ireo manenjika anao
« Maro noho ny volon-dohako ny isan'izay mankahala ahy tsy ahoan-tsy ahoana; mahery izay ta-hahafaty ahy, dia ny fahavaloko tsy ahoan-tsy ahoana;.... » (Salamo 69:4)
fikiro Kristy izay nanao zavatra maro
« Ary misy zavatra maro hafa koa izay nataon'i Jesosy, ka raha voasoratra tsirairay avokoa izany rehetra izany, ataoko fa izao tontolo izao aza dia tsy omby ny boky voasoratra. » (Jaona 21:25)
ary ny lehibe indrindra @ izany dia Izy namela ny helokao
« fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin'Andriamanitra,nefa hamarinina maimaimpoana amin'ny fahasoavany izy noho ny fanavotana izay ao amin'i Kristy Jesosy,Izay nasehon'Andriamanitra tamin'ny ràny ho fanavotana amin'ny finoana, hanehoana ny fahamarinany amin'ny tsy namalian'Andriamanitra ny fahotana lasa tamin'ny nandeferany,mba hanehoana ny fahamarinany ankehitriny, mba ho marina Izy sady hanamarina izay manana finoana an'i Jesosy. » (Romana 3:23-26)
MIJOROA FA MILA ANAO NY TOMPO MBA HAMPANDROSO NY FANJAKANY DIENY ETY AN-TANY!!!
MAHEREZA.

TSY HISY AFAKA HANAKANA NY PLANIN'I KRISTY AO ANATINAO

Kristy mihitsy no:hanova ny fo sy fanahinao
« Ary homeko fo vaovao ianareo, ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo, ary hesoriko amin'ny nofonareo ny fo vato, ka homeko fo nofo ianareo.Ary ny Fanahiko no hataoko ao anatinareo, ka hahatonga anareo handeha araka ny lalàko sy hitandrina ny fitsipiko ka hanaraka azy. » (Ezekiela 36:26-27)
hiaro anao mba tsy hahazo latsa
« Ary hataoko tsy mahare ny latsan'ny jentilisa intsony ianao Sady tsy hitondra ny fanaratsian'olona intsony; Ary tsy hahalavo ny firenenao intsony ianao, hoy Jehovah Tompo. » (Ezekiela 36:15)
hanome ny tany
« Ary honina any amin'ny tany izay nomeko ny razanareo ianareo, ka ho oloko ianareo, ary Izaho ho Andriamanitrareo. » (Ezekiela 36:28)
sy hampamokatra izany
« Ary hovonjeko ho afaka amin'ny fahalotoanareo rehetra ianareo, ary hantsoiko sy hataoko vokatra ny vary, ary tsy hanaterako mosary intsony ianareo;ary hataoko vokatra koa ny voankazo sy ny vokatry ny saha, mba tsy ho voalatsan'ny jentilisa amin'ny mosary intsony ianareo. » (Ezekiela 36:29-30)
MINOA DIA MATOKIA ARY AVELAO IZY HANAO IZAY TIANY ATAO!!
MAHEREZA.

FAHEFANA MIAVAKA,FAHENDRENA MIAVAKA NO MENDRIKA ANAO OLON'I KRISTY

Mpanampaka ao @ fanjakan'i Kristy ianao olony
« Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mino Ahy, ny asa ataoko no hataony koa; ary hanao asa lehibe noho izany aza izy, satria Izaho mankany amin'ny Ray. » (Jaona 14:12)
noho izany:
Aza mihemotra

« Dia ny liona, izay mahery indrindra amin'ny biby Ka tsy mihemotra na amin'inona na amin'inona, » (Ohabolana 30:30)
na misaina ny hanao ratsy
« Raha adala ka nanandra-tena ianao, Na efa nisaina hanao ratsy, Dia tampeno ny tananao ny vavanao.Ny fanontsankontsanana ny ronono no miteraka rononomandry, Ny fanolanana ny orona no miteraka rà; Ary ny fanetsiketsehana ny fahatezerana no miteraka ady. » (Ohabolana 30:32-33)
na misotro toaka
« Tsy mety amin'ny mpanjaka, ry Lemoela, Eny; tsy mety amin'ny mpanjaka ny misotro divay, Na amin'ny mpanapaka ny ho fatra-paniry toaka;Fandrao, raha misotro izy, dia manadino ny lalàna Ka mamily ny fitsarana ny zanaky ny fahoriana. » (Ohabolana 31:4-5)
SAHIA ARY MIJORO AMIN'IZANY DIA HO AZO ANTOKA NY FAHOMBIAZANAO!!!
MATOKIA.

TENA HISY NY FANAMELOHANA,TENA HISY KOA ANEFA NY FAMELAN-KELOKA

Izay meloka dia voapanga
« Ary raha manao anakampo ianao hoe: ahoana no nahatonga izao tamiko? Noho ny haben'ny helokao no nampiaingana ny moron-tongotr'akanjonao sy nandratrana ny ombelahin-tongotrao. » (Jeremia 13:22)
misy anefa ny teny fikasana fa izay rehetra manatona an'Andriamanitra
« fa ny teny fikasana dia ho anareo sy ny zanakareo ary ho an'izay rehetra lavitra, na iza na iza hantsoin'i Jehovah Andriamanitsika hanatona Azy. »
(Asan'ny Apostoly 2:39)
@ alalan'i Kristy zanany dia ho voavela
« Ary hoy Petera taminy: Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin'ny anaran'i Jesosy Kristy ianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary ianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina; » (Asan'ny Apostoly 2:38)
RAISO KRISTY DIA AZO ANTOKA FA HO VOAVONJY IANAO!!!
MATOKIA!
MAHEREZA.

IZAY MANOME AM-PITIAVANA DIA HONERAN’I KRISTY MIHOATRA NY AVY 5000 HENY

Izay anananao ka atolotrao am-pitiavana ho an'ny hafa
« Misy zazalahy manana mofo vary hordea dimy sy hazandrano madinika roa, fa ho ampy inona moa izany amin'izao olona betsaka izao? » (Jaona 6:9)
dia zava-dehibe eo anatrehan'i Kristy ao anatinao ka hampitomboiny avy 5000 heny
« Fa hoy Jesosy: Asaovy mipetraka ny olona. Ary nisy ahitra be teo. Ka dia nipetraka ny lehilahy, tokony ho dimy arivo no isany.Dia nandray ny mofo Jesosy; ary rehefa nisaotra, dia nizara izany tamin'izay nipetraka hihinana Izy; ary ny hazandrano koa araka izay nilainy. » (Jaona 6:10-11)
MINOA ARY SAHIA MAMAFY AO AMIN’NY FANJAKANY DIENY ETY AN-TANY E!!!!
MAHEREZA.

NY FINOANAO MARINA AN’I KRISTY DIA AMPY HAHATONGA NY HERIN’NY RATSY TSY HO TAMANA AO ANATINAO

Zanak'Andriamanitra ianao satria mino an'i Kristy
« Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery* ho tonga zanak'Andriamanitra, dia izay mino ny anarany, [*Na: anarana, na fahefana] » (Jaona 1:12)
fikiro ary izany dia hiaina fiainam-baovao ianao
« Izy no nisiam-piainana; ary ny fiainana no fanazavana ny olona. » (Jaona 1:4)
ary hiala ao anatinao ny fanahy ratsy
« Ary ny mazava dia mamirapiratra ao amin'ny maizina; fa ny maizina tsy nandray azy*. [*Na: Tsy mahasakana azy] » (Jaona 1:5)
TANO MAFY ARY IZAY ANANANAO MBA TSY HISY HAKA NY SATRO-BONINAHITRAO!!!
MAHEREZA.

TENA HISY NY FITSARANA

Tsy fahalalana ny sitrapon'Andriamanitra fotsiny no tiany anananao fa ny fankatoavana an'izany mihitsy
« Fa tsy ny mpandre ny lalàna no marina eo anatrehan'Andriamanitra, fa ny mpankatò ny lalàna no hohamarinina; » (Romana 2:13)
tena hisy mantsy ny fitsarana
« Ary nisy iray koa, dia anjely fahatelo, nanaraka ireny ka nanao tamin'ny feo mahery hoe: Raha misy miankohoka eo anoloan'ny bibi-dia sy ny sariny ka mandray ny marika eo amin'ny handriny na amin'ny tànany,dia izy koa no hisotro ny divain'ny fahatezeran'Andriamanitra, izay naidina tao anatin'ny kapoaky ny fahatezerany tsy miharoharo zavatra, sady hampijalina amin'ny afo sy solifara eo anatrehan'ny anjely masina sy eo anatrehan'ny Zanak'ondry iry;ary ny setroky ny fijaliany dia miakatra mandrakizay mandrakizay; ary tsy manam-pitsaharana na andro na alina izay miankohoka eo anoloan'ny bibi-dia sy ny sariny, na izay mandray ny mariky ny anarany. » (Apokalypsy 14:9-11)
MBOLA TSY TARA IZAO!!
MIHEVERA!!!

MAHERY IANAO SATRIA ANDRIAMANITRA MAHERY NO AO ANATINAO

Matahotra ireo fahavalonao satria mahery loatra eo anatrehany Kristy ao anatinao
« Mandre ny firenena ka raiki-tahotra; Hovitra no mahazo ny mponina any Filistia;Toran-kovitra ny loham-pirenen'i Edoma; azon-korohoro ny lehilahy maherin'i Moaba; reraka ny fon'izay rehetra monina any Kanana.Mahazo azy ny tahotra sy ny hovitra; Noho ny halehiben'ny sandrinao dia mangina tahaka ny vato izy. mandra-pandalon'ny olonao, Jehovah ô, mandra-pandalon'ny olona izay navotanao. » (Eksodosy 15:14-16)
hanasitrana anao koa Izy raha mankato Azy h@ farany ianao
« Ary harovan'i Jehovah tsy ho azon'aretina ianao, ka tsy hisy hameliny anao ny aretin-dratsin'i Egypta, izay fantatrao; fa hataony amin'izay rehetra mankahala anao kosa ireny. » (Deotoronomia 7:15)
AMPITOMBOY ISA-TSEGONDRA ARY NY FINOANAO AZY DIA HAHITA NY VONINAHINY ARAK’IZANY KOA IANAO!!!!
MATOKIA.


MANAMAFY NY TENINY NY TOMPO HOE :"ANJARAN'NY OLONY IZAO NO MANDRAY NY FITAHIANA"


Fotoana fanangonan'i Kristy ny olony mba handova fitahiana
« Hahatonga taranaka avy amin'i Jakoba Aho sy mpandova ny tendrombohitro avy amin'i Joda; Ary ireo voafidiko no handova azy, eny, ny mpanompoko no honina ao. » (Isaia 65:9)
ho tra-antitra
« Ary na dia ny zaza minono any aza dia tsy ho fohy andro, ary tsy hisy anti-panahy izay tsy nahatapitra ny androny; fa mbola zatovo ihany izay maty na dia efa zato taona aza, ary ny mpanota aza, dia hahatratra zato taona vao hozonina. » (Isaia 65:20)
hanana trano fonenana sy hahavokatra
« Hanao trano ny olona ka hitoetra ao; Ary hanao tanim-boaloboka ny olona ka hihinana ny vokatra aminy.Tsy hanao trano hitoeran'olon-kafa izy, Na hamboly zavatra hohanin'olon-kafa; Fa ho tahaka ny andron'ny hazo ny andron'ny oloko, Ary ireo voafidiko dia hanaram-po amin'ny asan'ny tanany. » (Isaia 65:22)
izao.
Minoa

« Dia hahita izany ianareo, ka ho faly ny fonareo, Ary ny taolanareo ho tsara fitombo tahaka ny ahi-matiso; Ary ny tànan'i Jehovah dia ataony fantatry ny mpanompony, Fa ho tezitra amin'ny fahavalony kosa Izy. » (Isaia 66:14)
MIROSOA AMIN'NY FANOMPOANA IZAY EFA NEKENAO FA TENA HO AMBININA AMIN'IZANY IANAO!!!
MATOKIA!!!
MAHEREZA.

MIAINA AO @ FANJAKAN'ANDRIAMANITRA DIENY ETY AN-TANY IANAO OLONY

Afaka mangataka @ Rainy anjely mihoatra ny 12 legiona (+70000)hiaro anao Kristy ao anatinao
« Ary ataonao va fa tsy mahazo mangataka amin'ny Raiko Aho, dia haniraka anjely tsy omby roa ambin'ny folo legiona ho ety amiko Izy ankehitriny? » (Matio 26:53)
Ho setrin'izay!Sahia manasoa ny hafa @ anarany
« Ary sitrano izay marary ao, ka lazao amin'ny olona hoe: Efa mby akaiky anareo ny fanjakan'Andriamanitra. » (Lioka 10:9)
MAHATOKY ANAO NY TOMPO!!!
MAHEREZA.

HANAPOROFO AMINAO KRISTY FA OLONY IANAO

Hiova be ianao satria hita taratra aminao ny fahadiovan'i Kristy ao anatinao olony
« ... dia niova tarehy teo anatrehany Izy,ary ny fitafiany niova nanelatrelatra sady fotsy indrindra, ka tsy misy mpamotsy lamba ambonin'ny tany mahafotsy toy izany. » (Marka 9:2b-3)
izay nahazo fahefana avy any an-danitra ho lasa to-teny
« Ary nisy rahona niseho nanarona azy; ary dia nisy feo avy tao amin'ny rahona nanao hoe: Ity no Zanako malalako, Izy no henoy. » (Marka 9:7)
MATOKIA ARY AZA MISALASALA MAMPIASA IZANY!!!
MAHEREZA.

TSY MAINTSY HO VOATAHY IZAY MIBEBAKA MARINA

N'iza n'iza mibebaka dia ho voavela heloka
« mba hijery mandrakariva ihany izy, fa tsy hahita; ary mba handre mandrakariva ihany izy, fa tsy hahafantatra; fandrao hibebaka izy, ka havela ny helony. » (Marka 4:12)
satria izy sahy nanetry tena teo anatrehan'i Tompo
« satria nino anatra ianao ka nanetry tena teo anatrehan'Andriamanitra, raha nandre ny teniny ny amin'ity tanàna ity sy ny mponina eto, eny, satria nanetry tena teo anatrehako ianao ka nandriatra ny fitafianao sady nitomany teo anatrehako, dia Izaho efa nihaino, hoy Jehovah. » (2 Tantara 34:27)
Ho voatahy izy satria hanaiky hanariny
« Aza matahotra ianao, ry Jakoba mpanompoko, hoy Jehovah, fa momba anao Aho; Fa na dia levoniko aza ny firenena rehetra izay nandroahako anao, ianao tsy mba holevoniko, nefa kosa mba hanariko araka ny antonony ihany ianao, fa tsy dia havelako fotsiny. » (Jeremia 46:28)
MIVAVAHA!
ARY AZA AMELANA RAHA TSY HITOBAKA AO AMIN'NY JEROSALEMANAO NY FANAHIN'NY FIBEBAHANA!!!
MAHEREZA.

MANANA ADIDY EO AMIN'NY TANANANAO IANAO OLON'I KRISTY

Tonony isa-maraina fa efa an'Kristy ny tanananao!,ny anjarany kosa dia ny manongotra ny ratsy ao @ tananany
« Haringako isa-maraina ny ratsy fanahy rehetra amin'ny tany, Mba hofongorako ny mpanao ratsy rehetra tsy ho ao an-tanànan'i Jehovah. » (Salamo 101:8)
'NDEHA ARY HIFARIMBONA HANAO IZANY DIA HO AZO ANTOKA FA HO LASANY TANTERAKA NY JEROSALEMANAO.
MINOA!!!

Alefaso @ tenyzarainaisanandro@gmail.com ary ny anaranao sy tanananao.


SITRAK'ANDRIAMANITRA RAHA MIFANOHANA AKAIKY NY SAMY OLONY


Fantatr'Andriamanitra ny zanany rehetra
« Kanefa ny fanorenana mafy nataon'Andriamanitra dia miorina tsara sady manana izao tombo-kase izao: "Ny Tompo mahalala ny azy", ... » (2 Timoty 2:19a)
isika samy isika koa anefa tiany hifankahalala
« Alao isa ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, araka ny fokony sy ny fianakaviany avy, ary araka ny anarany tsirairay, » (Nomery 1:2)
sy hifanampy
« Eny, mangataka aminao koa aho, ry ilay tena mpiara-miasa amiko, manampia azy roa vavy, fa niara-niasa fatratra tamiko teo amin'ny filazantsara izy, mbamin'i Klementa koa sy ny mpiara-miasa amiko sisa, izay voasoatra ao amin'ny bokin'ny fiainana. » (Filipiana 4:3)
ary hifampizara fahasoavana
« Fa ny zavatra rehetra dia natao noho ny aminareo, mba hitomboan'ny fisaorana ho voninahitr'Andriamanitra noho ny fitombon'ny fahasoavana amin'ny maro. » (2 Korintiana 4:15)
SAMBATRA NY MIARA-MONINA AO AMIN'NY FANJAKANY DIENY ETY AN-TANY!!!
ANDRAMO ANIE E!!!
MAHEREZA.



TENA HIFALY AMINAO KRISTY SATRIA NANAIKY NY ANTSONY IANAO

Taloha!Kristy irery no nanao ny asa.Ankehitriny!Ireo olony na firy na firy dia hahavita izany @ anarany
« Ary ny fito-polo lahy niverina tamin'ny fifaliana ka nanao hoe: Tompo ô, na dia ny demonia aza dia manaiky anay noho ny anaranao.Fa hoy Jesosy taminy: Izaho nahita an'i Satana latsaka avy tany an-danitra tahaka ny varatra.Indro, efa nomeko fahefana hanitsaka menarana sy maingoka sy handresy ny hery rehetra ananan'ny fahavalo ianareo, ka tsy hisy hampaninona anareo akory. » (Lioka 10:17-19)
Faly Izy
« Ary tamin'izany ora izany dia ravoravo tamin'ny Fanahy Masina Jesosy ka nanao hoe: Midera Anao Aho, Raiko ô, Tompon'ny lanitra sy ny tany, fa efa nafeninao tamin'ny hendry sy ny manan-tsaina izany ka nasehonao tamin'ny zaza madinika; eny, Raiko, fa izany no sitrakao. » (Lioka 10:21)
fa anisany ianao
« Izay mihaino anareo dia mihaino Ahy; ary izay mandà anareo dia mandà Ahy; ary izay mandà Ahy dia mandà Izay naniraka Ahy. » (Lioka 10:16)
ARY IANAO VE FALY?
SAHIA!! DIA MAZOTOA ARY MANATANTERAKA IZANY !!!
MAHEREZA.




HO MARIKY NY FAMELAN-KELOKA DIA LASA OLOM-BOAHOSOTRA IANAO OLON'I KRISTY

Rehefa mamela dia tena mamela heloka Kristy sady tena mamindra fo
« Iza no Andriamanitra tahaka Anao, Izay mamela heloka Sady mandalo ny fahadisoan'ny sisa amin'ny lovany? Tsy mitana ny fahatezerany ho mandrakizay Izy, Fa tia famindram-po.Hamindra fo amintsika indray Izy Ka hanitsakitsaka ny fahotantsika, Eny, harianao ho any amin'ny ranomasina lalina ny fahotany rehetra. » (Mika 7:18-19)
Hitoetra ao anatinao Izy ka lasa tena hahomby ao @ fanjakany ianao
« Ary Jesosy nandeha eran'i Galilia ka nampianatra tao amin'ny synagogan'ny olona teo sy nitory ny filazantsaran'ny fanjakana ary nahasitrana ny aretina rehetra mbamin'ny rofy rehetra tamin'ny olona.Ary niely eran'i Syria ny lazany, ka dia nentin'ny olona tany aminy ny marary rehetra, izay azon'ny aretina maro samy hafa sy ny fangirifiriana, dia ny demoniaka sy izay mararin'ny androbe ary ny mararin'ny paralysisa, ka nahasitrana ireny Izy.» (Matio 4:23-24)
AZA MISALASALA ARY MAMPIASA IZANY AMIN'NY ANARANY E!!!
MAHEREZA.