"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

HISEHO NY VONINAHITR’ANDRIAMANITRA



Tonga ny fotoana ka hifaly ny hafa satria nahita ary mbola hahita ny vokatry ny asa ataon'i Kristy ao anatinao
  « … ,dia nifaly avokoa ny mpianatra maro be ka nidera an'Andriamanitra tamin'ny feo mahery noho ny asa lehibe rehetra izay efa hitany » (Lioka 19:37b).
Tsy hisy afaka hanakana izany 
« Fa Izy namaly ka nanao hœ: Lazaiko aminareo fa raha mangina ireo, dia ny vato no hiantsoantso. » (Lioka 19:40).
TOHIZO NY ASA TSARA ATAONAO OLON ‘I KRISTY !
VAVAKA :KRISTY O ! MISAOTRA ANAO AHO FA HO HITA TARATRA ETY IVELANY ILAY HERINAO MAHAGAGA ATO ANATIKO AMEN !

SAHIA MIJORO HO OLON’I KRISTY MARINA


Misy ireo olona izay mino an'i Kristy nefa noho ny hena-maso sy ny rafitra hifampifehezana dia tsy sahy mijoro 
« Kanefa maro tamin'ny mpanapaka aza no nino Azy; nefa noho ny Fariseo dia tsy nanaiky ireo, fandrao havoaka hiala amin'ny synagoga. » (Jaona 12:42),
Izy nefa tonga hanala anao @izany 
« Izaho tonga amin'izao tontolo izao ho fahazavana, mba tsy hitoetra ao amin'ny maizina izay rehetra mino Ahy. » (Jaona 12:46).
MIVONONA HIARA-HIASA @ MPINO HAFA !
VAVAKA :RAY  O ! AMPIO NY KRISTIANA MBA TSY HIANTEHITRA @ ANARAM-PIANGONANA FA @ KRISTY ZANAKAO IRERY IHANY !@ ANARAN’I JESOA KRISTY VELONA AVY ANY NAZARETA AMEN !

MANOA AO @ KRISTY IANAO


Momba Manoa kanefa hoy ny Tompo hoe:Hanan'anaka ianao ;
« Ary Ilay Anjelin'i Jehovah niseho tamin-dravehivavy ka nanao taminy hœ: Indro, momba ianao ka tsy niteraka; nefa hanan'anaka ianao ka hiteraka zazalahy. » (Mpitsara 13:3),
nanafatra koa Izy hoe:Aza misotro toaka ,
« Koa mitandrema ianao ankehitriny, ka aza misotro divay na toaka, ary aza mihinana akory izay zava-padina. » (Mpitsara 13:4),
dia teraka Samsona ,
« Ary niteraka zazalahy ravehivavy, ka ny anarany nataony hoe Samsona; dia nitombo ny zaza, ary Jehovah nitahy azy. » (Mpitsara 13:24).
ANJARANAO IZAO!NY IMPOSSIBLE HO LASA POSSIBLE EO @ FIAINANAO !
VAVAKA :RAY O !MATOKY NY FAHAGAGANA HATAONAO @ FIAINAKO AHO !@ ANARAN’I JESOA KRISTY VELONA AVY ANY NAZARETA AMEN !

MITADY ANAO IZAY MAHATOKY NY HERINY NY TOMPO



Feno hery ianao dia ny fanahin'i Kristy ao anatinao,
 « Fa izaho kosa dia feno hery, dia ny Fanahin'i Jehovah, Mbamin'ny rariny sy ny faherezana, » (Mika 3:8a),
mitady anao izay tena mahatsiaro anaty fa miaina izany ny Tompo ,
« Fa avy ny andro, sady tonga ankehitriny, raha ny tena mpivavaka hivavaka amin'ny Ray amin'ny fanahy sy ny fahamarinana; fa ny Ray koa mitady ny mpivavaka aminy ho tahaka izany. » (Jaona 4:23),
satria manantena Azy,
 « Fa izahay amin'ny Fanahy sy noho ny finoana dia miandry ny fanantenana ny fahamarinana. » (Galatiana 5:5).
HAMPIASA ANAO @ FOMBA MAHAGAGA IZY !MINOA !
VAVAKA :KRISTY O ! FENOY NY HERIN’NY FANAHINAO AHO  AMEN !

IALAO NY FANAON’IZAO TONTOLO IZAO



Mirehareha satana nefa havarina any @fiainan-tsi-hita,
 « Hiakatra ho any ambonin'ny havoan'ny rahona aho ka ho tahaka ny Avo Indrindra; Kanjo hampidinina hatrany amin'ny fiainan-tsi-hita ho any ampara-vodilavaka ianao. » (Isaia 14:14-15),
izay ilay izao tontolo izao ka ialao ,
« Ary aza manaraka ny fanaon'izao tontolo izao; fa miovà amin'ny fanavaozana ny saina, hamantaranareo ny sitrapon'Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no marina. » (Romana 12:2),
iaino ny fiainan-danitra dieny ety an-tany,
 « Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra. » (Matio 6:10).
KATSAHO NY FANJAKAN’ANDRIAMANITRA !
VAVAKA :KRISTY O !  VONOY NY NOFOKO FA AOKA IANAO NO HANJAKA ATO ANATIKO KA HO HITA TARATRA ETO @ JEROSALEMAKO  AMEN !

HO VOATAHY NY TARANAKAO OLON’I KRISTY


Tsy maitsy ho tanteraka fa ny taranan'ireo izay matahotra an'Andriamanitra,
 « mba hatahoranao an'i Jehovah Andriamanitrao, hitandremanao ny lalàny rehetra sy ny didiny izay andidiako anao, dia ianao sy ny zanakao ary ny zafinao, amin'ny andro rehetra hiainanao, mba ho maro andro ianao. » (Deotoronomia 6:2),
dia hahita soa sady ho voatahy manokana ,
« Koa mihainoa, ry Isiraely, ka mitandrema hanaraka izany, mba hahita soa ianao, ary mba hitomboanareo indrindra, araka izay nolazain'i Jehovah, Andriamanitry ny razanao, taminao, dia any amin'ny tany tondra-dronono sy tantely. » (Deotoronomia 6:3).
SAHIA MITENY HOE TARANAKO IZANY!
VAVAKA :RAY O ! AMPIO AHO ,AROVY AHO SATRIA TSY AMELAKO RAHA TSY HANAJA SY HANOMPO ANAO NY TARANAKO !@ ANARAN’I JESOA KRISTY VELONA AVY ANY NAZARETA AMEN!

HATREO AM-PIFALIANA IREO ADINAO


Fikiro ilay tanjona ao anatinao dia ho fifaliana hatrany no hiatrehanao ny zavatra rehetra mandrapahatanterany ,
« Dia nanompo an'i Labana fito taona Jakoba hahazoany an-dRahely; ary toa andro vitsy foana teo imasony izany noho ny fitiavany azy. » (Genesisy 29:20).
Hiara-hisahirana aminao ny Tompo,
 « Na dia mandra-pahantitrareo aza, dia tsy miova Aho, ary mandra-pahafotsy volonareo, dia Izaho ihany no hisahirana mitondra anareo. Izaho no nanao, ka Izaho ihany no hitrotro, eny, izaho no hitondra sy hanafaka. » (Isaia 46:4).
MATOKIA !
VAVAKA :RAY O ! MINO AM-PIFALIANA AHO FA HO TANTERAKA @ FOTOANANY IREO FANIRIANA TSARA ATO ANATIKO !@ ANARAN’I JESOA KRISTY  VELONA AVY ANY NAZARETA AMEN !

TSY MIFIDY SEHATRA HITORIANA IANAO OLON’I KRISTY


Tsy hoe hanery ny mpanapaka ho lasa Kristiana ianao ,
« Fa hoy Agripa tamin'i Paoly: Hay! ataonao fa mora toy izany no hampanekenao ahy ho Kristiana. » (Asan'ny Apostoly 26:28),
nefa kosa tsy tokony hifidy olona hitoriana n'inona n'inona saranga misy azy ,
« Ary hoy Izy taminy: Mandehana any amin'izao tontolo izao ianareo, ka mitoria ny filazantsara amin'ny olombelona rehetra » (Marka 16:15).
SAHIA ,
« Koa ankehitriny, Tompo ô, jereo ny fandrahonany; ary omeo anay mpanomponao ny mba hitory ny teninao amin'ny fahasahiana rehetra, » (Asan'ny Apostoly 4:29).
VAVAKA : RAY O ! OMEO FAHASAHIANA BE BE KOKOA HATRANY HITORY IZAHAY !@ ANARAN’I JESOSY KRISTY VELONA AVY ANY NAZARETA AMEN !

AZA SODOKAN’NY FIREHAREHAN’NY RATSY FANAHY


Mandalo ny firavoravoan'ny ratsy fanahy,
 « Dia vetivety foana ny firavoravoan'ny ratsy fanahy, ary indray mipi-maso monja ny fifalian'ny mpihatsaravelatsihy?» (Joba 20:5),
aza taitra na toa mirehareha aza izy ireny fa tena hivarina @ fomban'Andriamanitra ,
« Na dia miakatra tahaka ny voromahery aza ianao Ka mametraka ny akaninao eny amin'ny kintana, Dia havariko avy eny ianao, hoy Jehovah. » (Obadia 4),
MINOA,
 « Fa na dia mipaka amin'ny lanitra aza ny hahavony, ka mitehika amin'ny rahona ny lohany,Dia ho very mandrakizay toy ny dikiny ihany izy; Izay nahita azy dia hanao hœ: Aiza izy? » (Joba 20:6-7).
MAHEREZA.
VAVAKA :RAY O ! TEZAO AHO MBA HATAHOTRA ANAO KA TSY HO AZON’NY FAKAM-PANAHY @ AMARAN’I JESOA KRISTY VELONA AVY ANY NAZARETA AMEN !

HAMPIOVA NY HAFA IANAO OLON’I KRISTY


Kristy dia nanantona ireo marary,
 « Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hœ: Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary; » (Lioka 5:31),
mba hampibebaka ny mpanota,
 « tsy avy hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota mba hibebaka. » (Lioka 5:32),
nanaiky hiova i Levy mpamory hetra ,
« Ary nahafoy ny zavatra rehetra izy ka nitsangana, dia nanaraka Azy. » (Lioka 5:28).
ANJARANAO OLONY IZAO NO MAMPIBEBAKA,
 « Koa mibebaha ianareo, ka miverena hamonoana ny fahotanareo, mba ho avy izay andro famelombelomana avy amin'ny fanatrehan'ny Tompo, » (Asan'ny Apostoly 3:19).
SAHIA !
VAVAKA :RAY O ! OMEO FAHASAHIANA AHO MBA HO FITAOVAM-PAMONJENA HO AN’NY HAFA !@ ANARAN’I JESOSY KRISTY VELONA AVY ANY NAZARETA AMEN !

FOTOTRA AZO ANTOKA NO AO IAINANAO OLON’I KRISTY


Ny Tompo dia nanorina fototra mafy sady mahasoa na ao anatinao na eo @ Jerosalemanao ,
« Dia izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, Izaho no efa nametraka vato ao Ziona, dia vato voazaha toetra, vato tsara izay fehizoro voaorina ho fanorenana mafy, ka tsy mba ho taitra izay mino. » (Isaia 28:16),
dia i Kristy ,
« Fa tsy misy mahay manao fanorenana hafa afa-tsy izay natao, dia Jesosy Kristy. » (1 Korintiana 3:11).
Aoka ianao hino sy hanaja izany,
 « Kanefa ny fanorenana mafy nataon'Andriamanitra dia miorina tsara sady manana izao tombo-kase izao: "Ny Tompo mahalala ny azy", ary koa: "Aoka ny olona rehetra izay manonona ny anaran'ny Tompo hiala amin'ny ratsy." » (2 Timoty 2:19).MAHEREZA.
VAVAKA : RAY O ! AMPIO AHO MBA  HO MAFY ORINA  EO @ FIAINAKO KRISTY ZANAKAO !@ ANARAN’I JESOA KRISTY VELONA AVY ANY NAZARETA AMEN !

ENTO AM-BAVAKA NY FIAINAM-PANAHIN’NY MPINO


Mila olona handohalika hivavaka isan'andro ny Tompo,
 « Ary noho izany no andohalehako amin'ny Ray » (Efesiana 3:14),
mba hatanjaka aram-panahy sy hitoetra tsara ao @Kristy ireo olony rehetra,
 « mba homeny anareo, araka ny haren'ny voninahiny, ny mba hohatanjahina fatratra amin'ny Fanahiny ny toe-panahinareo;mba hitoeran'i Kristy ao am-ponareo amin'ny finoana, ka hamaka sy hiorina mafy amin'ny fitiavana ianareo, » (Efesiana 3:16-17).
MANAIKY VE IANAO?
VAVAKA : RAY O ! AOKA IREO OLONAO MBA HANDROSO ARAM-PANAHY KOKOA HATRANY !@ ANARAN’I JESOSY KRISTY AVY ANY NAZARETA AMEN !


MIJOROA HO DAVIDA AO @ I KRISTY

Efa voatendry hitarika ,
« Hatry ny fahiny ihany koa, fony Saoly mbola nanjaka aza, dia ianao ihany no mpitarika ny Isiraely nivoaka sy niditra; ary hoy Jehovah Andriamanitrao taminao; Hianao no ho mpiandry ny Isiraely oloko, ary ianao no ho mpanapaka azy. » (1 Tantara 11:2),
te hanana fo sy fanahy vaovao,
 « Amorony fo madio aho, Andriamanitra ô; ary havaozy hiorina marina ny fanahiko ato anatiko. » (Salamo 51:10),tia midera an'Andriamanitra hatrany @ jentilisa « Hidera Anao eny amin'ny firenena maro aho, Jehovah ô, Ary hankalaza Anao eny amin'ny jentilisa. » (Salamo 108:3).
SAHIA !
VAVAKA :RAY O ! MANAIKY NY HO MPANOMPO HITARIKA NY HAFA HO AO @ FANJAKANAO AHO !@ ANARAN’I JESOA KRISTY VELONA AVY ANY NAZARETA AMEN !

AZA MAMALY RATSY HO AN'IZAY MANENJIKA ANAO


Raha sendra misy mpanompon'Andriamanitra mitsangana ho fahavalonao dia aza mamaly ratsy azy,
 << Fa hoy Davida tamin'i Abisay: Aza mamono azy; fa iza no maninjitra ny tànany tamin'ny voahosotr'i Jehovah ka tsy nanan-tsiny >> (1 Samoela 26:9),
fa aleo ny Tompo no hanao izany @ fombany ,
<< Ary hoy koa Davida: Raha velona koa Jehovah, dia aoka Jehovah no hamely azy;
na ho tonga ny androny, ka ho faty izy; na hirotsaka ho amin'ny ady
izy, ka any no hahafaty azy. >> (1 Samoela 26:10).
MITONIA !
VAVAKA :
RAY O ! TONEO NY FOKO HAHAZAKA NY FANENJEHANA AHY !@ ANARAN'I
JESOSY KRISTY VELONA AVY ANY NAZARETA AMEN !

HIFINDRA AMINAO OLONY IREO FAHASOAVANA NANANAN’I KRISTY



Ireo apostoly dia nahita mivantana ny fahasoavana sy fahamarinana nataon'i Kristy ,
« Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika; ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra miendrika ho an'ny Lahitokana avy tamin'ny Ray, sady feno fahasoavana sy fahamarinana. » (Jaona 1:14),
nahasoa ny fialàny teto an-tany mba hifindra aminao indray izany ,
« Fa Izaho milaza ny marina aminareo; mahatsara anareo ny fialàko; fa raha tsy hiala Aho, dia tsy ho avy aminareo ny Mpananatra; fa raha handeha Aho, dia hirahiko hoy aminareo Izy. » (Jaona 16:7).
MATOKIA !
VAVAKA : KRISTY O ! TEFEO AHO MBA HANAIKY ILAY FANAHY MPANANANATRA AVY AMINAO ! AMEN !

AMPIASAO ILAY HERIN’NY FANAHY MASINA


Andriamanitra dia Fanahy,
 « Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin'ny fanahy sy ny fahamarinana. » (Jaona 4:24),
 miantehera ary @ herin'ny Fanahy Masina dia hanana fifaliana sy fanantenana ary finoana ianao @ zavatra hataonao rehetra,
 « Ary Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo amin'ny fifaliana sy ny fiadanana rehetra amin'ny finoanareo, mba hitomboanareo amin'ny fanantenana noho ny herin'ny Fanahy Masina. » (Romana 15:13)
SAHIA !
VAVAKA : KRISTY O ! FENOY ILAY HERIN’NY AFON’NY FANAHY MASINA IZAHAY ! AMEN !

KATSAHO IZAY HAMPIFOHA ILAY JEROSALEMANAO



Maniria zava-panahy izay hampandroso ny fiangonana,
 « Ary toy izany ihany koa ianareo: raha fatra-paniry ny zava-panahy, dia izay hampandroso ny fiangonana no tadiavo indrindra. » (1 Korintiana 14:12),
ohatra ny fanomezam-pahasoavana mahalala zava-miafina satria manafaingana ny fibebahana,
« Fa raha samy maminany izy rehetra, ary miditra ny tsy mino, na ny tsy mahay, dia ho voan'ny anatra ataon'izy rehetra izy sady hotsarain'izy rehetra; ka dia miseho ny zavatra takona ao am-pony, dia hiankohoka izy ka hivavaka amin'Andriamanitra sady hilaza fa Andriamanitra dia ao aminareo marina tokoa. » (1 Korintiana 14:24-25).
HITADY IANAO DIA HAHITA !MINOA !
VAVAKA :RAY O ! AMPIASAO IREO OLONAO MBA HAMPIFOHA NY HAFA !@ ANARAN’I JESOSY KRISTY VELONA AVY ANY NAZARETA AMEN !!

MIJOROA HO ROTA AO @ KRISTY


Ny olon-kendry dia tia manome tso-drano tsara ho an'ny hafa foana ,
« Homen'i Jehovah tokan-trano anie ianareo ka hahita fiadanana amin'izay tranon'ny vadinareo avy. Dia nanoroka azy Naomy; ary izy roa vavy dia samy nanandratra ny feony ka nitomany. » (Rota 1:9).
Tokana anefa ny lalana hahatanterahan'izany dia ny fifikirana @ Andriamanitra ,
« Fa hoy Rota: Aza manery ahy handao anao sy hiala amin'ny fanarahana anao; fa izay alehanao no halehako ary izay itoeranao no hitœrako, ny firenenao no ho fireneko, ary ny Andriamanitrao no ho Andriamanitro; izay tany hahafatesanao no hahafatesako, sady any koa no handevenana ahy; hataon'i Jehovah amiko anie izany, eny mihoatra noho izany aza, raha tsy ny fahafatesana ihany no hampisaraka antsika. » (Rota 1:16-17)
ANKAFIZO NY TOMPONAO !
VAVAKA : RAY O ! TEZAO AHO MBA HANKAFY NY FIFIKIRANA AMINAO !@ ANARAN’I JESOA KRISTY VELONA AVY ANY  NAZARETA AMEN !

MODELY IANAO OLON’I KRISTY



Aoka tsy aminao olon'i Kristy no itenenan-dratsy an'Andriamanitra manoloana ny jentilisa,
 « Fa araka ny voasoratra, dia ianareo no itenenana ratsy ny anaran'Andriamanitra any amin'ny jentilisa. » (Romana 2:24).
Mijoroa ho modely ,
« ka moa ianao izay mampianatra ny sasany, tsy mba mampianatra ny tenanao koa va? Hianao izay mitory hoe: Aza mangalatra, mba mangalatra ihany va ianao? Hianao izay manao hœ: Aza mijangajanga, mba mijangajanga ihany va ianao? Hianao izay mametaveta ny sampy, mba mandroba tempoly ihany va ianao?  Hianao izay manao ny lalàna ho reharehanao, mba manala voninahitra an'Andriamanitra ihany va ianao amin'ny andikanao ny lalàna? » (Romana 2:21-23),
sy ho fahazavana,
 « ary matoky ny tenanao ho mpitarika ny jamba, fanazavana ny ao amin'ny maizina, » 
(Romana 2:19).
VITANAO IZANY !
VAVAKA :RAY O ! TEFEO AHO MBA HO MENDRIKY NY VONINAHITRAO !@ ANARAN’I JESOSY KRISTY VELONA AVY NAZARETA AMEN !

IAINO NY FAHAMARINAN’ANDRIAMANITRA


Andriamanitra dia tsy voatery handinika vao hahafantatra ,
« Fa Andriamanitra tsy mba miandry aloha vao mandinika ny olona Izay tonga hotsaraina eo anatrehany. » (Joba 34:23),
izay marina dia hahita ny tavany,
 « Fa marina Jehovah, ka fahamarinana no tiany; ny mahitsy no hahita ny tavany. » (Salamo 11:7),
izay ratsy fanahy kosa dia ho faiziny,
 « Handatsaka fandrika amin'ny ratsy fanahy Izy tahaka ny fandatsaka ranonorana; afo sy solifara ary rivo-mahamay no ho anjara kapoakany. » (Salamo 11:6).
MINOA.
VAVAKA :RAY O ! TEFEO SY AROVY AHO MBA HO MARINA EO ANATREHANAO !@ ANARAN’I JESOA KRISTY VELONA AVY ANY NAZARETA AMEN !

FIDIO IZAY HOTOMPOINAO


Na ianao hanompo an’ny Tompo na hanompo vola fa tsy afaka tompoina miaraka ireo,
 « Tsy misy mpanompo mahay manompo tompo roa; fa ny anankiray ho halany, ary anankiray ho tiany; na ny anankiray hombany, ary ny anankiray hohamavoiny. Tsy mahay manompo an'Andriamanitra sy mamôna ianareo. » (Lioka 16:13).
Hoy Izy aminao :AZA MANAHY !  
« Ary noho izany dia lazaiko aminareo hœ: Aza manahy ny amin'ny ainareo, dia izay hohaninareo na izay hosotroinareo, na ny amin'ny tenanareo, dia izay hotafinareo. Moa ny aina tsy mihoatra noho ny hanina va, ary ny tena noho ny fitafiana? » (Matio 6:25),
fa katsaho aloha ny fanjakako,
 « Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany. » (Matio 6:33).
MATOKIA !
VAVAKA :RAY O ! MANAIKY NY HANOMPO ANAO AHO SADY MATOKY NY FITANTATANANAO !@ ANARAN’I JESOSY KRISTY VELONA AVY ANY NAZARETA AMEN !