"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

FANTARO IZAY MISY ANAO


Ny Tompo dia manafay @fombany ireo izay manamavo Azy
« Fa ny olona izay manota sahisahy kosa, na tompon-tany, na vahiny, dia manamavo an'i Jehovah, ka dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny. » (Nomery 15:30),
 izay mankato Azy kosa dia omeny famantaram-pankasitrahana @fombany koa,
 « Dia hoy Mosesy: Izao no hahafantaranareo fa Jehovah no naniraka ahy hanao ireny asa rehetra ireny, fa tsy avy tamin'ny saiko izany: » (Nomery 16:28).
IZA @ IREO IANAO?
VAVAKA :RAY O !TEZAO AHO MBA HO MPANKATO HATRANY NY TENINAO !@ ANARAN’I JESOSY KRISTY VELONA AVY ANY NAZARETA AMEN !

MANASITRANA KRISTY AO ANATINAO


 Kristy ao anatinao dia mandray ireo
olona marary 
« ary nisy vahoaka betsaka nankeo aminy nitondra ny
mandringa, ny jamba, ny moana, ny kilemaina, ary ny maro hafa koa, ka
nametraka azy teo akaikin'ny tongotr'i Jesosy; dia nahasitrana azy
Izy; » (Matio 15:30)

,manasitrana ka mahatonga azy ireo ho talanjona sy
hidera an'Andriamanitra 
« ka dia talanjona ny vahoaka, raha nahita ny
moana miteny, ny kilemaina sitrana, ny mandringa afaka, ary ny jamba
mahiratra; dia nankalaza an'Andriamanitry ny Isiraely izy. » (Matio
15:31)
AMPIASAO ARY E!SAHIA.
VAVAKA :RAY O !MANAIKY AHO HO FITAOVAM-PITAHIANA HO AN’NY HAFA !@
ANARAN’I JESOA KRISTY VELONA AVY ANAY NAZARETA AMEN !


AOKA HO TAHAKA NY HAZO TSARA IANAO


Mikolokolo ny tenany ny olona iray na ho hazo tsara izy na ho hazo ratsy ary ny voa no ahafantarana ny hazo,
« Koa ataovy tsara ny hazo mbamin'ny voany, na ataovy ratsy ny hazo mbamin'ny voany; fa ny voany no ahafantarana ny hazo. » (Matio 12:33)
ialao ny mamoa voa ratsy fa ho may, 
« Ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapaina ka hatsipy any anaty afo. » (Matio 7:19)
IANAO IHANY NO MANOMANA NY HOAVINAO !MAHEREZA !
VAVAKA :RAY O !FOLAHY AHO MBA HAMOA VOA TSARA !@ ANARAN’I JESOSY KRISTY VELONA AVY ANY NAZARETA AMEN !

FOANA NY FIAMPANGANA ANAO OLON’I KRISTY


 Raha sendra nisy niampangana anao satria nanao izay tsy mendrika teo anatrehan'Andriamanitra ianao nefa efa nandray an' Kristy dia maty toy ny tsy nisy
« ary novonoiny ny sora-tànan'ny didy izay niampanga antsika; dia nesoriny tsy ho eo mihitsy izany ka nohomboany tamin'ny hazo fijaliana, » (Kolosiana 2:14).AFAKA IANAO MINOA !
VAVAKA : RAY O !MISAOTRA ANAO AHO FA NAFAHANAO !@ ANARAN’I JESOA KRISTY AVY ANY NAZARETA AMEN !

HO TANTERAKA IZAY VOASORATRA


Ny Tenin'Andriamanitra dia tsy misy azo anesorana ,
« ary raha misy manaisotra amin'ny teny amin'ny bokin'ity faminaniana ity, dia hesorin'Andriamanitra ny anjarany amin'ny hazon'aina sy amin'ny tanàna masina, dia izay zavatra voasoratra eto anatin'ity boky ity. » (Apokalypsy 22:19),
ho tanteraka ny teny voasoratra rehetra,
 « Fa na firy na firy ny teny fikasan'Andriamanitra, dia ao aminy ny eny, ary amin'ny alalany koa ny Amena, ho voninahitr'Andriamanitra amin'ny ataonay. » (2 Korintiana 1:20),
tsy hiverina Aminy raha tsy ho tanteraka,
 « Dia ho tahaka izany ny teniko izay aloaky ny vavako: Tsy hiverina amiko foana izy, raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako ary ambinina amin'izay ampandehanako azy. » (Isaia 55:11)
MIJOROA ARY HO MPANKATO NY TENY !
VAVAKA :RAY O !AMPAFANTARO NY TENINAO BE BE KOKOA HATRANY AHO !@ ANARAN’I JESOA KRISTY VELONA AVY ANY NAZARETA AMEN !

AROVY NY FAHAMASINANAO OLON’I KRISTY


Arovy ny tenanao ny ainao ny fanahinao mba tsy hanan-tsiny @ fihavin'i Kristy
« Ary Andriamanitry ny fiadanana anie hahamasina anareo samy ho tanteraka, ka aoka harovana avokoa ny fanahinareo sy ny ainareo ary ny tenanareo ho tanteraka ka tsy hanan-tsiny amin'ny fihavian'i Jesosy Kristy Tompontsika. » (1 Tesaloniana 5:23)
sahia miasa @ Anarany satria Izy ao anatinao ihany no hanefa izany
« Mahatoky Izay miantso anareo, sady Izy ihany no hanefa izany. » (1 Tesaloniana 5:24)
MAHEREZA !

VAVAKA :RAY O !RAKOFY NY FANAHINAO AHO MBA HO MASINA EO ANATREHANAO !@ ANARAN’I JESOSY KRISTY VELONA AVY ANY NAZARETA AMEN !

HANADIO IZAY TSY AZY AO @ JEROSALEMANAO NY TOMPO


Manala izay tsy Azy @fombany aloha Andriamanitra eo @ Jerosalemanao
« Noho ny hihavian'ny andro handravana ny Filistina rehetra sy handringanana izay sisa rehetra amin'ny mpamonjy an'i Tyro sy Sidona; Fa horavan'i Jehovah ny Filistina, dia ny sisa avy any amin'ny nosy Kaftora. » (Jeremia 47:4)
avy eo vao omeny hanjaka eo ny olony
« Ary ho tanin'ny sisa amin'ny taranak'i Joda izany, Ka any no hiandrasany ondry; Ny tranon'i Askelona no handriany amin'ny hariva; Fa Jehovah Andriamaniny no hamangy azy Ka hampody azy avy amin'ny fahababoany. » (Zefania 2:7)
ary ao no ho tahiany sy hanariny
« Aza matahotra ianao, ry Jakoba mpanompoko, hoy Jehovah, fa momba anao Aho; Fa na dia levoniko aza ny firenena rehetra izay nandroahako anao, ianao tsy mba holevoniko, nefa kosa mba hanariko araka ny antonony ihany ianao, fa tsy dia havelako fotsiny. » (Jeremia 46:28)
FIKIRO NY MAHA-OLONY ANAO !

VAVAKA :RAY O !MANAIKY HO OLONAO SY HO TEFENAO AHO !@ ANARAN’I JESOA KRISTY VELONA AVY ANY NAZARETA AMEN !

POROFOY FA MAHATOKY AN’NY TOMPO IANAO


 Hoy ny Tompo aminao olony:Ampy ho anao ny fahasoavako!
« Nefa hoy Izy tamiko; Ampy ho anao ny fahasoavako;… » (2 Korintiana 12:9a)
Tia anao Izy
« Isika tia, satria Izy efa tia antsika taloha. » (1 Jaona 4:19)
ary tiany ianao mba tsy hanan-tahotra miaraka Aminy
« Tsy manan-tahotra ny fitiavana; fa ny fitiavana tanteraka mandroaka ny tahotra; fa mampahory ny tahotra. Fa izay matahotra dia tsy mbola tanteraka amin'ny fitiavana. » (1 Jaona 4:18)
MATOKIA!MAHEREZA.
VAVAKA :RAY O !MAHATOKY AHO FA AMPY HO AHY NY FAHASOAVANAO !@ ANARAN’I JESOSY KRISTY VELONA AVY ANY NAZARETA AMEN !

AZA MANAHY !AZA MANAHY


Tsy hisaraka aminao eny @ izay alehanao rehetra tahaka ireo taranak'Israely ny Tompo
« Fa ny rahon'i Jehovah dia teo ambonin'ny tabernakely nony andro, ary nisy afo teo aminy nony alina, teo imason'ny taranak'Isiraely rehetra, tamin'ny nandehanany rehetra. » (Eksodosy 40:38)
aza mivadi-po
« Mahereza sy matanjaha; aza matahotra na manahy azy; fa Jehovah Andriamanitrao no miara-mandeha aminao; tsy handao anao na hahafoy anao Izy. » (Deotoronomia 31:6)
aza manahy na @ ara-bolanao aza
« Aoka tsy ho amin'ny fitiavam-bola ny toe-tsainareo, fa mianina amin'izay anananareo; fa hoy Izy: "Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory" (Jos. 1.5). » (Hebreo 13:5)
MAHEREZA.

VAVAKA :RAY O !MISAOTRA ANAO AHO FA MOMBA AHY SY MAMPITONY AHY MANDRAKARIVA IANAO !@ ANARAN’I JESOA KRISTY VELONA AVY ANY NAZARETA AMEN !

AZA MITSIKOMBAKOMBA @ RATSY


Ialao ny tsikombakomba @ zavatra tsy madio
« Koa mivoaha eo aminy ianareo, ka misaraha aminy, hoy Jehovah, Ary aza manendry izay zavatra tsy madio; Ary Izaho handray anareo. » (2 Korintiana 6:17)
raha arovanao am-paharetana mantsy ny maha-zanak'Andriamanitra anao dia ho mpiray lova Aminy ianao
« Ary raha zanaka, dia mpandova; eny, sady mpandova an'Andriamanitra no mpiray lova amin'i Kristy koa, raha miara-miaritra aminy isika mba hiara-manam-boninahitra aminy koa. » (Romana 8:17).

VAVAKA :RAY O !SAKANO AHO MBA TSY HIRAY TSIKOMBAKOMBA @ RATSY !@ ANARAN’I JESOSY KRISTY VELONA AVY ANY NAZARETA AMEN !

POROFOY FA MPINO IANAO


 Ny finoana dia mila porofoina eo anatrehan'Andriamanitra
 « Ny finoana izay anananao dia hazòny ho anao eo anatrehan'Andriamanitra. Sambatra izay tsy manameloka ny tenany amin'izay zavatra ekeny. » (Romana 14:22)
Vokany:hilaza aminao mivantana Izy hoe:"Ny finoanao no nahavonjy anao!"
« Dia hoy Jesosy taminy: Mahirata ny masonao; ny finoanao no efa nahavonjy anao. » (Lioka 18:42)
ANAO NY SISA!
VAVAKA :RAY O !HITANA NY FINOAKO ANAO H@ FARANY AHO !@ ANARAN’I JESOA KRISTY VELONA AVY ANY NAZARETA AMEN !

JOSEFA AO @ I KRISTY IANAO



Irak'Andriamanitra mba hamonjena ny taranany Josefa
« Ary Andriamanitra efa nampandeha ahy hialoha anareo, mba tsy hahalany taranaka anareo amin'ny tany, fa hamelona anareo amin'ny famonjena lehibe. » (Genesisy 45:7)
nataony ho tompon'i Egypta izy
« Andeha miakatra faingana ianareo ho any amin'ikaky, ka lazao aminy hœ: Izao no tenin'i Josefa zanakao: Efa nataon'Andriamanitra ho tompon'i Egypta rehetra aho; ka midìna hankaty amiko, fa aza mijanona; » (Genesisy 45:9)
ianao koa ao @ i Kristy dia mpandova ny hamonjy
« Izay maharesy no handova izany zavatra izany; ary ho Andriamaniny Aho, ary izy ho zanako. » (Apokalypsy 21:7)
MINOA!
VAVAKA :RAY O !MANAIKY HO IRAKAO TAHAKA AN’I JOSEFA AHO !@ ANARAN’I JESOSY KRISTY AVY ANY NAZARETA AMEN !

MPITANDRINA IREO FANANAN’ANDRIAMANITRA IANAO


Ny Levita dia natao hikarakara ireo fanaka tao @ tabernakely
« fa tendreo izy hitandrina ny tabernakelin'ny Vavolombelona sy ny fanaka rehetra ary ny zavatra rehetra izay momba azy; fa izy no hitondra ny tabernakely sy ny zavatra rehetra momba azy sady hanao fanompoam-pivavahana ao; ary manodidina ny tabernakely no hitobiany. » (Nomery 1:50)
Levita ao @ Kristy ianao olony kolokoloy ny fanomezam-pahasoavana nomeny anao  
« Samia mifanompo araka ny fanomezam-pahasoavana izay noraisinareo, dia tahaka ny mpitandrina tsara ny fahasoavana maro samy hafa izay an'Andriamanitra. » (1 Petera 4:10)
MAHEREZA.
VAVAKA :RAY O !MANAIKY NY HAMPIASA SY HIKOLOKOLO IREO FANOMEZAM-PAHASOAVANA NOMENAO AHY AHO !@ ANARAN’I JESOA KRISTY VELONA AVY ANY NAZARETA AMEN !

TSY HO MENATRA IANAO OLON’I KRISTY


Tsy hahazo henatra na @ inona na @ inona ianao olon'i Kristy
« araka ny hafatratry ny faniriako sy ny fanantenako fa tsy hahazo henatra aho, na amin'inona na amin'inona;... » (Filipiana 1:20a),
haneho ny heriny hamonjy anao Izy
« Ka naneho hery namonjy antsika ho afaka tamin'ny fahavalontsika (Fa mandrakizay ny famindram-pony), » (Salamo 136:24)
hanome hanina ho an'ny nofonao koa
« Izay manome hanina ny nofo rehetra (Fa mandrakizay ny famindram-pony); » (Salamo 136:25)
MINOA !
VAVAKA :RAY O !HITRAKA AHO SATRIA MANANA ANAO HIAHY AHY !@ ANARAN’I JESOSY KRISTY VELONA AVY ANY NAZARETA AMEN !

TIAVO ! ANKAFIZO ! NY MIARAKA @ I KRISTY


Aoka ianao ho tia ilay Andriamanitrao @ fonao rehetra
« Ary tiava an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny herinao rehetra. » (Deotoronomia 6:5)
ampianaro an'ny taranakao @ fotoana rehetra
« Dia ampianaro tsara ny zanakao izany, ary resaho, na mipetraka ao an-tranonao ianao, na mandeha any an-dalana, na mandry, na mifoha; » (Deotoronomia 6:7)
ary soraty ho hita ao an-tranonao
« ary soraty eo amin'ny tolam-baravaran'ny tranonao sy eo amin'ny vavahadinao. » (Deotoronomia 6:9)
izany.

VAVAKA :RAY O ! HO TIA ANAO @ FOKO REHETRA AHO ARY HAMPITAIKO @TARANAKO IZANY !@ ANARAN’I JESOA KRISTY VELONA AVY ANY NAZARETA AMEN !

HANEHO NY HERINY ILAY FANAHY MASINA AO ANATINAO



Ianao olon'i Kristy dia mety mahatsiaro voageja mafy noho ny fanenjehana
« … Dia namatotra azy tamin'ny mahazaka roa vaovao izy ka nitondra azy
niala tamin'ilay harambato
. » (Mpitsara 15:13d)
AZA MANAHY fa hisy herin'ny Fanahy Masina hamaha izany @ fombany
« Ary raha tonga tany Lehy izy, dia nanakora azy ny Filistina; ary ny
Fanahin'i Jehovah nilatsaka taminy, dia tonga tahaka ny rongony izay
nodorana tamin'ny afo ny mahazaka teny amin'ny sandriny ary afaka
tamin'ny tànany ny fatorana
. » (Mpitsara 15:14)
VAVAKA :RAY O ! HANAIKY HIASAN’NY HERIN’NY FANAHINAO AHO !@ ANARAN’I
JESOSY VELONA AVY ANY NAZARETA AMEN !

KRISTY DIA SADY MANOME ANDRAIKITRA NO MANOLON-TSAINA @ FANATANTERAHANA



Rehefa hikarakara asa ampanaovin'ny Tompo ianao olony
« Dia lazao amin'ny tompon-trano hœ: Izao no lazain'ny Mpampianatra aminao: Aiza ny efi-trano hiarahako mihinana ny Paska amin'ny mpianatro? » (Lioka 22:11)
dia Izy no hanome @ fombany ny toerana hanaovana izany
« Ary izy hanoro anareo efi-trano malalaka ambony rihana, izay efa nasiana fipetrahana; any no amboary. » (Lioka 22:12)
Homba anao Izy
« Tsy momba anareo va Jehovah Andriamanitrareo ka efa nampiadana anareo amin'ny manodidina? … » (1 Tantara 22:18a).MINOA!
VAVAKA :RAY O !AMPIO AHO MBA HAHAY HIHAINO NY FITARIHANAO EO AM-PANATANTERAHANA NY ASANAO !@ ANARAN’I JESOA KRISTY VELONA AVY ANY NAZARETA AMEN !

MITONDRA FIFALIANA NY FANANANA AN’ANDRIAMANITRA


 Mifalia dia iaino ilay fiadanan'Andriamanitra ho mariky ny finoanao fa manantena Azy ianao nohon'ny herin'ny Fanahiny izay hanolon-tsaina ny hoavinao
« Ary Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo amin'ny fifaliana sy ny fiadanana rehetra amin'ny finoanareo, mba hitomboanareo amin'ny fanantenana noho ny herin'ny Fanahy Masina. » (Romana 15:13)

VAVAKA :RAY O !MISAOTRA ANAO AHO FA AFAKA MIFALY SATRIA MANANA FANANTENANA NOHO NY TENINAO MANOME TOKY AHY !@ ANARAN’I JESOSY KRISTY VELONA AVY ANY NAZARETA AMEN !

KOLOKOLOY ILAY FAHAMASINANAO OLON’I KRISTY


Masina ianao olon'i Kristy
« Paoly sy Timoty, mpanompon'i Kristy Jesosy, mamangy ny olona masina rehetra ao amin'i Kristy Jesosy mbamin'ny mpitandrina sy ny diakona izay any Filipy; » (Filipiana 1:1)
Kolokoloy ary izany fahamasinanao izany ka zarao ny fitiavany
« Ary izao no angatahiko, dia ny mbola hitomboan'ny fitiavanareo bebe kokoa amin'ny fahalalana tsara sy ny fahafantarana rehetra, » (Filipiana 1:9)
diovy hatrany ny fo
« mba hamantaranareo izay zavatra tsara indrindra, mba ho madio am-po ary tsy hanan-tsiny ho amin'ny andron'i Kristy ianareo, » (Filipiana 1:10)
mamokàra ao @ Kristy
« sady feno ny vokatry ny fahamarinana, izay avy amin'ny alalan'i Jesosy Kristy, ho voninahitra sy fiderana an'Andriamanitra. » (Filipiana 1:11)
VAVAKA :RAY O !AMPIO AHO !AMPIASAO AHO MBA HO MASINA KOKOA HATRANY EO ANATREHANAO !@ ANARAN’I JESOA KRISTY VELONA AVY ANY NAZARETA AMEN !

MIAMBENA !MIAMBENA !


Sambatra izay miomana @ fihavin'i Kristy
« Indro, avy toy ny mpangalatra Aho. Sambatra izay miambina ka miaro ny fitafiany, fandrao mandeha mitanjaka izy, ka hita ny fahamenarany.» (Apokalypsy 16:15)
miazona ny finoana ka miaina ny fianana mandrakizay
« Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mino no manana fiainana mandrakizay. » (Jaona 6:47)
Hiahy ireo izay manao izany ny Tompo
« Indro, Izaho efa manorina ny fanekeko aminareo sy amin'ny taranakareo mandimby anareo » (Genesisy 9:9)

MAHEREZA !ASEHOY HATRANY FA KRISTY IRERY IHANY NO IANTEHERANAO !


HAMPIVAOTRA NY FIFANDRAISANY AMINAO OLONY KRISTY


Mi-tsodrano anao i Kristy
« Ary Jesosy nitondra azy hatrany Betania, dia nanandratra ny tànany ka nitso-drano azy. » (Lioka 24:50)
,mba hisokatra ny sainao hahalala ny Soratra Masina
« Dia nanokatra ny sain'ireo Izy hahalala ny Soratra Masina. » (Lioka 24:45)
sady tsy ho taitra raha tahaka ny hahita Azy mivantana
« Nefa hoy Jesosy taminy: Nahoana no taitra ianareo? ary nahoana no miahanahana ny fonareo? » (Lioka 24:38)

TAONA VAOVAO !
DINGANA VAOVAO NO MIANDRY ANAO !
MIOMANA FA HIAKATRA ARAM-PANAHY E !

MIJOROA HO MPITAIZA MANAM-PITIAVANA


Raha misy olona vao niverina t@ ny Tompo dia mbola mila tantanana ny fiainam-panahiny
« Koa dia izao no hevitro: Tsy mety raha isika manome fahasahiranana ny avy amin'ny jentilisa izay miverina ho amin'Andriamanitra; » (Asan'ny Apostoly 15:19)
tiavina ihany izy raha sendra solafaka
« Dia hoy Jehovah tamiko: Mandehana indray, tiava vehivavy izay tian'ny vadiny nefa mijangajanga, dia tahaka ny fitiavan'i Jehovah ny Zanak'Isiraely, nefa ireo kosa dia mihodina ho amin'izay andriamani-kafa sady tia ampempam-boaloboka. » (Hosea 3:1)
dia hiova
« Rehefa afaka izany, dia hiverina ny Zanak'Isiraely ka hitady an'i Jehovah Andriamaniny sy Davida mpanjakany; ary nandeha amin-kovitra hanatona an'i Jehovah sy ny fahasoavany izy, raha mby any amparany. » (Hosea 3:5)

MAHEREZA !
VITANAO NY HANANGANA OLONA MATOTRA AO @I KRISTY !