"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

MENDRIKA NY HO MPITARIKA MIAVAKA IANAO OLON’I KRISTY



Ezekiela ao @ i Kristy ianao ho famantarana mahagaga ho an'ny hafa ka hahatonga azy ireo hanara-dia an'i Kristy
« Ary Ezekiela dia ho famantarana mahagaga ho anareo; koa araka izay rehetra nataony no mba hataonareo; ary rehefa tonga izany, dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Tompo. » 
(Ezekiela 24:24)
sady ho mpitarika akaiky ny Tompo
« Rano velona eo an-tànan'i Jehovah ny fon'ny mpanjaka, Ka tarihiny amin'izay tiany. » 
(Ohabolana 21:1)

AMPIASAO ARY IZANY HO FAMPANDROSOANA NY FANJAKAN’ANDRIAMANITRA DIENY ETY AN-TANY E !

KRISTY NO MANOME TOKY FA HAMALY NY VAVAKAO OLONY IZY



Kristy no nanao fanoharana fa raha misy sakaiza mangataka na dia @alina aza
« Ary hoy Jesosy taminy: Iza moa aminareo no manana sakaiza, izay hankeo aminy mamatonalina ka hanao aminy hoe: Ry sakaiza, ampisambory mofo telo aho; » (Lioka 11:5)
dia hanome izy
« Hoy Izaho aminareo: Na dia tsy hiainga hanome azy noho ny fisakaizana aza izy, dia hifoha ihany izy noho ny fitarainany fatratra ka hanome azy izay ilainy. » (Lioka 11:8)
Sakaizan'ny Tompo ianao mangataka fa omeny
« Ary hoy izaho aminareo: Mangataha, dia homena ianareo; mitadiava, dia hahita ianareo; dondony, dia hovohana ianareo.Fa izay rehetra mangataka no mahazo; ary izay mitady no mahita; ary izay mandondòna no hovohana. » (Lioka 11:9-10)

MITSIKIA HO MARIKY NY FINOANAO FA HAHAZO VALIM-BAVAKA E !

MAMOKARA IANAO OLON’I KRISTY


Nahita ireo zava-tsoa nataon'i Kristy ny olona dia nametraka ny maha-lehibe ny tontolon'ny lanitra
« ka nanao hœ: Isaorana anie ny Mpanjaka, Izay avy amin'ny anaran'i Jehovah. Fiadanana any an-danitra, ary voninahitra any amin'ny avo indrindra. » (Lioka 19:38)
anjaranao olony izao no miasa @ anarany
« Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mino Ahy, ny asa ataoko no hataony koa; ary hanao asa lehibe noho izany aza izy, satria Izaho mankany amin'ny Ray. » (Jaona 14:12)

MAHEREZA !ASEHOY @ ALALAN’NY ASA FA VELONA SY MAHERY KRISTY AO ANATINAO !

MISY FAHEFANA KRISTY AO ANATINAO


Fampianarana misy fahefana tsy zakan'ny fanahy ratsy ny fampianaran'i Kristy
« Dia gaga ny olona rehetra ka nifanontany hœ: Manao ahoana re izao zavatra izao? Fampianarana vaovao misy fahefana izao! fa ny fanahy maloto aza no didiany, ka dia manaiky Azy. » (Marka 1:27)
Aza misalasala mampiasa izany fa hisy voka-tsoa ao @ Jerosalemanao
« Ary ny lazany dia niely niaraka tamin'izay teny tontolo eny tamin'ny tany rehetra eran'i Galilia. » (Marka 1:28)
VONONA MAMPIFOHA NY TANANANAO IZY!

ARY IANAO IZAY ITOERANY VE VONONA HAMPIASA?

TONTOLO MIAVAKA NY TONTOLONAO OLON’I KRISTY


Mitsangana eo afovoan'ny ankohonanao olony Kristy milaza hoe:"Fiadanana ho anareo!" 
« Ary raha mbola nilaza izany izy, Jesosy dia nitsangana teo afovoany ka nanao taminy hoe: Fiadanana ho anareo. » (Lioka 24:36)
efa olom-baovao mahatakatra izany ianao
« Izay hanova ny tenan'ny fietren-tenantsika ka hitovy endrika amin'ny tenan'ny voninahiny, araka ny fiàsan'ny heriny, izay ahaizany hampanaiky ny zavatra rehetra ho Azy. » (Filipiana 3:21)
HAFA IANAO
« Ary izay notendreny no nantsoiny koa; ary izay nantsoiny no nohamarininy koa; ary izay nohamarininy no nomeny voninahitra koa. » (Romana 8:30)
IAINO ILAY FIAINAM-BAOVAO FENO FAHATONIANA MENDRIKA ANAO!

MATOKIA!

AZA TAITRA RAHA MIATRIKA FAHAVALO



Raha tonga ireo fahavalo dia antsoy ny Tompo
« Miantso an'i Jehovah izay mendrika hoderaina aho, ka dia vonjena ho afaka amin'ny fahavaloko. » (Salamo 18:3)
handefa ny zana-tsipikany Izy dia hifanarika ireo
« Dia nandefa ny zana-tsipìkany Izy ka nampiely ny fahavaloko. Ary nampandeha helatra be ka nampifanaritaka azy. » (Salamo 18:14)
handrava izany @ ny fahazavany koa Izy
« Mifono fahazavana ny tànany, ary baikoiny iny mba hahavoa ny fahavalony; » (Joba 36:32) MPAMONJY MORA AZO INDRINDRA  I KRISTY IZAY TOMPOINAO !

MATOKIA !

FIAROVANA SY FIAMBENANA MAHAGAGA NO MENDRIKA ANAO OLON’I KRISTY


Harovan'Andriamanitra tahaka Davida ianao na mandalo fisedrana mafy aza
« Andriamanitro efa naniraka ny anjeliny ka nanakombona ny vavan'ny liona tsy handratra ahy, satria fahamarinana no hitany tamiko; ary teo anatrehanao koa, ry mpanjaka ô, tsy nanao ratsy aho. » (Daniela 6:23)
na ny mpanapaka aza tsy hahita tory noho ny fahavoazanao
« Dia nody tany an-dapany ny mpanjaka ary tsy nitendry hanina mandritra ny alina, sady tsy nisy zava-maneno nampidirina teo anatrehany, ary tsy nahita torimaso izy. » (Daniela 6:19).
AZA KIVY!
MAHEREZA!

FA HAMAHA NY OLANAO @ FOMBANY NY TOMPO !!


MATOA IANAO MITORY DIA MBA HANANGANA OLONA HITORY


Torio,ankalazao eny @ izay rehetra alehanao fa mila mibebaka sy manao asa mendriky ny fibebahana ny olona
« fa nambarako voalohany tamin'izay tany Damaskosy sy Jerosalema sy tany amin'ny tany Jodia rehetra ary tany amin'ny Jentilisa, mba hibebaka sy hiverina amin'Andriamanitra izy ka hanao asa miendrika ny fibebahana. » (Asan'ny Apostoly 26:20)
angataho ny Tompo mba hahomby izany
« Ary hoy Paoly: Mangataka amin'Andriamanitra aho, fa na amin'ny mora, na amin'ny sarotra, tsy ianao ihany, fa izay rehetra mandre ahy anio, dia hitovy amiko, afa-tsy amin'ireto gadra ireto ihany. » (Asan'ny Apostoly 26:29)
VANIM-POTOANA FANITARANA HAINGANA NY ASA FITORIANA IZAO !MAZOTOA MANANGANA MPANDIMBY !!!MAHEREZA !

AZA AMELANA RAHA TSY FATATRY NY TOMPO FA MILA AZY IANAO OLONY


Jakoba tsy namela an' Andriamanitra raha tsy nitahy azy
« Ary hoy Izy: Avelao Aho handeha, fa efa mazavaratsy ny andro. Fa hoy kosa Jakoba: Tsy havelako handeha Hianao, raha tsy tahinao aho. » (Genesisy 32:27)
niaiky ny heriny Izy ka nanontany ny anarany
« Ary hoy Izy taminy: Iza moa no anaranao? dia hoy izy: Jakoba. Ary hoy indray Izy: Tsy hatao hœ Jakoba intsony ny anaranao, fa Isiraely; satria efa nitolona tamin'Andriamanitra sy tamin'ny olona ianao ka nahery. » (Genesisy 32:28-29)
izy koa torak'izany
« Dia nanontany Jakoba ka nanao hœ: Masìna Hianao, lazao kely izay anaranao. Ary hoy Izy: Ahoana no anontanianao ny anarako? Dia nitahy azy teo Izy. » (Genesisy 32:30)
ARY IANAO?

SAHIA MIDONGY NY ANJARA TSARA MENDRIKA ANAO !

VITAO NY IKARA NOMENA ANAO OLON’I KRISTY


Iraka mba hanafaka tahaka an'i Mosesy ianao olon'i Kristy
« ary hoy Izaho: Hitondra anareo hiakatra Aho ho afaka amin'ny fahoriana aty Egypta ho any amin'ny tanin'ny Kananita sy ny Hetita sy ny Amorita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita, ho any amin'izay tany tondra-dronono sy tantely. » (Eksodosy 3:17)
ilay Andriamanitra tsy miova mandrakizay no maniraka
« Ary hoy Andriamanitra tamin'i Mosesy: IZAHO, IZAY IZY HATRIZAY HATRIZAY KA HO MANDRAKIZAY. Ary hoy koa Izy: Izao no holazainao amin'ny Zanak'Isiraely: IZAHO IZAY Izy no efa naniraka ahy ho aty aminareo. » (Eksodosy 3:14)
manentana anao hankato
« Fa tsy ny mpandre ny lalàna no marina eo anatrehan'Andriamanitra, fa ny mpankatò ny lalàna no hohamarinina; » (Romana 2:13)

MAZOTOA FA MIARAMILA HAHOMBY IANAO !MATOKIA !MAHEREZA !

MAHAZO FANKASITRAHANA AVY @ ANDRIAMANITRA IZAY MANOME


Paoly dia namporisika ny hafa mba hanome
« Efa nasehoko anareo tamin'ny zavatra rehetra fa tokony hiasa toy izany koa ianareo, mba hiantra ny mahantra ka hahatsiaro ny tenin'i Jesosy Tompo, izay manao hoe: Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray. » (Asan'ny Apostoly 20:35)
Lydia nampiantrano mpanompon'Andriamanitra
« Ary rehefa natao batisa ravehivavy mbamin'ny ankohonany, dia nangataka izy nanao hoe: Raha ataonareo ho mahatoky amin'ny Tompo aho, dia midìra ao an-tranoko ka mitœra ao. Dia nanery anay izy. » (Asan'ny Apostoly 16:15)
Gaio nanampy h@ vahiny
« Ry malala, manao asa mahatoky ianao na amin'inona na amin'inona ataonao amin'ireo rahalahy ireo, na dia vahiny aza izy, » (3 Jaona 5)
FITAHIANA HO ANAO NY MANOME!
MATOKIA !MAHEREZA !

AMPIASAO ILAY FAHASOAVAM-PANAHY AO ANATINAO



Ao aminao olon'i Kristy dia misy fahasoavam-panahy ho entina hampaherezana ny hafa 
« Fa maniry hahita anareo aho hanomezako anareo fahasoavam-panahy ho anareo, mba hampaharezina ianareo, » (Romana 1:11)
mazotoa ary mizara
« koa raha izaho, dia mazoto hitory ny filazantsara aminareo izay any Roma koa aho. » (Romana 1:15)
aza menatra mampiasa izany
« Fa tsy menatra ny filazantsara aho; fa herin'Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino izany, amin'ny Jiosy aloha, dia vao amin'ny jentilisa koa. » (Romana 1:16)

MAHEREZA !
ARAKARAKY NY HAMPIASANAO AZY NO HITOMBON’NY HERIN’ANDRIAMANITRA AO ANATINAO !!

IANAO VE?


Efa voavidy ho masina talohan'ny fanorenan'izao tontolo izao
« araka ny nifidianany antsika tao aminy, fony tsy mbola ary ny fanorenan'izao tontolo izao, mba ho masina sady tsy misy tsiny eo anatrehany isika, » (Efesiana 1:4)
sy voatendry ho an'i Kristy hanangana taranaka ho Azy
« rehefa notendreny rahateo amin'ny fitiavana isika mba ho Azy* amin'ny fananganan'anaka amin'ny alalan'i Jesosy Kristy, araka izay ankasitrahan'ny fony, [* Na: amin'ny fitiavana, rehefa notendreny rahateo ho Azy isika] » (Efesiana 1:5)
MANAIKY VE IANAO?

MAHEREZA ! 

ANAO NY SAFIDY


Izay tsy mibebaka dia iaran'ny fahatezeran'Andriamanitra
« Fa ny ditranao sy ny fonao tsy mibebaka no iraketanao fahatezerana ho anao amin'ny andro fahatezerana sy fampisehoana ny fitsarana marin'Andriamanitra, » (Romana 2:5)
eny mitarika @ fahoriana sy fahantrana izany
« fa ho an'izay mitady ny ho an'ny tenany ihany kosa sady tsy manaraka ny marina, fa manaraka ny tsy marina, dia fahavinirana sy fahatezerana,eny, fahoriana sy fahantrana ho an'ny fanahin'ny olona rehetra izay manao ratsy, amin'ny Jiosy aloha, dia vao amin'ny jentilisa koa; » (Romana 2:8-9),
izay manao ny tsara kosa dia hiadana
« fa voninahitra sy laza ary fiadanana kosa ho an'ny olona rehetra izay manao ny tsara, amin'ny Jiosy aloha, dia vao amin'ny jentilisa koa. » (Romana 2:10)

FIDIO HO MPAMONJINAO KRISTY DIA HIAINA ILAY FIADANANA ANATY MANDRAKIZAY IANAO !MATOKIA !MAHEREZA !



MANEKE HIHAINO AN’ NY TOMPO


Maneke hihaino an'ny Tompo satria te-hiresaka aminao olony Izy
« Ary Andriamanitra niteny tamin'Isiraely tao amin'ny fahitana nony alina ka nanao ho : Ry Jakoba, ry Jakoba ô! Ary hoy kosa izy: Inty aho. » (Genesisy 46:2)
te-hanome teny fikasana lehibe ho an'ny Jerosalemanao mantsy Izy
« Dia hoy Izy: Izaho no Andriamanitra, dia Andriamanitry ny rainao; aza matahotra hidina any Egypta ianao, fa hataoko firenena lehibe any ianao. » (Genesisy 46:3)
FIKIRO IZY
« Ka dia sahy manao hœ isika: "Jehovah no Mpamonjy ahy, ka tsy hatahotra aho; Inona no azon'ny olona atao amiko?" (Sal 118. 6). » (Hebreo 13:6)
AZA MANAHY FA HOMBA ANAO SY NY TARANAKAO ARY NY FIRENENAO @ FOMBANY KRISTY !!!

HIHAHOSA NY FAHAVALONAO OLON’I KRISTY


Mety naharitra ny ady atrehanao @ fahavalonao olon'i Kristy nefa izao:izy hihahosa fa ianao hihahery
« Ary naharitra ela ny adin'ny tamingan'i Saoly sy ny tamingan'i Davida, nefa Davida nihahery, fa ny tamingan'i Saoly kosa nihahosa. » (2 Samoela 3:1)
satria Andriamanitra no miasa ao anatinao
« satria Izaho tsy niteny ho Ahy, fa ny Ray Izay naniraka Ahy, Izy no nandidy Ahy izay holazaiko sy izay hotoriko. » (Jaona 12:49)

MAHARETA DIA HO TSAPANAO MIVAINGANA IZANY HOE MANOATRA NOHO MPANDRESY MIARAKA @ KRISTY E !
MAHAREZA !

TSY HANARY ANAO MPANOMPONY NY TOMPO


Mety mitaraina ianao fa irery nefa mpanompon'Andriamanitra mahomby eo @ asany nefa hoy Izy aminao:TSY HANARY ANAO AHO
« Andriamanitra tsy nanary ny olony izay efa fantany rahateo; sa tsy fantatrareo izay lazain'ny Soratra Masina eo amin'ny tantaran'i Elia, dia ilay fitarainany tamin'Andriamanitra nentiny namely ny Isiraely hœ:Jehovah ô, efa namono ny mpaminaninao sy nandrava ny alitaranao izy: ary izaho irery ihany no sisa, ka mitady ny aiko koa izy? (1 Mpan. 19. 14). » (Romana 11:2-3)
,ary hahazo namana ianao

« Fa ahoana no navalin'Andriamanitra azy? Izaho efa niaro fito arivo lahy ho Ahy, dia izay tsy mba nandohalika tamin'i Bala.Dia toy izany koa amin'izao andro ankehitriny izao misy sisa ihany araka ny fifidianana amin'ny fahasoavana. » (Romana 11:4-5) 
MAHEREZA !
TOHIZO NY ANTSO IZAY EFA NIATSOANY ANAO !!

MISY ASA MASINA IZAY VITANAO OLON’I KRISTY


Andraikitra nasain'i Kristy ataonao olony ny fanasitranana ny marary sy ny fanesorana ny fanahy ratsy
« Sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovy ny boka, avoahy ny demonia; efa nahazo maimaimpoana ianareo, koa manomeza maimaimpoana. » (Matio 10:8)
SAHIA!hanina ho anao @ anarany izany
« Hoy Jesosy taminy: Ny haniko dia ny manao ny sitrapon'izay naniraka Ahy sy ny mahavita ny asany. » (Jaona 4:34)
MAHEREZA!
MAZOTOA MITONDRA FANAFAHANA HO AN’NY HAFA !

ANKALAZAO ILAY LOHARANO VELONA


Mila mifandray @ jentilisa ianao olon'i Kristy
« Ary nisy vehivavy Samaritana anankiray avy hantsaka rano dia hoy Jesosy taminy: Omeo Aho hosotroiko. » (Jaona 4:7)
mba ahafahanao mampahafantatra Azy aminy
« Jesosy namaly ka nanao taminy hœ: Raha fantatrao ny fanomezan'Andriamanitra sy Izay miteny aminao hœ: Omeo Aho hosotroiko, dia ianao no ho nangataka taminy, ka nomeny rano velona. » (Jaona 4:10)
mba hananany fiainana mandrakizay
« fa na iza na iza no misotro ny rano izay homeko azy dia tsy hangetaheta mandrakizay; fa ny rano izay homeko azy dia ho loharano miboiboika ao anatiny ho fiainana mandrakizay. » (Jaona 4:14)
AVOTY NY HAFA!!MAZOTOA !MAHEREZA .

TSY HO IRERY IANAO OLON’I KRISTY


Ny Tompo no hanome famantarana fa miaraka aminao Izy
« Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Ahinjiro ny tananao, ka raiso amin'ny rambony iny, dia naninjitra ny tànany izy ka nandray azy; dia tonga tehina teo an-tànany indray izy mba hinoan'ireo fa efa niseho taminao Jehovah, Andriamanitry ny razany, dia Andriamanitr'i Abrahama sy Andriamanitr'Isaka ary Andriamanitr'i Jakoba. » (Eksodosy 4:4-5) 
,mba hialan'ny fisalasala izay mety hitranga ao anatinao
« Ary namaly Mosesy ka nanao hœ: Indro, tsy hino ahy na hihaino ny feoko izy, fa hanao hœ: Tsy niseho taminao Jehovah. » (Eksodosy 4:1)
SAHIA HO MPANOMPON'I KRISTY
« Paoly sy Timoty, mpanompon'i Kristy Jesosy, mamangy ny olona masina rehetra ao amin'i Kristy Jesosy mbamin'ny mpitandrina sy ny diakona izay any Filipy; » (Filipiana 1:1)

MILA ANAO HIASA MAHERY VAIKA AO @ FANJAKANY DIENY ETY AN-TANY NY TOMPO !MAZOTOA !MAHEREZA !

FIJOROANA VAVOLOMBELONA T@ FANKALAZANA NY FAHA 5 TAONA NY TENY ZARAINA (1)

VELONA SY MAHERY NY TENIN'ANDRIAMANITRA

TSY AZO FERANA NY FIASAN’NY FANAHY


Ny fanomezam-pahasoavana dia avy @ Fanahy
« Ireo rehetra ireo dia asan'ny Fanahy iray ihany, zarazarainy ho azy rehetra avy araka ny sitrapony. » (1 Korintiana 12:11)
na teny fehendrena
« Fa ny anankiray nomen'ny Fanahy teny fahendrena, ary ny anankiray teny fahalalana, araka izany Fanahy izany ihany, » (1 Korintiana 12:8)
na finoana,na fanasitranana
« ary ny anankiray finoana, amin'izany Fanahy izany ihany, ary ny anankiray fanomezam-pahasoavana ho enti-mahasitrana, amin'izany Fanahy iray izany ihany, » (1 Korintiana 12:9)
na fahagagana,na faminaniana,...
« ary ny anankiray ny manao fahagagana, ary ny anankiray ny maminany, ary ny anankiray ny mahafantatra fanahy samy hafa, ary ny anankiray ny miteny amin'ny fiteny samy hafa tsy fantatra, ary ny anankiray ny mandika fiteny tsy fantatra. » (1 Korintiana 12:10)
MIFAMENO IREO KOA SAMIA MAMPIVELATRA IZAY TANDRIFY AZY AVY AO @ KRISTY E !
MAHEREZA !

HISY TANY HO VOATAHY H@ ZAFIAFY NY MPONINA AO AMINY :


Andriamanitra dia te-hanangana tany ho an'ny olona izay te-hanaraka ny didiny sy fitsipiny « Ary izao no lalàna, dia ny didy sy ny fitsipika, izay nasain'i Jehovah Andriamanitrareo hampianarina anareo mba harahinareo any amin'ny tany izay alehanareo holovana, » (Deotoronomia 6:1)
ary ho maro andro h@ zafiafy ny mponina ao
« mba hatahoranao an'i Jehovah Andriamanitrao, hitandremanao ny lalàny rehetra sy ny didiny izay andidiako anao, dia ianao sy ny zanakao ary ny zafinao, amin'ny andro rehetra hiainanao, mba ho maro andro ianao. »
 (Deotoronomia 6:2)

NY TANINAO IO RAHA MANAIKY HANOLOTRA AZY TANTERAKA HO AN’I KRISTY IANAO ?  KOA ANJARANAO NY SISA ! ANDRIAMANITRA EFA VONONA HATRY NY ELA !


MANASA ANTSIKA HIHAINO ITY FANDAHARANA NANDEHA T@ RNM ITY


HISY TANY HAVAHAN’ANDRIAMANITRA


Hisy firenena havahan'ny Tompo,ao no hofongorany izay olona manamavo Azy 
« Fa ny olona izay manota sahisahy kosa, na tompon-tany, na vahiny, dia manamavo an'i Jehovah, ka dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny. » (Nomery 15:30)
ary malalany ny mponina rehetra ao
« ho an'izay rehetra any Roma, malalan'Andriamanitra sady voantso ho masina; ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo. » (Romana 1:7)
SAHIA MILAZA HOE:METY @ TANIKO IZANY !SA AHOANA E !


ATSANGANO NY MATY RY OLON’I KRISTY


Eotyka dia zaza efa maty
« Ary nisy zatovo anankiray atao hœ Eotyka nipetraka teo am-baravarankely ka sondrian-tory; ary raha naharitra ela ny toritenin'i Paoly, dia niraika noho ny torimaso ilay zatovo ka nianjera tamin'ny tany avy eny amin'ny rihana intelo mifanongoa, ary nony narenina izy, dia indro fa efa maty. » (Asan'ny Apostoly 20:9)
no nentin'i Paoly am-bavaka dia velona
« Ary Paoly nidina, dia niankohoka taminy sy nanohona azy ka nanao hœ: Aza mihorikorika ianareo, fa mbola misy aina ihany izy. » (Asan'ny Apostoly 20:10)
ary faly ireo nahita izany
« Ary nitondra ilay zatovo efa velona izy ireo ka faly dia faly. » (Asan'ny Apostoly 20:12)
Anjaranao olon' i Kristy izao no mampifaly.
SAHIA VITANAO IZANY !
MILA MANOMBOKA IANAO VAO HAHITA NY VONINAHITR’ANDRIAMANITRA E !!

TANDREMO !AROVY NY TENANAO OLON’I KRISTY


Aoka ho tanteraka eo anatrehan'Andriamanitra ianao olon'i Kristy
« Aoka ho tanteraka amin'i Jehovah Andriamanitrao ianao. » (Deotoronomia 18:13)
tsy avelan'ny Tompo
« Fa ireo firenena izay efa horoahinao ireo dia mihaino ny mpanandro sy ny mpanao fankatovana; fa ianao kosa tsy navelan'i Jehovah Andriamanitrao hanao izany. » (Deotoronomia 18:14)
hanaraka ny fomba ratsy ataon'ny manodidina ianao
« REHEFA tonga any amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao ianao, dia aza mianatra hanao araka ny fahavetavetana ataon'ireo firenena ireo. » (Deotoronomia 18:9)
SAHIA MANDA IZAY FOMBA TSY MANOME VONINAHITRA NY TOMPONAO E !MAHEREZA !

ATSANGANO ILAY TANY TSARA HAMOA VOA TSARA


Maneke ianao olon'i Kristy ho voa tsara ambolena eo @ tany tsara
« Fa ilay nafafy teny amin'ny tany tsara kosa dia izay mandre ny teny ka mahalala; dia izy no mamoa ka vokatra: ny sasany avy zato heny ary ny sasany avy enim-polo heny, ary ny sasany avy telo-polo heny. » (Matio 13:23)
kely no iandohanao fa ho mpanompo hitondra vokatra be no ho fiafaranao
« Ary nanao fanoharana hafa koa taminy Izy ka nanao hœ: Ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny voan-tsinapy izay nalain'olona ka nafafiny tany an-tsahany;fa kely noho ny voa rehetra izy, kanefa rehefa maniry, dia lehibe noho ny anana ka tonga hazo, dia avy ny voro-manidina ka mitœtra ao amin'ny rantsany. » (Matio 13:31-32)

MAHEREZA.AZA AMELANA RAHA TSY ILAY JEROSALEMANAO ILAY TANY TSARA E !!