"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

KRISTY IHANY NO MENDRIKA IANKOHOFANA



Vokatry ny finoanao an'i Kristy dia mora aminao ny miankohoka eo anatrehany
« Ary hoy izy: Tompoko, mino aho. Dia niankohoka teo anatrehany izy. » (Jaona 9:38)
mba ho marika iray fa mahiratra aram-panahy ianao
« Ary hoy Jesosy: Ho fitsarana no nahatongavako amin'izao tontolo izao, mba hahiratra ny tsy mahiratra, ary mba ho tonga jamba kosa ny mahiratra. » (Jaona 9:39)
MIFALIA
« Fa ny olona izay ankasitrahan'Andriamanitra dia omeny fahendrena sy fahalalana ary fifaliana; .. » (Mpitoriteny 2:26a)
FA NAHAKASIKA NY FON’ANDRIAMANITRA IANAO !!

MAHEREZA !

HAMPITSIMBADIKA NY FIAINANAO OLONY KRISTY


Mifalia fa hanao ny impossible ho lasa possible eo @ fiainanao olony ny Tompo
« Mihobia, ry momba, ianao izay tsy niteraka, eny, velomy ny hoby, ka manandrata feo, ianao izay tsy mba nihetsi-jaza; fa ny zanaky ny mpitondra tena dia maro noho ny zanaky ny manambady, hoy Jehovah. » (Isaia 54:1)
hamindra fo sy hanavotra anao
« Tamin'ny firehetan'ny fahatezerako no nanafenako ny tavako taminao indray mipi-maso monja, fa amin'ny famindram-po mandrakizay kosa no amindrako fo aminao, hoy Jehovah, Mpanavotra anao. » (Isaia 54:8)
ary tsy ho tezitra intsony Izy
« Fa amiko izany dia tahaka ilay ranon'i Noa, ka toy ny nianianako fa tsy hanafotra ny tany intsony ilay ranon'i Noa. Dia toy izany no ianianako fa tsy ho tezitra aminao na hiteny mafy anao intsony Aho. » (Isaia 54:9)
MINOA!
FIKIRO NY FANEKENA NATAONAO TAMINY DIA HO HITANAO NY VONINAHINY!

MAHEREZA!

HOMBA ANAO TABERNAELIN’I KRISTY NY TOMPO


Nampiseho famantarana teo @ tabernakely ny Tompo fa homba ny zanak'israely t@ izay rehetra nalehany
« Fa ny rahon'i Jehovah dia teo ambonin'ny tabernakely nony andro, ary nisy afo teo aminy nony alina, teo imason'ny taranak'Isiraely rehetra, tamin'ny nandehanany rehetra. » (Eksodosy 40:38)
ianao tabernakelin'i Kristy koa mendrika izany
« Tsy fantatrareo va fa tempolin'Andriamanitra ianareo, ary ny Fanahin'Andriamanitra mitoetra no anatinareo? » (1 Korintiana 3:16)
HAMASINO ARY NY TENANAO SATRIA TENA MASINA EO ANATREHANY IANAO!

MAHEREZA! 

FIDIO IZAY HO TOMPOINAO


Na ianao mandray ny fitiavan'Andriamanitra dia omeny izay eo am-pelatanany
« Ny Ray tia ny Zanaka ka efa nanolotra ny zavatra rehetra ho eo an-tànany. » (Jaona 3:35) 
sady asainy mitondra ny Teniny
« Fa Izay nirahin'Andriamanitra dia milaza ny teniny; fa tsy misy fetra ny fanomezan'Andriamanitra ny Fanahy. » (Jaona 3:34)
na ianao iaran'ny fahatezerany
« Izay mino ny Zanaka manana fiainana mandrakizay; fa izay tsy mino ny Zanaka dia tsy hahita fiainana, fa ny fahatezeran'Andriamanitra no mitoetra eo aminy. » (Jaona 3:36)

TSY MISY FIAINANA RAHA TSY AO @ KRISTY IHANY E!

SAOLY AO @ KRISTY IANAO

Voahosotra manokana
« Ary Samoela nitondra tavoara feno diloilo ka nanidina ny diloilo teo an-dohan'i Saoly, dia nanoroka azy ka nanao hœ: Tsy nanosotra anao va Jehovah mba ho mpanapaka ny lovany? » (1 Samoela 10:1)
nilatsahan'ny fanahy masina ary niova ho olom-baovao
« Ary hilatsaka aminao ny Fanahin'i Jehovah, ka hiara-maminany aminy ianao, dia ho voaova ho olom-baovao. » (1 Samoela 10:6)
ary hotahiana avy @ asan'ny tananao
« Ary rehefa tonga aminao ireo famantarana ireo, dia ataovy izay azon'ny tananao atao, fa Andriamanitra no momba anao. » (1 Samoela 10:7)
MATOKIA!

MAHEREZA!

HIAVAKA NY VALIM-BAVAKA HO AZONAO OLON’I KRISTY


Hahazo hery ny fanahinao ka hanjary hanana fahasahiana hisolo vava an'Andriamanitra ianao
« Tamin'ny andro nitarainako dia namaly ahy Hianao; Nomenao fahasahiana aho ka nisy hery ny fanahiko. » (Salamo 138:3)
ary hiaiky izay holazainao ny mpanapaka
« Jehovah ô, hidera Anao ny mpanjaka rehetra amin'ny tany, Fa handre ny tenin'ny vavanao izy. » (Salamo 138:4)

MATOKIA!
SAHIA MANAMBARA IREO TENY FIKASANA TSARA AO ANATINAO!
MAHEREZA.

KRISTY IHANY NO TENA AZO IANTEHERANA


Na ianao momba an'i Kristy na manohitra Azy
« Izay tsy momba Ahy dia manohitra Ahy; ary izay tsy miara-mamory amiko dia manahaka. » (Lioka 11:23)
ary tsinotsinona ny andriamani-kafa
« Fa ny andriamanitry ny firenena dia tsinontsinona; Fa Jehovah no nanao ny lanitra. » (Salamo 96:5)
fa ilay Tomponao no ambony indrindra
« Fa lehibe Jehovah ka mendrika hoderaina indrindra, Sady mahatahotra, fa ambonin'ny Andriamanitra rehetra. » (Salamo 96:4)

FIKIRO NY ANAO E!
MAHEREZA!

ATSANGANO HO AN’I KRISTY NY JEROSALEMANAO


Hiaro an'i Kristy ao anatinao @ fombany ny Tompo
« Ary nony efa lasa nandeha ireo, indro, nisy anjelin'ny Tompo niseho tamin'i Josefa tamin'ny nofy ka nanao hoe: Mifohaza ianao, ka ento ny Zazakely sy ny reniny, dia mandosira any Egypta, ary mitoera any ambara-pilazako aminao; fa Heroda efa hitady ny Zazakely hovonoiny. » (Matio 2:13)
ianao fitoerany kosa dia tiany hanompo Azy
« Ary hoy izy tamin'ny Levita izay mpampianatra ny Isiraely rehetra sady efa masina ho an'i Jehovah: Apetraho ao an-trano nataon'i Solomona, zanak'i Davida, mpanjakan'ny Isiraely, ny fiara masina; fa izao dia efa tsy milanja azy intsony ianareo; koa manompoa an'i Jehovah Andriamanitrareo sy ny Isiraely olony; » (2 Tantara 35:3)
mba ahafahanao manangana tanàna masina @anarany
« Ary izao no ho tonga any am-parany: Ny tendrombohitra misy ny tranon'i Jehovah dia haorina eo an-tampon'ny tendrombohitra Ary hasandratra ho avo noho ny havoana; Ary ny firenena hitanjozotra hankany. » (Mika 4:1)

FOTOANA FIJOROANAO IZAO!
SAHIA!
ROMBAO NY FANJAKAN’ANDRIAMANITRA E!

MAHASOA NY MADIO AM-PO


Ny toe-po madio tanteraka
« Fa Izaho kosa milaza aminareo hœ: Izay rehetra tezitra amin'ny rahalahiny dia miendrika hohelohina amin'ny fitsarana; ary na zovy na zovy no hanao amin'ny rahalahiny hoe: Olom-poana ianao, dia miendrika hohelohina amin'ny Synedriona; ary na zovy na zovy no hanao hœ: Foka ialahy, dia miendrika ho ao amin'ny helo mirehitra afo. » (Matio 5:22),
no zava-dehibe mialohan'ny fanoloran-tena marina ho an'Andriamanitra
« Ary amin'izany, raha mitondra ny fanatitrao ho eo amin'ny alitara ianao, ary eo no mahatsiaro fa ny rahalahinao manana alahelo aminao,dia avelao eo anoloan'ny alitara ny fanatitrao, ka mandehana aloha, ataovy izay hihavananao amin'ny rahalahinao, ary rehefa miverina, dia vao atero ny fanatitrao. » (Matio 5:23-24),
sady hitera-bokatsoa @ fanompoana
« Ary nahasitrana olona maro izay nararin'ny aretina samy hafa Izy sady namoaka demonia maro; ary tsy navelany hiteny ny demonia, satria nahafantatra Azy ireny. » (Marka 1:34).

MAHEREZA.SAHIA MIZAHA TOETRA NY FONAO E!

IREO AUDIO TENY ZARAINA VITA HATRETO


HANEHO NY HERINY EO @ JEROSALEMANAO KRISTY


Velona sy mahery Kristy ao anatinao olony 
« Hoy Jesosy taminy: Voalazanao; ary koa, lazaiko aminareo: Hatramin'izao dia ho hitanareo ny Zanak'olona mipetraka eo amin'ny tanana ankavanan'ny Hery sy avy eo amin'ny rahon'ny lanitra. » (Matio 26:64),
haneho fahagagana eo @ fiainanao sy ny manodidina Izy
« Toy ny tamin'ny andro nivoahanao avy tany amin'ny tany Egypta No hanehoako azy zava-mahagaga. » (Mika 7:15)
ary hiaiky izany na ny jentilisa aza
« Hahita izany ny jentilisa, Ka hahamenatra azy ny heriny rehetra; Hitampim-bava izy, Ho tonga marenina ny sofiny. » (Mika 7:16)

MINOA!
AZA KOBONINA ARY IO HERY HITONDRA FANOVANA IO!
MAHEREZA!

MPIARA-MANANGANA IZAY EFA RAVA IANAO SY KRISTY


Manana fanamby hanangana fiainam-baovao ho anao olony ny Tompo
« Ary hampodiko ny Isiraely avy amin'ny fahababoana, dia hanangana ny tanàna efa rava izy ka honina ao, ary hanao tanim-boaloboka izy ka hisotro ny divay avy aminy; Hanao saha koa izy ka hihinana ny vokatra. » (Amosa 9:14)
,eny vonona hanangana tany vaovao Izy
« Eny, hamboleko ao amin'ny taniny izy, ka tsy hongotana amin'ny taniny izay nomeko azy intsony izy, Hoy Jehovah Andriamanitrao. » (Amosa 9:15)
satria ianao nanaiky hiasa ho Azy
« Ary hoy izy: Andriamanitry ny razantsika efa nanendry anao hahafantatra ny sitrapony sy hahita ny Iray Marina ary hihaino ny teny aloaky ny vavany; fa ho vavolombelony amin'ny olona rehetra ianao ny amin'izay efa hitanao sy renao. » (Asan'ny Apostoly 22:14-15)

MAZOTOA ARY HANANGANA JEROSALEMA VAOVAO E!
MAHEREZA!!

ZAVA-DEHIBE NY FANEKENA HO IRAK’I KRISTY


Na olo-tsotra aza ianao rehefa manaiky ho ampiasain'ny Tompo dia afaka mitondra ny feony
« Dia namaly Amosa ka nanao tamin'i Amazia hoe: Tsy mba mpaminany aho, na zanaka ny mpaminany; fa mpiandry ondry sy mpioty aviavy ihany aho,saingy nalain'i Jehovah tany ampiandrasana ondry ka nataony hoe: Mandehana, ka maminania amin'ny Isiraely oloko. » (Amosa 7:14-15)
SAHIA ho irany
« Fa ny molotry ny mpisorona tokony hitahiry fahalalana, ary ny lalàna hotadiavina eo am-bavany, satria irak'i Jehovah, Tompon'ny maro, izy. » (Malakia 2:7)
dia ho feno hosotra izay ambara 
« Ny lalàn'ny fahamarinana no teo am-bavany, ary tsy mba nisy tsi-fahamarinana teo amin'ny molony; tamin'ny fiadanana sy ny fahitsiana no niarahany nandeha tamiko, ary maro no nampialainy tamin'ny heloka. » (Malakia 2:6)
MITOKIA!!!
MAHEREZA!

ALEO MISOROKA !


Loza raha ho tonga tokoa ny fahatezeran'Andriamanitra 
« Ry zanak'olona, raha misy tany manota amiko ka manao izay mahadiso, ary ahinjitro aminy ny tanako, ka tapahiko ny mofo, tohan'ainy, sady andefasako mosary, ary aringako avokoa ny olona sy ny biby, » (Ezekiela 14:13)
fa na hisy olo-marina aza ao dia ireo ihany no avotra fa ny akotr'izay ho faizina avokoa
« na dia ao aza ireto telo lahy ireto, dia Noa sy Daniela ary Joba, dia ny tenany ihany no ho voavonjiny noho ny fahamarinany, hoy Jehovah Tompo. » (Ezekiela 14:14)
MBOLA TSY TARA IZAO!!!
MAZOTOA MAMPAHAFANTATRA NY FILAZANTSARA E!
MAHEZA!

AROVY NY TENANAO OLON’I KRISTY


Fotoana fiambenana izao
« Koa amin'izany miambena ianareo; fa tsy fantatrareo izay andro hihavian'ny Tomponareo. » (Matio 24:42)
arovy ny tenanao mba hadio tanana h@ farany
« Izay madio tanana sy mahitsy fo, izay tsy manandratra ny fanahiny ho amin'ny lainga, na mianiana hamitaka. » (Salamo 24:4)
mba handraisanao fitahiana avy @ Andriamanitra dieny ety an-tany
 « Handray fitahiana avy amin'i Jehovah izy, ary fahamarinana avy amin'Andriamanitry ny famonjena azy. » (Salamo 24:5)
TSAROVY FA MANANA PLANINA LAFATRA HO ANAO NY TOMPO!
MATOKIA!
MAHEREZA!

SAMY NANAO DINGANA NA IANAO NA I KRISTY NEKENAO


Nangataka ny hiverina @ny Tompo marina ianao
« Jehovah ô, ampivereno aminao izahay, mba hiverenanay; Havaozy ho toy ny fahiny ny andronay. » (Fitomaniana 5:21)
sady nahafoy ny fahalemena rehetra
« Ary nahafoy ny zavatra rehetra izy ka nitsangana, dia nanaraka Azy. » (Lioka 5:28)
setrin'izany dia handrava ny fireharehan'ny nofonao Kristy 
« Na dia miakatra tahaka ny voromahery aza ianao Ka mametraka ny akaninao eny amin'ny kintana, Dia havariko avy eny ianao, hoy Jehovah. » (Obadia 4)
HIOVA IANAO!
MATOKIA!
MAHEREZA!

MIVONONA HANANGANA HOAVY VAOVAO AZO ANTOKA


Mila mihavana @ izay miara-dia aminao ianao
« Mihavàna faingana amin'ilay manana ady aminao, raha mbola miara-dia aminy ianao, fandrao ilay manana ady aminao hanolotra anao amin'ny mpitsara, ary ny mpitsara kosa hanolotra anao amin'ny mpamatotra, ka hatao ao an-tranomaizina ianao. » (Matio 5:25)
,satria te-hanana fo vaovao
 « Dia hofafazako rano madio ianareo, ka hadio; ny mba ho afaka amin'ny fahalotoanareo rehetra sy ny sampinareo rehetra no hanadiovako anareo.Ary homeko fo vaovao ianareo, ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo, ary hesoriko amin'ny nofonareo ny fo vato, ka homeko fo nofo ianareo. » (Ezekiela 36:25-26)
Fanahy vaovao
« Ary ny Fanahiko no hataoko ao anatinareo, ka hahatonga anareo handeha araka ny lalàko sy hitandrina ny fitsipiko ka hanaraka azy. » (Ezekiela 36:27) 
tany vaovao mendrika anao 
« Ary honina any amin'ny tany izay nomeko ny razanareo ianareo, ka ho oloko ianareo, ary Izaho ho Andriamanitrareo. » (Ezekiela 36:28)
SA AHOANA?

HASANDRATRA @ FOMBA MAHAGAGA KRISTY AO ANATINAO


Hanandratra anao izay manetry tena ny Tompo

 « ...; fa izay rehetra manandra-tena no haetry, ary izay rehetra manetry tena no hasandratra. » (Lioka 18:14b)

Kristy mihitsy mantsy no teraka tao an-tranon'omby nefa nahazo haja sy fanomezana avy @'ireo magy

 « Ary rehefa tafiditra tao an-trano izy, dia nahita ny Zazakely sy Maria reniny ka niankohoka teo anatrehany; ary nony efa nosokafany ny fitehirizan-drakiny, dia nanolotra zavatra ho Azy izy, dia volamena sy zava-manitra ary miora. » (Matio 2:11)

FIKIRO ARY IO TOETRA MASINA EFA ANANANAO IO!
MAHEREZA!