"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

MITONDRA FANASITRANANA NY FINOANA

Apetrao @ Kristy ny rofinao rehetra fa hositraniny
« Ary nony hariva ny andro, dia nentin'ny olona tany aminy ny demoniaka maro; ary ny teniny ihany no namoahany ny fanahy ratsy, ary izay narary rehetra dia nositraniny avokoa,mba, hahatanteraka izay nampilazaina an'Isaia mpaminany hoe: Izy naka ny rofintsika sy nitondra ny aretintsika (Isa. 53. 4). » (Matio 8:17)
aoka Izy Kristy no hihaiky ny finoanao
« Ary nony nahare izany Jesosy, dia gaga ka niteny tamin'izay nanaraka Azy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy mbola nahita finoana lehibe toy izany Aho na dia tamin'ny Isiraely aza. » (Matio 8:10)
ka hiteny hoe: tongava araka ny ninoanao
« Ary Jesosy niteny tamin'ilay kapiteny hoe: Mandehana; tongava aminao araka ny ninoanao. Dia sitrana tamin'izany ora izany ilay ankizilahy. » (Matio 8:13)
MATOKIA DIA TENA HO HITANAO NY VONINAHITR’ANDRIAMANITRA !!!