"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

HILAZA ZAVA-MIAFINA IANAO OLON’I KRISTY

Mahavita ny iraka ampanaovin'ny Tompo Azy no sakafon'I Kristy ao anatinao
« Hoy Jesosy taminy: Ny haniko dia ny manao ny sitrapon'izay naniraka Ahy sy ny mahavita ny asany. » (Jaona 4:34)
ampiasao izany dia hilaza zava-miafina
« Ary maro ny Samaritana avy tao amin'izany tanàna izany no nino an'i Jesosy noho ny filazan-dravehivavy, izay nanambara hoe: Nolazainy tamiko avokoa izay rehetra nataoko. » (Jaona 4:39)
sy hamonjy ny hafa ianao
« Ary maro koa no nino noho ny teniny ka nanao tamin-dravehivavy hoe: Tsy noho ny filazanao ihany no inoanay, fa ny tenanay no mandre, ka fantatray fa Izy tokoa no Mpamonjy izao tontolo izao. » (Jaona 4:41-42)
SAHIA MANAO DINGANA DIA HO HITANAO NY VONINAHITR’ANDRIAMANITRA!!
MATOKIA!
MAHEREZA.