"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

TSY HO MENATRA MANDRAKIZAY IANAO OLON’I KRISTY


Tsy ho menatra mandrakizay izay miantehitra @ i Kristy
« Jehovah ô, Hianao no ialofako; aoka tsy ho menatra akory mandrakizay aho; vonjeo amin'ny fahamarinanao aho. » (Salamo 31:1)
sy tia fahamarinana
« Tiava an'i Jehovah, ry olony masina rehetra; miaro ny marina Jehovah, ary mamaly dia mamaly ny mpiavonavona Izy. » (Salamo 31:23)
Minoa dia izay manenjika anao indray no ho menatra
« Aoka tsy ho menatra aho, Jehovah ô, satria miantso Anao; fa aoka kosa ho menatra ny ratsy fanahy ka hangina any amin'ny fiainan-tsi-hita. » (Salamo 31:17)
OLONA KARAZANY HAFA MIHITSY INANAO E !
TSAPANAO VE IZANY ?
MAHEREZA !