"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

JOIAKINA VAOVAO AO @ KRISTY IANAO

Na dia nanao ratsy teo anatrehan'Andriamanitra aza
« Valo* taona Joiakina, fony izy vao nanjaka, ary telo volana sy hafoloana no nanjakany tany Jerosalema; ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy. [Na: Valo ambin'ny folo,] » (2 Tantara 36:9)
dia ho voavela heloka ka ho voatahy manokana
« Ka dia novan'i Joiakina ny fitafiany fony izy mbola tao an-trano-maizina; ary nihinan-kanina teo anatrehany mandrakariva izy tamin'ny andro niainany rehetra.Ary ny hanina nohaniny dia hanina homena avy amin'ny mpanjakan'i Babylona, araka ny tokony ho anjarany isan'andro isan'andro tamin'ny andro rehetra niainany mandra-pahafatiny. » (Jeremia 52:33-34)
MATOKIA.