"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

MANANA RAY AVY ANY AN-DANITRA IANAO OLON’I KRISTY

Zanak'Andriamanitra ianao izany hoe afaka miantso Azy hoe Ray
« Ary satria zanaka ianareo, dia nirahin'Andriamanitra ho ato am-pontsika ny Fanahin'ny Zanany, miantso hoe: Aba, Ray ô. » (Galatiana 4:6)
lasa zanaky ny teny fikasana
« Fa isika, ry rahalahy, dia zanaky ny teny fikasana tahaka an'isaka. » (Galatiana 4:28)
no sady mpandova ny zavatra nataony rehetra
« Ka dia tsy mpanompo intsony ianao, fa zanaka: ary raha zanaka, dia mpandova koa noho ny ataon'Andriamanitra. » (Galatiana 4:7)
MINOA DIA HO POROFOINY AMINAO @ FOMBANY IZANY.
MATOKIA!
MAHEREZA.