"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

HANATANTERAKA NY PLANINY TSARA HO ANAO OLONY KRISTY

Ny fiadanan'Izy Kristy no homeny anao olony
« Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo; tsy tahaka ny fanomen'izao tontolo izao no fanomeko anareo. Aza malahelo na matahotra ny fonareo. » (Jaona 14:27)
ary ny Fanahy Masina no hampianatra anao higoga izany
« fa ny Mpananatra*, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin'ny Ray amin'ny anarako. Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo. » (Jaona 14:26)
minoa dia hihatra avy hatrany izany
« Ary ankehitriny efa nilaza taminareo Aho, dieny tsy mbola tonga izany, mba hinoanareo, rehefa tonga. » (Jaona 14:29)
EFA ELA IZY NO EFA VONONA NY HIAHY ANAO !!!
ARY IANAO VE MANAIKY HOTARIHINY?