"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

MOSESY AO @ KRISTY IANAO

Hamirapiratana ny tavanao ho famantarana fa olony sady mpitondra ny hafany ianao
« Ary Mosesy nidina avy tao an-tendrombohitra Sinay, ary teny an-tànany ny vato roa izay nisy ny Vavolombelona tamin'izy nidina avy teo an-tendrombohitra, ary tsy fantany ho namirapiratra ny hoditry ny tavany noho ny nitenenany taminy. » (Eksodosy 34:29)
mba hahatonga anao ho to-teny
« Ary Mosesy niantso azy, dia niverina Arona sy ny lohan'ny fiangonana rehetra ho eo aminy; ary Mosesy niteny taminy.Ary rehefa afaka izany, dia nanakaiky koa ny Zanak'Isiraely rehetra; ary Mosesy nandidy azy araka izay rehetra nolazain'i Jehovah taminy tao amin'ny tendrombohitra Sinay. » (Eksodosy 34:31-32)
MINOA!
DIA AMPIASAO AM-PANETRE-TENA IZANY FA HANDRANDRATRY NY TOMPO IANAO!
MATOKIA!