"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

TSY MAHAZO MAHATOKY TENA NY OLON’I KRISTY

Mila mailo sy mitandrina hatrany ianao olon'i Kristy
« Koa izay manao azy fa efa mijoro tsara, dia aoka izy hitandrina, fandrao ho lavo. » (1 Korintiana 10:12)
mba tsy himonomonona
« Ary aoka tsy himonomonona ianareo tahaka ny sasany tamin'ireny, izay matin'ny mpandringana. » (1 Korintiana 10:10)
fa tena hanetry tena eo am-panatanterahana ny asa
« Raha izaho ary, dia mihazakazaka, nefa tsy toy ny manao kitoatoa; ary mamely totohondry aho, nefa tsy toy ny mamely ny rivotra;fa asiako mafy ny tenako ho mangana ka andevoziko, fandrao, na dia efa nitory tamin'ny sasany aza aho, dia holavina kosa ny tenako. » (1 Korintiana 9:26-27)
MAHEREZA!
HITONDRA HOSOTRA VAOVAO HO ANAO HATRANY NY FAHATSAPANAO FA TSY TOMPON’NY TENANAO IANAO FA TEMPOLIN’ANDRIAMANITRA E!!!