"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

MENDRIKA NY HAJAINA NY TOMPONAO:

Lehibe Kristy Andramanitrao
« Fa lehibe Jehovah ka mendrika hoderaina indrindra, Sady mahatahotra, fa ambonin'ny Andriamanitra rehetra. » (Salamo 96:4)
hajao @ fitafinao Izy
« Miankohofa eo anatrehan'i Jehovah amin'ny fihaingoana masina; Mangovita eo anatrehany, ry tany rehetra. » (Salamo 96:9)
asehoy @ alalanao eo anatrehan'ny jentilisa
« Lazao any amin'ny jentilisa fa Jehovah no Mpanjaka; Ary izao rehetra izao voaorina ka tsy hihetsika; Hitsara ny olona amin'ny fahamarinana Izy. » (Salamo 96:10)
fa mendrika Azy ny nosinao
« Jehovah no Mpanjaka, aoka ho faly ny tany; Aoka ho ravoravo ny nosy maro. » (Salamo 97:1)
SAHIA!