"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

MENDRIKA NY HIFAMPIZARA FAHASOAVANA NY SAMY KRISTIANA

Fiarahabana mendrika ny fanononana ny fiadanan'Tompo ho an'ny hafa
« Ary raha vao miditra ao amin'ny trano ianareo, dia miarahabà ny ao.Koa raha miendrika ny ao an-trano, dia aoka ho ao aminy ny fiadanana tononinareo; fa raha tsy miendrika izy, dia aoka hiverina aminareo ny fiadanana voatononareo. » (Matio 10:12-13)
ho faly izay olon'i Kristy haheno izany ka handray anao am-panajana
« Dia nitenenany soa izy, ka ny seza fiandrianany dia nataony ambony noho ny seza fiandrianan'ireo mpanjaka namany tao Babylona.Ka dia novan'i Joiakina ny fitafiany fony izy mbola tao an-trano-maizina; ary nihinan-kanina teo anatrehany mandrakariva izy tamin'ny andro niainany rehetra.Ary ny hanina nohaniny dia hanina homena avy amin'ny mpanjakan'i Babylona, araka ny tokony ho anjarany isan'andro isan'andro tamin'ny andro rehetra niainany mandra-pahafatiny.» (Jeremia 52:32-34)
"'NDEHA HATAO HO FAHAZARANA ARY IZANY E!!!" SA AHOANA?
MAHEREZA.

HAJAIN'ANDRIAMANITRA IZAY MANAJA AZY

Loharanom-pamonjena ho anao olony mandrakizay Kristy
« ary rehefa natao tanteraka Izy, dia tonga loharanon'ny famonjena mandrakizay ho an'izay rehetra manaraka Azy, » (Hebreo 5:9)
ary tsy hisy ho very ny fahazotoanao manaja sy manompo Azy
« Fa Andriamanitra tsy mba tsy marina hanadino ny asanareo sy ny fitiavana izay nasehonareo ho voninahitry ny anarany, raha nanompo ny olona masina ianareo sady mbola manompo ihany.Ary mbola irinay ianareo rehetra samy haneho izany fahazotoana izany mba hahazo ny fahatokiana be ny amin'ny fanantenana hatramin'ny farany; » (Hebreo 6:11)
Azo antoka ny lovanao
« mba tsy hiketraka ianareo, fa hanahaka ireo mandova araka ny teny fikasana amin'ny finoana sy ny faharetana. » (Hebreo 6:12)
MINO AHO FA ANISAN'IZANY IANAO!!!
MAHEREZA.

RY OLON'NY KRISTY AZA MISALASALA MAMELA HELOKA

Tsy misy fetra ny fotoana tokony hamelana heloka
« Dia nanatona Petera ka nanao taminy hoe: Tompoko, impiry moa no hanotan'ny rahalahiko amiko, ka havelako izy? Hatramin'ny impito va?Fa hoy Jesosy taminy: Tsy lazaiko aminao hoe: Hatramin'ny impito, fa hatramin'ny impito amby fito-polo. » (Matio 18:22)
vitanao izany satria tsy hanana vesatra intsony ianao fa efa ampiadan'i Kristy ao anatinao
« Ny handrosoan'ny fanapahana sy ny fiadanana dia tsy hanam-pahataperana Eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida sy ny fanjakany, mba hampiorenana sy hampitoerana azy amin'ny rariny sy ny hitsiny hatramin'izao ka ho mandrakizay; ny fahasaro-piaron'i Jehovah, Tompon'ny maro, no hahatanteraka izany. » (Isaia 9:6)
AMPIARO ARY IZANY FA HITONDRA FAHASALAMANA HO AN'NY VATANA,SAINA ARY INDRINDRA NY FANAHINAO!!!
MATOKIA.

TRATRY NY FETIN'NY RENY

Ho tahaka ny sedera tsara indrindra ao @ ankohonanareo avy anie ianareo !!!
« Ao amin'ny tendrombohitra avon'ny Isiraely no hamboleko azy; ary handrantsana sy hamoa izy ka ho tonga sedera tsara indrindra, ary ny vorona samy hafa rehetra hitoetra ao aminy; ao amin'ny alokaloky ny rantsany no hitoerany.Ary ho fantatry ny hazo rehetra any an-tsaha fa Izaho Jehovah no efa nanetry ny hazo avo ka nanandratra ny hazo iva ary nandazo ny hazo maitso ka nampaniry ny hazo maina; Izaho Jehovah no niteny sady nanao izany. » (Ezekiela 17:23-24)
Tian'I KRISTY ianareo e!!!

'NDEHA HIAVANA

Niantso antsika mba hiavana Kristy
« ...fa Andriamanitra efa niantso antsika amin'ny fihavanana. » (1 Korintiana 7:15)
'ndao ary tanterahina izany
« Ary ny manam-bady dia didiako, nefa tsy izaho, fa ny Tompo: Aoka tsy hiala amin'ny lahy ny vavy,(nefa raha misy efa niala, dia aoka hitoetra tsy manam-bady, na aoka hody amin'ny lahy); ary ny lahy aoka tsy hiala amin'ny vavy. » (1 Korintiana 7:10-11)
dia ho tsapanao fa hiaiky @ maha zanak'Andriamanitra anao ny hafa
« Manao lalàna aho mba hangovitan'ny olona sy hatahorany eo anatrehan'Andriamanitr'i Daniela eran'ny fanjakako rehetra; fa Izy no Andriamanitra velona sady maharitra mandrakizay; ny fanjakany haharitra hatramin'ny farany. » (Daniela 6:27)
NOHO I KRISTY AO ANATINAO DIA VITANAO IZANY E!!!!
MAHEREZA.

HITONDRA FAHASOAVANA TSY TAKATRY NY SAINA HO ANAO SY NY JEROSALEMANAO NY FANAJANAO AN'I KRISTY

Hamindra fo @ taranakao Andriamanitra nohon'ny fankatoavanao Azy
« Nefa tsy dia hendahako avokoa ny fanjakana rehetra, fa mba homeko firenena iray ihany ny zanakao noho ny amin'i Davida mpanompoko sy Jerosalema izay nofidiko. » (1 Mpanjaka 11:13)
tohizo koa ny fanetre-tena anananao fa hivaly zava-tsoa maro be izany
« Kanefa Hezekia nanetry tena noho ilay efa niavonavonan'ny fony, dia izy sy ny mponina tany Jerosalema, ka dia tsy niharan'ny fahatezeran'i Jehovah ireo fahavelon'i Hezekia.Ary Hezekia nanana harena sy voninahitra be indrindra; dia nanao trano firaketana izy hitehirizany ny volafotsy sy ny volamena sy ny vato soa sy ny zava-manitra sy ny ampinga mbamin'izay fanaka tsara rehetra,ary tanàna fitehirizana ny vokatra koa, dia ny vary sy ny ranom-boaloboka ary ny diloilo, sy trano miefitrefitra hitoeran'ny biby fiompy samy hafa karazana ary vala hitoeran'ny ondry aman'osy.Ary nanao tanàna maro ho azy koa izy sady nanana ondry aman'osy ary omby betsaka, fa nomen'Andriamanitra fananana be indrindra izy. » (2 Tantara 32:26-29)
HOAMARININ'ANDRIAMANITRA EO AMIN'NY FIAINANAO TSY HO ELA IZANY!!!
MITOKIA.

EO AMBANIN'NY FAHEFAN'I KRISTY AO ANATINAO AVOKOA NY TONTOLO REHETRA

Mampivarahotsana an'i Satana ny fisian'i Kristy ao anatinao
« Aiza Ilay teraka ho Mpanjakan'ny Jiosy? fa nahita ny kintany teny atsinanana izahay ka tonga mba hiankohoka eo anatrehany.Ary nony nandre izany Heroda mpanjaka, dia nangorohoro izy mbamin'i Jerosalema rehetra. » (Matio 2:2-3)
satria lasa hanompo anao ny olony
« Izao no lazain'i Jehovah Tompo; Indro, hanandratra ny tanako amin'ny jentilisa Aho ary hanangana ny fanevako amin'ny firenena; dia hitrotro ny zanakao eo an-tratrany ireo, ary ny zanakaovavy ho entiny eny an-tsorony. » (Isaia 49:22)
ary ho voatahy tahaka ny mpajaka ianao
« Mpanjaka no ho rainao mpitaiza anao, ary zanakavavin'andriana no ho reninao mpampinono anao; hiankohoka amin'ny tany eo anatrehanao izy ka hilelaka ny vovoka amin'ny tongotrao; Dia ho fantatrao fa Izaho no Jehovah, ka tsy ho menatra izay miandry Ahy. » (Isaia 49:23)
MINOA DIA HO TANTERAHAN'I TOMPO AMINAO NY TENINY HOE:
"NY FIADANAKO NO HOMEKO ANAREO!!!"

TE-HANAPOROFO AMIN'NY ALALANAO KRISTY FA HIAVAKA ITY TAONA ITY

Misy hery ny Fanahin'i Kristy ao anatinao Lio4:14
« Ary Jesosy niverina tamin'ny herin'ny Fanahy nankany Galilia; dia niely tamin'ny tany rehetra manodidina ny lazany. » (Lioka 4:14)
izay voahosotra manokana hitondra ny herin'ny fanovana
« Ny Fanahin'i Jehovah no ato amiko, Satria nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin'ny malahelo Izy; Naniraka Ahy hitory fandefasana amin'ny mpifatotra Izy, Sy fampahiratana amin'ny jamba, Hanafaka izay nampahorina, » (Lioka 4:18)
@ ity taona ankasitrahany ity
« Hitory ny taona ankasitrahan'i Jehovah . » (Lioka 4:19)
AMPIASAO ARY IZANY DIA HO TSAPANAO NY MAHA-ANDRIAMANITRA MPAMONJY SY MAHAGAGA AZY!
MAHEREZA.

TSY MIFIDY OLONA HOVONJENA AMIN'NY ALALANAO OLONY KRISTY

Noho ny fandavantenanao ka tsy nametrahanao olana ho an'izay olona hiresahanao
« Fa na dia afaka amin'ny olona rehetra aza aho, dia mbola nataoko ho mpanompon'ny olona rehetra ihany ny tenako mba hahazoako maromaro kokoa.Tamin'ny Jiosy, dia tonga toy ny Jiosy aho, mba hahazoako ny Jiosy; tamin'izay ambanin'ny lalàna, dia tonga toy izay ambanin'ny lalàna aho, na dia tsy ambanin'ny lalàna aza aho, mba hahazoako izay ambanin'ny lalàna;tamin'izay tsy manana lalàna, dia toy izay tsy manana lalàna aho (kanefa tsy mba olona tsy manana lalàna amin'Andriamanitra aho, fa ambanin'ny lalàn'i Kristy), mba hahazoako izay tsy manana lalàna;tamin'ny malemy dia tonga malemy aho, mba hahazoako ny malemy; efa tonga zavatra rehetra aho amin'ny olona rehetra, mba hamonjeko ny sasany na iza na iza. » (1 Korintiana 9:19-22)
dia ho mpiombona kokoa @ Kristy ianao
« Ary izany rehetra izany dia ataoko noho ny filazantsara mba ho tonga mpiombona aminy aho. » (1 Korintiana 9:23)
sy hovelominy
« Toy izany koa no nandidian'ny Tompo, fa izay mitory ny filazantsara dia hahazo fivelomana amin'ny filazantsara. » (1 Korintiana 9:14)
ARAKARAKY NY HIROSOANAO NO MBOLA HITAHIANY ANAO BE BE KOKOA HATRANY!!!
MATOKIA.

MIKATSAKA AN’IZAY HAHASOA ANAO FOANA KRISTY

Tsy mba manao ratsy Andriamanitra
« Eny tokoa, Andriamanitra tsy manao ratsy mihitsy, ary ny Tsitoha tsy mba mamadika ny rariny. » (Joba 34:12)
mifanohitra @ izany ary no ataony dia ny manavotra anao
« Indro, hasiako amin'Izany andro izany izay rehetra nampahory anao; Hovonjeko ny mandringa, ary hovoriko ny noroahina, Eny, hataoko ho fiderana sy ho anarana ireny izay efa nitondra henatra tany amin'ny tany rehetra.  » (Zefania 3:19)
am-pifaliana
« Jehovah Andriamanitrao no ao aminao, Mahery Izy ka hamonjy; Hiravoravo anao amin'ny fifaliana Izy; Ho sondriana amin'ny fitiavany Izy; Hifaly anao amin'ny fihobiana Izy.  » (Zefania 3:17)
Matokia dia mifalia
« Eny, zava-dehibe no nataon'i Jehovah ho antsika, Ka dia faly isika. » (Salamo 126:3)
SAMBATRA IANAO IZAY MANAIKY HO TANTANANY!!!

MIHAINO NY FITARAINANAO OLONY ANDRIAMANITRA

Miantso anao olony Andriamanitra hifona sy hivavaka mba tsy hisian'ny fahantrana
« Misikina sy mitomania, ianareo mpisorona; midradradradrà, ianareo mpanao fanompoam-pivavahana eo amin'ny alitara; Andeha mandry amin'ny lamba fisaonana mandritra ny alina, ianareo mpanao fanompoam-pivavahana ho an'Andriamanitro, fa tapaka tsy ho ao amin'ny tranon'Andriamanitra ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina. »(Joela 1:13)
sy hahatonga ny jerosalemanao hahita ny fanjakan'ny lanitra
« Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha tsy ateraka indray ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakan'Andriamanitra. » (Jaona 3:3)
NY FINIAVANAO MANAO IZANY DIA AZO ANTOKA FA HITONDRA FIOVANA MAHERY VAIKA EO AMIN'NY MANODIDINA ANAO!!!
MATOKIA!
MAHEREZA.

FAHATONIANA MAHATALANJONA NO MENDRIKA ANAO ZANAK'ANDRIAMANITRA

Hitondra soa ho anao ny tsy fisarahanao amin'i Kristy
« Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao, dia hiadana; Izany no hahatongavan'ny soa aminao. »(Joba 22:21)
satria ny fahatahoranao Azy no loharanon-karenanao
« Ary hisy andro tsy manam-piovana ho anao, eny, haren'ny famonjena sy ny fahendrena ary ny fahalalana; Ny fahatahorana an'i Jehovah no rakitrao.  » (Isaia 33:6)
Ho mandry fahizay ianao
« Ary ny oloko hitoetra ao amin'ny fonenana mandry fahizay sy ao amin'ny fitoerana mahatoky ary ao amin'ny fialan-tsasatra feno fiadanam-po; » (Isaia 32:18)
SAHIA ARY MIATRIKA NY ZAVA-DREHETRA MIARAKA AMINY!!!
MATOKIA.

TSY AMELAN'ANDRIAMANITRA IANAO RAHA TSY TAFITA TANTERAKA AO @ FANJAKANY DIENY ETY AN-TANY

Hotefen'Andriamanitra ka ho lasa mendriky ny voninahiny ianao
« Ary hipetraka handrendrika sy hanadio volafotsy Izy; eny, hanadio ny taranak'i Levy Izy sy handrendrika azy toy ny fandrendrika volamena sy volafotsy, ka dia ho an'i Jehovah ireny ho mpanatitra fanatitra amim-pahamarinana. »(Malakia 3:3)
hifaly satria ho ampiadaniny
« Ary hiposaka aminareo, izay matahotra ny anarako, ny Masoandron'ny fahamarinana, manana fanasitranana ao amin'ny tanany; ary hivoaka ianareo ka hifalihavanja toy ny zanak'omby mifahy; » (Malakia 3:20)
sady hahazo fahefana handresy ny ratsy fanahy
« ary hohitsahinareo ny ratsy fanahy; fa ho lavenona eo ambanin'ny faladianareo izay amin'ny andro izay hotendreko, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. » (Malakia 3:21)
NY FANEKENAO IZANY NO HANAFAINGANA NY FAHATANTERAHANY!!!
MAHEREZA.

MANANA HOSOTRA MANOKANA AMIN'NY ASA FANOMPOANA IZAY TENA MINO NY FAMELAN-KELOKA

Nangataka famelan-kelona ianao
« Vonjeo izahay, ry Andriamanitry ny famonjena anay ô, noho ny voninahitry ny anaranao; ary afaho izahay, ka mamelà ny helokay, noho ny anaranao. » (Salamo 79:9)
niantso vonjy t@ Kristy
« Andriamanitra ô, ampodio izahay, ka ampamirapirato ny Tavanao, ary aoka hovonjena izahay. » (Salamo 80:3)
nisaotra Azy foana
« Fa izahay, olonao sy ondry fiandrinao, dia hisaotra Anao mandrakizay; hatramin'ny taranaka fara mandimby no hilazanay ny fideràna Anao. » (Salamo 79:13)
izany no mahatonga anao mahomby @ asany
« Ary ny tànan'i Paoly no nanaovan'Andriamanitra fahagagana lehibe maro,ka dia ny mosara sy ny fiaron'akanjo teny aminy no nentina hatao amin'ny marary, dia sitrana ny aretiny, ary nivoaka ny fanahy ratsy. » (Asan'ny Apostoly 19:11-12)
AMPIASAO ARY IZANY DIA HO HITANAO NY VONINAHINY!!!
MAHEREZA.

MANANA NY FOMBA AZO ANTOKA AFAKA HANAVOTANA ANAO KRISTY

Raha mifona @ i Kristy ianao
« Raha mifona aminy ianao, dia hihaino anao Izy; Ary ny voadinao dia hefainao. » (Joba 22:27)
dia ho afa-keloka
« Hanafaka ny olona meloka Izy, eny, ny fahadiovan'ny tananao no hamonjena azy. » (Joba 22:30)
hiova lasa hanetry tena
« Raha misy mietry, dia hataonao hoe: Misandrata; fa ny manetry tena hovonjeny. » (Joba 22:29)
hana-karena @ fombany
« Fa ny Tsitoha no ho akoram-bolamenanao sy akoram-bolafotsinao, Ary ho volafotsy mamirapiratra ho anao. » (Joba 22:25)
ary hahazo izay irinao
« Ary raha misy kasainao hatao, dia hotanterahina aminao, ary hamirapiratra amin'ny lalanao ny mazava. » (Joba 22:28)

NY HARENA AVY AMIN'ANDRIAMANITRA NO TSARA INDRINDRA SADY MAHARITRA NO HAHASOA ANAO E!!!
MAHEREZA.

MENDRIKA ANAO ZANAK'ANDRIAMANITRA NY HANDRAY FITAHINA

An'i Kristy ianao?Ho tonga fiadanana ny fahoriana nianjady taminao
« Indro, tonga fiadanana ilay fahoriana mangidy dia mangidy nanjo ahy, ary ny fitiavanao no namonjenao ny fanahiko tsy hankany amin'ny lavaka fahalevonana; Fa narianao teo ivohonao ny fahotako rehetra. » (Isaia 38:17)
hotahina ny asan'ny tananao
« Mandehana, hano amin'ny fifaliana ny haninao, ary sotroy amin'ny fo falifaly ny divainao, fa efa nankasitrahan'Andriamanitra ela ny asanao. » (Mpitoriteny 9:7)
hotahina ny vadinao
« Aoka hotahina ny loharanonao, Ary mifalia amin'ny vadin'ny fahatanoranao. » (Ohabolana 5:18)
Misaora Azy
« Misaora an'i Jehovah, ry fanahiko; Ary izay rehetra ato anatiko, misaora ny anarany masina. » (Salamo 103:1)
RAISO AM-PIFALIANA ARY IREO VALISOA MENDRIKA ANAO!!!
MAHEREZA.

HANAPOROFO AMINAO OLONY KRISTY FA TSY MISY OLANA IZAY TSY VOAVAHANY

Kristy no namana akaikin'izay sahiran-tsaina rehetra na @ lafiny inona na @ lafiny inona
« Fa fiarovana mafy ho an'ny reraka Hianao, eny, fiarovana mafy ho an'ny malahelo amin'ny fahoriany, fierena amin'ny ranonoram-baratra, fialokalofana amin'ny hainandro, fa ny rivotry ny mahery dia tahaka ny ranonorana mifafy mamely ny ampiantany. » (Isaia 25:4)
Hiadana ianao satria nino izany h@ farany
« Ny saina tsy miovaova dia harovanao ao amin'ny fiadanana tanteraka, satria matoky Anao izy. » (Isaia 26:3)
Minoa
« Amin'izany andro izany dia harovan'i Jehovah ny mponina any Jerosalema; ary izay mila ho reraka ao aminy aza amin'izany andro izany dia ho tahaka an'i Davida; ary ny taranak'i Davida ho tahaka an'Andriamanitra, dia tahaka Ilay Anjelin'i Jehovah eo anoloany. » (Zakaria 12:8)
HANDRAVA NY SAKANA REHETRA METY TSY HAHATONGA ANAO HO SAMBATRA IZY!!!
MATOKIA.

AVELAO KRISTY HANDRAY AN-TANANA TANTERAKA NY FIAINANAO

Kristy no vavahady hidiranao ao anatin'ny fiainam-pahatoniana sy fiainam-piadanana tanteraka
« Izaho no vavahady; raha Izaho no hidiran'ny olona, dia hovonjena izy ka hiditra sy hivoaka sady hahazo hanina.Ny mpangalatra tsy avy raha tsy hangalatra sy hamono ary handringana; Izaho avy mba hananany fiainana, sady hananany be dia be. » (Jaona 10:9-10)
Azy ianao ary tsy hisy afaka harombaka izany
« ary Izaho manome azy fiainana mandrakizay, ka tsy ho very izy mandrakizay, ary tsy hisy handrombaka azy amin'ny tanako. » (Jaona 10:28)
SAHIA ARY MANISY SORATRA LEHIBE AFAKA VAKINA ISAN'ANDRO AO AMIN'NY ANKOHONANAO HOE:
"MAHATOKY ANAO AHO KRISTY!!!"

HITOBAKA NY FITAHIANA HO ANAO IZAY MANAIKY HO DIOVIN'NY RAN'I KRISTY

Tahaka ny ony Kristy ao anatinao izay hanadio sy hitondra fahavelomana ho anao
« Ary ny zava-manan'aina rehetra sesehena na aiza na aiza alehan'ny ony tondraka* dia ho velona, ka hisy hazandrano sesehena; fa nony tonga ao ity rano ity, dia ho sitrana izy, ary ho velona izay rehetra hidiran'ny ony. » (Ezekiela 47:9)
mba hahatonga anao afaka hamoa be
« Ary ireto no ilay voafafy teny amin'ny tany tsara, dia izay mandre ny teny ka mandray azy dia mamoa: ny sasany avy telo-polo heny, ny sasany avy enim-polo heny, ary ny sasany avy zato heny. » (Marka 4:20)
tsy tapaka intsony
« Ary eny amoron'ny ony, eny an-daniny roa, no anirian'ny hazo rehetra fihinam-boa; tsy halazo ny raviny, na ho lany ny voany; fa hamoa voa vaovao isam-bolana izy, satria mivoaka avy ao amin'ny fitoerana masina ny ranony; ary ho fihinana ny voany, ary ho fanafody ny raviny. » (Ezekiela 47:12)
RAISO NY FIAINAM-BAOVAO MENDRIKA ANAO!!!
MIFALIA.

MITONDRA FAHAZAVANA MAHAGAGA IANAO OLON'I KRISTY

Fahazavana mitondra famirapiratana miavaka no manodidina anao olon'i Kristy
« koa nony ilay nitatao-vovonana iny ny andro, ry mpanjaka ô, dia hitako teny an-dalana fa, indro, nisy mazava avy tany an-danitra nanelatrelatra manodidina ahy mbamin'izay niaraka tamiko mihoatra noho ny famirapiratry ny masoandro. » (Asan'ny Apostoly 26:13)
satria raisin'Andriamanitra an-tanana ny toetra ao anatinao rehetra
« Ary homeko fo hahalalany Ahy ho Jehovah izy; dia ho oloko izy, ary Izaho kosa ho Andriamaniny; fa hiverina amiko amin'ny fony rehetra izy. » (Jeremia 24:7)
TSY HO ZAKAN'NY HERIN'NY MAIZINA IZANY FAHAZAVANA MASINA IZANY !!!
MAHEREZA ARY MAMPIASA AZY.

TSY HO TARA MANDRAKIZAY AMIN'NY FAMONJENA ANAO OLONY KRISTY


Ny fahasahianao miatrika zava-tsarotra no tena hahatsapanao ny herin'ny famonjen'i Kristy
« Koa raha mitondra anareo hatolotra izy, dia aza manahy rahateo izay holazainareo; fa izay teny homena anareo'amin'izany ora izany no holazainareo; fa tsy ianareo no hiteny, fa ny Fanahy Masina. » (Marka 13:11)
sy iainanao an'izany hoe olom-baovao ao Aminy
« Dia hofafazako rano madio ianareo, ka hadio; ny mba ho afaka amin'ny fahalotoanareo rehetra sy ny sampinareo rehetra no hanadiovako anareo.Ary homeko fo vaovao ianareo, ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo, ary hesoriko amin'ny nofonareo ny fo vato, ka homeko fo nofo ianareo.Ary ny Fanahiko no hataoko ao anatinareo, ka hahatonga anareo handeha araka ny lalàko sy hitandrina ny fitsipiko ka hanaraka azy. » (Ezekiela 36:25-27)

HO POROFOINY AMINAO FA ANDRIAN'NY FIADANANA IZY!!!
MATOKIA.

AMIN'NY FOMBAN'I KRISTY NO HAMPANAN-KARENA ANAO OLONY


Mifalia @ izay anananao fa ho ampitomboin'i Kristy @ fomba mahagaga izany
« Ary izay mahatoky amin'ny kely indrindra dia mahatoky koa amin'ny be;... » (Lioka 16:10)
Tadidido fa anao olony avokoa ny fananany rehetra
« Ary hoy rainy taminy: Anaka, ianao eto amiko mandrakariva, ary anao avokoa izay rehetra ananako. » (Lioka 15:31)
matokia
« Ary amin'izany andro izany ny Tompo dia mbola haninjitra ny tànany fanindroany hanavotra ny olony, izay mbola sisa, avy any Syria sy Egypta sy Patrosa sy Etiopia sy Elama sy Sinara sy Hamata Ary ny avy any amin'ny moron-dranomasina. » (Isaia 11:11)
KATSAHO ALOHA NY FANJAKANY DIA AZY NY SISA!!!

HANDRAY AN-TANANA TANTERAKA NY HOAVINAO OLONY KRISTY

Hanampy anao mba hanarenanao ny fiainanao izay efa saika ho rava Andriamanitra
« Amin'izany andro izany dia hatsangako indray ny trano-bongon'i Davida izay efa nianjera, ary hotampenako ny efa banga ao; Ary hamboariko izay efa rava aminy, ka hataoko tahaka ny taloha izy, » (Amosa 9:11)
ary hijinja fitahiana tsy takatry ny saina ianao @ izany
« Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay hahatraran'ny mpiasa tany ny mpijinja, ary ny mpanosihosy voaloboka hahatratra ny mpamafy; Ny tendrombohitra hipoipoitra ranom-boaloboka, ary ny havoana rehetra hiempo. » (Amosa 9:13)
AZA KIVY MIHINTSY,AMPIAKARO NY FINOANA!!!MIOMANA FA HIAKATRA E!!!
MATOKIA.

MIBEBAHA,AZA MISALASALA FA MIBEBAHA

Izao no fotoana fanoloran-tena
«Koa amin'izany mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindram-pon'Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, sitrak'Andriamanitra, dia fanompoam-panahy mety hataonareo izany.Ary aza manaraka ny fanaon'izao tontolo izao; fa miovà amin'ny fanavaozana ny saina, hamantaranareo ny sitrapon'Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no marina. » (Romana 12:1-2)
sy fiverenana @ Andriamanitra
« Amin'izany andro izany sy amin'izany fotoana izany, hoy Jehovah, dia ho avy ny Zanak'Isirsely, dia izy mbamin'ny taranak'i Joda, eny, handeha izy sady hitomany eny am-pandehanana ka hitady an'i Jehovah Andriamaniny. » (Jeremia 50:4)
ka ho an'izay tena mibebaka dia ho voavela heloka
« Amin'izany andro izany sy amin'izany fotoana izany, hoy Jehovah, dia hotadiavina izay heloky ny Isiraely, fa tsy hisy; Ary izay fahotan'ny Joda, fa tsy ho hita; Satria havelako ny helok'izay sisa narovako. » (Jeremia 50:20)
sy ho voatahy
« Ary hampodiko ho any amin'ny saha fiandrasana azy indray ny Isiraely, ka hihinana ao Karmela sy Basana izy; Ary any an-tany havoan'i Daima sy Gileada no hahavoky azy. » (Jeremia 50:19)
TE-HANAVAO SY HAMPIVAOTRA AMIN'NY FOMBANY NY FANEKENY TAMINAO KRISTY!!!
MANAIKY VE IANAO?

MARO HIOVA FO NOHON'NY POROFOM-PAHATOKISANAO AN'I KRISTY

Ho maro ny Jentilisa no hifona sy hangataka ny hiverina @ Andriamanitra
« Vonjeo izahay, ry Jehovah Andriamanitray ô, Ka angòny avy amin'ny jentilisa, Mba hisaoranay ny anaranao masina Sy hifalianay amin'ny fiderana Anao. » (Salamo 106:47)
satria ianao sahy nijoro t@ Anarany na dia tao anaty fitsapana aza
« Andriamanitro efa naniraka ny anjeliny ka nanakombona ny vavan'ny liona tsy handratra ahy, satria fahamarinana no hitany tamiko; ary teo anatrehanao koa, ry mpanjaka ô, tsy nanao ratsy aho.Dia faly indrindra ny mpanjaka, ka nasainy nakarina avy ao an-davaka Daniela. Dia nakarina avy tao an-davaka Daniela, ary tsy hita nisy naratra izy, satria nino an'Andriamaniny. » (Daniela 6:24)
VOAPOROFO TAMIN'NY ALALANAO OLONY FA MPAMONJY KRISTY!!!
MAHEREZA.

HANAPOROFO AMINAO OLONY NY VOKATRY NY FAMINDRAM-PONY KRISTY


Tsy mahafoy anao olony @ fony rehetra Kristy
« Tsy hanontolo fo Aho, na handringana an'i Efraima intsony; Fa Andriamanitra Aho, fa tsy olona, dia ny Iray Masina ao aminao, ka dia tsy ho avy amim-pahatezerana mirehitra Aho. » (Hosea 11:9)
sady hisolo vava anao
« Koa ankehitriny, dia mandehana, fa Izaho no homba ny vavanao ka hanoro anao izay holazainao. » (Eksodosy 4:12)
no hanendry olona hanome fitahiana be ho anao
« Dia nesorin'i Farao ny peratra tamin'ny tanany ka nataony tamin'ny tànan'i Josefa, dia nampitafiny rongony fotsy madinika izy, ary nasiany rojo volamena ny vozony; » (Genesisy 41:42)
AZA GAGA FA MANEKE FONTSINY HOTARIHINY DIA HO HITANAO NY VONINAHINY!!!
MAHEREZA.

HAMALY NY HETAHETAM-PONAO KRISTY

Hivaly ny fanirianao lalina te-hahita an'Andriamanitra
Eny, izaho no hahita Azy, Ary ny masoko no hijery, fa tsy olon-kafa. Efa matim-paniriana ny saiko ato anatiko.(Joba19/27)
haneho ny voninahiny eo @ fiainanao Izy
Indro, Jehovah Tompo ho avy amin'ny heriny, ka ny sandriny ihany no hanapaka; indro, ny valim-pitia hatolony dia eny aminy, ary ny valin'asa homeny dia eo anoloany. (Isaia40:10)
ka hamaly izay angatahinao Aminy
Ary Mosesy sy Arona niala teo amin'i Farao; ary Mosesy nitaraina tamin'i Jehovah ny amin'ny sahona izay efa nataony tamin'i Farao.Dia nataon'i Jehovah araka ny tenin'i Mosesy, ka maty ny sahona teny amin'ny trano sy teny amin'ny tokotany ary tany an-tsaha. (Eksodosy8:8-9)

TIA ANAO IZY,ARY HANAMARINA IZANY AMIN'NY FOMBANY!!!
MATOKIA.
MAHEREZA.

AZA AVELA ...


AZA AVELA
ho resy ny fanahinao:


« Nahoana no mitanondrika ianao, ry fanahiko? ary nahoana no mitoloko ato anatiko ianao? Manantenà an'Andriamanitra, fa mbola hidera Azy ihany aho, Izy no famonjena ny tavako sady Andriamanitro. » (Salamo 42:11)

AZA AVELA
akorain'ny fahavalo ianao:


« Izao no hahafantarako fa mankasitraka ahy Hianao, dia ny tsy anakoran'ny fahavaloko ahy. » (Salamo 41:11)

AZA AVELA
ao anatinao izay nambaran'i Tompo taminao:


« Izay lazaiko aminareo ao amin'ny maizina, dia ambarao eo amin'ny mazava, ary izay ren'ny sofinareo, dia torio eo ambonin'ny tampon-trano. » (Matio 10:27)

AZA AVELA
fa raiso ny lovanao:


« Hahatonga volamena Aho ho solom-barahina, ary hahatonga volafotsy ho solom-by, ary varahina ho solon-kazo, ary vy ho solom-bato; ny fiadanana no hataoko fanapahana anao, ary ny fahamarinana no ho mpampiasa anao.» (Isaia 60:17)

FOTOANA FITOMBON'NY HERIN'I KRISTY AO ANATINAO IZAO!!!
MATOKIA.

TORA-KOVITRA EO ANATREHANAO KRISTIANA SATANA

Mangorohoro eo anatrehanao Kristianina nateraka indray satana fahavalonao
« Ary rehefa teraka Jesosy tao Betlehema an'i Jodia, tamin'ny andron'i Heroda mpanjaka, indreo, nisy Magy avy tany atsinanana tonga tany Jerosalema ka nanao hoe:Aiza Ilay teraka ho Mpanjakan'ny Jiosy? fa nahita ny kintany teny atsinanana izahay ka tonga mba hiankohoka eo anatrehany.Ary nony nandre izany Heroda mpanjaka, dia nangorohoro izy mbamin'i Jerosalema rehetra. » (Matio 2:1-3)
satria manomboka eo Kristy ao anatinao dia haniraka anao handrava azy
« Ny Fanahin'i Jehovah Tompo no ato amiko, satria Jehovah efa nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin'ny mpandefitra, efa naniraka Ahy hahasitrana ny torotoro fo Izy, ary hitory fanafahana amin'ny babo sy hamoaka ny ao an-trano-maizina ho amin'ny mazava,» (Isaia 61:1)
HIOVA IANAO ARY HITONDRA FANOVANA MAHERY VAIKA HO AN'NY HAFA!!!
MATOKIA.

VONONA NY HAMAHA NY OLANAO REHETRA KRISTY AO ANATINAO

Afaka mizara ny olanao rehetra amin'Andriamanitra ianao
« Mihainoa ahy, Jehovah ô; Ary mihainoa ny tenin'izay miady amiko » (Jeremia 18:19)
avy eo anefa dia avelao ny Fanahy Masina ao anatinao mba hamaha izany @ fombany
« Dia namaly izy ka nanao tamiko hoe: Izao no tenin'i Jehovah amin'i Zerobabela: Tsy amin-kery na amim-pahatanjahana, fa amin'ny Fanahiko, hoy Jehovah, Tompon'ny maro . » (Zakaria 4:6)
TE HAMPIDERA AMINAO NY AMIN'NY MAHA-ANDRIAMANITRA MAHAGAGA AZY KRISTY!!!
MATOKIA.

MILA MIZARA NY FAMONJEN'ANDRIAMANITRA IANAO OLONY


Mpitily ianao
« Koa ianao, ry zanak'olona, dia efa notendreko ho mpitily ho an'ny taranak'Isiraely, ka raha mandre ny teny aloaky ny vavako ianao, dia izany no ho entinao mananatra azy. » (Ezekiela 33:7)
ary tian'Andriamanitra hizara hoe:mila mibebaka
« Ny Tompo tsy mahela ny teny fikasany, araka izay ataon'ny sasany ho fahelany; fa mahari-po aminareo Izy, ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin'ny fibebahana izy rehetra, » (2 Petera 3:9)
fa tsy misy tiany ho very
« Lazao aminy hoe: Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, dia tsy sitrako ny hahafatesan'ny ratsy fanahy, fa ny hialan'ny ratsy fanahy amin'ny lalany, mba ho velona izy. Mialà, mialà amin'ny lalan-dratsinareo, fa nahoana moa no te-ho faty ianareo, ry taranak'Isiraely? » (Ezekiela 33:11)
Ho afaka eo anatrehany ianao @ izany
« Fa raha mananatra ny ratsy fanahy ihany kosa ianao hiala amin'ny lalany ratsy; fa izy no tsy mety miala amin'izany, dia ho fatin'ny helony ihany izy, nefa voavonjinao ny ainao. » (Ezekiela 33:9)
ARAKARAKY NY HIZARANAO IZANY NO HITOMBON'NY FIADANANA AO ANATINAO!!!
MINOA.

MIOMANA HO MPITONDRA HAFATRA FENO HOSOTRA AVY AMIN'I KRISTY

Homany ny fonao handray an'i Kristy
« Injany! misy feon'ny miantso hoe: Manamboara lalana any an-efitra ho an'i Jehovah, manaova lalambe any an-tany foana ho an'Andriamanitsika.Aoka hasandratra ny lohasaha rehetra, Aoka haetry ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra; Aoka ny be havoana ho tonga lembalemba, ary ny tany saro-dalana ho tonga lemaka; » (Isaia 40:3-4)
avy eo dia haneho ny voninahiny ao anatinao Izy
« Dia hiseho ny voninahitr'i Jehovah, ary ny nofo rehetra hiara-mahita izany; Fa ny vavan'i Jehovah no efa niteny. » (Isaia 40:5)
ka lasa hanana fahasahiana hiasa ho Azy ianao
« Voatsindrin'ny Fanahy tamin'ny Andron'ny Tompo aho ka nahare feo mahery teo ivohoko, toy ny feon'ny trompetra,nanao hoe: Izay zavatra hitanao dia soraty eo amin'ny boky, ka ampitondray ho any amin'ny fiangonana fito, dia ho any Efesosy sy Smyrna sy Pergamosy sy Tyatira sy Sardisy sy Filadelfia ary Laodikia. » (Apokalypsy 1:10-11)
AZA MIAHOTRA MAMALY NY ANTSONY!!!
MATOKIA.