"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

GRADY,TOMBOTSOA,FAHEFANA MANOKANA NO HOMENA ANAO OLON'ANDRIAMANITRA


Noho ianao nitalaho t@ Kristy
« Dia hoy izy tamiko: Aza matahotra, ry Daniela; fa hatramin'ilay andro voalohany nampiasanao ny fonao hahalala sy hampahory ny tenanao teo anatrehan'Andriamanitrao dia reko ny teninao, ary noho ny teninao dia avy aho. » (Daniela 10:12)
dia hiseho aminao Izy
« dia nanopy ny masoko aho ka nijery, ary, indro, nisy lehilahy iray nitafy rongony fotsy, ka tena volamena avy any Ofaza no nisikinany;tahaka ny krysolita ny tenany. ary tahaka ny helatra ny tarehiny, ary tahaka ny fanilo mirehitra ny masony, ary mivolom-barahina manganohano ny sandriny sy ny tongony; ary ny feony toy ny feon'olona maro be; » (Daniela 10:5-6)
hiresaka aminao
« Ary hoy izy tamiko: Ry Daniela malala ô, fantaro ny teny Izay lazaiko aminao, ka mijoroa; fa nirahina ho aty aminao aho ankehitriny. Ary nony nilaza izany teny izany tamiko izy, dia nitsangana nangozohozo teo aho. »(Daniela 10:11)
ary ho lasa modely ho an'ny hafa izay hataonao
« Ary Ezekiela dia ho famantarana mahagaga ho anareo; koa araka izay rehetra nataony no mba hataonareo; ary rehefa tonga izany, dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Tompo. » (Ezekiela 24:24)

AZA VOTSORINA FA HITONDRA FANOVANA IREO HOSOTRA NOMENA ANAO IREO!!!

MATOKIA.

HOY NY TOMPO AMINAO OLONY MPAKATO AZY:"HO TAHIKO IANAO SY NY TARANAKAO!"




Tadiavo @ fonao rehetra Andriamanitra
« Amin'izany andro izany sy amin'izany fotoana izany, hoy Jehovah, dia ho avy ny Zanak'Isirsely, dia izy mbamin'ny taranak'i Joda, eny, handeha izy sady hitomany eny am-pandehanana ka hitady an'i Jehovah Andriamaniny. » (Jeremia 50:4)
dia hamaly Izy ka hitahy anao
« Ary hampodiko ho any amin'ny saha fiandrasana azy indray ny Isiraely, ka hihinana ao Karmela sy Basana izy; Ary any an-tany havoan'i Daima sy Gileada no hahavoky azy. » (Jeremia 50:19)
Voatokana ho anao sy ny taranakao olony ny teny fikasana rehetra
« fa ny teny fikasana dia ho anareo sy ny zanakareo ary ho an'izay rehetra lavitra, na iza na iza hantsoin'i Jehovah Andriamanitsika hanatona Azy. » (Asan'ny Apostoly 2:39)

INDRAY MI-PIMASO DIA HOTANTERAHINY IZANY SATRIA TE-HAMALY NY FINOANAO AZY IZY!
MATOKIA.


HANEHO NY VONINAHINY KRISTY-HO AMPIRAISINY NY OLONY REHETRA


Tsy amelan'i Kristy raha tsy ho iray ao Aminy ny olony rehetra
« hahatanterahany ny fitondrana hatao mandra-pahatapitry ny andro voatendry, hanangonany ny zavatra rehetra ho iray ao amin'i Kristy, na ny any an-danitra, na ny ety an-tany, dia ho ao aminy;» (Efesiana 1:10)
ho ampianariny @ fombany mba hahalala tsara Azy
« mba homen'Andriamanitr'i Jesosy Kristy Tompontsika, Rain'ny voninahitra, ho anareo ny fanahin'ny fahendrena sy ny fanambarana amin'ny fahalalana Azy tsara, » (Efesiana 1:17)
sy hankato ny Antsony
« araka ny nifidianany antsika tao aminy, fony tsy mbola ary ny fanorenan'izao tontolo izao, mba ho masina sady tsy misy tsiny eo anatrehany isika,rehefa notendreny rahateo amin'ny fitiavana isika mba ho Azy* amin'ny fananganan'anaka amin'ny alalan'i Jesosy Kristy, araka izay ankasitrahan'ny fony,ho fiderana ny voninahitry ny fahasoavany, izay nanasoavany antsika maimaimpoana ao amin'ny Malala. » (Efesiana 1:4-6)

TSY MAINTSY HO TANTERAKA IO KA TSAPANAO VE FA AO ANATINY IANAO??

AFAKA NY HIFALY AMINAO ANDRIAMANITRA


Irinao ve ny ho tian'Andriamanitra?
"Ka dia hahazo fitia sy fahalalana tsara Eo anatrehan'Andriamanitra sy ny olona hianao."(Ohabolana3:4)
tano ary ny fahamarinana
"Aoka tsy handao anao ny famindrampo sy ny fahamarinana; Afehezo eo am-bozonao izany, Ary soraty ao amin'ny fonao tahaka ny amin'ny vato fisaka,(Ohabolana3:3)
ampiasao mba hankalazana Azy ny fanananao
"Mankalazà an'i Jehovah amin'ny fanananao Sy amin'izay voaloham-bokatrao rehetra; (Ohabolana3:9)
dia ho ampitomboiny be dia be
"Ka dia ho feno mitafotafo ny fitoeram-barinao, Ary hihoatra ny ranom-boaloboka eo amin'ny vata fanantazanao."(Ohabolana3:10)
FANAMBY TSARA SADY MAHASOA APETRANY AMINAO IZANY!!!
MATOKIA

FOTOAM-PIOTAZANA VOKATRY NY FINOANAO AN'I KRISTY IZAO


Mety misy ny tsy tena mino an'Kristy
Nefa na dia efa nanao izany famantarana betsaka izany teo anatrehany aza Izy, dia tsy mba nino Azy ireo, (Jaona 12:37)
ianao kosa anefa hahazo tombony satria tsy ho isan'izany
"Ary Jesosy niantso ka nanao hoe: Izay mino Ahy, dia tsy Izaho no inoany, fa Izay naniraka Ahy.Ary izay mahita Ahy dia mahita Izay naniraka Ahy." (Jaona12:44-45)
tsy sarotahotra
"Ary hoy Izy taminy: Nahoana no saro-tahotra hianareo? Tsy mbola mana-pinoana va hianareo?" (Marka4:40)
ho voatahy
"Ary hoy Izy: Ahoana no hanoharantsika ny fanjakan'Andriamanitra, ary inona no fanoharana hanoharantsika azy?Tahaka ny voantsinapy izy, izay kely noho ny voa rehetra, raha vao afafy amin'ny tany;fa rehefa voafafy kosa izy, dia maniry ka tonga lehibe noho ny anana rehetra, ary mandrantsana vaventy, ka azon'ny voro-manidina itoerana ny alokalony"(Marka4:30-32)

RAOFY-AZA MISALASALA MANANGONA FAHASOAVANA E!!!

MAHEREZA.

TSY HISY AFAKA HANDRESY AN'I KRISTY AO ANATINAO


Na dia tampo-dala-kaleha aza ianao nohon'ny fanenjehana
"Ary dia nampandeha soavaly sy kalesy ary miaramila be ho any izy; ka tonga alina ireo ary nanodidina ny tanàna. " (2Mpanjaka6:14)
matokia an'ilay Andriamanitrao
"Ary hoy Elisa : Aza matahotra; fa ny momba antsika dia be noho ny momba azy."(2Mpanjaka6:16)
fa vonona hampiseho ny heriny @ fombany Izy
"Ary Elisa nivavaka hoe : Jehovah ô, mifona aminao aho, ampahirato ny masony mba hahitany. Ary Jehovah nampahiratra ny mason'ilay zatovo; ary dia nahita izy, ka, indro, ny tendrombohitra feno soavaly sy kalesy afo manodidina an'i Elisa.Dia nidina nankany aminy ireo, ary Elisa nivavaka tamin'i Jehovah ka nanao hoe : Mifona aminao aho, ataovy manjambena ireto olona ireto. Ary dia nataony manjambena ireo araka ny tenin'i Elisa. Ary hoy Elisa taminy : Tsy ity no làlana, ary tsy ity no tanàna; fa manaraha ahy hianareo, dia hitondra anareo ho any amin'ny lehilahy tadiavinareo aho. Dia nentiny nankany Samaria ireo.Ary rehefa tonga tany Samaria izy ireo, dia hoy Elisa : Jehovah ô, ampahirato ny mason'ireto mba hahitany. Ary Jehovah nampahiratra ny masony, dia nahita izy; ka, indro, tao afovoan'i Samaria izy.Ary nony nahita azy ny mpanjakan'ny Isiraely, dia hoy izy tamin'i Elisa : Ry ikaky ô, hasiako va izy ? hasiako va izy ?Fa izy namaly hoe : Aza asianao izy; moa asianao izay nobaboinao tamin'ny sabatrao sy ny tsipìkanao ? Rosoy mofo sy rano eo anoloany mba hohaniny sy hosotroiny ary handehanany any amin'ny tompony.Dia nanao fanasana lehibe ho azy ny mpanjaka; ary rehefa nihinana sy nisotro ireo, dia nampandehaniny, ary dia nankany amin'ny tompony izy. Koa dia tsy nankany amin'ny tanin'ny Isiraely intsony ny mpitoha adin'i Syria." (2Mpanjaka6:17-23)

NOHON'NY FINOANAO AZY DIA VONONA HANAO FAHAGAGANA IZY MBA HAMAHANY NY OLANAO!!

MITAIZA NY OLONY AMIN'NY FOMBANY ANDRIAMANITRA

Mananatra
« Koa aoka ho fantatrao amin'ny fonao, fa tahaka ny fananaran'ny olona ny zanany no fananaran'i Jehovah Andriamanitrao anao. » (Deotoronomia 8:5)
manoro lalana
« Ary tandremo ny didin'i Jehovah Andriamanitrao, mba handehananao amin'ny lalany sy hatahoranao Azy. » (Deotoronomia 8:6)
mizaha toetra
« Ary tsarovy ny lalana rehetra izay nitondran'i Jehovah Andriamanitrao anao tany an-efitra izao efa-polo taona izao, hampanetry tena anao sy hizaha toetra anao ary hahalala izay ao am-ponao, na hitandrina ny didiny ianao, na tsia. »
(Deotoronomia 8:2)
miantoka ny sakafo sy ny fitafiana 
« Dia nampanetry tena anao Izy ka namela anao ho noana, dia nanome anao ny mana hohaninao, izay tsy fantatrao na ny razanao, hampahafantarany anao fa tsy mofo ihany no iveloman'ny olona; fa izay rehetra aloaky ny vavan'i Jehovah no iveloman'ny olona.Ny fitafianao teny aminao tsy rovitra, ary ny tongotrao tsy nivonto izao efa-polo taona izao. » (Deotoronomia 8:3-4)
ary manome harena anao @ fombany Andriamanitra


« Fa Jehovah Andriamanitrao efa hampiditra anao any amin'ny tany soa, dia tany misy renirano sy loharano ary rano lalina eny amin'ny lohasaha sy ny tendrombohitra,tany misy vary tritika sy vary hordea sy voaloboka sy aviavy ary ampongaben-danitra, tany misy hazo oliva sy tantely,tany izay hihinananao hanina amin'ny fanaranam-po, sady tsy hanan-java-mahory akory eo ianao, tany misy vy ny vato ao aminy, ary ao amin'ny tendrombohiny no hihadianao varahina. »(Deotoronomia 8:7-9)




MATOKISA AZY,HAJAO IZY DIA HO HITANAO NY VONINAHINY!!!

MAHEREZA.


 
 

 

  

MIANTSO NY OLONY MBA HIFANANTONA AO ANATY FIRAISAN-TSAINA ANDRIAMANITRA

Fotoana fampiraisan'Andriamanitra ny olony izao 
« ary hataoko ho firenena iray any amin'ny tany izy, dia any an-tendrombohitry ny Isiraely, ary mpanjaka iray ihany no ho mpanjakan'izy rehetra, ka tsy ho firenena roa intsony izy ary tsy hisaraka ho fanjakana roa intsony. » (Ezekiela 37:22)
@ fombany no hanatanterahany izany @ izay tsy hisy hirehareha
« Ary hataoko ao anatinareo ny Fanahiko, dia ho velona ianareo, ary hamponeniko any amin'ny taninareo ianareo; ka dia ho fantatrareo fa Izaho Jehovah no efa niteny sady nahatanteraka izany, hoy Jehovah. » (Ezekiela 37:14) 
Ankatoavy ary izany
« Fa izay mihaino Ahy kosa hitoetra tsy manana ahiahy, Eny, handry fahizay izy ka tsy hatahotra ny ratsy. » (Ohabolana 1:33)


'NDEHA HANAPOROFO IZANY ISIKA!!!
SA AHOANA?

MAHEREZA.
   

POROFOY AMIN'I KRISTY FA MINO AZY IANAO

 
Tadiavo Kristy
« Amin'izany andro izany sy amin'izany fotoana izany, hoy Jehovah, dia ho avy ny Zanak'Isirsely, dia izy mbamin'ny taranak'i Joda, eny, handeha izy sady hitomany eny am-pandehanana ka hitady an'i Jehovah Andriamaniny. » (Jeremia 50:4)
aza amelana raha tsy babon'ny finoanao Azy Izy ka satriny hamaha ny olanao avy hatrany
« Ary, indro, nisy nitondra lehilahy tamin'ny fandriana, izay mararin'ny paralysisa, ka nitady izay hampidirany sy hametrahany azy teo anatrehany.Ary satria tsy nahita izay hampidirany azy izy noho ny habetsahan'ny vahoaka, dia niakatra teo an-tampon-trano ka nanesorany ny tafo tanimanga, dia nampidininy ralehilahy mbamin'ny fandriany ho eo afovoan'ny olona, dia teo anatrehan'i Jesosy.Ary raha hitan'i Jesosy ny finoan'ireo, dia hoy Izy: Ralehilahy, voavela ny helokao. » (Lioka 5:18-20)
sy ho lasa tena sakaizanao
« Dia hafafiko ho Ahy amin'ny tany izy; Ary hamindra fo amin'i Lò-rohama Aho sady hanao amin'i Lò-amy hoe: Oloko ianao; Ary izy kosa hanao hoe: Andriamanitro Hianao. » (Hosea 2:25)
 

TANO MAFY IZAY ANANANAO!!!

MAHEREZA.