"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

TIAN'ANDRIAMANITRA HATOKY AZY HATRAMIN'NY FARANY IANAO

Tafio ireo fiadian'Andriamanitra
« Tafio avokoa ny fiadian'Andriamanitra, mba hahazoanareo hifahatra amin'ny fanangolen'ny devoly. » (Efesiana 6:11)
aza amelana raha tsy voafehinao
« Mihainoa ahy, Jehovah ô; Ary mihainoa ny tenin'izay miady amiko » (Jeremia 18:19)
dia hahita ny vokatr'izany ireo izay nanenjika anao ka hiova
« Ary izy telo lahy ireo, Sadraka sy Mesaka sy Abednego, dia voatsipy am-patorana teo anatin'ny lafaoro nisy afo mirehitra.Dia talanjona Nebokadnezara mpanjaka ary nitsangana faingana izy ka niteny tamin'ny mpanolo- tsainy hoe: Moa tsy telo lahy mifatotra va no natsipintsika tao anatin'ny afo? Dia namaly ny mpanjaka ireo ka nanao hoe: Marina izany, ry mpanjaka ô. Ary hoy izy: Ka no indro aho mahita efa-dahy tsy mifatotra, mandehandeha eo anaty afo, nefa tsy maninona tsy maninona akory izy; ary ny fijery ilay fahefatra dia toa zanak'ireo andriamanitra.Dia nanatona ny varavaran'ny lafaoro nisy afo mirehitra Nebokadnezara ka niantso hoe: Ry Sadraka sy Mesaka sy Abednego, mpanompon'Andriamanitra Avo Indrindra, mivoaha, ka avia aty. Dia nivoaka avy teo anatin'ny afo Sadraka sy Mesaka ary Abednego.Dia nifanatona ny solo-mpanjaka sy ny mpanapaka sy ny governora ary ny mpanolotsain'ny mpanjaka ka nahita ireo lehilahy ireo, fa tsy nanan-kery hampaninona ny tenany akory ny afo, na nisy singam-bolo nikainkona tamin'ny lohany, na niova ny lobany, ary tsy nisy fofon'afo akory taminy. Nebokadnezara niteny ka nanao hoe: Isaorana anie Andriamanitr'i Sadraka sy Mesaka sy Abednego, Izay naniraka ny anjeliny hamonjy ny mpanompony izay natoky Azy ka nandika ny tenin'ny mpanjaka ary nanolotra ny tenany tsy hanompo na hivavaka amin'izay andriamani-kafa, afa-tsy Andriamaniny ihany. » (Daniela 3:23-28)


NOMENA HOSOTRA MBA HO MPANDRESY IANAO!!!

MATOKIA,MAHEREZA.