"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

MIFALIA FA TONGA NY FOTOANA ANJAKAN'I KRISTY AO ANATINAO

 
Resy satana,
« Aiza Ilay teraka ho Mpanjakan'ny Jiosy? fa nahita ny kintany teny atsinanana izahay ka tonga mba hiankohoka eo anatrehany.Ary nony nandre izany Heroda mpanjaka, dia nangorohoro izy mbamin'i Jerosalema rehetra. » (Matio 2:2-3)
tonga ny fotoana hifaliana sy hiadanana ao @ Fanahy Masina,
« Fa ny fanjakan'Andriamanitra dia tsy amin'ny fihinanana sy ny fisotroana, fa fahamarinana sy fiadanana ary fifaliana ao amin'ny Fanahy Masina.Fa izay manompo an'i Kristy amin'izany zavatra izany no sitrak'Andriamanitra sy eken'ny olona fa tsara. »
(Romana 14:17-18)
N'deha ary hifandray,
« Koa mifandraisa ianareo tahaka ny nandraisan'i Kristy anareo koa ho voninahitr'Andriamanitra. » (Romana 15:7) 
sy HIRAY SAINA ankalaza izany,
« Fa Andriamanitry ny faharetana sy ny fiononana anie hampiray hevitra anareo araka an 'i Kristy Jesosy, mba ho saina iray sy vava iray no hiarahanareo mankalaza an'Andriamanitra, Rain'i Jesosy Kristy Tompontsika. » (Romana 15:5-6)
VANIM-POTOANA HANDRAISANAO FITAHIANA IZAO!!!
MINOA