"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

MILA ANAO ANDRIAMANITRA HANAVOTRA NY ONDRINY

Mila avotana ireo ondry nania
« fa aleo mankany amin'ny ondry very amin'ny taranak'isiraely.Ary raha mandeha ianareo, dia mitoria hoe: Efa mby akaiky ny fanjakan'ny lanitra. » (Matio 10:6-7)
katsaho izay hiadanan'izy ireo
« Ary raha vao miditra ao amin'ny trano ianareo, dia miarahabà ny ao.Koa raha miendrika ny ao an-trano, dia aoka ho ao aminy ny fiadanana tononinareo; fa raha tsy miendrika izy, dia aoka hiverina aminareo ny fiadanana voatononareo. » (Matio 10:12-13)
Aza kivy ary mitsikia na misy manenjika aza ianao manao izany
« Sambatra ianareo, raha haratsin'ny olona sy enjehiny ary asiany izay teny ratsy rehetra hitenenany lainga anareo noho ny amiko.Mifalia sy miravoravoa ianareo, fa lehibe ny valim-pitianareo any an-danitra; fa toy izany ihany no nanenjehany ny mpaminany izay talohanareo. » (Matio 5:11-12)

AMPIASAO NY FAHAZAVAN'I KRISTY AO ANATINAO!!!
MAHEREZA.