"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

AZA MATAHOTRA FA VONONA HIARO ANAO KRISTY





Aza mamaly ratsy ny ratsy
« Fa hoy Jesosy taminy: Ampidiro amin'ny tranony ny sabatrao; fa izay rehetra mandray sabatra no hovonoina amin'ny sabatra. » (Matio 26:52)
Kristy ao anatinao afaka haniraka ny anjeliny hiaro anao
« Ary ataonao va fa tsy mahazo mangataka amin'ny Raiko Aho, dia haniraka anjely tsy omby roa ambin'ny folo legiona ho ety amiko Izy ankehitriny? » (Matio 26:53)
tadidio fa hainy ny zavatra rehetra
« Fa Jesosy nijery azy ka nanao hoe: Raha amin'ny olona, dia zavatra tsy hainy izany; fa tsy mba tahaka izany amin'Andriamanitra; fa ny zavatra rehetra dia hain'Andriamanitra. » (Marka 10:27)
matokia 
« Izany no nataony mba hizahany toetra azy; fa izy nahalala ihany izay efa hataony. » (Jaona 6:6)

MANANA MPIAHY SADY TSY HO IRERY INTSONY IANAO!!!

MINOA.