"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

MIANTSO NY OLONY MBA HIFANANTONA AO ANATY FIRAISAN-TSAINA ANDRIAMANITRA

Fotoana fampiraisan'Andriamanitra ny olony izao 
« ary hataoko ho firenena iray any amin'ny tany izy, dia any an-tendrombohitry ny Isiraely, ary mpanjaka iray ihany no ho mpanjakan'izy rehetra, ka tsy ho firenena roa intsony izy ary tsy hisaraka ho fanjakana roa intsony. » (Ezekiela 37:22)
@ fombany no hanatanterahany izany @ izay tsy hisy hirehareha
« Ary hataoko ao anatinareo ny Fanahiko, dia ho velona ianareo, ary hamponeniko any amin'ny taninareo ianareo; ka dia ho fantatrareo fa Izaho Jehovah no efa niteny sady nahatanteraka izany, hoy Jehovah. » (Ezekiela 37:14) 
Ankatoavy ary izany
« Fa izay mihaino Ahy kosa hitoetra tsy manana ahiahy, Eny, handry fahizay izy ka tsy hatahotra ny ratsy. » (Ohabolana 1:33)


'NDEHA HANAPOROFO IZANY ISIKA!!!
SA AHOANA?

MAHEREZA.