"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

FOTOANAN'ILAY ANDRIAMANITRAO IZAO

Ambarao fa taona ankasitrahan'Andriamanitra izao

«Ny Fanahin'i Jehovah Tompo no ato amiko, satria Jehovah efa nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin'ny mpandefitra, efa naniraka Ahy hahasitrana* ny torotoro fo Izy, ary hitory fanafahana amin'ny babo sy hamoaka ny ao an-trano-maizina ho amin'ny mazava, [Heb. hamehy]Hitory taona ankasitrahan'i Jehovah sy andro famalian'Andriamanitsika, hampionona ny malahelo rehetra, » (Isaia 61:1-2)

hampitombo fitahiana avy 5000 eny Izy 
« Fa hoy Jesosy: Asaovy mipetraka ny olona. Ary nisy ahitra be teo. Ka dia nipetraka ny lehilahy, tokony ho dimy arivo no isany.Dia nandray ny mofo Jesosy; ary rehefa nisaotra, dia nizara izany tamin'izay nipetraka hihinana Izy; ary ny hazandrano koa araka izay nilainy.Ary rehefa voky ny olona, dia hoy Jesosy tamin'ny mpianany: Angony ny sisa tsy lany, mba tsy hisy ho very. »
(Jaona 6:10-12)
Ho tonga firenena mahery ny firenentsika
« Ny kely ho tonga arivo, ary ny malemy ho tonga firenena mahery...» (Isaia 60:22a)

MINOA DIA HO HITANAO NY VONINAHINY!!