"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

MITONIA,AZA MANAHY FA HIADANA IANAO IZAY MATAHOTRA AN'ANDRIAMANITRA


Fantatr'Andriamanitra ny antsipirihan'ny fiainanao,
« Fa na dia ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa. » (Matio 10:30)
ataovy lehibe aminao ny fahatahorana Azy 
« Anaka, raha raisinao ny teniko, Ary raketinao ao am-ponao ny didiko,Ka atongilanao amin'ny fahendrena ny sofinao, Ary ampitandremanao fahalalana ny fonao;Eny, raha miantso ny fahalalana ianao Ary manandratra ny feonao hahazo saina,Raha mitady azy toy ny fitady volafotsy ianao Ary mikatsaka azy toy ny fikatsaka harena afenina:Dia ho fantatrao marina ny fahatahorana an'i Jehovah, Ary ho hitanao ny fahalalana an'Andriamanitra. » (Ohabolana 2:1-5)
dia handry fahizay ianao 
« Fa izay mihaino Ahy kosa hitoetra tsy manana ahiahy, Eny, handry fahizay izy ka tsy hatahotra ny ratsy. » (Ohabolana 1:33)
MATOKIA
« Amin'ny androny no hamonjena ny Joda, sy handrian'ny Isiraely fahizay, ary izao no anarany izay hanononana Azy: Jehovah Fahamarinantsika. » 
(Jeremia 23:6)


TIA ANAO NY TOMPO!!!