"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

MIAVAKA NY TOMPONAO


Nandresy ny fahafatesana Kristy ,
« ary fantatsika fa rehefa nitsangana tamin'ny maty Kristy, dia tsy maty intsony Izy; tsy manan-kery aminy intsony ny fahafatesana. » (Romana 6:9),
ary ianao izay ondriny dia homeny fiainana mandrakizay sady tsy hisy andrombaka azy @ tanany,
 « Ny ondriko mihaino ny feoko, ary Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy, ary Izaho manome azy fiainana mandrakizay, ka tsy ho very izy mandrakizay, ary tsy hisy handrombaka azy amin'ny tanako. » (Jaona 10:27-28). .
DERAINA NY TOMPO E !VELONA MANDRAKIZAY IZY!!
VAVAKA : KRISTY O ! MISAOTRA ANAO NANAIKY NIJALY NOHO NY FAHOTANAY ! MISAOTRA ANAO NANAVOTRA ANAY !MISAOTRA ANAO MIAHY ANAY ! DERAINA MANDRAKIZAY NY ANARANAO ! AMEN!


MPANOMPO MAHATOKY @ FOMBAN’ANDRIAMANITRA IANAO OLONY


Ireo mpianatr'i Kristy tany @ mangingina no nangataka tany @ mpitondra hikarakara Azy,
"Ary rehefa afaka izany, Josefa avy any Arimatia (mpianatr'i Jesosy izy, nefa tamin'ny mangingina ihany noho ny fahatahorany ny Jiosy) dia nangataka tamin'i Pilato, mba hahazoany manaisotra ny fatin'i Jesosy. Ary nanaiky Pilato. Dia lasa izy ka nanaisotra ny fatin'i Jesosy.Ary tonga koa Nikodemosy (ilay nankao amin'i Jesosy nony alina tamin'ny voalohany) ka nitondra miora sy hazo manitra voaharoharo, tokony ho zato livatra." Jaona19:38-39.
TSY VOATERY MISEHO IANAO VAO HAHOMBY @ ASAN'ANDRIAMANITRA!MAHEREZA.

VAVAKA : RAY O ! MIDERA SY MANKALAZA ANAO AHO FA MAMPAHERY AHY @ FOMBANAO EO ASA FAMPOAKO IANAO !@ ANARAN’I JESOA KRISTY VELONA AVY ANY NAZARETA AMEN !


DAVIDA AO @ I KRISTY IANAO(2)


Manana 40 taona afaka hanompoana,
 « Ary ny andro nanjakany tamin'ny Isiraely dia efa-polo taona; ... » (1 Tantara 29:27a),
hanana harena be sy taranaka handimby,
« Ary maty izy rehefa tratrantitra tsara sady lava andro ary be harena sy voninahitra; ary Solomona zanany no nanjaka nandimby azy.[Heb. voky andro sy harena ary voninahitra] » (1 Tantara 29:28),
izay efa voafaritra mialoha,
« Ary ny tantaran'i Davida mpanjaka, na ny voalohany na ny farany, indro fa efa voasoratra ao amin'ny bokin'i Samoela mpahita sy ao amin'ny bokin'i Natana mpaminany ary ao amin'ny bokin'i Gada mpahita izany, » (1 Tantara 29:29).
MATOKIA ! HOMBA ANAO @ FOMBANY NY TOMPO !
VAVAKA : KRISTY O ! MIDERA SY MANKALAZA ANAO AHO SATRIA TSAPAKO FA MANANA DRAFITRA TSARA HO AHY SY NY TARANAKO IANAO  AMEN !


AOKA HITSARA AM-PAHAMARINANA


 Aoka tsy hizaha tavan'olona rehefa mitsara,
 « Izao koa no tenin'ny hendry: Tsy mety raha mizaha tavan'olona amin'ny fitsarana. »
(Ohabolana 24:23),
satria miteraka ozona izany,
 « Izay manao amin'ny meloka hœ: Marina ianao, Dia hozonin'ny olona sady ho halan'ny firenena; » (Ohabolana 24:24),
hiteraka fitahiana kosa ny fitsarana marina,
 « Fa izay mitsara marina kosa no hahita soa sy hahazo fitahiana tsara. » (Ohabolana 24:25).
KATSAHO ILAY FIADANANA !
VAVAKA :RAY O !IANAO ILAY FAHAMARINANA ,TEFEO IZAHAY MBA HAHALALA BEBE KOKOA HATRANY NY SITRAPONAO ARAKA NY TARIDALAN’NY FANAHINAO MASINA @ ANARAN’I JESOA KRISTY VELONA AVY ANY NAZARETA AMEN !


DAVIDA AO @ I KRISTY IANAO


Ny Tompo no nifidy anao ho mpandresy eo anoloan'ny fahavalo,
 « koa tanteraho izany ankehitriny, fa Jehovah efa nilaza an'i Davida hœ: Amin'ny tànan'i Davida mpanompoko no hamonjeko ny Isiraely oloko ho afaka amin'ny tanan'ny Filistina sy amin'ny tanan'ny fahavalony rehetra. » (2 Samoela 3:18),
Izy koa no hanendry olona hanampy anao hahatanteraka izany,
 « Ary hoy Abnera tamin'i Davida: Hiainga aho, dia handeha hamory ny Isiraely rehetra ho ety aminao mpanjaka tompoko, mba hanaovany fanekena aminao ary hanjakanao amin'izay rehetra irin'ny fonao. Ary Davida nampandeha an'i Abnera; ka dia lasa soa aman-tsara izy. »
(2 Samoela 3:21).
SAHIA MIJORO H@ FARANY ARY NY HOAVY NO HANAMARINA IZANY !
VAVAKA : RAY O ! MANAIKY AHO FA MANANA PLANINA TSARA HO AHY IANAO !@ ANARAN’I JESOSY KRISTY VELONA AVY ANY NAZARETA AMEN !


MAHERY NY ANARAN’I KRISTY


 Mahavonjy ny finoana an'i Kristy,
 « Ary hoy Izy tamin-dravehivavy: Ny finoanao efa namonjy anao; mandehana soa aman-tsara. » (Lioka 7:50),
na nanana kilema nandritry ny taona maro aza ianao dia hoesoriny izany,
 « Ary niantsambotra izy ka nijoro, dia nitsangantsangana ary niara-niditra taminy ho eo an-kianjan'ny tempoly, nitsangantsangana ny niantsambotsambotra sady nidera an'Andriamanitra. » (Asan'ny Apostoly 3:8),
ho vavolombelon'ny herin'ny Anarany ,
« Ary ny anarany no nampahatanjaka io lehilahy hitanareo sy fantatrareo io noho ny finoana ny anarany; eny, ny finoana izay azo amin'ny alalany no nahazoany izao fahasitranana tsara eto imasonareo rehetra izao. » (Asan'ny Apostoly 3:16).
MINOA !MINOA !MINOA !
VAVAKA :@ ANARANAO JESOA KRISTY VELONA AVY ANY NAZARETA MIALA NY SAKANA REHETRA TSY HAMPATANJAKA AHY NA ARAM-BATANA,NA ARA-TSAINA,INDRINDRA ARAM-PANAHY ! AMEN !