"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

TSY ANENENANAO NY FIANTRANA NY HAFA


Hotahina izay manana maso miantra
« Izay manana maso miantra hotahina, Satria anomezany ho an'ny malahelo ny haniny. » (Ohabolana 22:9),
aza misalasala mikarakara izay sahirana ao @ jerosalemanao
« ary dia aoka ho avy ny Levita (satria tsy mba manana anjara na lova eo aminao izy) sy ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izay ao an-tanànanao, dia hihinana izy ka ho voky, mba hotahin'i Jehovah Andriamanitrao ianao amin'ny asan-tananao rehetra izay ataonao. » (Deotoronomia 14:29),
sambatra ianao izay manao izany
« Sambatra izay mahatsiaro ny malahelo; Jehovah hamonjy azy amin'ny andro fahoriana. Jehovah hitandrina sy hiaro azy tsy ho faty; hatao ho sambatra ambonin'ny tany izy, ary tsy mba hatolotrao amin'ny sitrapon'ny fahavalony. » (Salamo 41:1-2)
MATOKIA!
HAMARININ’I KRISTY AMINAO @ FOMBANY NY TENINY HOE MAHASAMBATRA KOKOA NY MANOME NOHO NY MANDRAY !!

STEFANA AO @ KRISTY IANAO


Feno finoana sy Fanahy masina
« ... nifidy an'i Stefana izy, lehilahy feno finoana sy ny Fanahy Masina,.., » (Asan'ny Apostoly 6:5a2,3),
feno fahasoavana sy hery
«Ary Stefana, feno fahasoavana sy hery, dia nanao fahagagana sy famantarana lehibe teo amin'ny vahoaka. » (Asan'ny Apostoly 6:8),
manana endrika tahaka ny anjely
« Ary izay rehetra nipetraka teo amin'ny Synedriona, raha nandinika an'i Stefana, dia nahita ny tarehiny tahaka ny tarehin'anjely. » (Asan'ny Apostoly 6:15),
maharesy lahatra
« Dia nandroso ny tenin'Andriamanitra; ary nihamaro indrindra ny isan'ny mpianatra tany Jerosalema; ary maro be kosa ny mpisorona nanaiky ny finoana. » (Asan'ny Apostoly 6:7).
SAHIA MIJORO FA TSY HO VOATORA-BATO IANAO SATRIA EFA VANIM-POTOM-PIFOHAZANA IZAO!!
MATOKIA!!

HANDRAVA NY SAKANA REHETRA NY TOMPO SATRIA SAHY NIJORO IANAO OLONY


Hofoanan'Andriamanitra @ fombany ireo fanahy izay manitsakitsaka ny voninahiny
« Fa hitsangana hamely azy aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, ary hofoanako ny anaran'i Babylona sy izay sisa ao mbamin'ny zanany sy ny taranany, hoy Jehovah. » (Isaia 14:22),
satria ianao olony tsy nihemotra fa nanana hery nijoro h@ farany
« Dia ny liona, izay mahery indrindra amin'ny biby Ka tsy mihemotra na amin'inona na amin'inona, » (Ohabolana 30:30).
HISEHO @ FOMBA HAHERY VAIKA NY HERIN’I KRISTY VELONA!!!
MATOKIA!!!
FA MIARAKA @ ILAY MPANDRESY IANAO!!

SAMOELA AO @ KRISTY IANAO


Hihaino izay lazain'Andriamanitra mivantana aminao
« Ary avy Jehovah, dia nitsangana ka niantso toy ny teo ihany hoe: Ry Samoela, ry Samoela ô! Dia namaly Samoela hoe: Mitenena, fa mihaino ny mpanomponao. » (1 Samoela 3:10),
hizara izany @ hafa na dia tsy ho zakan'ny sofiny aza ny hihaino azy
« Ary hoy Jehovah tamin'i Samoela: Indro, Izaho hanao zavatra eo amin'ny Isiraely, ka izay rehetra mandre izany, dia hangintsingintsina ny sofiny roa. » (1 Samoela 3:11).
IRAKA HITONDRA FANOVANA IANAO!!!
SAHIA!!!
NY TOMPO HOMBA ANAO!!!

AZA MISALASALA MANDOHALIKA MIVAVAKA EO ANATREHAN’ILAY ANDRIAMANITRAO


Na i Solomona Mpanjaka aza nandohalika nivavaka niandrandra ny lanitra teo imason'ny vahoaka
« ...; dia nitsangana teo amin'io izy ka nandohalika teo anatrehan'ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, ary namelatra ny tànany manandrify ny lanitra » (2 Tantara 6:13b),
ianao olon'i Kristy koa aza menatra manao izany
« Fa voasoratra hoe: Raha velona koa Aho, hoy Jehovah, ny lohalika rehetra handohalika amiko, Ary ny lela rehetra hidera an'Andriamanitra (Isa. 45. 23). » (Romana 14:11).
HANAFAINGANA NY TENY FIKASANA EFA VOASORATRA AO @ FIHIRANA FFPM312/5 IZANY!
O Jesosy feno antra,Dera laza ho anao,ny lohalika rehetra,handohalika aminao,Mitoera,fa anao ny Nosinay!!

HAFATRA MANOKANA:


RY OLON'I KRISTY VOAFIDY
« Dia sitraky ny olona rehetra ny teniny, ka nifidy an'i Stefana izy, lehilahy feno finoana sy ny Fanahy Masina, ary Filipo sy Prokoro sy Nikanora sy Timona sy Parmena ary Nikoleo (proselyta avy any Antiokia), » (Asan'ny Apostoly 6:5),
SAHIA MILAZA FA IZAO NO FOTOANA HITSANGANAN' NY FANJAKAN'ANDRIAMANITRA SY TOKONY HINOAN' NY REHETRA NY FILAZANTSARA
« ... Efa tonga ny fotoana, ka efa akaiky ny fanjakan'Andriamanitra; mibebaha ianareo ka minoa ny filazantsara. » (Marka 1:15).
HIALA NY FAINGANA NY FANAHY RATSY SATRIA TSY HO ZAKANY NY HAHENO IZANY!!!
AZA MANAHY FA HOMBA ANAO NY TOMPO SATRIA MANAO NY ASANY IANAO!!!

FILIPO AO @ KRISTY IANAO


Hampahafantarin'ny Tompo @ fombany izay toerana tokony handehanana
« Ary nisy anjelin'ny Tompo nilaza tamin'i Filipo ka nanao hoe: Mitsangàna, ka mandehana mianatsimo ho any amin'ny lalana midina avy any Jerosalema mankany Gaza; dia efitra izany. » (Asan'ny Apostoly 8:26);
Ho entin'ny Fanahy
« ..., dia nentin'ny Fanahin'ny Tompo Filipo ka tsy hitan'ilay tandapa intsony;...» (Asan'ny Apostoly 8:39a2),
hitory ny filazantsara
« Fa Filipo hita tany Azota, dia nitory ny filazantsara tany amin'ny tanàna rehetra izay nalehany ambara-pahatongany tany Kaisaria. » (Asan'ny Apostoly 8:40).
NY ANJARANAO DIA NY MANAIKY DIA HITETY TOERANA NA TANY @ FOMBA TSY TAKATRY NY SAINA IANAO!!
MINOA!!

KRISTY IRERY IHANY NO IANTEHERO

Kristy efa nanala ny olony tao @ziogan'izao tontolo izao sady hiahy azy @ fombany
«Ary Ilay Anjelin'i Jehovah niakatra avy tany Gilgala ka nankany Bokima, dia nanao hoe: Nitondra anareo niakatra avy tany Egypta Aho ka nampiditra anareo eto amin'ny tany izay nianianako tamin'ny razanareo homena azy, ka hoy Izaho: Tsy hanatsoaka ny fanekeko taminareo Aho mandrakizay; » (Mpitsara 2:1),
mila mibebaka izay sanatria mbola miatehitra @ zavatra hafa
« koa aza manao fanekena amin'ny tompon-tany ianareo, fa ravao ny alitarany; kanefa tsy nihaino ny feoko ianareo; koa inona moa izao nataonareo izao? Ary hoy Izaho indray: Tsy handroaka azy eo anoloanareo Aho; fa ho tsilo eo amin'ny tehezanareo sy ho fandrika aminareo ny andriamaniny.Ary nony niteny izany teny izany tamin'ny Zanak'Isiraely rehetra Ilay Anjelin'i Jehovah, dia nanandratra ny feony ny vahoaka ka nitomany. » (Mpitsara 2:2-4).
FITAKA NY FIANTEHERANA @ OLONA NA VOLA NA VONINAHITRA NA ANDRIAMANIKAFA!!!

AZA GAGA RAHA TSY HISY FETRA NY FITOMBON’NY HOSOTRA ANANANAO OLON’I KRISTY


Ho mariky ny fitiavan'Andriamanitra anao olony dia nomeny anao ny zavatra rehetra
« Ny Ray tia ny Zanaka ka efa nanolotra ny zavatra rehetra ho eo an-tànany. » (Jaona 3:35),
ka mahatonga anao hanana fanomezam-pahasoavana tsy misy fetra
« Fa Izay nirahin'Andriamanitra dia milaza ny teniny; fa tsy misy fetra ny fanomezan'Andriamanitra ny Fanahy. » (Jaona 3:34).
NY ANAJARANAO DIA NY MANDRAY SY MAMPIASA AM-PANETRETENA HO FANAFAINGANANA NY FIFOHAZAM-PANAHY!!
SAHIA!!!
MAHEREZA!

TSY MISY MANANA NY AMPY FA SAMBATRA IZAY MIFANAMPY

Ny tanjakao aram-panahy dia hery iray afaka hanavotanao ny tenanao sady hanavotanao ny hafa
« Fa isika izay matanjaka dia tokony hitondra ny fahalemen'ny malemy ka tsy hitady izay hahafaly ny tenantsika ihany.Aoka isika rehetra samy hitady izay hahafaly ny namantsika amin'izay hahasoa sy hampandroso azy. » (Romana 15:1-2),
tsy hireharehana fa mba hiara-mandroso ao @ Kristy
« Kanefa tsy mihambo ho tompon'ny finoanareo izahay, fa mpiara-miasa hampandroso ny fifalianareo, satria finoana no itoeranareo. » (2 Korintiana 1:24).
HASANDRATRA IANAO SATRIA MANETRY TENA MANOMPO NY HAFA!!
MATOKIA MAHEREZA!!

FOTOANA HANDROMBAHANA NY FANJAKAN’ANDRIAMANITRA IZAO


Ianao olon'i Kristy dia halaelo raha misy olona very any @ elo
« fa hataoko ahoana no fijery ny loza hanjo ny fireneko? Ary hataoko ahoana no fijery ny fandringanana ny havako? » (Estera 8:6),
noho izany tsy hangina mandram-pahatonga ny firenena ho lasan'Andriamanitra
« Tsy hangina Aho noho ny amin'i Ziona, Ary tsy hitsaha-miteny Aho noho ny amin'i Jerosalema, mandra-piposaky ny fahamarinany tahaka ny famirapiratry ny mazava, ary ny famonjena azy tahaka ny fanilo mirehitra. » (Isaia 62:1).
SAHIA!
FA NOHO IANAO DIA HANAFAINGANA NY FIFOHAZAM-PANAHY NY TOMPO!!

EFA VOASORATRA HO AN'I KRISTY I MADAGASIKARA

RY MALAGASY!
afaka hanary ny fahotantsika any an-dranomasina ny Tompo
« Hamindra fo amintsika indray Izy Ka hanitsakitsaka ny fahotantsika, Eny, harianao ho any amin'ny ranomasina lalina ny fahotany rehetra. » (Mika 7:19),
ka ho lasa firenen'ny fahamarinan'i Kristy isika « Hanefa fahamarinana ho an'i Jakoba Hianao Sy famindram-po ho an'i Abrahama, Dia ilay nianiananao tamin'ny razanay hatramin'ny andro taloha ela. » (Mika 7:20),
KRISTY VONONA!
ARY IANAO?

TOKANA NY TANJONAO OLON’I KRISTY DIA NY HAMONJY FANAHIN’OLONA

Mpiombona @ filazantsara ianao
« Ary izany rehetra izany dia ataoko noho ny filazantsara mba ho tonga mpiombona aminy aho. » (1 Korintiana 9:23),
hitan'Anriamanitra koa ny fanetre-tena ananao satria tokana ny tanjona dia ny hampitombo ireo olona voavonjy
« Fa na dia afaka amin'ny olona rehetra aza aho, dia mbola nataoko ho mpanompon'ny olona rehetra ihany ny tenako mba hahazoako maromaro kokoa. » (1 Korintiana 9:19).
MAHEREZA!
ARY TOHIZO AM-PIFALIANA IZANY!!!
FALY AMINAO NY TOMPO!!!

KRISTY EFA VONONA HAMPAHOMBY ANAO OLONY

Manàna fahasahiana mitory an' Kristy eny @ izay toerana misy anao
« Ary izay niely dia nandeha nitory teny tontolo eny.Ary Filipo nidina tany an-tanàna any Samaria ka nitory an'i Kristy tamin'ny olona tao. » (Asan'ny Apostoly 8:4-5),
AZA MANAHY FA HAHOMBY IANAO ary ny Tompo efa nanomana ireo olona hihaino anao
« Ary ny vahoaka betsaka dia niray hevitra nihaino izay nolazain'i Filipo, raha nandre azy sy nahita ny fahagagana nataony. Fa ny fanahy maloto niantso tamin'ny feo mahery, dia nivoaka tamin'ny maro izay nanana azy; ary maro ny mararin'ny paralysisa sy ny mandringa no nositraniny. » (Asan'ny Apostoly 8:6-7).
AZA GAGA MAHITA NY HERIN’ANDRIAMANITRA !!!
MIFALIA FA VOAFIDY HITONDRA OLONA MARO HO ANY AN-DANITRA!!!

TSY LAVITRA FA AO ANATINAO OLON’I KRISTY ILAY TOERANA MASINA INDRINDRA

Kristy ilay taberbakely
« Fa Kristy kosa, rehefa tonga ho Mpisoronabe ny amin'ny zavatra tsara ho avy, dia namaky teo amin'ny tabernakely lehibe lavitra sady tsara lavitra, izay tsy nataon-tanana, izany hoe, tsy isan'izao zavatra ary izao, » (Hebreo 9:11),
sy ilay fitoerana masina indrindra ao anatinao
«Koa amin'izany, ry rahalahy. satria manana fahatokiana hiditra ao amin'ny fitoerana masina isika noho ny ran'i Jesosy, » (Hebreo 10:19).
Manàna fo madio
« dia aoka isika hanatona amin'ny fo marina sy amin'ny fahatokiana be avy amin'ny finoana, manana fo voadio* ho afaka amin'ny fieritreretana ratsy sy tena voasasa tamin'ny rano madio; [* Gr. voafafy] » (Hebreo 10:22),
dia hanao asa tsara @ anarany ianao
« ary aoka isika hifampandinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara; » (Hebreo 10:24).
MASINA IANAO SATRIA MASINA KRISTY AO ANATINAO!!MINOA.

TAHAKA NY LAHIMATOAN’ANDRIAMANITRA IANAO OLON’I KRISTY

Raha voalohan-teraka ianao dia efa nakotan'Andriamanitra ho Azy
« Fa Ahy ny voalohan-teraka rehetra amin'ny Zanak'Isiraely, na olona na biby fiompy; tamin'ilay andro namelezako ny voalohan-teraka rehetra tany amin'ny tany Egypta no nanamasinako azy ho Ahy. » (Nomery 8:17),
raha tsy izany dia mijoroa ho tahaka ny levita izay olom-boahosotra manokana koa
« fa efa nomena ho Ahy avy tamin'ny Zanak'Isiraely mihitsy izy; ho solon'izay voalohan-teraka rehetra, dia izay lahimatoa rehetra amin'ny Zanak'Isiraely, no nanalako azy ho Ahy. » (Nomery 8:16).
EKEO ARY IZANY DIA TENA HO VELONA AO ANATINAO KRISTY E!

HIAIKY NY HERIN’ILAY ANDRIAMANITRAO IREO FAHAVALONAO

Mijoroa @ finoanao
« Ary na dia tsy izany aza, aoka ho fantatrao, ry mpanjaka ô, fa ny andriamanitrao dia tsy hotompoinay, ary ny sariolona volamena efa natsanganao dia tsy hivavahanay. » (Daniela 3:18),
na ho tezitra aza ny fahavalo
« Dia feno fahatezerana Nebokadnezara, ka niova ny tarehiny tamin'i Sadraka sy Mesaka ary Abednego, dia nasainy nafanaina ho impito mihoatra noho ny famana azy ny lafaoro. » (Daniela 3:19),
ka hiteraka fisedrana mahamay izany
« Ary izy telo lahy ireo, Sadraka sy Mesaka sy Abednego, dia voatsipy am-patorana teo anatin'ny lafaoro nisy afo mirehitra. » (Daniela 3:23),
MATOKIA fa eo Kristy hanafaka anao
« Dia talanjona Nebokadnezara mpanjaka ary nitsangana faingana izy ka niteny tamin'ny mpanolo- tsainy hoe: Moa tsy telo lahy mifatotra va no natsipintsika tao anatin'ny afo? Dia namaly ny mpanjaka ireo ka nanao hoe: Marina izany, ry mpanjaka ô.Ary hoy izy: Ka no indro aho mahita efa-dahy tsy mifatotra, mandehandeha eo anaty afo, nefa tsy maninona tsy maninona akory izy; ary ny fijery ilay fahefatra dia toa zanak'ireo andriamanitra. » (Daniela 3:24-25),
MAHEREZA.
HO TSAPANAO NY TENA DIKAN’NY HOE MPANDRESY IANAO!!!

TOETRA HAFA!TOETRA MIAVAKA NO ANANANAO

OLON'I KRISTY IANAO:
Tsy miangatra raha mitsara

« Aza manao izay tsy marina amin'ny fitsarana; aza miandany foana amin'ny malahelo, na mena-maso ny lehibe; fahamarinana no hitsaranao ny namanao. » (Levitikosy 19:15)
tsy manararaotra ny fahalemen'ny hafa
« Aza miteny ratsy ny marenina na manisy zavatra mahatafintohina eo anoloan'ny jamba; fa matahora an'Andriamanitrao: Izaho no Jehovah. » (Levitikosy 19:14),
tsy manaratsy
« Aza mandehandeha manaratsy eo amin'ny firenenao; aza mitsangana handatsaka ny ran'ny namanao: Izaho no Jehovah. » (Levitikosy 19:16),
na mamaly ratsy ny hafa
« Aza mankahala ny rahalahinao amin'ny fonao; mananara dia mananara ny namanao,mba tsy hahazoanao heloka noho ny aminy. Aza mamaly ratsy na manao lolompo amin'izay iray firenena aminao: fa tiava ny namanao tahaka ny tenanao: Izaho no Jehovah. » (Levitikosy 19:17-18)
NDEHA HIARA-HIHIKA HOE:”VITANAY @ ANARANAO IZANY KRISTY O!!!”

KRISTY NO VAHA-OLANA HIALANA @ FANKAM-PANAHY

Hitan'ny Tompo ny fanahinao olony ory mahita ireo fahotana samihafa hataon'ny manodidina
« fa izany lehilahy marina izany, raha nitoetra teo aminy, dia nahory loatra ny fanahiny marina isan'andro isan'andro noho ny nahitany sy ny nandrenesany ny fandikan'ireo ny lalàna: » (2 Petera 2:8),
FIKIRO KRISTY dia tsy ho azon'ireo fankam-panahy ianao
« dia fantatry ny Tompo izay hamonjeny ny tsara fanahy amin'ny fakam-panahy sy ny hitehirizany ny olona tsy marina amin'ny fijaliana ho amin'ny andro fitsarana,- » (2 Petera 2:9).
MINOA AN’I KRISTY DIA HOVONJENA IANAO!!!

MITAKY FINOANA ARAHINA ASA AMINAO OLONY KRISTY

Zonao Kristiana ny mivavaka mba hiverenan'ny firenenao @ Andriamanitra
« Jehovah ô, ampivereno aminao izahay, mba hiverenanay; Havaozy ho toy ny fahiny ny andronay. » (Fitomaniana 5:21),
arao asa izany,Torio ny Teniny fa hahasambatra ho an'izay mitandrina azy
« Fa Izy nanao hoe: Eny tokoa, kanefa mainka sambatra aza ny mihaino ny tenin'Andriamanitra ka mitandrina izany. » (Lioka 11:28).
VITAN’NY MALAGASY IZANY HOE HO LASA KRISTIANA MIFOHA DAHOLO IZANY!!
MINO AHO!!
ARY IANAO?

AN’I KRISTY IZAO NO MANJAKA

Aza ferana ny fotoana hitoriana teny satria vanim-potoana mahaliana ny maro momban'ny Tenin'Andriamanitra izao
« Ary tamin'ny andro voalohany amin'ny herinandro, rehefa niangona hamaky mofo izahay, Paoly dia nitori-teny taminy, fa nikasa handeha maraina izy; dia naharitra nitori-teny mandra-paha-mamatonalina izy. » (Asan'ny Apostoly 20:7).
MAZOTOA!
Handroso amin-kery Kristy

« Fatratra toy izany no fandroson'ny tenin'Andriamanitra sy ny heriny. » (Asan'ny Apostoly 19:20).
SAHIA MIZARA NY TENY FAHASOAVANA!!!

NITSANGANA T@ MATY ARAM-PANAHY IANAO OLON’I KRISTY

Ianao olon'i Kristy dia natsangany t@ maty aram-panahy satria levona ireo fanahy maloto tao anatinao
« Ary nony hitan'i Jesosy fa nihazakazaka nanatona azy ny vahoaka, dia niteny mafy ny fanahy maloto Izy ka nanao taminy hoe: Ry fanahy moana sy marenina! Izaho mandidy anao: Mivoaha aminy, ka aza miditra ao anatiny intsony. Ary rehefa ninananana izy sady nampifanintontsintona mafy ilay zazalahy, dia nivoaka taminy; ary efa toy ny maty, ka dia nataon'ny maro hoe: Maty.Fa Jesosy nandray ny tànany ka nanarina azy; dia nitsangana izy. » (Marka 9:25-27)
sady manam-pinoana hanangana ny hafa
« Fa hoy Jesosy taminy: Hainao hoe? Ny zavatra rehetra dia hain'ny mino.Ary niaraka tamin'izay dia niantso* ny rain-drazazalahy ka nanao hoe: Mino aho; vonjeo mba ho afaka amin'ny tsi-finoako.[*Ampio hoe: sady nandrotsa-dranomaso]. » (Marka 9:23-24)
AZA MIAHOTRA FA TENA MPANAGANA NY MATY ARAM-PANAHY @ ANARAN’ILAY NANAFAKA ANAO IANAO!!!
AFAINGANO ARY NY ASA!!!
VITANAO IZANY!!!
MATOKIA!!

MASINA NY FIRAISANA @ TENAN’I KRISTY

Alohan'ny hiraisana latabatra @ Tompo na hiraisana hiasa @ anarany dia mila manana toe-panahy mendrika izany
« Koa na zovy an zovy no mihinana ny mofo sy misotro amin'ny kapoaky ny Tompo amin'ny fanahy tsy mendrika, dia ho meloka ny amin'ny tena sy ny ran'ny Tompo izy. » (1 Korintiana 11:27)
mba tsy hivadika fanamelohana
« Fa izay rehetra mihinana sy misotro dia mihinana sy misotro fanamelohana ho an'ny tenany, raha tsy mamantatra ny tena izy. » (1 Korintiana 11:29)
SAROTINY @ VONINAHINY NY TOMPO!!!
ALEO MISOROKA TOY IZAY MITSABO!!!
MAHEREZA!

IRAY AO @ NY TOMPO NY OLONY REHETRA

Tian'i Kristy hahiratra ny masom-panahin'ny olony @ izao andro farany izao fa misy ny lesoka
« Ary hoy Jesosy: Ho fitsarana no nahatongavako amin'izao tontolo izao, mba hahiratra ny tsy mahiratra, ary mba ho tonga jamba kosa ny mahiratra. » (Jaona 9:39),
matoa tsy miray saina nefa Iray ny mpanolon-tsaina
« mba ho iray ihany izy rehetra, tahaka Anao Ray ato amiko, ary Izaho koa ao aminao, mba ho ao amintsika koa izy; mba hinoan'izao tontolo izao fa Hianao no naniraka Ahy. » (Jaona 17:21).
LANITRA IRAY NO HIVANTANANA !
NDEHA HANAPOROFO FA AZO SANTARINA DIENY ETY AN-TANY IZANY!
DIA HO TANTERAKA ILAY HOE:HO TONGA NY FANJAKANAO,ATAO NY SITRAPONAO,ETY AN-TANY TAHAKA NY ANY AN-DANITRA!!!

HASANDRATRA IANAO OLON’I KRISTY SATRIA TENA NIHETRY TEO ANATREHANY

Hitan'Andriamanitra ianao olony torotoro fo sy manetry tena eo anatrehany
« Fa izao no lazain'ny Iray avo sy manerinerina, izay monina mandrakizay, masina no anarany: Ao amin'ny fitoerana avo sy masina no onenako, ary ao amin'ny torotoro fo sy ny manetry tena, hamelombelona ny fanahin'ny manetry tena sy hamelombelona ny fon'ny torotoro fo; » (Isaia 57:15),
hitari-dalana sy hanasitrana ary hampiadana anao @ fombany Izy
« Efa nahita ny lalany Aho, nefa hahasitrana azy ihany, dia hitari-dalana azy Aho ka hampody ny fiononana ho aminy sy ho amin'ny malahelo ao aminy,Dia Izaho Izay mahary ny vokatry ny molotra: Fiadanana, fiadanana ho an'izay lavitra sy ho an'izay akaiky! hoy Jehovah, ka dia hahasitrana azy Aho. » (Isaia 57:18-19).
HIAINA FIAINAM-BAOVAO HO POROFON’NY TENA FAMELAN-KELOKA IANAO !!!
AZA GAGA FA MIFALIA FA AZONAO NY FAMONJENA !!!

MARINA @ TENINY NY TOMPO

Manaova tahaka an'i Davida!alohan'ny hiatrehana ady dia miatoraka @ Tompo dia hamaly sady hanampy anao Izy
« Dia nanontany tamin'i Jehovah indray Davida. Ary Jehovah namaly azy hoe: Miaingà, midìna hankany Keila, fa Izaho no hanolotra ny Filistina ho eo an-tananao. » (1 Samoela 23:4).
Te-hanamarina ny Teniny mantsy Izy
« Sanatria izany! Aoka Andriamanitra no ho marina, fa ny olona rehetra kosa ho mpandainga; araka ny voasoratra hoe: Mba hohamarinina amin'ny teninao Hianao, Ary hahery, rehefa manana ady (Sal. 51. 4). » (Romana 3:4).
MIFANKAZARA @ TSITOHA DIA HIADANA E !!!

REHEFA ENY DIA ENY NA TSIA DIA TSIA AO @ KRISTY

Ny olona iray dia na momba an'i Kristy na manohitra Azy
« Izay tsy momba Ahy dia manohitra Ahy; ary izay tsy miara-mamory amiko dia manahaka. » (Lioka 11:23),
ho anao izay momba Azy dia tsy ho irery fa hiara-hiaina aminao ny tontolon'ny lanitra
« Lazaiko aminareo marina tokoa: Na inona na inona fehezinareo ety ambonin'ny tany dia hofehezina any an-danitra; ary na inona na inona vahanareo ety ambonin'ny tany dia hovahana any an-danitra. » (Matio 18:18).
HAMAFISO NY ENY DIA HIAINA NY FIAINAN-DANITRA DIENY ETY AN-TANY IANAO !!!
MATOKIA !!!

TSIAMARATELON’NY FAHAZOANA VALIM-BAVAKA NY FAMELAN-KELOKA MARINA

Mila mamela heloka @ olona rehetra ianao olon'i Kristy
« Ary raha mitsangana mivavaka ianareo, ka misy olona anananareo alahelo, dia mamelà ny helony, mba havelan'ny Rainareo Izay any an-danitra kosa ny helokareo. » (Marka 11:25),
dia hahazo valisoa goavana satria hahazo izay angatahinao @ Ray na inona na inona
« Koa lazaiko aminareo: Na inona na inona tononinareo amin'ny fivavahana sy angatahinareo, dia minoa fa efa nandray ianareo, dia ho azonareo izany. » (Marka 11:24).
MATOKIA !
TSY HANENENANAO IZANY !!!