"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

MAHIRATA ARAM-PANAHY


Hampahiratra ny masom-panahintsika no nahatongavan'i Kristy ,
« Ary hoy Jesosy: Ho fitsarana no nahatongavako amin'izao tontolo izao, mba hahiratra ny tsy mahiratra, ary mba ho tonga jamba kosa ny mahiratra. » (Jaona 9:39),
mba hanekena fa @ alalany no ahazoana famelan-keloka,
 « Izy no ambaran'ny mpaminany rehetra, fa amin'ny anarany no hahazoan'izay rehetra mino Azy famelan-keloka. » (Asan'ny Apostoly 10:43).
Ho jamba izay mandà izany ,
« Hoy Jesosy taminy: Raha jamba ianareo, dia tsy ho nanan-keloka; nefa hoy ianareo ankehitriny: Mahiratra izahay; dia tsy afaka ny helokareo. » (Jaona 9:41).
VAVAKA :RAY O ! AOKA MBA HAHIRATRA ARAM-PANAHY NY MALAGASY !@ ANARAN’I JESOSY KRISTY  VELONA AVY ANY NAZARETA AMEN !

MAHATORA AN'ANDRIAMANITRA


 DIA:Ho voaaro ianao sy ny ankohonanao,
 « Ny fahatahorana an'i Jehovah dia fiarovana mahatoky, Ary ny zanany hahazo fialofana. » (Ohabolana 14:26),
tsy handry fotsy izy ireo,
 « Ny fahatahorana an'i Jehovah no ahazoana fiainana; Izay manana izany tsy mba handry fotsy sady tsy hiharan-doza. » (Ohabolana 19:23),
ary ho mariky ny fahendrenao koa izany,
  « Ny fahatahorana an'i Jehovah no fiandoham-pahendrena; Ary ny fahafantarana ny Iray Masina no fahazavan-tsaina. » (Ohabolana 9:10).
MINOA !
VAVAKA :RAY  O !  TEZAO AHO MBA HATAHOTRA SY HANAJA ANAO HATRANY ! @ ANARAN’I JESOA KRISTY VEELONA AVY ANY NAZARETA AMEN !

MAHARETA FA HANANA NY SOA


Homba sy hampahomby anao olon'i Kristy @ fanompoana ny Tompo,
 « Ary ny tanan'ny Tompo nomba azy ireo, ka maro no isan'izay nino sy niverina ho amin'ny Tompo. » (Asan'ny Apostoly 11:21),
mila miharitra anefa na ianao izay manatanteraka,
 « Nefa tsy ataoko ho zavatra akory ny aiko, mba hahavita ny alehako, dia ny fanompoana izay noraisiko tamin'i Jesosy Tompo hanambara ny filazantsaran'ny fahasoavan'Andriamanitra. » (Asan'ny Apostoly 20:24),
na ireo izay nandray,
 « Fa izay maharitra hatramin'ny farany no hovonjena. » (Matio 24:13).
FIKIRO ILAY SAFIDY TSARA EFA AO AMINAO !
VAVAKA :RAY O !TANTANO AHO MBA HIFIKITRA AMINAO HATRANY !@ ANARAN’I JESOSY KRISTY VELONA AVY ANY NAZARETA AMEN !

MIAMBENA MIAMBENA



Tsy misy marina na dia iray aza 
« Samy nania avokoa izy rehetra, Samy tsy mahasoa avokoa izy rehetra; Tsy misy izay manao ny tsara na dia iray akory aza (Sal. 14. 1-3). » (Romana 3:12),
na efa mpanompon'ny Tompo aza ianao aleo mitandrina sao ireo hotorianao ho avotra fa ianao sanatria ho very
 « fa asiako mafy ny tenako ho mangana ka andevoziko, fandrao, na dia efa nitory tamin'ny sasany aza aho, dia holavina kosa ny tenako. » (1 Korintiana 9:27).
AROVY NY TENANAO !
VAVAKA :RAY O !AROVY @ FAKAM-PANAHY REHETRA AHO !@ ANARAN’I JESOA KRISTY AVY ANY NAZARETA AMEN !

VOATENDRY HAHOMBY IANAO OLON’I KRISTY



Ny Tompo no hanendry anao olon'i Kristy tahaka ny nanendreny an'i Josoa 
« Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Alao ho anao Josoa, zanak'i Nona, lehilahy izay manam-panahy, ka ametraho ny tananao izy; » (Nomery 27:18),
sy Stefana
 « Dia sitraky ny olona rehetra ny teniny, ka nifidy an'i Stefana izy, lehilahy feno finoana sy ny Fanahy Masina, .., » 
(Asan'ny Apostoly 6:5a).
Handray tsondrano lehibe ianao
« Dia anomezo azy ny voninahitrao, mba hihainoan'ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra azy. » (Nomery 27:20),
sady hahomby @asa 
« Ary Stefana, feno fahasoavana sy hery, dia nanao fahagagana sy famantarana lehibe teo amin'ny vahoaka. » (Asan'ny Apostoly 6:8).
MATOKIA !
VAVAKA :RAY O ! MANAIKY NY HO TENDRENAO AHO !@ ANARAN’I JESOSY KRISTY VELONA AVY ANY NAZARETA AMEN !

MPITANDRINA MIAVAKA IANAO OLON’I KRISTY


Natsoina ho mpitandrina ny jerosalemanao ianao ka mendrika ny hanana toetra miavaka,tia filaminana sy tsy mpitia vola 
« Koa ny mpitandrina dia tsy maintsy ho tsy manan-tsiny, manam-bady tokana, mahonon-tena, hendry, tia filaminana, mampiantrano vahiny, mahay mampianatra,tsy mpimamo lian'ady, tsy mpikapoka, fa mandefitra, tsy mpila ady, tsy mpitia vola, » (1 Timoty 3:2-3)
 ,mahafehy ny ankohonana
 « manapaka tsara ny ankohonany, mampanaiky ny zanany amin'ny fahamaotinana tsara » (1 Timoty 3:4).
SAHIA MITENY HOE :VITAKO IZANY KRISTY O !
VAVAKA :RAY O !TEFEO AHO MBA HO MENDRIKA HO MPITANDRINA MAHATOKY !@ ANARAN’I JESOA KRISTY VELONA AVY ANY NAZARETA AMEN !

KRISTY NO REHAREHAKO


 Ny reharehanao dia ny fahalemenao 
« Raha tsy maintsy mirehareha aho, dia izay momba ny fahalemeko no hataoko rehareha. » (2 Korintiana 11:30)
sy ny hazofijalian'i Kristy izay nahatonga anao afaka t@ gejan'izao tontolo izao 
« Fa sanatria raha mba misy hataoko rehareha afa-tsy ny hazo fijalian'i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay nahavoahombo izao tontolo izao tamin'ny hazo fijaliana, raha ny amiko, ary izaho kosa, raha ny amin'izao tontolo izao. » (Galatiana 6:14)
,mba ho lasa olony
  « Ka dia manana izay hataoko rehareha ao amin'i Kristy Jesosy aho noho ny amin'Andriamanitra. » (Romana 15:17).
SAMBATRA AHO JESO O !MANANA ANAO TOMPON’NY HERY !

VAVAKA : KRISTY O !IANAO NO REHAREHAKO !@ ANARAN’I JESOSY KRISTY VELONA AVY ANY NAZARETA AMEN !

MAHALALA ZAVA-MIAFINA IANAO OLON'I KRISTY


Mendrika ny hilaza ny
zava-miafina Kristy ao anatinao

<< fa efa nanam-bady indimy ianao, sady tsy vadinao ilay itoeranao ankehitriny; marina izany voalazanao izany.>> (Jaona 4:18)
,ary hiaiky izany ny olona hiantefany 
<< Hoy ravehivavy taminy: Tompoko, hitako fa mpaminany Hianao. >> (Jaona 4:19).
Ankalazao fa Kristy ihany no lalam-pamonjena
 << Hoy Jesosy taminy: Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin'ny Ray, afa-tsy amin'ny alalako. >> (Jaona 14:6).
MANEKE HO FITAOVANA HAMPIOVA FO NY HAFA !
VAVAKA : RAY O ! AMPIASAO AHO HO SAHY HILAZA IREO ZAVA-MIAFINA
HAMPAHITANAO AHY !@ ANARAN'I JESOSY KRISTY AVY ANY NAZARETA AMEN !


RESY NY HERIN’NY MAIZINA


Ny tehin'i Arona dia nitelina ny tehin'ny ombiasy  
« Fa samy nanipy ny tehiny avy izy ireo, ka tonga menarana ireny; nefa ny tehin'i Arona nitelina ny tehin'ireo. » (Eksodosy 7:12) 
nalatsak'Andriamanitra ny afo avy any an-danitra raha nangataka izany Elia  
« Mihainoa ahy mihainoa ahy, Jehovah ô, mba hahafantaran'ireto olona ireto fa Hianao Jehovah no Andriamanitra, ary Hianao no mampiverina ny fony indray.Dia latsaka ny afon'i Jehovah ka nandevona ny fanatitra dorana sy ny kitay hazo sy ny vato ary ny vovoka sady nandritra ny rano tao amin'ny hady kely. » (1 Mpanjaka 18:37-38)
ANJARANAO IZAO !SAHIA HO ELIA AO @ KRISTY.
VAVAKA :RAY O !AMPIO AHO MBA HO FITAOVANA MAHOMBY HANDRESY NY ASAN’NY MAIZINA !@ ANARAN’I JESOA KRISTY VELONA AVY ANY NAZARETA AMEN !

MILA ANAO MIASA AO @ FANJAKANY NY TOMPO



 Ny fanjakan'Andriamanitra dia misy fahefana  
« Fa ny fanjakan'Andriamanitra tsy amin'ny teny, fa amin'ny hery. » (1 Korintiana 4:20) 
mitondra ny olona hiala @ fahefan'i satana ho @ Andriamanitra 
« hampahiratra ny masony hialany amin'ny maizina ho amin'ny mazava, ary amin'ny fahefan'i Satana ho amin'Andriamanitra, mba hahazoany famelan-keloka sy lova eo amin'izay nohamasinina noho ny finoana Ahy. » (Asan'ny Apostoly 26:18) 
MANASA ANAO HANDRAY ANJARA  
« ary aza manolotra ny momba ny tenanareo ho amin'ny ota ho fiadian'ny tsi-fahamarinana; fa atolory ny tenanareo ho an'Andriamanitra, toy ny efa maty nefa velona, ary ny momba ny tenanareo ho fiadian'ny fahamarinana ho an'Andriamanitra. » (Romana 6:13).
VAVAKA :RAY O ! INTY AHO AMPIASAO ,OMEO FAHEFANA HANOVA ,HITONDRA NY HAFA HIAINA AO @ FANJAKANAO !@ ANARAN’I JESOSY KRISTY VELONA AVY ANY NAZARETA AMEN !

HANATANTERAKA IREO FANIRIANA TSARA HO ANAO OLONY NY TOMPO


Vao 17 taona Josefa dia efa nanonofy fa hiankohoka eo anatrehany ireo rahalahiny 
« Indro, namehy amboara tany an-tsaha isika, ary, indro, niarina ny amboarako sady nijoro; ary, indreo, nilahatra manodidina kosa ny amboaranareo ka niankohoka teo anatrehan'ny amboarako. » (Genesisy 37:7),tanteraka izany taty aoriana
 « Ary Joda sy ny rahalahiny niditra tao an-tranon'i Josefa (fa mbola tao izy), dia nidaboka tamin'ny tany teo anatrehany. » (Genesisy 44:14),
MATOKIA FA HO TANTERAKA IREO NOFINOFINAO!!
VAVAKA :RAY O !MISAOTRA ANAO MAMPAHAFANTATRA AHY MIALOHA NY MOMBA NY HOAVIKO !@ ANARAN’I JESOA KRISTY AVY ANY NAZARETA AMEN !


KATSAHO ILAY TENA FITIAVANA


Ny tena Fitiavana dia ny fikatsahana ilay fitiavan'Andriamanitra @ fonao rehetra 
« Ary hitady Ahy ianareo, dia ho hitanareo Aho, raha katsahinareo amin'ny fonareo rehetra. » (Jeremia 29:13).
Antsoy Izy fa hamaly anao
 « Ary hiantso Ahy ianareo ka handeha sy hivavaka amiko, dia hihaino anareo Aho. » (Jeremia 29:12)
,fantany izay mahasoa anao 
« Fa Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, hoy Jehovah, dia hevitra hahatonga fiadanana, fa tsy loza, mba hanome anareo fanantenana ny amin'ny farany.» (Jeremia 29:11).
MIAVAKA ILAY FITIAVANA MENDRIKA ANAO !
VAVAKA :RAY O !TSAPAKO FA TIA AHY IANAO ,AMPIANARO AHO HAHAY HIGOKA IZANY BEBE KOKOA HATRANY !@ ANARAN’I JESOSY KRISTY VELONA AVY ANY NAZARETA AMEN !
 

SAHIA MANDROAKA NY FANAHY MALOTO


 Kristy tsy namela ny fanahy maloto hirehareha fa nandroaka izany tamin-kery
  « Ary Jesosy niteny mafy azy ka nanao hœ: Mangina ianao ka mivoaha aminy. » (Marka 1:25),
dia niala izany 
« Ary ny fanahy maloto nampifanintontsintona ny tenan'ilay marary, dia niantso tamin'ny feo mahery ka niala taminy. » (Marka 1:26),
nanao izany koa i Paoly
  « Ary nataony tamin'ny andro maro izany. Ary sosotra Paoly, dia nitodika ka nanao tamin'ny fanahy hœ: Mandidy anao amin'ny anaran'i Jesosy Kristy aho hivoaka aminy. Dia nivoaka tamin'izany ora izany indrindra izy. » (Asan'ny Apostoly 16:18).
VITANAO KOA IZANY!!

VAVAKA : RAY O !OMEO FAHASAHIANA AHO HANDROAKA NY FANAHY RATSY !@ ANARAN’I JESOA KRISTY VELONA AVY ANY NAZARETA AMEN !

MAMAFAZA VOA TSARA


Ho mariky ny fahatokisanao fa hanome fiainana sy fiadanana ny Tompo no hanajanao sy hatahoranao Azy  
« Ny fanekeko taminy dia fiainana sy fiadanana; ary nomeko azy ho fahatahorana izany, ka dia natahotra Ahy sy nangovitra teo anatrehan'ny anarako izy. » (Malakia 2:5).
Vokany:Hamoa voa tsara ireo teny ambaranao  
« Ny lalàn'ny fahamarinana no teo am-bavany, ary tsy mba nisy tsi-fahamarinana teo amin'ny molony; tamin'ny fiadanana sy ny fahitsiana no niarahany nandeha tamiko, ary maro no nampialainy tamin'ny heloka. » (Malakia 2:6).
MAZOTOA DIA HIFOHA TSY HO ELA NY JEROSALEMANAO !
VAVAKA : RAY O ! TSY AMELANAY RAHA TSY TANTERAKA IZAY EFA VOASORATRA HOE « HIADANA SY HO FINARITRA !HE SAMBATRA TOKOA IZAHAY »@ ANARAN’ JESOSY KRISTY VELONA AVY ANY NAZARETA AMEN !

MANDRAISA ANJARA @ FANOMPOANA


Misy mandray anjara @asa fitoriana mivantana
« Ary taoriana kelin'izany, dia lasa Jesosy nitety ny tanàna sy ny vohitra nitory ny filazantsaran'ny fanjakan'Andriamanitra; ary ny roa ambin'ny folo lahy nanaraka Azy. » (Lioka 8:1),
misy kosa ireo izay mandray anjara @alalan'ny fananany 
« sy Johana, vadin'i Koza, mpitandrina ny fananan'i Heroda, ary Sosana mbamin'ny maro hafa koa, izay nanompo Azy tamin'ny fananany.  » (Lioka 8:3),
MANOMPOA AZY ARAK'IZAY TANDRIFY ANAO 
« Fa manompoa an'i Jehovah Andriamanitrareo, dia hitahy ny haninao sy ny ranonao Izy; ary hesoriko aminao ny aretina. » (Eksodosy 23:25).
MAZOTOA E !
VAVAKA :RAY O !TEZAO IZAHAY OLONAO HIFANAMPY SY HIFANOHANA MBA HAMPANDROSOANA HAINGANA KOKOA NY FILAZANTSARAN’NY FANJAKANAO !@ ANARAN’I JESOSY KRISTY VELONA AVY ANY NAZARETA AMEN !

AOKA HIFANKATIA ISIKA


Kora sy ny namany dia nanohitra an'i Mosesy sy Arona 
« Ary Kora nanangona ny namany rehetra ho eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana hanohitra azy roa lahy; dia niseho tamin'ny fiangonana rehetra ny voninahitr'i Jehovah. » 
(Nomery 16:19)
nofaizin'ny Tompo izy ireo ka nilentika velona tany anaty tany
« eny, nisokatra ny tany ka nitelina azy sy ny ankohonany mbamin'ny olona rehetra izay an'i Kora ary ny fananany rehetra.Dia latsaka velona ho any amin'ny fiainan-tsi-hita izy mbamin'izay azy rehetra; ary ny tany dia nikatona taminy, ka fongotra tsy ho amin'ny fiangonana intsony izy. » 
(Nomery 16:32-33)
 MIFANKATIAVA E!
« ..miraisa saina ianareo rehetra. ka miaraha ory, mifankatiava tahaka ny mpirahalahy, mifamindrà fo, manetre tena, » (1 Petera 3:8).
VAVAKA :RAY O !TEZAO NY TOETRANAY MBA TENA HAHAY HIFANKATIA !@ ANARAN’I JESOA KRISTY VELONA AVY ANY NAZARETA AMEN !

TANTERAHO IZAY VOADY NAMBARANAO


Ny voady nolazainao teo anatrehan'ny Tompo dia mila tanterahina
« Raha misy lehilahy mivoady amin'i Jehovah, na mianiana hamehy ny fanahiny hifady, dia tsy hitsoa-teny izy; araka izay rehetra naloaky ny vavany no hataony. » (Nomery 30:3).
Vita izany satria ny Fanahiny izay ao aminao 
« Mamelombelona ny fanahiko Izy; mitarika ahy amin'ny lalan'ny fahamarinana noho ny anarany Izy. » (Salamo 23:3),
no niteny sy hanatanteraka 
« Fa Andriamanitra no miasa ao anatinareo na ny fikasana na ny fanaovana hahatanteraka ny sitrapony. » (Filipiana 2:13).
SAHIA MIJORO H@ FARANY !
VAVAKA :RAY O !AMPIO AHO HANATANTERAKA NY VOADY IZAY EFA NEKEKO TEO ANATREHANAO !@ ANARAN’I JESOA KRISTY VELONA AVY ANY NAZARETA AMEN !

MENEKE HO MPANOLON-TSIANA MAHATOKY



Mpanompo nanolon-tsaina hendry i Joiada ,
<< Ary Joasy nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah tamin'ny
andro rehetra niainan'i Joiada mpisorona
. >> (2 Tantara 24:2),
nahomby izy t@ izany ka nataon'Andriamanitra ela velona ,
<< Fa tratrantitra sy ela niainana Joiada vao maty: telo-polo amby zato taona izy vao maty.
>> (2 Tantara 24:15)

MENDRIKA HO TOY IZANY KOA IANAO OLON'I KRISTY.

VAVAKA :
RAY O ! TEFEO AHO MBA HO MPANOMPO TSARA EO ANATREHANAO !@
ANARAN'I JESOA KRISTY VELONA AVY ANY NAZARETA AMEN !

HAFA IANAO OLON’I KRISTY


Mitoetra ao aminao ny Fanahy Masina-midika izany fa ao aminao Kristy.
« Izao no ahafantarantsika fa mitœtra ao aminy isika, ary Izy ato amintsika, dia ny nanomezany antsika ny Fanahiny. » (1 Jaona 4:13)
 zanak'Andriamanitra
« Fa anjely iza no mba nilazany hoe: "Zanako Hianao, Izaho niteraka Anao androany"? (Sal.2.7). Ary koa: "Izaho ho Rainy, Ary Izy ho Zanako"? (2 Sam. 7.14.) » (Hebreo 1:5)
ary miankohoka eo anoloany ny anjely
« Ary raha mitondra ny Lahimatoa ho amin'izao fiainana izao indray, dia hoy Izy: "Ary aoka ny anjelin'Andriamanitra rehetra hiankohoka eo anoloany" (Sal. 97.7). » (Hebreo 1:6)
HAFA IANAO!
VAVAKA :RAY O ! HAMASINO NY TENAKO MBA HO MENDRIKA ITOERAN’NY FANAHINAO HATRANY !@ ANARAN’I JESOA KRISTY VELONA AVY ANY NAZARETA AMEN !!

HANJAKA TANTERAKA KRISTY


Ny tanjon'i Kristy ao anatinao dia ny hahatonga h@ ny fahavalony rehetra hiaiky ny fahalehibeazany
« Fa tsy maintsy manjaka Izy, mandra-panaony ny fahavalony rehetra ho eo ambanin'ny tongony . » (1 Korintiana 15:25)
maneke ho fitaovy fa tena hahomby ianao
« Dia nandroso ny tenin'Andriamanitra; ary nihamaro indrindra ny isan'ny mpianatra tany Jerosalema; ary maro be kosa ny mpisorona nanaiky ny finoana. » (Asan'ny Apostoly 6:7)
MINOA !

VAVAKA :RAY O ! TSY AMELANAY RAHA TSY HANJAKA TANTERAKA ETO @ FIRENENAY IANAO!@ ANARAN’I JESOSY KRISTY VELONA AVY ANY NAZARETA AMEN !