"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

FAHEFANA MIAVAKA NO ANANAN’NY OLON’I KRISTY ROA MIFANAIKY


Ry olon'i Kristy fantaro fa izay fehezinao ety an-tany no ho fehezin'ny any an-danitra,
 « Lazaiko aminareo marina tokoa: Na inona na inona fehezinareo ety ambonin'ny tany dia hofehezina any an-danitra; ary na inona na inona vahanareo ety ambonin'ny tany dia hovahana any an-danitra. » (Matio 18:18),
fa tokony hisy roa mifanaiky anefa aloha hifehy izany ,
« Ary lazaiko aminareo koa: Raha misy roa aminareo mifanaiky ety ambonin'ny tany na amin'inona na amin'inona ka hangataka izany, dia ho azony avy amin'ny Raiko Izay any an-danitra izany. » (Matio 18:19).
AMPIASAO FA TESTAMETA HO ANAO IZANY !

VAVAKA : RAY O ! MIDERA SY MANKALAZA ANAO FA AVELANAO HIARA HIASA AVY HATRANY @ FANJAKANAO ANY AN-DANITRA IZAY OLONAO 2 MIFANAIKY ! @ ANARAN’I JESOSY KRISTY VELONA AVY ANY NAZARETA !

ANKOHONANA VOATAHY NY ANKOHONANAO OLON’I KRISTY


Ny finoanao an'i Kristy dia antoky ny famonjena anao sy ny ankohonanao,
 « Minoa an'i Jesosy Tompo, dia hovonjena ianao sy ny ankohonanao. » (Asan'ny Apostoly 16:31),
ho voaporofo fa olona natsoin'ny Tompo handova ny teny fikasana ianareo,
 « fa ny teny fikasana dia ho anareo sy ny zanakareo ary ho an'izay rehetra lavitra, na iza na iza hantsoin'i Jehovah Andriamanitsika hanatona Azy. » (Asan'ny Apostoly 2:39).
FIKIRO DIA IAINO AVY HATRANY ARY IZANY E !
VAVAKA :RAY O ! SAMBATRA AHO FA NANTSOINAO HIVERINA AMINAO ! SAMBATRA AHO HIGOKA IREO TENY FIKASANA IZAY EFA MENDRIKA HO AHY SY NY ANKOHONAKO !@ ANARAN’I JESOA KRISTY VELONA AVY ANAY NAZARETA AMEN !

HIATRIKA FIAINAM-BAOVAO TANTERAKA IANAO OLON’I KRISTY



Izay tena mino an'i Kristy dia hahiratra ny masom-panahiny ka hanara-dia Azy manomboka eo ,
« Ary hoy Jesosy taminy: Mandehana ianao, ny finoanao no efa namonjy anao. Dia nahiratra niaraka tamin'izay ny masony, ka nanaraka an'i Jesosy teny an-dalana izy. » (Marka 10:52),
ary hiaiky fa avy Aminy ilay fanjakana avo indrindra ,
« Hotahina anie ny fanjakana izay avy, dia ny an'i Davida raintsika! Hosana any amin'ny avo indrindra. » (Marka 11:10).
MATOKIA ! SAMBATRA IANAO MANANA AZY !
VAVAKA : SAMBATRA AHO JESO O ! MANANA ANAO TOMPON’NY HERY !AMEN!

RESEO LAHATRA NY TOMPO



Ankalazao fa rehefa resy lahatra ny Tompo fa hiova ny olona na ny tanàna na ny firenena iray dia Izy no hanafaka sy hanala ny famaizana rehetra ,
« Ary rehefa hitan'Andriamanitra ny nataon'ireo ny amin'ny nialany tamin'ny lalan-dratsiny, dia nanenina Izy ny amin'ny loza izay nolazainy hamelezany azy, ka tsy nataony izany. » (Jona 3:10).

MATOKIA!

VAVAKA :  RAY O ! MIFONA AMINAO IZAHAY FA TSY MISY TANTERAKA NA DIA IRAY AZA ARY VONONA IZAHAY NY HIOVA KA HANAIKY HOTARIHINAO BE BE KOKOA HATRANY @ ANARAN’I JESOA KRISTY VELONA AVY ANY NAZARETA AMEN !


TSAROVY !


Misy toetra tsara ho fantatra:Soloina ny zavatra nindramina raha simba ,
« Ary raha misy olona mindran-javatra amin'ny namany, ka simba na maty izany, nefa tsy mba teo aminy ny tompon-javatra, dia hanonitra tokoa izy. » (Eksodosy 22:13),
rehefa samy ao @ Tompo dia afaka mifampindram-bola fa tsy misy zanany,
 « Raha mampisambo-bola ny oloko izay malahelo eo aminao ianao, dia tsy ho toy ny mpampanana vola aminy; fa tsy hampandoa zana-bola azy ianao. » (Eksodosy 22:24).
ALEO MIFAMPITSINJO RAHA MBOLA AZO ATAO !
VAVAKA : RAY O ! MISAOTRA ANAO MAMPATSIAHY IREO TOETRA TOKONY HIFAMPITONDRANAY OLONAO ARY AMPIO IZAHAY HANATANTERAKA IZANY @ ANARAN’I JESOA KRISTY VELONA AVY ANY NAZARETA AMEN !

IZAO ILAY FOTOANANAO OLON’I KRISTY


Voasoratra fa @ izany andro izany dia hihaino Aho,
 « Ary amin'izany andro izany dia hihaino Aho, hoy Jehovah, eny, hihaino ny lanitra Aho, ary izy kosa hihaino ny tany; » (Hosea 2:23),
ary ny tany koa hihaino ka hamokatra be,
 « Ary ny tany kosa hihaino ny vary sy ny ranom-boaloboka ary ny diloilo; .., » (Hosea 2:24a),
zonao olon'i Kristy no mahazo izany izao,
 « Fa izay rehetra mangataka no mahazo; ary izay mitady no mahita; ary izay mandondòna no hovohana. » (Matio 7:8).
MINOA !
VAVAKA : RAY O ! MINO AHO FA MIHAINO IANAO KA HAMPAHERY IREO TANTSAHA KA HAMPAMOKATRA NY TANINAY @ FOMBANAO @ ANARAN’I JESOSY KRISTY VELONA AVY ANY NAZARETA AMEN !